lundi 20 octobre 2014

NY VALISOAN’NY TSY FISIAM-PITAKA




 «Andriamanitra dia miantso ny vahoakany mba ho tonga fahazavana mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao , manjopiaka eo amin’ireo haizin’ny fahotana . Ny miaina amin’ny fiainan’Ilay anankiray Izay manome fiainana dia mitondra valisoa . Jesosy dia nandeha hatraiza hatraiza nanao asa tsara . Ao anatin’izany , ny tsirairay amin’ireo izay tena mpianany marina , dia hanaraka ny ohatra nasehony , feno ny fihentseham-po masina vokatry ny fananana toetra tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny fanaovana adidy ho an’ny hafa . Amin’ny alalan’ny fahafatarana ny fahamarinana araka ny tena maha izy azy ao amin’i Jesosy , ireo kristiana dia tsy maintsy mitombo amin’ny fahasoavana manantona tsy ankiato ny fahalavorarian’ny toetra . Levez vos Yeux en Haut p. 169

MITONDRA VALISOA NY TOMPO                                                                          

1.-Inona no zavatra ho entin’ny Tompo miaraka Aminy rehefa tonga Izy ? Ary ho an’iza ? Apokalypsy 22 : 12 ; Matio 16 : 27
 
             « … Nefa tsy izay rehetra milaza ny tenany ho kristiana no tena mpianatra . Alohan’ny hanomezana ny valisoa farany , dia tsy mantsy ho tapaka ny amin’izay ho mendrika hanana anjara eo amin’ny lovan’ny marina . Tsy maintsy vita alohan’ny fiavian’i Kristy fanindroany eo amin’ny rahon’ny lanitra izany . Fa rehefa ho avy Izy dia ho eny Aminy ny famaliany , mba hamaliany ny olona rehetra araka ny asany . Alohan’ny hahatongavan’izany , dia tsy maintsy ho tapaka ny tena toetran’ny asan’ny olona , ary efa voafaritra araka ny nataony avy ny valisoa ho an’ny mpanaraka an’i Kristy tsirairay . Henoinareo ny Fanoharana p 273

2.- Aiza no hisehoan’ny olona rehetra alohan’ny hanomezana ny valisoany ? Inona no takian’izany ? II Korintiana 5 : 10
 
        «Nodinihina teo anantrehan’Andriamanitra ny momba an’ireo kristiana efa maty . Raha vantany vao vita io raharaha io , dia manomboka ny fitsarana an’ireo velona . Hatraiza re no fatra maha saro-bidy sy maha manandanja indrindra an’ireo fotoana ireo ? Ny momba antsika tsirairay dia ho dinihina any amin’ny fitsaran’ny lanitra ? Ny olona tsirairay dia ho tsaraina araka ireo zavatra nataony fony izy mbola tao anatin’ny vatany . Tsy maintsy misy fiovana feno , raha ohatra ka misy fiheverana ny amin’ny famonjena antsika ao anatin’ny saintsika ao , na dia kely monja aza izany fiheverana izany . Isika dia tsy maintsy mitady ny Tompo amin’ny alalan’ny fibebahana marina , ary tsy maintsy miaiky ny fahotantsika amin’ny alalan’ny nenina lalina tokoa , mba ho voafafa ireo fahotana ireo . Messages Choisis vol 1 pp 145,146

3.- Inona no zavatra avorin’ireo olona tsy nibebaka ho an’ny tenany manokana ?       Romana 2 : 4
  
          «Tantara mahatsiravina maro no haseho amin’izao tontolo izao mandritra ny fotoanan’ny fitsarana , dia tantaram-pahotana maro izay tsy nibebahana , fahotana izay tsy voafafa . Oh! Raha mba mahafantatra ireo fanahy mahantra ireo na koa mahita fa , izy ireo dia manangona ny hatezerana hamely azy eo amin’ilay andron’ny fahatezerana . Amin’izany , ireo fisainana ao anatin’ny fo ao dia ho voaseho . Milaza aminareo aho ry anadahy sy rahavavy , fa tsy maintsy ilainareo ny mampietry ny fanahinareo eo anantrehan’Andriamanitra . Antsaharo ny fanaovan-dratsy , ary aza mijanona amin’izany fotsiny . Mianara manao ny tsara . Ianareo dia tsy afaka ny hanome voninahitra ho an’Andriamanitra raha tsy mamoa voa ho amin’ny voninahiny . Témoignages pour les Pasteurs p 68

IREO TAHIRY AZO ANTOKA SY NY VALISOA
                                                                                  
4- Aiza no tokony hametrahana ny harentsika? I Timoty 6:17-19
 
           «Hevero ny famonjena mandrakizay ho anao , mifohaza ianao ary aoka hanomboka hamafy voa tsara . Ny zavatra izay afafinao dia izany ihany koa no ho jinjainao . Efa akaiky ny fotoam-pijinjana , dia ilay fijinjana lehibe izay hiotazana ny zavatra izay nafafinao . Io fijinjana io dia azo antoka fa tsy maintsy ho tonga indray andro any . Anio no  vanim-potoana famafazana , fotoana fanaovana ny tena ho mpanankarena amin’ny asa tsara , fanaovana ny tena ho olona malala-tànana sy feno hazavam-po , ka amin’izany dia hamory rakitra soa ho amin’ny ho avy , izay ho tehirizina eo amin’ny fototra mafy , mba handray ny fiainana tena marina . Le Ministère de la Bienfaisance p. 66

 5.- Inona no ho tonga fitahiana manokana ho an’ny tanora noho ny an’ny olon-dehibe ? I Korintiana 3 : 11-13


          « Ireo tanora lahy sy vavy dia tokony hihevitra ny toetra tsara ho toy ny harena ampiasaina hampitomboana vokatra , izay manana tombambidiny mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy na ireo raharaham-barotra rehetra . Io harena fampitomboam-bokatra io dia tsy ho tratran’ny tahotra lehibe tampoka na tsy fahombiazana , ary hitondra vokatra maro rehefa voafaoka ireo harena eto an-tany . Ny tanora dia mila manana fihevitra ambony kokoa sy mendrika kokoa mikasika ny tombam-bidin’ny toetra kristiana . Ny fahotana dia manajamba ny maso ary manala ny hasina ao anatin’ny fo ao . Ny fanarahana ny rariny , ny fijoroana mafy tsy voaozongozona , ny faharetana dia toetra tsara izay tokony ho katsahin’ny olona hambolena ao anaty ao , amin’ny fomba matotra tsara , satria ireo toetra ireo dia manafy ilay olona izay manana azy , amin’ny hery tsy hay toherina , dia ny hery izay mahatonga an’io olona io hanao ny tsara , mahery mba hahatohitra ny ratsy sy hahazaka fahoriana . Eo amin’ireo toetra ireo no mamirapiratra ny tena halavorarian-toetra marina miaraka amin’ny famirapiratana tena lehibe indrindra . Testimonies for the Church vol 4 p. 656

6.- Inona ilay valisoa izay ho raisin’ireo mpanompon’i Kristy izay mahatoky any amin’ny farany ? Matio 25 : 21 , 23
 
            «Ny toetra mahatoky sy ny fijoroana ho an’Andriamanitra , ny fanompoana feno fitiavana no mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra . Ny fanaingana rehetra ataon’ny Fanahy Masina izay mitarika ny olona ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ho amin’Andriamanitra , dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny lanitra , ary amin’ny andro farany dia ho deraina ireo mpiasa izay nahatanteraka izany . Hiditra ao amin’ny fifalian’ny Tompo izy ireo raha hitany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny voavonjy noho izy ireo mba nampiasaina ho amin’izany … Henoinareo ny Fanoharana p. 315

7.- Inona no fifaliana lehibe izay handraman’ireo mpanompo mahatoky eo am-pandraisana an’ilay valisoa farany ? I Korintiana 2 : 9
 
            «Tena be voninahitra marina tokoa ilay valisoa izay homena ho an’ireo mpanompo mahatoky rehefa ho tafavory manodidina an’ilay seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny zanak’ondry izy ireo . Rehefa nibanjina ny voninahitr’Andriamanitra i Jaona tao amin’ilay fahitana nomena azy , dia lavo toy ny olona maty izy , tsy afaka nahazaka ny fijerena an’io tranganjavatra io izy . Kanefa kosa , rehefa ny mety maty ho voatafy ny tsy fahafatesana , ireo olom-boavonjy dia ho tahaka an’i Jesosy , niara-niasa tamin’i Jesosy ao anatin’ilay drafi-panavotana , ary izy ireo dia handray anjara miaraka amin’i Jesosy amin’ilay fifaliana mahita  an’ireo voavonjy midera an’Andriamanitra mandrakizay , dia ireo fanahy voavonjy tamin’ny alalan’ny asa nataon’izy ireo . Témoignages pour l’Eglise vol 2  pp 199,200
          «Rehefa averin’ny mpanaraka an’i kristy amin’ny Tompo izay azy , dia managona harena homena ho an’ny tenany izy rehefa handre ny teny hoe : “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky … midira amin’ny fifalian’ny Tomponao”. Izay niharita ny hazo fijaliana mba hahazoany ny fifaliana mipetraka eo anoloany , dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra . Ny fifaliana mahita ireo fanahy voavotra , fanahy voavonjy mandrakizay , no valisoa ho an’izay rehetra mametraka ny tongony eo amin’ny diantongotr’Ilay nilaza hoe : “Manaraha Ahy”.  Ilay Fitiavana Mandresy p. 558  

8.- Inona no miandry ny mpandresy ? II Timoty 4 7-8
 
           «…Tsy nitandro hasasarana mihintsy ny mpihazakazaka Grika , mba hahazoany ny satro-boninahitra mety lo . Ary isika kosa , miady mba hahazoa loka tsara lavitra , dia ny lokan’ny fiainana mandrakizay . Koa noho izany , dia tokony ho vonona ny hiatrika ny fahafoizan-tena sy fandavan-tena lehibe indrindra isika , mba hahazo fandresena ao amin’io tolona io . Vavolombelona Mahery p 273
             «Eo amin’ny lafiny anankiray , isika rehetra dia tokony hanaja ny valisoa na karama izay omena antsika . Rehefa mahay mankasitraka sy manome lanja ho an’ilay teny fikasana izay mampanantena fitahiana isika , dia tsy maintsy maneho fahatokiana lavorary sy tanteraka an’i Jesosy Kristy , manana finoana fa Jesosy dia hanao ny hetsika izay tsara indrindra ary hanome ho antsika ny valisoa rariny indrindra vokatr’ilay asa izay notanterahantsika . Ny fanomezana atolotr’Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay . Kanefa tsy tian’i Jesosy mihintsy isika hanana tebiteby mikasika ny valisoa ho raisintsika , fa kosa tiany isika hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra , satria rariny ny fanaovantsika izany , tsy miankina amin’ny hoe fahazoana tombony izany . Conceil à l’Econome pp 353,354

FAKAM-PANAHY, FANDRESENA, ARY VALISOA

9.- Inona ilay fe-petra takiana mba hanomezana an’ilay satro-boninahitra mandrakizay ? Jakoba 1 : 12
 
 «Andriamanitra dia tsy mandao mihintsy na oviana na oviana ny fanahy iray izay miantehitra sy mitady fanampiana Aminy . Ny satro-boninahitry ny fiainana dia tsy hapetaka afa tsy eo amin’ny handrin’ireo mpandresy ihany . Misy asa lehibe izay tsy maintsy hataon’ny tsirairay ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa io olona io … Isika dia manana asa izay tsy maintsy ataontsika ho an’ny fanahintsika manokana , ary tsy izany fotsiny ihany fa manana adidy ihany ka isika ny hamporisika ny hafa maba handray ny fiainana mandrakizay . Testimonies for the Church vol 5 pp 70-71

10.- Inona ilay fifaliana lehibe izay hiombonan’ireo olom-boavonjy ? Apokalypsy 21 : 10
  
  «Azontsika atao ny miatrika sy mahita amin’ny masom-pinoana ny ho avy sy ny fahasambaran’ny lanitra . Omen’ny fahitana voarakitra ao amin’ny Baiboly ho antsika ny santatry ny voninahitra ho avy . Sarobidy amin’ny fiangonana tokoa ireny fanehoana ny zavatra ho avy ireny , izay nosoratan’ny tànan’Andriamanitra mihintsy . amin’ny alalan’ny finoana no hahazoantsika mijoro eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tanàna masina , ary handre sahady ny fandraisana feno fandresena tehirizina ho an’izay nanantena an’i Kristy amin’izao fiainana izao , ary nihevitra ny fiaraha-mitondra fahoriana Aminy ho toy ny voninahitra . Raha mbola re izao teny izao hoe :”Avia ianareo izay notahian’ny Raiko”, dia idreo ny voavotra fa mametraka ny satro-boninahiny eo an-tongotry ny Mpanavotra , ka mihira hoe : “Ny Zanak’Ondry Izay novonoina , dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra … “Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny  seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’Ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay” Apokalypsy 5 : 12-13 . Vavolombelona Mahery pp 533,534

NY FANASIVANANA




 «Raha vantany vao voapetaka marika ny handrin’ny mambra tsirairay eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra , ary izany dia tsy tombo-kase na marika hita maso , fa kosa fampiharana ny fahamarinana eo amin’ny fiainana andavanandro , eo amin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy , hany ka tsy afaka hiala amin’io fahamarinana io intsony ilay olona raha vantany vao voaisy tombo-kase sy voaomana ho amin’ny sivana io vahoakan’Andriamanitra io , dia ho tonga Izy . Raha ny tena izy , io fotoana io dia efa nanomboka , ary ireo fitsarana dia efa tonga eto ambonin’ny tany mba hahatonga antsika hahafantatra ny zavatra izay ho avy . The Faith I Live By p 278

NY HEVITRY NY FANASIVANANA                                                                               

1.- Inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Simona fa ho avy tsy ho ela ? Inona no hiseho eo amin’ny vahokan’Andriamanitra eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Amosa 9 : 9 ; Lioka 22 : 31-32
 
            «Ny dikan-teny hafa dia manoritsoritra ny atao hoe « fanasivanana” ho mitovy amin’ny hoe “atao mandeha sy miverina eo amin’ny fandeha tsy misononoka” . Esorina ny fahafahana mijoro tsara ka mihevingevina , esorina na roahina amin’ny alalan’ny fihetsehana tsy misononoka . Ny hevitry ny teny hoe “fanasivanana” dia izao : Manasaraka amin’ny alalan’ny fametrahana an’ireo fahafahana mijoro ao anatin’ny sivana . Merriam Webster’s Collegrate Dictionary
           « Izaho dia nahita kristiana sasantsasany izay nifandahatra tamin’Andriamanitra , tamim-pinoana lehibe sy niaraka tamin’ny feo mafy feno tebiteby . Ny tavan’izy ireo dia hatsatra , naneho ny tebiteby lalina nahazo azy , sy ireo ady anaty izay atrehiny . Izy ireo dia naneho hafanam-po lehibe tokoa sy fijoroana tsy voaozongozona . Nisy dinitra ngeza be nitete avy teo amin’ny tarehiny … Ireo anjely ratsy dia nidodododo nanodidina azy ireo ka nanatsoboka azy tao anatin’ny haizina , mba hanafina an’i Jesosy tsy ho hitany , mba hahafahan’ireo anjely ratsy hitarika azy ireo hanary ny fahatokiany sy himonomonona hanohitra an’i Jesosy , satria ny mason’ireo olona ireo dia efa voasarika hijery ny maizina . Rehefa izany , ny saiko dia voasarika hibanjina an’ilay vondrona izay hitako fa efa mandalo sivana amin’ny fomba mampangitakitaka . Premiers Ecrits pp 269 , 271     

2.- Alohan’ny tranganjavatra inona no hisehoan’ity raharaha fanadiovana ity ? Inona no tanjona kendrena amin’izy io ? Malakia 3 : 3 ; Isaia 1 : 25


            «Izaho dia mahafantatra fa tsy maintsy vitaina ny fanatsarana ny mambra , raha tsy izany dia olona maro no tsy voaomana handray ny fahazavan’ilay anjely izay nalefan’ny lanitra mba hampahazava ny tany rehetra amin’ny alalan’ny voninahiny . Aza mihevitra fa ianao dia ho toy ny fanaka omem-boninahitra eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany mba handraisanao ny voninahitr’Andriamanitra . Raha toa ianao ka manolotra ny fanahinao ho amin’ny zava-poana , miresaka momba an’ireo zavatra tsy manjary , ary mankamamy izany any amin’ny takona izay mitondra faka mangidy . Témoignages pour les Pasteur p 239  
          «Izaho dia nahita fa tsy misy olona afaka manana anjara amin’ilay famelombelomana raha toa ka tsy mbola nandresy ny fahadisoana tsirairay izay tany aloha tany , dia ny fieboeboana , ny avonavona , ny fitiavan-tena , ny fitiavana an’izao tontolo izao , fandresena ny teny tsirairay , sy ny asa izay hita fa tsy manjary . Premiers Ecrits p. 71

NY FANAMBARAN’ILAY VAVOLOMBELONA MARINA SY NY FANASIVANANA  

3.- Amin’ny maha vavolombelona marina an’i Kristy , inona ilay fanambarana ataony ho an’ny fiangonan’i Laodikia izay mahatonga ny fanasivanana ? Amin’ny fomba ahoana ? Apokalypsy 3 : 14-7


          «Izaho dia nanontany ny hevitr’ilay fanasivanana izay hitako . Dia navaly ahy fa : Io fanasivanana io dia vokatry ny torohevitra nomen’ilay vavolombelona mahatoky sy marina ho an’ny fiangonan’i Laodikia . Premier Ecrit p 270
            «Ireo lehilahy sy vehivavy dia tsy maintsy mahafantatra tsara , adidin’izy ireo ny ho madio , mahafehy tena , ny manafa-tena hiala amin’ny fitiavan-komana manimba sy ho afaka amin’ny fahazaran-dratsy rehetra . Conseils sur la Nutrition et les Aliments p 87
            «Raha ireo izay niantefan’ilay hafatra no mandoka tena fa efa tonga eo amin’ny lenta ara-panahy ambony , ilay vavolombelona marina dia tonga namarana ny fahatsapan’izy ireo mandry fahizay , tamin’ny alalan’ny fampahafantarany azy ireo fa ny zavatra tena marina iainan’izy ireo dia ny fahantrana sy ny fahajambana ara-panahy . Io fiampangana izay tena tsy azo toherina sy henjana io dia tsy afaka ny ho diso mihitsy , satria izany  dia fanambarana ataon’ilay vavolombelona marina . Témoignages pour l’Eglise vol 1 p 375

4.- Inona ilay fomba tokana hany mba hahafahan’ny olona miala amin’ny hoe :  Haloan’ny vavan’i Jesossy , na koa midika hoe nariana mandrakizay ? Apokalypsy 3 : 18
 
           «Ilay vavolombelona marina dia manoro hevitra antsika mba hividy Aminy volamena voadio tamin’ny afo sy fitafiana fotsy , ary ody maso hanosorana ny masontsika . Ny volamena izay tendrena mihintsy ho voadio tamin’ny afo eto dia ny finoana sy ny fitiavana . Io volamena io dia mampanan-karena ny fo , satria efa tao anatin’ny lafaoro izy io ambaram-pahatonga azy ho madio , ary arakaraka ny maha voadio tsara azy no tena mampamirapiratra azy . Ilay fitafiana fotsy dia ny fahadiovan’ny toetra , ny fahamarinan’i Kristy apetraka ao anatin’ny mpanota . Izy io dia fitafiana manana firafitra avy any an-danitra izay tsy azo vidiana afatsy amin’ny alalan’ny fiainam-pankatoavana antsitram-po ihany . Ny odimaso dia ny fahendrena sy ny fankatoavana izay mahatonga antsika ho mahay manavaka tsara ny ratsy sy ny tsara sy afaka mahita ny fahotana eo amin’ny endriny rehetra . Andriamanitra dia manome ho an’ny fiangona ny maso izay feno ny hosotry ny fahendrena mba hahatonga an’io fiangonana io ho afaka mahita tsara . Kanefa moa , maro no nanongotra an’io hosotra io raha toa ka azon’izy ireo ho natao izany . Amin’izany , ireo asa izay ataon’ny olona dia tsy mandeha eo amin’ny mazava ka tsy afaka ny tsy ho voaheloka . Ny odimaso avy any an-danitra dia mampita hazavàna sy tsilon-tsaina . Kristy no Ilay nanankinana ny fahasoavana rehetra . Izy dia miteny amintsika manao hoe : “Mividiana Amiko” . Témoignages pour l’Eglise vol 1 pp 548-549 

MANAIKY AN’ILAY HAFATRA

5.- Inona no ho voaseho eo amin’ny fiainan’ny olona iray izay nanaiky an’ilay hafatra ho an’i Laodikia ? Inona no fanandramana izay efa nandalovanao manokana mikasika an’io hafatra io ? Matio 7 : 20 ; Isaia 62 : 10                                                                           
 
            «Io torohevira io dia hisy vokany eo amin’ny fon’ny olona izay mandray ilay torohevitra , ary izany dia hitarika an’ilay olona mba hanandratra ny fahamarinana . Premiers Ecrits p 270
            «Tsy misy sombim-pahamarinana na dia iray aza izay mahazo manary ny heriny , dia ny fahamarinana izay mahatonga an’ireo Advantista mitandrina ny andro faha fito ho tena izany marina tokoa . Isika dia manana an’ireo foto-kevitra mamarim-paritra fahamarinana izay efa tranainy , manana fanandramana , manana adidy . Ary isika dia tsy maintsy mijoro mafy tsy voaozongozona mba ho fiarovana ireo fitsipika izay iainantsika eo imason’izao tontolo izao . Témoignages pour l’Eglise vol 2 pp 432-433
       «Ny fahafatesana , toy izay ny fanalam-boninahitra , na ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra , izany no tokony  ho teny filamatra arahin’ny kristiana rehetra . Amin’ny maha mpanao fanavaozana an’ireo izay milaza tena ho mitana ny fahamarinana , izay tena lehibe indrindra ao anatin’ny tenin’Andriamanitra , isika dia tsy maintsy mampiakatra ny faneva ho eo ambonimbony kokoa mihoatra ny fitoetrany ankehitriny .  Ny fahotana sy ireo mpanota dia tsy maintsy roahina haingana hiala ao anatin’ny fiangonana mba tsy hahatonga ny hafa hifindran’io aretina io .  Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 39

6.- Inona ilay loza lehibe indrindra izay mahazo ny vahoakan’Andriamanitra rehefa tonga ny fotoan-tsarotra iray ? Inona no ho raisin’ireo izay mitoetra mahatoky hatramin’ny farany ? Apokalypsy 3 : 3 ; 2 : 10

            «Ny zavatra izay eo anoloantsika dia tolona mitohy , mety ho atao antranomaizina isika , mety ho very ireo fananantsika , eny na ny aintsika mihintsy aza , mba hiarovana ny lalàn’Andriamanitra izay nosoloina tamin’ny lalàn’olombelona . Eo amin’izany toe-javatra izany , ny politika maneran-tany dia hanizingizina fa ny fanomezana fahafaham-po ho an’ireo lalàna manankery ao anatin’ny firenena , na dia eo amin’ny fihetsika aseho ivelany fotsiny aza , dia tsy maintsy ilaina noho ny fitiavana ny tanindrazana sy ny fitiavana ny firaisana . Ny olona sasantsasany aza dia hilaza mihintsy fa izany dia fitsipika ao anatin’ny Soratra Masina . Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe . “Ireo fahefana izay misy dia voatendrin’Andriaanitra”. Romana 13 : 1.  Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 374
          «Ireo izay manaiky tsikelikely ho fehezin’ireo fitakian’izao tontolo izao , ary mampifanaraka ny fiainany amin’ny fanaon’izao tontolo izao , dia tsy ho sarotra amin’izy ireo mihintsy ny manaiky ho resy ka ho fehezin’ireo fahefana izay misy eo , toy izay ny hanaiky ny fanirantsirana sy hatao ho fihomehezana , eny hiharan’ny fanilikilihina sy fanalam-baraka , ny fandrahonana hampidirina any antanomaizina , sy fandrahonana ho vonoina ho faty .  Ny ady hevitra moa dia hahakasika an’ireo didin’Andriamanitra sy ireo didin’olombelona . Les Evènements des Derniers Jours pp 178 , 176

IREO FITAOVANA AMPIASAIN’ANDRIAMANITRA                                                                        

7.- Iza no hampiasain’Andriamanitra ho fitaovana hitondra ho an’ny vahoakany sy ho an’izao tontolo izao ny hafatra ho amin’io fotoana anomezana azy io mihintsy ? Isaia 43 : 10


         «Ilay mpanavotra antsika dia mandefa an’ireo mpitondra hafatra avy Aminy mba hijoro vavolombelona hanambara Azy . Io mpanavotra antsika io dia dia miteny manao hoe : “Indro efa mitsangana  eo ambaravarana Aho ka mandondona . Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana , dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy , ary izy amiko . Apokalypsy 3 : 20. Kanefa moa olona maro no nanda ny handray an’io Mpanavotra antsika   io . Ny Fanahy dia maniry ny hampahalefaka ny fo sy hamolaka azy mba hanaiky , kanefa olona maro no tsy vonona ny hamela ny Mpamonjy hiditra ao anatin’izy ireo ao fandrao io Mpamonjy io hitaky zavatra amin’izy ireo . Rehefa izany no zava-misy , Jesosy avy any Nazareta dia handalo fotsiny . Témoignage pour l’Eglise vol 2 p 583

8- Inona ilay fanandramana nandalovan’i Gideona talohan’ny nahazoany an’ilay fandresena ? Hatraiza re no fatran’ny mampitovy an’ireo zavatra iainan’ny fiangonana sy izao tontolo ankehitriny amin’ireo zavatra niainan’ny olona tamin’io fotoan’andron’i Gideona io ?  Mpitsara 7 : 2-7


            «Tao anatin’ny fahitana anankiray , izaho dia nahita ny vahoakan’Andriamanitra nampandalovina tamin’ny sivan’ny fizahan-toetra . Ny isan’izy ireo anefa dia nihena . Ny sasantsasany tamin’izy ireo aza dia tsy nahazaka an’ilay fizahan-toetra ka nandao an’ilay tolona . Témoignage pou l’Eglise vol 1 pp 64 , 66
           «Tsy ho ela  intsony ny vahoakan’Andriamanitra dia handalo fizahan-toetra , ary ny ankamaroan’ireo izay toa olona marina sy mahitsy fo amin’izao fotoana izao , dia ho hita fa metaly tsy misy  vidiny . Miaro ny fahamarinana sy ny rariny , rehefa ny ankamaroan’ny olona tsy te hahalala antsika . Miady ny adin’ny Tompo kanefa mahalana no misy        mpandresy , izany no ho fizahan-toetra handalovantsika . Rehefa izany no tsy firaharahana asehon’ny hafa dia tokony hampahafana antsika izany . Ny hakanosan’ny olona dia hahatonga antsika hanana herim-po . Ny fanaovan’ny olona toetra mivadika dia tokony hanamafy ny tsy fisiam-pitaka ananantsika . Ny firenena dia hiandany amin’ilay filoha lehibe mpitarika ny fikomiana . Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 32
          «Raha manantona ny tafio-drivotra , dia misy antokon’olona maro izay niseho ho mino ny hafatry ny anjely faha elo , nefa tsy nohamasinina tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny fahamarinana , no hiala amin’ny toerany ankehitriny ka hirotsaka eo amin’ny laharan’ny mpanohitra  Hery Mifanandrina p 634

FAMETAHANA TOMBON-KASE AMIN’IREO MPANOMPON’ ANDRIAMANITRA
                                                          
9.- Eo amin’ilay asa farany ho fanatanterahana ny famonjen’Andriamanitra , inona no ho raisin’ireo olona masina mba hahatonga azy ireo ho vonona ny hitsena ny Tompo ? Apokalypsy 7 : 4


            «Ny anankiray tamin’izy ireo izay nitondra tatitra teny an-tanany no niverina avy teo ambonin’ny tany ary nanao izany  tamin’i Jesosy fa efa vita ny asa nataony , ary ireo olona masina dia efa voaisa sy voaisy tombo-kase . Rehefa afaka izany dia hitako ny Mpamonjy nanipy tamin’ny tany ny fandoroany emboka . Natsangany ny tànany , ary nihiaka tamin’ny feo mafy Izy nanao hoe : “vita” Rehefa izany , ireo andian-tafik’anjely rehetra dia nametraka ny satro-boninahiny , ary Jesosy kosa nanao an’izao fanambarana izao manao hoe : Izay manao ny tsy marina , aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy ; ary izay maloto , aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa , aoka mbola hanao ny marina ihany izy , ary izay masina , aoka mbola hihamasina ihany izy . Apokalypsy 22 : 11
Ny anjaran’ny tsirairay dia efa tapaka , na ho amin’ny fiainana , na ho amin’ny fahafatesana . Ny lanitra manontolo dia niray tamin’i Kristy mba hahatonga azy ireo hahare an’ireo teny nampangitakitaka ireo izay manao hoe : “vita”. Ny drafim-pamonjena dia efa vita , kanefa dia tena vitsy tokoa ny olona izay nanaiky azy io . Premiers Ecrits pp 279 , 281
           «Ireo olona marina izay mbola velona , izay miisa 144000, dia nahafantatra sy nahazo tsara an’ilay feo . Premiers Ecrits p 15

10.- Koa satria ny fanasivanana na ny fanadiovana dia hatao alohan’ny ranonorana        farany , inona no andraikitry ny vahoakan’-Andriamanitra ? II Korintiana 6 : 14-18 ;               I Jaona 3 : 3

           «Hitako fa tsy maitsy misy ezaka feno fanampahan-kevitra marina atao mba hanehoana amin’ireo olona izay tsy kristiana eo amin’ny fiainany , ny fahadisoan-kevitra ananan’izy ireo , ary ambara aminy fa raha ohatra izy ireo ka tsy manitsy ny tenany mba hiova ho amin’ny tsara , dia tsy maintsy hosarahana amin’ireo saro-bidy sy masina , mba hahafahan’Andriamanitra manana vahoaka iray madio izay maharavoravo Azy . Aoka ianareo tsy hanala baraka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanakambanana na ny fampiraisana ny madio amin’ny maloto.” Testimonies for the Church vol 1 pp 117-118 
“Amin’izao androntsika izao, dia vitsy ireo izay misora-tena ho mpanaraka ny Mpanavao Fivavahana no tena hetsehin’ny toe-tsain’izy ireo. Vitsy no mihaino ny feon’Andriamanitra ary vonona ny handray ny fahamarinana na toy inona na toy inona endrika hanehoana azy. Matetika ireo izay manaraka ny dian’ny Mpanavao fivavahana no voatery miala amin’ny fiangonana tiany, mba hahazoany manambara ny fampianarana mazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Matetika koa no voatery mandao ny fiangonan’ny razany ireo izay mitady fahazavana sy fampianarana miaraka amin’izany mba hahazoany mankatoa.” Ilay fitiavana Mandresy p 232 …
« Mialohan’ny hahavitan’ilay asa sy haha voapetaka tombokase ny zanak’Andriamanitra , isika dia handray ny firotsahan’ny Fanahin’Andriamanitra . Anjely maro avy any an-danitra no ho tonga eo afovoantsika. Maranatha p 210