jeudi 7 août 2014

MITANDRINA AMIN’IRENY FIFOHAZANA SANDOKA MAMPIENTANENTANA IRENY



  «Misy karazan’olona izay mirona mandrakariva ho amin’ny fanoloran-tena hanarahana làlana mitsivalana , ary izy ireo dia mandeha tsy ankiato mihitsy miandry zavatra hafahafa , mahatalanjona sy vaovao . Kanefa tian’Andriamanitra isika rehetra hanao hetsika amim-pitandremana fatratra , handanjalanja tsara ny teny ataontsika mba hifanaraka amin’ny fahamarinana amin’izao fotoana izao . Ny fahamarinana izay omena ho an’ny olona dia tsy maintsy ho tsy misy na inona na inona mampientanentana araka izay azo atao , kanefa kosa mitahiry ny herin’ny fahamendrehany sy ny fahalebiazany . Aoka isika hitandrina mba tsy hamporisika ireo izay manana fihevitra diso , izany hoe : Ireo izay avy amin’ny fahadisoana iray , miampita ho amin’ilay fahadisoana iray hafa izay mifanohitra amin’ilay voalohany . Evangéliser p 547

IREO FIFOHAZANA MARINA SY FIFOHAZANA SANDOKA

 1. - Inona no voalazan’ny faminaniana moikasika an’ireo heverina ho mpaminany izay hitsangana , ka hanao famantarana sy fahagagana maro ? Fifohazana sandoka manao ahoana no  hiely eto amin’izao tontolo izao eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Matio 24 : 24 ; Deotoronomia 13 : 1-3a

           «Nahita aho fa Andriamanitra dia manana zanaka maro mahatoky eny  amin’ireo izay mitondra ny anarana Advantista  ireny , ary koa eny amin’ireo fiangonana lavo . Noho izany , alohan’ny handrotsahana an’ireo loza , dia hisy Pastora maro sy laika maro no ho voaantso hivoaka hiala amin’ireny  fiangonana ireny , ary hanaiky ny fahamarinana amim-pifaliana . Satana dia mahafantatra  an’izany, ary alohan’ny handrenesany an’ilay feo mahery , dia hisy korontana ao anatin’ireny vondrom-pivavahana ireny , mba hampinoana an’ireo izay nitsipaka ny fahamarinana , fa Andriamanitra dia momba azy ireo . Amin’izany fomba izany , Satana dia manantena ny hamitaka an’ireo fanahy mahitsy fo , ary koa manantena ny ho afaka hampino azy an’ireo , fa Andriamanitra dia mbola miasa ao anatin’ny fiangonany . » Premiers Ecrits p 261

2.- Rahoviana no ho tonga ny fotoanan’ilay tena fifohazana marina avy amin’Andriamanitra ? Ary inona no hataon’i satana ? Manahaka ny inona ilay fitaka hataon’i satana ? II korintiana 11 : 13-15

            «…Alohan’ny hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra farany amin’ny tany , dia hisy fifohazan’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra eo amin’izay tsy mbola hita hatramin’ny andron’ny Apostoly eo amin’ny vahoakan’ny Tompo … Haseho amin’ireo fiangonana izay azony tazomina eo ambanin’ny  heriny mamitaka fa mirotsaka manokana hiseho amin’izay heverina ho fifohazana ara-pivavaha lehibe ny fitahian’Andriamanitra . Vahoaka marobe no hiravoravo fa miasa amin’ny fomba mahagaga ho azy Andriamanitra , nefa asan’ny fanahy hafa izany . Amin’ny endrika ara-pivavahana no hitadiavan’i satana hanitarana ny heriny miasa mangina eo amin’ireo mpivavaka kristiana . »  Hery Mifanandrina p 478

MANDOSITRA NY FIETANAM-PO SY NY FAHAFINARETANA FATRATRA AVY AMIN’NY FAHAGAGANA 
                           
3. - Nahoana moa ireo zava-miseho mihoatra noho ny herin’olombelona no miasa ho amin’ny fifohazana sandoka ? Apokalypsy 13 : 13-14
 
          «Hisy toe-javatra mahatahotra  manana endrika tsy fahita hiseho tsy ho ela eny amin’ny lanitra ho famantarana ny herin’ny demonia miasa fahagagana . Handeha hankany amin’ny mpanjakan’ny tany ireo fanahin’ny demonia sy ho any amin’izao tontolo izao manontolo , mba hanamafy orina ny famitahana azy , sy hampirisika azy ireo hiandany amin’i satana eo amin’ny ady farany hataony amin’ny fitondram-panjakan’ny lanitra . Ho voafitak’ireo anjely avokoa na ny mpitondra na ny entina . » Hery Mifanandrina p 649,650

4. - Inona no ampiasain’ireo herin’ny ratsy mba hanatanterahan’izy ireo ny tanjona feno fitaka izay kendreny ? Moa ve ny toriteny mampientam-po sy mitondra figagana , dia zavatra tohanan’ny Fanahin’Andriamanitra ? Matio 24 : 11 ; II Petera 2 : 1,3
           
             «Ampiharo ny teny fa tsy hoe henoina fotsiny ihany  . Amin’ny alalan’ny fiankinanao amin’ny famoaboasan-kevitra diso . Mora ny hahatonga ny olona ho voatosiky ny hery anankiray ka hihiaka hoe : hosana miaraka amin’ireo olona analinalina . Kanefa , ao anatin’ny fahatoniana eo amin’ny fiainana andavan’andro , rehefa tsy misy fitaomana manokana na firehi-drehetana toy izany , dia tonga ny fitiliana ny fihetsika izay vavolombelon’ny tena fivavahana kristiana marina . Rehefa izany , ny fonareo dia ho tonga mangatsiaka , ary mihena ny zotom-ponareo . Ary tsy mahafinaritra anareo intsony ny fampiasan-tena amin’ny fivavahana . » Testimonies for the Church vol 4 p 188
   «Hoy Kristy :Hianareo no sakaizako , raha manao araka izay andidiako anareo , Jaona 15 : 14 . Izany no fepetra voadidy . Amin’izany dia ho voaseho ny toetran’ny olona . Ny fihetseham-po dia matetika mamitaka , ary ny fihetanam-po dia tsy fiarovana mihitsy . Satria io fihetanam-po io dia miovaova , ary voabaikon’ny toe-javatra ivelany . Olona maro no voafitaky ny fihetanam-po ao anatin’izy ireo ao . Ireo fanontaniana manandanja indrindra dia ireto manaraka ireto : “ Inona no hataonao ho an’i Kristy ? ” “Inona ireo fahafoizan-tena ataonao ? ” “ Inona ireo fandresena izay efa mba azonao ? ” Ny saina feno fitiavan-tena , ny fakam-panahy mitarika hanao antsirambina ny adidy izay voatsipaka , ny filan-dratsy izay noresena , ny fankatoavana feno fifaliana ny sitrampon’i Kristy , dia porofo fa zanak’Andriamanitra ianareo , ary izany porofo izany dia mihoatra lavitra noho ny porofo asehon’ny fitiavam-bavaka mirehi-drehitra sy ny fivavahana feno fietanam-po.» Témoignages pour l’Eglise vol 2 p 115

5. - Inona no voalaza mikasika ny olona anankiray izay tsy mahay mifehy ny fihetanam-po ao anatiny ao ? Nahoana moa ny fihetanam-po no tsy azo ametrahana fitokisana ? Ohabolana 25 : 28 ; 16 : 32
 
           «Ny teny hoe fietanam-po dia tsy ampiasaina ao anaty Baiboly . Eo amin’ny toeran’io teny io dia , ny fanahy no hitantsika ao anaty Baiboly ao , izay midika hoe , fandrenesana ao anaty  . Ireo fihevitr’olombelona dia matetika mamitaka , ary ireo fietanam-po dia tsy fiarovana azo antoka , satria izy io dia miovaova sy voabaikon’ireo toe-javatra ivelany . Olona maro no voafitaky ny hevitra ao anatin’izy ireo ao . » Temoignages pour l’Eglise vol 2 p 115
             «Ny fivavahana dia tsy fietanam-po fotsiny ihany , tsy hevitra , fa kosa fitsipi-piainana izay tena mifangaro lalina tokoa amin’ireo raharaha ataontsika andavan’andro . » Puissance de la Grace p 292
              «Satana dia mampino ny olona fa , efa nandalo fiovam-po izy ireo satria efa nandalo haravoravoana , kanefa ny asan’ireo olona ireo dia mbola tsy niova , ary ny fiainany dia tsy mamoa na dia voa tsara iray ihany aza . Izy dia heno mivavaka matetika , manao vavaka lava reny , milaza mitohy an’ireo fihetseham-po izay tsapany tao anatin’ny toe-draharaha samihafa . Kanefa izy  dia tsy mahalala ny atao hoe fiainana vaovao . Izy ireo dia voafitaka . Ny fanandramany dia tsy mihoatra noho ny fihetseham-po ao anatiny ao . Izy dia manorina trano eo ambony fasika , ary rehefa mitsoka ireo rivotry ny fahoriana , dia ho voafafa ny tranony . »  Messages à la Jeunesse p 69

IREO FANDRIKA MPAMITAKA
                                               
6. - Tahaka ny teo amin’ilay fitaka voalohany , amin’ny alalan’ny faharenesana inona no ifehezany matetika ny sain’ny olona ? Genesisy 3 : 6
 
            «Betsaka tamin’ny fifohazana niseho nandritra ny tapany farany tamin’ny taonjato farany teo no efa niasan’ireny hary ireny , na be na kely , ary mbola hiseho indray izy amin’ireo fihetsiketsehana hita bebe kokoa amin’ny ho avy . Misy fihetseham-po taitaitra , fampifangaroana ny marina sy ny diso , izay voakendry indrindra ho enti-mandiso làlana . Tsy misy na iza na iza tokony ho voafitaka anefa . Eo amin’ny fahazavan’ny tenin’Andriamanitra dia tsy sarotra ny mahafantatra ny toetran’ireny fihatsiketsehana ireny . Na oviana na oviana ny olona no manao antsirambina ny teny vavolom-belon’ny Baiboly , ka miala amin’ireny fahamarinana mazava ireny , izay fisedrana ny fanahy iray mitaky fahafohizan-tena sy fahafohizana an’izao tontolo izao , dia azontsika antoka fa tsy mirotsaka amin’izany ny fitahian’Andriamanitra . Ary araka ny fitsipika izay nomen’i Kristy hoe : “Ny voany no ahafantaranareo azy Matio 7 : 16 , dia ahitana marimarina fa tsy asan’ny Fanahin’Andriamanitra ireny fihetsehana ireny . »Hery Mifanandrina p 478,479

7.- Inona no zavatra izay mora tsikaritra eo amin’ny fotoanan’ny andro farany , ary inona no zavatra izay tsy misy ? II Timoty 3 : 1,5 ;   Matio 7 :21 ; Lioka 6 : 46
 
           «Tsy ampy ny manambara hoe “ mino aho ”fa tsy maintsy mampihatra ny fampianaran’Andriamanitra , rehefa ny sitrapon’Andriamanitra no voaseho eo amin’ireo teny ataontsika , eo amin’ny fitondran-tenantsika , eo amin’ny toetrantsika , izany dia manaporofo ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra . Ny fiainan’ny olona iray izay mandao ny fahotana , izay fandikana ny didin’Andriamanitra , dia tonga mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainany , ary izy dia maneho fankatoavana feno . Izany no asan’ny Fanahy Masina … Ny tsipika mampisaraka an’ireo izay tia an’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny , sy ireo izay tsy tia an’Andriamanitra ka manitsakitsaka ny fitsipika nomeny , dia ho hita mazava sy tena voafaritra miavaka tsara . »  Temoignages pour l’Eglise vol 2 p 454

8. - Inona ireo fomba fiasa tsy avy amin’Andriamanitra izay ampiasaina ao anatin’ireo fifohazana sandoka ? Amosa 5 : 23
 
            «Ny zavatra izay nosoritsoritana hoe miseho ao anatin’ny … dia ireo indrindra no zavatra nasehon’ny Tompo ahy , izay tsy maintsy ho tonga alohan’ny fahataperan’ny androm-pahasoavana . Tsy fitandremana isan-karazany no hataon’ny olona . Misy horakoraka , miaraka amin’ny aponga , hira sy dihy . Olombelona mahay misaina maro no hisafotofoto , hany ka tsy hahay handray fanampahan-kevitra tsara . Ary izany no ho lazaina fa asan’ny Fanahy Masina . Ny Fanahy Masina dia tsy miseho amin’izany fomba izany na oviana na oviana , izay ao anatin’ny tabataba mafy dia mafy toy izany . Ao anatin’io fomba io dia misy zavatra noforonin’i satana izay mikendry amin’ny alalan’ireo fitaovana , na mampiseho fahaizana , ny hanafoana an’ireo fahamarinana madio , marina , mampisondrotra sy manamasina , izay voatendry ho amin’izao fotoana misy antsika izao . Ny tabataban’ny ao an-trano feno olona adala , dia manohitra an’ireo faharenesana , ary manimba ny zavatra izay tokony ho mitondra soa , raha ohatra ka nampiasaina tsara . Ireo herin’i Satana dia mamokatra lalao feno horakoraka sy tabataba , ary izany no tiana hantsoina hoe asa ataon’ny Fanahy Masina . Tsy misy famporisihana tokony hatao amin’ny fanompoam-pivavahana toy izany . » Messages Choisis vol 2 pp 41,42

VOAARO AMIN’NY FITAKA                                                       

9. - Inona no fihovana izay tsy maintsy misy ao anatin’ny sain’ny olona nankiray , alohan’ny hahafahany mahafantatra an’ireo zavatra lavorary indrindra takian’ny lanitra ? Romana 12 : 2
 
              «Ny sain’ny olona maro dia tena ambany lenta tokoa , hany ka tsy afaka ny hiasa ho azy ireo Andriamanitra , na miasa miaraka amin’izy ireo . Ny fizotran’ny fiainana dia tsy maintsy miova , ary ny toe-tsaina eo amin’ny ara-pitondrantena dia tsy maintsy ambony mba hahafantarana tsara an’ireo zavatra lavorary indrindra takian’Andriamanitra ». Pour un bon Equilibre Mental et Spirituel vol 2 p 812 
             «Ny tena fanavaozana marina dia manomboka amin’ny fanadiovana ny fanahy . Amin’ny alalan’ny fandroana ao anatin’ny fihatsarana indray sy ny fanavaozana ny saina amin’ny alalan’ny herin’ny Fana Masina , no hisian’ny fiovana eo amin’ny fiainana . Amin’ny alalan’ny fibanjinan-tsika an’i Kristy no mampiova antsika . Raha ohatra ny saina ka mitoetra tsy ankijanona eo amin’ireo zavatra ara-nofo , ireo zavatry ny nofo ireo dia tonga mambabo , tonga mahakasika ny toetra , hany ka very tsy hita intsony ny voninahitr’Andriamanitra . Ireo zavatra fanararaotra izay azon’izy ireo noraisina mba hifankazarana amin’ny zavatry ny lanitra , dia natao antsirambina . Noho izany dia maty ny fiainana ara-panahy .” Sons and Daughters of God p 105

10. -Inona irery ihany no afaka miaro ny kristiana anankiray mba tsy ho lavo eo anantrehan’ireo fitaka miseho amin’ny fotoanan’ny andro farany ? II petera 1 : 10 ; I Korintiana 10 : 12
                      «Ny fiainan-tsambatry ny fanahinao sy ny fahasambaranao mandrakizay dia mifampiankina , raha ohatra ka ny fototra ijoroanao miorina eo amin’i Kristy . Raha ny olona  sasany mihazakazaka mba hahazo an’ireo firavoravoan’ny tany , aoka kosa ianao hihazakazaka mba hahazo an’ilay toky mihariharin’ny fitiavan’Andriamanitra , sady miantso mafy amin’ny fomba matotra tsara sy amin-kafanana manao hoe : “Iza no afaka haneho ahy ny fomba hahafahako manao ho zavatra azo antoka ny fiantsoan’Andriamanitra ahy sy ny fifidianany ahy” ? Ny anankiray amin’ireo famantarana ny fotoanan’ny andro farany dia ny hoe , ireo izay milaza tena fa kristiana dia tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra . Aoka ianao hiraharaha marina ny fanahinao , mandinika amim-pitandremana fatratra . OLona tena vitsy tokoa , rehefa avy mandinika tsara amin’ny fomba mahatoky , no afaka mijery ny lanitra sy miteny manao hoe : “ Izaho dia isan’ilay voasoritsoritra toy izany , izaho dia tsy tia an’ireo fahafinaretana mihoata noho ny fitiavako an’Andriamanitra ” . Tena vitsy tokoa ireo olona izay afaka miteny hoe “Izaho dia maty ny amin’izao tontolo izao”… Testimonies for the Church vol 2 p 145

NY ZAVATRA IAINAN’IREO OLONA VITSY AN’ISA



 «Ny tena vahoakan’Andriamanitra marina , izay tia amin’ny fo manontolo ny asan’ny   Tompo , sy ny famonjena an’ireo fanahy , dia hitsara mandrakariva ny fahotana araka ny toetra mahatsiravina ananan’io fahotana io . Ny vahoakan’Andriamanitra marina dia manaiky ny fanehoana mazava tsara ny amin’ny fomba fanehoana mitohy ireo fahotana malaky mahazo azy . Io vahoaka io dia hanana saina matsilo mahafantatra an’ireo fahadisoany , indrindra eo amin’ny ora farany eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana , eo amin’ny fotoana izay ametahana tombokase ireo 144000, izay tsy maintsy mijoro tsy misy pentina eo anoloanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra . » Temoignages pour l’Eglise vol 1 pp 384,385 

MIEZAKA MIDITRA
                                                      
1. - Inona no navalin’i Jesosy rehefa nanontaniana Izy hoe : firy no ho vonjena ? Nahoana moa no toy izany ny fandehan-javatra ? Lioka 13 : 23-24
 
          «Tsy azo sintonimpotsiny ho any an-danitra isika . Tsy misy olona kamo afaka hiditra ao. Raha tsy miezaka isika tsy ho tafiditra ao amin’ny fanjakana . Raha tsy miezaka mafy mba hanaraka ny lalàna isika dia tsy ho mendrika ny handray anjara amin’ny tanin’ny olon-tsambatra. Ireo izay mandà ny hiara-miasa amin’Andriamanitra eto an-tany dia tsy hiara-miasa Aminy any an-danitra . Tsy ho tsara ny hitondrana azy any an-danitra . » Henoinareo ny Fanoharana p 240 
             «Manana andraikitra lehibe ao anatin’ilay ady ho amin’ny fiainana mandrakizay ny olombelona.  Izy dia tsy maintsy vonona ny hiasan’ny Fanahy Masina . Noho izany , adidin’io olona io no tsy maintsy mitolon hanàpaka ny fifandraisany amin’ny herin’ny  maizina , ary ny Fanahy Masina dia hiasa ao anatiny, hahatonga azy hahavita an’izany . Kanefa moa ny olombelona dia tsy zava-manan’aina miandry fotsiny ny ho voavonjy na dia eo aza ny fitsilamodamohana ataony .  Takiana izy mba hanenjana ny hozatra rehetra ananany sy hampiasa ny fahazoa-manao  rehetra ananany ao anatin’io ady io , mba hahazo ny fandresena . Kanefa Andriamanitra no manome ny fahafaha-manao rehetra takiana . Tsy misy olona na dia iray aza afaka ny hovonjena ao anatin’ny fitsilamodamohana . Ny Tompo dia mitaona antsika amin’ny fomba mandresy lahatra tokoa , ao anatin’ireto teny manaraka ireto manao hoa : “ Miseseha hiditra amin’ny varavarana éty ianareo , fa hoy Izaho aminareo : Maro no mitady hiditra fa tsy ho afaka ”. Lioka 13 : 24 . “ Midira amin’ny vavahady ety ianareo , fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana , ka maro no miditra any . Fa éty ny vavahady , ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana , ka vitsy ny mahita  azy ”. Matio 7 : 13-14 . » Pour un bon équilibre mental et spiritual vol 2 pp 627,628

VAHOAKA ANANKIRAY SISA IZAY TENA VITSY TOKOA 
                                
2. - Ampahan’ny vahoaka toy inona no nankatoa tamin’ny andron’ny Israely tranainy ? Ahoana no fomba anoharana an’izany amin’ny ankehitriny ? Isaia 1 : 9 ; 4 : 3 ;                  Romana 11 : 5
 
          «Nanjaka niaraka tamin’ny fanehoan-kery tafahoatra teo amin’ny saranga rehetra tamin’ny mponina ny tsy fahamarinana . Hany ka nalaim-panahy matetika hanaiky ho azon’ny fakakiviana sy ny famoizam-po ireo olom-bitsy nitoetra nahatoky tamin’Andriamanitra . Ary toa efa teo an-dalan’ny hahalefika azy mihintsy aza ny fikasan’Andriamanitra momba ny Israely , ary efa hihatra tamin’ilay firenena mpiodina ny anjara mitovy amin’izay nanjo an’i Sodoma sy Gomora . » Mpaminany sy  Mpanjaka  pp 253-254   
           «Naseho ahy ny fiaran-dalamby anankiray izay mandeha amin’ny hafainganam-pandeha toy ny tsela-baratra . Ilay anjely dia niteny tamiko mba handinika tsara an’io fiaran-dalamby io . Noho izany dia nafatoko tamin’izy io ny fijeriko . Ary toa nipetraka tao anatiny tao ny olombelona rehetra teto amin’izao tontolo izao , ka tsy nisy olona na dia iray aza teo ivelany . Nanontany an’ilay anjely aho hoe : moa ve tena ao anatin’io fiaran-dalamby io avokoa ny olombelona rehetra ? Dia niteny tamiko ilay anjely mba hijery any amin’ny zotra mifanohitra amin’ny fizotran’ilay fiaran-dalamby , ka dia nahita vondron’olona vitsy aho izay nanaraka làlana anankiray tery . Ireo olona rehetra tao anatin’ilay vondrona kely dia tena niray marina tamin’ny alalan’ny fahamarinana . » Premiers Ecrits p 88    
      
3. - Teo amin’ireo olona an-tapitrisany maro tamin’ny andron’i Noa , olona firy no voavonjy ? I Petera 3 : 20
 
       « Tamin’ireo olona marobe nonina tety ambonin’ny tany tamin’ny andron’i Noa , dia olona valo monja no nanaiky ny antson’Andriamanitra . Rehefa nanambara ny hanjo izao tontolo izao ilay mpitoritenin’ny fahamarinana , dia hita fa notsiratsiraina sy nolavin’ny olona ny hafatra nentiny . Tsy misy hafa amin’izany no miseho ankehitriny.» Patriarika sy Mpaminany p 86
                             
AFAKA MIASA AMIN’NY ALALAN’NY OLONA VITSY NY TOMPO 

4. - Moa ve tsy maintsy ilaina ny olona tena maro mba hahazoana fandresena eo amin’ny asan’Andriamanitra? Nahoana no tsy voatery ho olona maro , na koa hoe maninona moa raha toa ka olona maro ? Mpitsara 7 : 6-7 ; I Samoela 14 : 6b
            «…Ny olona izay manao ny adidy ho ambonin’ny mahafinaritra ny tenany no ho voafidy . Koa ireo telonjato lahy ary , dia tsy hoe akory be herim-po sy manana toetra tony ihany , fa koa olon’ny finoana . Afaka tamin’ny lotom-panompoan-tsampy izy ireo ka ho tohanan’ny any ambony , ary avy amin’ny alalan’ny tenany no hamonjena ny Israely . Tsy miankina amin’ny fahamaroana fa miankina amin’ny toetra ny fahombiazana . Afaka mamonjy Andriamanitra na amin’ny olona vitsy na amin’ny olona maro . » Patriarika sy Mpaminany p. 580

5. - Inona no antony tsy mahamety ny mampitaha ny haben’ny fiangonan’Andriamanitra amin’ny habean’ireo fandaminam-piangonana hafa ? Deotoronomia 7 : 7 ; Apokalypsy 12 : 17
 
            «Raha ohatra ianao ka mampietry an’ireo tanjona kendrena ara-panabeazana mba ho mamy hoditra eo amin’ireo mpianatrao , ary raha ohatra ka maharavoravo anao izany , dia maneho ianao fa misy fahajambana lehibe ao anatinao ao . Raha ohatra ka ny hamaroan’ny isa no mitondra fahombiazana , Satana dia afaka nitaky ny toerana voalohany , satria eto amin’ity izao tontolo izao ity , dia ireo mpiandany amin’i satana no tena maro an’isa indrindra . » Conceils aux Enducateurs , aux Parents , et aux Etudiants p 78
Mikasika ny Isiraely , Andriamanitra dia nanambara izao teny manaraka izao manao hoe : “Ity dia vahoaka manana ny fonenany miavaka manokana , ary tsy hatao ho isan’ny jentilisa. ”Ireo teny ireo dia mihatra amintsika , sady nihatra tamin’ny Isiraely tranainy ihany koa . Ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy maintsy mijoro ho irery.» Testimonies for the Church vol 7 p 109
           «Aoka ianao tsy ho menatra na oviana na oviana ny amin’ny finoanao , aoka ianao tsy ho hita na oviana na oviana ho miandany amin’ilay fahavalo . Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao . Ny finoanareo dia tsy maintsy voaseho tahaka ny fahamarinana saro-bidy . Dia fahamarinana izay tsy maintsy ananan’ny rehetra , ary ny rehetra dia tsy maintsy manana an’izany raha ohatra ka te voavonjy . Amin’ny maha vahoaka vitsy an’isa antsika , dia tsy ho mamim-bahoaka isika . Ireo fahavalon’ny fahamarinana dia mikatsaka ny hanisy ratsy  antsika , ka hiampanga antsika , eny hanimba ny fanahintsika mihitsy aza . Ireo fahavalontsika ireo dia tsy hankasitraka mihinsy an’ireo antony manosika antsika . »   Testimonies for the Churchvol 5 pp 520-521

VAHOAKA ANAKIRAY SISA MANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA        

6. - Moa ve ampy ny hoe vita batisa sy voaray ho mambran’ny fiangonana iray ? Omeo ny hevitrao mikasika an’izany .Matio 22 : 14 ; 7 : 21
 
            «Ny tenin’Andriamanitra dia milaza amintsika mazava tsara fa “ vitsy no ho vonjena ”, ary ny ankamaroany mihitsy aza amin’ireo voantso dia ho voaporofo fa tsy mendrika ny fiainana mandrakizay . Izy ireo dia tsy hanana anjara any an-danitra   mihitsy , fa kosa hanana ny anjarany miaraka amin’i Satana ary hiharan’ny fahatezerana faharoa . » Testimonies for the Church vol 2 pp 293-294
             «…Tsy  ampy ny mino ara-tsaina fotsiny ny fahamarinana , sy ny manao ny tena ho manana finoana , na koa ny mahafantatra fa tsy mpamitaka  Jesosy , ary ny Baiboly dia tsy angano  voarindra tamim-pahakingana . Fa hoy  i Jaona : “ Izay manao hoe fantatro Izy , nefa tsy mitandrina ny didiny , dia mpandainga , ary marina tsy ao anatiny . Fa na iza na iza mitandrina ny teniny , dia tanteraka ao aminy  marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra ; izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika . Izay milaza fa mitoetra ao Aminy izy , dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa . Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao Aminy , ary Izy kosa ao aminy . I Jaona 2 : 4-6 ; 3 : 24 »  Vavolombelona Mahery p 498

7. - Inona no fitoetra ara-panahy izay hisy an’ireo tena mpino marina any amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Zefania 3 : 12-13 ; Apokalypsy 14 : 5

             «Ny olona tsirairay izay ampiasain’Andriamanitra dia tsy maintsy mianatra fa Ilay Andriamanitra velona , izay manatrika mandrakariva sy miasa mandrakariva , dia Izy io no ilay Andriamanitra fara-tampony izay nampindrana an’ireo talentany maro ho an’io olona io mba hampiasainy , nanome ny tsilon-tsaina ho amin’ny famoronana , nampindrana fo anankiray mba ho fitoeran’ny seza fiandrianany , nampindrana fitiavana maro mba hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra izay manatona io olona io , nampindrana ny feon’ny fieritreretana izay ahafahan’ny Fanahy Masina miditra mba handresy lahatra azy ny amin’ny fahotana , sy ny fahamarinana , ary ny fitsarana . Ny fanetren-tena no mialoha làlana ny voninahitra . Mba hanaovana ny andraikita iray ho ambony araka ny fijerin’olombelona , Andriamanitra dia mifidy mpiasa anankiray izay eo amin’ny fitoetra tsotra eo anatrehany . Arakaraka ny mampitovy ny finoan’ilay mpianatra amin’ny finoan’ny ankizy kely , no mampahomby ny asa ataony ho an’Ilay mpampianatra . »    Avec Dieu Chaque Jour P 349
             «Tena imbetsaka tokoa aho no nahita olona maro izay tsy nanan-kialofana teo amin’ny fotoanan’ny fahoriana . Izy ireo dia nanao antsirambina ny fiomanana , izay no antony mahatonga azy ireo tsy afaka mandray an’ilay famelombelomana izay tsy maintsy raisin’ny tsirairay mba hahafahana miaina eo imason’Ilay nifidy azy . Hitako fa tsy nisy olona nanana anjara tamin’ilay famelombelomana raha toa ka tsy mbola nandresy ny fahadisoana tsirairay talohan’io fotoana io izy : dia ny avonavona , ny fitiavan-tena , ny fitiavana an’izao tontolo  izao , ny fandresena ireo teny tsy maontina tsirairay , ary ny asa ratsy rehetra . Noho izany dia tsy maintsy manantona ny Tompo akaiky kokoa mandrakariva isika , ary mikatsaka amin’ny fomba matotra kokoa an’ilay fiomanana izay tsy maintsy ilaina , izay ahatonga antsika ho afaka maharitra eo amin’ilay ady amin’ny andron’ny Tompo . Aoka ho tadidintsika fa Andriamanitra dia masina , ka zava-manan’aina masina ihany no afaka hahajoro eo anatrehany . »  Premiers Ecrits p 71

8. - Inona ilay toetoetra voafaritra manokana izay hamantarana ny fiangonan’ny vahoaka sisa ? Ezekiela 9 : 4 ; Matio 5 : 4
 
«Ny tombokasen’Andriamanitra dia tsy hapetaka na oviana na oviana eo amin’ireo izay tsy miory noho ny fahantrana ara-panahy ary tsy mitaraina noho ny fahotan’ny hafa … Eo amin’ny fotoana izay ahatongavan’ny loza sy ny fahatrotrahany eo amin’ny firehetana izay tsy izy ao anatin’ny fiangonana , ireo olona mahatoky vitsy an’isa izay mijoro ao anatin’ny fahazavana , dia hitaraina sy hitomany noho ny amin’ireo fahavetavetana izay atao eto ambonin’ny tany . Kanefa ireo fitalahoana ireo dia hiakatra manokana ho fangatahana hanasoa ny fiangonana , satria ireo mambra ao dia tsy manao hetsika araka ny fanaon’izao tontolo izao . » Temoignages pour l’Eglige vol pp 73,71,72

VAHOAKA SISA, MIORY NOHO NY FAHOTANA

9. - Nahoana moa ny olona tsirairay no tokony hitomany noho ny amin’ny fahotany ? Jakoba 4 : 7-10

               «Matetika isika no malahelo satria mitondra vokatra tsy mahafinaritra ho antsika ny asa ratsy ataontsika . Tsy fibebahana anefa izany . Ny tena alahelpo noho ny fahotana dia vokatry ny asan’ny Fanahy Masina . Ny Fanahy no manambara ny tsy fahaizan’ny fo mankasitraka , dia ny fo manao tsinontsinona ny Mpamonjy sy mandratra  Azy , ka entiny eo ampototry ny hazo fijaliana isika rehefa torotoro fo . Mandratra an’i Jesosy indray ny fahotana rehetra . Ary raha mijery Azy izay nolefonina isika dia malahelo noho ny fahotana izay nahatonga ady mihatra aman’aina taminy . Ny alahelo toy izany no hitarika ho amin’ny fahafoizana ny fahotana . » Ilay Fitiavana Mandresy p 314 

10. - Inona no fanandramana izay nilain’ireo mpianatra ? Inona no fanandramana mitovy amin’izany izay ilaintsika ihany koa ankehitriny ? Asan’ny Apostoly 1 : 13-14

             «Napetrany ny fahasamihafana rehetra  , ny faniriany rehetra ho ambony  . Ka nifanatona akaiky teo amin’ny fihavanana kristisna   izy . Nanatona akaiky kokoa hatrany an’Andriamanitra izy ireo. » Vavolombelona Mahery p 34.
            «Ny fifohazana dia midika fanaovana ny fiainam-panahy ho vaovao , fampivelarana ny fahazoa-manaon’ny saina sy ny fo , fitsanganana amin’ny fahafatesana ara-panahy. »
 ( Review and Herald 25 Fevrièr 1902 ) Messages Choisis vol 1 p 148
             «Ireo zavatra maro nandalo teo anantrehako tamin’ny alina dia tena nanaitra ahy mafy tokoa . Izaho dia nahatsapa fa niatrika fihetsehana lehibe , asa fifohazana anankiray , izay natao teo amin’ny toerana maro samihafa . Ny vahoakantsika dia niditra tao an-daharana ho valin’ny antson’Andriamanitra . Ry ranadahiko , ny Tompo dia miresaka amintsika . Moa ve tsy  hihaino ny feony isika? . »  Messages Choisis vol 2 p 464