mercredi 20 août 2014

NY TSY MAINTSY ILANA NY FANAVAOZANA



«Araka ny fahazavana izay nomen’ny Tompo ahy , fantatro fa tsy afa-po mihitsy Izy amin’ny zavatra maro izay niseho mikasika ireo mpiasa . Andriamanitra dia tsy nanome ahy ny antsipirian-javatra tsirairay , kanefa kosa fampitandremana maro no omeny antsika manao hoe : Tsy maintsy ilaina ny fanavaozana raikitra ao anatin’ny zavatra rehetra . Counsels on Health p 312

IREO ZAVATRA TONDROINA REHEFA MILAZA NY ATAO HOE FANAVAOZANA

  1. - Inona no zavatra tondroina amin’ny ankapobeny rehefa milaza ny atao hoe fanavaozana ? Jeremia 6 : 16 ; Malakia 3 : 7 ; Hosea 6 : 1
 
            «Izao no lazain’i Jehonah : Mijanona eo an-dàlana ianarao , ka izahao . Ary anontanio izay làlana masaka hatry ny ela . Dia izay làlana mankany amin’ny tsara . Ka iny no izory . Dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo : Nefa hoy izy , tsy hizotra izahay  Jeremia         6 : 16  .  Aoka tsy hisy olona na dia iray aza hitady handrava an’ireo fototra iorenan’ny finoan-tsika , dia ireo fototra izay napetraka teo amin’ny fiatombohan’ny asa nataontsika tamin’ny alalan’ny fianarantsika ny tenin’Andriamanitra , narahin’ny vavaka mafana sy fanambarana maro . Tamin’io fotoana io no nanaovantsika fanorenana nandritra ny dimampolo taona farany ( hafatra nosoratana tamin’ny taona 1904 ) . Ny olona dia mihevitra fa nahita lalan-kizorana vaovao , ka hametraka fototra iorenana mafimafy kokoa mihoatra noho ireo fototra iorenana izay napetraka tany aloha tany . Izany dia fahadisoan-kevitra tena lehibe tokoa . Temoignages pour l’Eglise  vol 3 p 328
           «Nivily làlana Isika ka niala tamin’ireo foto-kevitra tranainy , ary tena nanalavitra tokoa . Aoka isika hiverina indray ho eo amin’ireo foto-kevitra tranainy ireo . Raha Jehovah no Andriamanitra dia manaraha Azy ; fa raha Bala kosa , dia manaraha azy . Hiandany amin’iza moa ianareo ? Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 33
           «… Ny fanavaozana dia midika fandaminana vaovao , fiovana eo amin’ny hevitra sy ny fandinihina , amin’ny fahazarana sy fomba fanao . Ny fanavaozana dia tsy afaka hitondra ny vokatra tsaran’ny fahamarinana raha ohatra ka tsy miaraka amin’ireo endri-javatra vaovao ataon’ny Fanahy Masina . Ny fifohazana sy ny fanavazana dia tsy mlaintsy manatanteraka ny asany avy , kanefa tsy maintsy mahafehy tsara ny fijoroana mba hahatratrarana an’izany . » Review and Herald 23 Fevrier 1902 Seervice Chrétien p 52

MAMETRAKA AN’ANDRIAMANITRA HO LOHA-LAHARANA                                                              

2.- Inona no ampianarin’ireo didy roa voalohany ? Inona no ataontsika ho Andriamanintsika indraindray ? Eksodosy 20 : 3-5
 
           «Jehovah irery , Ilay Andriamanitra mandrakizay , tsy nisy mpahary , fa nisy oazy , sady Mpanao no Mpiahy izay rehetra misy , no tokony hivavahana sy hajaina indrindra . Mandrara ny olona tsy hanome toerana voalohany ho an-javatra hafa na inona na inona ao amin’ny fitiavany  io didy io . Tonga andriamanitra ho antsika izay rehetra mety hampihena ny fitiavantsika an’Andriamanitra , na ny fanompoana izay tokony hataontsika Aminy . » Patriarika sy Mpaminany p. 304 

3. - Iza no miandry mba hahazo haja avy amin’olombelona sy ho tompoin’olombelona ? Matio 4 : 8-9
 
            «Na dia efa notoriana teto amin’izao tontolo izao nandritra ny roa arivo taona aza ny filazantsara , satana dia mbola mampamirapiratra ankehitriny eo imason’ny olombelona  an’ilay famelabelaran-kevitra teo anoloan’i Kristy . Miaraka amin’ny hakingan-tsaina voafehy tsara . Satana dia mampiseho eo anoloan’ny olona an’ireo fanjakana eto amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’io fanjakana io , sady mampanantena izy fa hanome an’ireo fanjakana ireo ho an’izay mandohalika eo anantrehany sy manompo azy . Izany no fomba ampiasain’i satana hisarihana ny olona ho eo ambany fifehezany . »  Temoignages pour l’Eglise vol 2 pp 429-430

TSY MISY MIHITSY MARIMARITRA IRAISANA AMIN’NY MAIZINA   
                                               
4. - Inona no zavatra izay tsy hain’ny olona atao mihitsy ? Nahoana ? Matio 6 : 24
 
«Misy hantsana mampisaraka ny olona izay tia ny zava-poanan’izao tontolo izao , amin’ny olona izay te hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba mahatoky . Ny zavatra izay saintsainin’ireo olona anankiroa ireo , sy ny finamanana ataon’izy ireo , ary ny fihetseham-po ao anatiny ao , dia mifanohitra tanteraka . Mikasika an’ilay loha-evitra izay tena lehibe indrindra , dia ny momba an’Andriamanitra , sy ny fahamarinana , ary ny mandrakizay . Raha ny antoko iray no vary efa masaka ho taomina ho ao an-tsompitr’Andriamanitra , ilay antoko anankiray kosa dia tsiparifary izay voatendry ho dorana ao amin’ilay afo mpandringana  . Ahoana no hisian’ny firaisam-pikasany sy firaisan’asa eo amin’izy roa tonta ? »  Messages Choisis vol 2 p 146

5.- Noho izany , iza no tokony tsy hanaovantsika fifanarahana mihintsy na oviana na oviana ? II Korintiana 6 : 14-18
 
«Ny sasantsasany dia voasarika mandrakariva ho eo amin’izao tontolo izao . Ny fihevitra sy ny fihetseham-po lalina ao anatin’izy ireo ao dia mifanaraka tsara tokoa amin’ny sain’izao tontolo izao , mihoatra noho ilay saina feno fandavan-tena ka manetsika an’ireo izay mpianatr’i Kristy . Tsy mahagaga mihintsy izy ireo raha tia ny fiarahana amin’ireo izay mifanaran-tsaina aminy , ary izany dia ataony amin’ny fomba tena mora tokoa . Kanefa izy ireo dia mandefa hery mahataona lehibe loatra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra , izay ifangaroan’izy ireo sy iarahany miombona anarana , kanefa izy ireo dia fanafintohinana ho an’ny tsy mpino , sy ireo mambra mbola malemy sy tsy voamasina ao anatin’ny fiangonana . Ireo olona izay mbola manana saina roa sosona mandrakariva , dia hanohita ny fanambarana mazava izay hanamelohana ny hadisoana ataon’ny olona tsirairay . Amin’izao fotoanan’ny fanitsiana izao , ireo kristiana anarany fotsiny , dia tokony hiova fo tanteraka sy hanamasin-tena amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fahamarinana . Raha tsy izany dia ho tavela ao anatin’izao tontolo izao izy ireo , ka handray ny tambin’izany . Testimonies for the church vol 1 p 288    
      
6.- Moa ve misy loza ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny fihodinana miala amin’ny fahamarinana ? Amin’ny fomba ahoana ?  Hebreo 3 : 12 ; 12 : 25

 «Aoka isika hitandrina mba tsy hanao antsirambina ny amin’ireo famantarana fanairana sy fampitandremana izay omena ho antsika ao antatin’ny tenin’Andriamanitra  . Raha ohatra ka tsy ekentsika ireo fampitandremana , ny fahadisoana ao anatin’ny toetra ao dia handavo ireo olona izay manana an’io fahadisoana io . Ireo olona ireo dia ho tafalatsaka ao anatin’ny fahadisoan-kevitra ihany koa , ho tafalatsaka ao anatin’ny fihemorana , sy ho tafalatsaka an-karihary ao anatin’ny fahotana . Ny saina izay tsy mampiaka-tena ho eo amin’ny lavorary ambony indrindra dia hanary tsy ho ela intsony ny fahaizany mitahiry ny zavatra izay efa noraisiny tany aloha tany . “ Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara , dia aoka izy hitandrina , fandrao ho lavo ” I korintiana 10 : 12 . Temoignages pour l’Eglise vol 2 p 247

7.- Moa ve ireo fiangonana araha jerena mitambatra , dia mety hiodina hiala amin’ny fahamarinana ? Amin’ny fomba ahoana ? Isaia 1 : 4
         
         «Tsy mionona intsony amin’ny fitarihana an’izao tontolo izao ho amin’ny fanandevozana i satana , fa manimba koa ireo fiangonana mihambo ho an’i Jesosy Kristy Tompontsika ny famitahany . Hisy fihemorana izay ho maizina tahaka ny alina faran’izay mikitroka indrindra . Ary ho andro fitsapana ho an’ny zanak’Andriamanitra izany , ka ho alin’ny fitoamaiana sy ho alin’ny fanenjehana noho ny fitiavana ny fahamarinana . Mpaminany sy Mpanjaka p 584
         «Izaho dia tena ory tokoa raha mieritreritra ny zavatra iainan’ny vahoakan’Andriamanitra . Ny Tompo dia tsy nanankatona ny lanitra mba tsy hidirantsika , fa ny fitoizan’ny fananantsika toeta tsy mahatoky no nanasaraka an-tsika amin’Andriamanitra . Ny avonavona ,  ny fitsiriritana , ary ny fitiavana an’izao tontolo izao dia miara-monina ao anatin’ny fo , izay nanala tena noho ny tahotra ny ho voaroaka na hohelohina . Fahotana lehibe maro izay nateraky ny avonavona no tafiditra ao amin’ny laharantsika . Kanefa ny fihevitra izay manjaka dia ny hoe : Ny fiangonana dia  manana fandrosoana izay anjakan’ny fiadanana sy ny fanambinana ara-panahy . Ny fiangonana dia niodina niala tamin’Ilay filohany dia i Kristy izany . Io fiangonana io dia niverina indray nankany Egypta . Kanefa misy ihany olona sasantsasany izay mitebiteby na gaga ny amin’ny tsy fananan’izy ireo hery ara-panahy . Ny fisalasalana ary koa ny tsy finoana mihintsy ny fanambarana avy amin’Andriamanitra , dia miseho ao anatin’ireo  fiangonantsika eny amin’ny toerana rehetra eny . Ary izany dia mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’i satana . » Testimonies for the Church vol 5 p 217 , Service Chrétien pp 48-49     

FAMPITANDREMANA HO FIAMBENANA MBA HANOHERANA AN’IREO TOETRA MATIMATY SY TSY MAHATOKY
                                       
8. - Inona moa no tena toetran’ny fihemorana eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Ahoana no fomba fisehon’izany teo amin’ireo Advantista ? Apokalypsy 3 : 17
  
            «Ianareo dia tsy nahafantatra ny fotoana izay namangiana anareo . Ny fahotana lehibe nataon’ireo Jiosy dia ny nanaovan’izy reo antsirambina sy nitsipahany ny fotoana fanararaotra izay nisy teo aminy . Rehefa Jesosy mihevitra ny toe-toetran’ireo  izay mihambo ho mpianany ankehitriny , Izy dia mahita tsy fankasitrahana feno tsy fahamendrehana , fanarahana fombafomba sy endrika ivelam-belany fotsiny izay poakaty , fihatsaram-           belatsihy , avonavona fanaon’ny fariseo , ary fitsipahana ny tena fivavahana marina . Ianarao dia manaraka ny làlana izay mitovy amin’ny làlana narahan’ny Israely tranainy . Ianareo dia mivily làlalana miala amin’ilay làlana masina niantsoan’Andriamanitra anareo . Amin’ny maha vahoka manokan’Andriamanitra anareo , mitovy amin’ilay fiodinan’ny zanak’Israely tranainy niala tamin’ilay fiantsoana masina izay niansoan’Andriamanitra azy ireo . » Testimonies for the Church vol 5 pp 72 , 75 , 76                                            
         «Raha ohatra ka tsy mibebaka ary tsy miova fo io fiangonana izay efa voakikin’ny fihemorana io , dia hihinana ny vokatra aterak’ireo asa ataony , ambaram-paha tonga azy hankahala ny tenany manokana . Raha ohatra ka manohatra ny ratsy izy , ka mitady ny Tompo amim-panetren-tena marina , ka mamaly fitiavana an’ilay fiantsoan’ny laitra azy ao amin’i Jesosy Kristy , raha ohatra izy ka miankina min’ny fahamarinana mandrakizay , ary raha amin’ny alalan’ny finoana no hampifanarahany ny tenany amin’ireo drafitr’asa izay novolavolainy mba hanasoavana azy , dia ho sitrana izy . Ary hiseho ao anatain’ny fahatsorana sy ny fahadiovana izay omen’Andriamanitra ho azy , izay tsy misy marimaritra iraisana amin’ny zavatry ny tany , sady maneho fa ny fahamarinana dia nanao azy ho fiangonana afaka . Rehefa izany , ireo mambra ao anatiny ao dia ho tena olom-boafidin’Andriamanitra marina mba ho solon-tenany eto ambonin’ny tany .  Témoignase pour l’Eglise vol 3 p 303

9.- Nahoana moa ny loza ateraky ny fihemorana no mbola misy ho an’ireo mpanao fanavaozana ankehitriny ? Romana 2 : 21-23 ; I Korintiana 10 : 12
            
          «… Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra irey ihany no hiaro ny olona amin’ny fihemorana . Nanolotra fahazavana lehibe sy fitahiana manana amby ampy ho antsika ny Tompo . Nefa raha tsy mahay mankasitraka izany fahazavana sy fitahiana izany isika , dia tsy ho fiarovana ho antsika amin’ny tsy fankatoavana sy ny fihemorana izy ireny … Hisy hatramin’ny farany ny olombelona hiala amin’Andriamanitra … Raha tahiany tsy apetrantsika amin’Andriamanitra ny fitokisantsika , dia tsy handry fehizay na oviana na oviana isika . Fa amin’ny fiambenana sy ny fivavahana no hahazoantsika mitahiry ny fahatokiantsika . »  Mpaminany sy Mpanjaka pp 65,66  
            «… Na oviana na oviana dia tsy tokony hatoky ny tenantsika isika na hievitra fa na dia mbola ety ampitan’ny lanitra ety aza isika , dia ho voaaro amin’ny fakam-panahy . Ireo izay manaiky ny Mpamonjy , na dia manana fiovam-po toy inona aza , dia tsy tokony hampianarina na oviana na oviana hilaza , na hievitra fa efa voavonjy . Mahavery ny fanizingizinana izany . Ny tsirairay dia tokony hampianarina sy hanolokolo fanantenana sy finoana , nefa , na dia amin’ny fotoana anolorantsika tena ho an’i Kristy aza , izay ananantsika toky fa mandray antsika izy , dia tsy hoe lavita ka tsy ho takatry ny fakam-panahy akory isika . Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra : “ Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra ” Daniel 12 : 10  . Izay voazaha toetra no handray ny satro-boninahitra fiainana .  Henoinareo ny Fanoharana p 127 

10.- Inona ilay fahendrena sandoka izay mitarika matetika ho amin’ny fihemorana ? I Korintiana 1 : 20-21 ; II Petera 1 : 16
 
          «… Misy fitoviana hafahafa amin’ny fihemorana niroborobo tamin’ny andron’i Elia sy ny fihemorana manjaka amin’ny androntsika koa . Vahoaka sesehena  ankehitriny no mbola manaraka an’i Bala amin’ny fanandrata olombelona ho ambony noho Andriamanitra , amin’ny fanomezam-boninahitra an’ireo lehibe mifehy vahoaka amin’ny fivavahana amin’i Mamoana , ilay andriamanitry ny harena , amin’ny fametrahana ny fahalalàna ho ambony noho ny  fahamarinan’ny Soratra Masina . Ampianarin’ny olona maro fa mahatratra ny fotoana izay tokony hametrahana ny saina ho  ambony noho ny  fampianaran’ny Soratra Masina isika .   Mpaminany sy Mpanjaka pp 137, 138
              «Tsy misy dikany ny hoe : Iza ianao ? Na ny hoe : Nanao ahona ny fiainanao tany aloha tany ? Ianao dia tsy afaka ny ho voavonjy raha tsy amin’ny alalan’ilay fomba izay tondroin’Andriamanitra . Ianao dia tsy maintsy mibebaka , sy milavo tsy manankery eo amin’Ilay vatolampy , dia i Jesosy Kristy izany . Ianao dia tsy maintsy mahatsapa fa mila mpitsabo anankiray , ary mila fanafody tokana izay fanasitranana ny fahotana , dia ny ran’i Kristy izany . Io fanafody tokana io dia tsy azo afatsy amin’ny alalan’ny fibebahana eo anantrehan’Andriamanitra ihany , sy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika . Kanefa moa izany asa izany dia mbola tsy nanomboka amin’ireo olona maro izay milaza fa kristiana . Ny Ran’i Kristy dia hanana tombambidiny lehibe , indrindra ho an’ireo izay mila ny fahefana mpanadion’i Jesosy Kristy . Testimonies for the Church vol 5 pp 218,219     

FIFOHAZANA TENA MARINA SATRIA AMIN’NY ALALAN’NY TENIN’I TSITOHA



«Ny fifohazana dia tsy afaka ny hiforona afatsy hoe toy ny valin-teny omena ny vavaka . Raha mbola tsy manana ny Fanahy Masina ny olona anankiray , dia tsy afaka ny hanome tombam-bidiny ho an’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra mihitsy io olona io . Kanefa raha vantany vao mahakasika ny fon’ny olona ny herin’ny Fanahy Masina , ireo lahateny atao dia misy vokany . Rehefa tarihin’ireo fampianaran’ny tenin’Andriamanitra sy arahin’ny fisehoan’ny fanahin’Andriamanitra ao anatin’ny asa atao amim-pahalalam-pomba , ireo izay mandray anjara amin’ireny fivoriam-beantsika ireny , dia hahazo fanandramana sarobidy . Rehefa tafaverina ao an-tranony ireo olona ireo , dia handefa hery mahataona finaritra . » Messages Choisis vol 1 p 141

NY ASAN’NY FANAHY MASINA
                                                              
1. - Inona no hery mandresy lahatra izay ao ambadiky ny fifohazana marina tsirairay ? Efesiana 3 : 16 ; I Korintiana 2 : 4
 
            «Tsy misy afatsy ny fisainana sy ny fo voadio amin’ny alalan’ny asa mamelona ataon’ny Fanahy Masina ihany no afaka manavaka tsara an’ireo zavatry ny lanitra . Ry ranadahy , amin’ny anaran’ny Tompo , mitalaho aminareo aho mba hifohazanareo hanananareo fitiavana ny adidy izay tsy maintsy ataonareo . Aoka ny fonareo hatolotrareo  mba ho fehezin’ny herin’ny Fanahy Masina , ka ho hainareo ny mahazo tsara an’ireo fampianaran’ny tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra lalina izay an’Andriamanitra . Ny Tompo anie hametraka ny vahoakany eo ambany fifehezan’Ilay hery mahataonan’ny Fanahiny . Izy anie hanao an’io vahoakany io ho tonga saina ny amin’ilay loza izay mila hahazo azy ireo , ka mba hiomanan’izy ireo ho amin’ny zavatra izay hitranga eto ambonin’ny tany . » Témoignages pour l’Eglise vol 3 pp 332,333

2. - Moa ve ny olona nanankiray afaka ny ho tonga kristiana araka ny maha izy azy ? Nahoana ? Na hoe : nahoana moa raha ohatra ka zavatra mety misy izany ? Inona no mitondra ny fiovana avy eo amin’ny haizina mankeo amin’ny fahazavana ? I Korintiana 2 : 14,11
 
            «Tsy azontsika samy irey atao ny mitsoaka avy ao amin’ny tevan’ny fahoriana izay niletehantsika . Ratsy ny fontsika nefa tsy haintsika ovàna izy … Raha tian-kiala amin’ny toerana feno fahotana ny olona mba ho tonga amin’ny fahamasinana dia tsy maintsy misy hery miasa ao anaty , dia fiainam-baovao avy any ambony …Ny fampianarana , ny fanamboarana ny toe-tsaina , ny fampiasana ny sitrapo ary ny fikirizana dia samy manana ny anjara raharahany avy , nefa eto dia samy tsy mahakehaka ireo …» Dia ho eo amin’i  Kristy p 20 , 21

NY RANONORANA VOALOHANY SY NY RANONORANA FARANY
                                                
3. - Inona no nataon’i Jesosy talohan’ny nandefasany ny Fanahiny Masina tamin’ny fatrany mitafotafo ? Jaona 20 : 21-22
 
            «Talohan’ny nandaozany ny mpianany , Kristy dia nanisy fofon’aina , ka hoy Izy “ Raiso ny Fanahy Masina ”Jaona 20 : 22 . Hoy indray Izy : “ Indro , izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo ” Lioka 24 : 49 . Nefa tsy noraisina tamin’ny fahafenoany ny fanomezana raha tsy taorian’ny niakarany tany an-danitra . Raha tsy efa nitolo-batana tanteraka hanao ny asany ny mpianatra tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fivavahana , dia tsy nirotsaka taminy ny Fanahy Masina … Efa antsika sahady ao amin’i Kristy ny fanomezana , nefa ny tena fananana azy dia miankina amin’ny fandraisantsika ny fanahin’Andriamanitra . » Henoinareo ny Fanoharana p. 283 

4. - Alohan’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina hitobaka amin’ny fahafenoana eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany , inona no tsy maintsy raisina aloha ? Hosea 6 : 3 ; Joela 2 : 23
 
             «Olona maro no nanajanona ny fandraisana ny ranonorana voalohany , ary izany dia nataony tamin’ny fomba feno fahavononana tokoa . Ireo olona ireo dia tsy nandray an’ilay tombontsoa izay tian’Andriamanitra hatolotra ho azy ireo amin’ny alalan’io ranonorana voalohany io . Izy ireo dia nanantena fa izay zavatra banga ao dia hototofan’ny ranonorana farany . Rehefa ny fahasoavana homena amin’ny fahatsarany rehetra sy mitafotafo , izy ireo dia mihevitra ny hanokatra ny fony amin’io foana io mba handray an’ilay fahasoavana . Kanefa manao fahadisoan-kevitra mahatahotra izy ireo … Tamin’ny alalan’ny fiaiken-keloka sy ny fandaozana ny fahotana , tamin’ny alalan’ny vavaka mafana sy ny fanoloran-tena marina tokoa ho an’Andriamanitra no fomba niomanan’ireo mpianatra voalohany mba handray ny Fanahy Masina tamin’ny fahafenoana tamin’ilay andro Pantekosta . Io asan’ny Fanahy Masina io ihany , ary amin’ny fomba mahery vaika kokoa , no tsy maintsy ho tanteraka amin’izao fotoana izao . »  Temoignages pour les Pasteurs pp. 259,260

HANDRAY NY FANAHY MASINA                                                                    

5. - Inona no tsy maintsy ataon’ny mpino mahitsy fo ao Laodikia mba hanana fitiavana ara-panahy mazava tsara ? Apolalypsy 3 : 18b
 
«Noho izany isika dia tsy maintsy tena malina indrindra , sy mandeha amim-panetren-tena eo anantrehan’Andriamanitra , mba hahatonga an’ilay odimaso avy amin’Andriamanitra  hanao antsika ho afaka manavaka tsara an’ireo asa ataon’ny Fanahy Masin’Andriamanitra , sy ireo fihetsiketsehan’ny fanahy izay mpitondra korontana sy firehi-drehetana tsy amin’ny antony . Amin’ny voan’izy ireo , araka izany , no  ahafantarantsika azy  . Ireo izay tena mibanjina marina an’i Kristy , dia ho voaova hanana ny endrik’i Kristy , tahaka ny avy amin’ny Tompo . Izy ireo dia ho lehilehy sy vehivavy izay mahatratra ny ohatry ny fahatanterahan’i Kristy . Ny fanahin’Andriamanitra dia hampisy fitiavana sy fahadiovana ao aminy ; dia hisy zavatra manoka izay hiseho eo amin’ny toetra ». Messages Choisis vol 1 p 165
          «Ny odimaso dia ilay fahendrena sy fahasoavana izay mahatonga antsika mahay manavaka tsara ny ratsy sy ny tsara , sy mahita ny fahotana araka ny tena endriny rehetra . Andriamanitra dia nanome ho an’ny fiangonany ny maso izay feno hosotry ny fahendrena mba hahatonga an’io fiangonana io ho afaka mahita tsara . Ilay odimaso avy amin’Andriamanitra dia mitondra fahazavana ho an’ny saina . »  Temoignases pour l’Eglise vol 1 pp 548,549
        «Endrey , enga anie ianareo tsirairay ho afaka hametraka an’io ody maso io amn’ny tenanareo manokana mba hahafahanareo mahita ny kilemanareo ao anatin’ny tenanareo  ao , sy hahatonga saina anareo ny amin’ny hoe : Andriamanitra dia tena mijery sy mandinika ny fitiavanareo an’izao tontolo izao , izay mandroaka ny fitiavana an’Andriamanitra . »  Testimonies for the Church vol 4 p 615

6. - Inona ihany koa ny zavatra hafa izay tsy maintsy atao mba handraisana ny Fanahy Masina ? Lioka 11 : 13
 
          «Koa satria io no fomba izay handraisantsika hery , nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezan’ny Fanahy isika ? Nahoana no tsy ataontsika anton-dresaka , antom-bavaka sy toriteny izany ? Vonona ny hanome ny Fanahy Masina amin’izay manompo Azy ny Tompo , mihoatra noho ny fanirian’ny Ray aman-dReny hanome zava-tsoa ho an’ny zanany … » Vavolombelona Mahery p 46

IREO VOKATRA ATERAKY NY ASA ATAON’NY FANAHY MASINA

7 - Inona no hitondra ny Fanahy Masina ho ao anatin’ny olona anankiray ? Moa ve ianao efa mba nandalo tamin’izany fanandramana izany ? Jaona 3 : 3 , 5-8

         «Tsy hita ny rivotra , nefa misy vokany hita maso sy tsapan’ny tanana . Toy izany koa , ny asan’ny Fanahy eo amin’ny fanahy dia hiseho eo amin’ny fihatsika rehetran’-                         izay mahatsapa ny heriny mahavonjy . Rehefa mambabo ny fo ny Fanahy Masina dia manova ny fiainana . Avela ny eritreritra feno fahotana , afoy ny asa ratsy , ny fitiavana ny fanetren-tena , ny fiadanana no mandray ny toeran’ny fahatezerana , ny fitsiriritana sy ny adilahy . Mandray ny toeran’ny alahelo ny fifaliana , ka mitaratra ny fahazavan’ny lanitra ny endrika … Amin’izay dia mamorona olom-baovao araka ny endrik’Andriamanitra ilay hery izay tsy azon’ny mason’ny olombelona jerena . » Ilay Fitiavana Mandresy p 167 ,168
            «Ny hery mahataonan’ny Fanahy Masina dia tsy hanao hetsika amin’ny sain’olombelona mihintsy raha tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’Andriamanitra . Kanefa ny Fanahy Masina dia tsy manao hetsika amin’ny fomba sy fahefana mihoatra noho ny fahatakaran’ny sain’olombelona. » Lettre 10 , 1897 Commentaires Bibliques p 157

8. - Fomba ahoana no ahafantarana fa ny Fanahy Masina dia mitoetra ao anatin’ny olona iray ? Galatiana 5 : 22-24
 
           “...Rehefa mandray ny Fanahin’i Kristy ianao , ny fanahin’ny fitiavana manadino ny tena sy miasa ho an’ny hafa  , dia hitombo ianao ka hitondra voa . Ho masaka eo amin’ny toetra amam-panahinao ireo fahasoavan’ny Fanahy . Hiha matanjaka ny finoanao , hihalalina ny foto-pinoanao , ho tanteraka ny fitiavanao . Hampitaratra bebe kokoa hatrany fitoviana amin’i Kristy ianao eo amin’izay madio , ambony sy mahate ho tia rehetra .” Henoinareo ny Fanoharana p 47

TSY MAINTSY ILAINA NY FANAHY MASINA MBA HAHATRATRARANA AN’ IREO FANAHY

9. - Raha ohatra ka ny Fanahy Masina manolon-tsaina ny olony iray , inona no antony mahatonga ny hoe tsy misy na inona na inona mahasakana an’io olona io tsy hijoro ho vavolombelona ? Asan’ny Apostoly 4 : 19-20 ; Romana 8 : 14
 
           «Tsy maintsy mandresy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fahamarinana. Amin’ny alalan’io hery io irery ihany no hahatonga an’ireo teny ataontsika handaitra sy hahazoana fandresena . Ny Fanahy Masina dia tsy maintsy miasa manome aina ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra . Ary amin’ny alalan’ny finoana , izy ireo dia tsy maintsy miankina amin’ny herin’Andriamanitra . » Temoignages pour l’Eglise vol 3 p 51
          «Raha ohatra ka misy olona mandrara antsika mba tsy hanatanteraka an’io adidy io , aoka isika hamerina miaraka amin’ireo Apostoly an’ilay teny hoe : “Tsaraonareo na marina eo anantehan’Andriamanitra na tsia , ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra . Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay” . »  Vavolombelona Mahery p 60

10. - Inona no tsy maintsy ataon’ny kristiana tsirairay amin’izao fotoana izao , izay efa akaikin’ny fihafaran’ny tantaran’ny tany ? Nahoana ? Kolosiana 4 : 5 , Efesia 9 : 15-16
            
           «Ny hafatry ny anjely fahatelo dia tsy maintsy mivoatra ka hiafara amin’ny feo mafy . Tsy azonareo atao mihitsy ny mamela ny tenanareo hanao antsirambina ny adidy ataonareo ankehitriny , sy hihevitra fa amin’ny fotoana iray ho avy  , no handraisanareo ny fitahiana mitafotafo rehefa miseho ny fifohazana kanto dia kanto , izay tsy misy ezaka ataonareo na dia kely akory  aza . Anio mihitsy ianareo no tsy maintsy manolotra ny tenanareo ho an’Andriamanitra , mba hanaovany anareo ho fanaka omem-boninahitra izay voatendry ho amin’ny   asany . Anio ianareo no tsy maintsy manolo-tena ho an’Andriamanitra , hahafoana ao anatinareo ny izaho , ny fitsiriritana , ny fialonana , ny fiahiahiana , ny toe-tsaina feno fifandrafiana , ny zavatra rehetra izay manala baraka an’Andriamanitra . Anio mihintsy no tsy maintsy voadio ny kapoakanareo , ho voaomana handray ny andon’ny lanitra , mba                  ho amin’ilay ranonorana mivatravatran’ilay andro  farany . Satria ho avy io ranonorana farany io , ary ny fitahian’Andriamanitra dia hameno ny fanahy tsirairay avy izay voadio ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra . Adidintsika anio ny tsy maintsy mampilefitra ny fanahintsika ho fehezin’i Kristy , mba hahatonga antsika ho voaomana ho amin’ny fotoanan’ilay famelombelomana avy amin’ny Tompo , voaomana ho amin’ny batisan’ny Fanahy Masina . Messages Choisis vol 1 p 223