«Araka
ny fahazavana izay nomen’ny Tompo ahy , fantatro fa tsy afa-po mihitsy Izy
amin’ny zavatra maro izay niseho mikasika ireo mpiasa . Andriamanitra dia tsy
nanome ahy ny antsipirian-javatra tsirairay , kanefa kosa fampitandremana maro no
omeny antsika manao hoe : Tsy maintsy ilaina ny fanavaozana raikitra ao
anatin’ny zavatra rehetra . Counsels on Health p 312
IREO ZAVATRA TONDROINA REHEFA
MILAZA NY ATAO HOE FANAVAOZANA
1. - Inona no zavatra tondroina amin’ny
ankapobeny rehefa milaza ny atao hoe fanavaozana ? Jeremia 6 : 16 ; Malakia 3 :
7 ; Hosea 6 : 1
«Izao no lazain’i Jehonah :
Mijanona eo an-dàlana ianarao , ka izahao . Ary anontanio izay làlana masaka
hatry ny ela . Dia izay làlana mankany amin’ny tsara . Ka iny no izory . Dia
hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo : Nefa hoy izy , tsy hizotra
izahay Jeremia 6 : 16
. Aoka tsy hisy olona na dia iray
aza hitady handrava an’ireo fototra iorenan’ny finoan-tsika , dia ireo fototra
izay napetraka teo amin’ny fiatombohan’ny asa nataontsika tamin’ny alalan’ny
fianarantsika ny tenin’Andriamanitra , narahin’ny vavaka mafana sy fanambarana
maro . Tamin’io fotoana io no nanaovantsika fanorenana nandritra ny dimampolo
taona farany ( hafatra nosoratana tamin’ny taona 1904 ) . Ny olona dia
mihevitra fa nahita lalan-kizorana vaovao , ka hametraka fototra iorenana
mafimafy kokoa mihoatra noho ireo fototra iorenana izay napetraka tany aloha
tany . Izany dia fahadisoan-kevitra tena
lehibe tokoa . Temoignages pour l’Eglise vol 3 p 328
«Nivily làlana Isika ka niala tamin’ireo foto-kevitra
tranainy , ary tena nanalavitra tokoa . Aoka isika hiverina indray ho
eo amin’ireo foto-kevitra tranainy ireo . Raha
Jehovah no Andriamanitra dia manaraha Azy ; fa raha Bala kosa , dia manaraha
azy . Hiandany amin’iza moa ianareo ? Témoignages
pour l’Eglise vol 2 p 33
«… Ny fanavaozana dia midika fandaminana vaovao ,
fiovana eo amin’ny hevitra sy ny fandinihina , amin’ny fahazarana sy fomba
fanao . Ny fanavaozana dia tsy afaka hitondra ny vokatra tsaran’ny fahamarinana
raha ohatra ka tsy miaraka amin’ireo endri-javatra vaovao ataon’ny Fanahy
Masina . Ny fifohazana sy ny fanavazana dia tsy mlaintsy manatanteraka ny asany
avy , kanefa tsy maintsy mahafehy tsara ny fijoroana mba hahatratrarana
an’izany . » Review and Herald 23 Fevrier 1902 Seervice Chrétien p
52
MAMETRAKA AN’ANDRIAMANITRA HO
LOHA-LAHARANA
2.- Inona no
ampianarin’ireo didy roa voalohany ? Inona no ataontsika ho Andriamanintsika indraindray
? Eksodosy 20 : 3-5
«Jehovah irery , Ilay Andriamanitra
mandrakizay , tsy nisy mpahary , fa nisy oazy , sady Mpanao no Mpiahy izay
rehetra misy , no tokony hivavahana sy hajaina indrindra . Mandrara ny olona
tsy hanome toerana voalohany ho an-javatra hafa na inona na inona ao amin’ny fitiavany
io didy io . Tonga andriamanitra ho
antsika izay rehetra mety hampihena ny fitiavantsika an’Andriamanitra , na ny
fanompoana izay tokony hataontsika Aminy . » Patriarika sy Mpaminany p. 304
3. - Iza no miandry
mba hahazo haja avy amin’olombelona sy ho tompoin’olombelona ? Matio 4 : 8-9
«Na dia efa notoriana teto
amin’izao tontolo izao nandritra ny roa arivo taona aza ny filazantsara ,
satana dia mbola mampamirapiratra ankehitriny eo imason’ny olombelona an’ilay famelabelaran-kevitra teo anoloan’i
Kristy . Miaraka amin’ny hakingan-tsaina voafehy tsara . Satana dia mampiseho
eo anoloan’ny olona an’ireo fanjakana eto amin’izao tontolo izao sy ny
voninahitr’io fanjakana io , sady mampanantena izy fa hanome an’ireo fanjakana
ireo ho an’izay mandohalika eo anantrehany sy manompo azy . Izany no fomba
ampiasain’i satana hisarihana ny olona ho eo ambany fifehezany . » Temoignages pour l’Eglise vol 2 pp 429-430
TSY MISY MIHITSY MARIMARITRA
IRAISANA AMIN’NY MAIZINA
4. - Inona no
zavatra izay tsy hain’ny olona atao mihitsy ? Nahoana ? Matio 6 : 24
«Misy
hantsana mampisaraka ny olona izay tia ny zava-poanan’izao tontolo izao ,
amin’ny olona izay te hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba mahatoky . Ny
zavatra izay saintsainin’ireo olona anankiroa ireo , sy ny finamanana ataon’izy
ireo , ary ny fihetseham-po ao anatiny ao , dia mifanohitra tanteraka .
Mikasika an’ilay loha-evitra izay tena lehibe indrindra , dia ny momba
an’Andriamanitra , sy ny fahamarinana , ary ny mandrakizay . Raha ny antoko
iray no vary efa masaka ho taomina ho ao an-tsompitr’Andriamanitra , ilay
antoko anankiray kosa dia tsiparifary izay voatendry ho dorana ao amin’ilay afo
mpandringana . Ahoana no hisian’ny
firaisam-pikasany sy firaisan’asa eo amin’izy roa tonta ? » Messages Choisis vol 2 p 146
5.- Noho izany , iza
no tokony tsy hanaovantsika fifanarahana mihintsy na oviana na oviana ? II
Korintiana 6 : 14-18
«Ny
sasantsasany dia voasarika mandrakariva ho eo amin’izao tontolo izao . Ny
fihevitra sy ny fihetseham-po lalina ao anatin’izy ireo ao dia mifanaraka tsara
tokoa amin’ny sain’izao tontolo izao , mihoatra noho ilay saina feno
fandavan-tena ka manetsika an’ireo izay mpianatr’i Kristy . Tsy mahagaga
mihintsy izy ireo raha tia ny fiarahana amin’ireo izay mifanaran-tsaina aminy ,
ary izany dia ataony amin’ny fomba tena mora tokoa . Kanefa izy ireo dia
mandefa hery mahataona lehibe loatra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra , izay
ifangaroan’izy ireo sy iarahany miombona anarana , kanefa izy ireo dia
fanafintohinana ho an’ny tsy mpino , sy ireo mambra mbola malemy sy tsy
voamasina ao anatin’ny fiangonana . Ireo olona izay mbola manana saina roa
sosona mandrakariva , dia hanohita ny fanambarana mazava izay hanamelohana ny
hadisoana ataon’ny olona tsirairay . Amin’izao fotoanan’ny fanitsiana izao ,
ireo kristiana anarany fotsiny , dia tokony hiova fo tanteraka sy
hanamasin-tena amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fahamarinana . Raha tsy izany
dia ho tavela ao anatin’izao tontolo izao izy ireo , ka handray ny tambin’izany
. Testimonies
for the church vol 1 p 288
6.- Moa ve misy loza
ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny fihodinana miala amin’ny fahamarinana ?
Amin’ny fomba ahoana ? Hebreo 3 : 12 ;
12 : 25
«Aoka
isika hitandrina mba tsy hanao antsirambina ny amin’ireo famantarana fanairana
sy fampitandremana izay omena ho antsika ao antatin’ny tenin’Andriamanitra . Raha ohatra ka tsy ekentsika ireo
fampitandremana , ny fahadisoana ao anatin’ny toetra ao dia handavo ireo olona
izay manana an’io fahadisoana io . Ireo olona ireo dia ho tafalatsaka ao
anatin’ny fahadisoan-kevitra ihany koa , ho tafalatsaka ao anatin’ny fihemorana
, sy ho tafalatsaka an-karihary ao anatin’ny fahotana . Ny saina izay tsy
mampiaka-tena ho eo amin’ny lavorary ambony indrindra dia hanary tsy ho ela
intsony ny fahaizany mitahiry ny zavatra izay efa noraisiny tany aloha tany . “
Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara , dia aoka izy hitandrina , fandrao ho
lavo ” I korintiana 10 : 12 . Temoignages pour l’Eglise vol 2 p 247
7.- Moa ve ireo
fiangonana araha jerena mitambatra , dia mety hiodina hiala amin’ny
fahamarinana ? Amin’ny fomba ahoana ? Isaia 1 : 4
«Tsy mionona intsony amin’ny fitarihana an’izao tontolo
izao ho amin’ny fanandevozana i satana , fa manimba koa ireo fiangonana mihambo
ho an’i Jesosy Kristy Tompontsika ny famitahany . Hisy fihemorana izay ho
maizina tahaka ny alina faran’izay mikitroka indrindra . Ary ho andro fitsapana
ho an’ny zanak’Andriamanitra izany , ka ho alin’ny fitoamaiana sy ho alin’ny
fanenjehana noho ny fitiavana ny fahamarinana . Mpaminany sy Mpanjaka p 584
«Izaho dia tena ory tokoa raha
mieritreritra ny zavatra iainan’ny vahoakan’Andriamanitra . Ny Tompo dia tsy
nanankatona ny lanitra mba tsy hidirantsika , fa ny fitoizan’ny fananantsika
toeta tsy mahatoky no nanasaraka an-tsika amin’Andriamanitra . Ny avonavona , ny fitsiriritana , ary ny fitiavana an’izao
tontolo izao dia miara-monina ao anatin’ny fo , izay nanala tena noho ny
tahotra ny ho voaroaka na hohelohina . Fahotana lehibe maro izay nateraky ny
avonavona no tafiditra ao amin’ny laharantsika . Kanefa ny fihevitra izay
manjaka dia ny hoe : Ny fiangonana dia
manana fandrosoana izay anjakan’ny fiadanana sy ny fanambinana
ara-panahy . Ny fiangonana dia niodina niala tamin’Ilay filohany dia i Kristy
izany . Io fiangonana io dia niverina indray nankany Egypta . Kanefa misy ihany
olona sasantsasany izay mitebiteby na gaga ny amin’ny tsy fananan’izy ireo hery
ara-panahy . Ny fisalasalana ary koa ny tsy finoana mihintsy ny fanambarana avy
amin’Andriamanitra , dia miseho ao anatin’ireo
fiangonantsika eny amin’ny toerana rehetra eny . Ary izany dia
mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’i satana . » Testimonies for the Church vol 5 p 217 , Service
Chrétien pp 48-49
FAMPITANDREMANA HO FIAMBENANA
MBA HANOHERANA AN’IREO TOETRA MATIMATY SY TSY MAHATOKY
8. - Inona moa no
tena toetran’ny fihemorana eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Ahoana no
fomba fisehon’izany teo amin’ireo Advantista ? Apokalypsy 3 : 17
«Ianareo dia tsy nahafantatra ny
fotoana izay namangiana anareo . Ny fahotana lehibe nataon’ireo Jiosy dia ny
nanaovan’izy reo antsirambina sy nitsipahany ny fotoana fanararaotra izay nisy
teo aminy . Rehefa Jesosy mihevitra ny toe-toetran’ireo izay mihambo ho mpianany ankehitriny , Izy
dia mahita tsy fankasitrahana feno tsy fahamendrehana , fanarahana fombafomba
sy endrika ivelam-belany fotsiny izay poakaty , fihatsaram- belatsihy , avonavona fanaon’ny
fariseo , ary fitsipahana ny tena fivavahana marina . Ianarao dia manaraka ny
làlana izay mitovy amin’ny làlana narahan’ny Israely tranainy . Ianareo dia
mivily làlalana miala amin’ilay làlana masina niantsoan’Andriamanitra anareo .
Amin’ny maha vahoka manokan’Andriamanitra anareo , mitovy amin’ilay fiodinan’ny
zanak’Israely tranainy niala tamin’ilay fiantsoana masina izay niansoan’Andriamanitra
azy ireo . » Testimonies for the Church vol 5 pp 72 , 75 , 76
«Raha ohatra ka tsy mibebaka
ary tsy miova fo io fiangonana izay efa voakikin’ny fihemorana io , dia
hihinana ny vokatra aterak’ireo asa ataony , ambaram-paha tonga azy hankahala
ny tenany manokana . Raha ohatra ka manohatra ny ratsy izy , ka mitady ny Tompo
amim-panetren-tena marina , ka mamaly fitiavana an’ilay fiantsoan’ny laitra azy
ao amin’i Jesosy Kristy , raha ohatra izy ka miankina min’ny fahamarinana
mandrakizay , ary raha amin’ny alalan’ny finoana no hampifanarahany ny tenany
amin’ireo drafitr’asa izay novolavolainy mba hanasoavana azy , dia ho sitrana
izy . Ary hiseho ao anatain’ny fahatsorana sy ny fahadiovana izay omen’Andriamanitra
ho azy , izay tsy misy marimaritra iraisana amin’ny zavatry ny tany , sady
maneho fa ny fahamarinana dia nanao azy ho fiangonana afaka . Rehefa izany , ireo mambra
ao anatiny ao dia ho tena olom-boafidin’Andriamanitra marina mba ho
solon-tenany eto ambonin’ny tany . Témoignase pour l’Eglise vol 3 p 303
9.- Nahoana moa ny
loza ateraky ny fihemorana no mbola misy ho an’ireo mpanao fanavaozana
ankehitriny ? Romana 2 : 21-23 ; I Korintiana 10 : 12
«… Ny fankatoavana ny
didin’Andriamanitra irey ihany no hiaro ny olona amin’ny fihemorana . Nanolotra
fahazavana lehibe sy fitahiana manana amby ampy ho antsika ny Tompo . Nefa raha
tsy mahay mankasitraka izany fahazavana sy fitahiana izany isika , dia tsy ho
fiarovana ho antsika amin’ny tsy fankatoavana sy ny fihemorana izy ireny … Hisy
hatramin’ny farany ny olombelona hiala amin’Andriamanitra … Raha tahiany tsy
apetrantsika amin’Andriamanitra ny fitokisantsika , dia tsy handry fehizay na
oviana na oviana isika . Fa amin’ny fiambenana sy ny fivavahana no hahazoantsika
mitahiry ny fahatokiantsika . » Mpaminany sy Mpanjaka pp 65,66
«… Na oviana na oviana dia tsy
tokony hatoky ny tenantsika isika na hievitra fa na dia mbola ety ampitan’ny
lanitra ety aza isika , dia ho voaaro amin’ny fakam-panahy . Ireo izay manaiky
ny Mpamonjy , na dia manana fiovam-po toy inona aza , dia tsy tokony
hampianarina na oviana na oviana hilaza , na hievitra fa efa voavonjy .
Mahavery ny fanizingizinana izany . Ny tsirairay dia tokony hampianarina sy
hanolokolo fanantenana sy finoana , nefa , na dia amin’ny fotoana anolorantsika
tena ho an’i Kristy aza , izay ananantsika toky fa mandray antsika izy , dia
tsy hoe lavita ka tsy ho takatry ny fakam-panahy akory isika . Izao no
lazain’ny Tenin’Andriamanitra : “ Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra
” Daniel 12 : 10 . Izay voazaha toetra no handray ny
satro-boninahitra fiainana . Henoinareo ny Fanoharana p 127
10.- Inona ilay
fahendrena sandoka izay mitarika matetika ho amin’ny fihemorana ? I Korintiana
1 : 20-21 ; II Petera 1 : 16
«… Misy fitoviana hafahafa
amin’ny fihemorana niroborobo tamin’ny andron’i Elia sy ny fihemorana manjaka
amin’ny androntsika koa . Vahoaka sesehena ankehitriny no mbola manaraka an’i Bala amin’ny
fanandrata olombelona ho ambony noho Andriamanitra , amin’ny fanomezam-boninahitra
an’ireo lehibe mifehy vahoaka amin’ny fivavahana amin’i Mamoana , ilay
andriamanitry ny harena , amin’ny fametrahana ny fahalalàna ho ambony noho
ny fahamarinan’ny Soratra Masina .
Ampianarin’ny olona maro fa mahatratra ny fotoana izay tokony hametrahana ny
saina ho ambony noho ny fampianaran’ny Soratra Masina isika . Mpaminany sy Mpanjaka pp 137, 138
«Tsy misy dikany ny hoe : Iza
ianao ? Na ny hoe : Nanao ahona ny fiainanao tany aloha tany ? Ianao dia tsy afaka
ny ho voavonjy raha tsy amin’ny alalan’ilay fomba izay tondroin’Andriamanitra .
Ianao dia tsy maintsy mibebaka , sy milavo tsy manankery eo amin’Ilay vatolampy
, dia i Jesosy Kristy izany . Ianao dia tsy maintsy mahatsapa fa mila mpitsabo
anankiray , ary mila fanafody tokana izay fanasitranana ny fahotana , dia ny
ran’i Kristy izany . Io fanafody tokana io dia tsy azo afatsy amin’ny alalan’ny
fibebahana eo anantrehan’Andriamanitra ihany , sy amin’ny alalan’ny finoana
an’i Jesosy Kristy Tompontsika . Kanefa moa izany asa izany dia mbola tsy
nanomboka amin’ireo olona maro izay milaza fa kristiana . Ny Ran’i Kristy dia
hanana tombambidiny lehibe , indrindra ho an’ireo izay mila ny fahefana
mpanadion’i Jesosy Kristy . Testimonies for the Church vol 5 pp 218,219
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire