lundi 20 octobre 2014

NY VALISOAN’NY TSY FISIAM-PITAKA




 «Andriamanitra dia miantso ny vahoakany mba ho tonga fahazavana mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao , manjopiaka eo amin’ireo haizin’ny fahotana . Ny miaina amin’ny fiainan’Ilay anankiray Izay manome fiainana dia mitondra valisoa . Jesosy dia nandeha hatraiza hatraiza nanao asa tsara . Ao anatin’izany , ny tsirairay amin’ireo izay tena mpianany marina , dia hanaraka ny ohatra nasehony , feno ny fihentseham-po masina vokatry ny fananana toetra tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny fanaovana adidy ho an’ny hafa . Amin’ny alalan’ny fahafatarana ny fahamarinana araka ny tena maha izy azy ao amin’i Jesosy , ireo kristiana dia tsy maintsy mitombo amin’ny fahasoavana manantona tsy ankiato ny fahalavorarian’ny toetra . Levez vos Yeux en Haut p. 169

MITONDRA VALISOA NY TOMPO                                                                          

1.-Inona no zavatra ho entin’ny Tompo miaraka Aminy rehefa tonga Izy ? Ary ho an’iza ? Apokalypsy 22 : 12 ; Matio 16 : 27
 
             « … Nefa tsy izay rehetra milaza ny tenany ho kristiana no tena mpianatra . Alohan’ny hanomezana ny valisoa farany , dia tsy mantsy ho tapaka ny amin’izay ho mendrika hanana anjara eo amin’ny lovan’ny marina . Tsy maintsy vita alohan’ny fiavian’i Kristy fanindroany eo amin’ny rahon’ny lanitra izany . Fa rehefa ho avy Izy dia ho eny Aminy ny famaliany , mba hamaliany ny olona rehetra araka ny asany . Alohan’ny hahatongavan’izany , dia tsy maintsy ho tapaka ny tena toetran’ny asan’ny olona , ary efa voafaritra araka ny nataony avy ny valisoa ho an’ny mpanaraka an’i Kristy tsirairay . Henoinareo ny Fanoharana p 273

2.- Aiza no hisehoan’ny olona rehetra alohan’ny hanomezana ny valisoany ? Inona no takian’izany ? II Korintiana 5 : 10
 
        «Nodinihina teo anantrehan’Andriamanitra ny momba an’ireo kristiana efa maty . Raha vantany vao vita io raharaha io , dia manomboka ny fitsarana an’ireo velona . Hatraiza re no fatra maha saro-bidy sy maha manandanja indrindra an’ireo fotoana ireo ? Ny momba antsika tsirairay dia ho dinihina any amin’ny fitsaran’ny lanitra ? Ny olona tsirairay dia ho tsaraina araka ireo zavatra nataony fony izy mbola tao anatin’ny vatany . Tsy maintsy misy fiovana feno , raha ohatra ka misy fiheverana ny amin’ny famonjena antsika ao anatin’ny saintsika ao , na dia kely monja aza izany fiheverana izany . Isika dia tsy maintsy mitady ny Tompo amin’ny alalan’ny fibebahana marina , ary tsy maintsy miaiky ny fahotantsika amin’ny alalan’ny nenina lalina tokoa , mba ho voafafa ireo fahotana ireo . Messages Choisis vol 1 pp 145,146

3.- Inona no zavatra avorin’ireo olona tsy nibebaka ho an’ny tenany manokana ?       Romana 2 : 4
  
          «Tantara mahatsiravina maro no haseho amin’izao tontolo izao mandritra ny fotoanan’ny fitsarana , dia tantaram-pahotana maro izay tsy nibebahana , fahotana izay tsy voafafa . Oh! Raha mba mahafantatra ireo fanahy mahantra ireo na koa mahita fa , izy ireo dia manangona ny hatezerana hamely azy eo amin’ilay andron’ny fahatezerana . Amin’izany , ireo fisainana ao anatin’ny fo ao dia ho voaseho . Milaza aminareo aho ry anadahy sy rahavavy , fa tsy maintsy ilainareo ny mampietry ny fanahinareo eo anantrehan’Andriamanitra . Antsaharo ny fanaovan-dratsy , ary aza mijanona amin’izany fotsiny . Mianara manao ny tsara . Ianareo dia tsy afaka ny hanome voninahitra ho an’Andriamanitra raha tsy mamoa voa ho amin’ny voninahiny . Témoignages pour les Pasteurs p 68

IREO TAHIRY AZO ANTOKA SY NY VALISOA
                                                                                  
4- Aiza no tokony hametrahana ny harentsika? I Timoty 6:17-19
 
           «Hevero ny famonjena mandrakizay ho anao , mifohaza ianao ary aoka hanomboka hamafy voa tsara . Ny zavatra izay afafinao dia izany ihany koa no ho jinjainao . Efa akaiky ny fotoam-pijinjana , dia ilay fijinjana lehibe izay hiotazana ny zavatra izay nafafinao . Io fijinjana io dia azo antoka fa tsy maintsy ho tonga indray andro any . Anio no  vanim-potoana famafazana , fotoana fanaovana ny tena ho mpanankarena amin’ny asa tsara , fanaovana ny tena ho olona malala-tànana sy feno hazavam-po , ka amin’izany dia hamory rakitra soa ho amin’ny ho avy , izay ho tehirizina eo amin’ny fototra mafy , mba handray ny fiainana tena marina . Le Ministère de la Bienfaisance p. 66

 5.- Inona no ho tonga fitahiana manokana ho an’ny tanora noho ny an’ny olon-dehibe ? I Korintiana 3 : 11-13


          « Ireo tanora lahy sy vavy dia tokony hihevitra ny toetra tsara ho toy ny harena ampiasaina hampitomboana vokatra , izay manana tombambidiny mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy na ireo raharaham-barotra rehetra . Io harena fampitomboam-bokatra io dia tsy ho tratran’ny tahotra lehibe tampoka na tsy fahombiazana , ary hitondra vokatra maro rehefa voafaoka ireo harena eto an-tany . Ny tanora dia mila manana fihevitra ambony kokoa sy mendrika kokoa mikasika ny tombam-bidin’ny toetra kristiana . Ny fahotana dia manajamba ny maso ary manala ny hasina ao anatin’ny fo ao . Ny fanarahana ny rariny , ny fijoroana mafy tsy voaozongozona , ny faharetana dia toetra tsara izay tokony ho katsahin’ny olona hambolena ao anaty ao , amin’ny fomba matotra tsara , satria ireo toetra ireo dia manafy ilay olona izay manana azy , amin’ny hery tsy hay toherina , dia ny hery izay mahatonga an’io olona io hanao ny tsara , mahery mba hahatohitra ny ratsy sy hahazaka fahoriana . Eo amin’ireo toetra ireo no mamirapiratra ny tena halavorarian-toetra marina miaraka amin’ny famirapiratana tena lehibe indrindra . Testimonies for the Church vol 4 p. 656

6.- Inona ilay valisoa izay ho raisin’ireo mpanompon’i Kristy izay mahatoky any amin’ny farany ? Matio 25 : 21 , 23
 
            «Ny toetra mahatoky sy ny fijoroana ho an’Andriamanitra , ny fanompoana feno fitiavana no mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra . Ny fanaingana rehetra ataon’ny Fanahy Masina izay mitarika ny olona ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ho amin’Andriamanitra , dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny lanitra , ary amin’ny andro farany dia ho deraina ireo mpiasa izay nahatanteraka izany . Hiditra ao amin’ny fifalian’ny Tompo izy ireo raha hitany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny voavonjy noho izy ireo mba nampiasaina ho amin’izany … Henoinareo ny Fanoharana p. 315

7.- Inona no fifaliana lehibe izay handraman’ireo mpanompo mahatoky eo am-pandraisana an’ilay valisoa farany ? I Korintiana 2 : 9
 
            «Tena be voninahitra marina tokoa ilay valisoa izay homena ho an’ireo mpanompo mahatoky rehefa ho tafavory manodidina an’ilay seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny zanak’ondry izy ireo . Rehefa nibanjina ny voninahitr’Andriamanitra i Jaona tao amin’ilay fahitana nomena azy , dia lavo toy ny olona maty izy , tsy afaka nahazaka ny fijerena an’io tranganjavatra io izy . Kanefa kosa , rehefa ny mety maty ho voatafy ny tsy fahafatesana , ireo olom-boavonjy dia ho tahaka an’i Jesosy , niara-niasa tamin’i Jesosy ao anatin’ilay drafi-panavotana , ary izy ireo dia handray anjara miaraka amin’i Jesosy amin’ilay fifaliana mahita  an’ireo voavonjy midera an’Andriamanitra mandrakizay , dia ireo fanahy voavonjy tamin’ny alalan’ny asa nataon’izy ireo . Témoignages pour l’Eglise vol 2  pp 199,200
          «Rehefa averin’ny mpanaraka an’i kristy amin’ny Tompo izay azy , dia managona harena homena ho an’ny tenany izy rehefa handre ny teny hoe : “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky … midira amin’ny fifalian’ny Tomponao”. Izay niharita ny hazo fijaliana mba hahazoany ny fifaliana mipetraka eo anoloany , dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra . Ny fifaliana mahita ireo fanahy voavotra , fanahy voavonjy mandrakizay , no valisoa ho an’izay rehetra mametraka ny tongony eo amin’ny diantongotr’Ilay nilaza hoe : “Manaraha Ahy”.  Ilay Fitiavana Mandresy p. 558  

8.- Inona no miandry ny mpandresy ? II Timoty 4 7-8
 
           «…Tsy nitandro hasasarana mihintsy ny mpihazakazaka Grika , mba hahazoany ny satro-boninahitra mety lo . Ary isika kosa , miady mba hahazoa loka tsara lavitra , dia ny lokan’ny fiainana mandrakizay . Koa noho izany , dia tokony ho vonona ny hiatrika ny fahafoizan-tena sy fandavan-tena lehibe indrindra isika , mba hahazo fandresena ao amin’io tolona io . Vavolombelona Mahery p 273
             «Eo amin’ny lafiny anankiray , isika rehetra dia tokony hanaja ny valisoa na karama izay omena antsika . Rehefa mahay mankasitraka sy manome lanja ho an’ilay teny fikasana izay mampanantena fitahiana isika , dia tsy maintsy maneho fahatokiana lavorary sy tanteraka an’i Jesosy Kristy , manana finoana fa Jesosy dia hanao ny hetsika izay tsara indrindra ary hanome ho antsika ny valisoa rariny indrindra vokatr’ilay asa izay notanterahantsika . Ny fanomezana atolotr’Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay . Kanefa tsy tian’i Jesosy mihintsy isika hanana tebiteby mikasika ny valisoa ho raisintsika , fa kosa tiany isika hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra , satria rariny ny fanaovantsika izany , tsy miankina amin’ny hoe fahazoana tombony izany . Conceil à l’Econome pp 353,354

FAKAM-PANAHY, FANDRESENA, ARY VALISOA

9.- Inona ilay fe-petra takiana mba hanomezana an’ilay satro-boninahitra mandrakizay ? Jakoba 1 : 12
 
 «Andriamanitra dia tsy mandao mihintsy na oviana na oviana ny fanahy iray izay miantehitra sy mitady fanampiana Aminy . Ny satro-boninahitry ny fiainana dia tsy hapetaka afa tsy eo amin’ny handrin’ireo mpandresy ihany . Misy asa lehibe izay tsy maintsy hataon’ny tsirairay ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa io olona io … Isika dia manana asa izay tsy maintsy ataontsika ho an’ny fanahintsika manokana , ary tsy izany fotsiny ihany fa manana adidy ihany ka isika ny hamporisika ny hafa maba handray ny fiainana mandrakizay . Testimonies for the Church vol 5 pp 70-71

10.- Inona ilay fifaliana lehibe izay hiombonan’ireo olom-boavonjy ? Apokalypsy 21 : 10
  
  «Azontsika atao ny miatrika sy mahita amin’ny masom-pinoana ny ho avy sy ny fahasambaran’ny lanitra . Omen’ny fahitana voarakitra ao amin’ny Baiboly ho antsika ny santatry ny voninahitra ho avy . Sarobidy amin’ny fiangonana tokoa ireny fanehoana ny zavatra ho avy ireny , izay nosoratan’ny tànan’Andriamanitra mihintsy . amin’ny alalan’ny finoana no hahazoantsika mijoro eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tanàna masina , ary handre sahady ny fandraisana feno fandresena tehirizina ho an’izay nanantena an’i Kristy amin’izao fiainana izao , ary nihevitra ny fiaraha-mitondra fahoriana Aminy ho toy ny voninahitra . Raha mbola re izao teny izao hoe :”Avia ianareo izay notahian’ny Raiko”, dia idreo ny voavotra fa mametraka ny satro-boninahiny eo an-tongotry ny Mpanavotra , ka mihira hoe : “Ny Zanak’Ondry Izay novonoina , dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra … “Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny  seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’Ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay” Apokalypsy 5 : 12-13 . Vavolombelona Mahery pp 533,534

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire