«Raha vantany vao voapetaka marika
ny handrin’ny mambra tsirairay eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra , ary izany
dia tsy tombo-kase na marika hita maso , fa kosa fampiharana ny fahamarinana eo
amin’ny fiainana andavanandro , eo amin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy ,
hany ka tsy afaka hiala amin’io fahamarinana io intsony ilay olona raha vantany
vao voaisy tombo-kase sy voaomana ho amin’ny sivana io vahoakan’Andriamanitra
io , dia ho tonga Izy . Raha ny tena izy , io fotoana io dia efa nanomboka ,
ary ireo fitsarana dia efa tonga eto ambonin’ny tany mba hahatonga antsika
hahafantatra ny zavatra izay ho avy . The Faith I Live By p 278
NY HEVITRY NY FANASIVANANA
1.- Inona no
nolazain’i Jesosy tamin’i Simona fa ho avy tsy ho ela ? Inona no hiseho eo amin’ny
vahokan’Andriamanitra eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Amosa 9 : 9 ; Lioka
22 : 31-32
«Ny dikan-teny hafa dia
manoritsoritra ny atao hoe « fanasivanana” ho mitovy amin’ny hoe “atao mandeha sy
miverina eo amin’ny fandeha tsy misononoka” . Esorina ny fahafahana mijoro
tsara ka mihevingevina , esorina na roahina amin’ny alalan’ny fihetsehana tsy
misononoka . Ny hevitry ny teny hoe “fanasivanana” dia izao : Manasaraka
amin’ny alalan’ny fametrahana an’ireo fahafahana mijoro ao anatin’ny sivana . Merriam Webster’s Collegrate Dictionary
« Izaho dia nahita kristiana sasantsasany izay
nifandahatra tamin’Andriamanitra , tamim-pinoana lehibe sy niaraka tamin’ny feo
mafy feno tebiteby . Ny tavan’izy ireo dia hatsatra , naneho ny tebiteby lalina
nahazo azy , sy ireo ady anaty izay atrehiny . Izy ireo dia naneho hafanam-po
lehibe tokoa sy fijoroana tsy voaozongozona . Nisy dinitra ngeza be nitete avy
teo amin’ny tarehiny … Ireo anjely ratsy dia nidodododo nanodidina azy ireo ka
nanatsoboka azy tao anatin’ny haizina , mba hanafina an’i Jesosy tsy ho hitany
, mba hahafahan’ireo anjely ratsy hitarika azy ireo hanary ny fahatokiany sy
himonomonona hanohitra an’i Jesosy , satria ny mason’ireo olona ireo dia efa
voasarika hijery ny maizina . Rehefa izany , ny saiko dia voasarika hibanjina
an’ilay vondrona izay hitako fa efa mandalo sivana amin’ny fomba
mampangitakitaka . Premiers Ecrits pp 269 , 271
2.- Alohan’ny
tranganjavatra inona no hisehoan’ity raharaha fanadiovana ity ? Inona no
tanjona kendrena amin’izy io ? Malakia 3 : 3 ; Isaia 1 : 25
«Izaho dia
mahafantatra fa tsy maintsy vitaina ny fanatsarana ny mambra , raha tsy izany
dia olona maro no tsy voaomana handray ny fahazavan’ilay anjely izay nalefan’ny
lanitra mba hampahazava ny tany rehetra amin’ny alalan’ny voninahiny . Aza
mihevitra fa ianao dia ho toy ny fanaka omem-boninahitra eo amin’ny fotoanan’ny
ranonorana farany mba handraisanao ny voninahitr’Andriamanitra . Raha toa ianao
ka manolotra ny fanahinao ho amin’ny zava-poana , miresaka momba an’ireo
zavatra tsy manjary , ary mankamamy izany any amin’ny takona izay mitondra faka
mangidy . Témoignages
pour les Pasteur p 239
«Izaho dia nahita fa tsy misy olona afaka manana anjara
amin’ilay famelombelomana raha toa ka tsy mbola nandresy ny fahadisoana
tsirairay izay tany aloha tany , dia ny fieboeboana , ny avonavona , ny
fitiavan-tena , ny fitiavana an’izao tontolo izao , fandresena ny teny
tsirairay , sy ny asa izay hita fa tsy manjary . Premiers Ecrits p. 71
NY FANAMBARAN’ILAY VAVOLOMBELONA MARINA SY NY
FANASIVANANA
3.- Amin’ny maha
vavolombelona marina an’i Kristy , inona ilay fanambarana ataony ho an’ny
fiangonan’i Laodikia izay mahatonga ny fanasivanana ? Amin’ny fomba ahoana ?
Apokalypsy 3 : 14-7
«Izaho dia nanontany ny
hevitr’ilay fanasivanana izay hitako . Dia navaly ahy fa : Io fanasivanana io
dia vokatry ny torohevitra nomen’ilay vavolombelona mahatoky sy marina ho an’ny
fiangonan’i Laodikia . Premier Ecrit p 270
«Ireo lehilahy sy vehivavy dia
tsy maintsy mahafantatra tsara , adidin’izy ireo ny ho madio , mahafehy tena ,
ny manafa-tena hiala amin’ny fitiavan-komana manimba sy ho afaka amin’ny fahazaran-dratsy
rehetra . Conseils sur la Nutrition et les Aliments p 87
«Raha ireo izay niantefan’ilay
hafatra no mandoka tena fa efa tonga eo amin’ny lenta ara-panahy ambony , ilay
vavolombelona marina dia tonga namarana ny fahatsapan’izy ireo mandry fahizay ,
tamin’ny alalan’ny fampahafantarany azy ireo fa ny zavatra tena marina
iainan’izy ireo dia ny fahantrana sy ny fahajambana ara-panahy . Io fiampangana
izay tena tsy azo toherina sy henjana io dia tsy afaka ny ho diso mihitsy ,
satria izany dia fanambarana ataon’ilay
vavolombelona marina . Témoignages pour l’Eglise vol 1 p 375
4.- Inona ilay fomba
tokana hany mba hahafahan’ny olona miala amin’ny hoe : Haloan’ny
vavan’i Jesossy , na koa midika hoe nariana
mandrakizay ? Apokalypsy 3 : 18
«Ilay vavolombelona marina dia
manoro hevitra antsika mba hividy Aminy volamena voadio tamin’ny afo sy
fitafiana fotsy , ary ody maso hanosorana ny masontsika . Ny volamena izay tendrena
mihintsy ho voadio tamin’ny afo eto dia ny finoana sy ny fitiavana . Io
volamena io dia mampanan-karena ny fo , satria efa tao anatin’ny lafaoro izy io
ambaram-pahatonga azy ho madio , ary arakaraka ny maha voadio tsara azy no tena
mampamirapiratra azy . Ilay fitafiana fotsy dia ny fahadiovan’ny toetra , ny
fahamarinan’i Kristy apetraka ao anatin’ny mpanota . Izy io dia fitafiana
manana firafitra avy any an-danitra izay tsy azo vidiana afatsy amin’ny
alalan’ny fiainam-pankatoavana antsitram-po ihany . Ny odimaso dia ny
fahendrena sy ny fankatoavana izay mahatonga antsika ho mahay manavaka tsara ny
ratsy sy ny tsara sy afaka mahita ny fahotana eo amin’ny endriny rehetra .
Andriamanitra dia manome ho an’ny fiangona ny maso izay feno ny hosotry ny
fahendrena mba hahatonga an’io fiangonana io ho afaka mahita tsara . Kanefa moa
, maro no nanongotra an’io hosotra io raha toa ka azon’izy ireo ho natao izany
. Amin’izany , ireo asa izay ataon’ny olona dia tsy mandeha eo amin’ny mazava
ka tsy afaka ny tsy ho voaheloka . Ny odimaso avy any an-danitra dia mampita
hazavàna sy tsilon-tsaina . Kristy no Ilay nanankinana ny fahasoavana rehetra .
Izy dia miteny amintsika manao hoe : “Mividiana Amiko” . Témoignages pour l’Eglise vol 1 pp 548-549
MANAIKY AN’ILAY HAFATRA
5.- Inona no ho
voaseho eo amin’ny fiainan’ny olona iray izay nanaiky an’ilay hafatra ho an’i
Laodikia ? Inona no fanandramana izay efa nandalovanao manokana mikasika an’io
hafatra io ? Matio 7 : 20 ; Isaia 62 : 10
«Io torohevira io dia hisy
vokany eo amin’ny fon’ny olona izay mandray ilay torohevitra , ary izany dia
hitarika an’ilay olona mba hanandratra ny fahamarinana . Premiers Ecrits p 270
«Tsy misy sombim-pahamarinana na dia iray aza izay
mahazo manary ny heriny , dia ny fahamarinana izay mahatonga an’ireo Advantista
mitandrina ny andro faha fito ho tena izany marina tokoa . Isika dia manana
an’ireo foto-kevitra mamarim-paritra fahamarinana izay efa tranainy , manana
fanandramana , manana adidy . Ary isika dia tsy maintsy mijoro mafy tsy
voaozongozona mba ho fiarovana ireo fitsipika izay iainantsika eo imason’izao
tontolo izao . Témoignages pour l’Eglise vol 2 pp 432-433
«Ny fahafatesana , toy izay ny
fanalam-boninahitra , na ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra , izany no
tokony ho teny filamatra arahin’ny
kristiana rehetra . Amin’ny maha mpanao fanavaozana an’ireo izay milaza tena ho
mitana ny fahamarinana , izay tena lehibe indrindra ao anatin’ny
tenin’Andriamanitra , isika dia tsy maintsy mampiakatra ny faneva ho eo
ambonimbony kokoa mihoatra ny fitoetrany ankehitriny . Ny fahotana sy ireo mpanota dia tsy maintsy roahina
haingana hiala ao anatin’ny fiangonana mba tsy hahatonga ny hafa hifindran’io
aretina io . Témoignages pour
l’Eglise vol 2 p 39
6.- Inona ilay loza
lehibe indrindra izay mahazo ny vahoakan’Andriamanitra rehefa tonga ny
fotoan-tsarotra iray ? Inona no ho raisin’ireo izay mitoetra mahatoky
hatramin’ny farany ? Apokalypsy 3 : 3 ; 2 : 10
«Ny zavatra izay eo anoloantsika
dia tolona mitohy , mety ho atao antranomaizina isika , mety ho very ireo
fananantsika , eny na ny aintsika mihintsy aza , mba hiarovana ny
lalàn’Andriamanitra izay nosoloina tamin’ny lalàn’olombelona . Eo amin’izany
toe-javatra izany , ny politika maneran-tany dia hanizingizina fa ny fanomezana
fahafaham-po ho an’ireo lalàna manankery ao anatin’ny firenena , na dia eo
amin’ny fihetsika aseho ivelany fotsiny aza , dia tsy maintsy ilaina noho ny
fitiavana ny tanindrazana sy ny fitiavana ny firaisana . Ny olona
sasantsasany aza dia hilaza mihintsy fa izany dia fitsipika ao anatin’ny
Soratra Masina . Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe . “Ireo
fahefana izay misy dia voatendrin’Andriaanitra”. Romana 13 : 1. Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 374
«Ireo izay manaiky tsikelikely
ho fehezin’ireo fitakian’izao tontolo izao , ary mampifanaraka ny fiainany
amin’ny fanaon’izao tontolo izao , dia tsy ho sarotra amin’izy ireo mihintsy ny
manaiky ho resy ka ho fehezin’ireo fahefana izay misy eo , toy izay ny hanaiky
ny fanirantsirana sy hatao ho fihomehezana , eny hiharan’ny fanilikilihina sy
fanalam-baraka , ny fandrahonana hampidirina any antanomaizina , sy
fandrahonana ho vonoina ho faty . Ny ady
hevitra moa dia hahakasika an’ireo didin’Andriamanitra sy ireo didin’olombelona
. Les Evènements
des Derniers Jours pp 178 , 176
IREO FITAOVANA AMPIASAIN’ANDRIAMANITRA
7.- Iza no
hampiasain’Andriamanitra ho fitaovana hitondra ho an’ny vahoakany sy ho an’izao
tontolo izao ny hafatra ho amin’io fotoana anomezana azy io mihintsy ? Isaia 43
: 10
«Ilay mpanavotra antsika dia
mandefa an’ireo mpitondra hafatra avy Aminy mba hijoro vavolombelona hanambara
Azy . Io mpanavotra antsika io dia dia miteny manao hoe : “Indro efa mitsangana
eo ambaravarana Aho ka mandondona . Raha
misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana , dia hiditra ao aminy Aho ka
hiara-misakafo aminy , ary izy amiko . Apokalypsy 3 : 20. Kanefa moa olona maro
no nanda ny handray an’io Mpanavotra antsika io . Ny Fanahy dia maniry ny hampahalefaka ny
fo sy hamolaka azy mba hanaiky , kanefa olona maro no tsy vonona ny hamela ny
Mpamonjy hiditra ao anatin’izy ireo ao fandrao io Mpamonjy io hitaky zavatra
amin’izy ireo . Rehefa izany no zava-misy , Jesosy avy any Nazareta dia handalo
fotsiny . Témoignage
pour l’Eglise vol 2 p 583
8- Inona ilay
fanandramana nandalovan’i Gideona talohan’ny nahazoany an’ilay fandresena ?
Hatraiza re no fatran’ny mampitovy an’ireo zavatra iainan’ny fiangonana sy izao
tontolo ankehitriny amin’ireo zavatra niainan’ny olona tamin’io fotoan’andron’i
Gideona io ? Mpitsara 7 : 2-7
«Tao anatin’ny fahitana anankiray
, izaho dia nahita ny vahoakan’Andriamanitra nampandalovina tamin’ny sivan’ny
fizahan-toetra . Ny isan’izy ireo anefa dia nihena . Ny sasantsasany tamin’izy
ireo aza dia tsy nahazaka an’ilay fizahan-toetra ka nandao an’ilay tolona . Témoignage pou l’Eglise vol 1 pp 64 , 66
«Tsy ho ela intsony ny vahoakan’Andriamanitra dia handalo
fizahan-toetra , ary ny ankamaroan’ireo izay toa olona marina sy mahitsy fo
amin’izao fotoana izao , dia ho hita fa metaly tsy misy vidiny . Miaro ny fahamarinana sy ny rariny ,
rehefa ny ankamaroan’ny olona tsy te hahalala antsika . Miady ny adin’ny Tompo
kanefa mahalana no misy mpandresy
, izany no ho fizahan-toetra handalovantsika . Rehefa izany no tsy firaharahana
asehon’ny hafa dia tokony hampahafana antsika izany . Ny hakanosan’ny olona dia
hahatonga antsika hanana herim-po . Ny fanaovan’ny olona toetra mivadika dia
tokony hanamafy ny tsy fisiam-pitaka ananantsika . Ny firenena dia hiandany
amin’ilay filoha lehibe mpitarika ny fikomiana . Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 32
«Raha manantona ny
tafio-drivotra , dia misy antokon’olona maro izay niseho ho mino ny hafatry ny
anjely faha elo , nefa tsy nohamasinina tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny
fahamarinana , no hiala amin’ny toerany ankehitriny ka hirotsaka eo amin’ny
laharan’ny mpanohitra … Hery Mifanandrina p 634
FAMETAHANA TOMBON-KASE AMIN’IREO MPANOMPON’
ANDRIAMANITRA
9.- Eo amin’ilay asa
farany ho fanatanterahana ny famonjen’Andriamanitra , inona no ho raisin’ireo
olona masina mba hahatonga azy ireo ho vonona ny hitsena ny Tompo ? Apokalypsy
7 : 4
«Ny anankiray tamin’izy ireo
izay nitondra tatitra teny an-tanany no niverina
avy teo ambonin’ny tany ary nanao izany
tamin’i Jesosy fa efa vita ny asa nataony , ary ireo olona masina dia
efa voaisa sy voaisy tombo-kase . Rehefa afaka izany dia hitako ny Mpamonjy nanipy
tamin’ny tany ny fandoroany emboka . Natsangany ny tànany , ary nihiaka
tamin’ny feo mafy Izy nanao hoe : “vita”
Rehefa izany , ireo andian-tafik’anjely rehetra dia nametraka ny
satro-boninahiny , ary Jesosy kosa nanao an’izao fanambarana izao manao hoe :
Izay manao ny tsy marina , aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy ; ary izay
maloto , aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa , aoka mbola
hanao ny marina ihany izy , ary izay masina , aoka mbola hihamasina ihany izy .
Apokalypsy 22 : 11
Ny anjaran’ny tsirairay dia efa tapaka , na ho amin’ny fiainana , na ho
amin’ny fahafatesana . Ny lanitra manontolo dia niray tamin’i Kristy mba
hahatonga azy ireo hahare an’ireo teny nampangitakitaka ireo izay manao hoe : “vita”. Ny drafim-pamonjena dia efa
vita , kanefa dia tena vitsy tokoa ny olona izay nanaiky azy io . Premiers Ecrits pp 279 , 281
«Ireo olona marina izay mbola
velona , izay miisa 144000, dia nahafantatra
sy nahazo tsara an’ilay feo . Premiers Ecrits p 15
10.- Koa satria ny
fanasivanana na ny fanadiovana dia hatao alohan’ny ranonorana farany , inona no andraikitry ny
vahoakan’-Andriamanitra ? II Korintiana 6 : 14-18 ; I Jaona 3 : 3
«Hitako fa tsy maitsy misy ezaka
feno fanampahan-kevitra marina atao mba hanehoana amin’ireo olona izay tsy
kristiana eo amin’ny fiainany , ny fahadisoan-kevitra ananan’izy ireo , ary
ambara aminy fa raha ohatra izy ireo ka tsy manitsy ny tenany mba hiova ho
amin’ny tsara , dia tsy maintsy hosarahana amin’ireo saro-bidy sy masina , mba
hahafahan’Andriamanitra manana vahoaka iray madio izay maharavoravo Azy . Aoka
ianareo tsy hanala baraka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanakambanana na ny
fampiraisana ny madio amin’ny maloto.” Testimonies for the Church vol 1 pp 117-118
“Amin’izao androntsika izao, dia vitsy ireo izay misora-tena ho
mpanaraka ny Mpanavao Fivavahana no tena hetsehin’ny toe-tsain’izy ireo. Vitsy
no mihaino ny feon’Andriamanitra ary vonona ny handray ny fahamarinana na toy
inona na toy inona endrika hanehoana azy. Matetika ireo izay manaraka ny
dian’ny Mpanavao fivavahana no voatery miala amin’ny fiangonana tiany, mba
hahazoany manambara ny fampianarana mazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Matetika
koa no voatery mandao ny fiangonan’ny razany ireo izay mitady fahazavana sy
fampianarana miaraka amin’izany mba hahazoany mankatoa.” Ilay fitiavana
Mandresy p 232 …
« Mialohan’ny
hahavitan’ilay asa sy haha voapetaka tombokase ny zanak’Andriamanitra , isika
dia handray ny firotsahan’ny Fanahin’Andriamanitra . Anjely maro avy any
an-danitra no ho tonga eo afovoantsika. Maranatha p 210
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire