jeudi 4 décembre 2014

MANANA FAHATOKIANA SADY MANAMBOATRA SAMBO FIARA




  “Ny Ray , ao anatin’ny fitondrany , dia nametraka an’i Noa ho solontena naneho ny nataon’ny tena finoana marina . Ny Avo indrindra dia namolavola an’i Noa teo amin’ny fiainany sy ny toetrany , ho olona izay tsy maintsy maneho eo anantrehan’izao tontolo izao talohan’ny safo-drano , ny ohatra voasoritra manokana izay vokatry ny finoana ny tenin’i Tsitoha . Noa dia tsy nandeha araka ny fahazavan’ny tenany manokana . Fa avy tamin’ilay loharanon’ny fahazavana rehetra no nahazoany ny fahaizana manavaka ny zavatra izay nananany , ny fahaiza-manao zavatra vokatr’ireo talenta ara-batana sy ara-panahy sy ny hery rehetra  nananany . Satria izy dia nitoetra tao anatin’ny fifandraisana sy ny finoana an’i Tsitoha , satria olom-bavaka , nanana hamafisana sy talenta ara-batana ary ara-tsaina . Nampirehitra ny fanilony teo amin’ny alitaran’i Ray izy , mba hahafahany ho fahazavan’izao tontolo izao .  Izy dia nitondra hafatra izay nankinin’i Tsitoha taminy”. Signs of the Times 18 Avril 1895
IREO TOETRAN’IZAO TONTOLO IZAO TALOHAN’NY SAFO-DRANO
1.- Nanao ahoana ny toe-toetra ara-pitondrantena sy ara-panahin’ny taranak’olombelona teo amin’ny fotoan’andron’i  Noa ? Inona no fanampahan-kevitra noraisin’i Tsitoha tamin’ny farany ho valinteniny manoloana ny herisetra , ny fitondran-tena ratsy , ary ny fikomiana izay niely ? Genesisy 6 : 35 , 5 , 11 ; Matio 24 : 37 - 38
 
         “Mbola teo amin’ny fahazazany ihany anefa ny tany tamin’izay . Saingy noho ny ota sy ny ratsy nielim-patana sy latsa-paka loatra , dia tsy nahazaka izany intsony ny lanitra . Dia hoy Ny Tsitoha : Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko . Tsy hifandahatra mandrakariva amin’ny taranaka efa simba ny Fanahiko . Raha tsy mijanona amin’ny fandotoana ny tany sy ny fanimbana ny harena napetraka eny tontolo eny izy , dia haringako avokoa na ny biby na ny olona . Hosoloako faharavana sy fahasimbana ny  hakanton’ny zava-boahary” . Patriarika sy Mpaminany p 77
FAHAZAVANA AO ANATIN’NY HAIZINA
2.- Koa satria i Noa dia tsy nitovy tamin’ireo olona izay tao anatin’ny fiaraha-monina nisy azy , inona no voatantara momba azy ? Satria izy dia nanana sitra-po nanaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina , tahaka ny ahoana no fahitan’i Tsitoha azy ? Genesisy 8 : 9

              “ I Noa dia olona nanana finoana an’i Avoindrindra . Ny toerana nisy azy dia tena nanahirana tokoa , izy dia tsy maintsy niady ny ady tsaran’ny finoana teo amin’ny fotoana tsirairay . Roapolo ambizato taona no nomena ny olona teto amin’izao tontolo izao mba hiovan’izy ireo toetra ka tsy hiharan’ny famaizana , ary  Noa dia tsy maintsy niaina niaraka tamin’io taranaka io . Tsy nisy afa-tsy fisafotofotoana ny teo amin’ny manodidina azy . Teo amin’ny toerana rahetra dia feno fahotana sy tsy fahamarinana , ny tsy fisian’ny  fiheverana an’i Ray sy ny lalàny masina , kanefa izy dia tsy maintsy niaina teo amin’ireo olona ireo , ka tsy nandray anjara tamin’ny asa ratsy nataony , fa kosa tsy maintsy naneho ohatra feno fahamarinana , finoana ary fankatoavana feno an’i Tsitoha . Teo anivon’ny fanaovana tsinontsinona an’i Ray izay naneran-tany , i Noa dia mpitoriteny nahatoky izay nanambara ny fahamarinana , naneho ohatra ho an’izao tontolo izao ny amin’ny fenitra tsaran’ny fiainana izay azon’ny olombelona tratrarina , amin’ny alalan’ny fametrahana fitokisana amin’ny tenin’i Ray , izay teny azo antoka , amin’ny alalan’ny fankatoavana an’ireo didin’i Tsitoha rehetra . Saika ny olona rehetra teto amin’izao tontolo izao dia nanohitra an’i Noa avokoa , kanefa nisy olona maro izay tsy nanana ny fahazavana mikasika ny fanavotana izay nampanantenaina an’ireo Ray aman-dRenintsika voalohany” . Signs of the Times 18 Avril 1895
3.- Inona no hafatra nomen’i Tsitoha an’i Noa mikasika ny tany sy ireo mponina eo aminy ? Inona ilay voatendry manokana izay nomena azy mba ho tanterahiny hiarovany ny fianankaviany sy ny tenany ? Genesisy 6 : 13 – 14 a , 17 - 18
 
             “Ireo mponina teto amin’izao tontolo izao talohan’ny safo-drano dia naharay an’ilay hafatra fampitandremana talohan’ny nandavan’izy ireo an’io hafatra io , kanefa dia tsy nisy firaharahana izany . Ireo olona ireo dia tsy nihaino ilay teny izay nolazain’i Noa . Nataony fihomehezana ny hafatra nambaran’i Noa . Nisy olona marina niaina tao anatin’io vanim-potoana io talohan’ny nandravana an’izao tontolo izao tamin’ny safo-drano . I Enoka dia nijoro ho vavolombelona tsy nisalasala . Ary tao anatin’ny fahitana ara-paminaniana anankiray , izy dia nahita ny tena toetran’izao tontolo izao izay misy azy ankehitriny . Dia niteny izy nanao hoe : “ Indro tonga Tsitoha mbamin’ny masiny tsy omby alin’alina hitsara ny olona rehetra sy hampihaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ary ny asan’ny harantsiam-panahiny rehetra , izay nataony tamin’ny haratsiam-panahy sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy”   Review and Herald 2 Aout 1898
LEHILAHIN’NY FINOANA SADY MIASA
4.- Moa ve i Noa nanana finoana tsy voaozongozona ny amin’ny zavatra izay nolazain’Tsitoha taminy ? Moa ve izy nisalasala ny amin’ilay raharaha goavam-be , izay nitaky ny fotoanany  , ny heriny , ary ny fahazoa-manao rehetra izay nananany ?                          Genesisy 6 : 22 ; 7 : 1- 2
 
           “Finoana no nanamboaran’i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany , fa natahotra izy , rehefa notoroan’i Ray hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita . Koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana . Hebreo 11 : 7  Nanaporofo ny fahatsoran’i Noa sy ny fahamarinan’ny hafatra nentiny tamin’ny mpiara-belona taminy ny asany . Vavolombelon’ny asany ny figaonan’ny famaky nampiasainy . Nampiseho ohatra tamin’izao tontolo izao izy , momba ny fanarahana ara-bakiteny izay ambaran’i Ray . Ka dia narotsany nanaovana ny sambo fiara avokoa izay rehetra nananany . Vahoaka avy tamin’ny vazan-tany efatra no tonga hizaha ilay sambo lehibe naorina teny an-tampon-tanety sy nihaino koa ny hafatra manaitra notorin’ilay mpitoriteny hafahafa” . Patriarika sy Mpaminany p78
5.- Koa satria nandritra ny amam-polony taona maro no tsy nisy mihintsy famantarana ny amin’ny mety hisian’ny safo-drano , moa           ve i Noa nandanilany foana ny fotoanany , sa kosa nanokana ny heriny rehetra ho amin’ny famitana an’ilay sambo fiara izay hahavoavonjy azy ? Ankoatran’ny asa fanamboarana ilay sambo fiara , inona ihany koa no iraka hafa notanterahiny ?  Hebreo 11 : 7 ;  II Petera 2 : 5 


                  “Ny Tsitoha dia nampahafantatra an’i Noa ny fikasany , sady nanome baiko azy hampahafantatra ny olona mikasika an’izany amin’ny alalan’ny fanamboarana sambo fiara izay hidiran’ireo mpankatoa , mba ho fialofana ambaram-pahalasan’ny fahatezeran’i Tsitoha . Nandritra ny roapolo ambizato taona i Noa no nanambara ilay hafatra fananarana hentitra , sy fampitandremana ho an’izao tontolo izao talohan’ny safo-drano , kanefa tena vitsy dia vitsy tokoa no nibebaka . Ny sasan-tsasany tamin’ireo mpandrafitra izay nampiasain’i Noa tamin’ny fanamboarana an’ilay sambo fiara dia nino an’ilay hafatra , kanefa maty talohan’ny safo-drano izy ireo . Ny sasany izay niova fo tamin’ny alalan’i Noa , dia nihemotra . Ny olona marina teto ambonin’ny tany dia tena vitsy tokoa , ary valo fotsiny ihany no velona dia izay niditra tao anatin’ilay sambo fiara . Ireo olona valo marina ireo dia i Noa sy ny fianakaviany”. Fundamentals of Christian Education p 504
                  “Ny faharatsian’ny olona dia tena lehibe indrindra , kanefa nisy ihany fanantenana ho azy ireo raha ohatra izy ka niala tamin’ny fanaovan-dratsy , ary ny Ray dia nanao an’i Noa ho mpitondra hafatra avy Aminy , mba hanambara tamin’ireo mponina teto amin’izao tontolo izao tranainy , ny mikasika ny fahotan’izy ireo , sy mba haneho aminy ny zavatra izay nahatonga ny fahatezeran’i Tsitoha . Nampahafantarin’i Noa azy ireo ny zavatra izay nokasain’i Ray hatao teto ambonin’ny tany”.           Signe of the Times 18 Avril 1895
MAZOTO MIASA AMIN-KERY NA DIA EFA ZOKY OLONA AZA
6.- Firy taona i Noa tamin’ny fotoana nanombohany nanamboatra an’ilay sambo fiara ? Moa ve io fotoana efa maha zoky olona azy io nanakana azy tsy hanatanteraka ny sitrapon’i Tsitoha ? Genesisy 7 : 4 – 7
 
             “Nefa i Noa nitoetra ho mafy tahaka ny vatolampy teo anivon’ilay tafio-drivotra . Izy dia nohodidinin’ireo karazana habibiana rehetra sy ireo karazana haratsiam-pitondrantena rehetra, kanefa teo anivon’ny fanaovana tsinontsinona nataon’ny vahoaka taminy sy ny fanarabiana nahazo azy , teo anivon’ny fanaovan-dratsy maneran-tany sy ny tsy fankatoavana , i Noa dia niavaka mihintsy  tamin’ny alalan’ny fananany fahitsiana masina sy ny fananany toetra mahatoky tsy voaozongozona . Raha ny tontolo nanodidina azy tsy te hahalala an’i Tsitoha sy nanka-sitraka an’ireo karazana fanaranam-po rehetra amin’ireo fahafinaretana manimba sy feno hada-lana izay nitarika ho amin’ny herisetra sy fanaovana habibiana isankarazany , ilay mpitoriteny mahatoky izay nampianatra ny fahamarinana dia nanambara tamin’io taranaka io fa ho tonga ny safo-drano izay tsy maintsy hanafotra an’izao tontolo izao noho ny faharatsiana izay tsy misy toa azy nataon’ireo mponina teto amin’izao tontolo izao . I Noa dia nampitandrina mba hahatonga azy ireo hibebaka sy hino ary mba hahita fialofana ao anatin’ilay sambo fiara”.Reflecting Christ p 322
FAMONJENA SY SAINA FENO FANKASITRAHANA
7.- Rehefa tapitra ilay safo-drano ary ny fianankavian’i Noa voatahiry tamim-pamindrampo , ahoana no fomba nanehoan’io mpanompon’i Tsitoha io ny fankasitrahany ? Genesisy 8 : 18 , 20 – 21
 
                “Noa dia tsy nanadino an’i Ray izay nitahiry azy sy ny fianankaviany , tamin’ny alalan’ny famindram-pony . Raha vantany vao avy tao anatin’ilay sambo fiara i Noa , dia nanorina alitara izy ary nanolotra sorona mba ho fanehoany ny finoany an’i Kristy sy ilay sorona fara-tampony nataon’i Kristy , ary koa mba ho fanehoany ny fankasitrahany noho izy mbola velona . Io fanatitra nataon’i Noa io dia niakatra ho any amin’i Tsitoha toy ny hanitra ankasitrahana . Ny Ray dia nanaiky an’ilay fanatitra ary nitahy azy sy ny fianankaviany” . Puissance de la Grace p 133

8.- Inona ireo lesona saro-bidy izay azontsika ianarana avy amin’io trangan-javatra io ? Matio 24 : 38 – 39 , 42 , 44
             
              “Ny hafatra fampitandremana dia tsy maintsy ambara maneran-tany amin’izao fotoan’andro ankehitriny izao , ary noho  ny fandrosoan’ny tsy fahamarinana , dia hiha mangatsiaka ny fitiavan’ny maro . Mipetraka ny fanontaniana manao hoe : ‘Raha avy ny zanak’olona , moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy’ ? Ny fampitandremana dia efa nomena ary manao hoe : ‘Koa amin’izany , miambena kosa ianarao , fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo . Nefa aoka ho fantatrarezo izao : Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra , dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina . Koa miomana kosa ianareo , fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny zanak’olona” . Matio 24 : 42-44 . Manuscript  Releaese  vol 19 p 388 
         “Ankehitriny koa , amin’izao efa maha akaiky ny fihavian’ny Tompo izao , dia mandefa ny mpanompony ny Tsitoha mba hampandre ny mponina ambonin’ny tany ka hahazoan’izy ireo hiomana ho amin’izany . Ny vahoaka marobe izay efa velona teo amin’ny fanitsakitsahana ny lalàn’i Ray dia antsoina amim-pamindram-po koa ankehitriny , hanaraka ny fitsipika masina . Atolotra ny olona rehetra izay te hiala amin’ny ota amin’ny alalan’ny fibebahana amin’i Tsitoha sy amin’ny alalan’ny finoana  an’i Jesosy Kristy ny famelan-keloka” . Patriarika sy Mpaminany p 86
Mba ho saintsainina lalina
                “Raha ohatra ianao ka niaina teo amin’ny fotoan’andron’i Noa , moa ve ianao nitoky tamin’i Tsitoha tahaka izay nataony ? Koa satria ny vanim-potoana izay misy antsika dia mitovy tamin’ny vanim-potoana izay nisy an’i Noa , inona no zavatra izay tsy maintsy inoantsika ary tsy azo hozongozonina ? Fomba ahoana no tsy maintsy ihetsehantsika mba handosirana ny zavatra izay tsy maintsy ho tonga sy mba hanolorana ny famonjena ho an’ny hafa tahaka ny nataon’i Noa” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
Matio 24 : 44 – 51
              “Isika izao dia efa tonga eo amin’ny fotoana napetrakin'i Ray ho an’ny fiomanantsika . Izy dia miteny manao hoe : ‘Indro avy toy ny mpangalatra Aho . Sambatra izay miambina , fandrao mandeha mitanjaka izy , ka hita ny fahamenarany’ . Ny adidy izay tsy maintsy ataontsika izay tsy azontsika esorina ao anatin’ny fifatohan’ny  saintsika  , dia ny famoto-potorana ny hoe : Manao ahoana ny fipetraky ny tenantsika manokana eo anantrehan’i Tsitoha ? Tonga ny tafio-drivotra , masiaka ao anatin’ny haromotany . Vonona ve isika hifanandrina aminy ? Moa ve ireo tongontsika mitsatoka tsara eo amin’Ilay vatolampy mandrakizay ? Moa ve isika iray ihany amin’i Messiah , tahaka ny maha iray Azy amin’ny Ray” ? Review and Herald 27 Decambre 1898

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire