vendredi 27 juin 2014

NY TOMBO-KASEN'ILAY ANDRIAMANITRA VELONA



“Ary hoy Jehovah taminy : Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny andrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao aminy.” Ezekiela 9 : 4

NY TOMBO-KASEN’ ANDRIAMANITRA

1-Inona ilay teny fikasana ao anaty Baiboly izay omena antoka ho an’ ireo izay manaiky an’ I Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana? Efesiana 1: 13; 4: 30;.2 Korintiana 1: 22.
 
“Isika dia afaka miresaka momba ireo fitahiana avy amin’ ny Fanahy Masina, kanefa, raha toa isika ka tsy miomana mba handray an’ io Fanahy masina io, inona moa no mba lanjan’ ireo asa ataontsika? Moa ve isika manao ny ezaka amin’ ny herintsika manontolo, mba ho tonga lehilahy sy vehivavy mahatratra ny ohatr’ I Kristy? Moa ve isika mitady ny fahafenoan’ I Kristy amin’ ny alàlan’ ny fandrosoantsika mandrakariva mankeo amin’ ilay tanjona izay napetraka eo anoloantsika, dia ny fananana toetra lavorary? Rehefa mahatratra io tanjona io ny vahoakan’ Andriamanitra dia hapetaka ao amin’ny handriny ny tombo- kase. Rehefa feno ny Fanahy izy, dia  ho tanteraka sy feno ao amin’ I Kristy, ary ilay anjely izay mandray an- tsoratra izany dia hanambara manao hoe: ‘ Vita ny zavatra rehetra’ (RH 10/06/1902)” . Commentaires bibliques, p. 322

NY FITANDREMANA NY SABATA: ILAY FAMANTARAN’ ANDRIAMANITRA

2-Inona no didy misy ilay tombo- kasen’ Andriamanitra? Eksodosy 20: 8- 11; 31: 13.


3-Raha toa isika  mandray ilay famantaran’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ny fitandremana ny Sabata sy ny fitahiana ara- panahy avy amin’ izany, ahoana no iheverantsika ireo didy hafa? Isaia 8: 16; Jakoba 2: 10, 11.

“Amin’ izany fomba izany no niraisany amin’ ireo rehetra izay te hanatona Azy, amin’ ny alàlan’ ny fandefasany tsiokam- pahasoavana vaovao ho azy ireo. Dia apetany amin’ izy ireo ny tombo-kaseny, izay famantarana ny fahatokiana sy fankatoavana ny sabata masiny. (Manusrit 104, 28 septembre 1887) - Levez vos yeux en haut. P.277”.
“ Ny famantarana fa mankatoa izy, dia ny fitandremany ny sabatan’ ny didy fahefatra. Raha toa ka mitandrina ny didy fahefatra ny olona, dia mitandrina ireo didy hafa rehetra.(Lettre 31, 1898)” - Commentaires bibliques, p.409.
« … Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalàm-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin’ ny fahefana manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ ny toetra mahatoky amin’ ny Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana amin’ ny fileferana amin’ ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny bibidia, ny anankiray kosa izay mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ ny fahefan’ Andriamanitra, dia nandray ny tombo-kasen’ Andriamanitra. » Hery mifanandrina, p. 631

NY TOMBO-KASE SY NY TOETRA

4-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ny tombo-kasen’ Andriamanitra sy ny toetran’ ny olona anakiray? Matio 5: 48

“ Ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona dia apetaka amin’ ireo izay manana toetra manahaka ny an’ I Kristy ihany.( 7 BC 970, 1895)” Evènements des derniers jours, p.222
“ Tahaka ny savoka mandray ny mariky ny fitomboka, dia toy izany ihany koa ny fanahintsika, dia tsy maintsy mandray ny mariky ny Fanahin’ Andriamanitra ary mitana ny endrik’ I Kristy.” Messages choisis, vol.1, p.395
“ Ny tena vahoakan’ Andriamanitra marina dia tsy maintsy manana fahatsapana mahiratra tsara ny amin’ ny fahadisoana izay mbola ao anatin’ izy ireo ao, indrindra indrindra eo amin’ ireo ora faran’ ny tantaran’ ny fiangonana, amin’ ny fotoana izay hahavitan’ ny fametahana tombo-kase amin’ ireo 144.000, izay tsy maintsy hijoro tsy manan-tsiny eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.” Témoignages pour l’ église, vol 1, p. 385

5-Fomba ahoana no hahatonga ny olona ho voaomana handray ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona? Apokalypsy 14 : 4b, 5 ; II Korintiana 6 : 17
 
“Ankehitriny izao no fotoana izay anaovana ny fiomanana. Ny tombo-kasen’ Andriamanitra dia tsy hapetaka mihitsy eo amin’ ny handrin’ ny tsy madio, amin’ ny handrin’ ny mpizahozaho sy izay tia izao tontolo izao. Tsy hapetaka na oviana na oviana eo amin’ ny handrin’ ny lehilahy sy vehivavy izay manana molotra maloto sy miteny zavatra tsy marina ary fo mpamitaka. Noho izany, ireo rehetra izay handray io tombo-kase io dia tsy maintsy eo anatrehan’ Andriamanitra, izany hoe voatokana ho any an-danitra. Aoka ianareo hanadio ny tenanareo ranadahy sy rahavaviko! Amin’ izao fotoana izao dia teny fohy ihany no voasoratro ho anareo mikasika ireo zavatra ireo, ary ny hany zavatra hisarihako ny sainareo, dia ny tsy maintsy hilanareo ny fiomanana. Aoka hianareo handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenanareo manokana mba hahatonga anareo ho afaka hahafantatra tsara fa ny fotoana izay iainantsika ankehitriny dia tena mampangitakitaka.” Témoignages pour l’ église, vol 2, p 79
“Ny fahefana ambony dia ambony ananan’ ny Fanahy Masina, dia manatanteraka fiovana feno eo amin’ ny toetran’ olombelona, ho tonga olona vaovao voaforona ao amin’ I Kristy. Rehefa feno ny Fanahy Masina ny olona iray dia arakaraka ny hamafin’ ny fizahan-toetra atao aminy sy handinihana azy, no hanehoany mazava tsara fa solon-tenan’ I kristy izy. Ilay fiadanana izay mitoetra ao anatin’ ny fanahy dia hita eo amin’ ny endrika. Ireo teny aloaky ny vavany sy ireo asa ataony dia maneho ny fitiavan’ ny Mpamonjy. Tsy misy ady azo atao mba hahatrarana ireo toerana ambony. Izany olona izany dia mitsipaka ny izaho. Ny anaran’ I Jesosy dia voasoratra eo amin’ ny zavatra rehetra lazainy sy ataony. (RH 10/06/1902) Commentaires bibliques, p. 322

144.000 IREO OLONA VOAISY TOMBO-KASE

6-Firy ireo olona izay ho voaisy tombo-kase eo amin’ ny Isiraely? Ny Isiraely ara- nofo sa ny Isiraely ara-panahy no ambaran’izany? Apok. 7 : 4 ; Rom. 8 : 28 ; 9 : 6-8



7-Iza avy no mandrafitra ilay antsoina hoe Isiraely ara-panahy ankehitriny? Inona avy ireo toetoetran’ Izy ireo? Ezekiela 20 : 12, 20 ; Eksodosy 31 : 13
 
“Hitako fa ny sabata masina no ilay rindrina mampisaraka ny tena Isiraelin’ Andriamanitra marina sy ireo tsy mpino, ary mbola ho izany ihany amin’ ny ho avy, ary hitako ihany koa fa ny sabata no ilay fahamarinana lehibe hampiray ny fon’ ireo zanak’ Andriamanitra.” Premiers écrits, p 33
“Mivavaka amin’ ny Tompo aho mba hahatonga ireo rahalahiko hahafantatra tsara, fa ny hafatra faha-telo dia mirakitra hevitra lehibe tokoa ho antsika, ary koa ny fitandremana ilay tena andro fitsaharana marina no tsy maintsy ho ilay mampiavaka ireo izay manompo an’ Andriamanitra amin’ ireo izay tsy manompo Azy.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 3 p 148

8-Ahoana no fomba hanovana ny fiainan’ ireo izay mitandrina ny sabata masina? Moa ve ny famantaran’ Andriamanitra dia hitan’ny mason’ olombelona? Ezekiela 20 : 12
 Ho an’ireo izay mitandrina ny sabata, izy io dia famantarana ny fahamasinana. Raha tena voamasina marina izy ireo, dia miditra ao anatin’ ny firindrana amin’ Andriamanitra, ny toetran’ izy ireo dia mitovy amin’ ny toetran’ Andriamanitra. Ny fahamasinana dia omena amin’ ny alàlan’ ny fanekena ho fehezin’ ireo fitsipika izay maneho ny toetran’ Andriamanitra. Noho izany, ny sabata dia famantarana fa mpankatoa ilay olona. Ny olona iray izay mitandrina amin’ ny fony manontolo ny didy fahefetra dia hankatoa ny lalàna rehetra. Izany olona izany dia ho voamasin’ ny fankatoavana.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 3, pp 16, 17
“Inona moa ilay tombo-kasen’ Andriamanitra velona izay apetaka eo amin’ ny handrin’  ny vahoakany? Io tombo-kase io dia famantarana anankiray izay hain’ ireo anjely vakiana, fa kosa tsy hain’ ny olombelona vakiana, satria tsy maintsy haseho ho hitan’ ilay anjely mpandainga io famantarana ho amin’ ny fanavotana io. (Lettre 126, 1898)” Commentaires bibliques, p 159
  
AVERINA  IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ny tombo-kasen’ ny Fanahy masina sy ny an’ Andriamanitra velona?
-Inona no porofo miharihary ho an’ny finoana, fa ny sabata no ilay tombo-kasen’ Andriamanitra velona?
-Inona no fiomanana tsy maintsy atao mba hahatonga ny fandraisana io tombo-kasen’Andriamanitra io ho zavatra azo heverina?

ILAY ANJELY MPAMETAKA TOMBON-KASE



“Ary hitako fa indro nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery hoe: …” Apokalypsy 7 : 2

ILAY ANJELY MIHAZONA NY FANOMBOHAN-KASE

1-Inona no hitan’ I Jaona apostoly niakatra tandrify ny masoandro miposaka? Inona no hafatra nambaran’ io anjely tamin’ny teny mafy? Apokalypsy 7 : 2, 3


Apok 7:2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Ny Avo-indrindra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
  

2-Moa ve ny teny hoe “fiposahan’ ny masoandro” manondro fizotra iray sa toetra iray voafaritra manokana? Ampitahao izany amin’ ny hoe ireo varavarana rehetra ao amin’ ny fitoerana masina dia mitodika miantsinanana? Apokalypsy 7 : 2 ; Jaona 10 : 9

“Taorian’ izany ilay anjely izay niaraka tamiko dia nitarika ahy indray nankao amin’ ilay tanàna izay nahitako anjely efatra izay nanidina nankeo amin’ ny varavarana…

“Hitako fa ireo anjely efatra dia niomana hanatanteraka ilay asa izay nasaina mba ho tanterahin’ izy ireo eto ambonin’ ny tany. Nitafy ireo fitafiana maha-mpisoronabe Azy Jesosy. Nijery tamim-pangorahana ireo olom-boafidy (ny sisa izay nahatoky tsy nivadika) Izy, nanandratra ny tànany, ary niteny mafy tamin’ ny feo feno fihetseham-po asesiky ny fitiavana nanao hoe : “Ny rako Ray o! ny rako, ny rako, ny rako !” Rehefa izany dia hitako fa nisy fahazavana mamirapiratra avy tamin’ Andriamanitra izay nitoetra teo ambonin’ ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ary nanodidina an’ I Jesosy io fahazavana io. Rehefa afaka izany dia nahita anjely iray aho, izay nanankinan’ I Jesosy iraka iray, dia nanidina faingana nankeo amin’ ireo anjely hafa izay tsy maintsy hanao asa eto ambonin’ ny tany izy, ary nahofahofany ambony ambany ny zavatra izay teo an-tànany, dia nihiaka tamin’ ny feo mafy izy nanao hoe : “hazony aloha, hazony aloha, hazony aloha, hazony ireo rivotra efatra ambara-panisy tombo-kase ny handrin’ireo mpanompon’ Andriamanitra.” Premiers écrits, pp. 37, 38

3-Solon-tenan’ iza moa ilay anjely izay avy amin’ ny fiposahan’ ny masoandro sady manana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra? Apokalypsy 7 : 2 ; 14 : 9
 
“Hoy ny mpaminany : nahita anjely efatra nijoro teo amin’ ny vazan-tany efatra aho; izy ireo dia nihazona ireo rivotra efatry ny tany mba tsy hitsoka eto ambonin’ ny tany na amin’ ireo hazo. Ary hitako fa indro nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra ; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe : aza manimba ny tany, na ny ranomasina na ny hazo mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika. Ireo teny ireo dia maneho miharihary ny zavatra izay tsy maintsy ataontsika ankehitriny, dia ny hiantsoantsika an’ Andriamanitra ka mangataka Aminy, mba hahatonga ireo anjeliny hihazona ny rivotra efatra, ambara-pahisy misionera maro alefa hiasa any amin’ ny tany rehetra  eto amin’ izao tontolo izao, mba hanambara ireo fampitandremana avy amin’ Andriamanitra mikasika ny tsy fankatoavan-dalàna. (RH supplément, 11 décembre 1888)” Evènements des derniers jours, p 129
“Ilay anjely fahatelo izay nanidina teo afovoan’ ny lanitra sady nanana ireo didin’ Andriamanitra sy ny fanambaran’ I Jesosy, dia maneho ny asantsika. Tsy nihen-danja mihitsy ilay hafatra nandritra ny fotoana nitondran’ ilay anjely azy io, nanidina haingana, satria hitan’ I Jaona fa nitombo hery ilay izy ambara-pahatongan’ ny tany rehetra ho voazavan’ ny voninahiny. Ny firosoan’ ny vahoaka izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia mitohy tsy an-kijanona. Ny hafatry ny fahamarinana izay ambarantsika dia tsy maintsy entina any amin’ ny firenena rehetra, fiteny rehetra, sy vahoaka rehetra. Tsy ho ela dia ho re ilay hiaka lehibe, ka dia hohazavain’ ny voninahitr’ Andriamanitra ny tany.

“Moa ve isika mba miomana ny handray an’ izany firotsahana lehiben’ ny fanahin’ Andriamanitra izany?” Témoignages pour l’ église vol. 2 p 200
“Ilay anjely fahatelo dia aseho amintsika fa nanidina teo afovoan’ ny lanitra sady niantso tamin’ ny feo mafy hoe : “Indro ny faharetan’ ny olona masina, dia izay mitandria ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ I Jesosy. (Apokalypsy 14 : 12)” Messages Choisis, vol 2, p. 134

IREO IZAY MANANA NY TOMBO-KASEN’ ANDRIAMANITRA

4-Vondron’ olona iza avy no hitan’ I Jaona apostoly niaraka tamin’ ny Zanak’ ondry teo an-tendrombohitra Ziona? Iza ireo olona ireo? Apokalypsy 14 : 1


“Nitodika aho mba hijery ireo rahalahiko advantista izay mbola tavela eo amin’ izao tontolo izao kanefa moa dia tsy afaka nahita azy ireo aho. Rehefa izany dia nisy feo niteny tamiko nanao hoe : “mijere ihany fa any ambonimbony kokoa”. Dia nakariko ny fijeriko ary nahita aho làlana iray kisilasila sy tery izay teo ambony kokoa noho izao tontolo izao…

“Tsy ela dia renay ny feon’ Andriamanitra mitovy amin’ ny feon’ ny ranobe, izay nanambara ny andro sy ny ora hiverenan’ I Jesosy. Ireo olo-marina mbola velona, izay miisa 144.000, dia mahafantatra sy mahazo tsara izay nambaran’ ilay feo, fa ireo ratsy fanahy kosa dia nandray izany ho feom-baratra sy horohoron-tany…”

“Rehefa izany, dia nasiana tombon-kase ireo 144.000 rehetra, ary tena niray tanteraka izy ireo. Teo amin’ ny hadriny dia nisy soratra manao hoe : “Andriamanitra, Jerosalema vaovao”, ary hita teo ny kintana iray feno voninahitra izay misy ny anarana vaovaon’ I Jesosy.” Premiers écrits, pp. 14, 15.

5-Nahoana no hisy olona maro izay ho diso fanantenana amin’ny farany? Matio 7 : 23, 25 : 11, 12
“Ny ankapobean’ ireo izay milaza fa hoe kristiana, dia handalo eo amin’ ilay andron’ Andriamanitra. Tsy hanana ny tombo-kasen’ Andriamanitra velona eo amin’ ny handriny izy ireo.” (Lettre 121, 1903)
“Ireo izay mandray ny tombo-kasen’ ilay Andriamanitra velona ihany no hahazo ny fahazoan-dàlana mankeo amin’ ireo varavaran’ ilay tanàna masina” (lettre  164, 1909)” Commentaires bibliques p 398

6-Inona no ezahan’ ilay fahavalon’ ny fahamarinana ankehitriny atao mandritra ny fotoana fametahana tombo-kase? Matio 24 : 4 ; Isaia 9 : 16
 “Ireo fahavalon’ ny fahamarinana ankehitriny dia miezaka ny hanokatra indray ny varavaran’ ny efitra masina, izay efa nakaton’ I Jesosy sy hanakatona ny varavaran’ ny efitra masina indrindra, izay efa nosokafan’ I Jesosy tamin’ ny taona 1844, ary ao amin’ io efitra masina indrindra ao io, no misy ny fiara izay misy ireo vato fisaka roa misy ny didy folo nosoratan’ ny rantsan-tànan’ Andriamanitra. Amin’ izao tofoana izao, mandritra ny fotoana ametahana ny tombo-kase, Satana dia mampivelatra ireo hafetseny mba hampivily ny sain’ ny vahoakan’ Andriamanitra tsy hahita ny fahamarianana ankehitriny, sy mba hampisalasala azy ireo. Hitako fa Andriamanitra dia nanipy akanjo lehibe ho an’ io vahoakany io mba hiarovana azy mandritra ny fotoan-tsarotra, ary ny fanahy rehetra izay nanaiky ny fahamarinana sy manana fo madio dia ho rakofan’ io ankanjoben’ Ilay mahefa ny zavatra rehetra io.

“Satana dia mahafantatra izany rehetra izany, ka dia ampiasainy ny zavatra rehetra mba hampivily ny sain’ olona betsaka araka izay azony atao, mba tsy hahalalan’ izy ireo ny fahamarinana.” Prémiers écrits, p 43

NY FOTOANA HAMETAHANA NY TOMBO-KASE

7-Ny asa ataon’ilay anjely faha-telo dia nanomboka tamin’ ny taona 1844. Inona no iraka nampanaovina azy? Oviana no nanomboka ilay asa fametahana tombo-kase izay ataony ? Apokalypsy 14 : 9
 

“Ilay raharaha nataon’ I Jesosy tao amin’ ny efitra masina dia efa tapitra, ary efa niditra ao amin’ ny efitra masina indrindra Izy. Mijoro eo anatrehan’ ilay fiara izay misy ny lalàn’ Andriamanitra Izy, ka nandefa anjely mahery iray ho eo amin’ izao tontolo izao mba hanambara hafatra iray fahatelo.

“Rehefa afaka izany dia hitako ilay anjely fahatelo. Ilay niaraka tamiko izay  niteny nanao hoe : “Mahatahotra ny asany, miezinezina ny iraka nampanaovina azy. Tsy maintsy manasaraka ny voa tsara amin’ny tsimparifary izy, ary mametraka tombo-kase,na mamehy ny amboara, mba ho any amin’ ireo sompitry ny lanitra. Izany no tokony hameno ny sainareo, sy mihazona ny fifantohanareo rehetra!” Premiers écrits pp 254, 118

8-Inona ny hafatra ambaran’ ilay anjely mpametaka tombo-kase amin’ ireo anjely izay mihazona ireo rivotra efatra mpitondra ady? Raha raisina fa ilay fahitana mikasika ny fametahana tombo-kase dia nomena tamin’ ny taona 1849 (voalaza ao amin’ ny naoty ao ambany ao), inona no azontsika fantarina mikasika ny fotoana izay nanombohan’ ny fametahana tombo-kase ? Apokalypsy 7 : 3

Hitako fa ireo anjely efatra dia niomana hanatanteraka ilay asa izay nasaina mba ho tanterahin’ izy ireo eto ambonin’ ny tany. Nitafy ireo fitafiana maha-mpisoronabe Azy Jesosy. Nijery tamim-pangorahana ireo olom-boafidy (ny sisa izay nahatoky tsy nivadika) Izy, nanandratra ny tànany, ary niteny mafy tamin’ ny feo feno fihetseham-po asesiky ny fitiavana nanao hoe : “Ny rako Ray o! ny rako, ny rako, ny rako !” Rehefa izany dia hitako fa nisy fahazavana mamirapiratra avy tamin’ Andriamanitra izay nitoetra teo ambonin’ ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ary nanodidina an’ I Jesosy io fahazavana io. Rehefa afaka izany dia nahita anjely iray aho, izay nanankinan’ I Jesosy iraka iray, dia nanidina faingana nankeo amin’ ireo anjely hafa izay tsy maintsy hanao asa eto ambonin’ ny tany izy, ary nahofahofany ambony ambany ny zavatra izay teo an-tànany, dia nihiaka tamin’ ny feo mafy izy nanao hoe : “hazony aloha, hazony aloha, hazony aloha, hazony ireo rivotra efatra ambara-panisy tombo-kase ny handrin’ireo mpanompon’ Andriamanitra.” Premiers écrits, pp. 37, 38
“Nanontaniako ilay anjely izay niaraka tamiko ny hevitra fonosin’ ny zavatra izay reko, ary koa ny zavatra izay ho ataon’ ireo anjely efatra ireo. Ary dia mamaly izy fa Andriamanitra no nihazona ireo hery, ary nomeny ho an’ ireo anjeliny ireo ny fahefana mifehy ireo zavatra eto ambonin’ ny tany, nolazainy ihany koa fa ireo anjely hafa ireo dia nomen’ Andriamanitra fahefana hihazona  ireo rivotra efatra, na dia efa saika ho avotsony aza izany. Ary tamin’ ny fotoana izay nahavonona ny tànan’ izy ireo hanao izany, ilay maso feno famindram-pon’ I Jesosy dia niantefa teo amin’ ireo sisa izay mbola tsy voapetaka tombo-kase, ka dia nasandratr’ I Jesosy ny tànany ho any amin’ ny Ray, mba hanelanelana ho fanavotana ireo sisa ireo, sady nambarany fa Izy dia efa nandrotsaka ny Rany ho azy ireo. Rehefa izany, dia nisy anjely hafa iray nirahina hanidina faingana nankeo amin’ ireo anjely efatra. Io anjely io dia nangataka an’ ireo anjely ireo mba hihazona ny rivotra efatra ambara-panisy ny tombo-kasen’Andriamanitra velona eo amin’ny handrin’ireo mpanompony.” Premiers écrits pp. 37, 38.

AVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA


-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ilay anjely fahatelo sy ilay anjely mpametaka tombo-kase.­

-Nahoana moa no olona maro no ho diso fanantenana rehefa tonga Jesosy?

-Moa ve ny fiantombohan’ ilay asa fametahana tombo-kase dia mbola any amin’ ny ho avy sa efa tamin’ ny fotoana efa lasa?.

“Apokalypsy  7: 2, 3. Ireo teny ireo dia maneho miharihary ny zavatra izay tsy maintsy ataontsika ankehitriny, dia ny hiantsoantsika an’ Andriamanitra ka mangataka Aminy, mba hahatonga ireo anjeliny hihazona ny rivotra efatra, ambara-pahisy misionera maro alefa hiasa any amin’ ny tany rehetra  eto amin’ izao tontolo izao, mba hanambara ireo fampitandremana avy amin’ Andriamanitra mikasika ny tsy fankatoavan-dalàna. (RH supplément, 11 décembre 1888)” Evènements des derniers jours, p 129