vendredi 5 décembre 2014

MITENENA FOTSINY IHANY



            “Ny finoana sy ny asa dia zavatra anankiroa tsy azo sarahina , ireo zavatra roa ireo dia miara-miasa amim-pirindrana tsara eo amin’ilay raharaha hahatratrarana ny fandresena . Ny asa tsy misy finoana dia maty , ary ny finoana tsy arahan’asa dia maty toy izany koa . Ny asa dia tsy hahavonjy antsika na oviana na oviana , fa ireo fahamendrehan’i Messiah no ho raisina ho fanohanana antsika . Amin’ny alan’ny finoantsika an’i Messiah , dia ataony ho zavatra heken’I Tsitoha ireo ezaka ataontsika . Ny finoana izay takiana amintsika dia tsy finoana miahanahana , ny finoana mahavonjy dia ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana sy manadio ny fanahy” . La foi etles Oevres p 41
KAPITENY IRAY IZAY TIA MIKARAKARA NY HAFA
1.- Iza ilay olona ambony izay nangataka tamin’i Jesosy mba hanasitrana ny mpanompony ? Nanao ahoana ny fahamafisan’ilay aretin’io mpanompo io ? Lioka 7 : 1 – 2
 
             “Voan’ny paralisisa ny mpanompon’ilay kapiteny ary efa teo ambavahoanan’ny fahafatesana . Teo amin’ireo Romana dia andevo ny mpanompo , novidiana sy namidy teny an-tsena , ary nampizakana herisetra sy habibiana . Fa raiki-pitia kosa tamin’ny mpanompony ity kapiteny ity , ary naniry mafy ny hahasitranany” … Ilay Fitiavana Mandresy p 331
FANGATAHANA FANASITRANANA NATAO TAMIM-PINOANA
2.- Rehefa nahare ny mikasika ny Mpamonjy io kapiteny io , nahoana izy no naniraka olona ho eo amin’i Jesosy ? Raha toa izy ka tsy nanana finoana ny amin’ny hery manasitrana nananan’i Jesosy , moa ve ho nandefa an’ireo olona ireo izy mba hangataka fanampiana Aminy ?             Lioka 7 : 3 – 4
 
        ...“Nino izy fa afaka hanasitrana azy Jesosy . Tsy mbola nahita ny Mpamonjy izy , fa namelona finoana tao aminy ny tatitra reny .  Na dia teo aza ny fivavahana ivelam-belany fotsiny teo amin’ny Jiosy , dia resy lahatra ity Romana ity fa ambony noho ny azy ny fivavahan’izy ireo . Efa nogorobahany ny fefy natsangan’ny fiheverana tsy marim-pototra notanan’ny firenena sy ny fankahalana izay nampisaraka ny vahoaka mpandresy sy ny vahoaka resy . Efa nampiseho fanajana ny fanompoana an’I Tsitoha izy , sy halemem-panahy tamin’ny Jiosy noho izy     ireo nivavaka tamin’i Jehovah . Hitany teo amin’ny fampianaran’i Messiah , araka izay notanterina taminy , izay mifanaraka indrindra amin’ny ilain’ny fanahy . Izay ara-panahy rehetra tao aminy dia namaly ny tenin’ny Mpamonjy” ... Ilay Fitiavana Mandresy P 331
MAHATSAPA TSARA NY TSY FAHAMENDREHAN’NY TENANY
3.- Inona no hafatra faharoa nalefan’ilay kapiteny ho an’ilay mpampianatra , alohan’ny hahatongavan’io mpampianatra io ao an-tranony ? Finoana matanjaka manao ahoana no voaseho tao anatin’io hafatra io ? Lioka 7 : 6 – 7
 
             “Eo amin’ny finoana , isika dia tahaka ny zaza fotsiny ihany , izay miana-mandeha . Tahaka  an’ireo zaza izay manao an’ilay famindrana voalohany , dia mihevingevina , ary avy eo mianjera . Kanefa dia mitsangana indray izy , ary amin’ny farany dia afa-mandeha samy irery . Tsy maintsy ianarantsika ny fomba finoana an’I Tsitoha . Tsy azontsika atao ny mijery an’ireo fihetseham-po ao anatintsika ao , fa kosa tsy maintsy mahafantatra an’I Tsitoha amin’ny alalan’ny finoana velona . Hevero tsara ilay kapiteny izay nanatona an’i Messiah , izy dia ohatra alaintahaka izay maneho ny tena finoana marina . Nanantona an’i Messiah izy ary nitalaho taminy nanao hoe : Tompoko o ! ny ankizilahiko mandry ao an-trano , mararin’ny paralisisa ka mijaly loatra . Dia hoy Jesosy taminy : Ho avy Aho hanasitrana azy . Fa namaly ilay kapiteny ka nanao  hoe : Tompoko , tsy miendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko aho , fa mitenena ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko . Karazana hery manao ahoana no noheverin’io kapiteny io fa ananan’i Jesosy ? Fantany fa herin’I Tsitoha Izy io” .  Review and Herald 11 Marsa 1890
BAIKO  TOKANA DIA  AMPY TSARA
4.- Moa ve ilay kapiteny nino fa ilay hery manasitrana dia masina eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy ihany , sa ao amin’ny tenin’i Jesosy ihany koa ? Lioka 7 : 8

        ...“Tahaka ny tenako mapiseho ny fahefan’i Roma , ary ny miaramilako manaiky ny fahefako ho ambony indrindra , dia toy izany koa : Ianao dia mapiseho ny fahefan’I Tsitoha tsy misy fetra , ary ny zava-boahary rehetra dia mankato ny teninao . Azonao atao ny mibaiko ny aretina hiala , dia hankato Anao izy . Azonao atao ny mandidy ireo iraka avy any an-danitra , dia hizara ny hery manasitrana  izy . Mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompoko” .                                                 Ilay Fitiavana Mandresy p 332
FINOANA IZAY TSY FAHITA ANDAVAN’ANDRO
5.- Tao anatin’ny fahagagana teo anantrehan’io finoana izay tena lehibe indrindra io , inona no notenenin’i Jesosy tamin’ireo olona izay nanodidina Azy teo ? Lioka 7 : 9
 
          ...“Ilay kapiteny kosa , izay teraka teo amin’ny fahajentilisana , nobeazina tamin’ny fanompoan-tsampy teo amin’ny fanjakan’ny Roma , nofanina ho miaramila , toa tafasaraka tamin’ny fiainana ara-panahy araka ny fanabeazana noraisiny sy ny tontolo niainany , sady mainka koa voasakana noho ny fitiavam-bavaka diso lalan’ny Jiosy , sy ny fanivaivan’ny mpiray firenena taminy ny vahoaka Israely . Io lehilahy io dia nahatsinjo ny fahamarinana izay nahajamba ny zanak’i Abrahama . Tsy niandry izy hahita na handray na tsia Ilay nilaza ny tenany fa Mesiany ny Jiosy . Rehefa namirapiratra teo aminy ny mazava , izay nahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao , dia hitany , na dia lavitra aza ny voninahitry ny Zanak’I Tsitoha” .  Ilay Fitiavana Mandresy p 333
 Ireo anjelin’I Tsitoha dia nanodidina an’i Jesosy , ary ny teny ataony dia haniraka anjely anankiray mba hankany amin’ilay marary . Ilay kapiteny dia nahafantatra fa ny teny ataon’i Jesosy dia hiditra ao anatin’ilay efitrano ka dia ho sitrana ilay mpanompony . Ary endrey ny fomba nideran’i Jesosy ny finoan’io lehilahy io . Izy dia nampandre feo feno fahalianana manao hoe : Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany na dia teo amin’ny Israely aza Aho” .                                     Review and Herald 11 Marsa 1890 
FANGATAHANA SY VALINY EO NO HO EO
6.- Niady nandritra ny halavam-potoana toy inona ny Mpamonjy mba hanomezany ny valin’ilay fangatahana nataon’io olona io ? Inona no hitan’ilay kapiteny sy ireo mpanompony rehefa tafaverina tao an-tranony  izy ireo ? Matio 8 : 13 ; Lioka 7 : 10

              “Ilay kapiteny izay naniry ny hahatongavan’i Messiah mba hanasitrana ny mpanompony , dia nahatsapa fa ny tenany dia tsy mendrika ny hidiran’i Jesosy ao ambany tafotranony . Tena lehibe tokoa ny finoany an’i Messiah , hany ka nitalaho izy mba hanononan’i Messiah teny iray fotsiny dia ho tonga ny fahasitranana . Eto Jesosy dia manandratra ny tena finoana , izay mifanohitra amin’ny    fisalasalana . Nasehon’i Jesosy fa ireo zanak’Israely dia ho tafitohina vokatry ny tsy finoan’izy ireo , izay hitarika azy ho amin’ny fitsipahana  an’ilay fahazavana lehibe ka hiafara amin’ny fanamelohana sy fahalavoan’izy ireo . Tomasy dia nanambara fa tsy hino mihintsy raha tsy hitany eo amin’ny tanan’i Jesosy ny holatry ny nanomboana Azy ka atehiny eo ny ratsantanany , ary hataony eo amin’ny lanivoan’ny Mpamonjy koa ny tanany . Messiah dia nanome an’i Tomasy ny porofo izay niriany , ary rehefa avy eo , nanakiana azy noho ny tsy finoany ka hoy Izy : Satria nahita Ahy ianao ka nino , fa sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino” . Testimonies for the Church  vol 4 p 233
LEHILAHY SY VEHIVAVIN’NY FINOANA   
7.- Eo amin’ny fijerin’ny Tompo , inona no maha samihafa ny olona ? Ny karazany ve , ny firenena nihaviany ve , ireo razam-beany ve , sa ny finoany ? Aiza no hipetraka indray andro any ireo zanak’i Abrahama , ireo lehilahy sy vehivavin’ny finoana ? Galatiana 3 : 7 ; Matio 8 : 11

 “Ary nony nahare izany  Jesosy dia gaga ,  ka niteny tamin’izay nanaraka Azy  hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Israely aza . Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any antsinana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra . Fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany , any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify . Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe :  Mandehana , tongava aminao araka ny ninoanao . Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankizilahy” .               Matio 8 : 10 – 13
Mba ho saintsainina lalina
              “Moa ve isika manantena amin’ny fomba mandeha hoazy , ka hahita ny finoana tahaka an’io ao anatin’ny olona anankiray izay nanana fahazavana kely dia kely sady tsy isan’ny vahoakan’I Tsitoha ? Nahoana moa no tena maro be tokoa ny Jiosy izay nanohitra sy nitsipaka an’i Jesosy , nefa kosa jentilisa anankiray tahaka an’ity kapiteny ity no nino antsitram-po ny tenin’i Jesosy” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
         ...“Betsaka no mandray ny finoana ho toy ny hevitra tazonina . Ny finoana mahavonjy dia fifanarahana , izay idiran’ireo mandray an’i Messiah amin’ny fifanekena amin’I Tsitoha . Fiainana ny tena finoana . Ny finoana velona rehetra dia mitondra fitomboan-kery , fitokiana mitoetra , izay mahatonga ny fanahy ho hery mandresy . Ilay Fitiavana Mandresy p 364
               “Ny finoana sy ny asa dia hihazona antsika ho voalanjalanja tsara , ary hahatonga antsika hahita fahombiazana eo amin’ny adidy izay tsy maintsy ataontsika mba handavorariantsika ny toetra Kristiana . Jesosy dia niteny manao hoe : ‘Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko , Tompoko , no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra , fa izay manao ny sitrampon’ny Raiko Izay  any an-danitra” . Matio 7 : 21   La Foi et les Oeuvres pp 41 – 42
              “Amin’ireo olona maro izay milaza fa mpianatr’i Messiah , no toa mihevitra fa izy ireo dia manana fahalalahana handray na hanilikilika an’ireo mpanompon’I Tsitoha araka izay tiany hatao ka tsy hampamoahana ny amin’izany . Ny tsy finoana sy ny haizina no mitondra azy ireo hanao izany ? Ny fahiratan-tsaina nananany dia nesorin’ny tsy finoana . Izy ireo dia tsy nanaraka ny feon’ny fieritreretany ka tonga nivadika tamin’ilay faharesen-dahatra izay nananany , ary tsy nanana herin-tsaina sy nihevitra ny hafa ho mitovy aminy” .  Testimonies for the church vol 4 pp 233 – 234

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire