vendredi 1 août 2014

IREO LOZA ATERAKY NY TSY FIRAHARAHINA SY TSY FANANANA FAHALIANANA




«Aoka ianao hanintona lehilahy sy vehivavy maro hiala avy ao anatin’ny tsy firaharahina ny ara-panahy . Tantarao amin’izy ireo ny fomba nandraisanao an’i Jesosy , ary ambarao amin’izy ireo fa tena voatahy tokoa ianao hatramin’ny nanaovanao ny asany . Tantarao amin’ny olona ny zava-tsoa izay anananao rehefa mipetraka eo an-tongotr’i Jesosy ianao , ka mianatra an’ireo fampianarana saro-bidy avy amin’ny teniny . Resaho amin’ireo olona ireo ny fahasambarana , ny fifaliana izay tsapa ao anatin’ny fiainana kristiana . Ireo fiainana feno hafanam-pitiavana mamy , dia handresy lahatra azy ireo hianao fa hianao dia efa nahita an’ilay vatosoa sarobidy . Aoka ireo teny mampihetsi-po sy mampahery ataonao haneho aminy fa ianao dia efa nahita miharihary tokoa ny lalan-kizorana tsara indrindra . Izany no ilay tena asa misionera marina , ary rehefa anaovana fampiharana izany , dia olona maro no hifoha tahaka ny hoe notsoahina niala tao anatin’ny nofy ?» Evangeliser pp 436,437

FAMPITANDREMANA HIALA AMIN’NY TSY FIRAHARAHINA

1.- Moa ve zava-dehibe ny mahafantatra fa antsoina hoe tsara na ratsy ny zavatra anankiray ? Inona no tsara heverina ao anatin’izany ? Isaia 5 : 20,21 ; Matio 7 : 18
 
         «Tsy tian’ny  Tompo ny  tsy firaihana sy ny  tsy fahatokiana aseho  eo amin’ny  fahasahiranana  andalovan’ny asan-tanany  . »  Mpaminany sy Mpanjaka p 117
         « Miasa miaraka amin’ilay heriny Satana, mandefa hery mitaona mangina amin’ny fo , sy manamaizina ny tsilon-tsain’ny olona mba hahatonga ny ratsy  hanana endrika tsara , ary ny tsara hanana ny endriky ny ratsy . Arakaraky ny maha madio sy matanjaka ny finoan’ireo zanaky ny Ray , no maha lehibe ny fahavononan’izy ireo hankatoa an’i Avoindrindra , ka dia mitombo ihany koa ny asan’i satana feno haromotana hitolomany ho ao anatin’ireo izay manitsakitsaka ny lalàn’i Tsitoha, kanefa mihambo ho marina , mba hanohitra an’ireo zanaky ny Avoindrindra manana finoana madio sy matanjaka ireo .»Le Ministèr Evangelique pp 258 , 259
          «Mitaky ny fanahintsika manontolo hanao ny fahamarinana ho zava-misy marina ny Tompo Jesosy. Asehoy fa  tsy hoe: ny antsasany aminao no miaraka amin’i Kristy ary ny antsasany miaraka amin’izao tontolo izao . Ny fitsilamo-damohana , sy fanaovana an-tsirambina, ny hamaivanan-doha sy ny tsy fahamatorana dia mampisaraka ny fanahy amin’i Kristy , ary Satana dia afaka hanatanteraka ny sitrapony ao anatin’ireo izay manaraka ny fanaon’izao tontolo izao . Isika dia manana fahamarinana lehibe , kanefa noho ny tsy firaharahana sy ny fanaovana antsirambina , dia very niala tamintsika io fahamarinana io . Satana dia tafiditra miaraka amin’ireo fakam-panahiny mamitaka ireo . Izay mihambo ho mpianatr’i Kristy dia sarahiny amin’Ilay filohany. Araka izany , dia ho sokajiana ho isan’ny virijina adala izy ireo . Témoignases pour les Pasteurs p 59

2.- Inona ilay loza izay efa nampitandremana ny tsirairay , na ny tanora na ny antitra ? Ezekiela 33 : 31,32 ; Zefania 1 : 12 ;  Matio 3 : 14,15
 
           «Moa ve ianareo ry tanora namana mba maniry ny hitsangana sy hanary an’io tsy firaharahina mahatsiravina io, ary ireo toetra izay tsy rototra  ka mahatonga anareo ho mifanaraka amin’izao tontolo izao ? Moa ve ianareo maniry ny hiraharaha an’ilay feo izay mampitandrina anareo fa ny faharesena dia eo amin’ny làlan’ireo izay mihevitra fa mandry fahizay amin’izao fotoana misy loza izao ? Ny faharetam-pon'i Tsitoha dia tsy hiandry anareo mandrakariva , ry fanahy maivan-doha sy mahantra . Tsy azo vazivaziana mandrakariva Ilay anankiray izay mihazona ny anjara ho antsika eo an-tànany . Jesosy dia manambara amintsika fa misy fahotana lehibe kokoa mihoatra noho ny fahotana izay nahatonga ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora . Dia ny fahotan’ireo izay manana an’ilay fahazavana lehiben’ny fahamarinana amin’izao fotoana izao , kanefa tsy voatarika ho amin’ny fibebahana . Dia ny fahotana noho ny fitsipahana ny fahazavana entin’ilay hafatra lehibe indrindra mitory ny famindram-po ho an’izao tontolo izao .» Testimonies for the Church vol 3 p 380

3.- Na dia ankasitrahan’i Ray aza ireo asa tsara sy ny feon-kira mirindra tsara , nahoana moa ireo fotoam-pivavahana kanto ao am-piangonana , ireo hira kanto , ary ireo feonjava-maneno tsara mahatalanjona , no tsy hitondra fahamendrehana ho an’ny olona iray eo anantrehan’ny Tompo ? Amosa 5 : 21-24
 
            «Ny fanjakan’i Ray Tsitoha dia tsy resaka fombam-pivavahana sy fampisehoana ivelambelany fotsiny . Rehefa very ny fahafantarana an’ireo fitsipika fototry ny aina raiketin’ny fanjakan’Avoindrindra , dia miha maro ireo fombafombam-pivavahana izay tafalatsaka ao anatin’ny fampitomboana ireo zavatra maro omena lanja . Kanefa Kristy dia tsy mangataka endrim-pivavahana toy izany . Ny fanehoan-javatra mirentirenty be , ireo hira kanto mahafinaritra , sy ny zava-maneno sasantsasany izay atao ao am-piangonana , dia tsy manana ny toetoetra izay mampihetsika ny vondron’ireo anjely mpihira . Araka ny fijerin’i Tsitoha dia tahaka ny rantsan’ilay aviavy tsy namoa izay tsy mba nanana zavatra nireharehana afatsy ny raviny fotsiny ihany izany . Kristy dia mijery an’ireo vokatra avy amintsika sy ireo fitsipiky ny hatsaram-panahy , ny fananana toe-tsaina mangoraka ny hafa sy vonona hanasoa , ary ireo fitsipiky ny fitiavana . Ireo no fitsipiky ny lanitra , ary rehefa miseho eo amin’ny fiainan’ny olombelona ireo fitsipiky ny lanitra ireo , dia mahazo matoky tsy amim-pisalasalana isika fa i Kristy ilay fanantenana ho amin’ny voninahitra , dia miorina ao anatintsika ao . Mety ho mahantra indrindra eo amin’ny firenena ny fiangonana iray , toa tsy manana na inona na inona mahasarika ny olona no fijery azy avy ety ivelany , kanefa raha manana an’ireo fitsipiky ny lanitra io fiangonana io , dia ho feno fiadanana satria ny fifalian’i Kristy no mitoetra ao anatin’izy ireo , ary ny vavaka ataony dia ho tonga hanitra ankasitrahan’Avoindrindra .»  Evangéliser pp 459 , 460

IREO ZAVA-DRATSY MITRANGA  SY IREO VOKATRA ATERAKY  NY TSY FAHALIANANA       
                     
4.- Raha ohatra ilay antsom-pitiavana ataon’i Kristy tsy misy akony ao am-pon’ny olona iray , inona no mety ho anton’izany ? Romana 2 : 4-6

           «Ny antony mahatonga ny lehilahy sy vehivavy ho mafy fo betsaka toy izao eto amin’izao tontolo izao , dia ny fiheverana ny fitiavana marina ho fahalemena , ka nohakiviany sy nosakanany . Maty ankaranany teo amin’ny fahazazany ny toetra tsara indrindra teo amin’ireo olona ireo , ary raha tsy mampiempo ny fitiavan-tenany mangatsiaka ny fahazavan’ny fitiavan’iTsitoha , dia ho levona mandrakizay ny fahasambarany . Raha tiantsika ny hanana ny toe-tsaina malefaka teo amin’i Jesosy , sy ny firaisam-po izay asehon’ny anjely amintsika sy ny zanantsika , dia tsy maintsy hampaherezin-tsika  ny fironana malala-tanana sy be fitiavana eo amin’ny fahazazana . »  Ilay Fitiavana Mandresy p 551

5.- Inona no hitranga raha ohatra ka tsy raharahiana ireo fampianarana momba ny fahamarinana ? Efesiana 4 : 14
 
             «Ny Tompo dia mila lehilahy sy vehivavy tsy miovaova , tena tapa-kevitra marina izay azo ametrahana fitokisana eo amin’ny fotoana misy loza sy fizahan-toetra. Miorim-paka mafy sy miorina ao amin’ny fahamarinana , tahaka an’ireo tendrombohitra mandrakizay , dia kristiana izay tsy mirona mbetika ho amin’ny ankavanana , mbetika ho amin’ny ankavia , fa kosa mandroso hatrany hatrany ka tsy miala mihitsy amin’ilay tanjona kendrena . Kanefa moa misy ireo izay tsy maintsy hita ao amin’ireo laharan’ilay fahavalo rehefa eo amin’ny fotoana misy loza , ary ny hery mitaona ananan’izy ireo dia ilay hery miasa ho amin’ny ratsy fotsiny ihany . » Témoignages pour l’Eglise vol 1 p 531

6.- Inona ilay loza lehibe anankiray hafa ? Nahoana ? Matio 24 : 48-50
 
            «Ny finoana ny fiverenan’i Kristy dia miha malemy . Ny teny hoe maharitra ela ny Tompoko vao ho tonga , dia tsy teny atao amim-pimonomononana ao anaty ao fotsiny , fa lazaina amin’ny feo avo mihintsy ary aseho amin’ny asa atao . Amin’izao fotoanan’ny fiambenana izao , ny tsy fahampian’ny saina mahay manavaka tsara dia mahadonto ny fahafahana mahataka-javatra ao anatin’ny vahoakan’i Tsitoha , mahadonto ny fahafahana mitsara zavatra hanaovana hetsika mifanaraka amin’ireo fitsipika tandrify , ka dia manafina an’ireo famantarana ny fotoana mba tsy ho hitan’io vahoakan’i Ray io . Ny tsy fahamarinana mahatsiravina izay miha betsaka , dia mitaky fahazotoana lehibe indrindra miaraka amin’ny fitandremana fatratra , sy fanehoana famantarana miseho ivelany mba hahatonga ny fahotana ho voaroaka hiala amin’ny fiangonana . Ny finoana dia tena nihena mafy tokoa , ary amin’ny alalan’ny fampiasana azy ihany no hampitombo azy .» Temoignages pour l’Eglise vol 1 p 378
           «Ny fahafatarana fa efa antomotra ny fihavian’i Kristy  dia tsy tokony homen-dàlana ho amin’ny fahaverezan-kevitra  , ka hahatonga antsika hanao antsirambina sy hisalasala ny amin’izany , ka amin’ny farany dia hatory isika , ary izany dia midika hoe , tsy mihontsina sy tsy miraharaha ireo zava-misy marina . Mandritra io torimaso io , isika dia mitoetra ao anatin’ny tontolo iray izay tsy maneho an’ireo zava-misy marina , ka tsy mihontsina isika manoloana an’ireo zavatra izay manodidina antsika .» Maranatha p 218

LESONA MARO AVY AMIN’ NY FANANDRAMANA NATAON’NY APOSTOLY                                       
   
7.- Inona no fahalemena lehibe izay nasehon’ireo mpianatra teo amin’ny fotoana nisian’ny zava-tsarotra indrindra ? Inona no loza naterak’izany ho azy ireo ? Matio 26 : 40,41
 
            «…Nefa natoky ny tenany ny mpianatra . Tsy nijery Ilay mpanampy mahery izy ireo araka ny torohevitra nataon’i Kristy taminy . Koa rehefa nila firaisam-po sy fivavahana be indrindra ny Mpamonjy , dia hita natory izy ireo . Ary i Jaona , ilay mpianatra malala izay niankina teo amin’ny tratran’i Jesosy aza, dia natory koa . Ny fitiavan’i Jaona ny Tompony anefa dia tokony ho nitana azy ho nifoha .» Ilay Fitiavana Mandresy p 741

8.- Nahoana no mbola misy an’io loza io ihany ankehitriny ? I Tesaloniana 5 : 6
 
«Aoka ianareo ry rahalahy hitandrina sy hiambina tsara ny amin’izay mety ho fihenana voalohany misy eo amin’ny fahazavanareo , ny amin’ny fanaovana antsirambina voalohany ataonareo eo amin’ny fivavahana , amin’ny famantarana voalohany maneho faharendremana ara-panahy . “ Izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena ”. Amin’ny alalan’ny fampiasana mitohy ny finoana sy ny fitiavana no mahatonga an’ireo mpino hamirapiratra toy ny fahazavan’izao tontolo izao ” ...  Miambena ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy . Ianareo dia tsy maintsy miady sy mitolona mafy . Tsy maintsy mitafy ny fiadian’ny fahamarinana ary maneho ny tenanareo ho matanjaka sy mahatoky eo amin’ny asan’Ilay Mpanavotra anareo ianareo.» Testimonies for the Church vol 4 pp 124 , 125

9.- Nahoana i Kristy no mbola tsy tonga ? Inona no zavatra azo antoka ? II Petera 3 : 9 ; Hebreo 10 : 34,35

           «Tratra ela ny Tompontsika noho ny faharetany amintsika , mba tsy hisy ho faty na dia iray aza , fa mba hahatonga ny olona rehatra ho tonga eo amin’ny fibebahana . Kanefa rehefa miaraka amin’ireo olom-boavonjy rehetra isika , mijoro eo ambonin’ny ranomasina fitaratra , miaraka amin’ny lokanga sy satro-boninahitra , ary eo anoloantsika eo ny mandrakizay , rehefa izany dia ho hitantsika ny maha fohy an’ilay fotoana niandrasana ny fanavotana . Sambatra ny mpanompo izay hitan’ny Tompony fa miambina rehefa tonga izy .» Testimonies for the Church  vol 5 p 485
         «Mety mbola handalo taona maro eto amin’ity izao tontolo izao ity isika noho ny tsy fanekentsika , tahaka ny nataon’ireo zanak’ Israely . Kanefa noho ny fitiavan’i Kristy , ny vahoakany dia tsy mahazo manao fahotana hanampy fahotana amin’ny alalan’ny fanendrikendrehana an’i Tsitoha ho tompon’antoka ny amin’ireo zavatra izay vokatry ny fahadisoan-kevitr’izy ireo ihany .»  Lettre 184 , 1901 ;  Evangeliger p 621

MAHAZO FANDRESENA         
                                                       
10.- Inona no tsy maintsy ilaina mba hahazoana fandresena sy famonjena ? Filipiana 2 : 12,13 ; Hebreo 12 : 45 ; I Jaona 3 : 2,3
 
           «Isika dia tsy maintsy mandresy ny izaho isan’andro isan’andro , ka  maneho herim-po ambony sy lehibe . Izany no tsy maintsy ikelezantsika aina . Kanefa tsy haintsika ny manatanteraka azy io raha tsy miaraka amin’ny fanampiana avy amin’i Jesosy . Raha tsy misy fanampahan-kevitra raikitra sy tsy voaozongozona , raha tsy misy fandaharana voalamina tsara , raha tsy misy fiambenana , raha tsy misy vavaka tsy mitsahatra . Ny olona tsirairay dia manana an’ireo tolona izay azy manokana , manana an’ireo fahavalony manokana . Ny Ray dia tsy afaka manao ny toetran-tsika ho ambony , sy ny fiainantsika ho mahasoa , raha ohatra isika tsy miara-miasa aminy . Ny fandaozana ny tolona dia mitondra ho eo amin’ny fahaverezan’ny hery sy ny fifaliana avy amin’ny fandresena .» Le Ministére de la Guérison p 421

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire