jeudi 7 août 2014

MITANDRINA AMIN’IRENY FIFOHAZANA SANDOKA MAMPIENTANENTANA IRENY



  «Misy karazan’olona izay mirona mandrakariva ho amin’ny fanoloran-tena hanarahana làlana mitsivalana , ary izy ireo dia mandeha tsy ankiato mihitsy miandry zavatra hafahafa , mahatalanjona sy vaovao . Kanefa tian’Andriamanitra isika rehetra hanao hetsika amim-pitandremana fatratra , handanjalanja tsara ny teny ataontsika mba hifanaraka amin’ny fahamarinana amin’izao fotoana izao . Ny fahamarinana izay omena ho an’ny olona dia tsy maintsy ho tsy misy na inona na inona mampientanentana araka izay azo atao , kanefa kosa mitahiry ny herin’ny fahamendrehany sy ny fahalebiazany . Aoka isika hitandrina mba tsy hamporisika ireo izay manana fihevitra diso , izany hoe : Ireo izay avy amin’ny fahadisoana iray , miampita ho amin’ilay fahadisoana iray hafa izay mifanohitra amin’ilay voalohany . Evangéliser p 547

IREO FIFOHAZANA MARINA SY FIFOHAZANA SANDOKA

 1. - Inona no voalazan’ny faminaniana moikasika an’ireo heverina ho mpaminany izay hitsangana , ka hanao famantarana sy fahagagana maro ? Fifohazana sandoka manao ahoana no  hiely eto amin’izao tontolo izao eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Matio 24 : 24 ; Deotoronomia 13 : 1-3a

           «Nahita aho fa Andriamanitra dia manana zanaka maro mahatoky eny  amin’ireo izay mitondra ny anarana Advantista  ireny , ary koa eny amin’ireo fiangonana lavo . Noho izany , alohan’ny handrotsahana an’ireo loza , dia hisy Pastora maro sy laika maro no ho voaantso hivoaka hiala amin’ireny  fiangonana ireny , ary hanaiky ny fahamarinana amim-pifaliana . Satana dia mahafantatra  an’izany, ary alohan’ny handrenesany an’ilay feo mahery , dia hisy korontana ao anatin’ireny vondrom-pivavahana ireny , mba hampinoana an’ireo izay nitsipaka ny fahamarinana , fa Andriamanitra dia momba azy ireo . Amin’izany fomba izany , Satana dia manantena ny hamitaka an’ireo fanahy mahitsy fo , ary koa manantena ny ho afaka hampino azy an’ireo , fa Andriamanitra dia mbola miasa ao anatin’ny fiangonany . » Premiers Ecrits p 261

2.- Rahoviana no ho tonga ny fotoanan’ilay tena fifohazana marina avy amin’Andriamanitra ? Ary inona no hataon’i satana ? Manahaka ny inona ilay fitaka hataon’i satana ? II korintiana 11 : 13-15

            «…Alohan’ny hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra farany amin’ny tany , dia hisy fifohazan’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra eo amin’izay tsy mbola hita hatramin’ny andron’ny Apostoly eo amin’ny vahoakan’ny Tompo … Haseho amin’ireo fiangonana izay azony tazomina eo ambanin’ny  heriny mamitaka fa mirotsaka manokana hiseho amin’izay heverina ho fifohazana ara-pivavaha lehibe ny fitahian’Andriamanitra . Vahoaka marobe no hiravoravo fa miasa amin’ny fomba mahagaga ho azy Andriamanitra , nefa asan’ny fanahy hafa izany . Amin’ny endrika ara-pivavahana no hitadiavan’i satana hanitarana ny heriny miasa mangina eo amin’ireo mpivavaka kristiana . »  Hery Mifanandrina p 478

MANDOSITRA NY FIETANAM-PO SY NY FAHAFINARETANA FATRATRA AVY AMIN’NY FAHAGAGANA 
                           
3. - Nahoana moa ireo zava-miseho mihoatra noho ny herin’olombelona no miasa ho amin’ny fifohazana sandoka ? Apokalypsy 13 : 13-14
 
          «Hisy toe-javatra mahatahotra  manana endrika tsy fahita hiseho tsy ho ela eny amin’ny lanitra ho famantarana ny herin’ny demonia miasa fahagagana . Handeha hankany amin’ny mpanjakan’ny tany ireo fanahin’ny demonia sy ho any amin’izao tontolo izao manontolo , mba hanamafy orina ny famitahana azy , sy hampirisika azy ireo hiandany amin’i satana eo amin’ny ady farany hataony amin’ny fitondram-panjakan’ny lanitra . Ho voafitak’ireo anjely avokoa na ny mpitondra na ny entina . » Hery Mifanandrina p 649,650

4. - Inona no ampiasain’ireo herin’ny ratsy mba hanatanterahan’izy ireo ny tanjona feno fitaka izay kendreny ? Moa ve ny toriteny mampientam-po sy mitondra figagana , dia zavatra tohanan’ny Fanahin’Andriamanitra ? Matio 24 : 11 ; II Petera 2 : 1,3
           
             «Ampiharo ny teny fa tsy hoe henoina fotsiny ihany  . Amin’ny alalan’ny fiankinanao amin’ny famoaboasan-kevitra diso . Mora ny hahatonga ny olona ho voatosiky ny hery anankiray ka hihiaka hoe : hosana miaraka amin’ireo olona analinalina . Kanefa , ao anatin’ny fahatoniana eo amin’ny fiainana andavan’andro , rehefa tsy misy fitaomana manokana na firehi-drehetana toy izany , dia tonga ny fitiliana ny fihetsika izay vavolombelon’ny tena fivavahana kristiana marina . Rehefa izany , ny fonareo dia ho tonga mangatsiaka , ary mihena ny zotom-ponareo . Ary tsy mahafinaritra anareo intsony ny fampiasan-tena amin’ny fivavahana . » Testimonies for the Church vol 4 p 188
   «Hoy Kristy :Hianareo no sakaizako , raha manao araka izay andidiako anareo , Jaona 15 : 14 . Izany no fepetra voadidy . Amin’izany dia ho voaseho ny toetran’ny olona . Ny fihetseham-po dia matetika mamitaka , ary ny fihetanam-po dia tsy fiarovana mihitsy . Satria io fihetanam-po io dia miovaova , ary voabaikon’ny toe-javatra ivelany . Olona maro no voafitaky ny fihetanam-po ao anatin’izy ireo ao . Ireo fanontaniana manandanja indrindra dia ireto manaraka ireto : “ Inona no hataonao ho an’i Kristy ? ” “Inona ireo fahafoizan-tena ataonao ? ” “ Inona ireo fandresena izay efa mba azonao ? ” Ny saina feno fitiavan-tena , ny fakam-panahy mitarika hanao antsirambina ny adidy izay voatsipaka , ny filan-dratsy izay noresena , ny fankatoavana feno fifaliana ny sitrampon’i Kristy , dia porofo fa zanak’Andriamanitra ianareo , ary izany porofo izany dia mihoatra lavitra noho ny porofo asehon’ny fitiavam-bavaka mirehi-drehitra sy ny fivavahana feno fietanam-po.» Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 115

5. - Inona no voalaza mikasika ny olona anankiray izay tsy mahay mifehy ny fihetanam-po ao anatiny ao ? Nahoana moa ny fihetanam-po no tsy azo ametrahana fitokisana ? Ohabolana 25 : 28 ; 16 : 32
 
           «Ny teny hoe fietanam-po dia tsy ampiasaina ao anaty Baiboly . Eo amin’ny toeran’io teny io dia , ny fanahy no hitantsika ao anaty Baiboly ao , izay midika hoe , fandrenesana ao anaty  . Ireo fihevitr’olombelona dia matetika mamitaka , ary ireo fietanam-po dia tsy fiarovana azo antoka , satria izy io dia miovaova sy voabaikon’ireo toe-javatra ivelany . Olona maro no voafitaky ny hevitra ao anatin’izy ireo ao . » Temoignages pour l’Eglise vol 2 p 115
             «Ny fivavahana dia tsy fietanam-po fotsiny ihany , tsy hevitra , fa kosa fitsipi-piainana izay tena mifangaro lalina tokoa amin’ireo raharaha ataontsika andavan’andro . » Puissance de la Grace p 292
              «Satana dia mampino ny olona fa , efa nandalo fiovam-po izy ireo satria efa nandalo haravoravoana , kanefa ny asan’ireo olona ireo dia mbola tsy niova , ary ny fiainany dia tsy mamoa na dia voa tsara iray ihany aza . Izy dia heno mivavaka matetika , manao vavaka lava reny , milaza mitohy an’ireo fihetseham-po izay tsapany tao anatin’ny toe-draharaha samihafa . Kanefa izy  dia tsy mahalala ny atao hoe fiainana vaovao . Izy ireo dia voafitaka . Ny fanandramany dia tsy mihoatra noho ny fihetseham-po ao anatiny ao . Izy dia manorina trano eo ambony fasika , ary rehefa mitsoka ireo rivotry ny fahoriana , dia ho voafafa ny tranony . »  Messages à la Jeunesse p 69

IREO FANDRIKA MPAMITAKA
                                               
6. - Tahaka ny teo amin’ilay fitaka voalohany , amin’ny alalan’ny faharenesana inona no ifehezany matetika ny sain’ny olona ? Genesisy 3 : 6
 
            «Betsaka tamin’ny fifohazana niseho nandritra ny tapany farany tamin’ny taonjato farany teo no efa niasan’ireny hary ireny , na be na kely , ary mbola hiseho indray izy amin’ireo fihetsiketsehana hita bebe kokoa amin’ny ho avy . Misy fihetseham-po taitaitra , fampifangaroana ny marina sy ny diso , izay voakendry indrindra ho enti-mandiso làlana . Tsy misy na iza na iza tokony ho voafitaka anefa . Eo amin’ny fahazavan’ny tenin’Andriamanitra dia tsy sarotra ny mahafantatra ny toetran’ireny fihatsiketsehana ireny . Na oviana na oviana ny olona no manao antsirambina ny teny vavolom-belon’ny Baiboly , ka miala amin’ireny fahamarinana mazava ireny , izay fisedrana ny fanahy iray mitaky fahafohizan-tena sy fahafohizana an’izao tontolo izao , dia azontsika antoka fa tsy mirotsaka amin’izany ny fitahian’Andriamanitra . Ary araka ny fitsipika izay nomen’i Kristy hoe : “Ny voany no ahafantaranareo azy Matio 7 : 16 , dia ahitana marimarina fa tsy asan’ny Fanahin’Andriamanitra ireny fihetsehana ireny . »Hery Mifanandrina p 478,479

7.- Inona no zavatra izay mora tsikaritra eo amin’ny fotoanan’ny andro farany , ary inona no zavatra izay tsy misy ? II Timoty 3 : 1,5 ;   Matio 7 :21 ; Lioka 6 : 46
 
           «Tsy ampy ny manambara hoe “ mino aho ”fa tsy maintsy mampihatra ny fampianaran’Andriamanitra , rehefa ny sitrapon’Andriamanitra no voaseho eo amin’ireo teny ataontsika , eo amin’ny fitondran-tenantsika , eo amin’ny toetrantsika , izany dia manaporofo ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra . Ny fiainan’ny olona iray izay mandao ny fahotana , izay fandikana ny didin’Andriamanitra , dia tonga mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainany , ary izy dia maneho fankatoavana feno . Izany no asan’ny Fanahy Masina … Ny tsipika mampisaraka an’ireo izay tia an’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny , sy ireo izay tsy tia an’Andriamanitra ka manitsakitsaka ny fitsipika nomeny , dia ho hita mazava sy tena voafaritra miavaka tsara . »  Temoignages pour l’Eglise vol 2 p 454

8. - Inona ireo fomba fiasa tsy avy amin’Andriamanitra izay ampiasaina ao anatin’ireo fifohazana sandoka ? Amosa 5 : 23
 
            «Ny zavatra izay nosoritsoritana hoe miseho ao anatin’ny … dia ireo indrindra no zavatra nasehon’ny Tompo ahy , izay tsy maintsy ho tonga alohan’ny fahataperan’ny androm-pahasoavana . Tsy fitandremana isan-karazany no hataon’ny olona . Misy horakoraka , miaraka amin’ny aponga , hira sy dihy . Olombelona mahay misaina maro no hisafotofoto , hany ka tsy hahay handray fanampahan-kevitra tsara . Ary izany no ho lazaina fa asan’ny Fanahy Masina . Ny Fanahy Masina dia tsy miseho amin’izany fomba izany na oviana na oviana , izay ao anatin’ny tabataba mafy dia mafy toy izany . Ao anatin’io fomba io dia misy zavatra noforonin’i satana izay mikendry amin’ny alalan’ireo fitaovana , na mampiseho fahaizana , ny hanafoana an’ireo fahamarinana madio , marina , mampisondrotra sy manamasina , izay voatendry ho amin’izao fotoana misy antsika izao . Ny tabataban’ny ao an-trano feno olona adala , dia manohitra an’ireo faharenesana , ary manimba ny zavatra izay tokony ho mitondra soa , raha ohatra ka nampiasaina tsara . Ireo herin’i Satana dia mamokatra lalao feno horakoraka sy tabataba , ary izany no tiana hantsoina hoe asa ataon’ny Fanahy Masina . Tsy misy famporisihana tokony hatao amin’ny fanompoam-pivavahana toy izany . » Messages Choisis vol 2 pp 41,42

VOAARO AMIN’NY FITAKA                                                       

9. - Inona no fihovana izay tsy maintsy misy ao anatin’ny sain’ny olona nankiray , alohan’ny hahafahany mahafantatra an’ireo zavatra lavorary indrindra takian’ny lanitra ? Romana 12 : 2
 
              «Ny sain’ny olona maro dia tena ambany lenta tokoa , hany ka tsy afaka ny hiasa ho azy ireo Andriamanitra , na miasa miaraka amin’izy ireo . Ny fizotran’ny fiainana dia tsy maintsy miova , ary ny toe-tsaina eo amin’ny ara-pitondrantena dia tsy maintsy ambony mba hahafantarana tsara an’ireo zavatra lavorary indrindra takian’Andriamanitra ». Pour un bon Equilibre Mental et Spirituel vol 2 p 812 
             «Ny tena fanavaozana marina dia manomboka amin’ny fanadiovana ny fanahy . Amin’ny alalan’ny fandroana ao anatin’ny fihatsarana indray sy ny fanavaozana ny saina amin’ny alalan’ny herin’ny Fana Masina , no hisian’ny fiovana eo amin’ny fiainana . Amin’ny alalan’ny fibanjinan-tsika an’i Kristy no mampiova antsika . Raha ohatra ny saina ka mitoetra tsy ankijanona eo amin’ireo zavatra ara-nofo , ireo zavatry ny nofo ireo dia tonga mambabo , tonga mahakasika ny toetra , hany ka very tsy hita intsony ny voninahitr’Andriamanitra . Ireo zavatra fanararaotra izay azon’izy ireo noraisina mba hifankazarana amin’ny zavatry ny lanitra , dia natao antsirambina . Noho izany dia maty ny fiainana ara-panahy .” Sons and Daughters of God p 105

10. -Inona irery ihany no afaka miaro ny kristiana anankiray mba tsy ho lavo eo anantrehan’ireo fitaka miseho amin’ny fotoanan’ny andro farany ? II petera 1 : 10 ; I Korintiana 10 : 12
                      «Ny fiainan-tsambatry ny fanahinao sy ny fahasambaranao mandrakizay dia mifampiankina , raha ohatra ka ny fototra ijoroanao miorina eo amin’i Kristy . Raha ny olona  sasany mihazakazaka mba hahazo an’ireo firavoravoan’ny tany , aoka kosa ianao hihazakazaka mba hahazo an’ilay toky mihariharin’ny fitiavan’Andriamanitra , sady miantso mafy amin’ny fomba matotra tsara sy amin-kafanana manao hoe : “Iza no afaka haneho ahy ny fomba hahafahako manao ho zavatra azo antoka ny fiantsoan’Andriamanitra ahy sy ny fifidianany ahy” ? Ny anankiray amin’ireo famantarana ny fotoanan’ny andro farany dia ny hoe , ireo izay milaza tena fa kristiana dia tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra . Aoka ianao hiraharaha marina ny fanahinao , mandinika amim-pitandremana fatratra . OLona tena vitsy tokoa , rehefa avy mandinika tsara amin’ny fomba mahatoky , no afaka mijery ny lanitra sy miteny manao hoe : “ Izaho dia isan’ilay voasoritsoritra toy izany , izaho dia tsy tia an’ireo fahafinaretana mihoata noho ny fitiavako an’Andriamanitra ” . Tena vitsy tokoa ireo olona izay afaka miteny hoe “Izaho dia maty ny amin’izao tontolo izao”… Testimonies for the Church vol 2 p 145

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire