vendredi 1 août 2014

ANTSO HO AMIN’NY FIFOHAZANA



  “Ireo Kristiana dia tsy maintsy miomana amin’ny oram-baratra izay hipoaka tsy ho ela intsony izay hihatra tampoka sy mafy amin’izy ireo. Fandinihana lalina ny Tenin’i Ray izay any an-danitra sy fiainana mifanaraka amin’ny fitsipiny no tsy maintsy ilainy amin’izany… Ny takian’i Tsitoha dia fifohazana sy fanavaozana hatrany am-potony” Patriarches et Prophètes, p. 475

FAMARITANA                                            

1.- Inona no atao hoe fifohazana ? Ahoana no ahafantarana azy tsara eo amin’ny lafiny  ara-panahy ? Romana 13 : 11
 
         «Andron’ny toe-tsaina mandray anjara aminin’ny fiainam-bavaka nohavaozina ary tena miraharaha an’izany izaoMerriam Wabster’s Collegiate Dictionary .
Ary koa , fifohazana ao anatin’ny fiangonana anankiray na ao anatin’ny vondrona     anankiray , liana sy miraharaha fatratra an’ireo loha-hevitra mikasika ny fivavahan’ny tena . Fifohazan’ny finoana na fanavaozana ny fanoloran-tena ho amin’ny fivavahana . Ny fifohazana dia midika ho fanaovana ny fiainam-panahy ho vaovao , fampirehetana ny fahazoa-manaon’ny saina sy ny fo , fitsanganana amin’ny fahafatesana ara-panahy .» Review and Herald 25 Fevrier 1902 . Service Chretien p 52

2.- Inona ilay loza ara-panahy izay tsy maintsy fantatry ny fiangonana mandrakariva ? Apokalypsy 2 : 4

       «Nahoana moa isika no tsy maintsy hiverina indray amin’ilay fahatsoran-tsika sy ilay hafanam-po tany aloha iny ? Ny antony mahatonga antsika maneho fifaliana tena kely tokoa , dia satria efa very niala tamin-tsika ilay fitiavana voalohany . Noho izany , aoka isika hanana zotom-po ka hibebaka .» Temoignage Pour l’Eglise Vol 3 p 36  
         «Ireo teny hoe : Fa Izaho dia manana teny atao aminao satria efa niala tamin’ny fitiavana voalohany ianao  , dia mihatra amin’ny olona maro izay miaina amin’izao fotoana izao . Ny Ray izay any an-danitra dia miantso ho amin’ny fibebahana sy fanavaozana tena izy . Efa tonga izao ny fotoana izay tsy maintsy hisian’ny fiovana lehibe eo amin’ny vahoaka izay miandry ny fisehoan’Ilay Tompon’izy ireo fanindroany . Tsy ho ela intsony dia hiseho ireo zavatra hafahafa . Ny Ray dia hihazona antsika ho tompon’andraikitra ny amin’ny fomba tsy niraharahian-tsika ny fahamarinana . Ny fahadiovan’ny finoantsika sy ny fahadiovan’ireo asa ataontsika no hanapaka ny hoavin-tsika ? Tena miasa mafy sy amim-pitandremana fatratra ho antsika ny Rain-tsika izay any an-danitra … Tsy maintsy misy ny fanambarana mazava sy mahatapaka satria , misy vahoaka anankiray izay tsy maintsy miomana hiatrika ilay androm-pahoriana izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay nisian’ny firenena .» Manuscript 136 1912 , Medical Ministry pp 37,38

3.- Inona no tsy maintsy hataon’ireo izay nandray ny fahazavana ? Isaia 60 : 1

        «Raha ohatra  ka tsy misy fifohazana eo amintsika izay nadray an’io fahazavana lehibe io sy ireo tombotsoa marobe , dia hilentika ao anatin’ny fahalevonana isika , ary ny anjara hanjo antsika dia ho ratsy mihoatra noho ny anjara nanjo an’i Korazina sy Betsaida .» Testimonies for the Church vol 5 p 529
       «Eny amin’ny toerana rehetra , dia olona maro no mitsilopilopy satria tsy mahafantatra an’ireo izay nankinina taminy . Noho izany , ireo mambran’ny fiangonana dia tsy maintsy mifoha sy mahafantatra tsara fa manana andraikitra hampiely an’ireo fahamarinana . Ireo rehetra izay nohazavain’ny fahamarinana dia mpitondra fahazavana ho an’izao tontolo izao . Ny fanafenana ankehitriny an’io fahazavana io dia fahadisoana lehibe tokoa .                            Toy izao manaraka izao ny hafatra izay alefan’ny Tompo ho an’ny vahoakany :  Mitsangàna , mihazavà , fa tonga ny fahazavanao , ary ny voninahitr’i Tsitoha efa miposaka aminao».    Isaia 60 : 1 ,  Conseils sur la Nutrition et les Aliments p 548

4.- Rehefa izany ary no zava-misy , inona no zava-dehibe tsy maintsy atao ? Asan’ny Apostoly 17 : 11

        «Efa akaiky ny farany : Ny Tsitoha anie hanao izay hahatonga antsika tsy ho hita matory amin’ny fotoana toy izao.  Messages choisis vol 1 p 424
« Eny amin’ny toerana rehetra , mahita olona mahalala ny fahamarinana isika, izay mifidy ny ratsy toy izay ny tsara . Koa satria izy ireo tsy mikatsaka ny fiovana , dia miharatsy bebe kokoa isan’andro . Kanefa ny vahoakan’i Ray dia tsy mahazo miaina ao anatin’ny aizina . Amin’ny maha mpanao fanavaozana azy , io vahoaka io dia tsy maintsy mandeha ao anatin’ny fahazavana .»  Conseil sur la Nutrition et les Aliments p 548

            FAHATAIRANA HO AN’IREO IZAY TSY VOAOMANA

5.- Nahoana no ho taitra ireo olona ireo eo amin’ny fahatongavan’i Jesoa fanindroany , ary fomba ahoana no hisehoan’izany fahatairana izany ?  Matio 24 : 33 , Apokalypsy 3 : 3

          «Feno koràna izao tontolo izao , feno fahafinaretana tsy misy an’i Tsitoha, ary matory , renoka  ao amin’ny antoka  ara-nofo . Apetraky ny olona lavitra ny fihavian’ny Tompo . Hihomehezany ny fampitandremana . Atao ilay teny feno fireharehana sy avonavona hoe : Maharitra tsy miova ny zavatra rehetra , eny hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza  2 Petera 3 : 4  . Handroso hihalalina kokoa ao amin’ny fitiavana fahafinaretana isika . Hoy anefa Kristy : Indro avy toy ny mpangalatra Aho .  Apokalypsy 16 : 15 .» Ilay Fitiavana Mandresy p 683
          «Olona maro, eo amin’ny fotoanan’ny andro farany no ho lanjaina eo amin’ny fandanjana ka ho hita fa maivana , satria izy ireo dia mamela ny sainy ho renoka eo amin’ny zavatra izay tsy misy dikany , ataony antsirambina ny fahamarinana mandrakizay … Manamaivana ny fianarana ny soratra masina izy ireo.» Sermons and Talks vol 2 p 4

FANASANA SY FAMINANIANA

6.- Fifohazana tena marina manao ahoana no tsy maintsy takiana ho tonga eo amin’ny tsirairay manokana sy eo amin’ny ankapobeny alohan’ny fotoanan’ny andro farany ? Joela 2 : 12-17

            «Alohan’ny hiharan’ny fitsaran’i Ray farany amin’ny tany , dia hisy fifohazan’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay tsy mbola hita hatramin’ny andron’ny Apostoly eo amin’ny vahoakan’ny Tompo .»  Hery mifanandrina p 478
« Ny zavatra lehibe indrindra ilaintsika ary tena maika no hilantsika azy , dia ny fifohazan’ny fitiavam-bavaka marina eo amintsika . Ny zavatra voalohany izay tokony hifatohan’ny saintsika dia ny  fikatsahana an’io fifohazan’ny fitiavam-bavaka io .» Messages Choisis                              vol 1 p 141

7.-  Mba hanaovana fanandramama an’io fifohazana io , inona no tsy maintsy ataon’ny vahoakan’Avo indrindra ? I  Jaona 5 : 15 ; Matio 7 : 7 ; Lioka 11 : 9-13
 
          «Tsy hay heverina afa-tsy amin’ny maha valin-teny omena ho an’ny vavaka Io fifohazana io. Raha ohatra ka tsy manana ny   Fanahy Masina , dia tsy afaka ny hanome tombam-bidiny ho an’ny toriteny mihitsy ; kanefa kosa raha vantany vao kasihin’ny Fanahy Masina ny fo , ireo lahanteny izay tononina dia misy vokany .»  Messages Choisis vol 1 p 141
             
IREO SAKANA HANDOSIRANA

8.- Ahoana no fomba tokony handraisana an’ireo fahamarinana ao anatin’ny Soratra Masina ? Inona no zavatra izay asain’ny Tompo hataon’ny tsirairay ? Jeremia 6 : 16
           «…Raha tsy tafaverina eo amin’ny tena toerany ny lalàn’i Tsitoha dia tsy mety hisy fifohazan’ny finoana sy ny toe-panahy araka an’i Ray izay any an-danitra tany am-piandohana eo anivon’ny vahoaka izay milaza fa Azy . Izao no lazain’i Avo indrindra : Mijanona eo an-dàlana  ianareo , ka izahao sy anontanio izay làlana masaka hatry ny ela , dia izay làlana mankany amin’ny tsara , ka iny no izory , dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo .»           Hery Mifanandrina p 493 
           «Nahay nitolona tamin’i Tsitoha tao anatin’ny vavaka ireo mpilanja faneva tranainy; izy ireo dia afaka nandray ny firotsahan’ny Fanahin’i Ray sy nankamamy izany . Kanefa dia nandao an’ilay tany nanaoavany ny tolona izy. Iza no hisolo toerana hipetraka eo amin’ireo toerana tsy misy mpitolona ? Ahoana ny mikasika ilay taranaka vaovao ? Niova fo ho an’Avoindrindra ve io taranaka io ? Moa ve isika tonga saina sy mahafantatra tsara ny maha zava-dehibe indrindra an’ilay asa mitohy ao amin’ny Fitoerana Masina any an-danitra ? Na koa , moa ve isika miandry hery iray manery antsika , izay vao hitsangana hanao hetsika ? Moa ve isika miandry ny fiangonana manontolo hifoha ? Izany fotoana izany dia tsy hisy mihitsy na oviana na oviana .» Messages Choisis vol 1 pp.142

9.- Inona no misakana ny fifohazana ? Iza no miasa ao ambadik’ireo zava-miseho no sady miseho an-karihary mba tsy hampahomby an’ireo fanampahan-kevitr’i Ray izay any an-danitra ? Isaia 59 : 1-2 ; I Petera 5 : 8
 
          «Ny zavatra izay atahoran’i satana mafy indrindra dia  hoe , ny vahoakan’i Tsitoha manamboatra ny làlana amin’ny alalan’ny fanesorana an’ireo sakana rehetra , mba hahafahan’ny Tompo mandrotsaka ny fanahiny eo amin’ny fiangonana saozanin-dava sy ireo vondrona izay tsy mibebaka . Raha ohatra ka afaka mahomby ireo teti-kasan’i satana , dia tsy hisy fifohazana mihitsy na oviana na oviana hatrany amin’ny fihafaran’ny fotoana , na fifohazana lehibe izany na kely .»  Messages Choisis vol 1 p 144
          «Izaho dia nahita ny vahoakan’i Ray nandray anjara tamin’ny fanaon’izao tontolo izao , sy naka tahaka ny lamaodiny , ary nanao tsinontsinona ny finoany . Toa nanalavitra an’i Ray ny fiangonana tao Battle Creek , ka dia zavatra tsy azo heverina mihitsy ny hoe hihatsara ny fahafahan’izy ireo, mahafantatra ny marina sy ny mifanaraka amin’ny fitsipika . Ireo fanambarana izay nomen’i Tsitoha  ahy dia kely fiatraikany , ary kely kokoa ny firaharahana an’ireo fanambarana ireo . Nahafantatra aho fa ny ray dia tsy nanadino ny vahoakany mihitsy, fa ny fahotan’izy ireo sy ny zavatra tsy marina nataony no nampisaraka azy ireo tamin’i Tsitoha .» Testimonies for the Church  vol 1 p 596   

         NY MAHA ZAVA-DEHIBE INDRINDRA NY FANAMAFISANA AM-BAVAKA               

10. - Inona no valin-teny mafana izay omena matetika teo amin’ireo fotoana voatantara ao anatin’ny baiboly taorianan’ny fanehoana hafatra anankiray ? I Tantara 16 : 36 ; Nehemia 5 : 13
 
            «Ny hevitry ny teny hoe “ Amen”dia hoe : ho tanteraka tokoa anie izany . Io teny io dia nampiasaina mba ho fankatoavana miezinezina, mba ho fampisehoana ny finoana.» Merrian Webster’s Collegrate Dictionary
         «Ny teny Hebreo hoe “Aman”dia nampiasaina hampiharihary , hanorina na hanohanana , mba hitokiana na hinoana . »  Strong’s Concordance 539 , 541
           «Miderà an’Avoindrindra eo amin’ny fivoriamben’ny vahoakany . Tamin’ny andro taloha , rehefa nomena ho an’ireo Hebreo ny tenin’i Ray , ny baiko nomena dia  hoe : “ Aoka ny vahoaka manontolo hiteny hoe Amen” I Tantara 16 : 36 . Rehefa nentina ka tonga teo an-tanànan’i Davida ny fiaran’ny fanekena niaraka tamin’ny hiran’ny Salamom-pifaliana sy fandresena , ny vahoaka manontolo dia niteny hoe “Amen”, derao ny Tsitoha . Io valin-teny mafana io dia manaporofo fa , azon’ny olona tsara ireo teny izay nolazaina ka nandray anjara tamin’ilay fotoam-pivavahana iraisana amin’i Ray izy ireo .» Témoignages pour  l’Eglise vol 2 p 129

              FOTO-KEVITRA HODINIHANA TSARA

 Ahoana no fomba nanomezan’ilay vahoaka valin-teny tamin’ny fotoan’andro voatantara ao anaty Baiboly , rehefa nahare hafatra avy any an-danitra izy ireo ? Inona no tokony ho valin-teny homentsika ankehitriny ho amin’ny antso mba hanao fanavaozana ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire