vendredi 5 décembre 2014

LEHIBE NY FINOANAO



            “Niantoraka tamin’ny finoana ilay vehivavy Foinikiana nanohitra ireo sakana izay natsangana hampisaraka ny Jiosy sy ny jentilisa . Notoheriny ny fahakiviana , tsy noheveriny ny zavatra niseho ivelany mety hitarika azy ho amin’ny fisalasalana , fa natoky ny fitiavan’ny Mpamonjy izy . Toy izany no irin’i Messiah hatokisantsika Azy . Ho an’ny fanahy tsirairay ny fitahian’ny famonjena . Tsy nisy afa-tsy ny safidin’ny tenany no afaka hanakana olona tsy ho tonga mpiombona amin’ny teny fikasana ao amin’i Messiah noho ny filazan-tsara”. Ilay Fitiavana Mandresy p 430
NY FITALAHOAN’ILAY VEHIVAVY KANANITA ANANKIRAY
1.- Iza ilay vehivavy nitalaho tamin’ny Mpamonjy , mba hahazo vonjy Aminy , tao amin’ny faritra jentilisa iray izay any Liban ankehitriny ? Matio 15 : 21 – 22 ; Marka 7 : 24 – 25


               ...“Taranaky ny Kananita fahiny ny mponina tao amin’io faritany io ... Anisan’io antokon’olona io ilay vehivavy tonga nanantona an’i Jesosy ... Efa nandre ny amin’ilay Mpaminany ity vehivevy ity , izay nanasitrana ny karazan’aretina rehetra , araka ny nambara . Raha nandre ny amin’ny heriny izy , dia nifoha ny fanantenana tao am-pony . Ny fitiavan’ny Reny no nanainga azy , ka tapakevitra izy hitondra ny manjo ny zananivavy eo Aminy . Fikasana hentitra ny azy ny hitondra ny fahoriany eo amin’i Jesosy . Tsy maintsy manasitrana ny zanany Izy .Efa nitady fanasitranana tamin’ireo i Tsitoha jentilisa izy , nefa tsy nahazo fanasitranana , ary indraindray dia voan’ny fakam-panahy hihevitra hoe : Inona moa no azon’ity Mpampianatra Jiosy ity atao ho ahy ? Tonga anefa ny teny manao hoe : Manasitrana ny aretina rehetra Izy , na nanankarena na nahantra izay tonga nitady fanampiana teo Aminy . Tapa-kevitra izy tsy hanary ny hany fanantenana ho azy” .   Ilay Fitiavana Mandresy pp  425 - 426
JENTILISA KANEFA TONGA MPINO
2.- Ahoana no ahafahana manazava ny finoana an’i Jesosy izay nananan’ny olona anankiray avy any amin’ny firenen-kafa , sady nahazo fanabeazana jentilisa ? Inona no fantatra mikasika ny fahalalàna an’Ilay Mpampianatra avy any an-danitra , hatreo amin’ny fiantombohan’ny raharaha nataony ? Matio 4 : 23 – 24 ; Marka 7 : 26

            “Messiah dia niaina tao anatin’ny fahafohizan-tena mitohy . Izy dia tsy mba nametraka ny asa nataony ho eo amin’ny toerana voafetra na fotoana voafetra . Ny asany dia nivelata lavitra tokoa , tahaka ny fitiavany ho an’ireo fanahy , sy ny fahavononany hanasoa an’ireo fanahy ireo , izay hanolorany ny tenany tsy ho ela intsony taorianan’io fotoana io . Ny fangorahany dia tsy manam-petra . Notanterahany tsara mihintsy ny asam-panasitranana nataony , tamin’ny fivelarana tena midadasika tokoa , hany ka tsy nisy trano lehibe na dia iray aza tao Palestina antonona an’ireo vahoaka marobe izay nibosesika nankeo Aminy . Izy dia nanana ny toeram-pitsaboany tao amin’ireo tanan-dehibe na vohitra kely tsirairay izay nandalovany . Teo amin’ny ilan’ireo tendrombohitra tao Galilia , teo amin’ny toerana izay nahasarika olona tao anatin’ny zava-boahary , teo amoron-drano , teo amin’ireo sinagoga , ary amin’ny toerana rehetra izay misy fo vonona ny hihaino ny hafatra entiny . Jesosy dia nanasitrana marary ary nanoro làlana azy ireo ho any amin’Ilay Rain’izy ireo izay any an-danitra . Ny harivariva taorianan’ireo ora fiasana , Izy dia niresaka tamin’ireo izay tsy maintsy niasa nandritra ny tontolo andro mba hahita fivelomana ho an’ny fianankaviany” . Levez vos Yeux en Haut p 322     
         “Ireo teny ireo dia manome ny fanori-tsoritana ny amin’ny fomba niasan’i Jesosy , ka nanaovany fambolena tao amin’ny tanimbolin’ny fo . Ireo teny ireo dia maneho mazava tsara ny asa izay tsy maintsy ataontsika , tsy hoe eo amin’ny toerana anankiray fotsiny ihany , fa amin’ny toerana rehetra ihany koa” . Review and Herald 30 Mars 1905
TSY NISY VALIN-TENY TEO NOHO EO
3.- Moa ve ny Tompo namaly avy hatrany ny fangatahan’io renim-pianankaviana io ? Tao anatin’ny fiheverana fa tsy niraharaha ny zavatra mahazo an’io renim-pianankaviana io Jesosy ,  inona no nangatahan’ny mpianatra mba hataony ? Matio 15 : 23
 
        “Fantatr’i Messiah ny toerana nisy an’ity vehivavy ity . Fantany fa naniry mafy ny hahita Azy izy , ka nankeo amin’ny lalany . Raha namonjy azy tamin’ny fahoriany Izy dia azony atao ny hanome azy lesona amin’ny alalan’ny ohatra velona izay efa nokasainy hampianarina azy rahateo . Noho izany antony izany no nitondrany ny mpianany teo amin’io faritra io . Tiany ho hitan’izy ireo ny tsy fahalalana misy eo amin’ny tanàn-dehibe sy vohitra akaiky ny tanin’Israely . Ny vahoaka izay nomena ny fotoana mety ahazoana ny fahamarinana , dia tsy nanana fahalalana ny amin’ny fahorian’ireo manodidina azy” ...Tsy namaly avy hatrany ny fangatahan’ilay vehivavy Messiah . Noraisiny ho tahaka ny nataon’ny Jiosy taminy ity solontenan’ny firazanan’olona nozimbazimbaina ity . Nataony izany mba ho tafalatsaka tao am-pon’ny mpianatra ny fomba mangatsiaka sady tsy antra izay nandraisan’ny Jiosy ny toy izany , araka izay nasehon’ny taratra tamin’ny fomba nandraisany an-dravehivavy sy ny fomba feno fangorahana tiany hifandraisan’izy ireo amin’ny fahoriana toy izao , araka izay nasehony mazava tamin’ny famaliany ny fangatahany nanaraka an’izany .  Ilay Fitiavana Mandresy p 426
4.- Inona no notenenin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy aloha ? Tamin’ny tranganjavatra inona ihany koa no nanaovan’i Jesosy teny mitovy amin’io ? Matio 15 : 24 ; 10 : 5 – 6
 
          “Nefa na dia tsy namaly aza Jesosy dia tsy nanary ny finoany ravehivavy . Raha nanohy ny diany Izy , toy ny tsy nandre azy , dia mbola narahiny ihany sady notohizany ny fitalahoany . Sorena tamin’ny fanelingelenana nataony ny mpianatra ka nangataka an’i Jesosy handroaka azy . Hitany fa tsy niraika taminy ny Tompo , koa noheveriny fa nahafinaritra Azy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ny Jiosy momba ny Kananita . Mpamonjy mangoraka anefa no nanaovan’ilay vehivavy ny fiangaviany , ary ho setrin’ny fangatahan’ny mpîanatra , dia namaly Jesosy hoe : Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely . Na dia toa mifanaraka amin’ny hevitra nibahana tao an-tsain’ny Jiosy aza izany valinteny izany , dia nirakitra fanomezan-tsiny ho an’ny mpianatra izay azon’izy ireo taty aoriana , satria nampahatsiaro azy izay efa nolazain’i Jesosy imbetsaka , fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy hamonjy izay rehetra   mety manaiky Azy” . Ilay Fitiavana Mandresy pp  426 - 427
NAVERINA ILAY FANGATAHANA SY FITALAHOANA
5.- Moa ve ilay Renim-pianankaviana niala rehefa nahare ilay fandavana ? Fitiavam-bavaka mahitsy manao ahoana no nananan’ity vehivavy ity ka nahatonga azy hamerimberina ny fangatahany ? Matio 15 : 25

“Noantitraterin-dravehivavy ny momba azy ary nitombo ny fiangaviany; Nandohalika teo an-tongotr’i Jesosy izy, ka niantsoantso hoe : Tompoko o , vonjeo aho”.
Ilay Fitiavana Mandresy p 427
             “Rehefa toa kivy ianao , dia aza miankina amin’ny olombelona mba hahazo fanampiana . Ilay Mpampionona dia hiaraka aminao . Manantona mivantana amin’I Tsitoha amin’ny alalan’ny vavaka . Miondreha eo anantrehany ary mitenena hoe : Tompoko o ! ampio aho , satria ianao dia ao anatin’ny zava-tsarotra , ary tsy fantatrao hoe inona no ho hataoko . Ianao dia nampanantena fa hanome ho an’ny zanakao ny zavatra izay angatahiny amin’ny anaranao . Izahay dia mangataka ny hery ahafahanay manohitra ireo fakam-panahy izay alefan’ilay fahavalo” . The Gospel Herald 1 Mars 1901
NITSAPA NY FINOAN’ILAY VEHIVAVY
6.- Raha ampifandraisina amin’ny hafatra sasany , ahoana ilay fanambarana faharoa nataon’i Jesosy tamin-dravehivavy ? Matio 15 : 26 ; Matio 7 : 25 ; Lioka 18 : 1 ; Romana 12 : 12
 

          ...“Toa mbola nanda ny fiangaviany ihany Jesosy , araka ny fihevitra tsy nisy indrafo nibahana tao an-tsain’ny Jiosy , ka namaly Izy  hoe : Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely . Fanantitranterana fitahiana ho nentina ho an’ny vahoaka manatombo fitia amin’I Tsitoha , ka manome izany ho an’ny olon-kafa sy ny vahiny tsy marisi-po kokoa izany valinteny izany” . Ilay Fitiavana Mandresy p 427                                                                 
FINOANA LEHIBE
7.- Inona no tao ambadik’ilay famela-belarankevitra feno fanajana sy faharetana feno fahalalam-pomba nataon’ilay vehivavy ? Matio 15 : 27

        ...“Hitandravehivavy anefa fa tonga ny fotoana mety ho azy . Tao ambadiky ny toa fandavana nataon’i Jesosy , dia nahitany fangorahana tsy hain’i Jesosy nafenina . Marina izany Tompoko , hoy ny navaliny , fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatray ny tompony ihany . Rehefa misakafo eo ambonin’ny latabatry ny Rainy ny zanaka ao amin’ny ankohonana , na dia ny amboakely aza tsy avela tsy hahazo ny anjarany . Anjarany ny sombintsombiny milakatsaka avy amin’ny latabatra be sakafo . Toy izany koa , betsaka ny fitahiana nomena ny Israely , koa tsy hisy koa ve fitahiana ho azy ? Nihevitra ny tenany ho toy ny amboakely izy , koa moa ve tsy fitakian’ny amboakely no nataony , mangataka sombintsombiny amin’ny halemem-panahy” ?... “Teto Messiah dia nihaona tamin’ny olona iray avy tamin’ny taranaka mahantra sy nozimbazimbaina , izay tsy nahazo tombom-pitia tamin’ny fahazavan’ny tenin’I Tsitoha , nefa nilefitra avy hatrany tamin’ny herin’i Messiah miasa mangina izy , ka nanana finoana amin’izao ny amin’ny fahaizany manolotra ny tombon-tsoa angatahiny ? Nangataka ny sombintsombiny izay milatsaka avy amin’ny latabatry ny Tompo izy . Raha mba mety manana ny tombon-tsoan’ny amboakely izy , dia vonona ho raisina ho toy ny amboakely . Tsy nisy hevitra nibahana tao an-tsainy momba ny fireneny na ny fivavahany na ny zavatra ireharehany hiasa mangina amin’ny fihetsiny . koa nekeny avy hatrany fa Jesosy no Mpanavotra , ary afaka manao izay rehetra angatahiny Aminy .  Ilay Fitiavana Mandresy pp  427 - 428
8.- Inona no hitan’i Jesosy tao anatin’ilay fangatahana nataon’io vehivavy io ? Fomba ahoana no namaliana soa tamin’ny alalan’ny fahasoavana an’ilay finoana matanjaka tsy niovaova nananan’io vehivavy io ? Matio 7 : 29 – 30
               
         “Afa-po ny Mpamonjy . Nozahany toetra io finoana io . Tamin’ny fifandraisany taminy , dia nasehony fa izay noheveriny ho lavin’ny fiaraha-monina tsy ho ao Israely dia tsy vahiny intsony , fa zanaka ao amin’ny ankohonan’Andriamanita . Amin’ny maha zanaka azy , dia tombon-tsoany ny mandray anjara amin’ny fanomezan’ny Ray . Manatanteraka ny fangatahany izao Jesosy ary mamita ny lesona ho an’ny mpianatra  . Nitodika taminy tamin’ny fijery feno fangorahana sy fitiavana Izy , ka hoy Izy hoe : Ravehivavy , lehibe ny finoanao , tongava aminao araka izay irinao . Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay . Tsy nampahory azy intsony ny demonia . Lasa ravehivavy , nankasitraka  ny Mpamonjy azy , ary sambatra satria notanterahiny ny fivavahany” .  Ilay Fitiavana Mandresy p  428
Mba ho saintsainina lalina
          “Moa ve ianao mahatsapa fa voatositosika sy tsy noraharahiana raha ohatra ka ianao no teo amin’ny toeran’io vehivavy io ? Manao ahoana no ho fihetsikao eo amin’ny tranganjavatra mitovy amin’io ? Moa ve ny Topo mizaha toetra ny finoanao ihany koa ? Moa ianao mba manantena ny hahazo dera noho ny amin’ny finoanao , tahaka ny dera natao tamin’io vehivavy jentilisa io” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
            “Maro ny Kristiana miezaka hitandrina ny lalàna , kanefa tsy mahita fiadanana na fifaliana firy . Noho ny tsy fampiasany ny finoany no mahatonga izany tsy fahampian’ny fiainany ara-panahy izany .Toy ny mandeha eo amin’ny tany mangetana izy , sy mamakivaky efitra karakaina . Afa-po amin’ny kely izy , kanefa tokony hangataka betsaka , satria tsy misy fetrany ny teny fikasan’I Tsitoha . Tsy mba vavolombelon’ny tena fahamasinana azo avy amin’ny fankatoavana ny marina ny Kristiana toy izany . Irian’ny Tompo raha samy hanana fahasambarana sy fiadanana eo amin’ny fankatoavana ny zanany rehetra . Amin’ny fampiasany ny finoany no handraisan’ny kristiana fitahiana . Avy amin’ny finoana no anavaozana ny fahabangana rehetra eo amin’ny toetra , sy hanadiovana ny fahalotoana rehetra , hanitsiana ny fahadisoana rehetra , ary hampitomboana ny fahatanterahana rehetra” . Vavolombelona Mahery p 498 -499
        « Ny kristiana mahatoky izay mifamatotra mafy amin’ny finoana , dia afaka manao zava-tsoa maro . Izy  dia afaka mandefa fitahiana lehibe indrindra ho an’ireo manodidina azy . Satria ny lalàn’I Tsitoha dia mitoetra ao am-pony . Kanefa isika dia tsy afaka ny hikambana an-tsitram-po amin’ireo izay manitsakitsaka ny didin’I Tsitoha , no sady mitahiry ny finoantsika ho madio tsy misy pentina . Ho feno ny fomba fisainan’ireo olona ireo isika ,  raha toa ka tsy misaraka aminy  , dia hifamatotra aminy amin’ny lenta avo tokoa , hany ka handray ny anjara mitovy amin’ny azy koa” . Le Foyer Chretién pp 445 - 446

MITENENA FOTSINY IHANY



            “Ny finoana sy ny asa dia zavatra anankiroa tsy azo sarahina , ireo zavatra roa ireo dia miara-miasa amim-pirindrana tsara eo amin’ilay raharaha hahatratrarana ny fandresena . Ny asa tsy misy finoana dia maty , ary ny finoana tsy arahan’asa dia maty toy izany koa . Ny asa dia tsy hahavonjy antsika na oviana na oviana , fa ireo fahamendrehan’i Messiah no ho raisina ho fanohanana antsika . Amin’ny alan’ny finoantsika an’i Messiah , dia ataony ho zavatra heken’I Tsitoha ireo ezaka ataontsika . Ny finoana izay takiana amintsika dia tsy finoana miahanahana , ny finoana mahavonjy dia ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana sy manadio ny fanahy” . La foi etles Oevres p 41
KAPITENY IRAY IZAY TIA MIKARAKARA NY HAFA
1.- Iza ilay olona ambony izay nangataka tamin’i Jesosy mba hanasitrana ny mpanompony ? Nanao ahoana ny fahamafisan’ilay aretin’io mpanompo io ? Lioka 7 : 1 – 2
 
             “Voan’ny paralisisa ny mpanompon’ilay kapiteny ary efa teo ambavahoanan’ny fahafatesana . Teo amin’ireo Romana dia andevo ny mpanompo , novidiana sy namidy teny an-tsena , ary nampizakana herisetra sy habibiana . Fa raiki-pitia kosa tamin’ny mpanompony ity kapiteny ity , ary naniry mafy ny hahasitranany” … Ilay Fitiavana Mandresy p 331
FANGATAHANA FANASITRANANA NATAO TAMIM-PINOANA
2.- Rehefa nahare ny mikasika ny Mpamonjy io kapiteny io , nahoana izy no naniraka olona ho eo amin’i Jesosy ? Raha toa izy ka tsy nanana finoana ny amin’ny hery manasitrana nananan’i Jesosy , moa ve ho nandefa an’ireo olona ireo izy mba hangataka fanampiana Aminy ?             Lioka 7 : 3 – 4
 
        ...“Nino izy fa afaka hanasitrana azy Jesosy . Tsy mbola nahita ny Mpamonjy izy , fa namelona finoana tao aminy ny tatitra reny .  Na dia teo aza ny fivavahana ivelam-belany fotsiny teo amin’ny Jiosy , dia resy lahatra ity Romana ity fa ambony noho ny azy ny fivavahan’izy ireo . Efa nogorobahany ny fefy natsangan’ny fiheverana tsy marim-pototra notanan’ny firenena sy ny fankahalana izay nampisaraka ny vahoaka mpandresy sy ny vahoaka resy . Efa nampiseho fanajana ny fanompoana an’I Tsitoha izy , sy halemem-panahy tamin’ny Jiosy noho izy     ireo nivavaka tamin’i Jehovah . Hitany teo amin’ny fampianaran’i Messiah , araka izay notanterina taminy , izay mifanaraka indrindra amin’ny ilain’ny fanahy . Izay ara-panahy rehetra tao aminy dia namaly ny tenin’ny Mpamonjy” ... Ilay Fitiavana Mandresy P 331
MAHATSAPA TSARA NY TSY FAHAMENDREHAN’NY TENANY
3.- Inona no hafatra faharoa nalefan’ilay kapiteny ho an’ilay mpampianatra , alohan’ny hahatongavan’io mpampianatra io ao an-tranony ? Finoana matanjaka manao ahoana no voaseho tao anatin’io hafatra io ? Lioka 7 : 6 – 7
 
             “Eo amin’ny finoana , isika dia tahaka ny zaza fotsiny ihany , izay miana-mandeha . Tahaka  an’ireo zaza izay manao an’ilay famindrana voalohany , dia mihevingevina , ary avy eo mianjera . Kanefa dia mitsangana indray izy , ary amin’ny farany dia afa-mandeha samy irery . Tsy maintsy ianarantsika ny fomba finoana an’I Tsitoha . Tsy azontsika atao ny mijery an’ireo fihetseham-po ao anatintsika ao , fa kosa tsy maintsy mahafantatra an’I Tsitoha amin’ny alalan’ny finoana velona . Hevero tsara ilay kapiteny izay nanatona an’i Messiah , izy dia ohatra alaintahaka izay maneho ny tena finoana marina . Nanantona an’i Messiah izy ary nitalaho taminy nanao hoe : Tompoko o ! ny ankizilahiko mandry ao an-trano , mararin’ny paralisisa ka mijaly loatra . Dia hoy Jesosy taminy : Ho avy Aho hanasitrana azy . Fa namaly ilay kapiteny ka nanao  hoe : Tompoko , tsy miendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko aho , fa mitenena ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko . Karazana hery manao ahoana no noheverin’io kapiteny io fa ananan’i Jesosy ? Fantany fa herin’I Tsitoha Izy io” .  Review and Herald 11 Marsa 1890
BAIKO  TOKANA DIA  AMPY TSARA
4.- Moa ve ilay kapiteny nino fa ilay hery manasitrana dia masina eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy ihany , sa ao amin’ny tenin’i Jesosy ihany koa ? Lioka 7 : 8

        ...“Tahaka ny tenako mapiseho ny fahefan’i Roma , ary ny miaramilako manaiky ny fahefako ho ambony indrindra , dia toy izany koa : Ianao dia mapiseho ny fahefan’I Tsitoha tsy misy fetra , ary ny zava-boahary rehetra dia mankato ny teninao . Azonao atao ny mibaiko ny aretina hiala , dia hankato Anao izy . Azonao atao ny mandidy ireo iraka avy any an-danitra , dia hizara ny hery manasitrana  izy . Mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompoko” .                                                 Ilay Fitiavana Mandresy p 332
FINOANA IZAY TSY FAHITA ANDAVAN’ANDRO
5.- Tao anatin’ny fahagagana teo anantrehan’io finoana izay tena lehibe indrindra io , inona no notenenin’i Jesosy tamin’ireo olona izay nanodidina Azy teo ? Lioka 7 : 9
 
          ...“Ilay kapiteny kosa , izay teraka teo amin’ny fahajentilisana , nobeazina tamin’ny fanompoan-tsampy teo amin’ny fanjakan’ny Roma , nofanina ho miaramila , toa tafasaraka tamin’ny fiainana ara-panahy araka ny fanabeazana noraisiny sy ny tontolo niainany , sady mainka koa voasakana noho ny fitiavam-bavaka diso lalan’ny Jiosy , sy ny fanivaivan’ny mpiray firenena taminy ny vahoaka Israely . Io lehilahy io dia nahatsinjo ny fahamarinana izay nahajamba ny zanak’i Abrahama . Tsy niandry izy hahita na handray na tsia Ilay nilaza ny tenany fa Mesiany ny Jiosy . Rehefa namirapiratra teo aminy ny mazava , izay nahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao , dia hitany , na dia lavitra aza ny voninahitry ny Zanak’I Tsitoha” .  Ilay Fitiavana Mandresy p 333
 Ireo anjelin’I Tsitoha dia nanodidina an’i Jesosy , ary ny teny ataony dia haniraka anjely anankiray mba hankany amin’ilay marary . Ilay kapiteny dia nahafantatra fa ny teny ataon’i Jesosy dia hiditra ao anatin’ilay efitrano ka dia ho sitrana ilay mpanompony . Ary endrey ny fomba nideran’i Jesosy ny finoan’io lehilahy io . Izy dia nampandre feo feno fahalianana manao hoe : Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany na dia teo amin’ny Israely aza Aho” .                                     Review and Herald 11 Marsa 1890 
FANGATAHANA SY VALINY EO NO HO EO
6.- Niady nandritra ny halavam-potoana toy inona ny Mpamonjy mba hanomezany ny valin’ilay fangatahana nataon’io olona io ? Inona no hitan’ilay kapiteny sy ireo mpanompony rehefa tafaverina tao an-tranony  izy ireo ? Matio 8 : 13 ; Lioka 7 : 10

              “Ilay kapiteny izay naniry ny hahatongavan’i Messiah mba hanasitrana ny mpanompony , dia nahatsapa fa ny tenany dia tsy mendrika ny hidiran’i Jesosy ao ambany tafotranony . Tena lehibe tokoa ny finoany an’i Messiah , hany ka nitalaho izy mba hanononan’i Messiah teny iray fotsiny dia ho tonga ny fahasitranana . Eto Jesosy dia manandratra ny tena finoana , izay mifanohitra amin’ny    fisalasalana . Nasehon’i Jesosy fa ireo zanak’Israely dia ho tafitohina vokatry ny tsy finoan’izy ireo , izay hitarika azy ho amin’ny fitsipahana  an’ilay fahazavana lehibe ka hiafara amin’ny fanamelohana sy fahalavoan’izy ireo . Tomasy dia nanambara fa tsy hino mihintsy raha tsy hitany eo amin’ny tanan’i Jesosy ny holatry ny nanomboana Azy ka atehiny eo ny ratsantanany , ary hataony eo amin’ny lanivoan’ny Mpamonjy koa ny tanany . Messiah dia nanome an’i Tomasy ny porofo izay niriany , ary rehefa avy eo , nanakiana azy noho ny tsy finoany ka hoy Izy : Satria nahita Ahy ianao ka nino , fa sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino” . Testimonies for the Church  vol 4 p 233
LEHILAHY SY VEHIVAVIN’NY FINOANA   
7.- Eo amin’ny fijerin’ny Tompo , inona no maha samihafa ny olona ? Ny karazany ve , ny firenena nihaviany ve , ireo razam-beany ve , sa ny finoany ? Aiza no hipetraka indray andro any ireo zanak’i Abrahama , ireo lehilahy sy vehivavin’ny finoana ? Galatiana 3 : 7 ; Matio 8 : 11

 “Ary nony nahare izany  Jesosy dia gaga ,  ka niteny tamin’izay nanaraka Azy  hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Israely aza . Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any antsinana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra . Fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany , any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify . Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe :  Mandehana , tongava aminao araka ny ninoanao . Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankizilahy” .               Matio 8 : 10 – 13
Mba ho saintsainina lalina
              “Moa ve isika manantena amin’ny fomba mandeha hoazy , ka hahita ny finoana tahaka an’io ao anatin’ny olona anankiray izay nanana fahazavana kely dia kely sady tsy isan’ny vahoakan’I Tsitoha ? Nahoana moa no tena maro be tokoa ny Jiosy izay nanohitra sy nitsipaka an’i Jesosy , nefa kosa jentilisa anankiray tahaka an’ity kapiteny ity no nino antsitram-po ny tenin’i Jesosy” ?
Ho dinihana lalindalina kokoa
         ...“Betsaka no mandray ny finoana ho toy ny hevitra tazonina . Ny finoana mahavonjy dia fifanarahana , izay idiran’ireo mandray an’i Messiah amin’ny fifanekena amin’I Tsitoha . Fiainana ny tena finoana . Ny finoana velona rehetra dia mitondra fitomboan-kery , fitokiana mitoetra , izay mahatonga ny fanahy ho hery mandresy . Ilay Fitiavana Mandresy p 364
               “Ny finoana sy ny asa dia hihazona antsika ho voalanjalanja tsara , ary hahatonga antsika hahita fahombiazana eo amin’ny adidy izay tsy maintsy ataontsika mba handavorariantsika ny toetra Kristiana . Jesosy dia niteny manao hoe : ‘Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko , Tompoko , no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra , fa izay manao ny sitrampon’ny Raiko Izay  any an-danitra” . Matio 7 : 21   La Foi et les Oeuvres pp 41 – 42
              “Amin’ireo olona maro izay milaza fa mpianatr’i Messiah , no toa mihevitra fa izy ireo dia manana fahalalahana handray na hanilikilika an’ireo mpanompon’I Tsitoha araka izay tiany hatao ka tsy hampamoahana ny amin’izany . Ny tsy finoana sy ny haizina no mitondra azy ireo hanao izany ? Ny fahiratan-tsaina nananany dia nesorin’ny tsy finoana . Izy ireo dia tsy nanaraka ny feon’ny fieritreretany ka tonga nivadika tamin’ilay faharesen-dahatra izay nananany , ary tsy nanana herin-tsaina sy nihevitra ny hafa ho mitovy aminy” .  Testimonies for the church vol 4 pp 233 – 234

FINOANA MITOMBO MANGINGINA



             “Rehefa niakatra ho any an-danitra ny Tompo , ary niparitaka noho ny fanenjehana ny mpianatra , dia nankeo an-tanim-piadiana tamin-kasahiana i Nikodemosy . Nampiasa ny harenany izy mba hanohanana ilay fiangonana vao teraka izay nokasain’ny Jiosy ho potehina tamin’ny nahafatesan’i Messiah . Tamin’ny fotoana nisian’ny loza dia nijoro toy ny harambato ilay nisalasala sy be fanontaniana , nampahery ny finoan’ny mpianatra , sy nanome izay ilaina hampandrosoana ny asan’ny filazantsara . Nesoesoina sy nenjehin’ireo izay nanaja azy tamin’ny andro hafa izy . Ka nanjary nahantra tamin’ny harenan’izao tontolo izao  . Nefa tsy nihozongozona ny finoany izay nananany nanomboka tamin’ilay resaka nataony indray alina tamin’i Jesosy” . Ilay Fitiavana Mandresy pp  172 - 173
MPITARIKA JIOSY ANAKIRAY NIHAONA TAMIN’I JESOSY
1.- Inona ireo toe-draharaha nisy teo amin’io fotoana nihaonan’i Nikodemosy tamin’i Jesosy io ? Inona no faharesen-dahatra nananany mikasika ny Mesia ? Jaona 3 : 1 – 3

           “Ny fampiasan’i Messiah ny fahefany tamin’Izy nanadio ny tempoly dia namohafoha fankahalana hentitra avy amin’ireo mpisorona sy ireo mpanapaka . Nampatahotra azy ireo ny fahefan’ity vahiny ity . Tsy azo leferina ny fahasahiana toy izany avy amin’ity Galiliana tsy dia fantatra loatra ity . Nikaon-doha ry zareo ny amin’izay hahatapaka tarangana ny asany . Nefa tsy niray hevitra tamin’izany fikasana izany ny rehetra . Nisy natahotra ny hanohitra izay hita mazava fa nohetsehin’ny Fanahin’I Tsitoha . Tsaroany ny namonoana ny mpaminany izay niampanga ny fahotan’ny mpitarika tao amin’Israely . Fantany fa vokatry ny fikiribibiana hitsipaka ireo fanomezan-tsiny avy amin’I Tsitoha ny fanandevozan’ny firenena jentilisa ny Jiosy . Matahotra izy ireo sao manaraka ny dian’ireo razany ny mpisorona sy ny mpanapaka raha mioko hamely an’i Jesosy , ka hitarika antambo vaovao indray amin’ny fireneny . Niray saina tamin’ireo i Nikodemosy . Tamin’ny fivorian’ny Synedriona , rehefa nodinihina izay tokony hatao ny amin’i Jesosy , dia nanoro hevitra i Nikodemosy ny hitandremana sy ny hitonena . Nanantitrantitra izy fa raha tena manana fahefana avy amin’I Tsitoha Jesosy , dia hampidi-doza ny mitsipaka ny fananarany . Tsy sahy nanao tsinontsinona io torohevitra io ny mpisorona , ka tamin’izany fomba izany dia tsy nisy fanampahan-kevitra noraisina hanoherana ny Mpamonjy” . Ilay Fitiavana mandresy pp 163 - 164
NY FAHATERAHAM-BAOVAO
2.- Inona ilay fitsipika fototra izay nitarihan’i Jesosy ny sain’i Nikodemosy ? Jaona 3 : 3 – 4
  
             “Tsy nanaiky io fiarahabana io Jesosy , fa nampifantoka ny masony tamin’ilay niteny izany Izy , toy ny nahafantatra izay tao amin’ny fanahiny mihintsy . Noho ny fahendreny tsy misy fetra dia olona mikatsaka ny fahamarinana no hitany teo anantrehany . Fantany ny antony nitadiavany Azy , ary naniry ny handatsaka lalindalina kokoa ny faharesen-dahatra efa tao an-tsain’ilay nihaino Azy Izy , ka ny tena izy avy hatrany no nolazainy tamin’ny fomba manetriketrika nefa tamim-pahalemem-panahy : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa  raha tsy ateraka avy any ambony ny olona , dia tsy afaka mahita ny fanjakan’I Tsitoha . Nanantona ny Tompo i Nikodemosy mba hiady hevitra Aminy , nefa nasehon’i Jesosy nihanjahanja ireo foto-kevitry ny fahamarinana . Hoy Izy tamin’i Nikodemosy , tsy fahalalana ara-tsaina no ilainao mihoatra noho ny fanavaozana ara-panahy . Tsy ilainao ny hahafa-po ny fitiavanao hahalala zavatra , fa ny hanana fo vaovao no ilainao . Tsy maintsy mandray fiainam-baovaoa avy any ambony ianao , alohan’ny hahazoanao mankasitraka ny zavatra any an-danitra . Mandram-pahavitan’io fanovana io , izay hahatonga ny zavatra rehetra ho vaovao , dia tsy hitondra voka-tsoa ho anao ny hiady hevitra Amiko ny amin’ny fahefako na ny momba ny asa nanirahana Ahy” .                                     Ilay Fitiavana Mandresy p 165
ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY
3.- Amin’ny alalan’ny inona no tsy maintsy ateraka indray ny olona mba hahafahany manitsaka ny varavaran’ny fanjakan’I Tsitoha mba hahatafidirany ao ? Jaona 3 : 5 – 7
 
            “Notohizan’i Jesosy hoe : ‘Izay ateraky ny nofo dia nofo , ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy’ . Amin’ny ara-nofo dia ratsy ny fo . ‘Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy na dia iray akory aza’ , Joba 14 : 4  . Tsy misy zavatra azon’ny olombelona foronina izay ho fanafodin’ny fanahy manota . ‘Satria fandrafiana an’I Tsitoha ny fihevitry ny nofo , fa tsy manaiky ny lalàn’I Tsitoha  izy , sady tsy hainy akory izany’ Romana 8 : 7 . ‘Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy , dia ny vonoan’olona , ny fakam-badin’olona , ny fijangajangana , ny halatra , ny ampanga lainga , ny fitenenan-dratsy’ Matio 15 : 19 .  Tsy maintsy diovina ny loharanon’ny fo  izay vao hadio ny rano mikoriana avy ao . Izay miezaka ny hahatratra ny lanitra amin’ny asan’ny tenany amin’ny fitandremana ny lalàna , dia manandratra zavata tsy ho vita . Tsy misy antoka ho an’ny olona izay mivavaka araka ny lalàna fotsiny , izay endriky ny toe-panahy araka an’I Tsitoha . Ny fiainana kristiana dia tsy fanamboarana na fanatsarana ny teo aloha , fa fanavaozana azy . Misy fahafatesana amin’ny tena sy amin’ny fahotana , ary fiainam-baovao miaraka amin’izany . Tsy misy afa-tsy ny asa mahomby ataon’ny Fanahy Masina no mahatanteraka io fanovana io” . Ilay Fitiavana Mandresy  pp 166 - 167
4.- Moa ve zavatra azo heverina ny hanazava ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina , hanaovany ny olona iray ho tonga vaovao ? Moa ve nazava tamin’i Nikodemosy ny fandehan’izany ? Jaona 3 : 8 – 9

                “Amin’ny alalan’ny fiasana tsy hita maso tahaka ny rivotra , no iasan’i Messiah tsy miato eo amin’ny fo . Tsikelikely eny , ary angamba tsy tsapan’ilay nandray izany akory , dia misy hevitra tafiditra ao am-po izay mitarika ny fanahy ho eo amin’i Messiah .  Mety ho azo izany eo amin’ny fieritreretana momba Azy , amin’ny famakiana ny Soratra Masina , avy amin’ny fihainoana ny teny avy amin’ny mpitoriteny . Ary amin’ny tsy ampoizina , rehefa misy antso mivantana kokoa avy amin’ny Fany , dia milefitra amim-pifaliana amin’i Jesosy ny fanahy . Lazain’ny maro fa fiovam-po tampoka izany , nefa vokatry ny fitarainana maharitra ataon’ny Fanahin’I Tsitoha , izay  nitaky asa maharitra feno faharetana” . Ilay Fitiavana Mandresy pp  167 - 168
JESOSY VOASANDRATRA  
5.-Inona no ohatra nisy tany amin’ny fotoana lasa izay notondroin’i Jesosy mba hanampiany an’i Nikodemosy hampahazava aminy ny  amin’ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ? Jaona 3 : 14 – 15
        
                “Voataona ho eo amin’i Messiah Nikodemosy . Raha nanazava taminy ny momba ny fahateraham-baovao ny Mpamonjy , dia naniry mafy indrindra izy ny mba hananany izany fanovana izany ho tanteraka eo amin’ny tenany . Fomba ahoana no hahavitana izany ? Novalian’i Jesosy io famantarana tsy miloaka io : Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny zanak’olona , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay … Tandindon’i Messiah io . Tahaka ny nanandratana ilay sary natao ho fanasitranana ho azy ireo araka ny endrik’ireo menarana nahafaty , dia toy izany koa Ilay anakiray naka ny endriky ny nofo ota no ho Mpanavotra azy ireo  … Tsy ny fifamaliana sy ny ady hevitra no manazava ny fanahy . Tsy maintsy mijery isika dia ho velona . Noraisin’i Nikodemosy ny lesona , ka nentiny ho azy . Nandinika ny Soratra Masina tamin’ny fomba vaovao   izy , tsy ho enti-mifamaly momba ny hevitra iray , fa mba handraisana fiainana ho an’ny fanahy . Nanomboka nahita ny fanjakan’ny lanitra izy , raha nampilefitra ny tenany ho tarihin’ny Fanahy Masina” .   Ilay Fitiavana Mandresy pp  169 - 170
6.- Inona no nitranga tamin’ilay voa izay nambolen’i Jesosy tao anatin’ny fon’i Nikodemosy ? Inona ilay porofo miharihary izay maneho fa ny Fanahy Masina dia nitohy niasa tao anatin’i Nikodemosy tao ? Jaona 7 : 50 – 52
 
            “Tamin’io fotoana nisian’ny loza io no nandroso tsy tamin-tahotra i Nikodemosy naneho ny finoany ny Mpamonjy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana . Anisan’ny Synedriona i Nikodemosy ary voatariky ny fampianaran’i Jesosy niaraka tamin’ny hafa koa izy . Rehefa nanatri-maso ny asa mahagaga nataon’i Messiah izy , dia tafaorina mafy tao an-tsainy ny faharesen-dahatra fa io Ilay nirahin’I Tsitoha . Be avona loatra izy ka tsy afaka hiaiky ampahibemaso ny firaisam-pony amin’Ilay Mpampianatra Galiliana : Noho izany dia nitady izay hiaonana taminy mangingina . Tamin’io resaka nifanaovany io dia novelarin’i Jesosy teo anantrehany ny drafitry ny fanavotana sy ny asa naniraha Azy teto amin’izao tontolo izao . Nefa mbola nisalasala ihany i Nikodemosy . Nafeniny to am-pony ny fahamarinana , ary nandritra ny telo taona dia kely ny vokatra hita niharihary . Tsy nanaiky an’i Messiah ampahibemaso i Nikodemosy , nefa kosa tao amin’ny fivorian’ny Synedriona dia nanakana matetika ny tetika nataon’ny mpisorona hamonoana Azy izy . Rehefa nasandratra teo amin’ny hazo fijaliana Messiah nony farany , dia tsaroan’i Nikodemosy ny teny nataony taminy teo amin’ny tendrombohitra Oliva . Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra , no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona . Koa hitany teo amin’i Jesosy ny Mpanavotra an’izao tontolo izao … Vavolombelona Mahery pp  93 - 94
7.- Teo amin’ny fotoana izay nitoeran’ireo mpianatr’i Jesosy tao anatin’ny fahoriana sy ny fahakiviana , inona no nasehon’ny finoana mahitsy nananan’io mpitarika Jiosy io ? Jaona 19 : 39

            … “Nandritra ny Sabata naha tao ampasana an’i Messiah , dia nanana fotoana hieritreretana i Nikodemosy . Nisy fahazavana namirapiratra tokoa nanazava ny sainy , ka tsy zava-miafina intsony ny teny izay nataon’i Jesosy taminy . Tsapany fa maty antoka tokoa izy tamin’ny tsy nifandraisany mivantana tamin’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany . Tsaroany ankehitriny ny toe-javatra tao Kalvary . Ny vavaka nataon’i Messiah ho an’ny mpamono Azy , sy ny namaliany ny fangatahan’ilay jiolahy efa ho faty dia niteny tamin’ny fon’ilay mpanolontsaina avara-pianarana . Hitany indray tao an-tsainy ny Mpamonjy teo am-pialan’aina , reny indray ilay antso farany nanao    hoe : Vita’ izay nanakoako toy ny an’ny mpandresy iray . Hitany indray ny tany nivembena  , ny lanitra nohamaizinina , ny lamba triatra , ny vatolampy vakivaky , koa dia tafahorina ho mandrakizay ny finoany . Ny toe-javatra izay nandevona indrindra ny fanantenan’ny mpianatra no nandresy lahatra an’i Josefa sy Nikodemosy ny amin’ny maha I Tsitoha an’i Jesosy . Resin’ny herim-po avy amin’ny finoana mafy orina sy tsy azo hozongozonina ny tahotra tao aminy” .       Ilay Fitiavana Mandresy p 835
Mba ho saintsainina lalina
             “Na dia fariseo manam-pahaizana sy mpitarika aza i Nikodemosy , dia tsy nanana fahafantarana mazava tsara mikasika ny toetra mandeha hoazy nananan’ny olombelona , sy ny mikasika ny maha tsy maintsy ilana ny fahateraham-baovao . Resy lahatra ve isika fa ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia zavatra izay tsy azo ialana ? Ahoana no fomba fandraisana ny fahateraham-baovao , fa ny  vokatr’izany dia mandray ny toeran’ny Ray izay any an-danitra” .   
Ho dinihana lalindalina kokoa
           “Ankehitriny rehefa niezaka ny hamono ilay fiangonana mbola zaza ny Jiosy , dia nandroso hiaro azy i Nikodemosy . Tsy maodimaody sy be fanontaniana intsony izy , fa nampahery ny finoan’ny mpianatra , ka nampiasa ny harenany tamin’ny fanampiana sy ny fanohana ny fiangonana tany Jerosalema sy ho amin’ny fampandrosoana ny asan’ny filazantsara . Ny olona izay feno fanajana azy teo aloha , ankehitriny dia nanaraby sy nanenjika azy , ary nanjary nahantra teo amin’ny harenan’izao tontolo izao izy , nefa tsy nihozongozona teo amin’ny finoany” .  Vavolombelona Mahery p 94