mercredi 30 juillet 2014

MIAINA AO ANATIN’NY FANJAKAN’I RAY IZAY ANY ANDANITRA



                 Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe : Indro ny taberinakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona , ary Izy hitoetra eo aminy , ary ireo ho olony , ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy , dia ho Andriamaniny . Ary hofafany ny ranomaso rehetra eo amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony , na fanaintainana , fa efa lasa ny zavatra taloha  . Ary hoy ilay mipetraka eo ambonin’ny  seza fiandrianana : “Indro , havaoziko ny zavatra rehetra” .  Ary hoy koa Izy ; “Soraty , fa mahatoky sy marina ireo teny ireo” .   Apokalypsy 21 : 3-5

Izao tontolo izao voadio

1.-Inona no ho tonga amin’ny tany raha vantany vao voahaisotra ny ratsy ? Isaia 65 : 17 ; II Petera 3 : 13 . Iza no handray an’io lova mahatalanjona io ? Apokalypsy 21 : 5-7
 
              Ary nahita lanitra vaovao aho ; fa efa lasa ny tany voalohany . Apokalypsy 21 : 1 . Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy . Voafafa ny ozona rehetra . Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anantrehan’ireo voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ny fahotana . Hery Mifanandrina p 701
            Ny tany izay nampanantenaina azy ireo dia tsy ho hamaizinin’ireo aloky ny fahafatesana intsony . Tsy ho hamaizinin’ny ozona tahaka ity tany ankehitriny ity . Une Vie Meilleur p 30

2 .-Inona ireo marika izay ho famantarana mitoetra mandritra ny fotoana rehetra  , mba ho fampahatsiarovana an’ilay vidiny naloha  tamin’ny fanatanterahana an’ilay fanavotana ? Zakaria 13 : 6
       
   Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra : hitondra mandrakariva ny holatry ny nanombohana Azy tamin’ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika . Eo amin’ny lohany noratraina , eo amin’ny lanivoany , eo amin’ny tànany aman-tongony ,  ireo no hany soritry ny asa mahatsiravina nataon’ny fahotana . Hoy ny mpaminany raha mibanjina an’i Kristy ao amin’ny voninahiny izy . “ Misy famirapiratana toy ny mazava , ary misy tana-masoandro avy eo amin’ny tànany ; ary ao no fiheren’ny heriny ” Habakoka 3 : 4 . Amin’io lanivoany voatrobaka io izay nijininihan’ny ra nampihavana ny olombelona tamin’Andriamanitra , no ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy , ao no “ fieren’ny heriny ” . Mahery ka mahavonjy Izy amin’ny alalan’ny soron’ny fanavotana , noho izany dia manankery hampihatra famaliana amin’ireo izay nanamavo ny famindram-pon’Andriamanitra Izy . Koa ny mariky ny fanetren-tenany no voninahiny ambony indrindra ; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr’i Kalvary . Hery Mifanandrina p 701

Tafafindra nankao anatin’ilay fanjakana    
      
3 .-Iza ireo hanana fifaliana satria tafafindra ao anatin’ilay fanjakan’ny fiadanana sy fahamarinana ? Kolosiana 1 : 12-14 ; Salamo 37 : 29
 
          “ Ary ianao , ry tilikambon’ny andiany , tendrombohitr’i Ziona zanakavavy , aminao no ho tonga izany , eny ho tonga voalohany ” . Tonga izao ny fotoana nandrandrain’ny olona masina hatramin’ny nanakanan’ny lelafon’ny sabatra mihebiheby ireo mpivady voalohany tsy hiditra tany Edena , dia ny fotoana “ ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany ” Efesiana 1 : 14 . Ny tany izay nomena ny olona tany amboalohany ho fanjakany , kanefa natolony eo ampelatanan’i Satana , ary notazonin’io fahavalo mahery io ela dia ela , ankehitriny dia tafaverina tamin’ny alalan’ny drafitry ny fanavotana . Tafaverina avokoa izay rehetra very noho ny fahotana . “ Fa izao no lazain’i Jehovah , Izay nahary ny lanitra sady namorona ny tany sy nahavita azy . Izy no nandamina azy , tsy ho tany tsy misy endrika no namoronany azy ,fa nataony honenana ” Isaia 45 : 18 . Tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany amboalohany , tamin’ny namoronany ny tany dia ny hanao azy ho fonenan’ny voavotra mandrakizay . “ Ny marina handova ny tany , ka honina eo aminy mandrakizay ” Salamo 37 : 29  . Hery Mifanandrina pp 701 , 702 .

Tena sambatra sy miravoravo ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra

4 .-Inona no fanandramam-piainana hataon’ireo zanak’Andriamanitra  ao anatin’io fanjakana io ? Isaia 64 : 18-19 , 24-25 . Inona ireo asa tsy tambo hisaina izay andraisan’izy ireo anjara ao ? Isaia 65 : 21-23 .

            Ny hazo fijalian’i Kristy no ho fianarana sy ho antokiran’ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo . Ao amin’i Kristy omem-boninahitra no hibanjinany an’i Kristy voahombo . Hery Mifanandrina p 677
                Any amin’ny tany vaovao , dia hibanjina ny hery mahagaga nahariana izao rehetra izao sy ny zava-miafin’ilay fitiavana manavotra ny voavonjy . Any tsy hisy fahavalo masiaka , mamitaka haka fanahy antsika hanadino an’Andrianitra . Hivelatra ny fahaizana rehetra , ary hitombo ny talenta rehetra . Tsy hanasatra ny saina na handany hery ny fitadiavam-pahalalana . Ho tanteraka any ny fikasana miezinezina indrindra , ho tratra ny zava-kendrena ambony indrindra , ho tanteraka ny  faniriana ambony indrindra ; ankoatra izany anefa dia mbola hisy ihany tendro vaovao ho tratrarina ; zava-magaga vaovao hahaliana , anton-javatra vaovao hampiasana ny herin’ny saina sy ny fanahy ary ny tena  .  Hery Mifanandrina p 704

Ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ao amin’ilay tontolo vaovao 

5 .-Inona ilay andro voatendry manokana izay iangonan’ireo olona voavotra mba hiankohofany amin’Andriamanitra ?   Salamo 111 : 8 ; Isaia 66 : 22-23
 
Tsy hahalala lalàna hafa noho ny an’ny lanitra ireo voavotra . Ho tonga fianankaviana anankiray sambatra sy miray hina izy ireo , ary hotafiana akanjom-piderana sy fisao-rana . Hanakoako amin’izay ireo feon-kira masina avy amin’ny kintan’ny maraina . Hampitalakotrokotroka ny feon’olon-tsambatra ananany ny zanak’ Andriamanitra rehetra , ary hiaraka hanambara Andriamanitra sy Kristy hanao hoe : “ Tsy hisy ota intsony , ary ho foana mandrakizay ny fahafatesana” . “Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anantrehako , hoy Jehova” Isaia 66 : 23 . Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah , ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany . Dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anantrehan’ny firenena rehetra . Ary amin’izany andro izany Jehovah Tompon’ny maro , dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa . Mpaminany sy Mpanjaka p 597
         Raha mbola misy koa ny lanitra sy ny tany , dia mbola ho famantarana ny herin’ny Mpamorona ihany ny Sabata . Ary rehefa tafaverina indray amin’ny faha-tsaran-tarehiny eto an-tany Edena , dia hohajain’ny rehetra ny andro fitsaharana masin’Andriamanitra . Ary isan-tSabata dia ho avy hiankohoka eo anantrehako ny mponina rehetra ao amin’ny tany vaovao  be voninahitra , hoy Jehovah . Isaia 66 : 23 . Ilay Fitiavana Mandresy p 293

6 .-Aiza no ho renivohitr’ilay fitondram-panjakana mandrakizain’ny faha-soavana sy fitiavana ? Apokalypsy 21 : 10-11 , 24 .
  
              Jerosalema vaovao” no renivohitry ny tany vaovao be voninahitra izay “ satro-boninahitra eo an-tànan’i Jehovah sy ho satrok’andriana eo ampelantànan’ Andriamanitra”.“Ny famirapiratany dia ho tahaka ny vatosoa indrindra , dia ho taha-ka ny vato jaspy , manganohano tahaka ny vato kristal ”. “ Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany : ary ny mpanjakan’ny tany dia mitondra ny vonina-hiny ho ao anatiny ”.  “ Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ny oloko ” . “ Indo ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona , ary Izy hitoetra eo aminy ary ireo ho olony , ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy , dia   ho Andriamaniny ” . Isaia 62 : 3 ; Apokalypsy : 11 , 24  . Hery Mifanandrina p703

7.- Fomba ahoana , ary inona no antony hankalazàna mandrakizay ny tany ?  Avy aiza no hifehezana ny voahary manontolo ? Apokalypsy 21 : 3 ; Romana 5 : 20-21
 
             Ho tanteraka ny asan’ny fanavotana . Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra . Ny tany mihintsy , dia ilay toerana ihamboan’ Satana fa azy , dia tsy hoe avotana fotsiny , fa asandratra koa . Ity izao tontolo izao kelintsika ity izay eo ambanin’ny ozon’ny fahotana , ka hany pentina mainty eo amin’ny voahary be voninahitra nataon’Andrimanitra , dia homem-boninahitra ambonin’izao tontolo izao rehetra . Eto amin’ity tany ity , izay nitoeran’ny zanak’Andriamanitra an-day tao amin’ny nofon’olombelona , izay niveloman’Ilay Mpanjakan’ny voninahitra , izay nijaliany sy nahafatesany . Rahatrizay hohavaoziny ny zavatra rehetra ka ho eo amin’ny olona ny taberinakelin’Adriamanitra , eto amin’ity tany ity no : “ hitoetra eo aminy Izy , ary ireo ho olony , ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy , dia ho Andriamaniny” . Koa mandritra ny andro maro tsy manam-pahataperana , raha mandeha eo amin’ny fahazavan’ny Tompo ny voavotra , dia hidera Azy izy ireo noho Ilay Fanomezany tsy hay ambara . Dia Imanoela. Amintsika Andriamanitra . Ilay  Fitiavana Mandresy pp 17 , 18

Mba ho saintsainina lalina

Isaia  9 : 6-7 ; 33 : 14-17 ; 35 : 10 ,  I Korintiana 13 : 12-13
           … Tsy misy manamaloka ny fijeriny eo am-pitazanana ny voninahitry ny famoronana . Ny masoandro sy ny kitana ary ireo vondron-kintana , samy mandeha manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra araka ny sori-dalana voatendry hizorany avy . Ny zavatra rehetra , hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra , dia misy ny anaran’ny Mpamorona voasoratra eo aminy avokoa , ary izy rehetra dia samy maneho raki-tsarobidin’ny heriny avokoa .
              Ireo izay manaiky ny fampianaran’ny tenin’Andriamanitra dia tsy havela tsy hahalala tanteraka ny mikasika ny fonenana any an-danitra . “ Koa izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy ” Apokalypsy 2 : 9 . Tsy ampy hahalaza ny momba ny valisoan’ny  marina ny fitenin’olombelona . Izay hahita azy ihany no hahafanatra azy . Tsy misy saina voafetra afaka hahatakatra ny voninahitry ny paradisan’Andriamanitra . Hery Mifanandrina pp 705 , 702

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire