vendredi 5 décembre 2014

TSY NATAHOTRA IREO LIONA



           “Daniela , ilay babo Hebreo , mpiraiministry ny fanjakana , dia nifanehatra tamin’ny sakana maro izay nanemban-tsembana ny fiainany mahatoky tamin’I Tsitoha . Kanefa hatreo amin’ny niantombohany nanao an’ilay raharaha niandraiketany , dia nanapa-kevitra hanao ny lalàn’I Tsitoha ho fitsipika mifehy ny fiainany izy , na inona na inona olana na koa zavatra  mety manohitra an’izany . Koa satria nahazo ny hamafisana tsy azo nozongozonina izy teo anivon’ireo fitsapana maro izay tsy maintsy nantrehiny isan’andro  tao amin’ny lapan’ilay mpanjaka jentilisa , noho izany , ny finoany , sy ny herim-po nananany , ary ny hamafisana tsy voaozongozona nananany dia niha matanjaka , ka rehefa nampahafantarina ny olona ilay didy navoakan’ny mpanjaka izay nandrara ny fiankohofana amin’I Tsitoha izay tompoiny , dia afaka nijoro ho mahatoky tamin’ny fitsipika sy tamin’I Tsitoha izy , rehefa nosokafana teo anantrehany ilay lavaka nisy liona marobe” . Sketches From the Life of Paul pp 297 – 298
DANIELA TEO AMIN’NY TOERANA AMBONY
1.- Inona ilay toerana ambony nisy an’i Daniela teo amin’ny fanjakana Medo-Persiana izay teo ambany fifehezan’i Dariosa ? Avy taiza no nandraisan’i Daniela ny talenta lehibe sy ny fahafahana manao zavatra nananany ? Daniela 6 : 1 – 3 ; 1 : 17
 
             “Rehefa nahazo ny fahefana teo am-pelatanan’ireo mpanjakan’i Babylona hatramin’izay i Dariosa Mediana , dia nanao ny fandaminana ny fanjakana avy hatrany  . Nanisy solom-panjaka roapolo amby zato izy ... Tamin’ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy ary Daniela no anankiray tamin’izany , mba hilazan’ny solom-panjaka ny raharaha tsy aha faty antoka ny mpanjaka . Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solom-panjaka namany , fa nanam-panahy hendry  izy , ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ny fanjakana rehetra” . Mpaminany sy Mpanjaka p 441
FIALONANA SY FIHATSARAM-BELATSIHY
2.- Moa ve ireo filoha sy mpifehy hafa dia faly ny amin’i Daniela raha nomena ny toerana ho ambony noho izy  ireo ? Inona no fandrika novolavolainy  mba hanamperana ny ain’i Daniela ? Daniela 6 : 4 – 9
               
              “Inona no lesona aseho eto ho an’ny kristiana rehetra ? Maso maro maranitry ny fialonana no mibanjina isan’andro an’i Daniela . Ny fandinihana ataon’izy ireo dia atosiky ny fankahalana . Kanefa tsy misy na dia iray aza teny na hetsika nataon’i Daniela , izay azo nanankianana azy , nefa na dia izany aza , Daniela dia tsy  mba nirehareha mihintsy fa kosa nanao izay tsaratsara kokoa hatrany . Izy dia niaina tamin’ny fiainana feno fahatokiana sy feno fanoloran-tena”. Conseils à l’Eglise p 39
                 “Arakaraka ny maha tsy manantsiny ny fitondran-tenan’i Daniela , no naha lehibe kokoa ny fankahalàna tao anatin’ireo fahavalony . Izy ireo dia feno fahatezerana satria tsy nahita na inona na inona mba hahafahany miampanga an’i Daniela , na teo amin’ny fitondran-tenany izany na teo amin’ny fanatanterahany ny adidiny . In-telo isan’andro i Daniela no nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra . Io no ilay hany fiampangana tokana izay azo entina mba hanoherana azy” . The Sanctified Life pp 42 – 43
3.- Moa ve Daniela nanohitra ny mpanjaka mikasika an’ilay didy izay tsy ara-drariny ? Moa ve izy nanova ny zavatra ninoany , na nitsahatra tsy nivavaka  intsony , sa kosa nitohy nametraka ny fitokisany tamin’I Tsitoha ihany ? Daniela 6 : 10
  
         ...“Fantatr’i Daniela vetivety foana ny hevi-petsy niafina tamin’io didy io , kanefa tsy nampiova na inona na inona teo amin’ny fihetsiny izany . Nahoana tokoa moa no hijanona tsy hivavaka izy , kanefa tena ilainy indrindra ny hery ara-panahy izao ? Aleony mamoy ny ainy toy izay tsy hanana fanantenana ao amin’I Tsitoha . Tsy niova tamin’ny fahatoniany andavanandro izy ka nanefa ny adidiny tamin’ny naha lehiben’ny somom-panjaka azy . Tamin’ny fotoana fivavahany , dia nitokana tao amin’ny efi-tranony izay nisy varavarankely nivoha nanandrify an’i Jerosalema izy . Ary dia niantso ny Andriamanitry ny lanitra araka ny fanaony . Tsy mba nitady  hiafina izy raha nivavaka . Koa na dia fantany tsara aza ny ho vokatr’izao fahatokiany an’I Tsitoha izao , dia tsy niketraka ny fanahiny na tamin’ny fotoana kely monja aza” ... Mpaminany sy Mpanjaka p 442
IREO  FIAMPANGANA NATAON’IREO FAHAVALO
4.- Iza no nandefasan’ireo fahavalon’i Daniela ny fiampangana nataon’izy ireo fotoana fohy , rehefa vao avy nivavaka tamin’I Tsitoha iny indrindra i Daniela , tahaka izay fanaony mandrakariva ? Daniela 6 : 11 – 14

            “Nitily an’i Daniela nandritra ny tontolo andro ireo solom-panjaka . Intelo no nahitany azy niditra tao an-tranony ary in-telo no nandrenesan’izy ireo azy nanandratra ny feony tamin’I Tsitoha tamin’ny vavaka mafana . Ny ampitso marainan’iny dia niseho teo anantrehan’ny mpanjaka  izy ireo hampahafantatra azy ny toe-javatra , fa i Daniela ilay nohajaina indrindra , ilay nahatoky indrindra tamin’ny komandiny , no sahy nihaika ny didin’ny mpanjaka . Moa tsy misy lalàna nasianao Sonia va , fa na zovy na zovy no hanao fangatahana , na amin’I Tsitoha , na amin’ny olona ato anatin’ny telopolo andro , afa-tsy aminao ihany ry mpanjaka o , hoy ny nampahatsiahivin’ireo azy , dia hatsipy ao an-davaky ny liona” ? .... Mpaminany sy Mpanjaka p 443
NY FINOAN’I DANIELA NA DIA EFA NANANONTANONA AZY AZA NY FAHAFATESANA
5.- Na dia efa nanoloana ny fahafatesana aza i Daniela , finoana manao ahoana , ary fahamafisana tsy voaozongozona manao ahoana no nohazoniny ? Tao anatin’ny fahafantarana ny fahitsian’i Daniela sy ny toetra mahatoky nananany , inona no faharesen-dahatra nasehon’ny mpanjaka ? Daniela 6 : 15 – 17
 
            “Moa ve isika tsy mba tena mila fatratra ny hiantso an’I Tsitoha tahaka ny nataon’i Daniela ? Izaho dia miteny amin’ireo izay mino , fa miaina eo amin’ny vanim-potoana farany indrindra eo amin’ny tantaran’ny tany isika … Enga anie I Tsitoha izay nahare ny vavak’i Daniela hahare ireo vavaka ataontsika rehefa manatona Azy amin’ny alalan’ny fo feno fibebahana lalina tokoa isika . Ireo zavatra izay ilaintsika dia tena maika indrindra  , ireo zavatra manahirana antsika dia tena lehibe tokoa , ary ilaintsika ny manana faharetana milofo mitovy amin’ny faharetana nananan’i Daniela , avy amin’ny alalan’ny finoana ,  isika dia mametraka ny enta-mavesantsika eo amin’Ilay anankiray Izay mandray ho eo antsorony ireo anta-mavesatra rehetra ananantsika . Tsy maintsy ilaina ihany koa ny fontsika ho voakasika lalina mihintsy amin’izao fotoana izao , tahaka ny tamin’ny fotoana nivavahan’i Daniela” .  Review and Herald ,9 Fevrier 1897 . Confict and Courage p 256
         “Ny finoana sy ny fahafenoana izay nananan’i Daniela , no tokony ho ao anatin’ny fon’ireo zanak’I Tsitoha amin’izay miaina ankehitriny . Amin’izao vaninandro misy antsika izao no tena ilana ireo zavatra roa ireo” .Our High Calling p 249
6.- Hatraiza no fatran’ny fahatanjahan’ny finoan’i Daniela rehefa nalatsaka tao an-davakay ny liona izy ? Ahoana no fomba nataon’Ilay I Tsitoha velona izay ninoan’i Daniela mba hamonjeny azy tsy ho fatin’ireo biby masiaka ? Daniela 6 : 18 – 22
 
              “Mampianatra antsika izany fanafahana an’i Daniela izany , fa amin’ny fotoana hisian’ny fitsapana sy ny fahorian-dehibe , dia tokony hanohy hitondra tena tahaka ny amin’ny andro izay niainana teo anivon’ny fiadanana nahavelom-panantenana tamin’ny fikasana rehetra isika . Ilay Daniela tao an-davaky ny liona ihany mantsy no Daniela nanao ny asa teo anilan’ny mpanjaka tamin’ny naha mpifehy ny ministra nanampy azy sy ny asa naha mpaminanin’ny Avo Indrindra azy . Tsy hanam-piovana ny olona miankina amin’I Tsitoha , na eo amin’ny ora manjombona amin’ny fahoriana , na eo amin’ny fotoan-tsambatra hahombiazana amin’izay atao , ka hibaliahan’ny fahazavana avy amin’I Tsitoha sy ny fankasitrahan’olombelona aminy . Mahatratra hatrany amin’ny tsy hita maso ny finoana ka mahazo ny zavatra tena izy izay maharitra mandrakizay” .   Mpaminany sy Mpanjaka p 445
FANDRESENA SY FANAMBINANA
7.- Noho ny fahatokiana feno an’I Tsitoha , dia afaka tamin’ny inona i Daniela ? Inona no vokatra lehibe nentin’io fitsapana io tamin’ny mpanjaka , mikasika an’ilay anaran’I Tsitoha marina , ary mikasika an’i Daniela ihany koa ? Daniela 6 : 23 , 25 – 28
                 
           “Daniela dia mpanao raharaham-panjaka mahatoky tao amin’ny lampan’ny mpanjakan’i Babylona , satria izy dia tia sy natahotra an’I Tsitoha , ary nitoky  taminy . Ka rehefa eo amin’ny fotoana hisian’ny fakam-panahy sy ny zavatra mampahita loza , izy dia arovan’ny herin’I Tsitoha . Hitantsika ao anatin’ny Soratra Masina  fa I Tsitoha dia nanome fahendrena ho an’i Daniela ary nametraka tsilon-tsaina tao anatiny tao”. Fundamentals of Christian Education p 421
Mba ho saintsainina lalina
            “Nahazo voninahitra I Tsitoha tamin’ny alalan’ilay fanandramana nandalovan’i Daniela . Moa ve marina ihany koa fa I Tsitoha dia mahazo voninahitra amin’ny alalan’ireo fanandramana andalovanareo ? Moa ve misy ny tsy mampitovy ny finoana sy ny toetran’i Daniela amin’ny finoantsika sy ny toetrantsika ankehitriny” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
             “Matetika isika dia tsy afaka manao vavaka eo am-pandoalihana , kanefa kosa ny lalana mankeo amin’ilay seza fiandrianan’ny fahasoavana dia mivoha mandrakariva . Raha eo ampanaovana asa misy fihetsiketsehana isika , dia azontsioka atao ny mangataka fanampiana , ary ilay anankiray izay tsy mba hamitaka antsika mihintsy , dia mampanantena antsika manao hoe : Hahazo ianareo . Ny kristiana dia manana fotoana hivavahana mandrakariva . Daniela dia olona mpiasam-panjakana , nanana andraikitra mavesatra , kanefa izy dia nivavaka in-telo isan’andro nitady an’I Tsitoha . Ary I Tsitoha dia nanome azy ny Fanahy Masina . Tahaka izany ihany koa ankehitriny , ny olona dia afaka mangata-bonjy eo amin’ilay seza fiandrianan’ny avo indrindra , sy mahatsapa ny fahazoan’antoka ny amin’ny teny fikasany . ‘Ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay . Sy ao amin’ny fitoerana mahatoky .  Ary ao amin’ny fialantsasatra feno fiadanam-po’ . Isaia 32 : 18  Ireo rehetra izay mila , dia afaka mahita toerana mba hifandraisany amin’I Tsitoha , na dia eo amin’ny toerana izay tsy misy sofina maheno aza , nefa kosa Ilay sofiny dia mivoha amin’ny kiakiakan’ireo izay manantena  vonjy , ireo izay ao anatin’ny tebiteby , ary ao anatin’ny tsy fahampiana , dia Ilay anankiray izay mijery na dia ny fahalatsahan’ny tsintsina kely aza . Izy dia miteny manao hoe : “Koa aza matahotra , fa mihoatra noho ny tsintsina ianareo” Matio 10 : 31  Councils on Health pp 423 – 424

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire