mardi 16 septembre 2014

IREO FANAVAOZANA TEO AMIN’NY FANISAN-TAONA KRISTIANA



   « Mandritra ny fanenjehana mafy indrindra , dia nitana ny finoany tsy ho voaloto ireo vavolombelona ho an’I Kristy ireo. Na dia tsy nanana izay nampiadana aza izy, ary tsy nahita ny fahazavan’ny masoandro tao an-kibon’ny tany maizina izay nampiatrano azy tsara, dia tsy nitaraina na dia kely akory aza. Nifampahery tamin’ny teny feno finoana, faharetana sy fanantenana izy mba hiaritra tsy fisiana sy fahoriana. Ny fahaverezan’ny tombon-tsoa teto an-tany, dia tsy afaka nanery azy hiala amin’ny finoany an’I Kristy. Ny fitsapana sy ny fanenjehana dia tsy inona fa dingana nitondra azy akaiky kokoa ny fitsaharana sy ny famalian-tsoa azy. Hery Mifanandrina pp. 41

AMBANGOVANGONY MIKASIKA AN’ILAY FIHEMORANA

1.- Araka ilay fanambarana mialoha nataon’ I Paoly, inona no hiseho ao anatin’ilay fiangonana kristiana voalohany? Asa 20: 29,30 ; 2 Tesaloniana 2: 3,7

           «Maro ny Mpianatra efa “ nandray anjara sahady tamin’ny fahorian’ny Mpamonjy”, ary tsy ela akory dia tsy maintsy hanolotra ny ainy noho ny filazantsara  ireo izay efa voatondro ho mpampianatra sy filoha tao amin’ny fiangonana. Tsy ela akory dia hisy ambodia masiaka hiditra ao am-bala, ka tsy hiantra ny ondry. Tsy nitondra hakiviana tamin’izay nametraka ny fanantenany tao amin’i Kristy anefa izany  ho avy manjombona izany. Vavolombelona Mahery. P.464
              «Rehefa voaloto ny fiangonana voalohany noho ny nialany tamin’ny fahadiovan’ny filazantsara sy noho ny nanekeny ireo fomba amam-panao jentilisa, dia veriny ny Fanahy sy ny herin’ i Tsitoha ; ary mba ahazoany mifehy ny feon’ny fieritreretan’ny vahoaka dia nitady tohana avy amin’ny fahefana ara-politika izy. Ny vokatr’izany dia ny fahefana papaly, no fiangonana izay nifehy ny fahefam-panjakana ary nampiasa izany ho fanatanterahana ny zava-kendreny, indrindra tamin’ny famaizana ny “ Herezia”….
Ny fihemorana no nitarika ny fiangonana voalohany hitady ny fanampian’ny fitondram-panjakana, ary izany no namboa-dalàna ho amin’ny fahefana papaly – dia ny bibidia izany. Hery Mifanandrina pp. 456,457

2.- Inona no nitarika ho amin’io fihemorana io? Fomba ahoana no azo ampiharana an’ izany eo amin’ny Ekiminisma izay nihanaka manerana izao tontolo  izao? Ahoana ny fipetraky ny fahamarinana ankehitriny manoloana an’ io Ekiminisma io? Apokalypsy 2:2
 
             «Notarihina ny mpanompo sampy handray faritra iray amin’ny finoana kristiana, nefa niaraka tamin’ io dia nolavina ny fahamarinana hafa tena ilaina. Milaza ho manaiky an’I Jesoa ho Zanaky ny Avoindrindra izy sy mino ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty, nefa tsy voatsindrona tao am-pony ny amin’ny fahotany izy ary tsy nahatsapa fa mila fibebahana na fiovam-po. Noleferiny ny zavatra sasany, dia nangatahina koa ny kristiana mba handefitra amin’ny zavatra sasany, mba hahazoan’izy rehetra miray eo amin’ny sehatra momba an’I Kristy. Tataovan-doza mampatahotra izao ny fiangonana. Fitahiana ny fonja, sy ny fampijaliana, ny afo sy ny sabatra raha ampitahaina amin’izany. Nisy kristiana nijoro tsy azo nohozongozonina nilaza fa tsy azony atao ny mandefitra amin’ny fahamarinana. Nony farany dia nanaiky ny hampidina ny fanevany ny ankabeazan’ny Kristiana, ka nisy firaisana ny fivavahana kristiana sy ny fanompoan-tsampy. Hery Mifanandrina pp. 42,43

ILAINA NY FISARAHANA

3.- Tao anatin’ilay fiangonana kristiana voalohany sy nandritra ny taona antenantenany, inona no fanapahan-kevitra noraisin’ ireo olona nahatoky izay tena vitsy tokoa Romana 16: 17 ; II Koritiana 6:17
 
            «Taorian’ny fifandirana anakiray izay tena lava sy feno fifanarabiana , ireo kristiana sasantsasany izay nitoetra mahatoky dia nanapa-kevitra ny hisaraka tamin’ilay Fiangonana nihemotra sy mpanompo sampy. Izy ireo dia tonga saina fa, raha ohatra tian’izy ireo ny hanaiky ho fehezin’ny sitrapon’i Ray dia zavatra tsy maintsy ilaina ny fisarahana. Raha ohatra ka ny firaisana dia azo amin’ny alalan’ny fitsipahana ny fahamarinana sy ny  rariny, dia naleon’izy ireo ny fisarahana na dia  ady mihitsy aza izany. La Tragédie des Siècles, p. 45.
               «Amin’ izao fotoana izao , dia tsy maintsy ilaina ny fahamalinana lehibe… Aoka isika hitandrina tsara an ‘ilay hafatra manao hoe : “mananatra anareo aho ry rahalahy mba hitandremanareo tsara manoloana an’ ireo izay mahatonga fisaratsarahana sy fanafintohinana, izay tsy mifanaraka mihitsy amin’ny fampianarana noraisinareo. Alaviro ireny olona ireny. Satria ny olona toy izany dia olona tsy manompo an’ I Kristy, Ilay Tompontsika, izy ireny dia manao fandokafana mba hamitaka ny fon’ ireo olona izay tsy mijoro tsara” Testimonies for the Church, vol8, p.167

4.- Inona no nasehon’ ilay faminaniana mikasika ny fiangonana tany an’ efitra? Inona no fantatra mikasika an’ ireo mpanao fanavaozana tamin’ io fotoana io? Apokalypsy 12 : 6
 
          «Nefa ny Vaudois no nijoro indrindra tamin’ ireo izay niaritra ny fanitsakitsahana nataon’ ny fahefana papaly…. Nitana ny fahaleovantenany nandritra ny taonjato maro ireo fiangonana tany Piémont; nefa tamin’ny farany dia tonga ny fotoana izay nanizingizinan’ I Roma ny tsy maintsy hileferany ….. Tao anefa ireo izany nandà tsy hilefitra amin’ny fahefan’ ny papa na amin'ireo mpitondra ambony. Nanapa-kevitra ny hitana ny fankatoavany an’ i Tsitoha izy sy ny hitandrina ny fahadiovana sy ny fahatsoran’ny finoany. Nisy ny fisaharana. Niala izao ireo izay nifikitra tamin’ny finoana marina…” Hery Mifanandrina pp. 64

IREO LEHILAHY FENO HERY SY NY FANAHY MASINA

5.- Araka ny faminaniana iza no hitsangana ho mpampianatra olona maro? Mpanao fanavaozana lehibe iza no teraka tao Angleterre tamin’ny taonjato faha-efatra ambiny folo? Inona no azo lazaina mikasika an’ io tara-pahazavana io? Daniela 11: 33,34

         «Tamin’ny taonjato fahefatra ambin’ ny folo no teraka tany Angleterre I Jean Wiclef “ ilay kintan’ny marainan’ny Fanavaozana ara-pivavahana”. Izy no mpialoha lalana ny fanavaozana, tsy ho an’ i Angleterre fotsiny, fa ho an’ny fiangonana kristiana manontolo. Ny fanoherana mafy indrindra an’I Roma izay navela nambarany nanokatra ny ady izay niafara tamin’ny fanafahana ny isam-batan’olona, ny fiangonana sy ny firenena. Hery Mifanandrina pp. 80

6.- Iza ihany koa ireo mpanao fanavaozana mahery fo hafa izay lazain’ny tantara tamin’ny fotoan’andron’ny taona Antenantenany? Manavao fitanisana an’ ireo zavatra izay nataon’ izy ireo? Daniela 12:3

             «Nisy mpanompo mahay izay nijoro hiaro ny finoana. Voarakitra ao amin’ny tantara ny fahasahiana sy ny herimpon’ireny olona ireny... ireo Vaudois, Wiclef, Huss su Jerôme, Lotera sy Zwinglr, Grammer, Latimer sy Knox, ireo Huguenots, Jean sy Charles Wesley, ary ny vahoaka maro hafa koa  dia samy nitondra ny anjara-birikiny izay haharitra mandrakizay Vavolombelona mahery p. 534

7.- Inona ilay teny fikasana izay nihatra tamin’I Huss sy Jeroma tamin’ny maha mpanao fanavaozana teo amin’ny vanim-potoana tena sarotra indrindra azy ireo? Apokalypsy 2: 10
 
          «Hatreo amin’io fotoana io, i Huss dia niasa irery. Fa i Jerome kosa, nandritra ny fotoana nijanonany tao Angleterre, dia nandray an’ireo fampianaran’i Wicleff, dia nandray anjara tamin’ilay asa fanaovana fanavaozana....
« Ny Ray dia mampiramirapiratra fahazavana lehibe tao anatin’ny sain’ireo olona voafidy ireo...
          «Niaraka tamin’ny hasahiana izay mitombo hatrany hatrany i Huss dia nasiaka nanohitra an’ ireo fahavetavetana izay noleferina tamin’ny anaran’ny fivavahana, ary ny vahoaka rehefa nitodika nanaraka an’io fihevitr’i Huss io, dia niampanga am-pahibemaso an’ireo mpitarika Romana ho fototra nahatonga ireo fijaliana izay mahatrotraka ny fivavahana kristiana.  Grand Conflit, pp. 99, 100

MIELY NY FAHAZAVAN’ NY FANAVAOZANA

8.- Inona ilay fahamarinana lehibe izay nahatonga an’I Martin Luther niditra tamin-kasahiana misismisy kokoa tao anatin’ilay asa nataony mba hanatanterahany ny fanavaozana? Inona no nataony? Efesiana 1:7 ; Kolosiana 1: 14
 
           «Io asam-barotra feno fahavetavetana io dia nentina tao amin’ilay fiangonana tao an-toerana, izay nanambaran’i Teztzel teo ambony polipitra, sady nirehareha mihitsy izy tao anatin’io fanambarany io fa ireo “ taratasy fanamarinana fa mahazo famelan-keloka” ( Indulgence) izay omeny, dia fanomezana tena sarobidy indrindra avy any an-danitra. Ary nambarany mahitsy fa amin’ny alalan’ireo “taratasy fanamarinana fa mahazo famelan-keloka” ireo, ny fahotana rehetra izay irin’ny ilay mpifidy an’io taratasy fanamarinana io, hatao amin’ny ho avy dia afaka ny ho voavela, ary tsy ilaina akory ny fibebahana. Le Grand Conflit, p 122
            «Mbola nanohy ny varotra nataony sy ny fihamboany tsy marina ihany I Teztzel koa dia nanapa-kevitra I Lotera fa hanohitra ireo fanao tsy mety mihoam-pampana ireo amin’ny fomba mandaitra kokoa. Tsy ela dia nisy toe-javatra azony nohararaotina…. Ny andro mialoha io I Lotera dia niaraka tamin’ny vahoaka izay efa teny an-dalana ho any amin’ny fiangonana, ary nametraka taratasy teo am-baravarana izay nisy tolon-kevitra dimy amby sivifolo nanohitra ny fampianarana momba ny “ indolzansy”  Hery Mifanandrina pp. 130

9.- Inona ilay fanambarana feno fasahiana nataon’ I Lotera rehefa izy nijoro teo anatrehan’ny amperora mba ho tsaraina? Salamo 40: 10 ;

            «Noho izany raha tsy resy lahatry  ny teny vavolombelona mazava indrindra, raha tsy voatarika amin’ny alalan’ ireo toko sy andininy noraisiko aho, ka amin’ izay dia voafatotry ny tenin’ i Tsitoha ny feon’ny fieritreretako, dia tsy afaka hiaiky fa diso aho ary tsy hiaiky fa diso, satria tsy mety amin’ny kristiana ny miteny manohitra ny feon’ny fieritreretany. Mijoro amin’izany aho, ary tsy afaka hanao zavatra hafa; ny Tsitoha anie hanampy ahy. Amena” Ibid, boky 7, toko 8 . Hery Mifanandrina pp. 162

10.- Saika inona mandrakariva no nanjo an’ ireo tena mpanao fanavaozana marina sy ireo zanaky ny Ray Hebreo 11: 36-40
 
            «Nivoaka avy tamin’ny toerana tsizarizary, maloto sy mamofona, ireo mpandova an’ i Avoindrindra, avy tamin’ny tranomaizina, avy tamin’ny lampihazo fanapahan-doha, avy tany an-tendrombohitra sy efitra mangadihady, avy tao anaty zohy sy ny lavaka tsy hitanoanoan’ny ranomasina. Raha teto an-tany izy dia “lao, ory, fadiranovana”. An-tapitrisany no nidina tany am-pasana novesarana fahafaham-baraka satria nijoro tsy azo nohozongozonina tamin’ny fandavana ny teny fitaka nataon’ i satana. Nomelohin’ny fitsaran’olombelona ho mpanao heloka bevava mahatsiravina indrindra izy. Ankehitriny kosa anefa dia “ ny Tsitoha no Mpitsara” Salamo 50 : 6 . Mitsimbadika ankehitriny ny fanapahan-kevitry ny tany.” Hery Mifanandrina pp. 676
          «Teo amin’ny fotoana rehetra, ireo mpitondra hafatra nofidin’ i Ray dia natao tsinontsinona sy nenjehina; kanefa ilay fahoriana izay nahazo azy ireo dia nanampy nampiely ny fahalalana an’ i Tsitoha. Ny mpianatr’i Kristy tsirairay dia tsy maintsy miditra an-daharana ka manatanteraka an’ io asa io, ao anatin’ny fahafantarana fa ireo fahavalony dia tsy afaka manao na inona hanoherana ny fahamarinana , fa kosa ny zavatra rehetra ataon’ireo fahavalo ireo dia ho tonga fanampiana ho an’ io fahamarinana io. Ny Avoindrindra dia maniry ny hampiharihary an’ io fahamarinana io, maniry Izy ny fandinihana sy ho resahina amin’ny hafa izy io mba hifanakalozan-kevitra na dia eo aza ny fanaovana tsinotsinona izay amelezana an’ io fahamarinana io. Tsy maintsy hetsehina ny sain’ ny olona. Ny ezaka rehetra izay atao mba hametra ny fahafahan’ny olona hanana ny feon’ny fieritreretany dia fitaovana ampiasain’i Tsitoha mba hampifoha ny sain’ny olona izay ho natory, raha ohatra ka tsy misy io hetsika ataon’ i Ray io.” Une vie meilleure. p 47

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire