“Niantoraka tamin’ny finoana ilay
vehivavy Foinikiana nanohitra ireo sakana izay natsangana hampisaraka ny Jiosy
sy ny jentilisa . Notoheriny ny fahakiviana , tsy noheveriny ny zavatra niseho
ivelany mety hitarika azy ho amin’ny fisalasalana , fa natoky ny fitiavan’ny
Mpamonjy izy . Toy izany no irin’i Messiah hatokisantsika Azy . Ho an’ny fanahy
tsirairay ny fitahian’ny famonjena . Tsy nisy afa-tsy ny safidin’ny tenany no
afaka hanakana olona tsy ho tonga mpiombona amin’ny teny fikasana ao amin’i Messiah
noho ny filazan-tsara”. Ilay Fitiavana
Mandresy p 430
NY
FITALAHOAN’ILAY VEHIVAVY KANANITA ANANKIRAY
1.- Iza ilay
vehivavy nitalaho tamin’ny Mpamonjy , mba hahazo vonjy Aminy , tao amin’ny
faritra jentilisa iray izay any Liban ankehitriny ? Matio 15 : 21 – 22 ; Marka
7 : 24 – 25
...“Taranaky
ny Kananita fahiny ny mponina tao amin’io faritany io ... Anisan’io
antokon’olona io ilay vehivavy tonga nanantona an’i Jesosy ... Efa nandre ny
amin’ilay Mpaminany ity vehivevy ity , izay nanasitrana ny karazan’aretina
rehetra , araka ny nambara . Raha nandre ny amin’ny heriny izy , dia nifoha ny
fanantenana tao am-pony . Ny fitiavan’ny Reny no nanainga azy , ka tapakevitra
izy hitondra ny manjo ny zananivavy eo Aminy . Fikasana hentitra ny azy ny
hitondra ny fahoriany eo amin’i Jesosy . Tsy maintsy manasitrana ny zanany Izy
.Efa nitady fanasitranana tamin’ireo i Tsitoha jentilisa izy , nefa tsy nahazo
fanasitranana , ary indraindray dia voan’ny fakam-panahy hihevitra hoe : Inona
moa no azon’ity Mpampianatra Jiosy ity atao ho ahy ? Tonga anefa ny teny manao
hoe : Manasitrana ny aretina rehetra Izy , na nanankarena na nahantra izay
tonga nitady fanampiana teo Aminy . Tapa-kevitra izy tsy hanary ny hany
fanantenana ho azy” . Ilay Fitiavana Mandresy pp 425 - 426
JENTILISA
KANEFA TONGA MPINO
2.- Ahoana no
ahafahana manazava ny finoana an’i Jesosy izay nananan’ny olona anankiray avy
any amin’ny firenen-kafa , sady nahazo fanabeazana jentilisa ? Inona no
fantatra mikasika ny fahalalàna an’Ilay Mpampianatra avy any an-danitra ,
hatreo amin’ny fiantombohan’ny raharaha nataony ? Matio 4 : 23 – 24 ; Marka 7 :
26
“Messiah dia niaina
tao anatin’ny fahafohizan-tena mitohy . Izy dia tsy mba nametraka ny asa
nataony ho eo amin’ny toerana voafetra na fotoana voafetra . Ny asany dia
nivelata lavitra tokoa , tahaka ny fitiavany ho an’ireo fanahy , sy ny
fahavononany hanasoa an’ireo fanahy ireo , izay hanolorany ny tenany tsy ho ela
intsony taorianan’io fotoana io . Ny fangorahany dia tsy manam-petra .
Notanterahany tsara mihintsy ny asam-panasitranana nataony , tamin’ny
fivelarana tena midadasika tokoa , hany ka tsy nisy trano lehibe na dia iray
aza tao Palestina antonona an’ireo vahoaka marobe izay nibosesika nankeo Aminy
. Izy dia nanana ny toeram-pitsaboany tao amin’ireo tanan-dehibe na vohitra
kely tsirairay izay nandalovany . Teo amin’ny ilan’ireo tendrombohitra tao
Galilia , teo amin’ny toerana izay nahasarika olona tao anatin’ny zava-boahary
, teo amoron-drano , teo amin’ireo sinagoga , ary amin’ny toerana rehetra izay
misy fo vonona ny hihaino ny hafatra entiny . Jesosy dia nanasitrana marary ary
nanoro làlana azy ireo ho any amin’Ilay Rain’izy ireo izay any an-danitra . Ny
harivariva taorianan’ireo ora fiasana , Izy dia niresaka tamin’ireo izay tsy
maintsy niasa nandritra ny tontolo andro mba hahita fivelomana ho an’ny
fianankaviany” . Levez vos Yeux en Haut
p 322
“Ireo teny ireo dia
manome ny fanori-tsoritana ny amin’ny fomba niasan’i Jesosy , ka nanaovany
fambolena tao amin’ny tanimbolin’ny fo . Ireo teny ireo dia maneho mazava tsara
ny asa izay tsy maintsy ataontsika , tsy hoe eo amin’ny toerana anankiray
fotsiny ihany , fa amin’ny toerana rehetra ihany koa” . Review and Herald 30 Mars 1905
TSY
NISY VALIN-TENY TEO NOHO EO
3.- Moa ve ny Tompo namaly avy
hatrany ny fangatahan’io renim-pianankaviana io ? Tao anatin’ny fiheverana fa
tsy niraharaha ny zavatra mahazo an’io renim-pianankaviana io Jesosy , inona no nangatahan’ny mpianatra mba hataony
? Matio 15 : 23
“Fantatr’i Messiah ny toerana nisy
an’ity vehivavy ity . Fantany fa naniry mafy ny hahita Azy izy , ka nankeo
amin’ny lalany . Raha namonjy azy tamin’ny fahoriany Izy dia azony atao ny
hanome azy lesona amin’ny alalan’ny ohatra velona izay efa nokasainy hampianarina
azy rahateo . Noho izany antony izany no nitondrany ny mpianany teo amin’io
faritra io . Tiany ho hitan’izy ireo ny tsy fahalalana misy eo amin’ny
tanàn-dehibe sy vohitra akaiky ny tanin’Israely . Ny vahoaka izay nomena ny
fotoana mety ahazoana ny fahamarinana , dia tsy nanana fahalalana ny amin’ny
fahorian’ireo manodidina azy” ...Tsy namaly avy hatrany ny fangatahan’ilay
vehivavy Messiah . Noraisiny ho tahaka ny nataon’ny Jiosy taminy ity
solontenan’ny firazanan’olona nozimbazimbaina ity . Nataony izany mba ho
tafalatsaka tao am-pon’ny mpianatra ny fomba mangatsiaka sady tsy antra izay
nandraisan’ny Jiosy ny toy izany , araka izay nasehon’ny taratra tamin’ny fomba
nandraisany an-dravehivavy sy ny fomba feno fangorahana tiany hifandraisan’izy
ireo amin’ny fahoriana toy izao , araka izay nasehony mazava tamin’ny famaliany
ny fangatahany nanaraka an’izany . Ilay Fitiavana Mandresy p 426
4.- Inona no
notenenin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy aloha ? Tamin’ny tranganjavatra inona
ihany koa no nanaovan’i Jesosy teny mitovy amin’io ? Matio 15 : 24 ; 10 : 5 – 6
“Nefa na dia tsy namaly aza Jesosy
dia tsy nanary ny finoany ravehivavy . Raha nanohy ny diany Izy , toy ny tsy
nandre azy , dia mbola narahiny ihany sady notohizany ny fitalahoany . Sorena
tamin’ny fanelingelenana nataony ny mpianatra ka nangataka an’i Jesosy
handroaka azy . Hitany fa tsy niraika taminy ny Tompo , koa noheveriny fa
nahafinaritra Azy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ny Jiosy momba ny Kananita .
Mpamonjy mangoraka anefa no nanaovan’ilay vehivavy ny fiangaviany , ary ho
setrin’ny fangatahan’ny mpîanatra , dia namaly Jesosy hoe : Tsy nirahina Aho
afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely . Na dia toa mifanaraka
amin’ny hevitra nibahana tao an-tsain’ny Jiosy aza izany valinteny izany , dia
nirakitra fanomezan-tsiny ho an’ny mpianatra izay azon’izy ireo taty aoriana ,
satria nampahatsiaro azy izay efa nolazain’i Jesosy imbetsaka , fa tonga teto
amin’izao tontolo izao Izy hamonjy izay rehetra mety manaiky Azy” . Ilay Fitiavana Mandresy pp 426 -
427
NAVERINA
ILAY FANGATAHANA SY FITALAHOANA
5.- Moa ve ilay Renim-pianankaviana
niala rehefa nahare ilay fandavana ? Fitiavam-bavaka mahitsy manao ahoana no
nananan’ity vehivavy ity ka nahatonga azy hamerimberina ny fangatahany ? Matio
15 : 25
“Noantitraterin-dravehivavy ny momba azy ary nitombo ny fiangaviany; Nandohalika
teo an-tongotr’i Jesosy izy, ka niantsoantso hoe : Tompoko o , vonjeo aho”.
Ilay Fitiavana
Mandresy p 427
“Rehefa toa kivy ianao , dia aza miankina
amin’ny olombelona mba hahazo fanampiana . Ilay Mpampionona dia hiaraka aminao
. Manantona mivantana amin’I Tsitoha amin’ny alalan’ny vavaka . Miondreha eo
anantrehany ary mitenena hoe : Tompoko o ! ampio aho , satria ianao dia ao
anatin’ny zava-tsarotra , ary tsy fantatrao hoe inona no ho hataoko . Ianao dia
nampanantena fa hanome ho an’ny zanakao ny zavatra izay angatahiny amin’ny
anaranao . Izahay dia mangataka ny hery ahafahanay manohitra ireo fakam-panahy
izay alefan’ilay fahavalo” . The Gospel
Herald 1 Mars 1901
NITSAPA
NY FINOAN’ILAY VEHIVAVY
6.- Raha ampifandraisina amin’ny
hafatra sasany , ahoana ilay fanambarana faharoa nataon’i Jesosy
tamin-dravehivavy ? Matio 15 : 26 ; Matio 7 : 25 ; Lioka 18 : 1 ; Romana 12 :
12
...“Toa mbola nanda ny fiangaviany
ihany Jesosy , araka ny fihevitra tsy nisy indrafo nibahana tao an-tsain’ny
Jiosy , ka namaly Izy hoe : Tsy mety
raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely . Fanantitranterana
fitahiana ho nentina ho an’ny vahoaka manatombo fitia amin’I Tsitoha , ka
manome izany ho an’ny olon-kafa sy ny vahiny tsy marisi-po kokoa izany
valinteny izany” . Ilay Fitiavana
Mandresy p 427
FINOANA
LEHIBE
7.- Inona no
tao ambadik’ilay famela-belarankevitra feno fanajana sy faharetana feno
fahalalam-pomba nataon’ilay vehivavy ? Matio 15 : 27
...“Hitandravehivavy
anefa fa tonga ny fotoana mety ho azy . Tao ambadiky ny toa fandavana nataon’i
Jesosy , dia nahitany fangorahana tsy hain’i Jesosy nafenina . Marina izany
Tompoko , hoy ny navaliny , fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay
sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatray ny tompony ihany . Rehefa
misakafo eo ambonin’ny latabatry ny Rainy ny zanaka ao amin’ny ankohonana , na
dia ny amboakely aza tsy avela tsy hahazo ny anjarany . Anjarany ny
sombintsombiny milakatsaka avy amin’ny latabatra be sakafo . Toy izany koa ,
betsaka ny fitahiana nomena ny Israely , koa tsy hisy koa ve fitahiana ho azy ?
Nihevitra ny tenany ho toy ny amboakely izy , koa moa ve tsy fitakian’ny
amboakely no nataony , mangataka sombintsombiny amin’ny halemem-panahy” ?...
“Teto Messiah dia nihaona tamin’ny olona iray avy tamin’ny taranaka mahantra sy
nozimbazimbaina , izay tsy nahazo tombom-pitia tamin’ny fahazavan’ny tenin’I
Tsitoha , nefa nilefitra avy hatrany tamin’ny herin’i Messiah miasa mangina izy
, ka nanana finoana amin’izao ny amin’ny fahaizany manolotra ny tombon-tsoa
angatahiny ? Nangataka ny sombintsombiny izay milatsaka avy amin’ny latabatry
ny Tompo izy . Raha mba mety manana ny tombon-tsoan’ny amboakely izy , dia
vonona ho raisina ho toy ny amboakely . Tsy nisy hevitra nibahana tao an-tsainy
momba ny fireneny na ny fivavahany na ny zavatra ireharehany hiasa mangina
amin’ny fihetsiny . koa nekeny avy hatrany fa
Jesosy no Mpanavotra , ary afaka manao izay rehetra angatahiny Aminy . Ilay
Fitiavana Mandresy pp 427 - 428
8.- Inona no
hitan’i Jesosy tao anatin’ilay fangatahana nataon’io vehivavy io ? Fomba ahoana
no namaliana soa tamin’ny alalan’ny fahasoavana an’ilay finoana matanjaka tsy
niovaova nananan’io vehivavy io ? Matio 7 : 29 – 30
“Afa-po ny Mpamonjy . Nozahany toetra io
finoana io . Tamin’ny fifandraisany taminy , dia nasehony fa izay noheveriny ho
lavin’ny fiaraha-monina tsy ho ao Israely dia tsy vahiny intsony , fa zanaka ao
amin’ny ankohonan’Andriamanita . Amin’ny maha zanaka azy , dia tombon-tsoany ny
mandray anjara amin’ny fanomezan’ny Ray . Manatanteraka ny fangatahany izao
Jesosy ary mamita ny lesona ho an’ny mpianatra
. Nitodika taminy tamin’ny fijery feno fangorahana sy fitiavana Izy , ka
hoy Izy hoe : Ravehivavy , lehibe ny finoanao , tongava aminao araka izay
irinao . Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay . Tsy nampahory azy
intsony ny demonia . Lasa ravehivavy , nankasitraka ny Mpamonjy azy , ary sambatra satria
notanterahiny ny fivavahany” . Ilay Fitiavana Mandresy p 428
Mba ho saintsainina lalina
“Moa ve ianao mahatsapa fa
voatositosika sy tsy noraharahiana raha ohatra ka ianao no teo amin’ny
toeran’io vehivavy io ? Manao ahoana no ho fihetsikao eo amin’ny tranganjavatra
mitovy amin’io ? Moa ve ny Topo mizaha toetra ny finoanao ihany koa ? Moa ianao
mba manantena ny hahazo dera noho ny amin’ny finoanao , tahaka ny dera natao
tamin’io vehivavy jentilisa io” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
“Maro ny Kristiana miezaka
hitandrina ny lalàna , kanefa tsy mahita fiadanana na fifaliana firy . Noho ny
tsy fampiasany ny finoany no mahatonga izany tsy fahampian’ny fiainany ara-panahy
izany .Toy ny mandeha eo amin’ny tany mangetana izy , sy mamakivaky efitra
karakaina . Afa-po amin’ny kely izy , kanefa tokony hangataka betsaka , satria
tsy misy fetrany ny teny fikasan’I Tsitoha . Tsy mba vavolombelon’ny tena
fahamasinana azo avy amin’ny fankatoavana ny marina ny Kristiana toy izany .
Irian’ny Tompo raha samy hanana fahasambarana sy fiadanana eo amin’ny
fankatoavana ny zanany rehetra . Amin’ny fampiasany ny finoany no handraisan’ny
kristiana fitahiana . Avy amin’ny finoana no anavaozana ny fahabangana rehetra
eo amin’ny toetra , sy hanadiovana ny fahalotoana rehetra , hanitsiana ny
fahadisoana rehetra , ary hampitomboana ny fahatanterahana rehetra” . Vavolombelona Mahery p 498 -499
« Ny kristiana
mahatoky izay mifamatotra mafy amin’ny finoana , dia afaka manao zava-tsoa maro
. Izy dia afaka mandefa fitahiana lehibe
indrindra ho an’ireo manodidina azy . Satria ny lalàn’I Tsitoha dia mitoetra ao
am-pony . Kanefa isika dia tsy afaka ny hikambana an-tsitram-po amin’ireo izay
manitsakitsaka ny didin’I Tsitoha , no sady mitahiry ny finoantsika ho madio
tsy misy pentina . Ho feno ny fomba fisainan’ireo olona ireo isika , raha toa ka tsy misaraka aminy , dia hifamatotra aminy amin’ny lenta avo
tokoa , hany ka handray ny anjara mitovy amin’ny azy koa” . Le Foyer Chretién pp 445 - 446