lundi 4 août 2014

NY ZAVATRA IAINAN’NY ANKAMOROAN’NY OLONA



     «Raha ohatra isika mahafantatra marina ny amin’ilay iraka nampanaovina an’i Kristy teto ambonin’ny tany sy ny amin’ny asa izay ataontsika , dia tsy ho kivy mihitsy isika satria vitsy an’isa . Rehefa nanontaniana i Kristy ny amin’ny hoe , vitsy ve ny olona ho vonjena ? Dia izao manaraka izao no navaliny . “ Midira amin’ny vavahady éty ianareo , fa lehibe ny vavahady ,  ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana , ka maro ny miditra any . Ary amin’izao dia omena ny antony . Fa éty ny vavahady , ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana , ka vitsy no mahita azy .» Historical Sketches of the Foreign Mission of the Seventh day Adventiste p 232  

NY TOETOETRA ANKAPOBEN’NY FIARAHA-MONINA                                

1.- Iza no mitarika ny ankamaroan’ny olona eto ambonin’ny tany ? Ahoana no ahafantaranareo izany ? Efesiana 2 : 2-3 ; I Jaona 5 : 19
 
           «Fanehoana fahajambana lehibe ny manivaiva ny lavorary indrindra mba hahazoana antoka fa hanana hamamian-koditra amim-bahoaka , sy ny isan’olona maro . Raha ohatra ka ny hamaroan’ny olona no porofon’ny fahombiazana , dia afaka mitaky an’izany fiamboniana izany i satana , satria eto amin’ity izao tontolo izao ity , dia ny mpianatr’i satana no maro an’isa indrindra tokoa ». Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 493
         «…Tsy mifandrindra amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao koa ny toe-tsain’i Kristy ankehitriny tahaka ny tamin’ny andro teo aloha , koa izay mitory ny tenin’Andrialanitra araka ny fahadiovan’izany dia tsy hahita fankasitrahana ankehitriny mihoatra noho ny tamin’izany . Mety miova ny endriky ny fanoherana ny fahamarinana, mety ho kely hery kokoa ny fandrafiana satria tsara afina  , nefa mbola ao ihany ilay fanoherana ary hiseho hatramin’ny faran’ny andro izany .» Hery Mifanandrina p 145

2. - Inona no zavatra ankapobeany izay iainan’ny  vahoaka ankehitriny ? Rmana 3 : 10-18 ; II Timoty 3 : 1-5
 
            «Mampisy tahotra ao am-pon’ireo vahoaka madinika sy matahotra an’Andriamanitra ny fielezan’ireo heloka be vava. Ny faharatsiana manjaka ankehitriny , tsy hay lazaina . Mitondra fanambarana vaovao maro mikasika ny tsy fifanarahana , haratsiam-panahy sy fanambakana ao anatin’ny raharaha politika ny andro tsirairay. Mitondra ihany koa eo amin’ny fitanjozotran’ny fangirifiriana maro vokatry ny herisetra sy fandikan-dalàna , ny tsy firaharahana manoloana  ny fijaliana , ireo famelezana feno habibiana sy avy amin’ny devoly izay atao amin’ny ain’olombelona . Ny andro tsirairay dia vavolombelon’ny fitomboan’ny hadalana , famonoan’olona , ary famonoan-tena .» Témoignages pour l’Eglise vol 3 p 390

NY ANTONY TSY HISIAN’NY FAHAMARINANA IZAY TENA MAHATROTRAKA  

3. - Inona no antony mahatonga an’ireo fahoriana marobe eto amin’izao tontolo izao ? Isaia 24 : 5,6
 
            «Miaina eo amin’ny vanim-potoanan’ny hasomparana lehibe isika. Olona alinalina no andevozin’ny fanao meloka sy fahazaran-dratsy maro karazana , ary tsy mora ny manapaka an’ireo gadra vy avy amin’ny fanao ratsy ireo . Ny tsy fahamarinana tahaka ny tamin’ny andron’ny safo-drano dia efa manafotra ny tany . Heloka bevava maro izay zara raha sahin’ny olona no manonona azy amin’ny anarany , no atao isan’andro , kanefa dia lehilahy maro izay natao ho mpitily sy mpiambina mitoetra eo amin’ny mandan’I Ziona no maneha-doza mampianatra fa ny lalàna dia natao ho an’ny Jiosy irery ihany . Ary io lalàna io dia efa nofoanana ka efa voasolon’ireo tombontsoa be voninahitra raketin’ny filazantsara . Moa ve tsy misy fifandraisana eo amin’ny fahefana lehibe indrindran’ny tsy fahamarinana sy ireo heloka be vava eo andaniny , ary etsy ankilany kosa ny fisian’ireo mpitoriteny sy ireo mpihaino azy izay mihazona sy mampianatra fa ny lalàna dia efa tsy manankery itsony ?   Messages Choisis vol 1 p 257
              «Noho ny fahotana , ny ozona avy amin’Andriamanitra dia miely eto ambonin’ny Tany , sy eo amin’ireo biby manontolo , ary eo amin’ny nofo rehetra Manefa ny vokatry ny fitsipahan’izy reo ny didin’Andriamanitra ny olombelona. Ny biby fiompy ihany koa dia mijaly noho io ozona io .» Conseils sur la Nutrition et les aliments p 493

4.-Nahoana moa ny fahotana no manana fahefana toy izany eo amin’ny taranak’olombelona manontolo ? Romana 7 : 14,15,19 ; 6:16

          «Manana zo hambabo ny olona izay miharatsy Satana. Tonga Jesosy Kristy mba handrombaka an’io remby io ho afaka eo an-tanan’i Satana . Koa satria ny olombelona dia manana fironana hanaraka ireo toro hevit’i satana , dia tsy afaka mihitsy amin’ny herin’ny tenany manokana izy , ny hanohitra amim-pahombiazana an’io fahavalo mahatsiravina io . Noho izany , tsy maintsy i Kristy irery ihany , Ilay Mpandresy mahery , no mitoetra ao anatin’ilay olona , manolo-kevitra ao anatin’ireo fanirian’io olona io , sady manolotra ho azy ny hery avy amin’Andriamanitra . Tsy misy afatsy Andriamanitra irery ihany no afaka mametra ny herin’i satana . »  Messages à la Jeunesse p 49

IREO FANEHOANA HAFA ANORITSORITANA NY ANKAMAROAN’NY OLONA

5. - Inona no anoharara an’io zavatra iainan’ny ankamaroan’ny olona io , izay tena miely tokoa ? Isaia 60 : 2a ; Jaona 1 : 5 ; 3 : 19

            « Arakaraka ny androsoan’ny fahadisoan-kevitra , no tsy maintsy hampitomboana ny fahazotoana ho amin’ny  asan’Andriamanitra , koa tsy maintsy andraisana ho zava-dehibe indrindra koa ny fiatrehana matotra tsara ny zava-misy amin’izao fotoana iainantsika izao . Manarona ny tany sy ny mponina ao aminy ny aizina. Koa satria ny ankamaroan’ny olona manodidina antsika dia miapatra ao anatin’ny aizina matevin’ny fahadisoan-kevitra sy ny lainga , isika dia tsy maintsy manifika ny fahalavoana mahazo antsika , ka miaina eo akaikin’ny Tompo , izay ahafahantsika mandray an’ireo tara-pahazavana avy amin’Andriamanitra sy ireo tana-masoandron’ny voninahitra avy amin’i Jesosy tenany . Koa satria miha matevina sy miha mitombo ny fahadisoan-kevitra , noho izany , isika dia tsy maintsy mandray ny fahalalana lavorary kokoa ny amin’ny fahamarinana , tsy maintsy vonona mandrakariva hiaro ny finoantsika amin’ny alalan’ny Soratra Masina .» Prémiers Ecrits p 104

6. - Inona ihany koa ilay sary tandindona hafa izay manori-tsorotra an’ilay fahefana izay mifehy an’ireo alinalina , sy ireo firenena maro , ary ireo vahoaka eto an-tany ? Apokalypsy 17 : 1,2,15
 
           «…Ao amin’ny Apokalypsy faha 17  dia nohazavain’ny anjely fa ny ranobe dia mampiseho olona sy vahoaka betsaka sy firenenamaro ary samihafa fiteny . Ny rivotra dia tandindon’ny ady . Ny rivotra efatry ny lanitra izay mibosesika amin’ny ranomasina lehibe dia mampiseho ireo zava-mahatsiravina mitranga rehefa misy ady fanafihana na fanonganam-panjakana an-keriny izay nahatongavan’ireo fanjakana samihafa teo amin’ny toeram-pitondrana . Hery Mifanandrina pp. 453,454
          «Io divain’ny fahadisoan-kevitra io dia ireo fampianaran-diso toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy , ireo fijaliana mandrakizay hihatra amin’ireo ratsy fanahy , ny fandavany ny fisian’i Kristy mialoha talohan’ny nahaterahany tao Betlehema , ary ny fanandratana ny andro voalohany amin’ny herin’andro , ho ambony mihoatra noho ilay andro izay notahian’Andriamanitra sy nohamasininy . Ireo fahadisoan-kevitra ireo sy ny fahadisoana maro samy hafa izay mitovy fiasa aminy  , dia aroso ho an’izao tontolo izao sy ny fiangonana maro samihafa , ka amin’izany dia tanteraka izao fanambarana manaraka izao, izay voalaza ao amin’ny tenin’Andriamanitra manao hoe : « Fa tamin’ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ny firenena rehetra , ary ny mpanjakan’ny tany nijangajanga  taminy , ary ny mpandranto amin’ny tany tonga mpanan-karena noho ny hafatratry ny nitiavan’io ny zava-mahafinaritra ny tena » . Apokalypsy 18:3 Témoignages pour l’Eglise         vol 2 p 421

MISY SISA HO VOAVONJY    
                                                           
7. - Inona no loza izay tonga teto ambonin’ny tany tamin’ny foan’andron’i Noa ? Ahoana no fomba anoharana an’io fotoan’andro io amin’izao fotoana izao ? Genesisy 6 5,7,11-13
 
           «Koa dia tsy nisy vahoaka na olona marobe nomba ny fahamarinana . Niray hina hanohitra an’Andriamanitra sy ny didiny izao tontolo izao … Mba hampahatahotra antsika fitsiny no anton’izao fandrahonana avy any an-danitra izao , fa tsy ho tanteraka akory izany . Koa aza taitaitra foana ianareo , fa tsy handringana ny tany izay efa namboariny , na handevona ny olona izay efa noforoniny na oviana na oviana Andriamanitra . Aza misy matahotra , mandria fahizay . Noa dia olona adala sy mafana fo foana tsy  amin’antony …»                                      Patriarika sy Mpaminany p 79
              «Mitombo ny tsy fahamarinana eto amin’izao tontolo izao tahaka ny tamin’ny andron’i Noa . Letter 279 , 1905 . »  A Call to Medical Evangelism and Health Education p 22      
              «Ireo fahotana mitovy amin’ireo fahotana  tamin’ny andron’i Noa izay nitarika ho amin’ny fitsaran’Andriamanitra no mbola misy amin’izao fotoana izao . Lehilahy sy vehivavy maro ankehitriny no manitatra ny fihinana sy ny fisotro ka tonga eo amin’ny hatendan-kanina sy fimamoana tafahoatra . Ny fanomezana fahafaham-po ny fitiavan-kanina efa niharatsy no ilay fahotana lehibe indrindra izay nampifofofofo ny firehi-drehetan’ireo olona talohan’ny safo-drano , ary nitondra ny faharatsiana teo amin’ny be sy ny maro . Ny herisetra sy ny fankahalàna ny fivavahana dia niakatra nahatakatra ny lanitra .»   Conseils sur la Nutrition et les Aliments p. 172 
         
8. - Na dia misy an-tapitrisany aza ireo olona izay ao anatin’ny fiangonana ka mihambo ho fiangonan’Andriamanitra ankehitriny , ampahan’olona manao ahoana ihany no ho voavonjy ? Nahoana ? Romana 9 : 27
         
           «Ny ankamaroan’ireo izay manana ny anarana hoe kristiana amin’ny endrika miseho ivelany , dia miaina ho an’izao tontolo izao raha ny tena izy . Izy ireo dia tsy tena tia marina ny zavatry ny lanitra . Satria tsy mba hitany ny hakaton’ny zavatry ny lanitra . Olona maro no mitonon-tena ho kristiana satria ny fivavahany dia hajaina fatratra . Ireo olona ireo dia tsy mahita , ary tsy afaka ny ho kristiana tena izy ny olona anankiray raha tsy mitondra ny hazo fijalian’i Kristy . Ny fivavahan’izy ireo dia tsy afaka ny hampivily azy hiala amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao . » Messages à la Jeunesse p 372
            «Tsy ny olona rehetra akory no ho lavo ao amin’ny fandrik’i satana , satria rehefa manakaiky ny farany dia ho hain’izay mijoro ho mahatoky ao amin’ny Tompo  ny hamantatra ny famantarana ny andro farany . Ka raha ho marobe ny Kristiana sandoka hiantehitra amin’ny asa vitany , dia hisy kosa sisa hijoro tsy azo hozongozonina hatramin’ny farany .» Vavolombelona Mahery pp 470,471

ILAY LALANA TERY   
                                                 
9. - Rehefa ny fananana toky no tonga eo amin’ny resaka finoana sy fahamarinana , inona no zavatra izay tsy azo ametrahana an’io toky io ? Eksodosy 23 : 2,1
 
            «…Ny hevitry ny manampahaizana , ny fehin-kevitra avy amin’ny siansa , ny fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheveran-draharaha ara-pivavahana , izay maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony , ny feon’ny maro an’isa , tsy misy na ny iray amin’ireo , na izy rehetra , tokony ho raisina ho porofo mazava hoenti-manamarina na manohitra foto-pampianarana ara-pinoana iray . Alohan’ny hanekena fampianarana na fitsipika iray dia tokony hitaky ny “ Izao no lazain’i Jehovah ”mazava ho enti- manohana izany isika . »   Hery Mifanandrina p 621

10. - Ahoana no fomba anehoana ny làlan’ny famonjena ao anatin’ny Baiboly ? Firy ny olona izay hizotra manaraka an’io lalana io ?  Matio 7 : 13-14 ; Jeremia 21 : 8

            «Ny Tompo dia mametra eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana . Afaka misafidy tsara izay halehany ny olona tsirairay. Olona maro no maniry ny fiainana , kanefa mitohy manaraka an’ilay lalana malalaka . Izy ireo dia misafidy ny hikomy hanohitra ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, na dia eo aza ilay famindram-po tsy manam-petra , sy ilay fangoraham-po lehiben’Andriamanitra . Tamin’ny nanomezany ny Zanany lahy tokana mba ho faty ho azy ireo . Izay misafidy ny tsy hanaiky ny famonjena azo tamin’ny vidiny tena lafo indrindra , dia tsy maintsy iharan’ny sazy … Aorianan’ny fandringanana ny ratsy fanahy , ireo andian-tafika rehetra any an-danitra dia hiteny manao hoe “ Amen! Premiers Ecrits p 221
         «Misy olona an’arivony maro mandroso manaraka ny làlan’ny aizina sy ny làlan’ny fahadisoan-kevitra , ilay làlana malalaka  mitondra ho amin’ny fahafatesana , ary izy ireo dia mandoka tena fa hoe eo amin’ny làlan’ny fahasambarana sy ny làlan’ny lanitra . Kanefa izy ireo dia tsy hahita na oviana na oviana ny fahasambarana na ny lanitra .»  Testimonies for the Church vol 3 p 438
             «Raha ohatra isika mandray an’i Kristy ho mpitari-dàlana antsika , Izy dia hitarika antsika amin’ny fomba tsy misy ahiahy ho eo amin’ilay làlana tery . Na dia feno vato sy fahasahiranana aza io làlana io , na dia mideza sy mahatahotra aza ny fiakarana aminy , na dia misy hantsana aza manery antsika eo amin’ny ankavia sy ankavanana , dia voatery tsy maintsy manohy isika na dia eo aza ny harerahana , na dia efa saika torana aza isika , dia tsy maintsy miady . Na dia kivy aza isika dia tsy maintsy manantena . Raha manana an’i Kristy ho mpitari-dàlana isika , dia tsy ho very hiala amintsika mihitsy ny fahatratrarana ny lanitra» Our father Cares pp 134-135

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire