vendredi 27 juin 2014

NY TEHIN'I ARONA



“Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.” Nomery 17 : 8

NY TEHIN’ I ARONA

1-Inona tao anatin’ ny fiaran’ ny fanekena teo anilan’ ireo vato-fisaka anakiroa no nisy ny lalàna sy ny vilia nisy ny mana? Hebreo 9 : 3, 4

 Hebreo9:2Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe"Ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo haseho. 3 Ary ao antin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay hatao hoe "Ny fitoerana masina indrindra"




2-Nahoana no notehirizina tao anatin’ ilay fiara ny tehin’ I Arona? Nomery 17 : 5, 10
 
“Ireo fiovana lehibe rehetra izay niseho tamin’ ilay tehina tao anatin’ny alina iray monja dia nikendry ny handresy lahatra azy ireo, fa Andriamanitra no nifidy an’ I Arona teo amin’ ireo zanak’ Isiraely. Taorian’ io fahagagana izay nataon’ ny herin’ Andriamanitra io dia tsy nisy intsony ny fisalasalana ny amin’ ny fahefana hanao ny raharaha fisoronana. Io tehina mahatalanjona io dia notehirizina mba haseho matetika amin’ ny vahoaka, mba hampahatsiahivana azy ireo ny lasa, mba hanakanana azy ireo tsy himonomonona sy mba tsy hiverina hisalasala indray ny amin’ ny fahafantarana ny hoe : iza no nomena an’ io raharaha fisoronana io. Rehefa avy resy lahatra tanteraka ireo zanak’ Isiraely ny amin’ ilay hadisoana nataony, tamin’ ny niampangan’ izy ireo tsy an-drariny an’ I Mosesy sy Arona, sy ilay fomba nanaovan’ izy ireo an’ io fiampangana io, dia hitan’ ireo zanak’ Isiraely ireo ny tena hevitra marina nofonosin’ ilay fikomiana nataon’ izy ireo tamin’ ny lasa, ka dia natahotra mafy izy ireo.” Spiritual Gifts, vol 4 a, pp 35, 36)” Commentaires bilbiques p. 36

FIKOMIANA NANOHERANA IREO MPITARIKA

3-Inona ilay hetsika tao amin’ ny tobin’ ny Isiraely mba hanonganana an’ ireo mpitarika voatendrin’ Andriamanitra? Nomery 16 : 1-3
 
 “Raha tsorina dia nampahatsiahy ny fikomiana nataon’i Losifera, ny fikomiana nataon’ i Kora, na ny voka-dratsiny na ny fanahy nanindry azy. Ny avonavona sy ny fitiavana laza no nanosika azy himonomonona tamin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra sy ny faniriana hanangona ny filaminana voaorina tany an-danitra. Koa hatramin’ ny nahalavoany, ny zava-kendren’ i satana dia ny hisokitra ao an-tsain’ ny olona ny fanahim-pialonana sy ny fahasosorana ary ny fitsiriritana seza sy ny tombom-pitia mitovy amin’ ny azy. Izy no nanefy ny toe-tsain’ I Kora sy Datana ary Abirama mba hampitroatra ao anatiny ny fitiavam-boninahitra sy ny tsy fahatokiana ary ny fikomiana. Ny fitaomany ireny olona ireny handà ireo izay nofidin’ Andriamanitra no nahatarihany azy hanozongozona ny fahefan’ ny lanitra.Patriarka sy mpaminany p 416

4-Inona no lesona izay tsy maintsy hianaran’ ny fiangonana ankehitriny avy amin’ io fikomiana nataon’ I Kora, Datana sy Abirama io? Iza no nanome fahefana ho an’ ny fiangonana? Matio 16 : 18, 19

“Ny fanaovana tsinontsinona ny fahefan’ ny fiangonana dia fanaovana tsinontsinona ny fahefan’ Andriamanitra tenany mihitsy.” Ilay Fitiavana mandresy, p 806
“Ny fiangonana no tanàna mimandan’ Andriamanitra , tanànany fandosirana, izay apetrany eo amin’ izao tontolo izao mikomy. Izay rehetra fivadihan’ ny fiangonana dia famadihana Ilay nividy ny taranak’ olombelona tamin’ ny Ran’ ny Zanany Lahitokana.” Vavolombelona mahery p 13

LESONA HO AN’ NY TARANAKA FARANY

5-Inona no lesona azontsika hianarana avy amin’ ilay fanoherana nataon’I Kora sy ireo namany, eo ambany fitarihan’ ny hoe : ny tehin’ I Arona dia mampahatsiahy tsy an-kijanona ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ ireo fitaovana izay nofidiany? I Korintiana 10 : 11
 
“Ao anatin’ ilay fiara dia nisy ny vilia misy mana, ny tehin’ I Arona mitsimoka ary ireo vato-fisaka izay tahaka ny boky.” Premiers écrits p 32
“Aoka isika hianatra ao anatin’ ny boky “Patriarka sy Mpaminany” an’ ilay fikomiana nataon’ I Kora, Datana ary Abirama dia ilay fikomiana izay tsy notanterahin’ olona roa fotsiny. Io fikomiana io dia notarihin’ ny olona dimam-polo amby roanjato izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady manan-daza. Antsoy amin’ ny anarany avy ny hoe fikomiana sy amin’ ny fivavahana marina ary aoka ho tadidinareo fa ny fanandramam-piainana nandalovan’ ny vahoakan’ Andriamanitra fahiny miaraka amin’ ireo zavatra rehetra nitondra voka-dratsy tao amin’ io fanandramana io dia voasoratra araka ny marina avokoa. Hoy ny Soratra Masina: “Izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika  izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” I Korintiana 10 : 11” Messages Choisis, vol  2 p. 33

6-Nahoana ny tantaran’ ilay fikomiana tao amin’ ny Isiraely no raisina ho fitaratra sy fampitandremana ho an’ izao taranaka ankehitriny izao? IKorintiana 10 : 1, 6
 
“Moa tsy mbola misy koa ve, ankehitriny, ireo fironana ratsy izay miteraka ny fikomiana nataon’ I Kora sy nitarika ny fahalevonany? Hafa lavitra noho izany kosa, fa mifanehatra hatraiza hatraiza ny avonavona sy ny fanirian-daza. Manoka-baravarana ny fialonana sy ny fitadiavam-boninahitra ireo fironana roa ireo rehefa kolokoloina sy ankamamiana. Ny fo izay mirona amin’ izany dia tsy hita akory ny hanalavirany an’ Andriamanitra ka hizorany manatona ny faritanin’i satana. Betsaka ny olona, na dia amin’ ireo milaza azy ho mpianatr’ I Jesosy aza, no mitovy amin’ I Kora sy ireo mpiray tetika taminy, ka maimay amin’ny fitiavana hitana toerana ambony sady vonona mba hahazo mpanohana amin’ ny fampandeferana ny fahamarinana sy ny fanosoran-dratsy ny olon’ Andriamanitra ary hatramin’ ny fiampangana azy ho hetsehin’ ny toe-tsaina tia tena sy mahamenatra aza. Arakaraka ny hamerimberenana ireny fiampangana lainga ireny, hoenti-manohitra ny zava-misy, no nandraisany ireny ho marina. Mihevi-tena ho manao asa soa sy manao ny asan’ I Jehovah izy amin’ ny fandrodanana ny fitokisana nomena ireo mpanompon’ Andriamanitra.” Patriarka sy mpaminany, p. 382

7-Moa ve isika afaka miteny tsy misy fisalasalana fa tsy manana saina izay mety hamolavola tsy fifanarahana na saina mety hiteraka fisaratsarahana? Rom.2 :8, Joda 19

“Ny fikomiana sy ny fandavana ny fivavahana masina dia eo amin’ ny rivotra izay iainantsika. Iantefan’ ny hery alefan’ ireo zavatra ireo isika, raha ohatra ka tsy miankina amin’ I Kristy io fanahintsika tsy manan-kery io.” Messages Choisis, vol 2, p 455
“Kristy dia tsy tonga teto amin’ ity izao tontolo izao ity mba hanampy an’ I Satana hampivelatra ny fikomiana, fa kosa tonga Izy mba handresy an’ io fikomiana io. Eo amin’ ny toerana rehetra izay misy olona mikomy, izy ireo dia hiasa an-tsokosoko ao anatin’ ny maizina, tsy mandeha manatona an’ ireo olona izay hitany fa tokony hanarina araka izay nampianarin’ I Kristy azy ireo, fa kosa mandeha mampiely ny andraikitra sahanin’ izy ireo, dia ilay andraikitra mpitondra fitaka, mpitondra fankahalana, mpitondra fiahiahiana sy fikasana avy amin’ ny tolo-kevitr’ I Satana, tahaka ny nataon’ I Satana tamin’ ireo anjely izay nankasitraka azy sy nanaiky azy mba hahazoany ny fon’ izy ireo tamin’ ny alalàn’ ireo fiampangana sy fanaratsiana. (Lettre 156, 1897).” Commentaires bilbiques, p. 36

TAFAKAMBANA HO IRAY

8-Inona no toro-làlana nomen’ I Jesosy an’ ireo mpianany ? Jaona 13 : 34, 35 ; 15 : 12. Inona no toro-làlana izay tena ambony lanja indrindra ho an’ ny fiangonana ankehitriny?
 
“Ilay fahavalo dia miasa an-kavitrihana mafy tokoa mba hanimba ireo fanahy. Ny fanandratan-tena dia tafiditra eo amin’ ny laharantsika. Tokony hisy fanetren-tena misimisy kokoa. Ny toe-tsaina mahavita tena dia ekena mora loatra eo amin’ ireo mpitondra ny hafatry ny Tompo. Tsy maintsy ialàna io toe-tsaina io, ary ireo mpanompon’ Andriamanitra dia tsy maintsy mifanatona.” Témoignages pour l’ eglise, vol 2 p 444
“Ireto teny manaraka ireto dia maneno eo amin’ ny sofiko, hoe aoka hianareo hitambatra ho iray ihany! Aoka hianareo hitambatra ho iray ihany! Ny fahamarinana masina sy miezinezina ho an’ ity vanim-potoana misy antsika ity dia manana andraikitra hanakambana ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny zavatra ifaninanana ambony indrindra dia voafintina amin’ ireto teny manaraka ireto manao hoe : iza no hitovy betsaka kokoa amin’ I Jesosy Kristy eo amin’ ny toetrany. Iza no ho tafakambana feno amin’ I Kristy ka ho sarotra dia sarotra ny hanavaka azy amin’ I Kristy?” Témoignages pour l’ Eglise, vol 2, p 444

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no lesona tsoahina avy amin’ ny tehin’ I Arona ho antsika izay velona amin’ ny fotoana fiafaran’ ny fanavotana?
-Mihevitra ve hianareo fa misy loza mananotanona mba hanao fikomiana ihany koa amin’ izao taranaka ankehitriny izao? Nahoana no misy na koa nahoana no tsy misy?
-Fomba ahoana irery ihany no hahatonga antsika ho olona tsy manana toe-tsaina feno fikomiana?

mardi 24 juin 2014

ILAY LOVIA VOLAMENA MISY NY MANA



« Izay nisy lovia volamena fandoroana dintin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ I Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena.” Hebreo 9 : 4

NY MANA

1-Inona no natao tamin’ ilay lovia nisy ilay mana sarobidy izay nomen’ Andriamanitra mitafotafo ho an’ ny Isiraely? Nahoana ny mana no notehirizina tao anatin’ ny fiara tao amin’ ny efitra masina indrindra? Hebreo 9 : 3, 4 ; Eksodosy 16 : 33, 34
 

“ Tao anatin’ ny efitra masina indrindra dia hitako fa misy fiara iray… Ao anatin’ io fiara io dia misy vilia misy mana, ny tehin’ I Arona nitsimoka sy ireo vato-fisaka izay tahaka ny boky anankiray.” Premiers écrits p. 32

2-Ahoana ny toe-tsaina niheveran’ ny vahoaka Isiraely ny mana izay nomen’ Andriamanitra ho azy ireo avy tany an-danitra? Nomery 11 : 6-8

“Isaky ny misy famerana atao amin’ ny fitiavan-koman’ ireo isiraelita, dia tsy faly izy ireo, ary dia nimonomonona nanome tsiny an’ I Mosesy, sy Arona ary Andriamanitra… Kanefa moa Andriamanitra dia nizaha toetra ny vahoakany mba hampiharihary ny ao ampon’ izy ireo, dia navelany handalo fizahan-toetra io vahoakany io. Rehefa tsy nahomby izy ireo dia naveriny ho eo amin’ ny toe-draharaha mitovy tamin’ io ihany ary nozahany toetra tamin’ ny fomba tery sy mafimafy kokoa…

“Ny fandrenesana tsiro nananan’ izy ireo dia efa simba tany Egypta. Nirian’ Andriamanitra ny hanamboatra indray ny fahazotoan-komana tao anatin’ izy ireo, mba ho tonga fahazotoan-komana madio sy mba hanana fahasalamana, ka hahatonga azy ireo ho afaka hiravoravo finaritra hihinana ireo voankazo tsotra izay nomena an’ I Adama sy Eva tany Edena. Andriamanitra dia efa teo amin’ ny fotoana izay hametrahana azy ireo tao amin’ ilay Edena faharoa, dia ilay tany tsara izay afahan’ izy ireo miravoravo finaritra, mihinana ireo voankazo sy ireo varim-bazaha samihafa karazany azo hanaovana mofo izay homeny ho azy ireo. Nokasainy ny hanaisotra hiala amin’ izy ireo ilay fihinana feno zavatra manaitaitra izay niveloman’ izy ireo tany Egypta. Niriany ny hahatonga azy ireo hanana fahasalamana lavorary sy tanjaka rehefa hiditra ao anatin’ ilay tany tsara tarehy izay itarihany azy…” Commetaires bibliques, p 22

IREO LESONA TSOAHINA AVY AMIN’ NY MANA


3-Inona no lesona omen’ ilay vilia misy mana ho an’ ireo izay velona eo amin’ ilay fanavotana izay tena izy? Hebreo 9 : 3, 4
 
“Ny toetoetry ny saina dia misy ifandraisana betsaka amin’ ny fahasalaman’ ny vatana indrindra amin’ ny taova fandevonan-kanina. Araka ny fitsipika ankapobeny, Andriamanitra dia tsy nanome mihitsy sakafo misy nofom-biby ho an’ ny vahoakany tany an’ efitra, satria fantany fa ny fihinana misy nofom-biby dia hiteraka aretina maro sy toe-tsaina tsy mankatoa. Mba hanovana ny toetra sy mba hahatonga ireo fahaiza-manao ambony indrindra ananan’ ny saina ho afaka miasa, dia nesorin’ Andriamanitra niala teo amin’ ny fihinan’ izy ireo ny nofon’ ireo fatim-biby. Nomeny ho azy ireo ny sakafon’ ireo avy any an-danitra. (MS 38, 1898)” Commentaires bibliques, p. 34

4-Hatraiza ny fetra maha-zava-dehibe indrindra ny fanavaozana ara-pasalamana ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra izay velona eo amin’ ny andro fanavotana? I Korintiana 9 : 25

“ Samy tandindon’ny Mpamonjy izay mitsangana ho antsika isan’andro eo anatrehan’Andriamanitra na ny mana na ny mofo aseho.Patriarka sy Mpaminany p 358
“Ny fahazavana nomen’ Andriamanitra ary mbola tohizany izay mikasika ny fihinana, dia tsy maintsy ho zavatra izay tena manan-danja ho an’ ireo zanak’ Andriamanitra ankehitriny, tahaka ny maha-zava-dehibe ny mana ho an’ ny vahoaka Isiraely.

“Tsy azontsika atao mihitsy ny mampiditra na dia vongan-kena iray aza ao anatin’ ny vavonintsika. Ny fihinanana nofom-biby dia manohitra ny natiora. Isika no tsy maintsy miverina manaraka ilay fikasan’ Andriamanitra tany am-piandohana teo amin’ ny famoronana ny olombelona.” Conseils sur la nutrition et les aliments pp. 318, 454

5-Rehefa hita fa nifady hanina ireo isiraelita tamin’ ny andro fanavotana, inona koa no tokony hataontsika? Inona ilay tena fifadian-kanina? Isaia 58 : 3-7
 
“Ny tena fifadian-kanina marina izay azo hamporisihina ny rehetra dia ny fifadiana ny sakafo manaitaitra rehetra ka mihonona amin’ ny sakafo tsotra, mahasalama sy madio izay nomen’ Andriamanitra mitafotafo ho antsika. Ny olombelona dia tsy maintsymampihena ny fieritreretany ny amin’ ny zavatra hohaniny sy ho sotroiny, fa kosa manome lanja bebe kokoa ny amin’ ny sakafo avy any an-danitra izay mampiaina sy manome tanjaka ny fiainam-pivavahany manontolo.” Conseils sur la nutrition et les aliments, p. 223

ILAY LOVIA MISY MANA VERY

6-Ireo Isiraelita dia nanao tsirambina ka tsy nitahiry ilay vilia nisy mana tao amin’ ilay fiara. Moa ve misy loza ho an’ ny Isiraely moderina ny fanadinoana ny lesona mikasika ny mana ? II Mpanjaka 8 : 9 ; II Tantara 5 : 9
  
“Raha toa ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito mampihatra ny zavatra izay ambaran’ izy ireo fa hinoany, raha toa izy ireo ka mpanao fanavaozana ara-pasalamana mahitsy fo, dia ho fisehoana maha-te hizaha izy eo imason’ izao tontolo izao sy ireo anjely. Ary dia ho naneho zotom-po misimisy kokoa mba ho amin’ ny famonjena ireo izay tsy mahafantatra ny fahamarinana izy ireo.” Counsels on Health, p 575
“Tsy maintsy hita fototra fa misy fanavaozana eo amin’ ireo vondron’ olona izay milaza fa miandry ny fiavian’ I Kristy fanindroany. Ny fanavaozana ara-pahasalamana dia tsy maintsy manatanteraka ao anatin’ ny vondrona misy antsika ny asa izay tsy mbola vita. Eo amin’ ireo rehetra izay tokony hitandrina ny amin’ ireo loza ateraky ny fihinanana nofom-biby, dia maro ireo izay mihinana ka dia mametraka eo amin’ ny toerana mampidi-doza ny fahasalamany ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy. Maro ankehitriny amin’ireo izay resy lahatra amin’ ny antsasany fotsiny ihany mikasika ny fihinana nofom-biby no hanalavitra ny vahoakan’ Andriamanitra ary hitsahatra tsy hanaraka intsony ny lalàna izay teo aloha.” Conseils sur la nutrition et les aliments, p. 80
“Azontsika atao ve ny mametraka fitokisana amin’ ireo mpitory teny izay miombona mihinan-kena rehefa misy hena ny sakafo aroso?

“Aoka hianareo hitandrina tsara ireo didin’ Andriamanitra. Ireo rehetra izay mandika ireo lalàn’ ny fahasalamana dia hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra.” conseils sur la nutrition et les aliments, p. 480

7-Inona no fampitandremana nalefan’ Andriamanitra ho an’ ireo izay namono biby ka nanao sakafo be teo amin’ ny andro fifadian-kanina? Isaia 22 : 12-14 ; II Korintiana 3 : 16, 17, II Korintiana 7 : 1. Inona no loza mitovy amin’ io izay mahazo ny Isiraely moderina?
 “ Ny tsy fahalalana ankehitriny dia tsy fialan-tsiny ho amin’ ny fandikana ny lalàna. Ny fahazavana dia mamirapiratra amin’ ny fomba miharihary ary tsy misy olona na dia iray aza ho voatery tsy mahalala satria Andriamanitra mihitsy no mampianatra ny olona. Ny olona rehetra izay mifamatotra amin’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ ny adidy tena masina indrindra izay tsy maintsy atao mba hitandremana tsara ny foto-pampianarana marina sy ny fanadramana tena izy, izay natolotr’ Andriamanitra ho azy ireo mikasika ny fanavaozana ara-pahasalamana. Andriamanitra dia maniry ny mba handinihana ny loha-hevitra midadasiky ny fanavaozana ara-pahasalamana, sy ny mba hahatonga ny be sy ny maro hahazo famporisihana mahery vaika mba hianatra azy io; satria zavatra tsy hay heverina mihitsy ny hoe lehilahy sy vehivavy izay efa tafaraikita ao anatin’ ireo fahazarana rehetra mpitondra fahasimbana mahafarofy sy mahaosa ati-doha, no ho afaka hahay manavaka ny fahamarinana masina izay tsy maintsy hampiharin’ izy ireo mba hahatonga azy ireo ho voamasina, ho voadio tsara, ho tafasondrotra sy ho voaomana, mba ho isan’ ireo mpiara-monina amin’ ireo anjelin’ ny fanjakam-boninahitra…” conseils sur la nutrition et les aliments, pp. 82, 83

TANANA AN-KAVANAN’ NY HAFATRY NY ANJELY FAHATELO

8-Hatraiza ny fetra maha zava-dehibe indrindra ny fahononana eo amin’ ny fanadramam-piainana kristiana? Inona no loza izay miandry ireo manao tsirambina ny fiaikena ny maha zava-dehibe ny fanavaozana ara-pahasalamana? I Tesaloniana 5 : 23 ; I Korintiana 9 : 25

“Hitako fa ny Raintsika dia nanome ho antsika ilay fitahiana lehibe ateraky ny fahazavana mikasika ny fanavaozana ara-pahasalamana, mba hahatonga antsika ho afaka ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ireo fikasana izay novolavolainy ho antsika, sy hanome voninahitra Azy eo amin’ ny vatantsika sy ny fanahintsika, satria Azy ireo zavatra ireo, ary amin’ ny farany isika dia ho afaka hijoro tsy manan-tsiny eo anatrehan’ ny seza fiandrianany. Ny finoantsika dia mibaiko antsika mafy mba hananganantsika ny faneva sy mba handrosoantsika hatrany hatrany…

“Vitsy ireo olona izay maneho fahavononana ampy tsara sy fironana mba hahafantatra ny hoe hatraiza ny fiantraikan’ ny fomba fihinan’ izy ireo eo amin’ ny fahasalamana, ny toetra, ny antony ilana azy ireo eto amin’ ity izao tontolo izao ity, ary eo amin’ ny anjara mandrakizain’ izy ireo…. Ireo izay mitandrina ny sabata sy miandry  ilay fihavian’ ny Mpamonjy fanindroany dia tokony ho farany amin’ ireo izay tsy liana amin’ ity asa lehiben’ ny fanavaozana ity.” conseils sur la nutrition et les aliments, pp. 59, 60
“… Ireo izay andevozin’ ny fahazotoan-komana dia tsy ho afaka ny hahatratra ny fahalavorarian’ ny toetra.” Témoignages pour l’ eglise, vol 1, p. 484

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no lesona momba ny mana izay omena antsika velona amin’ izao andro fanavotana izao ?

-Inona no loza hanjo antsika raha toa ka nesorintsika tao antsaintsika tao na tsy fantantsika ny fanavaozana ara-pahasalamana?

-Fanontaniana ho an’ ny tena manokana : Hatraiza ny fatra maha matoky tsy mivadika ny tenako eo amin’ ny fifamatorako amin’ ireo fitsipiky ny lanitra momba ny fahasalamana, ka olona tena mankatoa izany marina ve aho?

«  Mofon ‘ny lanitra no nameloman’Andriamanitra ny Isiraely tany an’efitra. Taty aoriana, dia mbola avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ihany no niandrasan’ny Isiraely na ny sakafo ho an’ny vatana na ny ho an’ny fanahy.”Patriarka sy Mpamiany p. 358