“Ary hoy Jehovah taminy : Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka
asio marika ny andrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny
fahavetavetana rehetra atao aminy.” Ezekiela
9 : 4
NY TOMBO-KASEN’ ANDRIAMANITRA
1-Inona ilay teny
fikasana ao anaty Baiboly izay omena antoka ho an’ ireo izay manaiky an’ I
Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana? Efesiana 1: 13; 4: 30;.2 Korintiana 1:
22.
“Isika dia afaka miresaka momba ireo fitahiana avy
amin’ ny Fanahy Masina, kanefa, raha toa isika ka tsy miomana mba handray an’
io Fanahy masina io, inona moa no mba lanjan’ ireo asa ataontsika? Moa ve isika
manao ny ezaka amin’ ny herintsika manontolo, mba ho tonga lehilahy sy vehivavy
mahatratra ny ohatr’ I Kristy? Moa ve isika mitady ny fahafenoan’ I Kristy
amin’ ny alàlan’ ny fandrosoantsika mandrakariva mankeo amin’ ilay tanjona izay
napetraka eo anoloantsika, dia ny fananana toetra lavorary? Rehefa mahatratra
io tanjona io ny vahoakan’ Andriamanitra dia hapetaka ao amin’ny handriny ny
tombo- kase. Rehefa feno ny Fanahy izy, dia
ho tanteraka sy feno ao amin’ I Kristy, ary ilay anjely izay mandray an-
tsoratra izany dia hanambara manao hoe: ‘ Vita ny zavatra rehetra’ (RH
10/06/1902)” . Commentaires bibliques,
p. 322
NY FITANDREMANA NY SABATA: ILAY FAMANTARAN’
ANDRIAMANITRA
2-Inona no didy misy
ilay tombo- kasen’ Andriamanitra? Eksodosy 20: 8- 11; 31: 13.
3-Raha toa isika mandray ilay famantaran’ Andriamanitra amin’
ny alàlan’ny fitandremana ny Sabata sy ny fitahiana ara- panahy avy amin’
izany, ahoana no iheverantsika ireo didy hafa? Isaia 8: 16; Jakoba 2: 10, 11.
“Amin’ izany fomba izany no niraisany amin’ ireo
rehetra izay te hanatona Azy, amin’ ny alàlan’ ny fandefasany tsiokam-
pahasoavana vaovao ho azy ireo. Dia apetany amin’ izy ireo ny tombo-kaseny,
izay famantarana ny fahatokiana sy fankatoavana ny sabata masiny. (Manusrit 104, 28 septembre 1887) - Levez vos yeux
en haut. P.277”.
“ Ny famantarana
fa mankatoa izy, dia ny fitandremany ny sabatan’ ny didy fahefatra. Raha toa ka
mitandrina ny didy fahefatra ny olona, dia mitandrina ireo didy hafa rehetra.(Lettre 31, 1898)” - Commentaires
bibliques, p.409.
« … Raha
ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalàm-panjakana, izay
manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin’ ny fahefana
manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny sabata marina kosa dia
fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ ny toetra mahatoky
amin’ ny Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana amin’ ny
fileferana amin’ ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny bibidia, ny
anankiray kosa izay mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ ny fahefan’
Andriamanitra, dia nandray ny tombo-kasen’ Andriamanitra. » Hery mifanandrina, p. 631
NY TOMBO-KASE SY NY TOETRA
4-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ny tombo-kasen’
Andriamanitra sy ny toetran’ ny olona anakiray? Matio 5: 48
“ Ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona dia
apetaka amin’ ireo izay manana toetra manahaka ny an’ I Kristy ihany.( 7 BC
970, 1895)” Evènements des derniers
jours, p.222
“ Tahaka ny savoka mandray ny mariky ny fitomboka, dia
toy izany ihany koa ny fanahintsika, dia tsy maintsy mandray ny mariky ny
Fanahin’ Andriamanitra ary mitana ny endrik’ I Kristy.” Messages choisis, vol.1, p.395
“ Ny tena vahoakan’ Andriamanitra marina dia tsy
maintsy manana fahatsapana mahiratra tsara ny amin’ ny fahadisoana izay mbola
ao anatin’ izy ireo ao, indrindra indrindra eo amin’ ireo ora faran’ ny
tantaran’ ny fiangonana, amin’ ny fotoana izay hahavitan’ ny fametahana
tombo-kase amin’ ireo 144.000, izay tsy maintsy hijoro tsy manan-tsiny eo
anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.” Témoignages pour l’ église, vol 1, p. 385
5-Fomba ahoana no hahatonga ny olona ho voaomana
handray ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona? Apokalypsy 14 : 4b, 5 ; II
Korintiana 6 : 17
“Ankehitriny izao no fotoana izay anaovana ny fiomanana.
Ny tombo-kasen’ Andriamanitra dia tsy hapetaka mihitsy eo amin’ ny handrin’ ny
tsy madio, amin’ ny handrin’ ny mpizahozaho sy
izay tia izao tontolo izao. Tsy hapetaka na oviana na oviana eo amin’ ny
handrin’ ny lehilahy sy vehivavy izay manana molotra maloto sy miteny zavatra
tsy marina ary fo mpamitaka. Noho izany, ireo rehetra izay handray io
tombo-kase io dia tsy maintsy eo anatrehan’ Andriamanitra, izany hoe voatokana
ho any an-danitra. Aoka ianareo hanadio ny tenanareo ranadahy sy rahavaviko!
Amin’ izao fotoana izao dia teny fohy ihany no voasoratro ho anareo mikasika
ireo zavatra ireo, ary ny hany zavatra hisarihako ny sainareo, dia ny tsy
maintsy hilanareo ny fiomanana. Aoka hianareo handinika ny Soratra Masina ho
an’ ny tenanareo manokana mba hahatonga anareo ho afaka hahafantatra tsara fa
ny fotoana izay iainantsika ankehitriny dia tena mampangitakitaka.” Témoignages pour l’ église, vol 2, p 79
“Ny fahefana ambony dia ambony ananan’ ny Fanahy
Masina, dia manatanteraka fiovana feno eo amin’ ny toetran’ olombelona, ho
tonga olona vaovao voaforona ao amin’ I Kristy. Rehefa feno ny Fanahy Masina ny
olona iray dia arakaraka ny hamafin’ ny fizahan-toetra atao aminy sy
handinihana azy, no hanehoany mazava tsara fa solon-tenan’ I kristy izy. Ilay
fiadanana izay mitoetra ao anatin’ ny fanahy dia hita eo amin’ ny endrika. Ireo
teny aloaky ny vavany sy ireo asa ataony dia maneho ny fitiavan’ ny Mpamonjy.
Tsy misy ady azo atao mba hahatrarana ireo toerana ambony. Izany olona izany
dia mitsipaka ny izaho. Ny anaran’ I Jesosy dia voasoratra eo amin’ ny zavatra
rehetra lazainy sy ataony. (RH
10/06/1902) Commentaires bibliques, p. 322
144.000 IREO OLONA VOAISY TOMBO-KASE
6-Firy ireo olona izay ho voaisy tombo-kase eo amin’
ny Isiraely? Ny Isiraely ara- nofo sa ny Isiraely ara-panahy no ambaran’izany? Apok.
7 : 4 ; Rom. 8 : 28 ; 9 : 6-8
7-Iza avy no mandrafitra ilay antsoina hoe Isiraely
ara-panahy ankehitriny? Inona avy ireo toetoetran’ Izy ireo? Ezekiela 20 : 12,
20 ; Eksodosy 31 : 13
“Hitako fa ny sabata masina no ilay rindrina
mampisaraka ny tena Isiraelin’ Andriamanitra marina sy ireo tsy mpino, ary
mbola ho izany ihany amin’ ny ho avy, ary hitako ihany koa fa ny sabata no ilay
fahamarinana lehibe hampiray ny fon’ ireo zanak’ Andriamanitra.” Premiers écrits, p 33
“Mivavaka amin’ ny Tompo aho mba hahatonga ireo
rahalahiko hahafantatra tsara, fa ny hafatra faha-telo dia mirakitra hevitra
lehibe tokoa ho antsika, ary koa ny fitandremana ilay tena andro fitsaharana
marina no tsy maintsy ho ilay mampiavaka ireo izay manompo an’ Andriamanitra
amin’ ireo izay tsy manompo Azy.” Témoignages
pour l’ Eglise, vol 3 p 148
8-Ahoana no fomba hanovana ny fiainan’ ireo izay
mitandrina ny sabata masina? Moa ve ny famantaran’ Andriamanitra dia hitan’ny mason’
olombelona? Ezekiela 20 : 12
“Ho an’ireo izay mitandrina ny sabata, izy io dia
famantarana ny fahamasinana. Raha tena voamasina marina izy ireo, dia miditra
ao anatin’ ny firindrana amin’ Andriamanitra, ny toetran’ izy ireo dia mitovy
amin’ ny toetran’ Andriamanitra. Ny fahamasinana dia omena amin’ ny alàlan’ ny
fanekena ho fehezin’ ireo fitsipika izay maneho ny toetran’ Andriamanitra. Noho
izany, ny sabata dia famantarana fa mpankatoa ilay olona. Ny olona iray izay
mitandrina amin’ ny fony manontolo ny didy fahefetra dia hankatoa ny lalàna
rehetra. Izany olona izany dia ho voamasin’ ny fankatoavana.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 3, pp 16,
17
“Inona moa ilay tombo-kasen’ Andriamanitra velona izay
apetaka eo amin’ ny handrin’ ny
vahoakany? Io tombo-kase io dia famantarana anankiray izay hain’ ireo anjely
vakiana, fa kosa tsy hain’ ny olombelona vakiana, satria tsy maintsy haseho ho
hitan’ ilay anjely mpandainga io famantarana ho amin’ ny fanavotana io. (Lettre 126, 1898)” Commentaires bibliques,
p 159
AVERINA
IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ny tombo-kasen’ ny Fanahy masina
sy ny an’ Andriamanitra velona?
-Inona no porofo miharihary ho an’ny finoana, fa ny sabata no ilay
tombo-kasen’ Andriamanitra velona?
-Inona no fiomanana tsy maintsy atao mba hahatonga ny fandraisana io
tombo-kasen’Andriamanitra io ho zavatra azo heverina?