vendredi 5 décembre 2014

AZO TAMIN’NY ALALAN’NY FINOANA SY NATOKANA HO AN’I TSITOHA



             ...“Tokony ho raisina ho andraikitra mendri-kaja sy be voninahita ireo adidy madinidinika ataon’ny vehivavy izay matetika heverina ho asa an-terivozona mahasorena ankehitriny . Manan-kery voatahy hanova izao tontolo izao ny renim-pianakaviana , ka ny ankon’izany dia hampifaly ny fony indray andro any . Tsy inona izany asa izany fa ny hamolavola ny toetran-janany hitovy amin’Ilay modely any an-danitra , sy hitantana ny diany hamakivaky ny anjara tsara sy ratsy , eo amin’ny lalana mizotra mankany amin’ny voninahitry ny lanitra . Raha tahiany ka manaraka ny fampianaran’i Jesosy koa ny tenany ... Hahita ireo zanany hanaraka am-bokony ny fipaohan’ny faharatsiana sy hivily hiala amin’ny tsara ny Reny izay manao rainazy amin’ny fampianarana sy ny fitarihana ary ny fisakanana azy ireny . Noho izany , dia tokony hamerimberina matetika ny vavaka nataon’i Manoa izy : ‘Ahoana ange no hitondranay ny zaza ? Ary inona no ho  asany’ ?  Omena azy ny fahendrena izay ilainy , raha tahiany izy manaraka ny toro-marika voarakitra ao anatin’ny tenin’I Tsitoha” . Patriarika sy Mpaminany p 603
ILAY FANAMBADIANA IZAY TSY NANAN-JANAKA
1.- Nahoana i Hana no ory indrindra , na dia nanambady aza  , ary ny vadiny dia tena tia azy tokoa ? I Samoela 1 : 2 , 4 – 6

           “Lehilahy tia vavaka sady marina i Elkana , levita mpanankarena avy amin’ny ankohonan’ny Efraima . Netsehin’ny finoana tony sy ny fitiavam-bavaka mafana koa Hana vadiny , vehivavy malemy fanahy sady tsotra . Tsy mba nomena azy ny tombon-tsoa hampitoetra mandrakizay ny anarany , izay nirin’ny Hebreo rehetra fatratra . Tsy mba nisy feon-jaza nampifalifaly mantsy tao  an-tokantranony na dia niadam-pinaritra aza izy . Nanaraka ny ohatra nataon’ny maro hafa Elkana , noho ny tsy fahapian’ny finoany ka nanapa-kevitra haka vady faharoa , izay tsy nahasambatra azy velively . Vetivety foana dia nisy zanakalahy sy zanakavavy nameno ny tranony , fa foana tao an-tokantranony kosa ny fitsipika naorin’I Tsitoha sy ny fiadanam-po . Saro-piaro sady tia tena i  Penina vadiny  faharoa , ka nampiditra fihetsika feno avona sy bedibedy mahamenatra tao an-tokantrano . Ho an’i Hana , dia tsy nisy intsony ny fahafinaretana teo amin’ny fiainana , nefa dia nozakainy tamim-paharetana mampangorakoraka ny fitsapana nentiny” . Patriaraka sy Mpaminany p 599
ALAHELO SY FANGIRIFIRIANA
2.- Inona no mitranga isan-taona rehefa i Elkana vadin’i Hana sy ny fianankaviany  tonga teo amin’ny tranon’I Tsitoha ? Ho solon’ny hoe , fotoana feno fifaliana sy fankasitrahana , mitondra  inona ho azy ny fahatongavana tao amin’ny tranon’I Tsitoha ?  I Samoela 1 : 3 , 7 – 8

            “Ireny fivoriana masina natokana hanompoana an’I Tsitoha ireny , dia voasemban’ilay vady foizina izay nanamaloka ny fiainany . Nony vita ny fanati-pisaorana , dia nivory ny fianankaviana manontolo , araka ny fanao mahazatra nipetraka nanodidina ny fanasana izay sady manetriketrika no mahafalifaly . Noho io anton-javatra io , dia nomen’i Elkana ny anjara fanatiny  avy Penina sy ny zananilahy ary ny zananivavy tsirairay avy . Noho ny fanajany an’i Hana sy mba hanamporofoana aminy fa tsy miova ny fitiavany azy na dia tsy niteraka aza izy , dia notolorany anjaran-droa izy . Romotry ny fialonana ny vady faharoa , ka nitaky tamin-katezerana ny tombom-pitahiana nomen’ny Lanitra azy . Dia nanaraby an’i Hana izy fa famantarana ny tsy fankasitrahan’I Tsitoha azy ny tsy fananany zanaka . Niverimberina isan-taona ny toe-javatra mitovy amin’izany ka nahatonga an’i Hana tsy hahatanty sy tsy afaka hanafina ny alahelony intsony tamin’ny farany , ary nitomany mafy izy ka niala tsy nanatrika ny fanasana . Sasa-poana nampionona azy ny vadiny . Ary hoy izy taminy : ‘Ry Hana , nahoana ianao no mitomany ? Ary nahoana no tsy mety mihinan-knina ianao ? Ary nahoana ianao no malahelo fo  ? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo va aho” ? I Samoela 1 : 2 , 11   Patriarika sy Mpaminany pp 599 - 600
NY VAVAKY NY FINOANA
3.- Tao anatin’ny finoana feno fahoriana tamin’ny alalan’ny fanokafany ny fony , Inona ilay vavaka nataon’i Hana ?
Inona no voady nataony tamin’I Tsitoha tamin’ny fony manontolo ? I Samoela 1 : 8 – 9
 
            “Tsy nitaraina i Hana na dia indraim-bava aza , fa lasa namboraka tamin’i Jehovah ny faho-riany izay tsy azony nozaraina tamin’olom-belona na iza na iza . Tao amin’ny fivavahana nataony , dia nangataka mafy taminy izy mba hanolorana azy fanomezana saro-bidy dia zanakalahy iray ho tezainy ho Azy . Dia nivoady mafy tamin’I Tsitoha izy , fa raha tahiany mivaly ny fangatahany dia hatokany ho azy ny zaza raha vao teraka” . Patriarka sy Mpaminany p  600

4.- Moa ve i Ely mpisoronabe tamin’io fotoana io nahafantatra fa i Hana dia nanokatra ny fony tamin’I Tsitoha ? Inona ilay fitahiana izay notononiny ho an’i Hana rehefa nahafantatra  izy fa  nanao vavaka mafana tamin’Andriamaintra i Hana ? I Samoela 1 : 12 - 17
 
          ... “Tsy  fahita firy tamin’izany vanin’andro izany mantsy ny fitiavam-bavaka mitovy amin’izany . Fa kosa ny fahasarotan-kanina sy ny fifaliana misy kotaba ary ny fimamoana aza no miseho matetika amin’ny lanonam-pivavahana . Raha nahita an-dravehivavy i Ely mpisorona , dia nihevitra azy ho mamon-divay ka te hanome anatra antonona azy tamin’ny teny mafy hoe : Mandra-pahoviana no ho mamo ianao ? Esory aminao ny divainao . Tohina mafy tamin’izany teny tsy nampoizina izany  i Hana ka namaly tamin-kalemem-panahy hoe : ‘Tsia Tompoko’ , Vehivevy malahelo fanahy aho , fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory , fa mamoaka ny ato am-poko eo anantrehan’i Jehovah aho . Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao ; fa ny haben’ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny .  Nangoraka indrindra ity mpisoronabe , izay lehilahin’I Tsitoha , ka navadiny ho tso-drano avy hatrany ny levilevy nataony . ‘Mandehana soaman-tsara’ ; ary homen’i Rain' ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy” . Patriarka sy Mpaminany pp 600 - 601
I TSITOHA DIA NAMALY NY VAVAKA NATAON’I HANA
5.- Inona no teny fikasana ho an’ireo valim-bavaky ny finoana ? Moa ve io teny fikasana io tanteraka tamin’ilay vavaka mafana nataon’i Hana ? I Samoela 1 : 18 – 20
 
             “Nivaly ny vavak’i Hana . Azony ny zazalahy izay niriany fatratra , ary nomeny ny anarana hoe “Samoela”, dia anarana  midika hoe : Nangatahana tamin’I Tsitoha” … Patriarika sy Mpaminany p 601 
            Io andraikitra io dia mipetraka manokana amin’ny Reny . Koa satria ny Reny no tompon’ny ra izay mamelona ny zaza sy mamolavola ny vatany , dia izy ihany koa no mamindra an’ireo fironana ara-tsaina sy ara-panahy izay mandefa hery eo amin’ny fivoaran’ny sain’io zaza io ary ny toetrany . I Jokebeda , ilay vehivavy Hebreo izay nanana finoana tsy voaozongozona ary tsy natahotra ny baikon’ny mpanjaka no niteraka an’i Mosesy , dia ilay mpanafaka ny Isrely . I Hana , ilay vehivavy tia vavaka , izay nahazo tolo-tsaina avy tamin’I Tsitoha , no niteraka an’i Samoela , dia ilay zaza nampianarin’ny lanitra , ilay mpitsara tsy azo angolena , ilay nanangana ny sekolin’ny mpaminany tao Israely . I Elizabeta , izay havan’i Maria avy any Nazareta sy niray saina taminy , no renin’ilay mpialoha làlana ny Mesia” .    Le Ministeère de la Guérison pp 331 , 314
AZO AVY TAMIN’I TSITOHA SY NATOKANA HO AZY
6.- Rehefa teraka ilay zaza , moa ve hadinon’i Hana sa tadidiny ilay voady nataony ? Raha mbola kely ilay zaza , taiza no nitondran’ireo Ray aman-dReniny azy ? I Samoela 1 : 24 – 26


               “Eo amin’ny asa ataonareo ho an’ny zanakareo , moa ve ianareo maka an’ilay hery avy amin’I Tsitoha tsy toha ? Ankino aminy ireo zanakareo amin’ny alalan’ny vavaka . Aoka ianareo hiasa amin-kitsimpo sy tsy misy fijanonana hanao izay hiarovana ny  zanakareo . I Tsitoha dia hamaly ny vavaka ataonareo ary hisarika azy ireo ho eo Aminy . Rehefa izany , eo amin’ny andro farany , ianareo dia afaka hiseho miaraka amin’izy ireo sady miteny hoe : Indreto izahay sy ny zaza izay nomenao ahy . Rehefa mahazo an’ilay diademan’ny voninahitra i Samoela , dia hahevahevany eo anoloan’ny seza fiandrianana io diadema io mba hanome voninahitra  an’I Tsitoha , ary hiaiky amim-pifaliany izy fa , vokatr’ireo lesona mahatoky nomen’ny Reniny sy noho ireo fahamendrehan’i Messiah , no nahazoany an’io diadema feno voninahitra tsy mety maty io . Ny asa ataon’ireo Ray aman-dReny izay naneho fahendrena , dia tsy homen’izao tontolo izao tombam-bidiny mihintsy na oviana na oviana . Kanefa kosa eo amin’ny andron’ny fitsarana , rehefa sokafana ireo boky ,io fahendrena io dia hiseho araka izay fahitan’I Tsitoha azy ihany , ary eo anantrehan’ny olona sy ny anjely , dia handray ny valisoany io fahendrena io . Dia ho fantatra fa ny ankizy anankiray izay nobeazina tamin’ny fomba mahatoky dia ho tonga fahazavana ho an’izao tontolo izao . Ny famolavolana ny toetran’io zaza io dia novidiana tamin’ny ranomaso maro , tamin’ny tebiteby sy alina maro tsy nahitan-tory . Kanefa io asa io dia hatao amim-pahendrena , ary ireo Ray aman-dReny dia haheno izao teny manaraka izao izay ambaran’Ilay Mpampianatra manao hoe : ‘Tsara izany , ry mpanompo tsara sady mahatoky . Nahatoky tamin’ny kely ianao dia hotendreko ho mpanapaka ny be . Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” .  Matio 25 : 23  Le Foyer Chretétien pp 519 – 520
7.- Hatraiza no fatran’ny maha feno fankasitrahana an’i Hana noho ilay fahasoavana izay noraisiny ? Iza no nanokanan’izy mivady an’ilay zaza izay azo tamin’ny alalan’ny fahasoavana ? Taiza i Samoela no nanomboka nanao ny asa fanompoana raha mbola tena tao anatin’ny fahazazana tokoa izy ? I Samoela 1 : 27 – 28 ; 2 : 11


          “Niha sarobidy taminy isan’andro isan’andro ity zanany izay notiaviny fatratra tamin’ny fon-dReny tokoa ary nambabo azy izato fahatsoran’ny fony sy ny fahitany ny fitombony . Ity zanaka lahitokana nomena tamin’ny fomba mahagaga ho valin’ny finoana , sy harena saro-bidy natokany ho an’I Tsitoha ity anefa , dia foiny manontolo ho an’Ilay nanome azy sy Tompony rahateo . Raha vao ampy taona afaka hisaraka amin-dReniny ny zaza , dia notanterahiny ny voady nataony” Patriarka sy Mpaminany p 601
         “Niverina avy any Silo hody amim-piadanana any Rama i Hana , ka nandao ny zanany , voantso hiofana amin’ny asa fanompoana ao an-tranon’I Tsitoha eo ambany fitarihan’ny mpitsara Israely . Raha vao nitsiry ny sain’i Samoela , dia nampianarin-dReniny hanaja an’I Tsitoha sy hahatsiaro tena fa voatokana ho Azy izy . Mba hitarihana ny sainy ho any amin’ny Mpahary dia tsy nisy zavatra nataon’i Hana an-tsirambina na dia kely aza , ary tsy nihena mihintsy ny fikarakarana nataony hatramin’ny andro nisarahany . Nataony antom-bavaka isan’andro razazalahy kely . Isan-taona dia anaovany akanjo nozairin’ny tanany izay ho entiny ho azy rehefa miara-miakatra amin’ny vadiny mankany Silo izy . Voatenona tonom-bavaka ny kofehy tsirairay avy tamin’io akanjo kely io , izay fahatsiarovana tsy tapaka ny fitiavany . Tsy ny voninahitr’izao tontolo izao mihintsy no nangatahiny ho azy, fa ny hahatonga azy ho madio sy marina ary antra olona ; Iriany ho azony ny tena fahalehibeazana marina dia ny hanaja an’I Tsitoha sy ny hanasoa ny namany” . Patriarka sy Mpaminany pp  602 - 603
8.- Nahoana moa ny fanandramam-piainana toy ireo no voatantara ao anatin’ny Soratra Masina ? Rehefa ianareo mahazo zaza avy amin’I Tsitoha , irianareo ve ny hanokana azy ireo ho an’Adriamanitra tahaka ny nataon’i Hana sy Elkana ?  I Korintiana 10 : 6a , 11 ; Romana 15 : 4 


“Aoka ianareo hanolon-tena ho an’I Tsitoha isa- maraina , dia ianareo sy ny zanakareo” . Témoignages pour l’eglise vol 3 p 107
            “Ireo izay nandray ny fahalalàna ny sitrapon’I Tsitoha , ary mampihatra ny fampianarana ao amin’ny teniny , dia ho mahatoky , na inona na inona toerana izay ilana olona azo itokisana , izay ametrahana azy ireo . Hevero izany ry Ray aman-dReny , ka ireo zanakareo dia apetraho eo amin’ny toerana izay handraisany fanabeazana ao anatin’ireo fitsipiky ny fahamarinana , ka amin’izany ny ezaka tsirairay dia atao mba hanampy azy ireo hihazona ny fanoloran-tena ataony , na efa miova fo izy ireo na tsia , mba hitarihana azy  ho tonga zanak’I Tsitoha , ary amin’izany fomba izany no anomanana azy ireo mba handeha ka hahazo fanahy ho amin’ny fahamarinana” .  Nalaina avy tao anatin’ny lahantsoratra iray ao amin’ilay boky hoe Bible Echo tamin’ny 1 Septambra 1892 . Fundamentals of Christian Education p 205
Mba ho saintsainina lalina
              “Firy amin’ireo olona ao amin’ny vahoakan’I Tsitoha no mba manana faniriana hanolotra ny zanany ho an’I Tsitoha tahaka ny nataon’i Hana ? Moa ve isika manana ny finoana sy mifikitra amin’ny ara-panahy mba hanampy an’ireo zanantsika eo amin’ny asa ataony ho an’I Tsitoha ? Inona no rivo-piainana ao anatin’ny fianankaviana izay hanampy ny fanomanana an’ireo zanantsika ho amin’ny fanompoana an’I Tsitoha” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
Eksodosy 13 : 2 ; Isaia 8 : 18
            “Tsy ela i Samoela dia nahababo ny fon’ilay mpisorona antidahy izay nitokiana hikarakara azy , noho izy nanana toetra malemy fanahy , tia sy antra olona , ary mpanoa sy mahay manaja . Ory tamin’ny faharatsian’ireo zananilahy i Ely , ka nahazo hery tamin’ny fiarahana tamin’ity olona tia manompo sy be fitiavana nialoka tao aminy ity . Tsy nisy Ray fatra-pitia ny zananilahy mihoatra noho ny fitiavan’ity lahy antitra ity an-drazazalahy kely . Nahagaga ny nahita fifankatiavana toy izany nanjaka teo amin’ity zaza tambanivohitra ity sy ny mpitsara ambony indrindra teto amin’ny tany , izay tia nitondra teo anilany ny fahorian-tsaina sy ny nenina vokatry ny ditran’ireo zanany roa lahy” . Patriarka sy Mpaminany p 604
               “Aoka isika hitondra an’ireo tanora sy ireo zaza mba hisafidy ho an’ny tenany ilay akanjo mendrika mpanjaka izay voatenona any an-danitra , vita amin’ny rongony madinika , mamira-piratra sy madio izay hanaovan’ireo olona masina rehetra eto an-tany . Io akanjo io , izay maneho ny toetra tsy misy mpentin’i Messiah , dia omena maimaim-poana ho an’ny olombelona tsirairay . Kanefa ireo rehetra izay manaiky an’io akanjo io no hahazo sy hitafy azy eto ambonin’ny tany . Ireo ankizy dia tsy maintsy mahafantatra fa , amin’ny alalan’ny fanokafan’izy ireo ny sainy mba hidiran’ireo fieritreretana madio sy feno fitiavana , amin’ny alalan’ny asa fanasoavana ny hafa sy mamonjy ny hafa , izy ireo dia mihaingo ao anatin’ilay fitafiana kanto  . Io akanjo io dia ho faman-tarana ho azy ireo , izay maneho ny hatsaran-tarehy sy fitiavana eto ambonin’ny tany , ary haha-tonga azy ireo ho afaka ny ho raisina hiditra ao amin’ilay lapan’ny mpanjaka , any aoriana any . Izy ireo dia hiara-mandeha Amiko , mitafy lamba fotsy satria miendrika izy” . Education p 280

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire