«Ny
tena vahoakan’Andriamanitra marina , izay tia amin’ny fo manontolo ny asan’ny Tompo , sy ny famonjena an’ireo fanahy , dia
hitsara mandrakariva ny fahotana araka ny toetra mahatsiravina ananan’io
fahotana io . Ny vahoakan’Andriamanitra marina dia manaiky ny fanehoana mazava
tsara ny amin’ny fomba fanehoana mitohy ireo fahotana malaky mahazo azy . Io
vahoaka io dia hanana saina matsilo mahafantatra an’ireo fahadisoany ,
indrindra eo amin’ny ora farany eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana , eo amin’ny
fotoana izay ametahana tombokase ireo 144000, izay tsy maintsy mijoro tsy misy
pentina eo anoloanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra . » Temoignages pour l’Eglise vol 1 pp 384,385
MIEZAKA MIDITRA
1. - Inona no
navalin’i Jesosy rehefa nanontaniana Izy hoe : firy no ho vonjena ? Nahoana moa
no toy izany ny fandehan-javatra ? Lioka 13 : 23-24
«Tsy azo sintonimpotsiny ho any an-danitra isika . Tsy
misy olona kamo afaka hiditra ao. Raha tsy miezaka isika tsy ho tafiditra ao
amin’ny fanjakana . Raha tsy miezaka mafy mba hanaraka ny lalàna isika dia tsy
ho mendrika ny handray anjara amin’ny tanin’ny olon-tsambatra. Ireo izay mandà
ny hiara-miasa amin’Andriamanitra eto an-tany dia tsy hiara-miasa Aminy any
an-danitra . Tsy ho tsara ny hitondrana azy any an-danitra . » Henoinareo ny Fanoharana p 240
«Manana andraikitra
lehibe ao anatin’ilay ady ho amin’ny fiainana mandrakizay ny olombelona. Izy dia tsy maintsy vonona ny hiasan’ny
Fanahy Masina . Noho izany , adidin’io olona io no tsy maintsy mitolon hanàpaka
ny fifandraisany amin’ny herin’ny maizina
, ary ny Fanahy Masina dia hiasa ao anatiny, hahatonga azy hahavita an’izany .
Kanefa moa ny olombelona dia tsy zava-manan’aina miandry fotsiny ny ho voavonjy
na dia eo aza ny fitsilamodamohana ataony .
Takiana izy mba hanenjana ny hozatra rehetra ananany sy hampiasa ny
fahazoa-manao rehetra ananany ao
anatin’io ady io , mba hahazo ny fandresena . Kanefa Andriamanitra no manome ny
fahafaha-manao rehetra takiana . Tsy misy olona na dia iray aza afaka ny
hovonjena ao anatin’ny fitsilamodamohana . Ny Tompo dia mitaona antsika amin’ny
fomba mandresy lahatra tokoa , ao anatin’ireto teny manaraka ireto manao hoa :
“ Miseseha hiditra amin’ny varavarana éty
ianareo , fa hoy Izaho aminareo : Maro no mitady hiditra fa tsy ho afaka ”.
Lioka 13 : 24 . “ Midira amin’ny vavahady
ety ianareo , fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny
fahaverezana , ka maro no miditra any . Fa éty ny vavahady , ary tery ny làlana
izay mankany amin’ny fiainana , ka vitsy ny mahita azy ”. Matio
7 : 13-14 . » Pour un bon équilibre mental et
spiritual vol 2 pp 627,628
VAHOAKA ANANKIRAY SISA IZAY
TENA VITSY TOKOA
2. - Ampahan’ny
vahoaka toy inona no nankatoa tamin’ny andron’ny Israely tranainy ? Ahoana no
fomba anoharana an’izany amin’ny ankehitriny ? Isaia 1 : 9 ; 4 : 3 ; Romana 11 : 5
«Nanjaka niaraka tamin’ny
fanehoan-kery tafahoatra teo amin’ny saranga rehetra tamin’ny mponina ny tsy
fahamarinana . Hany ka nalaim-panahy matetika hanaiky ho azon’ny fakakiviana sy
ny famoizam-po ireo olom-bitsy nitoetra nahatoky tamin’Andriamanitra . Ary toa
efa teo an-dalan’ny hahalefika azy mihintsy aza ny fikasan’Andriamanitra momba
ny Israely , ary efa hihatra tamin’ilay firenena mpiodina ny anjara mitovy
amin’izay nanjo an’i Sodoma sy Gomora . » Mpaminany sy Mpanjaka pp 253-254
«Naseho ahy ny
fiaran-dalamby anankiray izay mandeha amin’ny hafainganam-pandeha toy ny
tsela-baratra . Ilay anjely dia niteny tamiko mba handinika tsara an’io fiaran-dalamby
io . Noho izany dia nafatoko tamin’izy io ny fijeriko . Ary toa nipetraka tao
anatiny tao ny olombelona rehetra teto amin’izao tontolo izao , ka tsy nisy
olona na dia iray aza teo ivelany . Nanontany an’ilay anjely aho hoe : moa ve
tena ao anatin’io fiaran-dalamby io avokoa ny olombelona rehetra ? Dia niteny
tamiko ilay anjely mba hijery any amin’ny zotra mifanohitra amin’ny
fizotran’ilay fiaran-dalamby , ka dia nahita vondron’olona vitsy aho izay
nanaraka làlana anankiray tery . Ireo olona rehetra tao anatin’ilay vondrona
kely dia tena niray marina tamin’ny alalan’ny fahamarinana . » Premiers Ecrits p 88
3. - Teo amin’ireo
olona an-tapitrisany maro tamin’ny andron’i Noa , olona firy no voavonjy ? I
Petera 3 : 20
« Tamin’ireo olona marobe nonina
tety ambonin’ny tany tamin’ny andron’i Noa , dia olona valo monja no nanaiky ny
antson’Andriamanitra . Rehefa nanambara ny hanjo izao tontolo izao ilay
mpitoritenin’ny fahamarinana , dia hita fa notsiratsiraina sy nolavin’ny olona
ny hafatra nentiny . Tsy misy hafa amin’izany no miseho ankehitriny.» Patriarika sy Mpaminany p 86
AFAKA MIASA AMIN’NY ALALAN’NY OLONA VITSY NY
TOMPO
4. - Moa ve tsy
maintsy ilaina ny olona tena maro mba hahazoana fandresena eo amin’ny asan’Andriamanitra?
Nahoana no tsy voatery ho olona maro , na koa hoe maninona moa raha toa ka
olona maro ? Mpitsara 7 : 6-7 ; I Samoela 14 : 6b
«…Ny olona izay manao ny adidy
ho ambonin’ny mahafinaritra ny tenany no ho voafidy . Koa ireo telonjato lahy
ary , dia tsy hoe akory be herim-po sy manana toetra tony ihany , fa koa
olon’ny finoana . Afaka tamin’ny lotom-panompoan-tsampy izy ireo ka ho
tohanan’ny any ambony , ary avy amin’ny alalan’ny tenany no hamonjena ny
Israely . Tsy miankina amin’ny fahamaroana fa miankina amin’ny toetra ny
fahombiazana . Afaka mamonjy Andriamanitra na amin’ny olona vitsy na amin’ny
olona maro . » Patriarika sy Mpaminany p. 580
5. - Inona no antony
tsy mahamety ny mampitaha ny haben’ny fiangonan’Andriamanitra amin’ny
habean’ireo fandaminam-piangonana hafa ? Deotoronomia 7 : 7 ; Apokalypsy 12 :
17
«Raha ohatra ianao ka mampietry
an’ireo tanjona kendrena ara-panabeazana mba ho mamy hoditra eo amin’ireo
mpianatrao , ary raha ohatra ka maharavoravo anao izany , dia maneho ianao fa
misy fahajambana lehibe ao anatinao ao . Raha ohatra ka ny hamaroan’ny isa no
mitondra fahombiazana , Satana dia afaka nitaky ny toerana voalohany , satria
eto amin’ity izao tontolo izao ity , dia ireo mpiandany amin’i satana no tena
maro an’isa indrindra . » Conceils aux
Enducateurs , aux Parents , et aux Etudiants p 78
Mikasika ny Isiraely , Andriamanitra dia nanambara izao teny manaraka izao
manao hoe : “Ity dia vahoaka manana ny fonenany miavaka manokana , ary tsy
hatao ho isan’ny jentilisa. ”Ireo teny ireo dia mihatra amintsika , sady nihatra
tamin’ny Isiraely tranainy ihany koa . Ny vahoakan’Andriamanitra dia
tsy maintsy mijoro ho irery.» Testimonies for the Church vol 7 p 109
«Aoka ianao tsy ho menatra na oviana
na oviana ny amin’ny finoanao , aoka ianao tsy ho hita na oviana na oviana ho
miandany amin’ilay fahavalo . Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao . Ny
finoanareo dia tsy maintsy voaseho tahaka ny fahamarinana saro-bidy . Dia
fahamarinana izay tsy maintsy ananan’ny rehetra , ary ny rehetra dia tsy
maintsy manana an’izany raha ohatra ka te voavonjy . Amin’ny maha vahoaka vitsy
an’isa antsika , dia tsy ho mamim-bahoaka isika . Ireo fahavalon’ny
fahamarinana dia mikatsaka ny hanisy ratsy antsika , ka hiampanga antsika , eny hanimba
ny fanahintsika mihitsy aza . Ireo fahavalontsika ireo dia tsy hankasitraka
mihinsy an’ireo antony manosika antsika . » Testimonies for the Churchvol 5 pp 520-521
VAHOAKA ANAKIRAY SISA MANAO
NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
6. - Moa ve ampy ny
hoe vita batisa sy voaray ho mambran’ny fiangonana iray ? Omeo ny hevitrao mikasika
an’izany .Matio 22 : 14 ; 7 : 21
«Ny tenin’Andriamanitra dia
milaza amintsika mazava tsara fa “ vitsy
no ho vonjena ”, ary ny ankamaroany mihitsy aza amin’ireo voantso dia ho
voaporofo fa tsy mendrika ny fiainana mandrakizay . Izy ireo dia tsy hanana
anjara any an-danitra mihitsy , fa kosa hanana ny anjarany miaraka
amin’i Satana ary hiharan’ny fahatezerana faharoa . » Testimonies for the Church vol 2 pp 293-294
«…Tsy ampy ny mino ara-tsaina fotsiny ny
fahamarinana , sy ny manao ny tena ho manana finoana , na koa ny mahafantatra
fa tsy mpamitaka Jesosy , ary ny Baiboly
dia tsy angano voarindra
tamim-pahakingana . Fa hoy i Jaona : “ Izay manao hoe fantatro Izy , nefa tsy
mitandrina ny didiny , dia mpandainga , ary marina tsy ao anatiny . Fa na iza
na iza mitandrina ny teniny , dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra ; izany
no ahafantarantsika fa ao Aminy isika . Izay milaza fa mitoetra ao Aminy izy ,
dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa . Ary izay mitandrina ny
didiny no mitoetra ao Aminy , ary Izy kosa ao aminy . I Jaona 2 : 4-6 ; 3 :
24 » Vavolombelona Mahery p 498
7. - Inona no
fitoetra ara-panahy izay hisy an’ireo tena mpino marina any amin’ny fotoanan’ny
andro farany ? Zefania 3 : 12-13 ; Apokalypsy 14 : 5
«Ny olona tsirairay izay
ampiasain’Andriamanitra dia tsy maintsy mianatra fa Ilay Andriamanitra velona ,
izay manatrika mandrakariva sy miasa mandrakariva , dia Izy io no ilay
Andriamanitra fara-tampony izay nampindrana an’ireo talentany maro ho an’io
olona io mba hampiasainy , nanome ny tsilon-tsaina ho amin’ny famoronana ,
nampindrana fo anankiray mba ho fitoeran’ny seza fiandrianany , nampindrana
fitiavana maro mba hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra izay manatona io
olona io , nampindrana ny feon’ny fieritreretana izay ahafahan’ny Fanahy Masina
miditra mba handresy lahatra azy ny amin’ny fahotana , sy ny fahamarinana , ary
ny fitsarana . Ny fanetren-tena no mialoha làlana ny voninahitra . Mba
hanaovana ny andraikita iray ho ambony araka ny fijerin’olombelona ,
Andriamanitra dia mifidy mpiasa anankiray izay eo amin’ny fitoetra tsotra eo
anatrehany . Arakaraka ny mampitovy ny finoan’ilay mpianatra amin’ny finoan’ny
ankizy kely , no mampahomby ny asa ataony ho an’Ilay mpampianatra . » Avec Dieu Chaque Jour P 349
«Tena imbetsaka tokoa aho no nahita olona maro izay tsy
nanan-kialofana teo amin’ny fotoanan’ny fahoriana . Izy ireo dia nanao
antsirambina ny fiomanana , izay no antony mahatonga azy ireo tsy afaka mandray
an’ilay famelombelomana izay tsy maintsy raisin’ny tsirairay mba hahafahana
miaina eo imason’Ilay nifidy azy . Hitako fa tsy nisy olona nanana anjara
tamin’ilay famelombelomana raha toa ka tsy mbola nandresy ny fahadisoana
tsirairay talohan’io fotoana io izy : dia
ny avonavona , ny fitiavan-tena , ny fitiavana an’izao tontolo izao , ny fandresena ireo teny tsy maontina
tsirairay , ary ny asa ratsy rehetra . Noho izany dia tsy maintsy manantona
ny Tompo akaiky kokoa mandrakariva isika , ary mikatsaka amin’ny fomba matotra
kokoa an’ilay fiomanana izay tsy maintsy ilaina , izay ahatonga antsika ho
afaka maharitra eo amin’ilay ady amin’ny andron’ny Tompo . Aoka ho tadidintsika fa Andriamanitra dia masina , ka zava-manan’aina
masina ihany no afaka hahajoro eo anatrehany . » Premiers Ecrits p 71
8. - Inona ilay
toetoetra voafaritra manokana izay hamantarana ny fiangonan’ny vahoaka sisa ?
Ezekiela 9 : 4 ; Matio 5 : 4
«Ny
tombokasen’Andriamanitra dia tsy hapetaka na oviana na oviana eo amin’ireo izay
tsy miory noho ny fahantrana ara-panahy ary tsy mitaraina noho ny fahotan’ny
hafa … Eo amin’ny fotoana izay ahatongavan’ny loza sy ny fahatrotrahany eo
amin’ny firehetana izay tsy izy ao anatin’ny fiangonana , ireo olona mahatoky
vitsy an’isa izay mijoro ao anatin’ny fahazavana , dia hitaraina sy hitomany
noho ny amin’ireo fahavetavetana izay atao eto ambonin’ny tany . Kanefa ireo
fitalahoana ireo dia hiakatra manokana ho fangatahana hanasoa ny fiangonana ,
satria ireo mambra ao dia tsy manao hetsika araka ny fanaon’izao tontolo izao .
» Temoignages pour l’Eglige vol pp 73,71,72
VAHOAKA SISA, MIORY NOHO NY
FAHOTANA
9. - Nahoana moa ny
olona tsirairay no tokony hitomany noho ny amin’ny fahotany ? Jakoba 4 : 7-10
«Matetika isika no malahelo
satria mitondra vokatra tsy mahafinaritra ho antsika ny asa ratsy ataontsika . Tsy
fibebahana anefa izany . Ny tena alahelpo noho ny fahotana dia vokatry ny
asan’ny Fanahy Masina . Ny Fanahy no manambara ny tsy fahaizan’ny fo
mankasitraka , dia ny fo manao tsinontsinona ny Mpamonjy sy mandratra Azy , ka entiny eo ampototry ny hazo
fijaliana isika rehefa torotoro fo . Mandratra an’i Jesosy indray ny fahotana
rehetra . Ary raha mijery Azy izay nolefonina isika dia malahelo noho ny
fahotana izay nahatonga ady mihatra aman’aina taminy . Ny alahelo toy izany no
hitarika ho amin’ny fahafoizana ny fahotana . » Ilay Fitiavana Mandresy p 314
10. - Inona no
fanandramana izay nilain’ireo mpianatra ? Inona no fanandramana mitovy
amin’izany izay ilaintsika ihany koa ankehitriny ? Asan’ny Apostoly 1 : 13-14
«Napetrany ny fahasamihafana
rehetra , ny faniriany rehetra ho
ambony . Ka nifanatona akaiky teo
amin’ny fihavanana kristisna izy .
Nanatona akaiky kokoa hatrany an’Andriamanitra izy ireo. » Vavolombelona Mahery p 34.
«Ny fifohazana dia midika
fanaovana ny fiainam-panahy ho vaovao , fampivelarana ny fahazoa-manaon’ny
saina sy ny fo , fitsanganana amin’ny fahafatesana ara-panahy. »
( Review and
Herald 25 Fevrièr 1902 ) Messages Choisis vol 1 p 148
«Ireo zavatra maro nandalo teo
anantrehako tamin’ny alina dia tena nanaitra ahy mafy tokoa . Izaho dia
nahatsapa fa niatrika fihetsehana lehibe , asa fifohazana anankiray , izay
natao teo amin’ny toerana maro samihafa . Ny vahoakantsika dia niditra tao an-daharana
ho valin’ny antson’Andriamanitra . Ry ranadahiko , ny Tompo dia miresaka
amintsika . Moa ve tsy hihaino ny feony
isika? . » Messages
Choisis vol 2 p 464
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire