jeudi 4 décembre 2014

NY FANADRAMANA VELON'NY FINOANA



“Rehefa mandray ny fampianaran’ny Baiboly ireo fanahy izay liana amin’izany , kanefa io fampianarana io dia raisina ho toy ny hoe fampahafantarana zavatra tsara sy fotom-pampianarana mahafinaritra , ka tsy misy hery miasa amin’ny saina sy ny fomba fiaina arahin’ilay mpianatra , inona no fehin-kevitra izay azo tsoahana amin’izany ?   Raha ohatra ka nomena ny fotoana mba hieritreretana ,  kanefa tsy misy mihintsy ny fahalianana eo amin’ny ara-panahy sady tsy misy fanandramam-pinoana atao , inona no tsy maintsy eritreretintsika ? Raha ohatra ireo mpianatra Baiboly ka mitoetra ho toy ny mpijery fampisehoana izay toa maharavoravo eo ampihainoana mozika mahafinaritra , ary rehefa avy eo dia mandre eo amin’ny manodidina ny zavatra rehetra izay naseho tao amin’ny fampisehoana ,  moa ve ireo mpianatra Baiboly ireo hahazo tombontsoa ? Moa ve ny hazo anankiray izay tsy mamoa mba manana tombam-bidiny ? Inona no tsy maintsy mihatra amin’ny voan-javatra anankiray alohan’ny hahafahany mamokatra voa tsara ? Inona ilay hery ara-panahy izay mahatonga ny hoe : Zavatra azo heverina ho an’ny olona iray ny hananany fanandramana ara-panahy miaraka amin’Andriamanitra sy miaraka amin’ny olona ? Ny soratra Masina dia manambara fa : ‘Ny finoana  no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina , fanehoana ny zavatra tsy hita’ Hebreo 11 : 1 . Eo amin’ny fiainana ara-panahintsika koa :  ‘Fa raha tsy amin’ny finoana , dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy , fa izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy’  Hebreo 11 : 6 .  Ny finoana an’i Kristy amin’ny fo mahitsy marina no ilay hany zavatra tokana izay afaka ananantsika antoka hahatratrarana ny fidirana ao amin’ilay tanànan’Andriamanitra . Ny finoana an’i Kristy izay aseho eo amin’ny fiainana sy ny          toetra , voaseho eo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana an’ireo rahalahintsika , dia mahatonga ny zanak’olombelona ho hery anankiray eto amin’izao tontolo izao sy ao anatin’ny fiangonana . Izaho dia tena malahelo mihintsy mahita fa misy olona maro no tsy manana an’io finoana sy fitiavana io .  Satria ireo no famantarana ny maha kristiana , ireo no vavolombelona manambara fa isika dia zanak’Andriamanitra . Ny tena finoana marina an’i kristy dia hamonjy an’ireo izay miverina ho amin’ny  fahotana indray mba ho afaka  amin’ny fisafotofotoana misy eto amin’izao tontolo izao ,  ary mampiditra azy ireo isanandro ho amin’ny fanompoana , ary izany dia hitahiry an’ireo rahalahiny ireo mba tsy ho lavo indray . Izany no asa izay takian’Andriamanitra mba hataon’ny fanahy tsirairay”.          Lake Union Herald 17 Novembre 1909
               “Kanefa na dia zavatra tena saro-bidy indrindra eo imason’Andriamanitra aza io finoana tena marina io , dia tonga miha mahalana hatrany izany eo amin’ny fotoana izay efa miha manakaiky ny fiafaran’izao tonolo izao . Jesosy dia nahafantatra fa ho tonga io fihenan’ny finoana tena marina io , ka indray andro izy dia niteny nanao hoe : ‘Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy . Kanefa raha avy ny Zanak’olona , moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va izy’ ? Lioka 18 : 8 . Izany dia maneho fa , arakaraka ny fandrosoan’ny fotoana , dia miha mihena ny fisian’ny finoana marina , satria ny olona dia mandeha amin’ny lalana diso rehefa tsy manana an’io finoana io . ‘Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra , koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be , izay neken’ny sasany , ka nania tamin’ny finoana izy’ . ‘Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany , manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia’  I Timoty 6 : 10 ; 4 : 1 . Noho izany , aoka tsy ho hadinontsika ny finoana dia ho saro-bidy kokoa mihoatra noho ny volamena mety simba isika . Ary koa aoka tsy ho hadinontsika ny zavatra izay tsy maintsy ilaintsika mihoatra noho ny zavatra rehetra , dia ny finoana tena marina . ‘Fa ao amin’i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana , fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana’ Galatiana 5 : 6 . Rehefa misambotra an’io fitahiana io ny finoana  , dia voaray ny tombontsoa ara-panahy izay tena lahibe indrindra . Kanefa moa dia matetika loatra io zava-tsoa io no atao ambanin-javatra . Tsy maintsy ilaintsika ny manokatra ny fahaizana mahataka-javatra ananantsika mba hahafantarana tsara ny tombambidin’io zava-tsoa io” ...  Vous Recevez une Puissance p 284 .  
              “Ny fihainoana fotsiny ny hafatra , tsy miaraka amin’ny fanovana an’io hafatra io ho tonga fanandramana velona eo amin’ny fiainana , dia tsy misy dikany . Ny Tompo, dia manasa antsika mba hanaovantsika izay hahatonga ny hafatr’Andriamanitra izay alefany ho misy vokatra eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny finoana . Izy dia miteny amintsika manao hoe : ‘Izay rehetra manantona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatoa azy , dia hasehoko aminareo izay tahaka azy . Tahaka ny olona nanao trano izy , izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy , ary nony tondraka ny rano , dia namely mafy izany tano izany ny riaka , nefa tsy nahahozongozona azy , satria tsara fanorenana izy . Fa izay mandre , fa tsy mankatoa , dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ny tany , fa tsy nanisy fanorenana , dia namely azy mafy ny riaka , ka dia nirodana niaraka tamin’izay izy , ary loza ny naharavan’izany trano izany” Lioka 6 : 47 – 49 .
                “Ireo lesona amin’ity telo volana ity dia miandraikitra ny raharaha mikasika an’ilay finoana sarobidy . Voalohany indrindra , amin’ny maha fahatokiana ny Tompo sy ireo teny fikasana nomeny momba io finoana saro-bidy io , ary koa amin’ny maha fanandramana velona azy io . Rehefa ianarantsika ny lesona tsirairay , dia ho hitantsika fa ireo lehilahy sy vehivavy izay niaina tamin’ny vanim-potoana samihafa , izay nandray fanabeazana sy kolo-tsaina samihafa , no nanana fiainana vaovao ka tonga fahasalamana , famonjena , ary fandresena ho azy izany . Lehilahy sy vehivavy maro tahaka antsika , izay nanana fahalemena maro mitovy amin’ireo fahalemen-tsika sy nanana zavatra nilaina maro mitovy amin’ireo izay ilaintsika , na dia teo aza ny zavatra maro samihafa izay niainany tamin’ny lasa , ireo olona ireo dia nanana fanandramam-pinoana , dia fanandramana maro feno fitahiana izay nisy vokany miasa teo amin’ny fiainan’izy ireo ho amin’ny mandrakizay . Ny finoana tena marina dia ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana sy manadio ny fanahy . Ny finoana velona dia finoana miasa. Moa ve isika tokony handeha ao amin’ny saha raha tsy mahita voan-kazo ao anatin’ireo zava-maniry ao , tsy mahita hatsiatsiaka mihintsy eo amin’ireo ravinkazo ao , tsy mahita mihintsy voay na dia iray aza, tsy mahita mihintsy felam-boninkazo mivelatra na dia iray aza , tsy mahita mihintsy famantarana  izay maneho fa misy aina ao anatin’ireo rantsan-kazo ireo , dia hiteny manao hoe isika : Maty ireo zava-maniry ireo . Andeha hongotantsika izy mba hiala ato anatin’ny saha ato . Satria izy ireo dia mitondra harantsian-tarehy ho an’ny ampahan-tany izay misy azy ireo . Toy izany no ho tonga amin’ireo izay milaza fa mpanaraka ny fivavahana kristiana , kanefa tsy manana fiainam-panahy na dia kely aza . Raha ohatra izy ireo tsy maneho famantarana momba ny fahatanjahana ara-pivavahana , raha toa ka tsy misy na dia kely aza ny fampiharana an’ireo didin’Andriamanitra , dia miharihary fa ireo olona ireo dia tsy mitoetra ao amin’i Krsty , dia Ilay tena voaloboka velona” . Sons and Daughter of God p 71
             “Zavatra tsy azo avela ny fananana finoana an’i Jesosy , ny finoana fa isika dia voavonjy amin’ny alalan’i Jesosy ... Ny finoana sy ny asa dia mandeha miaraka , mino sy manao zavatra anakiroa izay tsy azo sarahana”. Messages Choisis vol 1 p 438
              “Rehefa ny finoana mandray ny fanohanana avy amin’i Kristy , rehefa ny fahamarinana manome ny fahafinaretana ho an’ny fanahy isan’andro , ianareo dia hahatratra fanandramana feno zava-tsoa sy be vidy avy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fivavahana kristiana” . Témoignage pour l’Eglise vol 3 p 78
                “Rehefa velona ny finoana , dia vokatra maro no miseho sy mitsiry . Ny tena fivavahana marina dia ny fampiharana an’ireo tenin’ny Mpamonjy , tsy hoe mikendry ny hisintona ho eo amin’ny tenentsika ilay fitia asehon’Andriamanitra , fa kosa , satria na dia eo aza ny tsy fahamendrehan-tsika , isika dia nandray sy nanaiky ny fanomezan’ny fitiavany . Kristy dia tsy manao ny famonjena ny olona iray hoe miankina amin’ireo fikendrena izay ananan’io olona io , fa kosa miankina amin’ny finoana izay asehony amin’ny alalan’ireo asa ataony . Asa fa tsy hoe teny fotsiny ihany , izany no angatahin’i Jesosy amin’ireo mpianany . Ao anatin’ny hetsika ataon’ny olona no hamolavolan’io olona io ny toetrany . ‘Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra’ Romana 8 : 14 . Fa tsy ireo izay manaiky ho fehezin’ny herin’io Fanahin’Andriamanitra io tsindraindray fotsiny rehefa voakasik’io Fanahy io izy , fa kosa ireo izay manao hetsika vokatry ny tolo-tsaina avy amin’io fanahin’Andriamanitra io” . Unne Vie Meilleure p 170

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire