jeudi 4 décembre 2014

MAMETRAKA FITOKISANA AMIN’I TSITOHA SY MIAMPITA NY RANOMASINA MENA



           “Amin’ny alalan’ny fametrahantsika ny fitokisana amin’I Tsitoha , no mahatonga antsika miorina  tsara amin’ny fomba mafimafy kokoa , ka afaka manatanteraka an’ilay asa amin’ny fomba tsy misy fitadiavana tombontsoa manokana ho an’ny tena  . Aoka isika hiankina amin’I Tsitoha amim-panetren-tena , amin’ny alalan’ny fametrahantsika ny tenantsika eo ambany fitondrany , ho an’ny fiainantsika ankehitriny sy ny fiainantsika ho avy . Aoka isika haharitra hatramin’ny farany , ao anatin’ny fahatsiarovana fa isika dia mahazo an’ireo fitahiana avy any an-danitra , tsy noho ny fahamendrehantsika , fa kosa noho ireo fahamendrehan’i Messiah , satria isika dia manaiky amin’ny alalan’ny finoana an’i Messiah , handray an’ireo  fahasoavana marobe omen’I Tsitoha” . Puissance de la Grace p 38 
NY VAHOAKA ISRAELY AO ANATIN’NY LOZA MAHATAHOTRA
1.- Nanao ahoana ilay tahotra mafy nahazo an’ireo Israelita rehefa nahita an’ireo kalesin’ny Egyptiana tamy nanatona azy ireo ? Eksodosy 14 : 10 – 12
 
               “Rehefa tazan’ireo Israelita fa tamy nanenjika azy ireo ny tafika Egyptiana , ny sasany nitaingin-tsoavaly , ny sasany mitaingina kalesy , tao koa ny nandeha antongontra , ary nirongo fitaovam-piadiana , dia tsy nanankery intsony ny fon’ireo Israelita ireo .                          Ny ranomasina mena no eo anoloany , ary ny tafika Egyptiana eo ivohony . Izy ireo dia tsy nanana izay fomba handosirana intsony na dia kely   aza . Ireo Egyptiana dia nanao hiakam-pandresena rehefa nahita fa ireo Israelita ireo dia efa eo ampelatanany manontolo . Tena feno tahotra tokoa ireo Israelita” .  Testimonies for the Church vol 1 p 265
           “Marina tokoa fa teo amin’ny toerana izay tsy nahitana fomba hahafahana izy ireo , raha ohatra ka tsy niditra antsehatra hamonjy azy ireo I Tsitoha . Kanefa izy ireo dia voatery tsy maintsy nitoetra tao anatin’io lalana tampina io , sady nankatoa an’ireo baikon’I Tsitoha … Zavatra tsy mora ny manakana an’ireo tafika Egyptiana mba tsy handrosoany . Teo ampiandrasana ny fidiran’I Tsitoha an-tsehatra . Ireo Israelita  ireo dia nisamboaravoara sy feno tahotra . Tsy afaka nifehy ny fihetsiny intsony izy ireo , ary tsy afaka nanaja ny filaminany , ary tsy nanana ny fahatoniana mihintsy . Koa satria izy ireo nivaloharika vokatr’ilay tahotra naterak’io toe-draharaha io , dia nanao korontana sy herisetra , ary efa niandry ny fahatongavana tsy ho ela eo ampelatanan’ireo mpampahory azy . Ny fidradradradrana  sy ny fanomezan-tsiny izay nifanaovan’izy samy izy tao dia tena nahoraka sy lalina tokoa” . Testimonies for The Church vol 4 p 23
IREO VALIN’ILAY KIAKIAKA MIANTSO VONJY
2.- Inona ilay hafatra manome herim-po sy faniriana hanao zavatra , izay nolazain’i Mosesy avy tamin’I Tsitoha ? Ahoana no fomba namalian’ny lanitra an’ilay kiakiaka feno hakiviana teo amin’ny fotoana nisian’ny fahoriana lehibe indrindra ? Eksodosy  14 : 13 – 16
 
              ...“Raha ny aminy aloha , dia tsy manan-tahotra kely akory ny amin’ny ahitana lalana ivoahana amin’ny loza izy , na toa nampamoy fo aza ny toe-javatra niseho . Tamin’ny feo tony sy matoky no namaliany ny olona hoe : Aza matahotra ianareo , mijanona , fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah izay hataony ho anareo anio , fa ny Egyptiana izay hitanareo anio , dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay . Jehovah hiady ho anareo , fa ianarao kosa hangina” .  Patriarika sy Mpaminany p 283
             “Mosesy dia nanosika azy ireo hampitsahatra ny famoahana teny maneho tsy finoana , ary hametraka fitokisana amin’I Tsitoha sy nampanantena azy ireo fa , I Tsitoha dia hiditra an-tsehatra sy hanohana azy ireo . Rehefa afaka izany , Mosesy dia nitalaho tamin’I Tsitoha mba hanafaka an’ilay vahoaka izay nofidiany ho Azy” . L’istoire de la Rédemption p 121
          “Taty aoriana raha nitantara ny dian’ny Israely namaky ny ranomasina Mena ny mpanao Salamo dia nihira hoe : Tany amin’ny ranomasina ny làlanao . Ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka . Ka tsy fantatra ny dian-tongotrao . Ny tanan’i Mosesy sy Arona , no nitondrana ny olona toy ny ondry” . Salamo 77 : 20 – 21  .  Patriarika sy Mpampinany p 284
3.- Fomba ahoana no nanakanan’I Tsitoha an’ireo Egyptiana mba tsy hanakaiky ny tobin’ny Israelita ka hanery azy ireo mba hiverina indray ho amin’ny fanandevozana ? Inona no baiko nomen’Andriamanita an’i Mosesy mba hanomezany ny fomba fandosirana ? Eksodosy 14 : 19 - 20
 
         “Ireo Egyptiana dia tsy afaka nahita an’ireo Hebreo , satria ilay rahona maizina no teo anoloan’izy ireo . Kanefa io rahona io dia tena mazava ho an’ireo Israelita . Tamin’izany fomba izany no nanehoan’I Tsitoha ny heriny mba hizahany toetra an’ireo vahoakany , mba hahitany hoe : Izy ireo ve dia mametraka fitokisana Aminy ? Satria Izy dia efa nanome porofo maro ny amin’ny fitiavany , sy mba hananatra azy ireo noho ny tsy finoany sy  ireo fimonomononana nataony” . L’istoire de la Rédemption p 122
            “Jesosy dia nitarika an’io tafika lehibe io . Ilay andry rahona tamin’ny atoandro , sy ilay andry afo  tamin’ny alina dia naneho an’Ilay Mpitarika manana ny maha I Tsitoha , izay nitarika azy ireo” . Testimonies for the Church vol 4 p 22
           “Ilay mpanavotra an’izao tontolo izao , izay niafina tao anatin’ilay andry  rahona , dia nifandray tamin’ny Israely . Noho izany , aoka isika tsy hilaza fa izy ireo dia tsy nanana an’i Messiah . Rehefa nangetaheta io vahoana io tany an’efitra , ary nanolo-tena ho amin’ny fimonomononana sy fitarainana , Messiah dia an’io vahoaka io tahaka ny maha antsika Azy , dia Mpamonjy feno fiantrana misy fitiavana , mpanelanelana eo amin’io vahoaka io sy amin’I Tsitoha . Rehefa isika avy manao ny anjara andraikintsika eo amin’ny fanadiovana ny tempolin’ny fanahy mba ho afaka amin’ny loton’ny fahotana , ny Ran’i Messiah dia manankery amintsika , tahaka ny nananan’io Ran’i Messiah io hery tamin’ny Israely tranainy” . ( YI 18 Juillet 1901 ) Commentaires Bibliques pp 265 – 266
4.- Inona ilay fahagagana lehibe izay niseho teo anantrehan’ireo maso maro ? Inona no azon’ilay vahoakan’I Tsitoha natao tamin’io fanandramam-piainana io izay tokana sy mahagaga indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izay ? Eksodosy 14 : 21 – 22
 
                 “Aoka ianareo handroso , eny handroso , io no teny nomen’I Tsitoha ho an’ireo zanak’Israely , raha nijoro teo anoloan’ny ranomasina mena izy ireo , nohodidinin’ireo tendrombohitra tsy azo itodihana ary nenjehin’i Farao sy ny miramilany . Nankatoa an’ilay baiko izy ireo ka nandroso . Rehefa izany , I Tsitoha dia niasa ho azy ireo . Nisokatra ny ranomasina , ary nitsangana teo amin’ny ilany iray tahaka ny rindrina matanjaka , ka nampisy làlana misokatra teo anoloan’ireo zanak’Israely . Ary izy ireo dia niditra teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina , ary nanana toky sy feno fahatoniana . Manuscript Releases vol 18 p 146
                “Ireo rano dia nitsangana ary lasa tahaka ny aty rindrina ranomandry anankiroa , teo andaniny sy ankilany , ka tamin’io fomba io no nanokafan’I Tsitoha ny làlana halehan’ireo zanak’Israely , izay nandeha antongotra nandia tany maina teo ampovoan’ilay ranomasina” . L’histoire de la Rédemption p 122
LALAN’NY FINOANA SY FAHAFAHANA
5.- Inona ilay zavatra izay tsy maintsy ilaina tamin’ny fomba mahatapaka , mba hahatonga an’ilay vahoaka handroso handeha manaraka an’io làlana io ? Ho nanao ahoana ny fihetseham-po tao anatinareo tao raha ohatra ka ianareo voaantso mba handeha eo anelanelan’ny vaingandrano anankiroa , ny iray eo ankavianareo , ary ny iray eo ankavananareo ? Iza no nametrahan’ilay vahoaka ny fitokisany raha nandeha tao anatin’ilay ranomasina izy ?   Hebreo 11 : 29 ; Salamo 106 : 8 – 10
 
             “Noho ny fehendreny, dia nentin’I Tsitoha teo anelanelan’ny ranomasina sy ny fefy tendrombohitra ny Israely mba hahazoany mampiseho ny heriny , sy manetry ny avonavon’ireo mpampahory ny olony tamin’ny fomba manehoeho . Azony natao ny namonjy azy tamin’ny fomba hafa . Azon’ny olony nararaotina hizahan-toetra ny finoana ananany sy hanehoana ny fifikirany amin’I Tsitoha io fomba fanao io . Efa sasatra sy raiki-tahotra ny Israely , ka raha laviny indray ny handroso , araka izay nandidian’i Mosesy azy , dia ho tsy nanokatra lalana hamonjena azy I Tsitoha . ‘Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina , izay mba nandraman’ny Egyptiana , ka dia voatelina izy’ Hebreo 11 : 29 . Nampiseho ny fitokisany tamin’ny tenin’I Tsitoha nolazain’i Mosesy izy raha nandeha nadroso hatreny amoron-drano . Nosarahin’Ilay maherin’Israely roa ahazoany mandeha ny ranomasina rehefa vitany ny anjara nankinina taminy” . Patriarika sy Mpaminany p 287
TAMIN’NY ALALAN’NY FINOANA DIA NAHAZO NY BATISA IZY IREO
6.- Inona no anehoan’ny Soratra Masina an’ilay fanandramam-pinoana manokana  izay nandalovan’ny Israely tranainy tamin’io andro io ? I Korintiana 10 : 1 -2
 
            …“Ny batisa izay noraisin’izy ireo tao anatin’ny ranomasina dia notanterahina taorianan’ny nivoahan’izy ireo niala tao Egypta , ary tamin’ny dingana voalohany tamin’io dia lavitra nankany amin’ny tany kanana io , dia tahaka ny fipetraky ny batisa izay noraisintsika , na koa hoe batisa izay azon’ny olona anankiray raisina rehefa tafavoaka niala tamin’ny zavatra izay ratsy indrindra mihoatra noho ny fanandevozana tany  Egypta sy ireo aizina , ary mino an’i Jesosy Messiah Tompo , ary eo amin’ny fiatombohan’ny filazany ampahibemaso ny finoany an’i Messiah sy ny fiatombohan’ny fidirany eo amin’ny lalan-kizorana rehefa manolon-tena ho kristiana . Ny fidiran’ireo Israelita tao anaty ranomasina rehefa toy ny voatsoboka tao ananty rano izy ireo , ary ny fiakarany nivoaka avy tao anatin’ny rano , teo amin’ilay morondranomasina vaovao , dia tena mifanaraka tsara amin’ny batisa mihintsy , tahaka ny fanaovana batisa atsoboka ao anaty rano , ka amin’izany ilay olona atao batisa dia midina ao anatin’ny rano , alevina miaraka amin’i Messiah , ary mivoaka avy ao anatin’io rano io tahaka ny mivoaka avy ao anatin’ny fasana , na tahaka an’ireo zanak’Israely nivoaka avy tao anatin’ny ranomasina mena .  Dia afaka niravoravo izy ireo rehefa tafavoaka avy tao , ka feno fiderana  rehefa nahita ny famonjena azy sy ny fananana toky fa voaaro tamin’ny loza sy ny fandringanan’ireo fahavalo rehetra , dia tahaka izany ihany koa , ny mpino dia afaka miravoravo , ary tsy maintsy miravoravo amin’io didy io mba ho amin’ny famonjena azy izay ataon’i Messiah , ary noho ireo fahotany rehetra voalevina sy maty ao anatin’ilay ranomasin’i Messiah”…John Gils Bibl Commentary , Commentaires sur  I Kor 10 : 1 - 2 
TANTARA MAHASOA ANTSIKA
7.- Inona no voasoratra ao amin’ny tantara izay voarakita ao anaty baiboly , ary mahasoa antsika sy ireo izay mino an’I Tsitoha ? I Tsitoha dia nanome baiko ho azy ireo mba hamakivaky ny ranomasina hahafahana mandositra . Tahaka izany ihany koa , inona no azontsika antenaina rehefa miantso an’I Tsitoha ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika ?  Eksodosy 14 : 29 – 31 ; Isaia 51 : 10 – 11
 
            “Misy fampaherezana lehibe ho an’ny mpino hatrizay hatrizay eto . Niharan-doza matetika ny fiainany ary toa sarotra tontosaina ny andraikitra . Manangana fahalevonana tsy azo ihodivirana eo anoloany sy fanandevozana na fahafatesana avy aoriany ny fomba fisainany . Mazava anefa ny feon’I Tsitoha miteny aminy hoe : Mandrosoa ! Antsika ny mankatoa ny teny nomena .  Tsy mampaninona na dia tsy mahita ny any ankoatry ny haizina aza ny masontsika ary na efa mitsoboka ny rano mamanala aza ny tongotsika . Misy mandrakariva ny zava-misakana eo anoloan’ny fanahy misalasala sy tsy mino . Tsy ho tonga mpankatoa na oviana na oviana ny olona izay mangatak’andro hisian’ny tsy fisalasalana intsony , na tsy hisian’ny faharesena intsony vao hankatoa . Ny fisalasalana mibitsika hoe : Andraso aloha ho afaka  ny fefy misakana dia ho hitanao ny lalana mazava . Fa amin-kerim-po kosa no itenenan’ny finoana izay manantena ny zavatra rehetra , sy mino ny zavatra rehetra hoe : Mandrosoa” . Patriarika sy Mpaminany pp 287 - 288
Mba ho saintsainina lalina
            “Raha toa isika tsy mahita vahaolana na dia iray aza ho an’ny zava-manahirana miseho , mino ve isika fa I Tsitoha dia afaka manatanteraka ny zavatra izay  toa tsy azo heverina mihintsy araka ny fahalalàntsika . Rehefa avy nijaly nandritra ireo taona maro nanandevozana ireo vahoaka Israelita , inona no antony nahatonga an’I Tsitoha nampandalo azy ireo tao anatin’ilay fitsapana lehibe tao amin’ny ranomasina mena ? Rehefa mandalo fizahan-toetra ianao , moa ve mba tsaroanao io fahagagana mahery indrindra io izay natao tamin’ny vahoaka Israely teo amin’ny famakivakiana ny ranomasina mena nandeha antongotra teo anelanelan’ny rindrina rano” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
Salamo 66 : 6 ; 78 : 13 ; 136 : 11 – 14 ; Isaia 41 : 9 – 10 , 13 – 14 ; 63 : 12 ; 51 : 12 , 15
               “Ireo izay mihevitra fa zavatra tsy mety ho vita ny hanaiky ho eo ambany fifehezan’ny sitrapon’I Tsitoha , sy ny hino an’ireo teny fikasana nataon’I Tsitoha , raha toa ka mbola tsy mazava amin’izy ireo ny zavatra rehetra , ireo olona ireo dia tsy hino mihintsy na oviana na oviana . ‘Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina , fanehoana ny zavatra tsy hita’ Hebreo 11 : 1 .  Ny fankatoavana an’ireo didin’I Tsitoha no hany fomba tokana handraisana ny fahasoavany .  Aoka handroso , io no toky sy teny  baiko ho an’ny kristiana” . Témoignages pour l’Eglise vol1 p 519 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire