mercredi 20 août 2014

FIFOHAZANA TENA MARINA SATRIA AMIN’NY ALALAN’NY TENIN’I TSITOHA



«Ny fifohazana dia tsy afaka ny hiforona afatsy hoe toy ny valin-teny omena ny vavaka . Raha mbola tsy manana ny Fanahy Masina ny olona anankiray , dia tsy afaka ny hanome tombam-bidiny ho an’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra mihitsy io olona io . Kanefa raha vantany vao mahakasika ny fon’ny olona ny herin’ny Fanahy Masina , ireo lahateny atao dia misy vokany . Rehefa tarihin’ireo fampianaran’ny tenin’Andriamanitra sy arahin’ny fisehoan’ny fanahin’Andriamanitra ao anatin’ny asa atao amim-pahalalam-pomba , ireo izay mandray anjara amin’ireny fivoriam-beantsika ireny , dia hahazo fanandramana sarobidy . Rehefa tafaverina ao an-tranony ireo olona ireo , dia handefa hery mahataona finaritra . » Messages Choisis vol 1 p 141

NY ASAN’NY FANAHY MASINA
                                                              
1. - Inona no hery mandresy lahatra izay ao ambadiky ny fifohazana marina tsirairay ? Efesiana 3 : 16 ; I Korintiana 2 : 4
 
            «Tsy misy afatsy ny fisainana sy ny fo voadio amin’ny alalan’ny asa mamelona ataon’ny Fanahy Masina ihany no afaka manavaka tsara an’ireo zavatry ny lanitra . Ry ranadahy , amin’ny anaran’ny Tompo , mitalaho aminareo aho mba hifohazanareo hanananareo fitiavana ny adidy izay tsy maintsy ataonareo . Aoka ny fonareo hatolotrareo  mba ho fehezin’ny herin’ny Fanahy Masina , ka ho hainareo ny mahazo tsara an’ireo fampianaran’ny tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra lalina izay an’Andriamanitra . Ny Tompo anie hametraka ny vahoakany eo ambany fifehezan’Ilay hery mahataonan’ny Fanahiny . Izy anie hanao an’io vahoakany io ho tonga saina ny amin’ilay loza izay mila hahazo azy ireo , ka mba hiomanan’izy ireo ho amin’ny zavatra izay hitranga eto ambonin’ny tany . » Témoignages pour l’Eglise vol 3 pp 332,333

2. - Moa ve ny olona nanankiray afaka ny ho tonga kristiana araka ny maha izy azy ? Nahoana ? Na hoe : nahoana moa raha ohatra ka zavatra mety misy izany ? Inona no mitondra ny fiovana avy eo amin’ny haizina mankeo amin’ny fahazavana ? I Korintiana 2 : 14,11
 
            «Tsy azontsika samy irey atao ny mitsoaka avy ao amin’ny tevan’ny fahoriana izay niletehantsika . Ratsy ny fontsika nefa tsy haintsika ovàna izy … Raha tian-kiala amin’ny toerana feno fahotana ny olona mba ho tonga amin’ny fahamasinana dia tsy maintsy misy hery miasa ao anaty , dia fiainam-baovao avy any ambony …Ny fampianarana , ny fanamboarana ny toe-tsaina , ny fampiasana ny sitrapo ary ny fikirizana dia samy manana ny anjara raharahany avy , nefa eto dia samy tsy mahakehaka ireo …» Dia ho eo amin’i  Kristy p 20 , 21

NY RANONORANA VOALOHANY SY NY RANONORANA FARANY
                                                
3. - Inona no nataon’i Jesosy talohan’ny nandefasany ny Fanahiny Masina tamin’ny fatrany mitafotafo ? Jaona 20 : 21-22
 
            «Talohan’ny nandaozany ny mpianany , Kristy dia nanisy fofon’aina , ka hoy Izy “ Raiso ny Fanahy Masina ”Jaona 20 : 22 . Hoy indray Izy : “ Indro , izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo ” Lioka 24 : 49 . Nefa tsy noraisina tamin’ny fahafenoany ny fanomezana raha tsy taorian’ny niakarany tany an-danitra . Raha tsy efa nitolo-batana tanteraka hanao ny asany ny mpianatra tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fivavahana , dia tsy nirotsaka taminy ny Fanahy Masina … Efa antsika sahady ao amin’i Kristy ny fanomezana , nefa ny tena fananana azy dia miankina amin’ny fandraisantsika ny fanahin’Andriamanitra . » Henoinareo ny Fanoharana p. 283 

4. - Alohan’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina hitobaka amin’ny fahafenoana eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany , inona no tsy maintsy raisina aloha ? Hosea 6 : 3 ; Joela 2 : 23
 
             «Olona maro no nanajanona ny fandraisana ny ranonorana voalohany , ary izany dia nataony tamin’ny fomba feno fahavononana tokoa . Ireo olona ireo dia tsy nandray an’ilay tombontsoa izay tian’Andriamanitra hatolotra ho azy ireo amin’ny alalan’io ranonorana voalohany io . Izy ireo dia nanantena fa izay zavatra banga ao dia hototofan’ny ranonorana farany . Rehefa ny fahasoavana homena amin’ny fahatsarany rehetra sy mitafotafo , izy ireo dia mihevitra ny hanokatra ny fony amin’io foana io mba handray an’ilay fahasoavana . Kanefa manao fahadisoan-kevitra mahatahotra izy ireo … Tamin’ny alalan’ny fiaiken-keloka sy ny fandaozana ny fahotana , tamin’ny alalan’ny vavaka mafana sy ny fanoloran-tena marina tokoa ho an’Andriamanitra no fomba niomanan’ireo mpianatra voalohany mba handray ny Fanahy Masina tamin’ny fahafenoana tamin’ilay andro Pantekosta . Io asan’ny Fanahy Masina io ihany , ary amin’ny fomba mahery vaika kokoa , no tsy maintsy ho tanteraka amin’izao fotoana izao . »  Temoignages pour les Pasteurs pp. 259,260

HANDRAY NY FANAHY MASINA                                                                    

5. - Inona no tsy maintsy ataon’ny mpino mahitsy fo ao Laodikia mba hanana fitiavana ara-panahy mazava tsara ? Apolalypsy 3 : 18b
 
«Noho izany isika dia tsy maintsy tena malina indrindra , sy mandeha amim-panetren-tena eo anantrehan’Andriamanitra , mba hahatonga an’ilay odimaso avy amin’Andriamanitra  hanao antsika ho afaka manavaka tsara an’ireo asa ataon’ny Fanahy Masin’Andriamanitra , sy ireo fihetsiketsehan’ny fanahy izay mpitondra korontana sy firehi-drehetana tsy amin’ny antony . Amin’ny voan’izy ireo , araka izany , no  ahafantarantsika azy  . Ireo izay tena mibanjina marina an’i Kristy , dia ho voaova hanana ny endrik’i Kristy , tahaka ny avy amin’ny Tompo . Izy ireo dia ho lehilehy sy vehivavy izay mahatratra ny ohatry ny fahatanterahan’i Kristy . Ny fanahin’Andriamanitra dia hampisy fitiavana sy fahadiovana ao aminy ; dia hisy zavatra manoka izay hiseho eo amin’ny toetra ». Messages Choisis vol 1 p 165
          «Ny odimaso dia ilay fahendrena sy fahasoavana izay mahatonga antsika mahay manavaka tsara ny ratsy sy ny tsara , sy mahita ny fahotana araka ny tena endriny rehetra . Andriamanitra dia nanome ho an’ny fiangonany ny maso izay feno hosotry ny fahendrena mba hahatonga an’io fiangonana io ho afaka mahita tsara . Ilay odimaso avy amin’Andriamanitra dia mitondra fahazavana ho an’ny saina . »  Temoignases pour l’Eglise vol 1 pp 548,549
        «Endrey , enga anie ianareo tsirairay ho afaka hametraka an’io ody maso io amn’ny tenanareo manokana mba hahafahanareo mahita ny kilemanareo ao anatin’ny tenanareo  ao , sy hahatonga saina anareo ny amin’ny hoe : Andriamanitra dia tena mijery sy mandinika ny fitiavanareo an’izao tontolo izao , izay mandroaka ny fitiavana an’Andriamanitra . »  Testimonies for the Church vol 4 p 615

6. - Inona ihany koa ny zavatra hafa izay tsy maintsy atao mba handraisana ny Fanahy Masina ? Lioka 11 : 13
 
          «Koa satria io no fomba izay handraisantsika hery , nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezan’ny Fanahy isika ? Nahoana no tsy ataontsika anton-dresaka , antom-bavaka sy toriteny izany ? Vonona ny hanome ny Fanahy Masina amin’izay manompo Azy ny Tompo , mihoatra noho ny fanirian’ny Ray aman-dReny hanome zava-tsoa ho an’ny zanany … » Vavolombelona Mahery p 46

IREO VOKATRA ATERAKY NY ASA ATAON’NY FANAHY MASINA

7 - Inona no hitondra ny Fanahy Masina ho ao anatin’ny olona anankiray ? Moa ve ianao efa mba nandalo tamin’izany fanandramana izany ? Jaona 3 : 3 , 5-8

         «Tsy hita ny rivotra , nefa misy vokany hita maso sy tsapan’ny tanana . Toy izany koa , ny asan’ny Fanahy eo amin’ny fanahy dia hiseho eo amin’ny fihatsika rehetran’-                         izay mahatsapa ny heriny mahavonjy . Rehefa mambabo ny fo ny Fanahy Masina dia manova ny fiainana . Avela ny eritreritra feno fahotana , afoy ny asa ratsy , ny fitiavana ny fanetren-tena , ny fiadanana no mandray ny toeran’ny fahatezerana , ny fitsiriritana sy ny adilahy . Mandray ny toeran’ny alahelo ny fifaliana , ka mitaratra ny fahazavan’ny lanitra ny endrika … Amin’izay dia mamorona olom-baovao araka ny endrik’Andriamanitra ilay hery izay tsy azon’ny mason’ny olombelona jerena . » Ilay Fitiavana Mandresy p 167 ,168
            «Ny hery mahataonan’ny Fanahy Masina dia tsy hanao hetsika amin’ny sain’olombelona mihintsy raha tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’Andriamanitra . Kanefa ny Fanahy Masina dia tsy manao hetsika amin’ny fomba sy fahefana mihoatra noho ny fahatakaran’ny sain’olombelona. » Lettre 10 , 1897 Commentaires Bibliques p 157

8. - Fomba ahoana no ahafantarana fa ny Fanahy Masina dia mitoetra ao anatin’ny olona iray ? Galatiana 5 : 22-24
 
           “...Rehefa mandray ny Fanahin’i Kristy ianao , ny fanahin’ny fitiavana manadino ny tena sy miasa ho an’ny hafa  , dia hitombo ianao ka hitondra voa . Ho masaka eo amin’ny toetra amam-panahinao ireo fahasoavan’ny Fanahy . Hiha matanjaka ny finoanao , hihalalina ny foto-pinoanao , ho tanteraka ny fitiavanao . Hampitaratra bebe kokoa hatrany fitoviana amin’i Kristy ianao eo amin’izay madio , ambony sy mahate ho tia rehetra .” Henoinareo ny Fanoharana p 47

TSY MAINTSY ILAINA NY FANAHY MASINA MBA HAHATRATRARANA AN’ IREO FANAHY

9. - Raha ohatra ka ny Fanahy Masina manolon-tsaina ny olony iray , inona no antony mahatonga ny hoe tsy misy na inona na inona mahasakana an’io olona io tsy hijoro ho vavolombelona ? Asan’ny Apostoly 4 : 19-20 ; Romana 8 : 14
 
           «Tsy maintsy mandresy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fahamarinana. Amin’ny alalan’io hery io irery ihany no hahatonga an’ireo teny ataontsika handaitra sy hahazoana fandresena . Ny Fanahy Masina dia tsy maintsy miasa manome aina ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra . Ary amin’ny alalan’ny finoana , izy ireo dia tsy maintsy miankina amin’ny herin’Andriamanitra . » Temoignages pour l’Eglise vol 3 p 51
          «Raha ohatra ka misy olona mandrara antsika mba tsy hanatanteraka an’io adidy io , aoka isika hamerina miaraka amin’ireo Apostoly an’ilay teny hoe : “Tsaraonareo na marina eo anantehan’Andriamanitra na tsia , ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra . Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay” . »  Vavolombelona Mahery p 60

10. - Inona no tsy maintsy ataon’ny kristiana tsirairay amin’izao fotoana izao , izay efa akaikin’ny fihafaran’ny tantaran’ny tany ? Nahoana ? Kolosiana 4 : 5 , Efesia 9 : 15-16
            
           «Ny hafatry ny anjely fahatelo dia tsy maintsy mivoatra ka hiafara amin’ny feo mafy . Tsy azonareo atao mihitsy ny mamela ny tenanareo hanao antsirambina ny adidy ataonareo ankehitriny , sy hihevitra fa amin’ny fotoana iray ho avy  , no handraisanareo ny fitahiana mitafotafo rehefa miseho ny fifohazana kanto dia kanto , izay tsy misy ezaka ataonareo na dia kely akory  aza . Anio mihitsy ianareo no tsy maintsy manolotra ny tenanareo ho an’Andriamanitra , mba hanaovany anareo ho fanaka omem-boninahitra izay voatendry ho amin’ny   asany . Anio ianareo no tsy maintsy manolo-tena ho an’Andriamanitra , hahafoana ao anatinareo ny izaho , ny fitsiriritana , ny fialonana , ny fiahiahiana , ny toe-tsaina feno fifandrafiana , ny zavatra rehetra izay manala baraka an’Andriamanitra . Anio mihintsy no tsy maintsy voadio ny kapoakanareo , ho voaomana handray ny andon’ny lanitra , mba                  ho amin’ilay ranonorana mivatravatran’ilay andro  farany . Satria ho avy io ranonorana farany io , ary ny fitahian’Andriamanitra dia hameno ny fanahy tsirairay avy izay voadio ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra . Adidintsika anio ny tsy maintsy mampilefitra ny fanahintsika ho fehezin’i Kristy , mba hahatonga antsika ho voaomana ho amin’ny fotoanan’ilay famelombelomana avy amin’ny Tompo , voaomana ho amin’ny batisan’ny Fanahy Masina . Messages Choisis vol 1 p 223   

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire