« Izay nisy lovia volamena fandoroana dintin-kazo manitra sy ny
fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io
nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ I Arona izay
nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena.” Hebreo 9 : 4
NY MANA
1-Inona no natao tamin’ ilay lovia nisy ilay mana
sarobidy izay nomen’ Andriamanitra mitafotafo ho an’ ny Isiraely? Nahoana ny
mana no notehirizina tao anatin’ ny fiara tao amin’ ny efitra masina indrindra?
Hebreo 9 : 3, 4 ; Eksodosy 16 : 33, 34
“ Tao anatin’ ny efitra masina indrindra dia hitako fa
misy fiara iray… Ao anatin’ io fiara io dia misy vilia misy mana, ny tehin’ I
Arona nitsimoka sy ireo vato-fisaka izay tahaka ny boky anankiray.” Premiers écrits p. 32
2-Ahoana ny toe-tsaina niheveran’ ny vahoaka Isiraely
ny mana izay nomen’ Andriamanitra ho azy ireo avy tany an-danitra? Nomery 11 :
6-8
“Isaky ny misy famerana atao amin’ ny fitiavan-koman’
ireo isiraelita, dia tsy faly izy ireo, ary dia nimonomonona nanome tsiny an’ I
Mosesy, sy Arona ary Andriamanitra… Kanefa moa Andriamanitra dia nizaha toetra
ny vahoakany mba hampiharihary ny ao ampon’ izy ireo, dia navelany handalo
fizahan-toetra io vahoakany io. Rehefa tsy nahomby izy ireo dia naveriny ho eo
amin’ ny toe-draharaha mitovy tamin’ io ihany ary nozahany toetra tamin’ ny
fomba tery sy mafimafy kokoa…
“Ny fandrenesana tsiro nananan’ izy ireo dia efa simba
tany Egypta. Nirian’ Andriamanitra ny hanamboatra indray ny fahazotoan-komana
tao anatin’ izy ireo, mba ho tonga fahazotoan-komana madio sy mba hanana
fahasalamana, ka hahatonga azy ireo ho afaka hiravoravo finaritra hihinana ireo
voankazo tsotra izay nomena an’ I Adama sy Eva tany Edena. Andriamanitra dia
efa teo amin’ ny fotoana izay hametrahana azy ireo tao amin’ ilay Edena
faharoa, dia ilay tany tsara izay afahan’ izy ireo miravoravo finaritra,
mihinana ireo voankazo sy ireo varim-bazaha samihafa karazany azo hanaovana
mofo izay homeny ho azy ireo. Nokasainy ny hanaisotra hiala amin’ izy ireo ilay
fihinana feno zavatra manaitaitra izay niveloman’ izy ireo tany Egypta. Niriany
ny hahatonga azy ireo hanana fahasalamana lavorary sy tanjaka rehefa hiditra ao
anatin’ ilay tany tsara tarehy izay itarihany azy…” Commetaires bibliques, p 22
IREO LESONA TSOAHINA AVY AMIN’ NY MANA
3-Inona no lesona omen’ ilay vilia misy mana ho an’
ireo izay velona eo amin’ ilay fanavotana izay tena izy? Hebreo 9 : 3, 4
“Ny toetoetry ny saina dia misy ifandraisana betsaka
amin’ ny fahasalaman’ ny vatana indrindra amin’ ny taova fandevonan-kanina.
Araka ny fitsipika ankapobeny, Andriamanitra dia tsy nanome mihitsy sakafo misy
nofom-biby ho an’ ny vahoakany tany an’ efitra, satria fantany fa ny fihinana
misy nofom-biby dia hiteraka aretina maro sy toe-tsaina tsy mankatoa. Mba
hanovana ny toetra sy mba hahatonga ireo fahaiza-manao ambony indrindra ananan’
ny saina ho afaka miasa, dia nesorin’ Andriamanitra niala teo amin’ ny fihinan’
izy ireo ny nofon’ ireo fatim-biby. Nomeny ho azy ireo ny sakafon’ ireo avy any
an-danitra. (MS 38, 1898)” Commentaires
bibliques, p. 34
4-Hatraiza ny fetra maha-zava-dehibe indrindra ny
fanavaozana ara-pasalamana ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra izay velona eo
amin’ ny andro fanavotana? I Korintiana 9 : 25
“ Samy tandindon’ny Mpamonjy izay mitsangana ho
antsika isan’andro eo anatrehan’Andriamanitra na ny mana na ny mofo aseho.”Patriarka sy Mpaminany p 358
“Ny fahazavana nomen’ Andriamanitra ary mbola tohizany
izay mikasika ny fihinana, dia tsy maintsy ho zavatra izay tena manan-danja ho
an’ ireo zanak’ Andriamanitra ankehitriny, tahaka ny maha-zava-dehibe ny mana
ho an’ ny vahoaka Isiraely.
“Tsy azontsika atao mihitsy ny mampiditra na dia
vongan-kena iray aza ao anatin’ ny vavonintsika. Ny fihinanana nofom-biby dia
manohitra ny natiora. Isika no tsy maintsy miverina manaraka ilay fikasan’
Andriamanitra tany am-piandohana teo amin’ ny famoronana ny olombelona.” Conseils sur la nutrition et les aliments
pp. 318, 454
5-Rehefa hita fa nifady hanina ireo isiraelita tamin’
ny andro fanavotana, inona koa no tokony hataontsika? Inona ilay tena
fifadian-kanina? Isaia 58 : 3-7
“Ny tena fifadian-kanina marina izay azo hamporisihina
ny rehetra dia ny fifadiana ny sakafo manaitaitra rehetra ka mihonona amin’ ny
sakafo tsotra, mahasalama sy madio izay nomen’ Andriamanitra mitafotafo ho
antsika. Ny olombelona dia tsy maintsymampihena ny fieritreretany ny amin’ ny
zavatra hohaniny sy ho sotroiny, fa kosa manome lanja bebe kokoa ny amin’ ny
sakafo avy any an-danitra izay mampiaina sy manome tanjaka ny
fiainam-pivavahany manontolo.” Conseils
sur la nutrition et les aliments, p. 223
ILAY
LOVIA MISY MANA VERY
6-Ireo Isiraelita dia nanao tsirambina ka tsy nitahiry
ilay vilia nisy mana tao amin’ ilay fiara. Moa ve misy loza ho an’ ny Isiraely
moderina ny fanadinoana ny lesona mikasika ny mana ? II Mpanjaka 8 : 9 ; II
Tantara 5 : 9
“Raha toa ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito
mampihatra ny zavatra izay ambaran’ izy ireo fa hinoany, raha toa izy ireo ka
mpanao fanavaozana ara-pasalamana mahitsy fo, dia ho fisehoana maha-te hizaha
izy eo imason’ izao tontolo izao sy ireo anjely. Ary dia ho naneho zotom-po
misimisy kokoa mba ho amin’ ny famonjena ireo izay tsy mahafantatra ny
fahamarinana izy ireo.” Counsels on
Health, p 575
“Tsy maintsy hita fototra fa misy fanavaozana eo amin’
ireo vondron’ olona izay milaza fa miandry ny fiavian’ I Kristy fanindroany. Ny
fanavaozana ara-pahasalamana dia tsy maintsy manatanteraka ao anatin’ ny
vondrona misy antsika ny asa izay tsy mbola vita. Eo amin’ ireo rehetra izay
tokony hitandrina ny amin’ ireo loza ateraky ny fihinanana nofom-biby, dia maro
ireo izay mihinana ka dia mametraka eo amin’ ny toerana mampidi-doza ny
fahasalamany ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy. Maro ankehitriny amin’ireo
izay resy lahatra amin’ ny antsasany fotsiny ihany mikasika ny fihinana
nofom-biby no hanalavitra ny vahoakan’ Andriamanitra ary hitsahatra tsy
hanaraka intsony ny lalàna izay teo aloha.” Conseils sur la nutrition et les aliments, p. 80
“Azontsika atao ve ny mametraka fitokisana amin’ ireo
mpitory teny izay miombona mihinan-kena rehefa misy hena ny sakafo aroso?
“Aoka hianareo hitandrina tsara ireo didin’
Andriamanitra. Ireo rehetra izay mandika ireo lalàn’ ny
fahasalamana dia hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra.” conseils sur la nutrition et les aliments, p. 480
7-Inona no fampitandremana nalefan’ Andriamanitra ho
an’ ireo izay namono biby ka nanao sakafo be teo amin’ ny andro
fifadian-kanina? Isaia 22 : 12-14 ; II Korintiana 3 : 16, 17, II Korintiana 7 :
1. Inona no loza mitovy amin’ io izay mahazo ny Isiraely moderina?
“ Ny tsy fahalalana ankehitriny dia tsy fialan-tsiny
ho amin’ ny fandikana ny lalàna. Ny fahazavana dia mamirapiratra amin’ ny fomba
miharihary ary tsy misy olona na dia iray aza ho voatery tsy mahalala satria
Andriamanitra mihitsy no mampianatra ny olona. Ny olona rehetra izay mifamatotra amin’ Andriamanitra amin’ ny
alàlan’ ny adidy tena masina indrindra izay tsy maintsy atao mba hitandremana
tsara ny foto-pampianarana marina sy ny fanadramana tena izy, izay natolotr’
Andriamanitra ho azy ireo mikasika ny fanavaozana ara-pahasalamana.
Andriamanitra dia maniry ny mba handinihana ny loha-hevitra midadasiky ny
fanavaozana ara-pahasalamana, sy ny mba hahatonga ny be sy ny maro hahazo
famporisihana mahery vaika mba hianatra azy io; satria zavatra tsy hay heverina
mihitsy ny hoe lehilahy sy vehivavy izay efa tafaraikita ao anatin’ ireo
fahazarana rehetra mpitondra fahasimbana mahafarofy sy mahaosa ati-doha, no ho
afaka hahay manavaka ny fahamarinana masina izay tsy maintsy hampiharin’ izy
ireo mba hahatonga azy ireo ho voamasina, ho voadio tsara, ho tafasondrotra sy
ho voaomana, mba ho isan’ ireo mpiara-monina amin’ ireo anjelin’ ny
fanjakam-boninahitra…” conseils sur la
nutrition et les aliments, pp. 82, 83
TANANA AN-KAVANAN’ NY HAFATRY NY ANJELY FAHATELO
8-Hatraiza ny fetra maha zava-dehibe indrindra ny
fahononana eo amin’ ny fanadramam-piainana kristiana? Inona no loza izay
miandry ireo manao tsirambina ny fiaikena ny maha zava-dehibe ny fanavaozana
ara-pahasalamana? I Tesaloniana 5 : 23 ; I Korintiana 9 : 25
“Hitako fa ny Raintsika dia nanome ho antsika ilay
fitahiana lehibe ateraky ny fahazavana mikasika ny fanavaozana
ara-pahasalamana, mba hahatonga antsika ho afaka ny hampifanaraka ny
fiainantsika amin’ireo fikasana izay novolavolainy ho antsika, sy hanome
voninahitra Azy eo amin’ ny vatantsika sy ny fanahintsika, satria Azy ireo
zavatra ireo, ary amin’ ny farany isika dia ho afaka hijoro tsy manan-tsiny eo
anatrehan’ ny seza fiandrianany. Ny finoantsika dia mibaiko antsika mafy mba
hananganantsika ny faneva sy mba handrosoantsika hatrany hatrany…
“Vitsy ireo olona izay maneho fahavononana ampy tsara
sy fironana mba hahafantatra ny hoe hatraiza ny fiantraikan’ ny fomba fihinan’
izy ireo eo amin’ ny fahasalamana, ny toetra, ny antony ilana azy ireo eto
amin’ ity izao tontolo izao ity, ary eo amin’ ny anjara mandrakizain’ izy
ireo…. Ireo izay mitandrina ny sabata sy miandry ilay fihavian’ ny Mpamonjy fanindroany dia
tokony ho farany amin’ ireo izay tsy liana amin’ ity asa lehiben’ ny
fanavaozana ity.” conseils sur la
nutrition et les aliments, pp. 59, 60
“… Ireo izay andevozin’ ny fahazotoan-komana dia tsy
ho afaka ny hahatratra ny fahalavorarian’ ny toetra.” Témoignages pour l’ eglise, vol 1, p. 484
AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Inona no lesona momba ny mana izay omena antsika velona amin’ izao
andro fanavotana izao ?
-Inona no loza hanjo antsika raha toa ka nesorintsika tao antsaintsika
tao na tsy fantantsika ny fanavaozana ara-pahasalamana?
-Fanontaniana ho an’ ny tena manokana : Hatraiza ny fatra maha matoky
tsy mivadika ny tenako eo amin’ ny fifamatorako amin’ ireo fitsipiky ny lanitra
momba ny fahasalamana, ka olona tena mankatoa izany marina ve aho?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire