vendredi 5 décembre 2014

MANASITRANA ARETINA IRAY IZAY TSISY FANAFANA



                “Namana , ilay lehilahy Syriana dia nandeha nizaha an’ilay Mpaminanin’I Tsitoha mba hanontany ny amin’ny fomba izay mety hahasitrana azy amin’ny aretina izay tena ratsy indrindra , dia ny habokana izany . Nodidiana izy mba handro im-pito ao amin’ny onin’i Jordana . Nahoana izy no tsy nanaraka tsy nisy fe-petra an’ireo tari-dalana nomen’i Elisa , dia ilay Mpaminanin’I Tsitoha  ? Nahoana izy no nanda ny zavatra izay nibaikoan’ilay mpaminany azy ? Nanantona an’ireo mpanompony izy sady tezitra indrindra .  Tao anatin’ny fahatsapany fa voailikilika izy , no sady diso fanantenana , dia lasa nirehi-drehitra sy  romotra  ka nanda ny hanaraka ilay fomba tsotra izay natoron’ilay mpaminaniny azy … Eny tokoa , ity olona ambony ity dia nihevitra fa fanambaniana ny voninahiny ny fandehanana amin’ny onin’i Jordana izay tena tsotra indrindra , ka hitsoboka ao … Kanefa , ny fanarahana an’ireo toromarika nomen’ilay mpaminany no nampietry ny fiavonavonana sy ny saina feno fanambonian-tena tao anatiny . Ny fankatoavana an-tsitrampo dia hitondra ny vokatra iriana . Dia nandro izy ka voavonjy” . Testimonies for the Church vol 2 pp 309 - 310
MPITARI-TAFIKA KANEFA MARARY
1.- Iza moa i Namana ? Ary noraisina ho olona manao ahoana izy noho ny raharahany sy ny firenena niaviany ? Inona ilay aretina izay nampahory azy ? II Mpanjaka 5 : 1
 
           “Ny habokana no aretina mahatsiravina indrindra tamin’izay rehetra fantatra tany antsinanana . Tsy azo nositranina sady nifindra izany , ary nameno tahotra ny be herim-po indrindra ny vokany mahatsiravina teo amin’izay voany . Teo amin’ny Jiosy dia noheverina ho fitsarana noho ny fahotana izany ary noho izany dia nantsoina hoe ‘kapoka’ na ‘ratsan-tanan’I Tsitoha’ . Lalim-paka , tsy voahongotra sady mahafaty izy ka noheverina ho tandindon’ny fahafatesana . Ny lalàna teo amin’ny fanompoam-pivavahana , dia nilaza ny boka ho maloto . Tahaka ny olona efa maty izy , ka nosakanana tsy hiditra ny trano fitoeran’ny olona . Naloto izay rehetra nokasihiny . Voaloton’ny fofon’ainy ny rivotra . Ny olona izay nahiana ho voan’ny aretina dia tsy maintsy niseho teo amin’ny mpisorona izay nandinika sy nanao fanampahan-kevitra ny momba azy . Raha nolazaina fa boka izy , dia natokana tsy ho eo amin’ny fianankaviana , nosarahiny tamin’ny fiangonan’Israely , ary nohelohina tsy hiaraka afa-tsy amin’ireo izay tra-pahoriana tahaka azy ihany . Tsy azo noleferina ny fitakian’ny lalàna . Tsy afaka tamin’izany na ny mpanjaka na ny mpanapaka . Nisy mpanjaka iray voan’io aretina mahatsiravina io , ka tsy maintsy nametraka ny tehim-panjakana ary nandositra ny tany ama-monina” .Ilay Fitiavana Mandresy p 267
ILAY FIJOROANA VAVOLOMBELONA SARO-BIDY NATAON’NY ANKIZIVAVY KELY ANANKIRAY
2.- Moa ve nisy fanantenana fanasitranana ho an’i Namana tao Syria ? Inona no nolazain’ilay ankizivavy kely babo tamin’ny vadin’i Namana izay tompony ? II Mpanjaka 5 : 2 – 3
 
            “Benihadada mpanjakan’i Syria dia naharesy ny miaramilan’ny Israely tamin’ny ady izay nahafatesan’i Ahaba . Hatramin’izany dia tsy nitsahatra niady tamin’ny Israelita teo amin’ny faritra manelanelana azy roa tonta ny Syriana . Ka tamin’ny iray tamin’ireny fanafihana nataony ireny no nitondrany ny zazavavy kely anankiray . Ary tonga mpanompon’ny vadin’i Namana tany an-tany fahababoana tany izy . Na dia noheverina ho andevo aza ilay zazavavy kely , dia mbola nitoetra ho mahatoky tamin’ny Andriamaniny ihany , ary tamin’izany fomba izany no nandraisany anjara na dia tsy nampoizina aza , tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’ny Tompo izay nifidy ny Israely ho vahoakany . Raha teo am-pikarakarana io tokantrano mpanompo sampy io izy , dia raiki-pitia tamin’ny tompony . Tsaroany ny fitsaboana mahagaga nataon’i Elisa ka dia hoy izy tamin’ny tompovaviny : Endrey , raha mba teo amin’ny mpaminany izay any  Samaria manko ny tompoko , dia hahasitra azy amin’ny habokany izy . Fantany fa manana ny herin’I Tsitoha Elisa ka ninoany fa amin’izany no mety hahasitrana an’i Namana . Ny fitondrantenan’ilay zatovovavy Hebreo tao amin’io tokantrano mpanompo sampy io dia fampisehoana mampihetsi-po ny hery miasa mangina lalina avy amin’ny fanabeazana ataon’ny fianankaviana amin’ny zaza . Tsy misy asa ambony indrindra apetraka amin’ny Ray aman-dReny mihoata noho ny fampianarana omeny ny zanany . Amin’izany fomba izany no anorenan’izy ireo mihintsy ny fototry ny fahazarana sy ny toetrany . Izy ireo no manana ny fanampahan-kevitra lehibe indrindra ny amin’ny hoavin’izy ireny amin’ny alalan’ny ohatra asehony sy ny    fampianarana omeny” . Mpaminany sy Mpanjaka pp 205 - 206
NITADY FANASITRANANA
3.- Inona no fanantenana teraka tao am-pon’ilay mpitari-tafika rehefa naheno ny fanambaran’ilay ankizivavy kely ? Inona no nasain’ny mpanjakan’i Syria nataon’i Namana rehefa nahafantatra ny mikasika izany hafatra izany izy ? II Mpanjaka 5 : 4 - 6
           
                 “Nampahafantarina an’i Namana ny hevitra naposak’ilay zazavavy tamin’ny tompovaviny . Ary dia niera tamin’ny mpanjaka izy mba tsy ho tonga , ka lasa nitady fanasitranana  sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo impolo miova teny an-tanany . Nitondra taratasy avy tamin’ny mpanjakan’ny Syria ho an’ny mpanjakan’ny Israely koa izy nanao hoe : Nampandeha an’i Namana mpanompoko aho hankaty aminao , koa sitrano amin’ny habokany izy” ... Mpaminany sy Mpanjaka pp 206 – 207
4.- Moa ve ny mpanjakan’ny Israely nahafantatra fa misy fanantenana fanasitranana ho afaka amin’io aretina io ao amin’ny fireneny ? Inona no hafatra nalefan’i Elisa taminy rehefa tafalatsaka tao anatin’ny fahakiviana izy ? II Mpanjaka 5 : 7 - 8


TE HO SITRANA ARAKA NY HEVITRY NY TENANY
5.- Nalefa ho any amin’iza ilay mpitari-tafika Syriana ? Rehefa tonga teo amin’ny fonenan’i Elisa i Namana sy ireo soavaliny ary ny kalesiny , inona no baiko nomen’ilay mpanompon’I Tsitoha azy ? II Mpanjaka 5 : 9 – 12
 
             “Nanampo hahita fampisehoana mahagaga ny herin’I Tsitoha i Namana ... Nikomy tamin’ny torohevitra nomen’ilay mpaminany ny avonavon’i Namana . Ireo ony notanisain’ilay kapiteny Syriana dia nanatombo tamin’ny fahatsarana noho ny morony nisy alokaloka izay nokatsahin’ny mpanompo sampy maro nivavahana tamin’ny andriamaniny . Ka dia tsy ho nahatsiaro fahambaniana loatra i Namana raha nisoka tamin’ny iray amin’ireny ony ireny . Kanefa tsy maintsy nanaraka ny torolàlana  nomen’ily mpaminany izy mba ho sitrana . Ny fankatoavana an-tsitrapo ihany no afaka hitondra ny vokatra irin-ko azo” . Mpaminany sy Mpanjaka p 207
VOADIO TAMIN’NY ALALAN’NY FINOANA
6.- Inona ilay vokatra mahatalanjona azo rehefa i Namana nanaiky tamim-pinoana an’ireo toromarika nomen’ny mpaminany mba handro im-pito ao anatin’ny onin’i Jordana ? Mino ve ianareo fa i Namana dia voadion’ny rano fotsiny ihany , sa kosa voadio tamin’ny alalan’ny finoany an’Ilay Andriamanitry ny Israely  ? II Mpanjaka 5 : 13 – 14
  
         “Nozahan-toetra mafy ny finoan’i Namana rehefa nanosika azy ho amin’ny fikomiana ny fiavonavonany. Kanefa dia niafara tamin’ny fandresena ny finoany . Nanaiky ny sitrapon’I Tsitoha ilay Syriana nirehareha teo ka nandresy ny avonavony . Nisitrika impito tao amin’ny Ony Jordana izy , araka ny tenin’ilay lehilahin’I Tsitoha . Novalian-tsoa ny finoany ka ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray , ka nadio izy”.  Mpaminany sy Mpanjaka p 207 
MAHAFANTATRA AN’ILAY TENA I TSITOHA MARINA
7.- Rehefa sitrana tamin’ny fomba mahagaga i Namana , inona no zavatra niaikeny tamim-panetren-tena teo anantrehan’ilay mpaminanin’I Tsitoha ? Ahoana no fomba nanehoan’i Namana ny fankasitrahana lehibe noho ny fahasoavana noraisiny ? II Mpanjaka 5 : 15


...“Fa i Namana kosa ... dia efa nahatoky tamin’izay noheveriny fa marina ary efa nahatsapa fa nila dia nila fanampiana , no nandray tombontsoa . Teo aminy izany ny fe-petra hanomezana ny fahasoavan’I Tsitoha . Tsy sitrana tamin’ny habokana fotsiny      izy , fa nahazo fitahiana koa tamin’ny fahalalana ny Andriamanita marina” . Ilay Fitiavana Mandresy p 240
             “Ankehitriny dia mbola misy fo marina izay hamirapiratan’ny fahazavana avy any an-danitra amin’ny tany rehetra . Raha manao amim-pahatokiana izay heverina ho adidy tokony ho atao izy ireo , dia homena fahazavana bebe kokoa , tahaka an’i Namana fahiny mandram-pahatonga azy ho ho voatery hanambara tamin’ny farany : Fa tsy mba misy I Tsitoha amin’ny tany rehetra ankoatran’ilay I Tsitoha velona ,  Ilay Mpamorona ny zavatra rehetra” . Mpaminany Sy Mpanjaka p 211
8.- Moa ve ilay mpaminany nanaiky nandray an’ireo fanomezana ? Inona no nolazain’i Jesosy taon-jato maro taty aoriana rehefa nanondro an’i Namana dia ilay sitrana tamin’ny habokana Izy ? II Mpajaka 5 : 16 ; Lioka 4 : 27
 
               “Araka ny fomba fanao tamin’izany fotoana izany , dia niangavy an’i Elisa i Namana hanaiky ny fanomezana saro-bidy avy aminy . Kanefa nandà ilay mpaminany . Fa tsy izy no tokony handray ny valisoa avy amin’ny fitahiana nomen’I Tsitoha an’i Namana . Raha velona koa Jehovah , izay itsanganako eo anantrehany , hoy izy , dia tsy handray mihintsy aho . Ary nanery azy handray ilay Syriana , Fa tsy nety izy” . Mpaminany sy Mpanjaka p 208
          Taon-jato maro taorian’ny niverenan’i Namana tany amin’ny fonenany tany Syria , rehefa voadio ny tenany sy ny fanahiny , dia nampahatsiahy ny finoana maha te hidera nananany Messiah , ary nataony ohatra ho an’ireo izay milaza ny tenany ho manompo an’I Tsitoha izany . Ary maro hoy Izy , no boka teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany , nefa tsy mba misy nodiovina na dia iray akory aza , fa Namana Syriana ihany . Tsy nahoan’ny Tompo ireo boka maro tany Israely ireo satria ny tsy finoany no nanidy ny fitahiana rehetra ho azy ireny . Fa teo ankilany kosa , ilay mpanompo sampy nanana fahamendrehana , nahatoky tamin’ny finoana tanteraka ny momba ny fahamarinana , nozahan-toetra tamin’ny faniriany hovonjena , dia niseho teo imason’I Tsitoha ho mendrika tokoa ny fitahiana noho ny Israelita very , izay nanao tsinontsinona ny tombontsoa natao ho azy . I Tsitoha dia miasa ho an’ireo izay mankasitraka ny soa avy Aminy  sy manaraka ny fahazavany” . Mpaminany sy Mpanjaka p 210
 Mba ho saintsainina lalina
             “Manao ahoana ny fahatsapana ao anatintsika ao raha ohatra ka entina ho babo isika , ka tonga mpanompo lahy na mpanompo vavy tahaka an’ilay ankizivavy kely voalaza ao anatin’ity tantara ity ? Moa ve isika hanao tahaka an’i Namana, ka manana fironana hanaraka ny hevitry ny tenantsika manokana toy izay hanaraka ny làlana nosoritan’I Tsitoha ? Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity , satria isika rehetra dia voakasiky ny aretin’ny habokana mahafatin’ny fahotana” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
             “Eo amin’ny fandehan-javatra sasan-tsasany , ny ataonareo dia mitovy amin’ny nataon’i Namana . Ianareo dia tsy mahafantatra tsara fa , mba hahatratrarana ny fahalavorarian-toetra , dia tsy maintsy manaiky ny ho mahatoky amin’ny zavatra izay faran’ny madinika indrindra ianareo . Na dia tsy be tombam-bidy eo imasonareo aza ireo zavatra izay niantsoana anareo mba ho tanterahinareo . izy ireo dia adidy tsy maintsy tanterahinareo mandritra ny fotoana rehetra izay ahavelomanareo . Raha ohatra ka atao antsirambina ireo zavatra ireo , dia hiteraka fahabangana lehibe ao anatin’ny toetranareo ao . Ry namako malala , ianao dia tsy maintsy mianatra ny ho mahatoky eo amin’ireo zavatra madinika indrindra , fa raha tsy izany , dia tsy afaka ny hahafaly an’I Tsitoha ianao . Tsy afaka ny hahita fitia sy famindram-po feno fankasitahana ianao , raha ohatra ka tsy manao amim-pahadodonana sy amim-pifaliana ny zavatra izay nodidiana mba hataonao".                                                                                                                                                                                                                                                                                                                Raha ohatra ka irinao mba ho tia anao ireo olona miara-mipetraka aminao , dia tsy maintsy maneho fitiavana sy fanajana azy   ireo  ianao” . Testimonies for the church 2 : 310  1869  Pour unne bon equilibre Mentalet Spirituel vol 2 pp 565 – 566
               “Ilay mpitondra tena tao Zarefata sy Namana Syriana , dia nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fahazavana manontolo izay noraisin’izy  reo . Araka ny fijerin’I Tsitoha , izy ireo dia marina tokoa mihoatra noho ilay vahoaka voafidy izay nivily làlana niala taminy ary nahafoy ny finoany mba hampifanaraka ny fiainany amin’ny fanaon’izao tontolo izao sy ny voninahiny” .                                                    Conquérant  Pacifique  p 368

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire