mardi 16 septembre 2014

IREO MPANAO FANAVAOZANA IZAY HITA AO ANATY BAIBOLY




 «Ny Soratra Masina dia manolotra  ho antsika mba ho ohatra alain-tahaka , dia ireo lehilehy maro izay nanana toetra voafehy araka ny sori-dàlana voalazan’I RAY , izay nanana fiainana mitondra fitahiana ho an’ireo manodidina azy , ary koa solon-tenan’i Tsitoha teto ambonin’ny tany . Isan’ireo olona  ireo i Josefa sy Daniela , izay olom-panjakana          mahery , Mosesy ilay mpanao lalàna hendry indrindra , Elisa , anankiray tamin’ireo mpanao fanavaozana izay nahatoky sy tsy nivadika , ary i Paoly , ilay mpampianatra tena malaza indrindra hita teto amin’izao tonolo izao , raha toa ka tsy lazaina Ilay anankiray izay niteny , ary tsy mbola nisy toa Azy hatrizay hatrizay . Education p 61             

LOZA BEVAVA NY FANOMPOAM-TSAMPY

1.- Inona ilay famaizana mafy izay nihatra tamin’ireo nampiala ny hafa tamin’ny fanompoana an’i Ray izay any an-danitra ? Inona no zavatra izay tsy azo atao mihintsy na oviana na oviana ? Deotoronomia 13 : 6-10
 
             «Ny fitarihana nomena tao amin’ny Deotoronomia izay natao hampianatra ny Israely dia tokony harahina hatramin’ny andro farany … Aza milefitra na oviana na oviana amin’ny foto-kevitra tanana mba hifanekena amin’ireo izay tsy matahotra ny Tompo . Maneha-doza goavana ireo Kristiana fatra-pitandrina ny fombam-pivavahana , raha mihevitra fa tokony hanao tahaka ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao izy mba hitaomany azy ireo . Raha ohatra ka heverina hahitan-tombotsoa aza anefa izany fomba izany , dia hiafara amin’ny faharendrehana ara-panahy mandrakariva …  Mpaminany sy Mpanjaka p 463

2.- Inona ilay fahotana izay tsy maintsy anaovan’ny Israely ara-panahy fiambenana ankehitriny , mba tsy hahatratra azy ireo ? Levitikosy 26 : 1

             «Nandidy ny olony ny Tsitoha mba tsy hiray petsapetsa amin’ny firenen-kafa , na hanao araka ny fanaony ka hanadino ny Rainy , satria naharikoriko Azy ny fanompoan-tsampy sy ny fahotana rehetra mpomba azy . Izany koa no antony nandrarany ny Zanak’Israely tsy hifanambady amin’ny mpanompo sampy .  Torak’izany koa no maha tena ilaina izany amin’ny olon’Avoindrindra ankehitriny , ny miala amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao , sy miaro ny tena tsy ho tratran’ny saina fatra-pandà ny marina sy ny hitsiny … Patriarika sy   Mpaminany p 379

3.- Moa ve azo heverina fa misy fanompoam-pivavahana hatao ho an’ny sampy eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Isaia 2 : 2 , 6-8 , 18 : Apokalypsy 9 : 20
 
            «… Mety tsy hanaja ny andriamanitry ny mpanompo sampy ny olona ankehitriny , kanefa dia mivavaka amin’i satana toy izay nataon’ny mpanjakan’ny Israely ihany ny olona anarivony . Manjaka eo amin’izao tontolo izao ny fanahin’ny fanompoan-tsampy na dia toa naka ny endrika faran’izay voadio noho ny hery miasa mangina avy amin’ny siansa aza , ary manodoka lavitra noho ny tamin’ny fotoana nanatonana ny andriamanitry ny Ekrona … Mpaminany sy Mpanjaka  p 171 , 172
              «…Izay ilaina amin’izao fotoana izao na tamin’ny fotoana lasa , dia fifohazana amin’ny tena fivavahana vokatry ny fo . Ny mibebaka no dingana voalohany tokony hataon’izay maniry hiverina amin’i Tsitoha . Tsy misy olona na iza na iza afaka hisolo toerana ny hafa amin’ny fanaovana izany . Tokony hanetry tena eo anantrehan’i Ray sy hahafoy ny sampintsika isika tsirairay avy . Raha vitantsika ny anjarantsika , dia haneho amintsika ny famonjeny ny Avoindrindra .  Patriarka sy Mpaminany p 625

IREO MPANAO FANAVAOZANA MIAVAKA MANOKANA                                                      

4.- Inona no antso nataon’i Mosesy ho an’ny Israely , rehefa tafalatsaka tao anatin’ny fihemorana ny vahoaka ? Eksodosy 32 : 26
 
              «Halan’ny Tompo ny tsy firaihana sy ny tsy fahatokiana aseho eo amin’ny fahasahiranana andalovan’ny asan-tànany … Ny fitahiana manokana omena ny olona miasa izay miantso amin’ny hery araka an’i Ray manao hoe : “Izay rehetra an’I Tsitoha mankanesa ety amiko” Eksodosy 32 : 26 . Tsy afa-po amin’ ny fanambarana izany teny izany ireo olona ireo , fa manery koa an’ireo izay te hiray hevitra amin’ny vahoakan’i Ray mba handroso tsy amim-pisalasalana , ka naneho mazava tsara ny firaiketam-pony amin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo . Mampifanaraka ny sitrapony sy ny fikasany amin’ny lalàn’i Tsitoha ny olona toy izany …  Mpaminany sy Mpanjaka p 117 , 118   

5.- Inona ilay fanampahan-kevitra izay nasain’i Elia noraisin’ny vahoaka ? Inona no fanandramana nandalovan’i Elia  ? I Mpanjaka 18 : 21-22

              «Toa hafahafa aok’izany ny mahita an’i Elia manisa an’ireo olona mahatoky tao amin’ny israely teo amin’ny fotoana izay hiharan’ny fitsaran’i Ray indrindra tamin’ny firenena nihemotra . Tsy nahita olona azo nisaina afatsy anankiray monja anefa izy , izay niandany tamin’I Tsitoha . koa raha hoy izy hoe :“Izaho dia izaho irery ihany no sisa , nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy”, dia hoy ny navalin’i Ray azy :“Hamela fito arivo ao amin’ny Israely aho , dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’i bala”                        I Mpanjaka 19 , 14 , 18 ; ary gaga tokoa ilay mpaminany tamin’izany …  Mpaminany sy Mpanjaka p 154 , 155
             «Nandritra ny taona maro nisian’ny hain-tany sy ny mosary , nivavaka mafy i Elia mba hialan’ny Israely tamin’ny fanompoan-tsampy ka hiverenany amin’Ray velona . Ary raha mbola nitambesatra tamin’ny tany ny tanan’ny Tompo dia efa tsindriandaona ilay mpaminany teo am-piandrasana izany fiovana izany . Nahatsiaro fangirifiriana mafy izy teo am-pieritreretana ny fijaliana sy ny fahatran’ny mpiray tanindrazana aminy , ka niriany fatratra ny hahavita faingana ny fanavaozana teo amin’ny mpanompo sampy … Mpaminany sy Mpanjaka p 106 
              «Tamin’ny finoana ny tenin’i Tsitoha no nampisy ny fanavaozana tamin’ny andron’i Elia sy Josia Mpaminany sy Mpanjaka p 380

6.- Fomba ahoana no nitarihan’i Asa mpanjaka ny fanavaozana ? Dia i Asa izay nahatoky sy tsy nivadika ? II tantara 14 : 5 ; 15 : 1-2


           «Rehefa nahazo hery be dia be tamin’izany teny izany i Asa , dia nanomboka haingana ny fanavaozana faharoa teo amin’ny fanjakan’i Joda taorian’izay . Niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany havoan’i Efraima , sady nanavao ny alitaran’i Tsitoha izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’i Ray … Mpaminany sy Mpanjaka p 90

7.- Nahoana moa ny Israely tranainy no lasa babo nandritra ny fitopolo taona ? Jeremia        17 : 27 ; 25 : 11 ; Deotoronomia 4 : 25-28

              «Nampahafantatra ny loza hateraky ny fialana amin’ny fitsipik’i Tsitoha i Mosesy . Raha niantso ny tany sy ny lanitra ho vavolombelona izy , dia nanambara fa raha tahiany ka manampy fombam-pivavahana amin’ny sampy amin’ny fanompoam-pivavahana fanao Amini Ray ny vahoaka rehefa tafapetraka elaela eo amin’ny tany nampanantenaina , ary miakohoka amin’ny sarinjavatra voasokitra , ka manda ny hiverina amin’Tsitoha marina , dia hirehitra amin’ny Israely ny fahatezeran’i Ray , ary ho entiny ho babo sy haely any amin’ny mpanompo sampy izy … Mpaminany sy Mpanjaka p 247

IREO MPANAO FANAVAOZANA TEO ANIVON’ILAY SISA TAMIN’NY ISRAELY

8.- Taorian’ny fiverenan’izy ireo tamin’ny fahababoana , iza no nitarika ho amin’ny fanavaozana feno ? Fomba ahoana no nanatanterahana an’io fanavaozana io ? Ezra 7 : 10
 
    “… Ary ny ankamaroan’ireo izay nanota dia voatohina mafy tamin’izany” . “Nitomany mafy dia mafy tokoa ny olona” Ezra 10 : 1 . Nanomboka nahatsiaro nankahala ny ota ireo olona tsy nahatoky , ary nahafantatra fa nahatsiravina ny Tompo ireny . Tsapany ny fahamasinan’ny lalàna tao Sinay ary betsaka no nangovitra raha nieritreritra ny fandikany izany . Izany no fiandohan’ilay fanavaozana mahagaga . Tamim-pahendrena fatratra sy tamim-paharetana ary tamim-panajana aok’izany ny zo aman-tombontsoa nanan’ny olona tsirairay niombon-kevitra taminy , no niezahan’i Ezra sy ireo mpiara-miasa taminy hamerina indray izay nibebaka ho eo amin’ny lalàna marina … Mpaminany sy Mpanjaka p 508

9.- Ankoatran’i Ezra , iza ihany koa ilay mpanao fanavaozana izay voaporofo fa nahatoky sy tsy nivadika taorianan’ny fivenana avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ? Inona no antony nanaovana io fanavaozana io ? Nehemia 1 : 6-11 ; 4 : 16 ; 9 : 1-2
 
             «Eo amin’ny fanavaozana tokony hatao amin’izao androntsika izao , dia ilaina ny lehilahy toa an-dry Ezra sy ry Nehemia izay tsy hanalefaka na hanaron-tsarona ny fahotana , dia lehilahy tsy hitsoaka ady eo amin’ny fiarovana ny voninahitry ny Ray . Tsy hanala tsiny ny ratsy ireo misahana izany andraikitra izany , ary tsy hanarona azy amin’ny kapaotin’ny fanaovantsoa sandoka . Ho fantatr’izy ireo fa tsy mizaha tavan’olona ny Avoindrindra , ary ny tsy fanekena lembenana aseho amin’ireo olona vitsivitsy sasany dia porofon’ny famindram-po hatao ho an’ny maro Mpaminany sy Mpanjaka p 551

NY SAINA ANANAN’IREO TENA MPANAO FANAVAOZANA MARINA

10.- Inona no saina asehon’ireo rehetra izay tena mpanao fanavaozana marina ? Ahoana ny fomba tokana izay mety hampisy an’izany ?  Filipiana 2 : 5-8 , 15 ; 4 : 8-9                                                          
 
            «Ireo mpanao fanavaozana dia tsy ho mpandrodana ny fahamarinana . Tsy mikatsaka mihintsy na oviana na oviana ny hanisy ratsy an’ireo izay tsy manaiky ny fomba fijeriny .  Mandroso hatrany hatrany ary tsy miverin-dàlana mihintsy na oviana na oviana , ary sahy , mahery fo , tsy mangovitra , tsy azo atodi-doha , kanefa tsy azo atao ny manova an’io toetra mahery fo io ho tonga toe-tsaina manjakazaka mampanaraka ambokony ny olona . Ny Ray dia maniry ny hahatonga ny olona rehetra izay manompo azy ho olona mafy tahaka ny vatolampy eo amin’ny toerana misy fitsipika izay tsy maintsy arahina , kanefa miaraka amin’ny fitazomana ny fahasoavana sy ny halemem-panahy izay nanamarika an’i Kristy … Ny saina henjana  izay vonona mandrakariva  ny hanameloka , dia tsy famantarana ny fananana herim-mpo lehibe mba hanatanteraka an’ireo fanavaozana izay takiana ho amin’izao vanim-potoana misy antsika izao. Témoignage pour L’eglise vol 2 p 495

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire