lundi 20 octobre 2014

NY FANAVAOZANA ADVANTISTA



«Manasa ny mambra tsirairay Andriamanitra ao anatin’ny fiagonana mba hanokana tsy misy fepetra ny fianany ho amin’ny asany. Manao antso mba hanaovana fanavaozana marina Andriamanitra. Ny vohary manontolo manontolo dia mitaraina eo ambany ozona. Ireo zanak’ Andriamanitra dia tsy maintsy miaina ao anatin’ny fitoetra izay afahan’ izy ireo mitombo amin’ny fahasoavana, izay ahafan’ izy ireo ho voamasina amin’ny alalan’ny fahamarinana, vatana, fanahy ary saina. Amin’ny alalan’ny fitsipahana ireo fitiavan-komana rehetra izay manimba ny fahasalamana, izy ireo dia ho afaka ny hanana fahafantarana marina tsara mikasika ny atao hoe tena fitiavam-bavaka marina, dia hisy fiovana mahagaga izay hita eo amin’ny fiainam-pivavahana.” Conseils sur la nutrition et les Aliments, pp. 38, 39

MANAMBOATRA IZAY BANGA

1.- Inona no manamarika manokana ny fihetsehana Advantista amin’ny maha tena fanavaozana marina azy io? Eo ambonin’ inona no iorenan’ io fihetsehana io? Isaia 58 : 12,13
 
      «Hiverina amin’ny laoniny daholo ny lalàn’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Tsy maintsy hamboarina ny rava amin’ny lalàn’ Andriamanitra, dia ny andro Sabata izay novan’olombelona. Hampiseho ny vahoak’ Andriamanitra amin’ny andro farany, fa io lalàna io no fototra eo amin’ny fanavaozana maharitra rehetra, ary ny didy fahaefatra dia hitoetra ho fahatsiarovana ny fahamoronana sy ho toy ny fampahatsiarovana mandrakariva ny herin’ Andriamanitra. Ary raha lazaina amin’ny teny fohy sy mazava, dia izy no hampiseho ny antony ilàna ny hankatoavana ny fitsipika rehetra ao amin’ny Didy folo. Ny fitiavan’ i Kristy no manery ny vahoakan’ Andriamanitra hiara-miasa amin’ny Tompo “ hanangana ny efa rava ela. Izy no ho Mpanamboatra ny rava, Mpamilon-dàlana honenana amin’ny tany” Isaia 58: 12. Mpaminany sy Mpanjaka p. 554
           «Naseho ahy fa raha toa ka notandremana hatrany hatrany ny tena Sabata marina, dia tsy ho nisy mihitsy na oviana na oviana ny olona tsy mahatoky na ny olona tsy mino an’ Andriamanitra. Ny fitondrana ny Sabata dia ho nitahiry an ‘izao tontolo izao mba tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny fanompoan-tsampy.” Testimonies for the Church vol1 , p76

2.- Inona no nanjo an’ ireo fokon’ Ny Isiraely sy Joda teo amin’ny fotoan’ andron’i Isaia sy Jeremia? Moa ve ny fanalavirana ny làlana nosoritan’ Andriamanitra dia voafetra ho nisy teo amin’ny andro taloha fotsiny ihany? Jeremia 11: 10 ; Isaia 24: 5

             «Ireo mponina eto amin’ ity izao tontolo izao ity ihany no manao izay mahavoaloto an’ ity izao tontolo izao ity. Ireo mponina ireo ihany no manao izay mahafeno an’ ilay kapoakan’ny tsy fahamarinana , kanefa ny mampa-loza bebe kokoa ny famaizana, dia ny fanaovana tsy fahamariana rakofana ao ambany fitiavam-bavaka”.
“Ilay Mpanavotra an’ izao tontolo izao dia tsy mbola nandroaka mihitsy na oviana na oviana ny olona izay mibebaka amin’ny fo mahitsy tokoa, na toy inona na toy inona fidadasiky ny fahadisoan’ io olona io, kanefa kosa Izy dia manakiana amin-kery tokoa an’ ireo fariseo sy ireo mpihatsaravelatsihy. Misy fanantenana bebe kokoa ho an’ny olona anakiray izay manota an-karihary toy izay ho an’ ireo fariseo sy ireo mpihatsaravelatsihy ireo.” Temoignages pour l’ Eglise vol2 , p 38
        «Ireo izay manana saina tratran’ny hamaizinana ka tsy mahafantatra ny tena maha izy azy ny fahotana, dia ho diso fanantenana amin’ny fomba tena mampijaly indrindra. Raha ohatra ka tsy misy fiovana fototra ao anatin’ireo olona ireo, dia ho hita maivana loatra izy ireo rehefa ny Tompo hitsara an’ ireo zanak’ olombelona. Koa satria izy ireo nandika ny lalàn’ Andriamanitra , nanapaka ny fifandraisana tamin’ ilay fanekena mandrakizay, dia handray ny vokatra mifanaraka amin’ny asa nataony izy ireo.» Temoignages pour l’ Eglise vol3 , p 493

NY SABATA, ILAY RAHARAHA LEHIBE INDRINDRA FOTOTRA IZAY NAHATAKA

3.- Inona no voalazan’ny faminaniana mikasika ny lalàn’ Andriamanitra? Inona no antony nanaovana an’ io zavatra io? Daniela 7: 25
 
          «Efa nolazain’ny faminaniana fa “ hitady hanova fotoana sy lalàna”, ny fahefana papaly. Tsy nitaredretra izy hanao izany ho an’ ireo izay vao avy niova fo ary mba hampitombo amin’ izany fomba izany ny fanekeny ambavany fotsiny ny fivavahana kristiana,... dia nampidirina miandalana teo amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana ny fivavahana amin’ny sary sy ny “ relika” »
        «Tamin’ny tapany voalohan’ny taonjato fahefatra dia namoaka didy ny Amperora Constantin nampanao ny Alahady ho andro firavoravoam-panjakana maneran ny fanjakana Romana ...»«Namporisika azy hanao izany dia ireo evekan’ny fiangonana, izay feno hambom-po sy hetahetam-pahefana ka nahatsinjo fa raha andro iray ihany no tandreman’ny kristiana sy ny jentilisa, dia hitombo ny faneken’ny mpanompo sampy ny fivavahana kristiana ivelambelany fotsiny, ary amin’izany dia handroso hery sy voninahitra ny fiangonana »
«Tamin’izany fomba izany no nahatonga an’ ilay androm-piravoravoan’ny mpanompo sampy ho nohajaina toy ny naorin’Andriamanitra nony farany, ary ny Sabatan’ ny Baiboly kosa dia nolazaina fa sisa tavela tamin’ny fomba Jiosy ka voaozona izay mitandrina izany. » Hery Mifanandrina pp. 52,53

4.- Hatraiza no fatran’ny nandehanan’ ireo Jiosy lavitra tokoa nanaraka ny fomban-drazan’ izy ireo teo amin’ny fotoan’ andron’i Jesosy? Moa ve ny maha efa ela ny fisian’ny fomban-drazana anakiray dia nahatonga an’ io fomban-drazana io ho azo ekena? Matio 15 : 3-5 ; Mpitoriteny 8:12
 
«Ankehitriny isika dia tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao, satria manko, ny fanavaozana rehetra , mba hahatonga azy ho afaka ny ho velona, dia tsy maintsy miditra ao anatin’ny fo sy fanahy ary ny sitrapo. Fahadisoan-kevitra maro no mety efa ela nisiana, kanefa izany dia tsy mahatonga an’ ilay fahadisoan-kevitra ho lasa fahamarinana, ary ny mifamadika amin’ izany ihany koa. Nandritra ny fotoana ela tokoa dia toy izany ny fipetrany, narahina ireo fanao tranainy sy mamim-bahoaka. Ny Tompo ankehitriny dia mila an’ ireo mpampianatra sy ireo mpianatra hanaisotra an’ ireo hevitra diso rehetra. Isika dia tsy manana ny fahafahana hampianatra mifanaraka amin’ny modelin’izao tontolo izao na ny modelin’ny fiangonana, noho ny antony tsotra fotsiny amin’ izao hoe satria efa fahazarana ny manao toy izay sy izao. » Temoignages pour l’ Eglise vol2 , pp 191,192.

5.- Eo amin’ ireo didy folo, ilay didy manao ahoana no mirakitra ny tombon-kasen’ Andriamanitra? Inona avy ireo zavatra izay tsy maintsy hita ao anatin’ny tombon-kase?  Eksodosy 20: 8-11


          «Ny tombo-kasen’ ny lalàn’ Andriamanitra dia hita ao amin’ny didy fahefatra. Io ihany, amin’izy folo, no sady mampiseho ny anarana no manambara koa ny fahefan’ ilay Mpanome ny lalàna.
.... Rehefa novan’ny fahefana papaly ny Sabata, dia nesoriny tsy ho eo amin’ny lalàna ny tombo-kase. Antsoina ny mpianatr’i Jesosy hamerina izany amin’ny fanadratana ny  Sabatan’ny Didy fahefatra ho amin’ny tena toerany maha-tsangambaton’ny Mpamorona azy sy famantarana ny fahefany. » Hery Mifanandrina pp. 465,466

IREO LAFIN-JAVATRA ANAOVANA FANAVAOZANA

6.- Inona ilay hafatra miantso fanaovana fanavaozana, izay manakoako manerana izao tontolo izao? Apokalypsy 14: 6,7

         «Raha toa ka henoina io hafatra io, dia hahasintona ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena , sy samy hafa fiteny ary olona rehetra mba hifantoka eo amin’ny hoe : tsy maints ilàna ny fianarana lalina ny tenin’ Andriamanitra, ary miaraka amin’izany dia hitombo koa ny fahalianan’ ireo olona ireo hianatra ny fahamarinana mikasika an’ ilay fahefana izay nanova ny sabatan’ ny Andro faha-fito ka nosoloina an’ ilay sabata sandoka. Ny tsangam-bato fahatsiarovana ny Sabata, izay mampahafantatra ny hoe: iza no Ilay Andriamanitra velona, Mpamorona ny lanitra sy ny Tany, dia nazera tamin’ny Tany, ny Sabata sandoka no napetraka teo amin’ny toerany. Tamin’ izany fomba izany no nampisy an’ ilay banga teo amin’ny lalàn’ Andriamanitra. Ny Sabata sandoka dia tsy ho afaka mihitsy ny ho tonga fitsipika marina » Messages Choisis, Vol 2, p. 121

7.- Inona ihany koa ilay hafatra anakiray hafa  miantso ny fanaovana fanavaozana , izay nambara ? ary inona kendren’ io hafatra io?  I korintiana 6: 19,20 ; 3 : 16,17
 
            «Tsy maintsy ampianarina an’ izao tontolo izao ny fanavaozana mitohy, ary isika dia tsy maintsy manamafy an’ io fampianarana io amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika. Ny tena fivavahana marina sy ireo lalàn’ ny Fahasalamana dia miaraka. Zavatra tsy azo heverina mihitsy ny hoe miasa ho amin’ny famonjena an’ ireo namantsika kanefa tsy maneho amin’ izy ireo ny tsy maintsy ilàna ny fandavàna an’ ireo fahafinaretana izay manimba ny fahasalamana, izay mandoto ny fanahy sy manakana ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra  tsy hanaitra ny saina. Tsy maintsy ampianariana ny olona mba hihevitra ny amin’ ireo fahazaran-dratsy rehetra, sy mba hahafoy avy hatrany ny zavatra rehetra izay mamparary ny vatan’ izy ireo sy mampamaizina ny sain’ izy ireo. » Temoignages pour l’ Eglise vol3 , pp. 160,161

8.- Inona no karazana fanasitranana izay tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ara-pahasalamana? II Mpanjaka 20 : 1-3,7 ; Jaona 9: 6,7

        «Misy fomba maro fampiasana ny fahaizana manasitrana , kanefa kosa tsy misy afa tsy fomba anakiray ihany no ankasitrahan’ ny Tompo. Ireo fanafodin’ Andriamanitra no ireo zavatra natoraly izay tsy manimba ny tenan’ olombelona ary tsy namelany an’ io tenan’ olombelona io amin’ny alalan’ ireo hery ananan’ ireo fanafody ireo. Ny rivotra madio, ny rano, ny fahadiovana, ny fihinana mety tsara, fiainana madio sy ny fahatokiana an’ Andrimanitra tsy voaozongozona, no fanafody izay tsy maintsy ananana, ary ny tsy fananana ireo fanafody ireo dia mahafaty olona an’ arivony maro. Mampalahelo fa ireo fanafody ireo dia efa tsy lamaody intsony satria ny fampiasana azy ireo amin’ny fomba feno fahaizana tsara dia mitaky asa izay tsy dia tena ankatsitrahan’ ny olona loatra.» Temoignages pour l’ Eglise vol2, p170
            «Ireo trano fiasana naorintsika dia natao mba hitsabona an’ ireo marary amin’ny alalan’ireo fomba mahasalama izay efa saika hampalavirina tanteraka ny fampiasana ny fanafody simika (drogues)... »  Messages Choisis, Vol 2, pp. 324
           «.... ny fampiasana an’ ireo fanafody simika dia tokony horoahina mihitsy; satria ireo fanafody ireo dia tsy manasitrana aretina na dia iray aza, ary tsy izany fotsiny ihany, fa koa mampahalemy ny tenan’ olombelona, mahatonga an’ io tenan’ olombelona andairan’ny aretina .» Conseils sur la nutrition et les Aliments, pp.97

9.-Inona ihany no zavatra hafa izay tafiditra ao anatin’ny fanavaozana Advantista? Inona no zavatra izay fahavetavetana amin’ Andriamanitra? ITimoty 2: 9, 10; Deotoronomia 22:5


           «Ireo fitahiana izay hitako dia nikendry ny hanitsy ny lamaody izay misy ankehitriny , ny halavany tafahotra anananan’ ireo akanjo izay misaritsarika mikasika ny tany, ary koa mba hanitsy an ‘ireo akanjo izay tena diso fohy ohatra, mipaka eo amin’ny lohalika izay anaovan’ ireo sarangan’ olona sasantsasany. Naseho ahy fa tsy azontsika atao ny mitondra akanjo araka ireo ohatra diso anakiroa ireo. ....
«Misy fironana mitombo ataon’ny vehivavy maro izay manao fitafiana izay tena manakaiky ny fitafian-dehilahy, kanefa Andriamanitra dia mandray an’ izany ho fahavetavetana.» Testimonies for the Church, Vol 1, pp. 464, 457

10. Eo amin’ny lafim-piainana hafa, inona ihany koa no isian’ny fanavaozana? II Korintiana 6: 14, 15 ; Levitikosy 20 : 24b ; Isaia 48 : 20
 
         «Ny Tompo dia maniry ny vahoakany mba tsy handray anjara amin’ny raharaha politika. Mikasika an’ ity zavatra ity, ny mangina volamena. Isika dia tsy afaka mifidy , mahazo antoka tsara ho an’ny antoko atsy na ny antoko ero, satria isika dia tsy mahafantatra marina ny antoko izay tokony andefasantsika ny fitiavantsika...»
« Inona ary no tsy maintsy ataontsika? Avelao ireo zavatra mahakasika ny politika...»
«Manao fahadisoan-kevitra hianareo  amin’ny alalan’ny fahaliananareo ho tia ny antoko politika anakiray na manao ahoana na manao ahoana ny toetoetran’io antoko io, ary koa amin’ny alalan’ ny fanaovanareo fifidianana ho an’ny antoko anakiray.» Le ministère évangéliques pp. 382, 384

mardi 16 septembre 2014

IREO FANAVAOZANA TEO AMIN’NY FANISAN-TAONA KRISTIANA



   « Mandritra ny fanenjehana mafy indrindra , dia nitana ny finoany tsy ho voaloto ireo vavolombelona ho an’I Kristy ireo. Na dia tsy nanana izay nampiadana aza izy, ary tsy nahita ny fahazavan’ny masoandro tao an-kibon’ny tany maizina izay nampiatrano azy tsara, dia tsy nitaraina na dia kely akory aza. Nifampahery tamin’ny teny feno finoana, faharetana sy fanantenana izy mba hiaritra tsy fisiana sy fahoriana. Ny fahaverezan’ny tombon-tsoa teto an-tany, dia tsy afaka nanery azy hiala amin’ny finoany an’I Kristy. Ny fitsapana sy ny fanenjehana dia tsy inona fa dingana nitondra azy akaiky kokoa ny fitsaharana sy ny famalian-tsoa azy. Hery Mifanandrina pp. 41

AMBANGOVANGONY MIKASIKA AN’ILAY FIHEMORANA

1.- Araka ilay fanambarana mialoha nataon’ I Paoly, inona no hiseho ao anatin’ilay fiangonana kristiana voalohany? Asa 20: 29,30 ; 2 Tesaloniana 2: 3,7

           «Maro ny Mpianatra efa “ nandray anjara sahady tamin’ny fahorian’ny Mpamonjy”, ary tsy ela akory dia tsy maintsy hanolotra ny ainy noho ny filazantsara  ireo izay efa voatondro ho mpampianatra sy filoha tao amin’ny fiangonana. Tsy ela akory dia hisy ambodia masiaka hiditra ao am-bala, ka tsy hiantra ny ondry. Tsy nitondra hakiviana tamin’izay nametraka ny fanantenany tao amin’i Kristy anefa izany  ho avy manjombona izany. Vavolombelona Mahery. P.464
              «Rehefa voaloto ny fiangonana voalohany noho ny nialany tamin’ny fahadiovan’ny filazantsara sy noho ny nanekeny ireo fomba amam-panao jentilisa, dia veriny ny Fanahy sy ny herin’ i Tsitoha ; ary mba ahazoany mifehy ny feon’ny fieritreretan’ny vahoaka dia nitady tohana avy amin’ny fahefana ara-politika izy. Ny vokatr’izany dia ny fahefana papaly, no fiangonana izay nifehy ny fahefam-panjakana ary nampiasa izany ho fanatanterahana ny zava-kendreny, indrindra tamin’ny famaizana ny “ Herezia”….
Ny fihemorana no nitarika ny fiangonana voalohany hitady ny fanampian’ny fitondram-panjakana, ary izany no namboa-dalàna ho amin’ny fahefana papaly – dia ny bibidia izany. Hery Mifanandrina pp. 456,457

2.- Inona no nitarika ho amin’io fihemorana io? Fomba ahoana no azo ampiharana an’ izany eo amin’ny Ekiminisma izay nihanaka manerana izao tontolo  izao? Ahoana ny fipetraky ny fahamarinana ankehitriny manoloana an’ io Ekiminisma io? Apokalypsy 2:2
 
             «Notarihina ny mpanompo sampy handray faritra iray amin’ny finoana kristiana, nefa niaraka tamin’ io dia nolavina ny fahamarinana hafa tena ilaina. Milaza ho manaiky an’I Jesoa ho Zanaky ny Avoindrindra izy sy mino ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty, nefa tsy voatsindrona tao am-pony ny amin’ny fahotany izy ary tsy nahatsapa fa mila fibebahana na fiovam-po. Noleferiny ny zavatra sasany, dia nangatahina koa ny kristiana mba handefitra amin’ny zavatra sasany, mba hahazoan’izy rehetra miray eo amin’ny sehatra momba an’I Kristy. Tataovan-doza mampatahotra izao ny fiangonana. Fitahiana ny fonja, sy ny fampijaliana, ny afo sy ny sabatra raha ampitahaina amin’izany. Nisy kristiana nijoro tsy azo nohozongozonina nilaza fa tsy azony atao ny mandefitra amin’ny fahamarinana. Nony farany dia nanaiky ny hampidina ny fanevany ny ankabeazan’ny Kristiana, ka nisy firaisana ny fivavahana kristiana sy ny fanompoan-tsampy. Hery Mifanandrina pp. 42,43

ILAINA NY FISARAHANA

3.- Tao anatin’ilay fiangonana kristiana voalohany sy nandritra ny taona antenantenany, inona no fanapahan-kevitra noraisin’ ireo olona nahatoky izay tena vitsy tokoa Romana 16: 17 ; II Koritiana 6:17
 
            «Taorian’ny fifandirana anakiray izay tena lava sy feno fifanarabiana , ireo kristiana sasantsasany izay nitoetra mahatoky dia nanapa-kevitra ny hisaraka tamin’ilay Fiangonana nihemotra sy mpanompo sampy. Izy ireo dia tonga saina fa, raha ohatra tian’izy ireo ny hanaiky ho fehezin’ny sitrapon’i Ray dia zavatra tsy maintsy ilaina ny fisarahana. Raha ohatra ka ny firaisana dia azo amin’ny alalan’ny fitsipahana ny fahamarinana sy ny  rariny, dia naleon’izy ireo ny fisarahana na dia  ady mihitsy aza izany. La Tragédie des Siècles, p. 45.
               «Amin’ izao fotoana izao , dia tsy maintsy ilaina ny fahamalinana lehibe… Aoka isika hitandrina tsara an ‘ilay hafatra manao hoe : “mananatra anareo aho ry rahalahy mba hitandremanareo tsara manoloana an’ ireo izay mahatonga fisaratsarahana sy fanafintohinana, izay tsy mifanaraka mihitsy amin’ny fampianarana noraisinareo. Alaviro ireny olona ireny. Satria ny olona toy izany dia olona tsy manompo an’ I Kristy, Ilay Tompontsika, izy ireny dia manao fandokafana mba hamitaka ny fon’ ireo olona izay tsy mijoro tsara” Testimonies for the Church, vol8, p.167

4.- Inona no nasehon’ ilay faminaniana mikasika ny fiangonana tany an’ efitra? Inona no fantatra mikasika an’ ireo mpanao fanavaozana tamin’ io fotoana io? Apokalypsy 12 : 6
 
          «Nefa ny Vaudois no nijoro indrindra tamin’ ireo izay niaritra ny fanitsakitsahana nataon’ ny fahefana papaly…. Nitana ny fahaleovantenany nandritra ny taonjato maro ireo fiangonana tany Piémont; nefa tamin’ny farany dia tonga ny fotoana izay nanizingizinan’ I Roma ny tsy maintsy hileferany ….. Tao anefa ireo izany nandà tsy hilefitra amin’ny fahefan’ ny papa na amin'ireo mpitondra ambony. Nanapa-kevitra ny hitana ny fankatoavany an’ i Tsitoha izy sy ny hitandrina ny fahadiovana sy ny fahatsoran’ny finoany. Nisy ny fisaharana. Niala izao ireo izay nifikitra tamin’ny finoana marina…” Hery Mifanandrina pp. 64

IREO LEHILAHY FENO HERY SY NY FANAHY MASINA

5.- Araka ny faminaniana iza no hitsangana ho mpampianatra olona maro? Mpanao fanavaozana lehibe iza no teraka tao Angleterre tamin’ny taonjato faha-efatra ambiny folo? Inona no azo lazaina mikasika an’ io tara-pahazavana io? Daniela 11: 33,34

         «Tamin’ny taonjato fahefatra ambin’ ny folo no teraka tany Angleterre I Jean Wiclef “ ilay kintan’ny marainan’ny Fanavaozana ara-pivavahana”. Izy no mpialoha lalana ny fanavaozana, tsy ho an’ i Angleterre fotsiny, fa ho an’ny fiangonana kristiana manontolo. Ny fanoherana mafy indrindra an’I Roma izay navela nambarany nanokatra ny ady izay niafara tamin’ny fanafahana ny isam-batan’olona, ny fiangonana sy ny firenena. Hery Mifanandrina pp. 80

6.- Iza ihany koa ireo mpanao fanavaozana mahery fo hafa izay lazain’ny tantara tamin’ny fotoan’andron’ny taona Antenantenany? Manavao fitanisana an’ ireo zavatra izay nataon’ izy ireo? Daniela 12:3

             «Nisy mpanompo mahay izay nijoro hiaro ny finoana. Voarakitra ao amin’ny tantara ny fahasahiana sy ny herimpon’ireny olona ireny... ireo Vaudois, Wiclef, Huss su Jerôme, Lotera sy Zwinglr, Grammer, Latimer sy Knox, ireo Huguenots, Jean sy Charles Wesley, ary ny vahoaka maro hafa koa  dia samy nitondra ny anjara-birikiny izay haharitra mandrakizay Vavolombelona mahery p. 534

7.- Inona ilay teny fikasana izay nihatra tamin’I Huss sy Jeroma tamin’ny maha mpanao fanavaozana teo amin’ny vanim-potoana tena sarotra indrindra azy ireo? Apokalypsy 2: 10
 
          «Hatreo amin’io fotoana io, i Huss dia niasa irery. Fa i Jerome kosa, nandritra ny fotoana nijanonany tao Angleterre, dia nandray an’ireo fampianaran’i Wicleff, dia nandray anjara tamin’ilay asa fanaovana fanavaozana....
« Ny Ray dia mampiramirapiratra fahazavana lehibe tao anatin’ny sain’ireo olona voafidy ireo...
          «Niaraka tamin’ny hasahiana izay mitombo hatrany hatrany i Huss dia nasiaka nanohitra an’ ireo fahavetavetana izay noleferina tamin’ny anaran’ny fivavahana, ary ny vahoaka rehefa nitodika nanaraka an’io fihevitr’i Huss io, dia niampanga am-pahibemaso an’ireo mpitarika Romana ho fototra nahatonga ireo fijaliana izay mahatrotraka ny fivavahana kristiana.  Grand Conflit, pp. 99, 100

MIELY NY FAHAZAVAN’ NY FANAVAOZANA

8.- Inona ilay fahamarinana lehibe izay nahatonga an’I Martin Luther niditra tamin-kasahiana misismisy kokoa tao anatin’ilay asa nataony mba hanatanterahany ny fanavaozana? Inona no nataony? Efesiana 1:7 ; Kolosiana 1: 14
 
           «Io asam-barotra feno fahavetavetana io dia nentina tao amin’ilay fiangonana tao an-toerana, izay nanambaran’i Teztzel teo ambony polipitra, sady nirehareha mihitsy izy tao anatin’io fanambarany io fa ireo “ taratasy fanamarinana fa mahazo famelan-keloka” ( Indulgence) izay omeny, dia fanomezana tena sarobidy indrindra avy any an-danitra. Ary nambarany mahitsy fa amin’ny alalan’ireo “taratasy fanamarinana fa mahazo famelan-keloka” ireo, ny fahotana rehetra izay irin’ny ilay mpifidy an’io taratasy fanamarinana io, hatao amin’ny ho avy dia afaka ny ho voavela, ary tsy ilaina akory ny fibebahana. Le Grand Conflit, p 122
            «Mbola nanohy ny varotra nataony sy ny fihamboany tsy marina ihany I Teztzel koa dia nanapa-kevitra I Lotera fa hanohitra ireo fanao tsy mety mihoam-pampana ireo amin’ny fomba mandaitra kokoa. Tsy ela dia nisy toe-javatra azony nohararaotina…. Ny andro mialoha io I Lotera dia niaraka tamin’ny vahoaka izay efa teny an-dalana ho any amin’ny fiangonana, ary nametraka taratasy teo am-baravarana izay nisy tolon-kevitra dimy amby sivifolo nanohitra ny fampianarana momba ny “ indolzansy”  Hery Mifanandrina pp. 130

9.- Inona ilay fanambarana feno fasahiana nataon’ I Lotera rehefa izy nijoro teo anatrehan’ny amperora mba ho tsaraina? Salamo 40: 10 ;

            «Noho izany raha tsy resy lahatry  ny teny vavolombelona mazava indrindra, raha tsy voatarika amin’ny alalan’ ireo toko sy andininy noraisiko aho, ka amin’ izay dia voafatotry ny tenin’ i Tsitoha ny feon’ny fieritreretako, dia tsy afaka hiaiky fa diso aho ary tsy hiaiky fa diso, satria tsy mety amin’ny kristiana ny miteny manohitra ny feon’ny fieritreretany. Mijoro amin’izany aho, ary tsy afaka hanao zavatra hafa; ny Tsitoha anie hanampy ahy. Amena” Ibid, boky 7, toko 8 . Hery Mifanandrina pp. 162

10.- Saika inona mandrakariva no nanjo an’ ireo tena mpanao fanavaozana marina sy ireo zanaky ny Ray Hebreo 11: 36-40
 
            «Nivoaka avy tamin’ny toerana tsizarizary, maloto sy mamofona, ireo mpandova an’ i Avoindrindra, avy tamin’ny tranomaizina, avy tamin’ny lampihazo fanapahan-doha, avy tany an-tendrombohitra sy efitra mangadihady, avy tao anaty zohy sy ny lavaka tsy hitanoanoan’ny ranomasina. Raha teto an-tany izy dia “lao, ory, fadiranovana”. An-tapitrisany no nidina tany am-pasana novesarana fahafaham-baraka satria nijoro tsy azo nohozongozonina tamin’ny fandavana ny teny fitaka nataon’ i satana. Nomelohin’ny fitsaran’olombelona ho mpanao heloka bevava mahatsiravina indrindra izy. Ankehitriny kosa anefa dia “ ny Tsitoha no Mpitsara” Salamo 50 : 6 . Mitsimbadika ankehitriny ny fanapahan-kevitry ny tany.” Hery Mifanandrina pp. 676
          «Teo amin’ny fotoana rehetra, ireo mpitondra hafatra nofidin’ i Ray dia natao tsinontsinona sy nenjehina; kanefa ilay fahoriana izay nahazo azy ireo dia nanampy nampiely ny fahalalana an’ i Tsitoha. Ny mpianatr’i Kristy tsirairay dia tsy maintsy miditra an-daharana ka manatanteraka an’ io asa io, ao anatin’ny fahafantarana fa ireo fahavalony dia tsy afaka manao na inona hanoherana ny fahamarinana , fa kosa ny zavatra rehetra ataon’ireo fahavalo ireo dia ho tonga fanampiana ho an’ io fahamarinana io. Ny Avoindrindra dia maniry ny hampiharihary an’ io fahamarinana io, maniry Izy ny fandinihana sy ho resahina amin’ny hafa izy io mba hifanakalozan-kevitra na dia eo aza ny fanaovana tsinotsinona izay amelezana an’ io fahamarinana io. Tsy maintsy hetsehina ny sain’ ny olona. Ny ezaka rehetra izay atao mba hametra ny fahafahan’ny olona hanana ny feon’ny fieritreretany dia fitaovana ampiasain’i Tsitoha mba hampifoha ny sain’ny olona izay ho natory, raha ohatra ka tsy misy io hetsika ataon’ i Ray io.” Une vie meilleure. p 47

IREO MPANAO FANAVAOZANA IZAY HITA AO ANATY BAIBOLY




 «Ny Soratra Masina dia manolotra  ho antsika mba ho ohatra alain-tahaka , dia ireo lehilehy maro izay nanana toetra voafehy araka ny sori-dàlana voalazan’I RAY , izay nanana fiainana mitondra fitahiana ho an’ireo manodidina azy , ary koa solon-tenan’i Tsitoha teto ambonin’ny tany . Isan’ireo olona  ireo i Josefa sy Daniela , izay olom-panjakana          mahery , Mosesy ilay mpanao lalàna hendry indrindra , Elisa , anankiray tamin’ireo mpanao fanavaozana izay nahatoky sy tsy nivadika , ary i Paoly , ilay mpampianatra tena malaza indrindra hita teto amin’izao tonolo izao , raha toa ka tsy lazaina Ilay anankiray izay niteny , ary tsy mbola nisy toa Azy hatrizay hatrizay . Education p 61             

LOZA BEVAVA NY FANOMPOAM-TSAMPY

1.- Inona ilay famaizana mafy izay nihatra tamin’ireo nampiala ny hafa tamin’ny fanompoana an’i Ray izay any an-danitra ? Inona no zavatra izay tsy azo atao mihintsy na oviana na oviana ? Deotoronomia 13 : 6-10
 
             «Ny fitarihana nomena tao amin’ny Deotoronomia izay natao hampianatra ny Israely dia tokony harahina hatramin’ny andro farany … Aza milefitra na oviana na oviana amin’ny foto-kevitra tanana mba hifanekena amin’ireo izay tsy matahotra ny Tompo . Maneha-doza goavana ireo Kristiana fatra-pitandrina ny fombam-pivavahana , raha mihevitra fa tokony hanao tahaka ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao izy mba hitaomany azy ireo . Raha ohatra ka heverina hahitan-tombotsoa aza anefa izany fomba izany , dia hiafara amin’ny faharendrehana ara-panahy mandrakariva …  Mpaminany sy Mpanjaka p 463

2.- Inona ilay fahotana izay tsy maintsy anaovan’ny Israely ara-panahy fiambenana ankehitriny , mba tsy hahatratra azy ireo ? Levitikosy 26 : 1

             «Nandidy ny olony ny Tsitoha mba tsy hiray petsapetsa amin’ny firenen-kafa , na hanao araka ny fanaony ka hanadino ny Rainy , satria naharikoriko Azy ny fanompoan-tsampy sy ny fahotana rehetra mpomba azy . Izany koa no antony nandrarany ny Zanak’Israely tsy hifanambady amin’ny mpanompo sampy .  Torak’izany koa no maha tena ilaina izany amin’ny olon’Avoindrindra ankehitriny , ny miala amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao , sy miaro ny tena tsy ho tratran’ny saina fatra-pandà ny marina sy ny hitsiny … Patriarika sy   Mpaminany p 379

3.- Moa ve azo heverina fa misy fanompoam-pivavahana hatao ho an’ny sampy eo amin’ny fotoanan’ny andro farany ? Isaia 2 : 2 , 6-8 , 18 : Apokalypsy 9 : 20
 
            «… Mety tsy hanaja ny andriamanitry ny mpanompo sampy ny olona ankehitriny , kanefa dia mivavaka amin’i satana toy izay nataon’ny mpanjakan’ny Israely ihany ny olona anarivony . Manjaka eo amin’izao tontolo izao ny fanahin’ny fanompoan-tsampy na dia toa naka ny endrika faran’izay voadio noho ny hery miasa mangina avy amin’ny siansa aza , ary manodoka lavitra noho ny tamin’ny fotoana nanatonana ny andriamanitry ny Ekrona … Mpaminany sy Mpanjaka  p 171 , 172
              «…Izay ilaina amin’izao fotoana izao na tamin’ny fotoana lasa , dia fifohazana amin’ny tena fivavahana vokatry ny fo . Ny mibebaka no dingana voalohany tokony hataon’izay maniry hiverina amin’i Tsitoha . Tsy misy olona na iza na iza afaka hisolo toerana ny hafa amin’ny fanaovana izany . Tokony hanetry tena eo anantrehan’i Ray sy hahafoy ny sampintsika isika tsirairay avy . Raha vitantsika ny anjarantsika , dia haneho amintsika ny famonjeny ny Avoindrindra .  Patriarka sy Mpaminany p 625

IREO MPANAO FANAVAOZANA MIAVAKA MANOKANA                                                      

4.- Inona no antso nataon’i Mosesy ho an’ny Israely , rehefa tafalatsaka tao anatin’ny fihemorana ny vahoaka ? Eksodosy 32 : 26
 
              «Halan’ny Tompo ny tsy firaihana sy ny tsy fahatokiana aseho eo amin’ny fahasahiranana andalovan’ny asan-tànany … Ny fitahiana manokana omena ny olona miasa izay miantso amin’ny hery araka an’i Ray manao hoe : “Izay rehetra an’I Tsitoha mankanesa ety amiko” Eksodosy 32 : 26 . Tsy afa-po amin’ ny fanambarana izany teny izany ireo olona ireo , fa manery koa an’ireo izay te hiray hevitra amin’ny vahoakan’i Ray mba handroso tsy amim-pisalasalana , ka naneho mazava tsara ny firaiketam-pony amin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo . Mampifanaraka ny sitrapony sy ny fikasany amin’ny lalàn’i Tsitoha ny olona toy izany …  Mpaminany sy Mpanjaka p 117 , 118   

5.- Inona ilay fanampahan-kevitra izay nasain’i Elia noraisin’ny vahoaka ? Inona no fanandramana nandalovan’i Elia  ? I Mpanjaka 18 : 21-22

              «Toa hafahafa aok’izany ny mahita an’i Elia manisa an’ireo olona mahatoky tao amin’ny israely teo amin’ny fotoana izay hiharan’ny fitsaran’i Ray indrindra tamin’ny firenena nihemotra . Tsy nahita olona azo nisaina afatsy anankiray monja anefa izy , izay niandany tamin’I Tsitoha . koa raha hoy izy hoe :“Izaho dia izaho irery ihany no sisa , nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy”, dia hoy ny navalin’i Ray azy :“Hamela fito arivo ao amin’ny Israely aho , dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’i bala”                        I Mpanjaka 19 , 14 , 18 ; ary gaga tokoa ilay mpaminany tamin’izany …  Mpaminany sy Mpanjaka p 154 , 155
             «Nandritra ny taona maro nisian’ny hain-tany sy ny mosary , nivavaka mafy i Elia mba hialan’ny Israely tamin’ny fanompoan-tsampy ka hiverenany amin’Ray velona . Ary raha mbola nitambesatra tamin’ny tany ny tanan’ny Tompo dia efa tsindriandaona ilay mpaminany teo am-piandrasana izany fiovana izany . Nahatsiaro fangirifiriana mafy izy teo am-pieritreretana ny fijaliana sy ny fahatran’ny mpiray tanindrazana aminy , ka niriany fatratra ny hahavita faingana ny fanavaozana teo amin’ny mpanompo sampy … Mpaminany sy Mpanjaka p 106 
              «Tamin’ny finoana ny tenin’i Tsitoha no nampisy ny fanavaozana tamin’ny andron’i Elia sy Josia Mpaminany sy Mpanjaka p 380

6.- Fomba ahoana no nitarihan’i Asa mpanjaka ny fanavaozana ? Dia i Asa izay nahatoky sy tsy nivadika ? II tantara 14 : 5 ; 15 : 1-2


           «Rehefa nahazo hery be dia be tamin’izany teny izany i Asa , dia nanomboka haingana ny fanavaozana faharoa teo amin’ny fanjakan’i Joda taorian’izay . Niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany havoan’i Efraima , sady nanavao ny alitaran’i Tsitoha izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’i Ray … Mpaminany sy Mpanjaka p 90

7.- Nahoana moa ny Israely tranainy no lasa babo nandritra ny fitopolo taona ? Jeremia        17 : 27 ; 25 : 11 ; Deotoronomia 4 : 25-28

              «Nampahafantatra ny loza hateraky ny fialana amin’ny fitsipik’i Tsitoha i Mosesy . Raha niantso ny tany sy ny lanitra ho vavolombelona izy , dia nanambara fa raha tahiany ka manampy fombam-pivavahana amin’ny sampy amin’ny fanompoam-pivavahana fanao Amini Ray ny vahoaka rehefa tafapetraka elaela eo amin’ny tany nampanantenaina , ary miakohoka amin’ny sarinjavatra voasokitra , ka manda ny hiverina amin’Tsitoha marina , dia hirehitra amin’ny Israely ny fahatezeran’i Ray , ary ho entiny ho babo sy haely any amin’ny mpanompo sampy izy … Mpaminany sy Mpanjaka p 247

IREO MPANAO FANAVAOZANA TEO ANIVON’ILAY SISA TAMIN’NY ISRAELY

8.- Taorian’ny fiverenan’izy ireo tamin’ny fahababoana , iza no nitarika ho amin’ny fanavaozana feno ? Fomba ahoana no nanatanterahana an’io fanavaozana io ? Ezra 7 : 10
 
    “… Ary ny ankamaroan’ireo izay nanota dia voatohina mafy tamin’izany” . “Nitomany mafy dia mafy tokoa ny olona” Ezra 10 : 1 . Nanomboka nahatsiaro nankahala ny ota ireo olona tsy nahatoky , ary nahafantatra fa nahatsiravina ny Tompo ireny . Tsapany ny fahamasinan’ny lalàna tao Sinay ary betsaka no nangovitra raha nieritreritra ny fandikany izany . Izany no fiandohan’ilay fanavaozana mahagaga . Tamim-pahendrena fatratra sy tamim-paharetana ary tamim-panajana aok’izany ny zo aman-tombontsoa nanan’ny olona tsirairay niombon-kevitra taminy , no niezahan’i Ezra sy ireo mpiara-miasa taminy hamerina indray izay nibebaka ho eo amin’ny lalàna marina … Mpaminany sy Mpanjaka p 508

9.- Ankoatran’i Ezra , iza ihany koa ilay mpanao fanavaozana izay voaporofo fa nahatoky sy tsy nivadika taorianan’ny fivenana avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ? Inona no antony nanaovana io fanavaozana io ? Nehemia 1 : 6-11 ; 4 : 16 ; 9 : 1-2
 
             «Eo amin’ny fanavaozana tokony hatao amin’izao androntsika izao , dia ilaina ny lehilahy toa an-dry Ezra sy ry Nehemia izay tsy hanalefaka na hanaron-tsarona ny fahotana , dia lehilahy tsy hitsoaka ady eo amin’ny fiarovana ny voninahitry ny Ray . Tsy hanala tsiny ny ratsy ireo misahana izany andraikitra izany , ary tsy hanarona azy amin’ny kapaotin’ny fanaovantsoa sandoka . Ho fantatr’izy ireo fa tsy mizaha tavan’olona ny Avoindrindra , ary ny tsy fanekena lembenana aseho amin’ireo olona vitsivitsy sasany dia porofon’ny famindram-po hatao ho an’ny maro Mpaminany sy Mpanjaka p 551

NY SAINA ANANAN’IREO TENA MPANAO FANAVAOZANA MARINA

10.- Inona no saina asehon’ireo rehetra izay tena mpanao fanavaozana marina ? Ahoana ny fomba tokana izay mety hampisy an’izany ?  Filipiana 2 : 5-8 , 15 ; 4 : 8-9                                                          
 
            «Ireo mpanao fanavaozana dia tsy ho mpandrodana ny fahamarinana . Tsy mikatsaka mihintsy na oviana na oviana ny hanisy ratsy an’ireo izay tsy manaiky ny fomba fijeriny .  Mandroso hatrany hatrany ary tsy miverin-dàlana mihintsy na oviana na oviana , ary sahy , mahery fo , tsy mangovitra , tsy azo atodi-doha , kanefa tsy azo atao ny manova an’io toetra mahery fo io ho tonga toe-tsaina manjakazaka mampanaraka ambokony ny olona . Ny Ray dia maniry ny hahatonga ny olona rehetra izay manompo azy ho olona mafy tahaka ny vatolampy eo amin’ny toerana misy fitsipika izay tsy maintsy arahina , kanefa miaraka amin’ny fitazomana ny fahasoavana sy ny halemem-panahy izay nanamarika an’i Kristy … Ny saina henjana  izay vonona mandrakariva  ny hanameloka , dia tsy famantarana ny fananana herim-mpo lehibe mba hanatanteraka an’ireo fanavaozana izay takiana ho amin’izao vanim-potoana misy antsika izao. Témoignage pour L’eglise vol 2 p 495