vendredi 5 décembre 2014

NAHAHENO NY FIAVIAN’NY ORANA



              “Ilay fanandramana nandalovan’i Elia dia manome lesona maro tena manandanja indrindra ho antsika . Rehefa tonga teo antendrombohitra Karmela izy , ary nangataka orana tao anatin’ny vavaka nataony , dia nozahan-toetra ny finoany . Kanefa izy dia nanana faharetana tamin’ny fampahafantarany amin’I Tsitoha ny fangatahany … Teo amin’ny famerenany faha-enina , raha ohatra izy ka namela an’ilay fivavahana noho ny fahakiviana , dia tsy ho voavaly io vavaka io . Nefa dia naharitra ambara-pahazoany ny valim-bavaka izy . Isika dia manana an’I Tsitoha manan-tsofina izay tsy mikatona amin’ireo fangatahana ataontsika , ary raha toa isika manao fanandramana ny amin’ny tenin’I Tsitoha , Izy dia hanome valisoa ho an’ny finoantsika . Iriany indrindra ny hananantsika saina liana amin’ireo zavatra izay mahaliana Azy . Ary rehefa izany , dia afaka ny hitahy antsika amin’ny fomba azo antoka Izy , satria amin’izany ,  isika dia tsy afaka ny hanome voninahitra ny tenantsika rehefa tonga amintsika ny fitahiana , fa kosa ataontsika ho an’I Tsitoha ny fiderana rehetra” . Commentaries Bibliques p 84 
ILAY HAFATRA NALEFAN’I TSITOHA HO AN’NY MPANJAKA
1.- Inona no nambaran’i Elia tamin’i Ahaba mpanjaka rehefa tsy nisy fomba hafa na dia iray aza nitarika azy ho amin’ny fibebahana sy hiova  fo hanaraka an’I Tsitoha , ary mitovy amin’izany ihany koa ny mikasika an’i Israely ? I Mpanjaka 17 : 1
 
             “Ny hany fanafodin’ny toe-java-nitranga dia ny fialana tamin’ny fahotana izay nahatonga ny famaizan’ny Tsitoha , ary ny fiverenany Aminy amin’ny fony rehetra . Fa efa nomena azy ireo izao fanomezan-toky izao hoe : ‘Indro raha mampihantona ny andro        Aho , ka tsy misy ranonorana latsaka , na asaiko mandany ny tany ny valala , na anaterako arati-mandringana ny oloko , raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony , dia hiaino azy any an-danitra Aho , ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny’  II Tantara 7 : 13 – 14 .  Koa mba hahatongavana amin’izany fandresena izany amim-pihobiana no naharetan’ny Tompo tamin’ny fihazonana ny ando sy ny orana tsy hilatsaka mandra-pisian’ny fihavaozana tanteraka teo amin’ny Israely” . Mpaminany sy Mpanjaka pp 101 - 102
ILAY HAIN-TANY DIA NANJARY TENA  MAFY TOKOA
2.- Tsy nisy orana mihintsy na taiza na taiza teo amin’io firenena io , nanao ahoana  no fatran’ny fahasarotan’ny tsy fahitana ahitra , telo taona taoriana ? I Mpanjaka 17 : 1 ; 18 : 3 , 5

          “Nandritra ny taona maro nisian’ny hain-tany sy ny mosary , dia nivavaka mafy i Elia mba hialan’ny Israelita tamin’ny fanompoan-tsampy ka hiverenany amin’Andrimanitra velona . Ary raha mbola nitambesatra tamin’ny tany ny tanan’ny Tompo , dia efa tsindrian-daona ilay mpaminany teo am-piandrasana izany fiovana izany . Nahatsiaro fangirifiriana mafy izy teo ampieritreretana ny fijaliana sy ny fahatran’ny mpiray tanindrazana aminy , ka niriany fatratra ny hahavita faingana ny fanavaozana teo amin’ny mpanompo sampy . I Tsitoha mihintsy anefa no nanatanteraka ny fikasany , ary tsy nisy nataon’ny mpanompony afa-tsy ny nivavaka tamim-paharetana sy tamim-pinoana ary niandry ny fotoana izay hirotsahany tsy amim-pisalasalana eo amin’ny asa” . Mpaminany sy Mpanjaka p 106
           “Nanana fotoana tsy tambo isaina hiravoravoana ny Israelita . Efa nomen’I Tsitoha ho anjarany ny tany tondra-dronono sy tantely . Fa fony mbola nirenireny tany an’efitra izy , dia efa nampanantena azy ny Tompo fa hitondra azy any amin’ny tany izay tsy hijaliany na oviana na oviana amin’ny hain-tany ...Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ny ranonoran-danitra ... Efa nomena teny fikasana momba ny ranonoram-be izy raha tahiny mankatoa” ...Mpaminany sy Mpanjaka p 108
 NITADY HATRAIZA HATRAIZA ELIA
3.-Taiza no nitadiavan’i Elia kanefa tsy nahitany vokany ? Tamin’ny farany , inona ilay asa tsy maintsy vitaina izay nampanaovin’I Tsitoha azy ? Inona no hafatra feno fanantenana izay noraiketin’ilay fanambarana nomena an’i Ahaba ?I Mpanjka 18 : 10 , 1  
 
              ...“Tanteraka tamin’ny fomba mampangitakitaka indrindra ny faminaniana nolazain’i Elia . Nandritra ny telo taona no nikarohana tamin’ny tanàna rehetra sy ny tany rehetra ilay mpilaza loza . Teo amin’ny famotorana nataon’i Ahaba dia nianiana tamin’ny voninahiny ny mpanjaka sasany fa tsy tao amin’ny fanjakany mihintsy ilay mpaminany hafahafa . Na izany aza dia mbola nitohy ny fikarohana , satria nifofo hahafaty an’i Elia i Jezebela sy ny mpaminanin’i Bala , ary nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hitandro hasasarana hahafaty azy noho ny fahefana ananany . Ary tsy nisy ihany ny ranonorana” .  Nony afaka andro maro , dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Jehovah : Mandehana hoy Izy taminy , hiseho amin’i Ahaba , fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho . Ho fankatoavana izany baiko izany , dia niainga i Elia hiseho amin’i Ahaba . Tamin’io fotoana niaingan’ilay mpaminany hakany Samaria io indrindra no namosa-kevitra tamin’i Obadia lehiben’ny tao an-dapany ny mpanjaka hampizaha ny loharano rehetra sy ny lohasahan-driaka rehetra hahitana ahitra hamonjena ny biby fiompy . Niantraika tamim-pangirifiriana hatrany amin’ny lapan’ny mpanjaka ny vokatry ny hain-tany . Velon-tebiteby fatratra ny amin’izay hanjo ny tao an-dapany Ahaba , ka dia tapa-kevitra izy hanatratra ilay mpanompony hitady izay toerana mba sendra niangaram-bitana ka mety hahitana ahitra”. Mpaminany sy Mpanjaka pp  109 - 110
ANTSO HO AN’ILAY VAHOAKA NIHEMOTRA
4.- Iza no nihaona tamin’i Elia aloha , ary inona no nasainy nataon’io olona io ? Hatraiza no fatran’ny maha mahery an’ilay hafatra izay nomen’ny mpaminany ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny vahoaka izay niangona teo an-tendrombohitra Karmela ? I Mpanjaka 18 : 15 – 16 , 19 - 21

               “Sady gaga no tora-kovitra ny mpanjaka nadre izay nampilazain’ilay lehilahy natahorany fatratra sy nankahalainy , dia ilay nampikarohany tsy nisy farany ... Ary moa ve hanome ozona hafa indray ho an’ny Israely Elia ? Nitombo avo sasaka ny tahotr’ilay mpanjaka . Tsaroany ny tanan’i Jeroboama nohamainina . Tsy azony natao anefa ny tsy hifanena amin’ilay lehilahin’I Tsitoha , na hanainga ny tanany hamely azy . Dia indro ilay mpanjaka , narahin’ny andia-miaramila mpiambina , niroso tamim-pangovitana fatratra , hifanatrika amin’ilay mpaminany . Nifanatri-tava ilay mpanjaka sy ilay mpaminany ... Tamin’ny teny niambakavaka notononina voalohany hoe  : Hay ! tonga aty ianao , ry ilay mampidi-doza amin’ny Israely ? No nanehoany tsy tamim-piheverana akory ny fihetseham-po marina tao anatiny . Tsy niafina tamin’i Ahaba fa tamin’ny tenin’i Jehovah no nahatonga ny lanitra ho toy ny varahana , kanefa dia nanome tsiny ilay mpaminany ihany izy noho ny famaizana mavesatra nanindry ny tany . Toetran’ny mpanao ratsy manko ny mora manameloka ny irak’I Tsitoha ho tompon’andraikitra amin’ny loza izay vokatry ny fandikana ny lalàn’I Tsitoha . Ireo izay eo ambany fanampahan’i satana , dia tsy afaka hahita ny toe-javatra araka ny fahitan’I Tsitoha azy” ...   Mpaminany sy Mpanjaka p 111
 FILAZANA NY AMIN’ILAY ORANA IZAY MANANONTANONA
5.- Tao anatin’ny fananana fitokisana feno ny hafatr’I Tsitoha , inona no nolazain’i Elia tamin’ny Mpanjaka ? Inona no vavaka miredareda nataon’ilay Mpaminany tamin’I Tsitoha mba hilatsahan’ny orana ?  I Mpanjaka 18 : 41 -  42
 
           “I Elia dia tena nanetri-tena tokoa ka tonga teo amin’ny fananana toe-tsaina izay tsy nihevitra mihintsy fa tompon’ny voninahitra . Izany no fe-petra takian’I Tsitoha mba hihainoany ny vavaka , satria raha izany no ataontsika , dia hanolotra ny fiderana ho Azy     isika . Satria I Tsitoha irery ihany no mendrika ho deraina” . Our High Calling p 133 
               Tsy noho ny fisian’ny famantarana ny ranonorana mivatravatra tazana efa hilatsaka no antony nadidian’ilay mpaminany          tamim-pahatokiana fatratra an’i Ahaba mba hiomana amin’ny ranonorana . Tsy mbola nahita rahona na dia kely akory aza teny amin’ny lanitra i Elia , na koa efa nandre kotrok’orana . Nilaza fotsiny ny teny nasain’ny Fanahin’I Tsitoha hambara izy ho valin’ny finoan-dehibe nananany . Nandritra ny tontolo andro dia nanatanteraka tamin-kerim-po tsy azo nohozongozonina ny sitra-pon’I Tsitoha izy , ary naneho ny fahatokiany nisy tao anatiny ny faminaniana voalazan’ny Soratra Masina , rehefa nanao izay rehetra azony natao izy , dia fantany fa I Tsitoha no hanome be dia be ny fitahiana nampanantenaina . Ilay nampahamaina ny tany ihany no efa nampanantena ranonorana betsaka koa ho an’izay rehetra manao ny tsara . Koa dia niandry ny firotsahan’ny ranonorana Elia . Nifona tamin’I Tsitoha tamim-panetren-tena ho an’ny Israely nibebaka izy , ka ny lohany nataony teo anelanelan’ny tongony”… Mpaminany sy Mpanjaka pp 125 - 126
FAHATOKIANA NY VALIN-TENY OMEN’I TSITOHA
6.- Tao anatin’ny fahazoana antoka fa ny hafatra avy amin’I Tsitoha dia ho tanteraka , inona no notenenin’i Elia tamin’ny mpanompony raha mbola tsy nisy akory famantarana na dia iray aza ny amin’ny fisian’ny ranonorana ? Rehefa izany ary , inona no niseho mba ho fahatantearahan’ny tenin’I Tsitoha ? I Mpanjaka 18 : 43 – 45
        
               ...“Inenina nifanarakaraka no niverenan’ilay zatovo nilaza fa tsy nisy famantarana niseho momba ny ranonorana mihintsy teny amin’ny lanitra varahana . Mbola nandefa ny zatovony hijery ny vodilanitra ihany Elia tsy nety ketraka . Fa tamin’ity farany ity kosa  dia  niverina ilay zatovo ka nilaza hoe : Indro misy rahona kely hoatra ny tànan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina . Ampy  izay . Tsy niandry akory izay hampanjombona ny lanitra ilay lehilahin’I Tsitoha . Azony vinany tamin’ny alalan’ny finoana , teo amin’ny rahona kely niakatra avy  amin’ny ranomasina , ny firotsahan’ny ranonorana be dia be . Amboary ny kalesinao ka midina , fandrao voasakan’ny ranonorana ianao  … Raha mbola nivavaka izy , dia tonga hatrany an-danitra ny finoany , ary nihazona ny teny fikasana nomena azy izy . Naharitra tamin’ny finoana Elia mandra-pahazoany valim-bavaka . Tsy niandry ny hahazo ny fanamafisana feno manambara fa efa nandre azy I Tsitoha izy , fa notanany kosa hatramin’ny fanambarana bitika indrindra avy amin’ny fahasoavan’I Tsitoha . Izay nataon’ilay mpaminany dia azon’ny olon-drehetra atao eo amin’ny asany ho fanompoana ny Tompo” . Mpaminany sy Mpanjaka p 126
FANADRAMANA ANANKIRAY TSY HAY HADINOINA
7.- Hafiriana no nahafantarana  an’io teo-javatra io ? Inona no ampianarina mikasika ny finoana sy ny vavaka ?  Jakoba 5 : 17 – 18
             
               “Ilain’ny olona koa amin’izao androntsika izao ny finoana mitovy amin’ny an’ilay mpaminany . Dia finoana izay mitana ny           teny fikasana nomen’I Tsitoha , ka haharitra mitalaho amin’ny lanitra mandra-pandrenesany izany . Mampiray antsika etiety               kokoa amin’ny Tompo izany finoana izany , ka manome antsika ny hery rehetra ilaina amin’ny ady ataontsika amin’ny herin’ny               maizina . ‘Izay nandresy fanjakana tamin’ny alalan’ny finoana , nahazo teny fikasana , nanakombona ny vavan’ny liona , namono ny fidedadedan’ny afo , afaka tamin’ny lelan-tsabatra , raha nalemy dia nampahatanjahina , tonga nahery tamin’ny ady , dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa’ Hebreo 11 : 33 – 34 . Amin’ny finoana no ahazoantsika manatratra ny faratampony kasain’I Tsitoha ho antsika . Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” . Mpaminany sy Mpanjaka p 127
Mba ho saintsainina lalina
              “Inona no tsy maintsy ilaina mba hahazoan’ny olona anankiray ny fandresena , rehefa miatrika fanoherana izay tena sarotra indrindra ? Moa ve azon’Andriamanita atao ny manampy amin’ny alalan’ny fanaovana ny zava-boahary ho fitaovana rehefa mifanandrina amin’ny fihemorana Izy ? Inona no teny fikasana lehibe omena ho an’ireo izay mangataka araka ny sitrapon’I Tsitoha sy ho an’ny voninahiny” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
            “Halan’ny Tompo ny tsy firaihana sy ny tsy fahatokiana aseho eo amin’ny fahasahiranana andalovan’ny asan-tanany . Miray fo amin’ny ady lehibe farany ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy amin’ny fomba tsy hay lazaina izao rehetra izao . Efa mby eo amin’ilay izao tontolo izao maharitra mandrakizay ny vahoakan’I Tsitoha , ka inona indray no zava-dehibe kokoa aminy mihoatra noho ny mitoetra mahatoky amin’Ilay avo indrindra ? Nanana ny olo-malazany ara-panahy tamin’ny andro rehetra ny Tompo , ary mbola manana ihany Izy ankehitriny , dia olo-malaza toa andry Josefa sy Elia ary Daniela , izay tsy matahotra ny hanambara fa anisan’ny vahoaka voafidy izy ireo . Ny fitahiany manokana omena ny olona miasa izay tsy mivily amin’ny lala-mahitsin’ny adidy , sy izay miantso amin’ny hery araka an’I Tsitoha manao hoe : Izay rehetra an’i Jehovaha , mankanesa ety amiko ; Tsy afa-po amin’ny fanambarana izany teny izany ireo olona ireo , fa manery koa an’ireo izay te hiray hevitra amin’ny vahoakan’I Tsitoha mba handroso tsy amim-pisalasalana , ka haneho mazava tsara ny firaiketam-pony amin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy amin’ny Tompon’ny tompo . Mampifanaraka ny sitrapony sy ny fikasany amin’ny lalàn’I Tsitoha ny olona toy izany . Ataony tsinontsinona ny fiainan’izy ireo noho ny fitiavany ny Tompo . Ny asany dia ny hihazona ny fahazavan’ny tenin’I Tsitoha sy ny hampamirapiratra izany eo amin’izao tontolo izao . Mahatoky amin’I Tsitoha , izany no tarigetrany” . Mpaminany sy Mpanjaka pp 117 - 118

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire