jeudi 4 décembre 2014

VOAHELOKA HO FATY KANJO VOAVONJY



              “Io andraikitra io dia mipetraka amin’ny Reny amin’ny fomba manokana . Ny Reny no tompon’ny ra izay mamelona ny zaza ary mamolavola ny vatany . Ny Reny dia mamindra ihany koa an’ireo fironana ara-tsaina sy ara-panahy izay hanana fahefana eo amin’ny fivoaran’ny sain’ilay zaza sy ny toetrany . I Jokebeda , ilay vehivavy Hebreo izay nanana finoana tsy voaozongozona ary tsy natahotra ny baikon’ny mpanjaka no niteraka an’i Mosesy , ilay mpanafaka ny Israely”. Le Ministère de la Querision pp 313 , 314
OLONA AHIAHIANA HO MPANAO MELOKA - ARY IREO FE-PETRA NORAISINA MBA HAMERANA NY FITARAN’NY TOE-JAVATRA
1.- Inona no ahiahy tonga tao antsain’i Farao Egyptiana vaovao rehefa nahita ny fomba nahatonga an’ireo Israelita nitombo isa izy  ? Eksodosy 1 : 8 – 10

           …“Ny fikarakarana feno fitiavana nataon’i Josefa sy ny fankasitrahana azo avy tamin’i Farao mpanjaka tamin’izany andro izany no nahatonga ireo rehetra ireo . Na ny fomba fanaony , na ny  fivavahana narahiny , dia samy tsy nisy nifandraisany velively tamin’ny fomba fanaon’ny Egyptiana sy ny fivavahana narahiny , nefa na izany aza dia nitombo hatrany ny hamaroany hany ka nanomboka sahiran-tsaina ny mpanjaka sy ny olona . Tsy nisy nankasitraka ny hamongorana ny zanak’Israely , satria betsaka tamin’izy ireo no mpanao asan-tànana mahay izay nampiasain’ny mpanjaka hanangana tempoly tsara tarehy sy lapa soa . Nianina tamin’ny fampahoriana azy fotsiny no nataony”  . Patriarika sy Mpaminany p 240
2.- Inona no didy mampahatahotra izay navoakan’i Farao , rehefa tsy afaka nanatanteraka an’ilay fikasana hampahalemy ny vahoakan’I Tsitoha ireo fe-petra hafa noraisina ? Eksodosy 1 : 15 – 16
 
          “Nampitovy azy ireny tamin’ny Egyptiana izay nivaro-tena sy fananana tamin’ny fanjakana ny Farao mpandimby toerana . Taty aoriana kely , dia nanendry mpifehy izy mba hampahory azy amin’ny fanompoana mafy . Dia nampanompoana mafy ny zanak’Israely , ka nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy , dia tamin’ny feta sy ny biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha . Nefa araka ny nampahoriany azy no vao maika nihamaroany sy nitomboany kosa”  . Patriarika sy Mpaminany 240
3.- Tamin’ny farany , inona no baiko feno habibiana izay navoaka mba hampihena ny isan’ny vahoaka Israely ? Eksodosy 1 : 22
 
        “Rehefa hitan’ny mpanjaka fa notoherina ny didy , dia tezitra izy ka vao maika koa namafisiny sy naeliny izany . Nasainy nikatsaka izay hamonoana ireny zaza tsy manan-tsiny ireny ny firenena manontolo : Dia nandidy ny vahoaka rehetra Farao ka nanao hoe : Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario any Neily” , fa ny zazavavy rehetra kosa velomy” . Patriaraka sy Mpaminany pp 240 - 241
TERAKA TEO AMIN’NY VANIM-POTOANA SAROTRA
4.- Iza no teraka teo amin’io fotoana mampatahotra io ? Inona no voalaza mikasika io zaza teraka io ? Eksodosy 2 : 1 – 2a
  
           “Tamin’ny fotoana namoahana izany didy izany , dia nisy mpivady mpivavaka tao Israely , avy amin’ny mpianankavin’i Levy , Amrama sy Jokebeda no anarany , niteraka zazalahy . Noho ny maha zaza tsara ny zanany sy ny fahalalan’ireo Ray aman-dReniny fa efa manakaiky ny fanavotana  dia niezaka izy mba tsy hahafaty ny zanany” … Patriarika sy Mpaminany p 241
FINOANA SY ASA
5.- Inona ilay toe-draharaha sarotra sy mampitebiteby fatratra izay nisy an’ireo Ray aman-dReny ? Na dia teo aza ny zavatra    atahorana , inona no nanamafy ny fahavononan’izy ireo tsy nisy fisalasalana ka nanosika azy ireo hanafina an’ilay zanany ? Eksodosy 2 : 2b ; Hebreo 11 : 23 
 
         “Teraka teo amin’ny fotoana izay nampiharana an’io didy feno habibiana io i Mosesy . Ary nanafina azy nanditra ny fotoana lavalava ihany araka izay azony natao ny Reniny” . L’istoire de la Rédemption p 103
         “Finoana no tsy  natahorany ny didin’ny mpanjaka” . Patriarika sy Mpaminany p 241
NOZAHAN-TOETRA KANEFA TSY NILAOZANA MIHITSY
6.- Tamin-dranomaso sy tamin’alahelo lalina tokoa , inona no fanampahan-kevitra noraisin’ireo Ray aman-dReniny ireo rehefa fantany fa tsy afaka ny hanafina an’ilay zazakely intsony izy ireo ? Eksodosy 2 : 3
 
            “Afaka nanafina ny zanany nandritra ny telo volana ny Reniny . Ary rehefa hitany fa tsy azony notanana teo ankaikiny intsony , dia nanamboatra fiara zozoro izy , ka nopetahany asfalta sy dity mba tsy ho tantera-drano , dia napetrany tao ny zaza , ary nateriny tao anaty zozoro teo amoron’i Neily . Tsy sahy niambina azy izy fandrao dia mampidi-doza ny ain’izy mianaka izany , ka ny anabavin’ny zaza no nijanona teny lavi-davitra eny  mba hiambina azy” . Patriaraka sy Mpaminany p 241
7.- Rehefa toa tsy nisy fanantenana intsony ho an’ilay zazakely , ahoana no fiasan’I Tsitoha tamin’ny fomba mahagaga sy mahatalanjona mba hiarovana ny ain’ilay zazakely ? Eksodosy 2 : 4 – 9
 
          “Nisy koa anefa mpiambina hafa niambina teo . Ny vavaka mafana nataon’ny Reniny no niarovan’I Tsitoha ity raki-tsarobidy ity . Ny anjely nitoby nanodidina io fandriana kely io no nitarika ny zanakavavin’i Farao handeha handro tao Neily . Nanaitra azy mafy ny zavatra hitany teo ambony rano . Azony an-tsaina avy hatrany ny tantaran’ity zaza mahafatifaty ity . Vao mainka koa nampangoraka azy fatratra ny nahita ny zaza nitomany . Nalahelo ny fony nieritreritra ilay Reny tsy fantatra nampiasa izao tetika izao mba hamonjena ny sombinainy . Tapa-kevitra izy hamonjy ny zaza sy  hanangana azy mihitsy” . Patriarka sy Mpaminany p 241
          “Ren’i Tsitoha ny vavaka nataon’ity vehivavy mpivavaka ity ka novalian-tsoa ny finoany . Hatramin’izay dia nieren-doza izy , ary feno fankasitrahana ny fony ka lasa izy nanolo-tena hanao ny asa tena soa napetraka taminy . Tsy nataony antsirambina ny nampianatra sy nitarika azy tamin’ny fitiavam-bavaka noho ny fahatsapany fa narovana mba hanao asa lehibe ny zanany . Nanenjika azy ny eritreritra hoe vetivety foana dia halaina eo am-pelatanany ny zaza ka hafindra any amin’ny mpanjaka izay reniny nanangana azy , nefa toerana feno loza no halehany ka noho izany , nila fitandremana sy fahendrena mihoatra noho ny tamin’ireo zanany hafa ny asa atao aminy . Nangataka mafy tamin’i Jehovah izy mba hiaro azy tamin’ny faharatsiana nanjaka tao an-dapa , tamin’ny alalan’ny ezaka nataony mba hanikotra ao an-tsainy ny fitiavana ny marina sy ny hitsiny miaraka amin’ny  fahatahorana an’I Tsitoha” Patriarka sy Mpaminany p 242
NITARIKA HO EO AMIN’NY FAHAFAHANA
8.- Inona no iraka hiantsoan’I Tsitoha an’ilay olona anankiray izay nafahana tamin’ny fahafatesana teo amin’ny  fahazazany ? Eksodosy 3 : 1 – 2 , 4 , 7 , 10
 
             “Tonga ny fotoana izay nikasan’I Tsitoha ny hahatonga an’i Mosesy hanova an’ilay tehin’ny mpiandry ondry ho tehin’I Tsitoha , izay hahatonga azy afaka hanao famantarana sy fahagagana mahery mba hanafahana ny vahoakany amin’ny fanandevozana , sy hiarovana an’io vahoaka io rehefa henjehin’ireo fahavalony” . L’histoire de la Rédemptionp 108  
Mba ho saintsainina lalina
 “Moa ve ireo Ray aman-dRenin’i Mosesy naminavina fa ny zanak’izy ireo dia ho voavonjy amin’ny alalan’ny fianankavian’ilay olona izay namoaka ny didy mampamono an’ireo zazalahy kely vao teraka ? Moa ve mba efa nisy zavatra fantatr’ireo Ray aman-dRenin’i Mosesy ireo ny fomba hampiasan’I Tsitoha an’i  Mosesy mba hiarovany sy hikarakarany an’io vahoakany io” ?
         “Rehefa nandray ilay fanampahan-kevitra mikasika ny fiainany i Mosesy , tanan’iza no hitany teo amin’ny fiainany izay niaro ny ainy , ka nahatonga azy tsy maty na nilentika tao anatin’ilay rano” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
“Jokebeda dia vehivavy andevo , ny toerana nisy azy dia tsotra , ny entana nitambaby taminy dia tena mavesatra tokoa . Kanefa hatrizay hatrizay , izao tontolo izao dia tsy mbola nahazo fitahiana lehibe avy tamin’ny alalan’ny vehivavy mihoatra noho io nataon’i Jokebeda io , raha ohatra ka tsy resahina ny nataon’i Maria avy any Nazareta . Rehefa fantatr’i Yokebeda fa tsy ho ela intsony ilay zanany dia ho esorina hiala aminy  , ka ho tonga eo am-pelantanan’ireo olona izay tsy mahalala an’I Tsitoha io zazakely io , dia nitady fatratra an’I Tsitoha tamin-kafanana tena mahery vaika indrindra tokoa izy , mba hampifamatotra ny fanahiny amin’I Tsitoha . Izy dia niezaka tokoa mba hampiorim-paka ao am-pony ao ny fitiavana an’I Tsitoha , sy hampiorina tsara ny fananany toetra mahatoky eo amin’ny fanompoany an’I Tsitoha . Notanterahiny tao anatin’ny toetra mahatoky izany rehetra izany . Vokatr’izany taty aoriana , dia tsy nisy mihintsy hery mahataona hafa , na dia iray aza afaka nahasarika an’i Mosesy hitsipaka an’ireo fitsipiky ny fahamarinana izay nampianarin’ny Reniny azy . Izany dia nataony tamin’ny heriny rehetra sy tamin’ny alalan’ny fiainany manontolo” . Education p 72   
“Hahazo ny hery rehetra sy ny fahombiazana ilainy ny olona izay manaiky ny andraikitra izay natolotr’I Tsitoha azy sy nametraka ny fony rehetra ho amin’izany . Hahatratra ny tena fahalehibeazana izay miezaka hanao ny adidy napetraka taminy amim-pahatokiana , na tsotra toy inona ny toerana tanany ary na voafetra toy inona ny talenta ananany” . Patriarika sy Mpaminany p 252

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire