vendredi 5 décembre 2014

LEHIBE NY FINOANAO



            “Niantoraka tamin’ny finoana ilay vehivavy Foinikiana nanohitra ireo sakana izay natsangana hampisaraka ny Jiosy sy ny jentilisa . Notoheriny ny fahakiviana , tsy noheveriny ny zavatra niseho ivelany mety hitarika azy ho amin’ny fisalasalana , fa natoky ny fitiavan’ny Mpamonjy izy . Toy izany no irin’i Messiah hatokisantsika Azy . Ho an’ny fanahy tsirairay ny fitahian’ny famonjena . Tsy nisy afa-tsy ny safidin’ny tenany no afaka hanakana olona tsy ho tonga mpiombona amin’ny teny fikasana ao amin’i Messiah noho ny filazan-tsara”. Ilay Fitiavana Mandresy p 430
NY FITALAHOAN’ILAY VEHIVAVY KANANITA ANANKIRAY
1.- Iza ilay vehivavy nitalaho tamin’ny Mpamonjy , mba hahazo vonjy Aminy , tao amin’ny faritra jentilisa iray izay any Liban ankehitriny ? Matio 15 : 21 – 22 ; Marka 7 : 24 – 25


               ...“Taranaky ny Kananita fahiny ny mponina tao amin’io faritany io ... Anisan’io antokon’olona io ilay vehivavy tonga nanantona an’i Jesosy ... Efa nandre ny amin’ilay Mpaminany ity vehivevy ity , izay nanasitrana ny karazan’aretina rehetra , araka ny nambara . Raha nandre ny amin’ny heriny izy , dia nifoha ny fanantenana tao am-pony . Ny fitiavan’ny Reny no nanainga azy , ka tapakevitra izy hitondra ny manjo ny zananivavy eo Aminy . Fikasana hentitra ny azy ny hitondra ny fahoriany eo amin’i Jesosy . Tsy maintsy manasitrana ny zanany Izy .Efa nitady fanasitranana tamin’ireo i Tsitoha jentilisa izy , nefa tsy nahazo fanasitranana , ary indraindray dia voan’ny fakam-panahy hihevitra hoe : Inona moa no azon’ity Mpampianatra Jiosy ity atao ho ahy ? Tonga anefa ny teny manao hoe : Manasitrana ny aretina rehetra Izy , na nanankarena na nahantra izay tonga nitady fanampiana teo Aminy . Tapa-kevitra izy tsy hanary ny hany fanantenana ho azy” .   Ilay Fitiavana Mandresy pp  425 - 426
JENTILISA KANEFA TONGA MPINO
2.- Ahoana no ahafahana manazava ny finoana an’i Jesosy izay nananan’ny olona anankiray avy any amin’ny firenen-kafa , sady nahazo fanabeazana jentilisa ? Inona no fantatra mikasika ny fahalalàna an’Ilay Mpampianatra avy any an-danitra , hatreo amin’ny fiantombohan’ny raharaha nataony ? Matio 4 : 23 – 24 ; Marka 7 : 26

            “Messiah dia niaina tao anatin’ny fahafohizan-tena mitohy . Izy dia tsy mba nametraka ny asa nataony ho eo amin’ny toerana voafetra na fotoana voafetra . Ny asany dia nivelata lavitra tokoa , tahaka ny fitiavany ho an’ireo fanahy , sy ny fahavononany hanasoa an’ireo fanahy ireo , izay hanolorany ny tenany tsy ho ela intsony taorianan’io fotoana io . Ny fangorahany dia tsy manam-petra . Notanterahany tsara mihintsy ny asam-panasitranana nataony , tamin’ny fivelarana tena midadasika tokoa , hany ka tsy nisy trano lehibe na dia iray aza tao Palestina antonona an’ireo vahoaka marobe izay nibosesika nankeo Aminy . Izy dia nanana ny toeram-pitsaboany tao amin’ireo tanan-dehibe na vohitra kely tsirairay izay nandalovany . Teo amin’ny ilan’ireo tendrombohitra tao Galilia , teo amin’ny toerana izay nahasarika olona tao anatin’ny zava-boahary , teo amoron-drano , teo amin’ireo sinagoga , ary amin’ny toerana rehetra izay misy fo vonona ny hihaino ny hafatra entiny . Jesosy dia nanasitrana marary ary nanoro làlana azy ireo ho any amin’Ilay Rain’izy ireo izay any an-danitra . Ny harivariva taorianan’ireo ora fiasana , Izy dia niresaka tamin’ireo izay tsy maintsy niasa nandritra ny tontolo andro mba hahita fivelomana ho an’ny fianankaviany” . Levez vos Yeux en Haut p 322     
         “Ireo teny ireo dia manome ny fanori-tsoritana ny amin’ny fomba niasan’i Jesosy , ka nanaovany fambolena tao amin’ny tanimbolin’ny fo . Ireo teny ireo dia maneho mazava tsara ny asa izay tsy maintsy ataontsika , tsy hoe eo amin’ny toerana anankiray fotsiny ihany , fa amin’ny toerana rehetra ihany koa” . Review and Herald 30 Mars 1905
TSY NISY VALIN-TENY TEO NOHO EO
3.- Moa ve ny Tompo namaly avy hatrany ny fangatahan’io renim-pianankaviana io ? Tao anatin’ny fiheverana fa tsy niraharaha ny zavatra mahazo an’io renim-pianankaviana io Jesosy ,  inona no nangatahan’ny mpianatra mba hataony ? Matio 15 : 23
 
        “Fantatr’i Messiah ny toerana nisy an’ity vehivavy ity . Fantany fa naniry mafy ny hahita Azy izy , ka nankeo amin’ny lalany . Raha namonjy azy tamin’ny fahoriany Izy dia azony atao ny hanome azy lesona amin’ny alalan’ny ohatra velona izay efa nokasainy hampianarina azy rahateo . Noho izany antony izany no nitondrany ny mpianany teo amin’io faritra io . Tiany ho hitan’izy ireo ny tsy fahalalana misy eo amin’ny tanàn-dehibe sy vohitra akaiky ny tanin’Israely . Ny vahoaka izay nomena ny fotoana mety ahazoana ny fahamarinana , dia tsy nanana fahalalana ny amin’ny fahorian’ireo manodidina azy” ...Tsy namaly avy hatrany ny fangatahan’ilay vehivavy Messiah . Noraisiny ho tahaka ny nataon’ny Jiosy taminy ity solontenan’ny firazanan’olona nozimbazimbaina ity . Nataony izany mba ho tafalatsaka tao am-pon’ny mpianatra ny fomba mangatsiaka sady tsy antra izay nandraisan’ny Jiosy ny toy izany , araka izay nasehon’ny taratra tamin’ny fomba nandraisany an-dravehivavy sy ny fomba feno fangorahana tiany hifandraisan’izy ireo amin’ny fahoriana toy izao , araka izay nasehony mazava tamin’ny famaliany ny fangatahany nanaraka an’izany .  Ilay Fitiavana Mandresy p 426
4.- Inona no notenenin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy aloha ? Tamin’ny tranganjavatra inona ihany koa no nanaovan’i Jesosy teny mitovy amin’io ? Matio 15 : 24 ; 10 : 5 – 6
 
          “Nefa na dia tsy namaly aza Jesosy dia tsy nanary ny finoany ravehivavy . Raha nanohy ny diany Izy , toy ny tsy nandre azy , dia mbola narahiny ihany sady notohizany ny fitalahoany . Sorena tamin’ny fanelingelenana nataony ny mpianatra ka nangataka an’i Jesosy handroaka azy . Hitany fa tsy niraika taminy ny Tompo , koa noheveriny fa nahafinaritra Azy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ny Jiosy momba ny Kananita . Mpamonjy mangoraka anefa no nanaovan’ilay vehivavy ny fiangaviany , ary ho setrin’ny fangatahan’ny mpîanatra , dia namaly Jesosy hoe : Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely . Na dia toa mifanaraka amin’ny hevitra nibahana tao an-tsain’ny Jiosy aza izany valinteny izany , dia nirakitra fanomezan-tsiny ho an’ny mpianatra izay azon’izy ireo taty aoriana , satria nampahatsiaro azy izay efa nolazain’i Jesosy imbetsaka , fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy hamonjy izay rehetra   mety manaiky Azy” . Ilay Fitiavana Mandresy pp  426 - 427
NAVERINA ILAY FANGATAHANA SY FITALAHOANA
5.- Moa ve ilay Renim-pianankaviana niala rehefa nahare ilay fandavana ? Fitiavam-bavaka mahitsy manao ahoana no nananan’ity vehivavy ity ka nahatonga azy hamerimberina ny fangatahany ? Matio 15 : 25

“Noantitraterin-dravehivavy ny momba azy ary nitombo ny fiangaviany; Nandohalika teo an-tongotr’i Jesosy izy, ka niantsoantso hoe : Tompoko o , vonjeo aho”.
Ilay Fitiavana Mandresy p 427
             “Rehefa toa kivy ianao , dia aza miankina amin’ny olombelona mba hahazo fanampiana . Ilay Mpampionona dia hiaraka aminao . Manantona mivantana amin’I Tsitoha amin’ny alalan’ny vavaka . Miondreha eo anantrehany ary mitenena hoe : Tompoko o ! ampio aho , satria ianao dia ao anatin’ny zava-tsarotra , ary tsy fantatrao hoe inona no ho hataoko . Ianao dia nampanantena fa hanome ho an’ny zanakao ny zavatra izay angatahiny amin’ny anaranao . Izahay dia mangataka ny hery ahafahanay manohitra ireo fakam-panahy izay alefan’ilay fahavalo” . The Gospel Herald 1 Mars 1901
NITSAPA NY FINOAN’ILAY VEHIVAVY
6.- Raha ampifandraisina amin’ny hafatra sasany , ahoana ilay fanambarana faharoa nataon’i Jesosy tamin-dravehivavy ? Matio 15 : 26 ; Matio 7 : 25 ; Lioka 18 : 1 ; Romana 12 : 12
 

          ...“Toa mbola nanda ny fiangaviany ihany Jesosy , araka ny fihevitra tsy nisy indrafo nibahana tao an-tsain’ny Jiosy , ka namaly Izy  hoe : Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely . Fanantitranterana fitahiana ho nentina ho an’ny vahoaka manatombo fitia amin’I Tsitoha , ka manome izany ho an’ny olon-kafa sy ny vahiny tsy marisi-po kokoa izany valinteny izany” . Ilay Fitiavana Mandresy p 427                                                                 
FINOANA LEHIBE
7.- Inona no tao ambadik’ilay famela-belarankevitra feno fanajana sy faharetana feno fahalalam-pomba nataon’ilay vehivavy ? Matio 15 : 27

        ...“Hitandravehivavy anefa fa tonga ny fotoana mety ho azy . Tao ambadiky ny toa fandavana nataon’i Jesosy , dia nahitany fangorahana tsy hain’i Jesosy nafenina . Marina izany Tompoko , hoy ny navaliny , fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatray ny tompony ihany . Rehefa misakafo eo ambonin’ny latabatry ny Rainy ny zanaka ao amin’ny ankohonana , na dia ny amboakely aza tsy avela tsy hahazo ny anjarany . Anjarany ny sombintsombiny milakatsaka avy amin’ny latabatra be sakafo . Toy izany koa , betsaka ny fitahiana nomena ny Israely , koa tsy hisy koa ve fitahiana ho azy ? Nihevitra ny tenany ho toy ny amboakely izy , koa moa ve tsy fitakian’ny amboakely no nataony , mangataka sombintsombiny amin’ny halemem-panahy” ?... “Teto Messiah dia nihaona tamin’ny olona iray avy tamin’ny taranaka mahantra sy nozimbazimbaina , izay tsy nahazo tombom-pitia tamin’ny fahazavan’ny tenin’I Tsitoha , nefa nilefitra avy hatrany tamin’ny herin’i Messiah miasa mangina izy , ka nanana finoana amin’izao ny amin’ny fahaizany manolotra ny tombon-tsoa angatahiny ? Nangataka ny sombintsombiny izay milatsaka avy amin’ny latabatry ny Tompo izy . Raha mba mety manana ny tombon-tsoan’ny amboakely izy , dia vonona ho raisina ho toy ny amboakely . Tsy nisy hevitra nibahana tao an-tsainy momba ny fireneny na ny fivavahany na ny zavatra ireharehany hiasa mangina amin’ny fihetsiny . koa nekeny avy hatrany fa Jesosy no Mpanavotra , ary afaka manao izay rehetra angatahiny Aminy .  Ilay Fitiavana Mandresy pp  427 - 428
8.- Inona no hitan’i Jesosy tao anatin’ilay fangatahana nataon’io vehivavy io ? Fomba ahoana no namaliana soa tamin’ny alalan’ny fahasoavana an’ilay finoana matanjaka tsy niovaova nananan’io vehivavy io ? Matio 7 : 29 – 30
               
         “Afa-po ny Mpamonjy . Nozahany toetra io finoana io . Tamin’ny fifandraisany taminy , dia nasehony fa izay noheveriny ho lavin’ny fiaraha-monina tsy ho ao Israely dia tsy vahiny intsony , fa zanaka ao amin’ny ankohonan’Andriamanita . Amin’ny maha zanaka azy , dia tombon-tsoany ny mandray anjara amin’ny fanomezan’ny Ray . Manatanteraka ny fangatahany izao Jesosy ary mamita ny lesona ho an’ny mpianatra  . Nitodika taminy tamin’ny fijery feno fangorahana sy fitiavana Izy , ka hoy Izy hoe : Ravehivavy , lehibe ny finoanao , tongava aminao araka izay irinao . Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay . Tsy nampahory azy intsony ny demonia . Lasa ravehivavy , nankasitraka  ny Mpamonjy azy , ary sambatra satria notanterahiny ny fivavahany” .  Ilay Fitiavana Mandresy p  428
Mba ho saintsainina lalina
          “Moa ve ianao mahatsapa fa voatositosika sy tsy noraharahiana raha ohatra ka ianao no teo amin’ny toeran’io vehivavy io ? Manao ahoana no ho fihetsikao eo amin’ny tranganjavatra mitovy amin’io ? Moa ve ny Topo mizaha toetra ny finoanao ihany koa ? Moa ianao mba manantena ny hahazo dera noho ny amin’ny finoanao , tahaka ny dera natao tamin’io vehivavy jentilisa io” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
            “Maro ny Kristiana miezaka hitandrina ny lalàna , kanefa tsy mahita fiadanana na fifaliana firy . Noho ny tsy fampiasany ny finoany no mahatonga izany tsy fahampian’ny fiainany ara-panahy izany .Toy ny mandeha eo amin’ny tany mangetana izy , sy mamakivaky efitra karakaina . Afa-po amin’ny kely izy , kanefa tokony hangataka betsaka , satria tsy misy fetrany ny teny fikasan’I Tsitoha . Tsy mba vavolombelon’ny tena fahamasinana azo avy amin’ny fankatoavana ny marina ny Kristiana toy izany . Irian’ny Tompo raha samy hanana fahasambarana sy fiadanana eo amin’ny fankatoavana ny zanany rehetra . Amin’ny fampiasany ny finoany no handraisan’ny kristiana fitahiana . Avy amin’ny finoana no anavaozana ny fahabangana rehetra eo amin’ny toetra , sy hanadiovana ny fahalotoana rehetra , hanitsiana ny fahadisoana rehetra , ary hampitomboana ny fahatanterahana rehetra” . Vavolombelona Mahery p 498 -499
        « Ny kristiana mahatoky izay mifamatotra mafy amin’ny finoana , dia afaka manao zava-tsoa maro . Izy  dia afaka mandefa fitahiana lehibe indrindra ho an’ireo manodidina azy . Satria ny lalàn’I Tsitoha dia mitoetra ao am-pony . Kanefa isika dia tsy afaka ny hikambana an-tsitram-po amin’ireo izay manitsakitsaka ny didin’I Tsitoha , no sady mitahiry ny finoantsika ho madio tsy misy pentina . Ho feno ny fomba fisainan’ireo olona ireo isika ,  raha toa ka tsy misaraka aminy  , dia hifamatotra aminy amin’ny lenta avo tokoa , hany ka handray ny anjara mitovy amin’ny azy koa” . Le Foyer Chretién pp 445 - 446

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire