«Manasa ny mambra tsirairay Andriamanitra ao anatin’ny fiagonana mba
hanokana tsy misy fepetra ny fianany ho amin’ny asany. Manao antso mba
hanaovana fanavaozana marina Andriamanitra. Ny vohary manontolo manontolo dia
mitaraina eo ambany ozona. Ireo zanak’ Andriamanitra dia tsy maintsy miaina ao
anatin’ny fitoetra izay afahan’ izy ireo mitombo amin’ny fahasoavana, izay
ahafan’ izy ireo ho voamasina amin’ny alalan’ny fahamarinana, vatana, fanahy
ary saina. Amin’ny alalan’ny fitsipahana ireo fitiavan-komana rehetra izay
manimba ny fahasalamana, izy ireo dia ho afaka ny hanana fahafantarana marina
tsara mikasika ny atao hoe tena fitiavam-bavaka marina, dia hisy fiovana
mahagaga izay hita eo amin’ny fiainam-pivavahana.” Conseils sur la nutrition et les Aliments, pp. 38, 39
MANAMBOATRA IZAY BANGA
1.- Inona no manamarika
manokana ny fihetsehana Advantista amin’ny maha tena fanavaozana marina azy io?
Eo ambonin’ inona no iorenan’ io fihetsehana io? Isaia 58 : 12,13
«Hiverina amin’ny laoniny
daholo ny lalàn’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Tsy maintsy hamboarina ny
rava amin’ny lalàn’ Andriamanitra, dia ny andro Sabata izay novan’olombelona.
Hampiseho ny vahoak’ Andriamanitra amin’ny andro farany, fa io lalàna io no
fototra eo amin’ny fanavaozana maharitra rehetra, ary ny didy fahaefatra dia
hitoetra ho fahatsiarovana ny fahamoronana sy ho toy ny fampahatsiarovana
mandrakariva ny herin’ Andriamanitra. Ary raha lazaina amin’ny teny fohy sy
mazava, dia izy no hampiseho ny antony ilàna ny hankatoavana ny fitsipika
rehetra ao amin’ny Didy folo. Ny fitiavan’ i Kristy no manery ny vahoakan’
Andriamanitra hiara-miasa amin’ny Tompo “ hanangana ny efa rava ela. Izy no ho
Mpanamboatra ny rava, Mpamilon-dàlana honenana amin’ny tany” Isaia 58: 12. Mpaminany sy Mpanjaka p. 554
«Naseho ahy fa raha toa ka
notandremana hatrany hatrany ny tena Sabata marina, dia tsy ho nisy mihitsy na
oviana na oviana ny olona tsy mahatoky na ny olona tsy mino an’ Andriamanitra.
Ny fitondrana ny Sabata dia ho nitahiry an ‘izao tontolo izao mba tsy ho
tafalatsaka ao anatin’ny fanompoan-tsampy.” Testimonies for the Church vol1 , p76
2.- Inona no nanjo an’
ireo fokon’ Ny Isiraely sy Joda teo amin’ny fotoan’ andron’i Isaia sy Jeremia?
Moa ve ny fanalavirana ny làlana nosoritan’ Andriamanitra dia voafetra ho nisy
teo amin’ny andro taloha fotsiny ihany? Jeremia 11: 10 ; Isaia 24: 5
«Ireo mponina eto amin’
ity izao tontolo izao ity ihany no manao izay mahavoaloto an’ ity izao tontolo
izao ity. Ireo mponina ireo ihany no manao izay mahafeno an’ ilay kapoakan’ny
tsy fahamarinana , kanefa ny mampa-loza bebe kokoa ny famaizana, dia ny
fanaovana tsy fahamariana rakofana ao ambany fitiavam-bavaka”.
“Ilay Mpanavotra an’ izao tontolo izao dia tsy mbola nandroaka mihitsy na
oviana na oviana ny olona izay mibebaka amin’ny fo mahitsy tokoa, na toy inona
na toy inona fidadasiky ny fahadisoan’ io olona io, kanefa kosa Izy dia
manakiana amin-kery tokoa an’ ireo fariseo sy ireo mpihatsaravelatsihy. Misy
fanantenana bebe kokoa ho an’ny olona anakiray izay manota an-karihary toy izay
ho an’ ireo fariseo sy ireo mpihatsaravelatsihy ireo.” Temoignages pour l’ Eglise vol2 , p 38
«Ireo izay manana saina
tratran’ny hamaizinana ka tsy mahafantatra ny tena maha izy azy ny fahotana,
dia ho diso fanantenana amin’ny fomba tena mampijaly indrindra. Raha ohatra ka
tsy misy fiovana fototra ao anatin’ireo olona ireo, dia ho hita maivana loatra
izy ireo rehefa ny Tompo hitsara an’ ireo zanak’ olombelona. Koa satria izy
ireo nandika ny lalàn’ Andriamanitra , nanapaka ny fifandraisana tamin’ ilay
fanekena mandrakizay, dia handray ny vokatra mifanaraka amin’ny asa nataony izy
ireo.» Temoignages pour l’ Eglise vol3 , p 493
NY SABATA, ILAY RAHARAHA LEHIBE
INDRINDRA FOTOTRA IZAY NAHATAKA
3.- Inona no voalazan’ny
faminaniana mikasika ny lalàn’ Andriamanitra? Inona no antony nanaovana an’ io
zavatra io? Daniela 7: 25
«Efa nolazain’ny
faminaniana fa “ hitady hanova fotoana sy lalàna”, ny fahefana papaly. Tsy
nitaredretra izy hanao izany ho an’ ireo izay vao avy niova fo ary mba
hampitombo amin’ izany fomba izany ny fanekeny ambavany fotsiny ny fivavahana
kristiana,... dia nampidirina miandalana teo amin’ny fanompoam-pivavahana
kristiana ny fivavahana amin’ny sary sy ny “ relika” »
«Tamin’ny tapany voalohan’ny taonjato
fahefatra dia namoaka didy ny Amperora Constantin nampanao ny Alahady ho andro
firavoravoam-panjakana maneran ny fanjakana Romana ...»«Namporisika azy hanao
izany dia ireo evekan’ny fiangonana, izay feno hambom-po sy hetahetam-pahefana
ka nahatsinjo fa raha andro iray ihany no tandreman’ny kristiana sy ny
jentilisa, dia hitombo ny faneken’ny mpanompo sampy ny fivavahana kristiana
ivelambelany fotsiny, ary amin’izany dia handroso hery sy voninahitra ny
fiangonana »
«Tamin’izany fomba izany no nahatonga an’ ilay androm-piravoravoan’ny
mpanompo sampy ho nohajaina toy ny naorin’Andriamanitra nony farany, ary ny
Sabatan’ ny Baiboly kosa dia nolazaina fa sisa tavela tamin’ny fomba Jiosy ka
voaozona izay mitandrina izany. » Hery Mifanandrina pp. 52,53
4.- Hatraiza no fatran’ny
nandehanan’ ireo Jiosy lavitra tokoa nanaraka ny fomban-drazan’ izy ireo teo
amin’ny fotoan’ andron’i Jesosy? Moa ve ny maha efa ela ny fisian’ny
fomban-drazana anakiray dia nahatonga an’ io fomban-drazana io ho azo ekena?
Matio 15 : 3-5 ; Mpitoriteny 8:12
«Ankehitriny isika dia tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao,
satria manko, ny fanavaozana rehetra , mba hahatonga azy ho afaka ny ho velona,
dia tsy maintsy miditra ao anatin’ny fo sy fanahy ary ny sitrapo.
Fahadisoan-kevitra maro no mety efa ela nisiana, kanefa izany dia tsy mahatonga
an’ ilay fahadisoan-kevitra ho lasa fahamarinana, ary ny mifamadika amin’ izany
ihany koa. Nandritra ny fotoana ela tokoa dia toy izany ny fipetrany, narahina
ireo fanao tranainy sy mamim-bahoaka. Ny Tompo ankehitriny dia mila an’ ireo
mpampianatra sy ireo mpianatra hanaisotra an’ ireo hevitra diso rehetra. Isika
dia tsy manana ny fahafahana hampianatra mifanaraka amin’ny modelin’izao
tontolo izao na ny modelin’ny fiangonana, noho ny antony tsotra fotsiny amin’
izao hoe satria efa fahazarana ny manao toy izay sy izao. » Temoignages pour l’ Eglise vol2 , pp 191,192.
5.- Eo amin’ ireo didy
folo, ilay didy manao ahoana no mirakitra ny tombon-kasen’ Andriamanitra? Inona
avy ireo zavatra izay tsy maintsy hita ao anatin’ny tombon-kase? Eksodosy 20: 8-11
«Ny tombo-kasen’ ny lalàn’
Andriamanitra dia hita ao amin’ny didy fahefatra. Io ihany, amin’izy folo, no
sady mampiseho ny anarana no manambara koa ny fahefan’ ilay Mpanome ny lalàna.
.... Rehefa novan’ny fahefana papaly ny Sabata, dia nesoriny tsy ho eo
amin’ny lalàna ny tombo-kase. Antsoina ny mpianatr’i Jesosy hamerina izany
amin’ny fanadratana ny Sabatan’ny Didy
fahefatra ho amin’ny tena toerany maha-tsangambaton’ny Mpamorona azy sy
famantarana ny fahefany. » Hery Mifanandrina pp. 465,466
IREO LAFIN-JAVATRA ANAOVANA
FANAVAOZANA
6.- Inona ilay hafatra
miantso fanaovana fanavaozana, izay manakoako manerana izao tontolo izao?
Apokalypsy 14: 6,7
«Raha toa ka henoina io
hafatra io, dia hahasintona ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena , sy samy
hafa fiteny ary olona rehetra mba hifantoka eo amin’ny hoe : tsy maints ilàna
ny fianarana lalina ny tenin’ Andriamanitra, ary miaraka amin’izany dia hitombo
koa ny fahalianan’ ireo olona ireo hianatra ny fahamarinana mikasika an’ ilay
fahefana izay nanova ny sabatan’ ny Andro faha-fito ka nosoloina an’ ilay
sabata sandoka. Ny tsangam-bato fahatsiarovana ny Sabata, izay mampahafantatra
ny hoe: iza no Ilay Andriamanitra velona, Mpamorona ny lanitra sy ny Tany, dia
nazera tamin’ny Tany, ny Sabata sandoka no napetraka teo amin’ny toerany.
Tamin’ izany fomba izany no nampisy an’ ilay banga teo amin’ny lalàn’
Andriamanitra. Ny Sabata sandoka dia tsy ho afaka mihitsy ny ho tonga fitsipika
marina » Messages Choisis,
Vol 2, p. 121
7.- Inona ihany koa ilay
hafatra anakiray hafa miantso ny
fanaovana fanavaozana , izay nambara ? ary inona kendren’ io hafatra io? I korintiana 6: 19,20 ; 3 : 16,17
«Tsy maintsy ampianarina
an’ izao tontolo izao ny fanavaozana mitohy, ary isika dia tsy maintsy manamafy
an’ io fampianarana io amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika. Ny tena fivavahana
marina sy ireo lalàn’ ny Fahasalamana dia miaraka. Zavatra tsy azo heverina mihitsy
ny hoe miasa ho amin’ny famonjena an’ ireo namantsika kanefa tsy maneho amin’
izy ireo ny tsy maintsy ilàna ny fandavàna an’ ireo fahafinaretana izay manimba
ny fahasalamana, izay mandoto ny fanahy sy manakana ny fahamarinana avy amin’
Andriamanitra tsy hanaitra ny saina. Tsy
maintsy ampianariana ny olona mba hihevitra ny amin’ ireo fahazaran-dratsy
rehetra, sy mba hahafoy avy hatrany ny zavatra rehetra izay mamparary ny vatan’
izy ireo sy mampamaizina ny sain’ izy ireo. » Temoignages pour l’ Eglise vol3 , pp. 160,161
8.- Inona no karazana
fanasitranana izay tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ara-pahasalamana? II
Mpanjaka 20 : 1-3,7 ; Jaona 9: 6,7
«Misy fomba maro fampiasana ny
fahaizana manasitrana , kanefa kosa tsy misy afa tsy fomba anakiray ihany no
ankasitrahan’ ny Tompo. Ireo fanafodin’ Andriamanitra no ireo zavatra natoraly
izay tsy manimba ny tenan’ olombelona ary tsy namelany an’ io tenan’ olombelona
io amin’ny alalan’ ireo hery ananan’ ireo fanafody ireo. Ny rivotra madio, ny
rano, ny fahadiovana, ny fihinana mety tsara, fiainana madio sy ny fahatokiana
an’ Andrimanitra tsy voaozongozona, no fanafody izay tsy maintsy ananana, ary
ny tsy fananana ireo fanafody ireo dia mahafaty olona an’ arivony maro.
Mampalahelo fa ireo fanafody ireo dia efa tsy lamaody intsony satria ny
fampiasana azy ireo amin’ny fomba feno fahaizana tsara dia mitaky asa izay tsy
dia tena ankatsitrahan’ ny olona loatra.» Temoignages pour l’ Eglise vol2, p170
«Ireo trano fiasana
naorintsika dia natao mba hitsabona an’ ireo marary amin’ny alalan’ireo fomba
mahasalama izay efa saika hampalavirina tanteraka ny fampiasana ny fanafody
simika (drogues)... » Messages Choisis, Vol 2, pp. 324
«.... ny fampiasana an’
ireo fanafody simika dia tokony horoahina mihitsy; satria ireo fanafody ireo
dia tsy manasitrana aretina na dia iray aza, ary tsy izany fotsiny ihany, fa
koa mampahalemy ny tenan’ olombelona, mahatonga an’ io tenan’ olombelona
andairan’ny aretina .» Conseils sur la nutrition et les Aliments, pp.97
9.-Inona ihany no zavatra
hafa izay tafiditra ao anatin’ny fanavaozana Advantista? Inona no zavatra izay
fahavetavetana amin’ Andriamanitra? ITimoty 2: 9, 10; Deotoronomia 22:5
«Ireo fitahiana izay hitako dia
nikendry ny hanitsy ny lamaody izay misy ankehitriny , ny halavany tafahotra
anananan’ ireo akanjo izay misaritsarika mikasika ny tany, ary koa mba hanitsy
an ‘ireo akanjo izay tena diso fohy ohatra, mipaka eo amin’ny lohalika izay
anaovan’ ireo sarangan’ olona sasantsasany. Naseho ahy fa tsy azontsika atao ny
mitondra akanjo araka ireo ohatra diso anakiroa ireo. ....
«Misy fironana mitombo ataon’ny vehivavy maro izay manao fitafiana izay tena
manakaiky ny fitafian-dehilahy, kanefa Andriamanitra dia mandray an’ izany ho
fahavetavetana.» Testimonies for the Church, Vol 1, pp. 464, 457
10. Eo amin’ny
lafim-piainana hafa, inona ihany koa no isian’ny fanavaozana? II Korintiana 6:
14, 15 ; Levitikosy 20 : 24b ; Isaia 48 : 20
«Ny Tompo dia maniry ny
vahoakany mba tsy handray anjara amin’ny raharaha politika. Mikasika an’ ity
zavatra ity, ny mangina volamena. Isika dia tsy afaka mifidy , mahazo antoka
tsara ho an’ny antoko atsy na ny antoko ero, satria isika dia tsy mahafantatra
marina ny antoko izay tokony andefasantsika ny fitiavantsika...»
« Inona ary no tsy maintsy ataontsika? Avelao ireo zavatra mahakasika ny
politika...»
«Manao fahadisoan-kevitra hianareo
amin’ny alalan’ny fahaliananareo ho tia ny antoko politika anakiray na
manao ahoana na manao ahoana ny toetoetran’io antoko io, ary koa amin’ny
alalan’ ny fanaovanareo fifidianana ho an’ny antoko anakiray.» Le ministère évangéliques pp. 382, 384
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire