lundi 20 octobre 2014

NY FOTOAN-TSAROTRA SY NY FANAVAOZANA



«Ny lalàn’Andriamanitra no fototra iorenan’ny fanavaozana maharitra rehetra . isika dia tsy maintsy maneho amin’izao tontolo izao ny maha tsy maintsy ilàna ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, ary izany dia atao amin’ alalan’ fampisehoana hevitra mazava tsara sy miavaka tsara. Ny fihetsehana lehibe anaovana fanavaozana dia tsy maintsy atomboka ao an-tonkantrano. Ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra no ilay antony manosika lehibe eo amin’ ireo raharaha atao ao anatin’ny fitantanana ny raharaha makasika ny toe-karena, ao anatin’ny fnanana toky, sy ao anatin’ny fifandraisana ifanaovan’ny samy olombelona. » Child Guidance, p 489

NY MANDRAY FEHIZAY ARA-BAIBOLY

1.- Araka ny fampianarana nomen’ny Tompo sy ny ohatra nasehony, manao ahoana no fomba andraisana an’ireo fahavalo? Inona ireo hevitra izay tsy tafiditra ao anatin’ny fiainana ny kristiana anakiray?  Matio 5: 39, 44 ; 26: 52
 
           «Satana dia manao ho fahafinaretany ny ady izay m ahatonga ny firehidrehitra ratsy indrindra, avy eo dia azerany ho any amin’ny mandrakizay ireo olona rembiny izay mamon’ny fitondran-tena ratsy , mamon’ny rà. Satana dia mitarika an’ ireo firenena maro mba hanao ady mba hanakanany ny olona tsy hiomana mba haharitra hahajoro eo amin’ ilay andron’Andriamanitra. » Tragédie des siècles, p. 638
«Naseho ahy fa ny vahoakan’ Andriamanitra izay rakitra soa manokana ho Azy, dia tsy afaka ny hilatsa-tena hirotsaka ao anatin’io ady maha sanganehana io, satria mifanohitra amin’ny fitsipika tsirairay ao amin’ny fiainana arahan’izy ireo. Ao anatin’ny tafika ao , izy ireo dia tsy afaka no sady mankatoa ny fahamarinana no sady mankatoa ny baikon’ireo manam-boninahitra. Hisy fivadihana mandrakariva amin’ny feon’ny fieritreretana. » Testimonies for the Church, Vol 1, pp.361

ILAY FITOETRA NORAISIN’ IREO ADVANTISTA TAMIN’NY VOALOHANY

2.- Inona ilay fitoetra noraisin’ ny Conférence Générale Advantista tany am-boalohany vokatry ny fahitana anakiray nomen’ny Fanahy Masina? Efesiana 6: 12; II Kor 10:4
 
           «Ny komity Mpanatanteraka tao amin’ny Conférence Générale Advantista mitandrina ny Andro fahafito dia nandefa ho an’ny governoran’ny Michigan ny taratasy manazava an’ ireo fitsipika tamin’ny 3 Aogositra taona 1864. «Ho an’i Austin Blair , Tsara indrindra, Governora ny Fanjakana Michigan:
«Izahay, izay manao sonia etsy ambany, ny komity Mpanantanteraka ao amin’ny Conférénce Générale ao amin’ny Advantista Mitandrina ny Andro fahafito dia mangataka amin-panajana ny alàlana hanolotra mba ho dinihinao ireto fanambarana manaraka ireto; «Ireo Kristiana izay ao anatin’ilay Fiangonana izay miravaka ny anarana Advantista Mitandrina ny Andro fahafito, izay mandray ny Baiboly ho fitsipiky ny finoana sy ny asa, dia miray hevitra fa ireo fampianarana ao anatin’ny Baiboly dia mifanohitra amin’ireo fitsipika sy fihevitra fonosin’ny ady, ary ny fandraisana anjara amin’ny ady. Avy amin’izany no ihavian’ny hoe ireo kristiana ireo dia tena manohitra mihitsy amim-pahafantarana tsara, ny fitondrana fitaovam-piadiana. Raha misy ampahan-teny ao anaty Baiboly ao, izay azonay aseho amin’ny maha vahoaka anay, hoy toy ny fitsipika mifehy ny finoanay, mihoatra noho ireo andalan-teny hafa rehetra, dia ny lalàn’ ireo Didy folo izany, izay raisinay ho ilay lalàna fara-tampony, ary ao anatin’io lalàna fara-tampony io , ny fitsipika tsirairay  dia raisinay ao amin’ny heviny izay tena miharihary indrindra sy tena ara-bakiteny indrindra. Ny didy fahaefatra amin’ ireo Didy Folo ireo dia mitaky ny fampitsaharana ny raharaha eo amin’ny andro fahafito amin’ny herinandro; ny didy faha-enina dia mandrara ny famonoana olona; araka ny hevitray, ireo didy anakiroa ireo dia tsy afaka ny ho voatandrina raha manao ny raharaha miaramila. Ny fanaonay dia mifanaraka amin’ ireo fitsipika ireo, amin’ny fitovian-tantana, avy amin’izany no nihavian’ny hoe ny vahoakanay dia tsy mahatsapa mihitsy fa manana fahafana hilatsa-tena hanao raharaha-miaramila. Tsy mbola nisy mihitsy na dia iray aza ao anatin’ny ireo lahatsoratra navoakanay mikasika ny finoanay ireny, ny fanambarana manamarina na mamporisika ny fitondrana fitaovam-piadiana, ary ho solon’ny fandikana an’ ireo fitsipikay, dia naleonay mihitsy aza ny nanaiky nandoa vola 300 $ ( Dollars) mba hividianana ny fanafahana anay rehefa voatendry tamin’ny alalan’ny fisarihana izahay, ary nifanampy mihitsy izay tamin’ny fandoavana an ‘io vola io. Ary raha mbola nampiharina ho an’ny olona rehetra io zavatra voadidy io, izahay dia tsy mihevitra mihitsy fa tokony lazaina am-pahibemaso ny fihevitray mikasika io raharha io. »
«Ankoatr’izany, izahay dia manintina ny sain’ny olona mba hahafantatra fa ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito dia mpanohitra indrindra ny fanandevozana, mifanaraka amin-kitsim-po marina amin’ny fitondram-panjakana sy miombina aminy mba hanohitra ny fikomiana. Kanefa noho ny hoe tsy mbola ela ny fisianay amin’ny maha vahoaka miavaka manokana anay, ary ny fandaminana mifehy anay dia mbola tsy ela akory no tafaorina aza, dia mbola tsy dia tena fantatry ny olona ireo fihevitra hazoninay. Ny fanovana izay natao tao anatin’ny lalàna dia nahatonga ny hoe tsy maintsy nilainay ny nandray fitoetra anakiray mikasika an ‘izany. Izany no antony mahatonga anay amin’izao fotoana izao , mamelabelatra eto anatrehanao ry Governora Tsara Indrindra, an’ ireo fihevitra ankapobeny izay hazonin’ ireo Advantista Mitandrina ny Andro fahafito mikasika ny fitondrana fitaovam-piadiana, ao anatin’ny fahatokiana izahay fa hianareo dia tsy hahatsapa mihitsy fisalasalana na dia key aza ny hankasitraka an’ ity fangatahana ataonay ity. Amin’ny maha-vahoaka anay,izahay dia mirotsaka ao anatin’ ireo fihevitra izay notapahina vao tsy ho ela ao anatin’ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny Parlemanta ambony, mikasika an’ ireo izay manohitra amim-pahafantarana tsara ny fitondrana fitaovam-piadiana, sady manana zo handray an’ireo tombotsoa rehetra voarakitra ao anatin’ireo lalàna ireo.

JOHN BYINGTON
J.N. LOUGHBOROUGH
GEORGE W. AMADON
Ny Komity Mpanatanteraka ao amin’ny Conférence Générale ny Advantista Mitandrina ny Andro fahafito.
Battle Creek, Michigan, Ny 2 Aogositra 1864
- F.M. Wilcox, Seventh-day Adventists in Time of War, p.58

3. Inona ilay didy, izay norain’ ireo Advantista, teo amin’ ireo didy anakitelo izay azon izy ireo nosafidianana?
 
         «Rehefa nantsoina ho ao amin’ny Foibe mpitantana ny raharaha miaramila izahay, ho solon’ny fandikana an’ ireo fitsipika mifehy antsika, izahay dia afa-po tamin’ny fandoavana ny volan sy tamin’ny fifanampiana teo amin’ny fandoavana ny 300 Dolara mba hanefana ny fanafahana mba tsy handray anjara. » FM Wilcox, Seventh-Day Adventists in Time of War, p. 58.

4. Inona no zavatra izay efa nampianarina an’ireo Advantista any amin’ny toerana rehetra Asa 4:19 ; 5: 29

         «Tokony hoekentsika ho fandaminana avy amin’Andriamanitra ny fitondram-panjakan’olombelona, ka hampianatra ny fankatoavana azy ho adidy masina, eo amin’ny faritra mifanaraka ny lalàna isika. Rehefa manohitra ny fitakian’Andriamanitra kosa ny fitakiany, dia Andriamanitra no tsy maintsy ekena mihoatra noho ny olona, ny tenin’Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa ambonin’ny lalàna rehetra nataon’olombelona. Tsy azo ialana ny “ izao no lazain’i Jehovah” ho solon’ ny hoe “ izao no lazain’ny fiangonana” na ny hoe “ izao no lazain’ny fanjakana”. Tokony hasandratra ambonin’ireo diademan’ny manam-pahefana eto an-tany ny satroboninahitr’i Kristy » Vavolombelona Mahery. p.62

FOTOAN-TSAROTRA ANAKIRAY

5. Dimampolo taona taty aoriana, tamin’ny taona 1914, rehefa nanomboka ilay Ady Lehibe volalohany, inona no nataon’ireo mpitarika Eropeana sasantsasany rehefa noporetin’ny fitondram-panjakana? Isaia 5: 20,21


          «Na dia mitoetra eo ambanin’ ireo zavatra fototra voalazan’ny Soratra Masina aza isika, sy mikatsaka ny hankatoa an’ ireo fitsipiky ny fivavahana Kristiana, sady mitandrina an’ilay andro fitsaharana ( Ny Sabotsy) izay naorin’ Andriamanitra tany am-pihandohana, amin’ny alalan’ny fiezahantsika hanajanona ny raharaha rehetra, rehefa tonga io andro io, kanefa eo amin’ity fotoana ity izay misy korontana izao, izahay dia niray hevitra nilatsa-tena miaraka mba hiaro ny  « Tanindrazana » ary , eo amin’ izany toe-draharaha izany, izahay dia hitondra ihany koa fitaovam-piadiana amin’ny andro Asabotsy ( Ny Sabata). Amin’izany, izahay dia mandray ny fitoetra mifanaraka amin’ny Soratra Masina izay hita ao amin’ny I Petera 2: 13-17  « 13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, 14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. 15 Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa; 16 fa olona afaka hianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon'Andriamanitra. 17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka»
(Manao sonia) ny loholona HF. Schuberth, Président, au Ministre Allemand de la Guerre, 4 Août 1914 (Tsindrinay izany).
             «Kanefa rehefa nipoaka ny ady, ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fandaminana Advantista tao Allemagne, tamin-tsitra-po, dia nanoro-hevitra an’ireo mambran’ izy ireo rehetra tao amin’ny raharaha miaramila manerana ny firenena manontolo, mba hanao ny adidy izay takiana amin’izy ireo amin’ny maha olom-pirenena azy ireo, araka ny Soratra Masina, satria poretin’ireo toe-draharaha misy sy poretin’ny zavatra tsy maintsy ilain’ny tanindrazana, ka hanao an’io adidy io amin’ny fo madio amin’ny Asabotsy ( Ny Sabata) tahaka ny ataon’ireo mpiady hafa eo amin’ny andro Alahady» (Manao Sonia) Ireo Loholona L.R. Conradi, H.F. . Schuberth, P. Drihaus, ny 5 Martsa 1915.

NISY VAHOAKA ANANKIRAY SISA NANDRAY NY FITOETRA ARA-BAIBOLY

6.-  Advantista firy no nivily làlana niala tamin’làlana mahitsy? Firy no nitoetra mahatoky tsy nivadika? Romana 11: 3-5 ; 9: 27

             «Teo amin’ny fiantombohan’ilay ady ny fiangonantsika ( S.D.A) dia nizara ho antoko anakiroa: ny 98 % valo ambin’ny sivifolo isan-jaton’ireo mambrantsika dia nandray ny fitoetra mahakasika an’ireo fototra iorenan’ny Baiboly ary nihevitra fa adidy tsy maintsy ataon’izy ireo amim-pahafantarana tsara ny miaro ny Tanindrazana amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana, ary dia atao na dia reo amin’ny Sabata, ary izany fitoetra izany izay niombonan’ireo mpitarika, dia nampitaina tsy nisy elanelana tamin’ny sampan-draharaha miadidy ny ady; kanefa kosa ny roa isan-jato 2% dia tsy mba nanaiky an’ io fanapahan-kevitra niombonana io ....»
-Fanambarana nataon’ireo Advantista mitandrina ny Andro Faha-fito, ao amin’ny  Dresdner neueste Nachrichten ( Les Derniers Nouvelles de Dresden) 12 Avril 1918

7.- Inona no nanjo an’ireo mpino sasantsasany izay nahatoky tsy nivadika? Moa ve izy ireo nisaraka tamin’ny fahamarinana? Isaia 66 : 5 ; Zefania 3:19
 
         «Kanefa ny 2% dia tsy nanaiky an’io fanapahan-kevitra niombonana io; vokatr’izany, izy ireo dia voatery tsy maintsy nisaraka tamin’ilay fitambaram-ben’ny mambra noho io fitondran-tena izay tsy tena araka ny maha kristiana io » Dresdner neueste Nachrichten 12 Avril 1918
             «Nandritra an’ilay ady, nisy anefa mambra mitsitokatokana teo amin’ ireo Advantista mitandrina ny Andro Faha-fito ireo izay tsy niaiky am-pahibemaso teo anatrehan’ireo manam-pahefana ny tao anatin’ny feon’ny fieritreretan’izy ireo, fa kosa niala tan-tsokosoko tamin’ny adidiny, ka nandeha nitety renivohitra maromaro mba hitarihana olona hafa maro hanaraka ny fanapahan-kevitra noraisiny tamin’ny alalan’ny teny sy tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. Noho io fihetsika feno  hamafy mikiry io,izay loza mananontanona mety hanaisotra ny fihavanana ao anatiny sy eo ivelany, izy ireo dia voatery tsy maintsy nilaza tamin’ny fiangonana ny amin’ny nataon’izy ireo, ka dia voatery tsy maintsy nosarahina niala tamin’ny fitambaram-ben’ny fiangonana.» Berliner Lokalanzeiger ( Nouvelles Locales de Berlin), 24 Aogositra 1918

8.- Noho izany, iza no tompon’andraikitra nahavanona an’ io zava-tsarotra nandalovan’ny Advantistra mitandrina ny Andro Faha-fito io ?Isaia 3: 12b; 9: 16.
 
           «Ny fialàna amin’ny fenitra nasehon’ireo mpitarika izay voantso mba ho ohatra alain-tahaka sy solon-tena mpaneho ny sitrapon’Andriamanitra, dia mitondra fisafotofotoana eo amin’ ireo laharan’ny vahoakan’ Andriamanitra. Ireo fanahy marina dia sanganehana sy misafotofoto ny amin’ny zavatra izay  tokony ho tsotra sy mazava. Eo amin’ny fipetra-javatra toy izany, ny vahoaka dia tavela mitoetra ao anatin’ny anakiray amin’ireo fehin-kevitra anakiroa fotsiny ihany: tsy misy azo anaovana safidy: na izy  ireo tsy maintsy manameloka ny fanaon’ireo mpitarika ary mifikitra amin’ny fenitra napetrak’ Andriamanitra, na izy ireo tsy maintsy mandray fehin-kevitra hoe raha ohatra ka ireo mpitarika ireo ankaditrahan’Andriamanitra sy eken’ Andriamanitra, Andriamanitra dia tsy tokony hanome lanja lehibe tahaka ny niheveran’ ireo mpitarika ireo mikasika ny fankatoavana ny fenitra napetrak’Andriamanitra; amin’izany, ireo fanahy ireo dia afaka manapa-kevitra ny hiodina ka tsy hankatoa , kanefa mbola manantena ihany fa eken’Andriamanitra. » The Medical Evangelist, vol. 9. N°2, p,9

9.-Inona ireo fampianarana diso nataon’ny Conférénce Générale Advantista izay noraisin’ireo mpitarika eropiana nihemotra? I Petera 2: 16


         «Izahay dia nandray fitoetra mamela ny tsirairay hanao hetsika araka ny feon’ny fieritreretany manokana mikasika an’ io loha-hevitra io. » A.G. Daniells, Président de la Conférence Générale (1920), Protokoll der Verhandlung mit der Gegenbewegung du 21 au 23 juillet 1920 à Friedensau, p. 36

         « Fa izahay dia manome fahafahana ho an’ny mambra tsirairay ao anatin’ny fiangonantsika mba hanompo ny fireneny amin’ny fotoana rehetra araka ny feon’ny fandresen-dahatra manokana ambaran’ny feon’ny fieritreretan’ilay olona »- Résolution du Comité Europeen, Gland, Suisse, 2 janvier 1923, Review and Herald, vol. 101, N°10, 6 Martsa 1924, p. 4

10.- Nahoana moa ireo mambran’ny fiangonan’Andriamanitra no tsy manana fahafahana mihitsy na oviana na oviana «hametraka fenitra fanaovana adidy ho an’ ny tenan’ izy ireo manokana »? Inona ireo vokatra miseho rehefa ny olona tsirairay manao izay marina araka ny fijerin’ny tenany manoka? Romana 2: 21-24; Mpitsara 17:6

           «Raha ohatra ka azon’ny olombelona natao ny manana fahafahana malalaka tsy hanaraka ny baikon’Andriamanitra ka manoritra ny sori-dàlana volavolain’ny sainy manokana,dia ho nisy fitsipika mitovy amin’ny olona, ary dia hiala eo am-pelatana’Andriamanitra ny fitondrana. Ireo haitraitran’olombelona no hitana ny toerana fara-tampony, ary ilay sitrapon’Andriamanitra izay ambony sy masina , ilay fikendren’ Andriamanitra feno fitiavana ho an’ ireo asan-tanany dia ho lasa fahafa-boninahitra sy fanamavoana Azy.  » Une Vie Meilleure, p. 67

11.- Inona ilay zavatra izay tsy maintsy ilaina tsy azo idivirana mba ho afaka maharitra mahajoro miatrika an’ilay fotoan-tsarotra ho avy? Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ ireo mambra tsirairay sy ny fiangonany? Efesiana 4:14; 5:27 ; Hebreo 13:9a
 
             «Andriamanitra dia manasivana ny vahoakany. Andriamanatrai dia manana fiangonana madio sy masina. Isika dia tsy mahay mamaky ny ao am-pon’ny olona, kanefa Andriamanitra kosa dia nanome an’ireo fomba mba hitehirizana ny fiangonana ho madio. » Testimonies for the Church, vol1, p.99
           «Ny fahotana sy ireo mpanota dia tokony ho roahina haingana hiala tsy ho isan’ny fiangonana mba tsy hahatonga ny olona hafa sasany hifindran’ny aretin’izy ireo. Ny fahamarinana sy ny fahadiovana dia mitaky antsika hanao bebe kokoa mba hanadio ny tobin’ireo Akana. Aoka ireo izay misakana andraikitra lehibe tsy hiharan’ny fijaliana vokatry ny fahotana ataon’ny rahalahy anakitray. Tsy maintsy aseho amin’io raharahany nanao fahotana io fa izy dia tsy maintsy mandao ny fahotana na tsy maintsy roahina tsy ho isan’ny fiangonana». Temoignage pour l’Eglise, vol 2, pp. 39,40

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire