vendredi 27 juin 2014

NY TEHIN'I ARONA



“Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.” Nomery 17 : 8

NY TEHIN’ I ARONA

1-Inona tao anatin’ ny fiaran’ ny fanekena teo anilan’ ireo vato-fisaka anakiroa no nisy ny lalàna sy ny vilia nisy ny mana? Hebreo 9 : 3, 4

 Hebreo9:2Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe"Ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo haseho. 3 Ary ao antin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay hatao hoe "Ny fitoerana masina indrindra"




2-Nahoana no notehirizina tao anatin’ ilay fiara ny tehin’ I Arona? Nomery 17 : 5, 10
 
“Ireo fiovana lehibe rehetra izay niseho tamin’ ilay tehina tao anatin’ny alina iray monja dia nikendry ny handresy lahatra azy ireo, fa Andriamanitra no nifidy an’ I Arona teo amin’ ireo zanak’ Isiraely. Taorian’ io fahagagana izay nataon’ ny herin’ Andriamanitra io dia tsy nisy intsony ny fisalasalana ny amin’ ny fahefana hanao ny raharaha fisoronana. Io tehina mahatalanjona io dia notehirizina mba haseho matetika amin’ ny vahoaka, mba hampahatsiahivana azy ireo ny lasa, mba hanakanana azy ireo tsy himonomonona sy mba tsy hiverina hisalasala indray ny amin’ ny fahafantarana ny hoe : iza no nomena an’ io raharaha fisoronana io. Rehefa avy resy lahatra tanteraka ireo zanak’ Isiraely ny amin’ ilay hadisoana nataony, tamin’ ny niampangan’ izy ireo tsy an-drariny an’ I Mosesy sy Arona, sy ilay fomba nanaovan’ izy ireo an’ io fiampangana io, dia hitan’ ireo zanak’ Isiraely ireo ny tena hevitra marina nofonosin’ ilay fikomiana nataon’ izy ireo tamin’ ny lasa, ka dia natahotra mafy izy ireo.” Spiritual Gifts, vol 4 a, pp 35, 36)” Commentaires bilbiques p. 36

FIKOMIANA NANOHERANA IREO MPITARIKA

3-Inona ilay hetsika tao amin’ ny tobin’ ny Isiraely mba hanonganana an’ ireo mpitarika voatendrin’ Andriamanitra? Nomery 16 : 1-3
 
 “Raha tsorina dia nampahatsiahy ny fikomiana nataon’i Losifera, ny fikomiana nataon’ i Kora, na ny voka-dratsiny na ny fanahy nanindry azy. Ny avonavona sy ny fitiavana laza no nanosika azy himonomonona tamin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra sy ny faniriana hanangona ny filaminana voaorina tany an-danitra. Koa hatramin’ ny nahalavoany, ny zava-kendren’ i satana dia ny hisokitra ao an-tsain’ ny olona ny fanahim-pialonana sy ny fahasosorana ary ny fitsiriritana seza sy ny tombom-pitia mitovy amin’ ny azy. Izy no nanefy ny toe-tsain’ I Kora sy Datana ary Abirama mba hampitroatra ao anatiny ny fitiavam-boninahitra sy ny tsy fahatokiana ary ny fikomiana. Ny fitaomany ireny olona ireny handà ireo izay nofidin’ Andriamanitra no nahatarihany azy hanozongozona ny fahefan’ ny lanitra.Patriarka sy mpaminany p 416

4-Inona no lesona izay tsy maintsy hianaran’ ny fiangonana ankehitriny avy amin’ io fikomiana nataon’ I Kora, Datana sy Abirama io? Iza no nanome fahefana ho an’ ny fiangonana? Matio 16 : 18, 19

“Ny fanaovana tsinontsinona ny fahefan’ ny fiangonana dia fanaovana tsinontsinona ny fahefan’ Andriamanitra tenany mihitsy.” Ilay Fitiavana mandresy, p 806
“Ny fiangonana no tanàna mimandan’ Andriamanitra , tanànany fandosirana, izay apetrany eo amin’ izao tontolo izao mikomy. Izay rehetra fivadihan’ ny fiangonana dia famadihana Ilay nividy ny taranak’ olombelona tamin’ ny Ran’ ny Zanany Lahitokana.” Vavolombelona mahery p 13

LESONA HO AN’ NY TARANAKA FARANY

5-Inona no lesona azontsika hianarana avy amin’ ilay fanoherana nataon’I Kora sy ireo namany, eo ambany fitarihan’ ny hoe : ny tehin’ I Arona dia mampahatsiahy tsy an-kijanona ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ ireo fitaovana izay nofidiany? I Korintiana 10 : 11
 
“Ao anatin’ ilay fiara dia nisy ny vilia misy mana, ny tehin’ I Arona mitsimoka ary ireo vato-fisaka izay tahaka ny boky.” Premiers écrits p 32
“Aoka isika hianatra ao anatin’ ny boky “Patriarka sy Mpaminany” an’ ilay fikomiana nataon’ I Kora, Datana ary Abirama dia ilay fikomiana izay tsy notanterahin’ olona roa fotsiny. Io fikomiana io dia notarihin’ ny olona dimam-polo amby roanjato izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady manan-daza. Antsoy amin’ ny anarany avy ny hoe fikomiana sy amin’ ny fivavahana marina ary aoka ho tadidinareo fa ny fanandramam-piainana nandalovan’ ny vahoakan’ Andriamanitra fahiny miaraka amin’ ireo zavatra rehetra nitondra voka-dratsy tao amin’ io fanandramana io dia voasoratra araka ny marina avokoa. Hoy ny Soratra Masina: “Izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika  izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” I Korintiana 10 : 11” Messages Choisis, vol  2 p. 33

6-Nahoana ny tantaran’ ilay fikomiana tao amin’ ny Isiraely no raisina ho fitaratra sy fampitandremana ho an’ izao taranaka ankehitriny izao? IKorintiana 10 : 1, 6
 
“Moa tsy mbola misy koa ve, ankehitriny, ireo fironana ratsy izay miteraka ny fikomiana nataon’ I Kora sy nitarika ny fahalevonany? Hafa lavitra noho izany kosa, fa mifanehatra hatraiza hatraiza ny avonavona sy ny fanirian-daza. Manoka-baravarana ny fialonana sy ny fitadiavam-boninahitra ireo fironana roa ireo rehefa kolokoloina sy ankamamiana. Ny fo izay mirona amin’ izany dia tsy hita akory ny hanalavirany an’ Andriamanitra ka hizorany manatona ny faritanin’i satana. Betsaka ny olona, na dia amin’ ireo milaza azy ho mpianatr’ I Jesosy aza, no mitovy amin’ I Kora sy ireo mpiray tetika taminy, ka maimay amin’ny fitiavana hitana toerana ambony sady vonona mba hahazo mpanohana amin’ ny fampandeferana ny fahamarinana sy ny fanosoran-dratsy ny olon’ Andriamanitra ary hatramin’ ny fiampangana azy ho hetsehin’ ny toe-tsaina tia tena sy mahamenatra aza. Arakaraka ny hamerimberenana ireny fiampangana lainga ireny, hoenti-manohitra ny zava-misy, no nandraisany ireny ho marina. Mihevi-tena ho manao asa soa sy manao ny asan’ I Jehovah izy amin’ ny fandrodanana ny fitokisana nomena ireo mpanompon’ Andriamanitra.” Patriarka sy mpaminany, p. 382

7-Moa ve isika afaka miteny tsy misy fisalasalana fa tsy manana saina izay mety hamolavola tsy fifanarahana na saina mety hiteraka fisaratsarahana? Rom.2 :8, Joda 19

“Ny fikomiana sy ny fandavana ny fivavahana masina dia eo amin’ ny rivotra izay iainantsika. Iantefan’ ny hery alefan’ ireo zavatra ireo isika, raha ohatra ka tsy miankina amin’ I Kristy io fanahintsika tsy manan-kery io.” Messages Choisis, vol 2, p 455
“Kristy dia tsy tonga teto amin’ ity izao tontolo izao ity mba hanampy an’ I Satana hampivelatra ny fikomiana, fa kosa tonga Izy mba handresy an’ io fikomiana io. Eo amin’ ny toerana rehetra izay misy olona mikomy, izy ireo dia hiasa an-tsokosoko ao anatin’ ny maizina, tsy mandeha manatona an’ ireo olona izay hitany fa tokony hanarina araka izay nampianarin’ I Kristy azy ireo, fa kosa mandeha mampiely ny andraikitra sahanin’ izy ireo, dia ilay andraikitra mpitondra fitaka, mpitondra fankahalana, mpitondra fiahiahiana sy fikasana avy amin’ ny tolo-kevitr’ I Satana, tahaka ny nataon’ I Satana tamin’ ireo anjely izay nankasitraka azy sy nanaiky azy mba hahazoany ny fon’ izy ireo tamin’ ny alalàn’ ireo fiampangana sy fanaratsiana. (Lettre 156, 1897).” Commentaires bilbiques, p. 36

TAFAKAMBANA HO IRAY

8-Inona no toro-làlana nomen’ I Jesosy an’ ireo mpianany ? Jaona 13 : 34, 35 ; 15 : 12. Inona no toro-làlana izay tena ambony lanja indrindra ho an’ ny fiangonana ankehitriny?
 
“Ilay fahavalo dia miasa an-kavitrihana mafy tokoa mba hanimba ireo fanahy. Ny fanandratan-tena dia tafiditra eo amin’ ny laharantsika. Tokony hisy fanetren-tena misimisy kokoa. Ny toe-tsaina mahavita tena dia ekena mora loatra eo amin’ ireo mpitondra ny hafatry ny Tompo. Tsy maintsy ialàna io toe-tsaina io, ary ireo mpanompon’ Andriamanitra dia tsy maintsy mifanatona.” Témoignages pour l’ eglise, vol 2 p 444
“Ireto teny manaraka ireto dia maneno eo amin’ ny sofiko, hoe aoka hianareo hitambatra ho iray ihany! Aoka hianareo hitambatra ho iray ihany! Ny fahamarinana masina sy miezinezina ho an’ ity vanim-potoana misy antsika ity dia manana andraikitra hanakambana ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny zavatra ifaninanana ambony indrindra dia voafintina amin’ ireto teny manaraka ireto manao hoe : iza no hitovy betsaka kokoa amin’ I Jesosy Kristy eo amin’ ny toetrany. Iza no ho tafakambana feno amin’ I Kristy ka ho sarotra dia sarotra ny hanavaka azy amin’ I Kristy?” Témoignages pour l’ Eglise, vol 2, p 444

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no lesona tsoahina avy amin’ ny tehin’ I Arona ho antsika izay velona amin’ ny fotoana fiafaran’ ny fanavotana?
-Mihevitra ve hianareo fa misy loza mananotanona mba hanao fikomiana ihany koa amin’ izao taranaka ankehitriny izao? Nahoana no misy na koa nahoana no tsy misy?
-Fomba ahoana irery ihany no hahatonga antsika ho olona tsy manana toe-tsaina feno fikomiana?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire