vendredi 5 décembre 2014

MATY VADY - MAHANTRA - MAZOTO MANAMPY



            “Tsy Israelita io vehivavy io . Tsy mba nanana ny tombotsoa sy ny fitahiana nomena ny vahoaka voafidin’I Tsitoha na oviana na oviana izy . Nefa nino an’I Tsitoha marina izy ary nandeha tamin’ny fahazavana izay nitsilo ny diany . Ary ankehitriny , raha tsy misy fiarovana azo antoka intsony ao Israely , dia nirahin’I Tsitoha ho any amin’io vehivavy io ilay mpaminany mba hahita fialofana ao aminy . Dia niainga izy ka nankany Zarefata . Ary nony teo ambavahadin’ny tanàna izy dia indro nisy vehivavy mpitondra tena nanangona kitay hazo teo , ary niantso azy Elia ka nanao hoe : Masina ianao , itondray rano kely amin’ny fisotroana aho mba hosotroiko . Ary nony lasa naka ravehivavy , dia niantso azy Elia ka nanao hoe : Masina ianao , itondray mofo kely koa  eny an-tànanao aho” . Mpaminany sy Mpanjaka p 103
 HAFATRA ANANKIRAY IZAY MAHAKASIKA IHANY KOA AN’ILAY MPITONDRA HAFATRA
1.- Inona ilay hafatra mahery avy tamin’I Tsitoha izay nentin’i Elia ho an’ilay mpanjakan’ny Israely izay nihemotra , dia i Ahaba izany ?  Fomba ahoana no nahatonga an’io mpaminany io ho afaka nanambara fa tsy hisy orana mihintsy raha tsy amin’ny  alalan’ny  teniny ? I Mpanjaka 17 : 1

          “Ny fanahy mahatoky nananan’i Elia dia ory tokoa . Niakatra ny fahatezeran’i Elia noho ny fanoherana ny fahamarinana , ary nitandro ny voninahitr’I Tsitoha izy . Hitany fa ny Israely dia tafalatsaka tao anatin’ny fihemorana mahatsiravina . Ary rehefa nampahatsiahiviny ireo zavatra lehibe nataon’I Tsitoha ho azy ireo , dia trotraky ny alahelo sy ny fahatairana izy , ary leo io zava-misy io . Kanefa ireo zava-dehiba nataon’I Tsitoha ireo dia hadinon’ny akamaroan’ny vahoaka . Elia dia nakeo anantrehan’I Tsitoha ary tao anatin’ny fanahihy triatran’ny tebiteby , izy dia nitalaho tamin’I Tsitoha mba hamonjy ny vahoakany raha ohatra ka tsy maintsy hisy ny fitsarana . Nangataka mafy tamin’I Tsitoha izy mba tsy hirotsahan’ny ando sy ny ranonorana eo amin’ilay vahoakany tsy mahay mankasitraka , dia ireo rakitra soan’ny lanitra , ka mba hahatonga an’io Israely nihemotra io hahita fa , ireo i Tsitoha izay  tompoin’izy ireo , ireo sampy vita amin’ny volamena , amin’ny hazo sy ny vato , ny masoandro sy ny  volana aman-kintana izay ivavahany , dia tsy mahavita na inona na inona hanondraka sy hampahalonaka ny tany , ka hampahavokatra be dia be io tany io . Niteny tamin’i Elia I Tsitoha fa nohenoiny ny vavaka nataony , ka ho sakanany ny ando sy ny orana mba tsy hirotsaka eo amin’ilay vahoakany ambaram-pahatongan’io vahoaka io hitodika Aminy amim-pibebahana” . Testimonies for the church vol 3 p 263
NITOETRA IRERY SY NAROVANA
2.- Koa satria notandindomin-doza ilay mpaminany taorian’io fanambarana io , inona no baiko nomen’I Tsitoha azy ? Hafiriana no nijanonan’i Elia teo amoron’ny renirano Kerita , tao anatin’ny fitokisana feno antran’I Tsitoha ? I Mpanjaka 17 : 2 – 6
 
              Finoana mahery vaika ny Tenin’I Tsitoha tsy mety diso ihany no nahafahan’i Elia nanambara ny hafatra nentiny . Raha tsy natoky tanteraka an’Ilay tompoiny izy , dia tsy ho sahy na oviana na oviana hiseho teo anantrehan’i Ahaba ... Niaiky tanteraka izy fa I Tsitoha efa nanampa-kevitra hampietry ny fanjakan’Israely nihemotra , ary amin’ny alalan’ny famaizana no hitarihana azy ho amin’ny fibebahana . Voatolotra ilay baikon’I Tsitoha ary tsy ho diso ny Teniny . Ka tamin’ny fanaovan’i Elia ny ainy tsy ho zavatra no nanefany ny iraka nampanaovina azy .  Nidona tao antsofin’ilay mpanjaka ratsy fanahy toy ny kotro-baratra teny amin’ny lanitra manga ny vaovao momba ny famaizana efa nihatra tamin’ny Israely . Kanefa talohan’ny nahatsiarovany tena avy tao amin’ny naha ankona azy teo sy nahafahany nanome valinteny , dia efa lasa haingana tahaka izay nataony tamin’ny fisehoany Elia , fa tsy niandry ny vokatra nateraky ny hafatra nolazainy . Nialoha lalana azy I Tsitoha hahamora ny alehany . Miantsinanàna , ka miere any anilan’ny renirano Kerita , izay any antsinanan’i Jordana ianao . Koa ny reniorano no hosotroinao ary ny goaika efa nodidiako  hamelona anao any” . Mpaminany sy Mpanjaka p 97
                “Niery tany an-tendrombohitra teo anilan’ny renirano Kerita nandritra ny fotoana vitsivitsy i Elia . Nandritra ny volana vitsivitsy dia novelomina tamin’ny fomba mahagaga tany izy . Rehefa afaka izany dia nodidian’ny Tompo ny mpanompony hankany amin’ny tany iray misy fanompoan-tsampy , fa mbola nitohy ny hain-tany ary maina ny renirano . Miainga hoy Izy taminy , ka mankanesa any Zarefata izay naman’i Sidona , ary mitoera any , fa indro misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko  hamelona anao” . Mpaminany sy Mpanjaka p 103
 NALEFA NANKANY AMIN’NY  VEHIVAVY MPITONDRA-TENA MAHANTRA ANANKIRAY i ELIA REHEFA TAO ANATIN’NY TSY FISIANA
3.- Rehefa najanon’ilay hain-tany ny fitsororiky ny renirano dia nalefa taiza i Elia ? Iza no nasaina namatsy sakafo azy tamin’io fotoan- tsarotra io ? I Mpanjaka 17 : 7 – 9
  
             “Fantatr’I Tsitoha fa tsy misy fiarovana amin’ny loza mihintsy ho an’ilay mpanompony eo anivon’ireo zanak’Israely . I Tsitoha dia tsy nanankina an’io mpanompony io tamin’ny Israely izay nihemotra , fa kosa nesoriny niala teo aminy  mba hahita toerana hialofana any amin’ny firenena jentilisa anankiray . I Tsitoha dia nitarika an’i Elia ho eo amin’ny vehivavy mpitondra tena iray , izay tena tao anatin’ny fahantrana lehibe tokoa . Hany ka zara raha afaka nikarakara ny fiainany tamin’ny sakafo maivana indrindra . Vehivavy jentilisa anankiray izay nampiseho tena fa mahatakatra ny fahazavana tsara indrindra nananany , no teo amin’ny fitoerana tsara indrindra teo anantrehan’I Tsitoha , mihoatra noho ireo mpitondrantena teo amin’ny Israely izay nahazo an’ireo fitahiana niaraka tamin’ny tombontsoa manokana sy fahazavana lehibe , kanefa tsy niaina araka ny fahavana izay nomen’I Tsitoha azy ireo . Koa satria ireo Hebreo dia nitsipaka ny fahazavana , noho izany , tafahitsoka tao anatin’ny haizina izy ireo , ary I Tsitoha dia tsy hanankina mihintsy an’ilay mpanompony amin’io vahoakany io izay mihantsy ny fahatezeran’I Tsitoha” . Tastimonies for the Church vol ,p …   
4.- Hatraiza no fatran’ny maha tena kely ny hanina izay nananan’io mpitondra tena io ? Inona no fitoetra tena tsy misy fanantenana izay nasehon’ilay valinteny nomeny an’i Elia ? I Mpanjaka 17 : 10 – 12
 
              “Tao amin’io tokantrano zohim-pahantrana io dia tsapa ho namely mafy tokoa ny mosary ary efa eo an-dalam-pahalaniana no fahitana ny fivelomana viviny dia viviny nananan’ilay mpitondratena . Ny fahatongavan’i Elia tamin’ny fotoana indrindra izay nanontaniany tena tamim-pitebitebena na tokony handao ny adiny izy na tsia , no nampandalo fizahan-toetra lehibe ny finoan’ity vehivavy mahantra ity izay nitoky tamin’ny herin’I Tsitoha velona hiahy ny fiainany”... Mpaminany sy Mpanjaka pp 103 - 104
JENTILISA KANEFA NANIRY NY HINO SY HANKATOA
5.- Moa ve io mpitondra tena tao Zarefata io naniry ny hanome hanina sy rano ho an’ilay mpanompon’I Tsitoha ? Rehefa naverimberin’i Elia ny fangatahany , sady nanambara ny teny fikasana avy amin’I Tsitoha ho an’io vehivavy io izy , moa ve notsipahan-dravehivavy ilay hafatra avy amin’I Tsitoha sa ninoany ? I Mpanjaka 17 : 13 – 14
 
             …“Kanefa na dia teo amin’ny fahoriana mangidy indrindra aza , dia nampiseho ny finoany izy , ka nanaiky ny fangatahan’ilay vahiny hizara aminy ny sombimofo farany nananany” . Mpaminany sy Mpanjaka p 104   
ILAY VALIN’TENY TEO NO HO EO NOMEN’I TSITOHA
6.- Rehefa nanaiky sy nankatoa ny tenin’I Tsitoha tamin’ny alalan’ny finoana ilay mpitondra tena , inona no fahagagana izay niseho taminy isan’andro nandritra ny fotoana lava dia lava tokoa ? I Mpanjaka 17 : 15
 
        ...“Fa izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny israely : Tsy ho lany ny koba ao amin’ny barika , ary tsy ho ritra ny diloilo  ao amin’ny tavoara mandra-piavin’ny andro handatsahan’i Jehovah ranonorana amin’ny tany . Tsy misy finoana na dia iray aza afaka hozahan-toetra tahaka izany . Tamim-pahalemem-panahy sy fahafoizana be no nandraisan’ilay mpitondra tena ny vahininy rehetra hatramin’izay . Ankehitriny dia mametraka ny fitokisany amin’ny Andriamanitry ny Israely izay miahy ny ilainy rehetra izy , ka tsy nanana ahiahy akory ny amin’izay fijaliana mety haterak’izany fihetsika izany , na ho an’ny tenany na ho an-janany lahy , ka dia nandray vahiny tamim-pahalalam-pomba tokoa ary nanao araka ny tenin’i Jehovah naloaky ny vavan’i Elia” .  Mpaminany sy Mpanjaka p 104
              “Ilay I Tsitoha izay nikarakara an’i Elia tamin’ny fotoana nisian’ny mosary , dia tsy handalo fotsiny an’ireo zanany izay manao fandavan-tena . Ilay anankiray Izay manisa ny volo eo amin’ny lohan’izy ireo , dia hikarakara azy , ary eo amin’ny fotoana izay hisian’ny mosary , dia ho afa-po izy ireo . Raha ireo mpankahala fivavahana maty eo amin’ny manodidina an’ireo zanak’Andriamanita ireo , noho ny tsy fisian’ny mofo , dia azo antoka kosa fa hisy ny mofo sy ny rano ho an’ireo zanany . Ireo izay mbola mamikitra amin’ny haren’ny      tany , ary tsy mampiasa tsara an’ireo zavatra izay nampindramin’I Tsitoha azy , dia ho very hiala amin’izy ireo ny harenany any an-danitra , ho veriny ny fiainana mandrakizay” . Testimonies for the Church vol 1 pp 173 – 174
7.- Na dia teo aza ilay enta-mavesatra fanampiny vokatry ny fisian’ilay mpaminany izay nampitombo ny isan’ny olona tao an-tranony , inona no tonga tamin’ilay tahirin-kanina izay nananan’ilay mpitondra tena ? Araka ireo teny nataon’i Jesosy , nahoana i  Elia no nalefa tany amin’ny mpitondratena teo amin’ny jentilisa ? I Mpanjaka 17 : 16 ; Lioka 4 : 23 – 26

              “Tsy misy finoana na dia iray aza afaka hozahan-toetra tahaka izany . Tamim-pahalemem-panahy sy fahafoizana be no nadraisan’ilay mpitondratena ny vahininy rehetra hatramin’izay . Ankehitriny dia mametraka ny fitokisany amin’ny Andriamanitry ny Israely izay miahy ny ilainy rehetra izy , ka tsy nanana ahiahy akory ny amin’izay fijaliana mety haterak’izany fihetsika izany , na ho an’ny tenany , na ho an-janany lahy , ka dia nandray vahiny tamim-pahalalaham-po tokoa ary nanao araka ny tenin’i Jehovah naloaky  ny vavan’i Elia” .  Minany sy Mpanjaka p 104
8.- Inona no lesona mahatalanjona izay azontsika ianarana avy amin’ny finoan’io vehivavy io ? Ianareo ve maniry ny hampihatra an’io fitsipika nampianarin’ny mpaminany io ? Lioka 6 : 38 ; Matio 10 : 41
 
          “Nizara ny sombimofo tamin’i Elia ilay mpitondratena tany Zarefata , ary ho setrin’izany dia voavonjy ny ain’izy mianaka . Nampanantena fitahiana safononoka ho an’izay rehetra miara-miory sy manohana ireo tsy nambinina noho ny tenany ny Tompo . Tsy manam-piovana Izy . Ankehitriny dia tsy latsa-danja noho ny tamin’ny andron’i Elia akory ny heriny . Ny teny fikasana nomen’ny Mpamonjy manao hoe : Izay mandray mpaminany , satria mpaminany izy , dia handray ny valim-pitian’ny mpaninany . Dia mbola azo antoka tahaka ny tamin’ny andro nanaovana azy ihany koa” .  Mpaminany sy Mpanjaka p 105
Mba ho saintsainina lalina
            “Inona no zavatra izay hita teo noho eo tao anatin’ny fitondran’I Tsitoha an’i Elia , izay tsy nisy hetsika niarahany nanao tamin’ny olonkafa ? Moa ve I Tsitoha dia nizaha toetra an’i Ahaba mpanjaka sy ireo Israelita fotsiny ihany , sa koa nizaha toetra an’i Elia mpanompony ihany koa ? Raha ilay mpitondra tena nahantra tamin’ny zavatra ara-nofo , amin’ny lafiny inona kosa no maha mpanankarena azy” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
Ohabolana 19 : 17 ; Lioka 6 : 38
          “Indro ny valisoa ho an’ireo izay mahafoy tena ho an’I Tsitoha . Izy ireo dia mandray zato heny eto amin’izao fiainana izao , ary handova ny fiainana mandrakizay . Kanefa kosa , hitako fa maro amin’ireo izay voalohany no ho lasa farany , ary ireo farany ho tonga voalohany . Naseho ahy ireo izay nandray ny fahamarinana kanefa tsy miaina amin’izany . Izy dia mamikitra amin’ireo fananany , ary tsy maniry ny hizara ny harenany mba hampandrosoana ny asan’I Tsitoha . Noho izany dia tsy manana finoana mba hirotsaka hametraka ny fitokisany amin’I Tsitoha izy . Ny fitiavany an’izao tontolo izao no mitelina ny finoany . I Tsitoha dia nangataka ny ampahan’ny harenany , kanefa tsy noraharahiany izany , ary izy ireo dia mijoro amin’ny foto-kevitra hoe : Satria niasa mafy tokoa aho mba hahazoako an’ireo fananako ireo , ka tsy afaka mampindrana izany amin’I Tsitoha , satria mety ho latsaka ao anatin’ny fahasahiranana . Ry olona kely finoana ! Ilay I Tsitoha izay nikarakara an’i Elia tamin’ny fotoana nisian’ny mosary dia tsy handalo fotsiny amin’ireo zanany , na iza na iza , izay mampihatra ny fandavan-tena” . Spiritual Gifts vol 2 p 243
             ...“Tahaka an’i Mosesy , tany an’efitra Sinay , sy tahaka an’i Davida tany amin’ny havoanan’i Jodia , na i Elia teo amoron’ny renirano Kerita , dia nilain’ny mpianatra ny hiala amin’ny fiasany mafy nahabe raharaha azy , ka hisinda kely mba hanana firaisana amin’i Messiah sy ny  zava-boahary , ary amin’ny fon’ny tenany koa aza”.  Ilay Fitiavana Mandresy p 380

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire