“Eny Izy
no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka
sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany, ary ho mpisorona eo amin’ny seza
fiandrianany Izy, ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.” Zakaria 6: 13
Ilay teny fikasana
ara-pilazantsara.
1.Raha ohatra ka araka ny lazain’I satana dia zavatra
tsy mety hisy mihitsy ny hoe voavela heloka ny olona iray izay mandika ny
lalàn’Andriamanitra, nahoana ary I Adama no afaka ny ho voavonjy? Genesisy 3:
15, 21; 49: 10; Joba33: 24
« Rehefa nipoaka ilay ady lehibe, dia nambaran’i
satana fa tsy azo tandremana ny lalàn’Andriamanitra, ary ny fahamarinana sy ny
famindram-po dia tsy azo ampitahaina, ary raha toa ka voadika io lalàna io, dia
tsy hisy famelan-keloka ho an’ilay mpanota mihitsy...”Ilay Fitiavana Mandresy p
766
“Nanomboka teo amin’ny fotoana izay naneken’ny olombelona
an’ ireo fakam-panahin’I satana ka nanaovany mihitsy ireo zavatra izay
nandraran’Andriamanitra tsy atao, Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia
nitoetra teo anelanelan’ireo velona sy ireo maty, sady niteny nanao hoe: ‘Aoka
ny famaizana hihatra Amiko, handray ny toeran’ny olombelona Aho. Amin’izay ny
olona dia hanana fotoana fanararaotana hafa izay afahany ho voavonjy indray.
(Lettre 22, 13 Février 1900). Commentaires Bibliques, p 4, 5
«Nisy fotoana Andriamanitra dia tsy nampiasa mihitsy ny
fanamelohana ho faty ho an’ny olombelona. Ary dia nihambo satana fa tapaka ho mandrakizay ny
fifamatorana nisy teo amin’ny lanitra sy ny tany. Kanefa dia diso hevitra
izy tamin’izany ary dia diso fanantenana. Natolotry ny Ray teo an-tànan’ny
Zanany ny tany mba hanavotany azy tamin’ny ozona sy ny loza mahazo azy noho ny
fahalavoan’I Adama.” Seventh-Day Adventist Bible Commentary vol 1 p 1085
2.Na dia
tompon’andraikitra ny amin’ ireo hetsika ataony aza ny tsirairay, inona ilay
fitsipika nampiharin’ny Tompo mba hanaovany fanavotana antsika? Nahoana no tsy
hain’ny anjely natao ny ho faty nisolo toerana an’ I Adama, ka amin’izany io
anjely io dia nandoa ny vidin’ izay tsy maintsy naloa ho fanavotana an’I Adama
noho ny fahotany? Ezekiela 18: 20; Isaia 53: 4-6
“Nony ren’ ny anjely izany teny rehetra izany, dia
niankohoka teo an-tongotr’ Ilay lehibeny izy ka samy nanolotra ny ainy hatao
sorona hanavotana ny olombelona Nefa hoy Izy: tsy hahaloa ny trosan’ny mpanota
ny ain’ny anjely iray. Izay namorona ny olona ihany no afaka manao izany..”
Patriarka sy Mpaminany p 47
Tena lehibe tokoa ny fahalianan’ ireo anjely mba
hahavita ny famonjena ny taranak’olombelona hany ka nisy mihitsy anjely izay
vonona ny handao ny voninahiny sy nanao sorona ny ainy mba hanao ny famonjena
ny olombelona very. ‘Kanefa hoy ilay anjely izay nanatitra ahy hoe: tsy
nahavita na inona na inona izany’. Tena lehibe tokoa ilay fandikan-dalàna hany
ka ny ain’ny anjely dia tsy nahavita nandoa ny trosan’izany. Ny fahafatesan’
ilay Zanak’Andriamanitra ihany ary ny fanelanelanana ataon’io
Zanak’Andriamanitra io ihany no afaka nandoa ny trosan’ny olombelona very sy
mamonjy azy ho afaka amin’ny alahelo sy ny vitan-dratsy tsy misy fanantenana.”
Premiers Ecrits p 127
“Nitady ny ain’ny mpandika azy ny didin’ I Jehovah
nohitsakitsahina.Masina toa an’ Andriamanitra mihitsy izana didy izany, ka tsy
maintsy izay mitovy aminy no atolotra mba ho fanavotana ny olona sy hampihavana
azy indray amin’Andriamanitra, Ilay tompon’ny voninahitra sy mpitarika ny
tafiky ny lanitra rehetra.” Patriarka sy Mpaminany.p 41
Ilay fivoriana nitadiavana ny
hamerenana indray ny fihavanana
3.Inona ny fivoriana natao tany an-danitra taorian’
ilay fandikan-dalàna nataon’ I Adama? Zakaria 6: 13b
“Dia niroso teo anatrehan’ ny Rainy Izy mba handahatra ho an’ ny mpanota. Naharitra ela izany dinika izany dia ilay “fisainam-pivavahana” ho entina hanavotana ny olombelona. Novolavolaina “hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao” ny planin’ ny famonjena izay mampiseho ny famonoana “ny Zanak’ ondry tsy misy kilema na tsiny”. Tsy moramora hoan’ ny mpanjakan’ ny lanitra sy ny tany anefa na dia izany aza ny nanolotra ny Zanany ho amin’ ny fahafatesana, mba hanavotana ny olombelona izay efa diso … Ny fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao izay tsy tia Azy akory. Mandritra ny taon-jato tsy manam-pahataperana dia hikaroka mafy amim-piankohofana ny anton’ izany zava-miafina izany ireo mponina any an-danitra.” Mpatriarka sy Mpaminany p 42
4.Manao ahoana ny fahoriana mahazo ny olombelona raha
ampitahaina amin’ny fahoriana hiaretan’Andriamanitra vokatry ny fahotana? Vakio
Isaia 53 sy Salamo 22 ka saintsaino lalina.
“Niteny tamiko ilay anjely nanao hoe: ‘mihevitra ve
ianareo fa Andriamanitra dia nanaiky hanome ny Zanany Malalany tamin’ny fomba
tsy nisy tolona? Tsia, tsia, tsy hoe tsy nisy tolona mihitsy ny nandraisan’
Andriamanitra ny fanapahan-kevitra tamin’ny hoe: na hamela ilay taranak’ olombelona meloka ho
faty, na atolotra ho faty ho azy ireo ilay Zanany Malalany.” Premiers Ecrits p
151
“Tsy ny lefona nitrobaka Azy, na ny fijaliana teo
amin’ ny hazo fijaliana anefa no nahafaty an’ I Jesosy. Ilay antsoantso “tamin’
ny feo mahery”, tamin’ ny fotoana nahafatesany, ny ra sy ny rano niboiboika tao
amin’ ilay lanivoany, fa ny fony vaky no nahafaty Azy. Vaky ny fony nohon’ ny
tebitebin-tsaina. Ny fahotan’ izao tontolo izao no namono Azy.” Ilay Fitiavana
Mandresy p 831
Voaseho ny fahasoavan’Andriamanitra
5.Tsy afaka hisy fanadiovana ny fahotana raha tsy nisy ilay Ran’ I
Kristy latsaka. Inona no zavatra fantatr’I Adama taorian’ny fahalavoany?
Levitikosy 17:11b; Hebreo 9: 22
“Nisy anjely nanazava bebe kokoa ny planin’ ny
famonjena tamin’ireo razambentsika voalohany,fa hoy izy taminy: “Na dia teo aza
ny fahotana lehibe vitanareo,matokia fa tsy havela horotidrotehan’ny fahavalo
tsy akory ianareo.Ny zanak’Andriamanitra dia efa nanolotra ny ainy mba hanafaka
ny helokareo.Noho ny fotoana vaovao omena anareo hizahan-toetra ny
fankatoavanareo an’Andriamanitra sy ny finoanareo ny Mpanavotra dia mety ho
tonga zanak’Andriamanitra indray ianareo.”
Nampiseho
tamin’i Adama sy Eva ny fahamasinan’ny lalàn’Andriamanitra ny fanatitra tsy
maintsy hatao noho ny fandikan’izy ireo izany.Tsy mbola nibaribary taminy
hoatra ny tamin’izay ny tena haratsin’ny fahotana sy ny vokatra mahatsiravina
aterak’izany.Nokekerin’ny nenina sy torovan’alahelo tokoa ny fony ka nitalaho
tamin’Andriamanitra izy mba hiaro ny zanany -lahy izay foto-pifalian’izy ireo
ny fitiavany, ary mba hampihatra ny famaizana amin’ny tenan’izy mivady sy amin’
ny taranany.” Patriarka sy Mpaminany p 44
“Tsy maintsy nisy fandatsahan-drà teo anatin’ny
drafi-pamonjena, satria tsy maintsy miditra an-tsehatra ny fahafatesana amin’ny
maha vokatry ny fahotan’ny olombelona azy. Ireo biby izay novonoina natao
sorona dia tsy maintsy nampiseho mialoha an’I Kristy… Ary ny rà izay latsaka avy tamin’ireo biby natao sorona ireo dia
midika fanavotana ihany koa. Tsy nisy hery na dia kely akory aza tao anatin’ny
ran’ireo biby ireo, kanefa kosa ny fandatsahana ny ran’izy ireo dia tsy
nanambara an’ilay Mpanavotra iray izay ho tonga indray andro any eto amin’izao
tontolo izao ary ho faty noho ny amin’ireo fahotan’ny olona…
“Ny fibebahan’I Adama izay niseho tamin’ny alàlan’ny
sazy nahazo azy sy ny fanantenany ny famonjena amin’ny alàlan’I Kristy izay
voaseho tamin’ny alàlan’ireo asa nataony tao anatin’ireo sorona natolony, dia
fahadisoam-panantenana ho an’I satana. Review and Herald, 3 Mars 1874)
Confrontation, p 22
6. Nahoana I Adama no tsy maty tamin’ ny andro
nihinanany an’ilay voankazo voarara araka izay nolazain’Andriamanitra fa ho
tonga izany? Genesisy 2: 16, 17; 3: 17-19
“Adama dia nihaino ny tenin’ ilay mpaka fanahy, ary
noho ny fanekeny an’ ireo safely-teny fanambatambazan’io mpaka fanahy io dia
tafalatsaka tao anaty fahotana izy. Teto amin’ity trangan-javatra nataon’ I
Adama ity, nahoana no tsy nampiharina avy hatrany ilay fanamelohana ho faty?
Satria hita ny fomba fanavotana azy. Ilay zanaka Lahy Tokan’Andriamanitra dia
nanolotra ny tenany an-tsitra-po mba handray eo amin’ny tenany ny fahotan’ny
olombelona sy mba hanao fanavotana ho an’ ilay taranaka lavo. Tsy afaka nisy
famelan-keloka raha ohatra ka tsy nisy ny fanavotana. Raha toa ka
navelan’Andriamanitra tsy nisy fanavotana ny fahotan’ I Adama, dia ho naharitra
mandrakizay ny fahotana sady hihamaro sy hitombo lalandava. (RH 23/04/1901)
Commentaires Bibliques p 2
“Raha vao niseho ny fahotana, dia nisy ny Mpamonjy
iray. Kristy dia nahafantatra fa tsy maintsy hijaly Izy. Ary dia tonga mpisolo
ny olombelona Izy.
Raha vantany vao nanota I Adama, Ilay
Zanak’Andriamanitra dia niseho mba ho Mpiantoka ny taranak’olombelona, ary
nanana ny fahefana hanakana ny fanamelohana izay notononina ho an’ ireo meloka,
mitovy tamin’ny fahefana nananany rehefa maty teo amin’ny hazo fijalian’ I
Kalvary Izy. (RH 12/03/1901) Commentaires Bibliques p 41
Ny fahamarinana amin’ ny alàlan’ ny finoana
7. Inona no
nataon’ Andriamanitra mba hampitafiana an’ I Adama sy ny vadiny? Genesisy 3:
21. Koa satria I Adama dia vavolombelona nahita ny fahafatesan’ ny zava-boary
manan’anina tsy manan-tsiny, inona no fantatr’ I Adama tamin’ny alàlan’izany?
“Mba ho fampatsiahivana ny olombelona ny
fahatsiarovana ny fahotany ka hanomezana ho azy fotoana fanararaotra mba
hilazany amim-panetren-tena ny finoany Ilay Mpanavotra iray ho avy,
Andriamanitra dia nametraka ilay fombam-pivavahana fanolorana sorona. Ilay biby
natao sorona voalohany natolotr’ I Adama dia nahatonga fangirifiriana
nanindrona mafy tao anatiny tao. Tamin’ny alàlan’ ny tànany mihitsy no tsy
maintsy nanesorany hiala amin’ny zava-manan’ aina iray ny aina izay Andriamanitra
irery ihany no afaka manome izany. Io no
voalohany nahitan’I Adama ny fahafatesana, izay tsy ho nahazo ny olona sy ny
biby mihitsy raha tsy noho izy. Raha namono nahafaty ilay biby tsy manan-tsiny
natao sorona i Adama, dia nipararetra izy tao anatin’ ny fieritreretany fa noho
ny fahotany no handatsahana ny ran’ Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Io
zava-niseho io dia nahatonga tao anatiny tao ny fihetseham-po lalina tokoa sy
mafy kokoa ny amin’ny maha-mampidi-doza ny fahadisoana iray izay tsy afaka ny
ho voavela raha tsy amin’ny alàlan’ny fahafatesan’ ny zava-manan’aina anankiray
izay tena malala indrindra ao anatin’ny fon’ny Avo Indrindra.” Patriarka sy Mpaminany p 68
8. Inona no
hampiasain’Andriamanitra mba hamitany ilay drafi-pamonjeny? Salamo 9:7; Jeremia
31:3
“Araka ny maha-izy azy ny fitiavana dia mora mifindra
ary afaka mitatra, ary miasa amim-pahatoniana, kanefa kosa izy io dia mahery
rehefa mikendry ny handresy an’ireo faharatsiana lehibe. Ilay hery manintona
mamy ananan’io fitiavana io dia manao fanovàna maro ary manenika ny fiainana sy
ny feon’ny fieritreretan’ireo mpanota mba hanova ny fomba hafa rehetra dia hita
fa tsy manan-kery…Jesosy no ilay andrinan’ny fiadanana
. Izy dia tonga teto amin’izao tontolo izao mba
hahatonga ny fanoherana sy ny zo hanana fahefana hietry ho eo ambany
fifehezany. Azony natao ny niantso ny fahendrena sy ny hery mba hanampy azy,
kanefa mba handreseny ny ratsy, dia ny fahendren’ny fitiavana sy ny herin’ny
fitiavana ihany no nampiasany.” Témoignages pour l’Eglise, vol 1, p 236, 237.
Mba haverina ianarana sy ho
saintsainina lalina
. Ahoana no azo anoritsoritana ny
fitiavan’Andriamanitra?
. Amin’ny inona no mifanaraka ireo toetoetran’ny
fahamarinana sy ireo toetoetran’ny famindram-po?
. Nahoana Andriamanitra no nanome ho an’ny olombelona
ny fahafahana malalaka hisafidy?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire