jeudi 4 décembre 2014

AFAKA NANDOSITRA NY FAHAFATESANA TAMIN’NY ALALAN’NY FINOANA



           “Tokony hameno ny faritany manontolo izay efa natokan’I Tsitoha ho azy ny Zanak’Israely . Tsy maintsy nalaina ny fananan’ireo firenena izay nanary ny fivavahana tamin’I Tsitoha marina . Nefa kosa fikasan’I Tsitoha ny hitaona ny olona ho eo Aminy amin’ny alalan’ny fanehoana ny toetrany teo amin’ny Israely . Nomena an’izao tontolo izao ny Filazantsara . Tokony ho nasandratra teo anantrehan’ny firenena tamin’ny alalan’ny fanompoam-pisoronana Messiah , ka hanana fiainana izay rehetra mijery Azy . Ny mpanompo sampy rehetra toa an-dRahaba Kananeana , na i Rota Moabita , dia nandao ny fanompoan-tsampy mba hivavaka amin’Ilay I Tsitoha marina , ka hiray amin’ilay vahoaka voafidy . Arakaraka ny nitomboan’ny Israelita no tokony ho nanalalahany ny faritry ny taniny , mandra-pahatongan’ny fanjakany hanerana izao tontolo izao” .   Mpaminany sy Mpanjaka p 14
FAMPIANTRANOAM-BAHINY MISY FANOLORAN-TENA LEHIBE
1.- Iza ilay nampiantrano an’ireo Israelita izay nalefa mba hisafo ny tany Kanana ? Inona no zavatra mampahita loza nataon’io olona io tamin’ny nanampiany an’ireo lehilany anankiroa izay noheverina  ho fahavalon’ny vahoaka misy azy ? Josoa 2 : 1
 
             “Eo anoloan’ny toerana nitobian’ny Israely , no misy ny tanàna lehibean’i Jeriko , izay sahabo ho kilaometatra vitsivitsy avy ety andafin’ny ony . Tena vita fefy mafy tsy azo ihoarana ity tanan-dehibe voahodidina manda avo be ity , noho izy fanalahidin’ny tany rehetra . Noho ny fahamalinana no nandefasan’i Josoa zatovo roalahy handeha hisafo ny tanàna mba hahafatarany ny toetry ny mponina ao aminy sy ny haren’ny taniny ary ny hamafin’ny mandany . Mananosarotra tokoa ny fahazoana ny tany raha ny fahamaodimaody sy ny fiahiahian’ny mponina ao aminy izay miambina andro aman’alina no jerena . Nisy vehivavy iray atao hoe Rahaba , izay nanao vy very ny ainy tamin’ny fanafenana ny mpisafo tany , nahazo fampanantenana tamin’izy ireo fa ho velomina amin’ny andro fanafihana ny tanàna , noho ny hatsaram-panahy  nasehony taminy” . Patriaraka sy Mpaminany p 505
2.- Nampitaina haingana tamin’iza ilay vaovao fa misy lehilahy Israelita tonga ao Jeriko ? Inona no baiko nalefan’ny mpanjaka tamin’i Rahaba janga ? Josoa 2 : 2 – 3


3.- Inona no valinteny nomen’i Rahaba an’ireo olona nalefan’ny mpanjaka tao aminy ?  Inona ilay ezaka nataon’i Rahaba mba hiarovana an’ireo mpisafo tany anankiroa ireo ? Josoa 2 : 4 – 6


              “Tamin’ny alalan’ny fampiantranoana olona izay noheverina ho fahavalo , i Rahaba dia nametraka ny tenany teo amin’ny toerana mampahita loza , satria atahorana ny hoe , izy dia noraisina ho mpiara-miasa amin’ireo mpisafo tany  ireo . Nefa , satria fantany fa I Tsitoha dia momba an’ireo mpisafo tany ireo , izy dia tsy hoe nampiantrano azy ireo fotsiny ihany ,  fa koa nanafina azy ireo mba hamonjeny ny ainy . Nefa izany akory tsy midika fa nanana fahazavana feno sy efa niova fo izy . Ny lainga izay nolazainy rehefa noporetina izy dia fahotana izay nataony talohan’ny niovany fo . Izany no manaporofo fa mila ny fahamarinana izy . Ary izany dia tsy azo raisina mihintsy ho tranga azo hanalana tsiny ny fanaovana lainga . Ny vahoakan’I Tsitoha dia hahatadidy ny hoe : ‘Ny sisa amin’ny Israely dia tsy hanao meloka na handainga . Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany , fa hihinana sy handry izy , ka tsy hisy hanaitaitra azy’ Zefania 3 : 13 . Ny fitiavana ny marina sy ny fahitsiana dia toetran’Andriamlanitra izay mahatonga ny olona ho manana an’ireo toetra ireo ho toy ny tsy azo resena” .  Avec Dieu Chaque Jour p  348
NY FINOAN’I RAHABA
4.- Na dia jentilisa aza i Rahaba , tahaka ny ahoana ilay finoana mahery nananany ? Inona no zavatra fantany sy fantatr’ilay vahoaka nisy azy koa ? Josoa 2 : 8 – 11
 
           “Toy izany koa , ny fanafahana ny Israely nivoaka ny tany Egypta dia nanampy hanitarana any amin’ny faran’izay lavitra ny fahalalana ny herin’I Tsitoha , sy hampihorohoro ny firenena tia ady sy mahatahotra tao Jeriko . Hoy Rahaba , izay nipetaka tao amin’io tanàna io : ‘Koa nony efa renay izany , dia ketraka ny fonay ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo , fa Jehovah I Tsitohareo , Izy no I Tsitoha any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany’ . Josoa 2 : 11 Taonjato maro taorian’ny fanafahana , dia nisy mpisorona Filistina nampahatsiahy tamin’ny mpiray firenena taminy indray ireo loza tany Egypta , ary nampitandrina azy mba tsy hiady amin’ny  Andriamanitry ny Hebreo” . Patriaraka sy Mpaminany p 378
          “Tsapan’ny miaramilan’ny Israely fa ny Andriamanitry ny Hebreo tamin’ny nandehanany hakany amin’ny tany Kanana no efa nialoha lalana azy , ary ny jentilisa sasany koa dia nahafantatra fa Izy irery ihany no I Tsitoha marina . Toy izao no fanambarana nataon’ny vehivavy jentilisa anankiray tao an-tanànan’i Jeriko feno faharatsiam-panahy : ‘Fa Jahovah I Tsitohareo , Izy no I Tsitoha any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany’ Josoa 2 : 11 Nahazoany ny famonjena ny tenany ny fahalalàna voarainy momba an’i Jehovah” ...  Mpaminany sy Mpanjaka p 307
NY FIFANARAHANA NIFANAOVAN’I RAHABA SY IREO MPISAFO TANY
5.- Inona no fangatahana tamin-kitsimpo izay nataon’i Rahaba ? Inona no fampanantenana nomen’ireo mpisafo tany azy noho izy niaro azy ireo ?  Josoa 2 : 12 – 14
 
         “Nisy vehivavy iray atao hoe Rahaba , izay nanao vy very ny ainy tamin’ny fanafenana ny mpisafo tany , nahazo fampanantenana tamin’izy ireo fa ho velomina amin’ny andro fanafihana ny tanana , noho ny hatsaram-panahy nasehony taminy” . Patriarka sy Mpaminany p 505

6.- Inona ihany koa ilay fifanarahana hafa nifanaovan’ireo mpisafo tany ireo sy Rahaba talohan’ny niaingan’izy ireo ? Josoa 2 : 15 – 21
 
                “I Tsitoha dia nilaza fa ny tanànan’i Jeriko dia ho voaozona , ary ny olona rehetra ao dia tsy maintsy ho faty afa-tsy Rahaba sy ny fianankaviany ihany . Ireo fianankavian’i Rahaba ireo dia tsy maintsy vonjena noho ilay fanohanana sy fanasoavana nataon’i Rahaba  tamin’ireo mpitondra hafatra avy amin’I Tsitoha” . Review and Herald 16 Septambra 1873
ILAY FAMONJENA AZO ANTOKA
7.- Araka io fifanarahana io , inona no tonga tamin’i Rahaba sy ny fianankaviany rehefa nirodana ireo mandan’i Jeriko , ary azon’ny Israelita ilay tanàna ? Josoa 6 : 17 , 22 – 23 , 25
  
              “Jeriko dia tanàna lehibe anankiray izay nanolo-tena fatratra tokoa tamin’ny fanompoan-tsampy izay tena hafahafa indrindra . Ireo mponina tao dia tena mpanankarena tokoa . Ny harena rehetra izay nomen’I Tsitoha azy ireo , dia noraisiny ho toy ny hoe fanomezana avy amin’ilay i Tsitoha izay notompoin’izy ireo . Ny volamena sy ny volafotsy dia tena be dia be tokoa . Tahaka an’ireo olona talohan’ny safo-drano , ireo mponina tao Jeriko dia tena feno faharatsiana sy mpanao teny faniratsirana an’I Tsitoha . Izy ireo dia nanevateva an’I Tsitoha sy nihaika an’Ilay Andriamanitry ny lanitra tamin’ny alalan’ireo asa ratsy nataony . Nihatra tamin’i Jeriko ny fitsaran’I Tsitoha . Jeriko dia Tanana tena mafy rindrina tokoa , kanefa Ilay kapitenin’ny andian-tafiky ny Tompo dia nitsangana nitarika an’ireo tafiky ny lanitra , ka nitondra azy ireo teo amin’ny famelezana an’io tanan-dehibe io . Ireo anjelin’I Tsitoha no nandrodana an’ireo manda matevina ireo ka nanjera azy tamin’ny tany . Testimonies for the Church vol 3 p 264
8.- Araka ny Testamenta vaovao , inona no antony nahatonga an’i Rahaba ho voatery tsy maintsy niaro an’ireo Israelita anankiroa   ireo ? Noho ny fahasoavan’I Tsitoha , inona no toerana lehibe nananan’i Rahaba teo amin’ny fitohitohizan’ireo razam-be izay nihavian’ny Mesia ? Hebreo 11 : 31 ; Jakoba 2 : 25 ; Matio 1 : 1 – 5

         “Nahazoany ny famonjena ny tenany ny fahalalàna voarainy momba an’i Jehovah . ‘Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino , satria nandray ny mpisafo tany tamin’ny fihavanana izy’. Hebreo 11 : 31 Ary tsy asa naningana tamin’ny famindrampon’I Tsitoha ananan’ny Mpamonjy akory ny fiovam-pony” ...  Mpaminany sy Mpanjaka p 307
Mba ho saintsainina lalina
              “Raha ohatra ianao ka tonga teo amin’ny toe-draharaha nisy an’i Rahaba io , moa ve ianao nitolo-batana mba hiaro olona iray izay vao voalohany no nahitanao azy ? Raha heverina ny fiainana feno fanompoan-tsampy izay niainan’i Rahaba tamin’ny lasany , fomba ahoana no ahafahana manazava an’ilay finoana lehibe izay nahatonga ny famonjena azy” ?  
Ho dinihana lalindalina kokoa
Ezekiela 18 : 20 – 23 ; 33 : 11 – 16 , 19
            “Ny mpanompo sampy rehetra toa an-dRahaba Kananeana , na i Rota Moabita , dia nandao ny fanompoan-tsampiny mba hivavaka amin’ilay I Tsitoha marina , ka hiray amin’ilay vahoaka voafidy . Arakaraka ny nitomboan’ny Israelita , no tokony hanalalahany ny faritry ny taniny , ambaram-paha tongan’ny fanjakany hanenika an’izao tontolo izao”. Mpaminany sy Mpanjaka p 14

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire