jeudi 4 décembre 2014

OLON’NY FINOANA SY FENO FAHARETANA



          “Rehefa tonga mipetraka ao anatin’ny fanahin’ny olona ao ny fahalemen-tsaina , dia tsy manaporofo mihitsy akory izany fa ny Tsitoha dia niova . ‘Izy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay’ Hebreo 13 : 8 . Ianao dia mahazo antoka ny amin’ny fanohanan’I Tsitoha sy ny fanaovan-tsoa ataony aminao , rehefa tsapanao ireo tsirim-pahazavana avy amin’Ilay Masoandron’ny fahamarinana , kanefa kosa , rehefa ny rahona miangona ao anatin’ny fanahinao ao , tsy azonao atao mihintsy ny mihevitra fa nilaozana ianao . Ny finoanao dia tsy maintsy managorobaka aizina . Tsy maintsy tehirizina ao anatin’ny saina ao ny fitafotafon’ny fahasoavan’i  Messiah . Ankasitraho ary omeo tombambidiny ambony indrindra ireo fampianarana avy amin’ny fitiavany . Satria adidy tsy maintsy atao izany . Aoka ny finoanareo ho tahaka ny finoan’i Joba , ka mba hahafahanao miteny manao hoe : ‘Na dia hamono ahy aza Izy , dia mbola hanantena Azy ihany aho’ . Joba 13 : 15 Aoka ianao hiankina amin’ireo teny fikasana nataon’ilay Rainao izay any an-danitra , ary tsarovy ny zavatra nataony tamin’ny lasa ho anao sy ho an’ireo mpanompony . ‘Ary fantatsika fa  ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’I Tsitoha , dia izay voantso araka ny fikasany rahateo” . Romana 8 : 28   Review and Herald 24 Janvier 1888 ; Pour un Bon Equilibre Mental et Spirituel vol 2 pp 511 , 512 
MIFANENA AMIN’ILAY PATRIARIKA  
1.- Iza no nipetraka tao amin’ny firenena nisy an’i Joba tamin’ny fotoan’andron’ireo mpaminany ? Inona no fanambarana mahatalanjona mikasika an’io patriarika io izay hita ao anatin’ny soratra masina . Joba 1 : 1 , 4 – 5 , 8


                “Efa Ray ho an’ny malahelo aho . Ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza nodinihiko Joba 29 : 16 . Miharihary fa i Joba dia nampihatra ny ara-drariny araka ny didin’I Tsitoha” … Ny finoana dia miasa amin’ny alalan’ny fitiavana ary manadio ny fanahy . Ny finoana dia mamony , mamelana , ary mamokatra ho amin’ny fijinjana voa tsara” . General Conference , Daily Bulletin , 18 Mars 1897
FIZAHAN-TOETRA SY FITSAPANA
2.- Inona no voalaza mikasika ny fahafaham-po ara-toekarena nananan’i Joba ? Fomba ahoana  no nanekeny an’ireo voina nahazo azy sy ireo zava-manahirana maro izay nifaoka tampoka ny harenany sy ny fianankaviany ? Joba 1 : 2 – 3 , 20 – 22
  
           “Matetika ny porofo tsara indrindra izay azontsika ananana dia hita ao amin’ny lalana tsara  ka ny fandrosoana kely indrindra dia vidiantsika amin’ny alalan’ny ezaka ,  eny fa na dia misy haizina aza manarona ny lalantsika . Fanandramana nandalovako ny hoe : Isika dia tsy afaka ny hahatratra an’ireo hahavo ambony indrindran’ny finoana mihintsy afatsy amin’ny alalan’ny famakivakiana eo amin’ireo haizina sy rahona … Tsy fahamalinana ny mifamatotra amin’ny fisalasalana sy ny tahotra , satria izany dia mitombo rehefa jerena sy resahina . Izaho dia mahatsapa fa manainga ny sandriko , ary misambotra ny tànan’i Messiah aho tahaka ny nataon’ireo mpianatra izay rendrika tao anatin’ny ranomasina  nahasanganehana . Izaho dia maniry ny hanao ny asako ao anatin’ny toetra mahatoky mba hahatonga ahy ho afaka mahita fanahy mijoro eo anantrehan’ilay seza fiandrianana fotsy , mijoro vavolombelona  aho fa efa  nampitandrina azy  ireo , nitalaho taminy mba hahatonga azy hijery an’ilay zanak’ondrin’I Tsitoha izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao , rehefa izaho mitsangana eo anantrehan’io seza fiandrianana fotsy io , ka antsoina mba hampamoahana ny amin’ireo hetsika nataoko nandritra ny fotoana nitoerako tao anatin’ny vatako , izay voasorata ao anatin’ilay boky” . This Day with God p 212
3.- Ankoatr’ireo fananany izay efa very niala taminy mialoha , inona no nampijaly azy nanomboka teo an-tampondohany ka hatrany am-paladiany ? Inona no nolazain’ny vadiny izay nahasosotra bebe kokoa ny fiainany ? Joba 2 : 7 – 9
 
             “Aoka ianareo hianatra an’ireo leson’ny fanetren-tena sy fandavan-tena ao amin’ny sekolin’i Messiah . Ataovy tsara ao an-tsainareo ao ny maha zava-dehibe indrindra izay niaretan’i Messiah ho antsika , ary aza heverina ho famantarana ny fahatezeran’I Tsitoha raha ohatra ka misy fizahan-toetra izay tsy maintsy zakainareo ho an’i Jesosy . Raha ohata ianareo ka mametraka ny  fitokisana amin’I Tsitoha , ireo fizahan-toetra dia hitondra fitahiana hatrany hatrany , ary avy amin’ireo fizahan-toetra ireo , ny finoanareo dia hivoaka ho mamirampiratra kokoa , mahery , ary madio hatrany . Satana dia miezaka mandrakariva ny hanosika ny fanahy tsy hahatsapa ny fitokiana an’I Tsitoha , ary noho izany , isika dia tsy maintsy mitaiza sy manabe ny saintsika hanana fitokisana an’I Tsitoha . Asehoy ny finoanareo sy ny fanantenanareo rehefa i satana miteny tahaka ny nataon’ny vadin’i Joba hoe : Mahafoiza an’I Tsitoha ianao dia aoka ho faty . Rehefa matoky an’I Tsitoha ianareo dia hahita antony maromaro kokoa hiankinana Aminy . Rehefa miresaka ny hatsaram-panahin’I Tsitoha ianareo , dia hahita bebe kokoa ny fitiavany ka hiresaka ny momba azy io . Amin’izany  fomba izany , ny saina dia mahazo fanazarana miaina ao anatin’ny hazavan’Ilay Masoandron’ny fahamarinana , fa tsy ao anatin’ny aloka izay apetrak’i satana mitsivalana eo amin’ny lalantsika . Aoka ianareo hanantena an’I Tsitoha . Izy no famonjena ho antsika sy Andriamanintsika”. Review and Herald , 1er Septembre 1891
NIJERY LAVIDAVITRA KOKOA TAMIN’NY ALALAN’NY FINOANA JOBA
4.- Ahoana no fomba namalian’i Joba an’ireo voina rehetra ireo sy ny fakam-panahy hisalasala ny amin’ny hantsaram-panahin’I Tsitoha sy ny fitiavany ? Joba 2 : 10
 
              “Ireo sampona izay misakana antsika tsy hampandroso tsara an’ireo toetra kristiana dia ao anatintsika ao ihany . Jesosy dia afaka manala an’ireo sakana ireo . Ny hazo fijaliana izay angatahiny mba ho entintsika dia hampitoetra ao anantintsika ao ny hery izay mihoatra noho ny hery entin’io hazo fijaliana io , ary hanaisotra an’ireo enta-mavesatra ananantsika , mba handraisantsika ny entan’i Messiah izay maivana . Isika dia tsy maintsy miatrika an’ireo ady sy fizahan-toetra eo amin’ny fanatanterahana ireo adidintsika . Messiah dia miantso antsika ho amin’ny voninahitra sy ny fahatsarana . Ny fiainana izay nomaniny tamin’ny alalan’ny tenany manokana  sy ny fahafatesany mba hiainantsika , dia tsy ho nandraisantsika fanaintainana na fijaliana , raha ohatra ka tsy navelantsika io fiainana nomanin’i Messiah io . Ny fahafoizan-tena tsirairay izay ataontsika eo amin’ny fanarahana an’i Messiah , dia dingana ataon’ny ondry very izay miverina mankeo amin’ilay andian’ondry”. This Day With God p 212
5.- Tahaka ny ahoana ny fatran’ny maha tsy voaozongozona ny finoan’io patriarika fanta-daza io? Moa ve izy nahita an’ireo toe-draharaha feno fitsapana ireo sy ny fijaliana ara-batana nahazo azy , ho toy ny sakana tsy azo resena , sa kosa ho toy ny fitaovana eo ampelatànan’I Tsitoha hanamboarana azy ? Joba 13 : 15 ; 23 : 10
 
               “Voalaza fa i Abrahama dia nino an’I Tsitoha , ka nisaina ho fahamarinana izany . Noho ny antson’I Tsitoha dia nilaozany ny tanindrazany sy ireo mponina tao , ary niainga izy nefa tsy nahafantatra akory izay halehany . Izy dia nanantena hahazo an’ilay tanàna izay misy fanorenana mafy , ary I Tsitoha no tompo-marika sy mpanao an’izany tanàna izany . Mosesy ihany koa tamin’ny alalan’ny finoana , dia nanao ny fanaratsiana an’i Messiah ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta , satria nijery ny famaliantsoa izy . Joba , teo anivon’ilay fahavoazana lehibe sy ilay fahoriana ara-batana nahazo azy , dia afaka niteny nanao hoe : Fantatro fa velona ny mpanavotra ahy , ary Izy hitsangana amin’ny farany eto ambonin’ny tany …” “Isika dia afaka miteny miaraka amin’i Joba manao hoa : Izy dia mahafantatra ny làlana izay nizorako , ary hizaha toetra ahy Izy , ka hivoaka ho madio tahaka ny volamena voadio tamin’ny afo aho , satria Ianao ry I Tsitoha efa nizaha toetra anay , efa nanadio anay ianao , dia tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy” . Signs of the Times , 20 Aout 1896
6.- Na dia teo aza ilay voina mahatsiravina sy ny fijaliana ara-batana nahazo azy , inona ilay antoka izay nananan’i Joba ka nanome azy ny hery mba hahazakana izany  ? Joba 19 : 25 – 27
 
               “Aoka isika hanome voninahitra an’I Tsitoha amin’ny alalan’ny fanehoantsika ny finoana mafy orina tsara sy fahatokiana tsy azo ozongozonina . Aoka ho tadidintsika fa I Tsitoha dia tsy mahazo voninahitra amin’ny alalan’ny toe-tsaina manjoretra sy misamboaravoara . Ny Tompo dia mikarakara an’ireo voninkazo ary manome hatsaran-tarehy sy fofo-manitra ho azy ireo . Moa ve Izy tsy hanome ho antsika amin-tsitrapo misimisy kokoa ny hanitry ny toetra sambatra ? Moa ve Izy tsy hamerina indray ao anatintsika ao ilay endrik’I Tsitoha ? Noho izany aoka isika hanana finoana Azy . Anio dia anio mihintsy no aoka hampitoerantsika ny tenentsika eo amin’ny toerana izay ahafahany manolotra ho antsika ny Fanahiny Masina . Rehefa izany no zava-misy , isika dia afaka ny haneho amin’izao tontolo izao ny zavatra izay tanterahin’ny tena fivavahana marina eo amin’ireo olona manodidina antsika . Ny fifalian’Ilay mpamonjy izay mameno ny fontsika no manome ho antsika ny fiadanana sy ny fananana toky , izay hamela antsika hanambara manao hoe : ‘Kanefa raha izaho , dia fantatro fa velona ny mpanavotra ahy . Ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy” .             Joba 19 : 25  Vous Recevrez une Puissance p 72   
NY VALIN-TENIN’I TSITOHA
7.- Taorian’ireo fitsapana mafy nandalovan’i Joba , inona ireo fitahiana lehibe izay nomen’I Tsitoha azy ? Inona ireo fitahiana fanampiny izay nantenainy amin’ny ho avy ? Joba 42 : 10 – 12

               “Fa hoy indrindra i Joba raha naneho ny finoany izy : ‘Fa mahalala ny làlana falehako izy . Raha hizahany toetra aho dia hivoaka tahaka ny volamena’ Joba 23 : 10  . Izany tokoa no zavatra tonga tamin’ny alalan’ny faharetana nananany , sy ny fahafahany niaritra ny fijaliana , izy dia niaro tena tamim-pahombiazana , ary tamin’ny alalan’izany no niarovany an’ilay anankiray izay nasehony . ‘Ary Jehovah nampody ny fiadanan’i Joba , raha nivavaka ho an’ny sakaizany izy , ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy . Ary Jehovah nitahy ny niafan’i Joba mihoatra noho ny voalohany , ka nanana ondry aman’osy efatra arivo amby iray alina , sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary boriky vavy arivo Izy ”.  Joba 42 : 10 , 12 Education p 178
              “Hahita Azy aho , ary Izy dia hanohana ahy , ireo masoko mihintsy no hahita Azy , fa tsy ny mason’olonkafa . Izao manaraka izao no teny nataon’i Paoly rehefa akaiky ho faty izy : ‘Efa niady ny ady tsara aho , nahatanteraka ny fihazakazahako aho , nitahiry ny finoana aho , hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fiainana , izay homen’ny Tompo , Mpitsara marina ho ahy amin’izay andro  izay ; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa” . II Timoty 4 : 7 – 8  The Youth’s Instructor , 8 Juillet 1897
OHATRA ALAIN-TAHAKA I JOBA
8.- Iza ireo lehilahy ambony izay nanehoan’ny mpaminany Ezekiela an’i Joba ? Inona no ambaran’ny Testamenta vaovao mikasika an’i Joba ? Ezekiela 14 : 20 ; Jakoba 5 : 11

               “Ny finoako dia tsy afaka mamonjy anareo , ary ny finoanareo dia tsy azoko ampiasaina mba hahazoako famonjena . ‘Na dia ao aza Noa sy Daniel ary Jakoba , raha  velona koa Aho hoy Jehovah Tompo , dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo , fa ny tenany ihany no voavonjiny  noho ny fahamarinany’ Ezekiela 14 : 20 . Izy ireo dia tsy afaka namonjy afatsy ny tenany fotsiny ihany . Isika dia tokony hitady an’I Tsitoha mihintsy mba handraisantsika ny fahasoavany izay mamela heloka . Ankehitriny no fotoana ananana fanandramana ara-pivavahana mba hiantrehana an’ireo andro mampatahotra izay efa mby eo anoloantsika . I Tsitoha dia maniry antsika ho sambatra . Rehafa nanome an’i Messiah ho an’izao tontolo izao Izy , dia ny lanitra manontolo no nomeny ao anatin’ny fanomezana indray mandeha monja izay tsy azo tombanana . Nosokafany ho antsika ireo harena rehetra ananan’ny heriny sy ny fahasoavany . Amin’ny alalan’ny finoana velona , isika dia afaka misambotra ny tànan’Ilay hery tsy manam-petra . Ary afaka ny ho tena hifamatotra indrindra tokoa amin’Ilay Andriamanitry ny lanitra , hany ka ny fahasoavany dia ampy tsara ho an’ireo toe-javatra rehetra izay mety miseho amin’ny fiainana . Hoy ny mpaminany hoe : Olona dimy avy aminareo no hanenjika olona zato , ary olona zato avy aminareo no hampandositra olona dimy alina” . Signs of The Times , 10 Juin 1889      
Mba ho saintsainina lalina
             “Moa ve ny finoan’ny Kristiana ankehitriny afaka miorina amin’ny fototra fasika aterak’ireo fihetseham-po sy ireo toe-draharaha miseho ? Moa ve ny tena mpino marina hampifantoka ny sainy amin’ireo rahona sy ireo haizina , sa kosa hijery lavitra kokoa mihoatra noho izay hitany ? Tahaka ny an’i Joba patriarika , inona ireo trangan-javatra miseho izay hitondra zava-manahirana sy fizahan-toetra ho an’ny tena mpino marina” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
           “Ireo taona maro nitoerana tany an’efitra dia tsy ho very maina . Tao amin’io efitra io no nahafahan’i Mosesy nanao fiomanana ho amin’ilay asa lehibe izay teo anoloany , ary tsy izany fotsiny ihany , fa koa nandritra an’io fotoana izay nitoerany tany an’efitra io , dia teo ambany torolàlana nomen’ny Fanahy Masina no nanoratan’i Mosesy ny bokin’ny Genesisy sy ny bokin’ny Joba , ary ireo dia ho boky izay ho vakian’ny vahoakan’I Tsitoha amin’ny fahalianana tena lalina indrindra hatramin’ny fihafaran’ny fotoana” . ( ST 19 Fevrier 1880 )  Commentaires Bibliques p 107   
            « Navelan’I Tsitoha handalo izany fizahan-toetra izany ny mpanompony mba hampianarany azy hahay hilefitra sy hanana faharetana ary hahay hino . Ireo lesona ireo dia azon’izay rehetra handalo fahoriana hianarana koa . Raha eo amin’ny lalana saro-patarina indraindray no hitondran’I Tsitoha ny zanany , dia tsy manadino velively izay rehetra mahatoky Azy Izy . Navelany hatao sesi-tany tany Patmo i Jaona , ilay mpianatra malala , kanefa tsy nafoiny izy fa tonga tao aminy ny zanak’I Tsitoha , ka naneho azy ireo fahitana be voninahitra mandrakizay . Rahafa avelan’I Tsitoha hiharan’ny fitsapana ny vahoakany , dia ny mba hahatonga azy , rehefa avy mankato sy maharitra , hahazo soa ara-panahy be dia be . ‘Fa Izaho mahalala ny hevitra hieverako anareo , hoy Jehovah , dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza’ Jeremia 29 : 11 . Ny fahoriana mafy izay tsaroantsika fa mampangirifiry antsika indrindra , ka iheverantsika fa nahafoy antsika I Tsitoha , dia mikendry ny mba hanatonantsika akaikikaiky kokoa an’i Jesosy , ka hametrahantsika eo an-tongony ny tebitebintsika sy mba hanandramantsika koa ny fiadanana izay atolony ho valin’izany” .  Patriarika sy Mpaminany   pp 117 - 118

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire