“Rehefa niakatra ho any an-danitra
ny Tompo , ary niparitaka noho ny fanenjehana ny mpianatra , dia nankeo
an-tanim-piadiana tamin-kasahiana i Nikodemosy . Nampiasa ny harenany izy mba
hanohanana ilay fiangonana vao teraka izay nokasain’ny Jiosy ho potehina
tamin’ny nahafatesan’i Messiah . Tamin’ny fotoana nisian’ny loza dia nijoro toy
ny harambato ilay nisalasala sy be fanontaniana , nampahery ny finoan’ny
mpianatra , sy nanome izay ilaina hampandrosoana ny asan’ny filazantsara .
Nesoesoina sy nenjehin’ireo izay nanaja azy tamin’ny andro hafa izy . Ka
nanjary nahantra tamin’ny harenan’izao tontolo izao . Nefa tsy nihozongozona ny finoany izay nananany
nanomboka tamin’ilay resaka nataony indray alina tamin’i Jesosy” . Ilay Fitiavana Mandresy pp 172 - 173
MPITARIKA
JIOSY ANAKIRAY NIHAONA TAMIN’I JESOSY
1.- Inona ireo toe-draharaha nisy teo
amin’io fotoana nihaonan’i Nikodemosy tamin’i Jesosy io ? Inona no
faharesen-dahatra nananany mikasika ny Mesia ? Jaona 3 : 1 – 3
“Ny fampiasan’i Messiah ny fahefany
tamin’Izy nanadio ny tempoly dia namohafoha fankahalana hentitra avy amin’ireo
mpisorona sy ireo mpanapaka . Nampatahotra azy ireo ny fahefan’ity vahiny ity .
Tsy azo leferina ny fahasahiana toy izany avy amin’ity Galiliana tsy dia
fantatra loatra ity . Nikaon-doha ry zareo ny amin’izay hahatapaka tarangana ny
asany . Nefa tsy niray hevitra tamin’izany fikasana izany ny rehetra . Nisy natahotra
ny hanohitra izay hita mazava fa nohetsehin’ny Fanahin’I Tsitoha . Tsaroany ny
namonoana ny mpaminany izay niampanga ny fahotan’ny mpitarika tao amin’Israely
. Fantany fa vokatry ny fikiribibiana hitsipaka ireo fanomezan-tsiny avy amin’I
Tsitoha ny fanandevozan’ny firenena jentilisa ny Jiosy . Matahotra izy ireo sao
manaraka ny dian’ireo razany ny mpisorona sy ny mpanapaka raha mioko hamely
an’i Jesosy , ka hitarika antambo vaovao indray amin’ny fireneny . Niray saina
tamin’ireo i Nikodemosy . Tamin’ny fivorian’ny Synedriona , rehefa nodinihina
izay tokony hatao ny amin’i Jesosy , dia nanoro hevitra i Nikodemosy ny
hitandremana sy ny hitonena . Nanantitrantitra izy fa raha tena manana fahefana
avy amin’I Tsitoha Jesosy , dia hampidi-doza ny mitsipaka ny fananarany . Tsy
sahy nanao tsinontsinona io torohevitra io ny mpisorona , ka tamin’izany fomba
izany dia tsy nisy fanampahan-kevitra noraisina hanoherana ny Mpamonjy” . Ilay Fitiavana mandresy pp 163 - 164
NY
FAHATERAHAM-BAOVAO
2.- Inona ilay
fitsipika fototra izay nitarihan’i Jesosy ny sain’i Nikodemosy ? Jaona 3 : 3 –
4
“Tsy nanaiky io fiarahabana io
Jesosy , fa nampifantoka ny masony tamin’ilay niteny izany Izy , toy ny
nahafantatra izay tao amin’ny fanahiny mihintsy . Noho ny fahendreny tsy misy
fetra dia olona mikatsaka ny fahamarinana no hitany teo anantrehany . Fantany
ny antony nitadiavany Azy , ary naniry ny handatsaka lalindalina kokoa ny
faharesen-dahatra efa tao an-tsain’ilay nihaino Azy Izy , ka ny tena izy avy
hatrany no nolazainy tamin’ny fomba manetriketrika nefa tamim-pahalemem-panahy
: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa
raha tsy ateraka avy any ambony ny olona , dia tsy afaka mahita ny
fanjakan’I Tsitoha . Nanantona ny Tompo i Nikodemosy mba hiady hevitra Aminy ,
nefa nasehon’i Jesosy nihanjahanja ireo foto-kevitry ny fahamarinana . Hoy Izy
tamin’i Nikodemosy , tsy fahalalana ara-tsaina no ilainao mihoatra noho ny
fanavaozana ara-panahy . Tsy ilainao ny hahafa-po ny fitiavanao hahalala
zavatra , fa ny hanana fo vaovao no ilainao . Tsy maintsy mandray
fiainam-baovaoa avy any ambony ianao , alohan’ny hahazoanao mankasitraka ny
zavatra any an-danitra . Mandram-pahavitan’io fanovana io , izay hahatonga ny
zavatra rehetra ho vaovao , dia tsy hitondra voka-tsoa ho anao ny hiady hevitra
Amiko ny amin’ny fahefako na ny momba ny asa nanirahana Ahy” . Ilay Fitiavana Mandresy p 165
ATERAKY
NY RANO SY NY FANAHY
3.- Amin’ny
alalan’ny inona no tsy maintsy ateraka indray ny olona mba hahafahany manitsaka
ny varavaran’ny fanjakan’I Tsitoha mba hahatafidirany ao ? Jaona 3 : 5 – 7
“Notohizan’i Jesosy hoe : ‘Izay
ateraky ny nofo dia nofo , ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy’ . Amin’ny
ara-nofo dia ratsy ny fo . ‘Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy
na dia iray akory aza’ , Joba 14 : 4 . Tsy misy zavatra azon’ny olombelona foronina
izay ho fanafodin’ny fanahy manota . ‘Satria fandrafiana an’I Tsitoha ny fihevitry
ny nofo , fa tsy manaiky ny lalàn’I Tsitoha izy , sady tsy hainy akory izany’ Romana 8 : 7 . ‘Fa avy amin’ny fo no
ivoahan’ny sain-dratsy , dia ny vonoan’olona , ny fakam-badin’olona , ny
fijangajangana , ny halatra , ny ampanga lainga , ny fitenenan-dratsy’ Matio 15 : 19 . Tsy maintsy diovina ny loharanon’ny fo izay vao hadio ny rano mikoriana avy ao .
Izay miezaka ny hahatratra ny lanitra amin’ny asan’ny tenany amin’ny
fitandremana ny lalàna , dia manandratra zavata tsy ho vita . Tsy misy antoka
ho an’ny olona izay mivavaka araka ny lalàna fotsiny , izay endriky ny
toe-panahy araka an’I Tsitoha . Ny fiainana kristiana dia tsy fanamboarana na
fanatsarana ny teo aloha , fa fanavaozana azy . Misy fahafatesana amin’ny tena
sy amin’ny fahotana , ary fiainam-baovao miaraka amin’izany . Tsy misy afa-tsy
ny asa mahomby ataon’ny Fanahy Masina no mahatanteraka io fanovana io” . Ilay
Fitiavana Mandresy pp 166 - 167
4.- Moa ve zavatra azo heverina ny
hanazava ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina , hanaovany ny olona iray ho tonga
vaovao ? Moa ve nazava tamin’i Nikodemosy ny fandehan’izany ? Jaona 3 : 8 – 9
… “Amin’ny alalan’ny fiasana tsy hita
maso tahaka ny rivotra , no iasan’i Messiah tsy miato eo amin’ny fo .
Tsikelikely eny , ary angamba tsy tsapan’ilay nandray izany akory , dia misy
hevitra tafiditra ao am-po izay mitarika ny fanahy ho eo amin’i Messiah . Mety ho azo izany eo amin’ny fieritreretana
momba Azy , amin’ny famakiana ny Soratra Masina , avy amin’ny fihainoana ny
teny avy amin’ny mpitoriteny . Ary amin’ny tsy ampoizina , rehefa misy antso
mivantana kokoa avy amin’ny Fany , dia milefitra amim-pifaliana amin’i Jesosy
ny fanahy . Lazain’ny maro fa fiovam-po tampoka izany , nefa vokatry ny
fitarainana maharitra ataon’ny Fanahin’I Tsitoha , izay nitaky asa maharitra feno faharetana” . Ilay Fitiavana Mandresy pp 167 - 168
JESOSY
VOASANDRATRA
5.-Inona no
ohatra nisy tany amin’ny fotoana lasa izay notondroin’i Jesosy mba hanampiany
an’i Nikodemosy hampahazava aminy ny
amin’ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ? Jaona
3 : 14 – 15
“Voataona ho eo amin’i Messiah Nikodemosy .
Raha nanazava taminy ny momba ny fahateraham-baovao ny Mpamonjy , dia naniry
mafy indrindra izy ny mba hananany izany fanovana izany ho tanteraka eo amin’ny
tenany . Fomba ahoana no hahavitana izany ? Novalian’i Jesosy io famantarana
tsy miloaka io : Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no
tsy maintsy hanandratana ny zanak’olona , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy
, fa hanana fiainana mandrakizay … Tandindon’i Messiah io . Tahaka ny
nanandratana ilay sary natao ho fanasitranana ho azy ireo araka ny endrik’ireo
menarana nahafaty , dia toy izany koa Ilay anakiray naka ny endriky ny nofo ota
no ho Mpanavotra azy ireo … Tsy ny
fifamaliana sy ny ady hevitra no manazava ny fanahy . Tsy maintsy mijery isika
dia ho velona . Noraisin’i Nikodemosy ny lesona , ka nentiny ho azy . Nandinika
ny Soratra Masina tamin’ny fomba vaovao izy , tsy ho enti-mifamaly momba ny hevitra
iray , fa mba handraisana fiainana ho an’ny fanahy . Nanomboka nahita ny
fanjakan’ny lanitra izy , raha nampilefitra ny tenany ho tarihin’ny Fanahy
Masina” . Ilay Fitiavana Mandresy pp 169 - 170
6.- Inona no
nitranga tamin’ilay voa izay nambolen’i Jesosy tao anatin’ny fon’i Nikodemosy ?
Inona ilay porofo miharihary izay maneho fa ny Fanahy Masina dia nitohy niasa
tao anatin’i Nikodemosy tao ? Jaona 7 : 50 – 52
“Tamin’io fotoana nisian’ny loza io
no nandroso tsy tamin-tahotra i Nikodemosy naneho ny finoany ny Mpamonjy
nohomboana tamin’ny hazo fijaliana . Anisan’ny Synedriona i Nikodemosy ary
voatariky ny fampianaran’i Jesosy niaraka tamin’ny hafa koa izy . Rehefa
nanatri-maso ny asa mahagaga nataon’i Messiah izy , dia tafaorina mafy tao
an-tsainy ny faharesen-dahatra fa io Ilay nirahin’I Tsitoha . Be avona loatra
izy ka tsy afaka hiaiky ampahibemaso ny firaisam-pony amin’Ilay Mpampianatra
Galiliana : Noho izany dia nitady izay hiaonana taminy mangingina . Tamin’io
resaka nifanaovany io dia novelarin’i Jesosy teo anantrehany ny drafitry ny
fanavotana sy ny asa naniraha Azy teto amin’izao tontolo izao . Nefa mbola
nisalasala ihany i Nikodemosy . Nafeniny to am-pony ny fahamarinana , ary nandritra
ny telo taona dia kely ny vokatra hita niharihary . Tsy nanaiky an’i Messiah
ampahibemaso i Nikodemosy , nefa kosa tao amin’ny fivorian’ny Synedriona dia
nanakana matetika ny tetika nataon’ny mpisorona hamonoana Azy izy . Rehefa
nasandratra teo amin’ny hazo fijaliana Messiah nony farany , dia tsaroan’i
Nikodemosy ny teny nataony taminy teo amin’ny tendrombohitra Oliva . Ary tahaka
ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra , no tsy maintsy
hanandratana ny Zanak’olona . Koa hitany teo amin’i Jesosy ny Mpanavotra
an’izao tontolo izao … Vavolombelona
Mahery pp 93 - 94
7.- Teo amin’ny fotoana izay
nitoeran’ireo mpianatr’i Jesosy tao anatin’ny fahoriana sy ny fahakiviana ,
inona no nasehon’ny finoana mahitsy nananan’io mpitarika Jiosy io ? Jaona 19 :
39
… “Nandritra
ny Sabata naha tao ampasana an’i Messiah , dia nanana fotoana hieritreretana i
Nikodemosy . Nisy fahazavana namirapiratra tokoa nanazava ny sainy , ka tsy
zava-miafina intsony ny teny izay nataon’i Jesosy taminy . Tsapany fa maty
antoka tokoa izy tamin’ny tsy nifandraisany mivantana tamin’ny Mpamonjy
nandritra ny fiainany . Tsaroany ankehitriny ny toe-javatra tao Kalvary . Ny
vavaka nataon’i Messiah ho an’ny mpamono Azy , sy ny namaliany ny
fangatahan’ilay jiolahy efa ho faty dia niteny tamin’ny fon’ilay mpanolontsaina
avara-pianarana . Hitany indray tao an-tsainy ny Mpamonjy teo am-pialan’aina ,
reny indray ilay antso farany nanao
hoe : Vita’ izay nanakoako toy ny an’ny mpandresy iray . Hitany indray
ny tany nivembena , ny lanitra
nohamaizinina , ny lamba triatra , ny vatolampy vakivaky , koa dia tafahorina
ho mandrakizay ny finoany . Ny toe-javatra izay nandevona indrindra ny
fanantenan’ny mpianatra no nandresy lahatra an’i Josefa sy Nikodemosy ny
amin’ny maha I Tsitoha an’i Jesosy . Resin’ny herim-po avy amin’ny finoana mafy
orina sy tsy azo hozongozonina ny tahotra tao aminy” . Ilay Fitiavana Mandresy p 835
Mba ho saintsainina lalina
“Na dia fariseo
manam-pahaizana sy mpitarika aza i Nikodemosy , dia tsy nanana fahafantarana
mazava tsara mikasika ny toetra mandeha hoazy nananan’ny olombelona , sy ny
mikasika ny maha tsy maintsy ilana ny fahateraham-baovao . Resy lahatra ve
isika fa ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia zavatra izay
tsy azo ialana ? Ahoana no fomba fandraisana ny fahateraham-baovao , fa ny vokatr’izany dia mandray ny toeran’ny Ray
izay any an-danitra” .
Ho dinihana lalindalina
kokoa
“Ankehitriny rehefa
niezaka ny hamono ilay fiangonana mbola zaza ny Jiosy , dia nandroso hiaro azy
i Nikodemosy . Tsy maodimaody sy be fanontaniana intsony izy , fa nampahery ny
finoan’ny mpianatra , ka nampiasa ny harenany tamin’ny fanampiana sy ny fanohana
ny fiangonana tany Jerosalema sy ho amin’ny fampandrosoana ny asan’ny
filazantsara . Ny olona izay feno fanajana azy teo aloha , ankehitriny dia
nanaraby sy nanenjika azy , ary nanjary nahantra teo amin’ny harenan’izao
tontolo izao izy , nefa tsy nihozongozona teo amin’ny finoany” . Vavolombelona Mahery p 94
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire