lundi 23 juin 2014

NY ANDRO FANAVOTANA



« Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo ; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. » Levitikosy 23 : 27

NY ANDRO FANAVOTANA

1-Taiza no nidiran’ ny mpisoronabe indray mandeha isan-taona mba hanatanterahana ilay fanompoana manokana fanaovana fanadiovana? Levitikosy 16 : 2, Hebreo 9 : 3


“Indray mandeha isan-taona, amin’ny andro fanavotana dia miditra ao amin’ny fitoerana masina indrindra ny mpisorona mba hanao ny ‘fanadiovana ny fitoerana masina’. Ny fombam-pivavahana atao ao no mamarana ny fiodinan’ny fanompoam-pivavahana fanao isan-taona.”Patriarka sy Mpaminany p 359
“Miseho eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ ny fitoerana masina indrindra ho antsika Jesosy ankehitriny. Tsy mijanona misolo tena an’ ireo vahoaka manontolo ao Aminy Izy. Koa satria manana mpisolo tena tahaka izany eo anatrehan’ ny Ray any an-danitra isika, dia tsy azontsika atao mihitsy ny hihevitra fa afaka manararaotra ny famindrapony sy manao antsirambina, tsy miraraha, ary mandefitra amin’ ny tenantsika hanao tsy araka ny tokony ho izy. Tsy mpanao raharahan’ ny fahotana Kristy. Feno ao Aminy isika, ekena ao amin’ Ilay Malala, raha toa ka mitoetra ao Aminy amin’ ny alàlan’ ny finoana, ary izany ihany no fepetra tokana. (ST 4/7/1892)” Commentaires bibliques, p 359

2-Inona ilay zavatra voafaritra manokana mikasika ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana? Inona no fanambarana voaseho mikasika azy io ? Eksodosy 25 : 22 ; Nomery 7 : 89



“Io fiaran’ ny vavolombelona masina io dia noraisina ho voninahitr’ Isiraely sy heriny. Ny famantaran’ ny fanatrehan’ Andriamanitra dia nipetraka tamin’ io fiara masina io andro aman’ alina.” L’ histoire de la rédemption, p. 184

« Nipetraka teo ambonin’ny rako-panavotana tao amin’ny tabernakely sy tao amin’ny tempoly ny voninahiny, dia ila Shekinah masina. Tsy nitsahatra nampiseho azy ireo ny haren’ny fitiavany sy ny fandeferany Izy. » Mpaminany sy Mpanjaka p 13
« Tao no nanehoan’ i Jehovah ny fanatrehany tao amin’ ny rahona be voninahitra ambonin ’ ny rakotra fanaovam-panavotana, ary tao no nipetrahan’ ny tongotr’ Ilay tohatra misy hevi-dalina izay nampifandray ny lanitra sy ny tany - Dia ilay tohatra nidinan’ ireo anjelin’ Andriamanitra sy niakarany, ary nampidanadana ho an’ izao tontolo izao  ny lalana mankany amin’ ny masina indrindra ». Hery mifanandrina p. 19
« Indray mandeha isan-taona, rehefa miditra ao amin’ ny efitra masina indrindra ny mpisoronabe ka manao ny asa fanompoana manoloana ny fiaran’ ny vavolombelona masina eo anatrehan’ ny fahamasinan’ Andriamanitra, ary dia mametraka fanontaniana izy, ka matetika ny Tompo dia mamaly azy amin’ ny fomba azon’ny sofina renesina. Raha tsy izany, dia asian’ Andriamanitra tara-pahazavana sy voninahitra manodidina ilay kerobima izay eo amin’ ny ankavanan’ ilay fiara, mba hanehoany ny fankasitrahany na hanehoany fa manolotra ny fitahiana Izy. Raha toa ka tsy ekena ilay fangatahana dia misy rahona miseho eo ambonin’ ilay kerobima izay eo ankavian’ ilay fiara masina. » L’ histoire de la rédemption, p. 185

3-Rehefa manao ilay asa fanompoana manokana ao amin’ ny efitra masina indrindra ny mpisoronabe amin’ ilay andro fanavotana, inona kosa no ataon’ ny vahoaka? Levitikosy 16 : 29, 31 ; 23 : 27-31



« Ny fanompoam-pivavahana rehetra dia natao  mba handatsaka ao am-pon’ ny Israelita ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny faharikorikoany ny fahotana, ary ankotr’ izany, mba hampiseho aminy fa tsy afaka hifampikasoka amin’ ny fahotana izy ka tsy ho voaloto. Ny olona tsirairay dia nasaina nampahory ny fanahiny nandritra ny fanaovana io asa fanavotana io. Napetraka ny asa amam-draharaha rehetra, ary ny fiangonan’ny Isiraely  manontolo dia nandany ilay andro tamin’ny fanetren-tena nampangitakitaka teo anatrehan’ Andriamanitra, nombam-pivavahana, fifadian-kanina, sy fandinihana lalina ny fo. » Hery mifanandrina p.433

NY EFITRA MASINA INDRINDRA


4-Diniho ny momban’ ny 2300 andro sy ny fanadiovana ny fitoerana masina, ny andro lehiben’ ny fanavotana ary ny fidiran’ I Kristy tao amin’ ny efitra masina indrindra any an-danitra, araka ny voalaza ao amin’ ny Apokalypsy 11 : 19



“Araka izay nambaran’ ny Soratra Masina, ny raharaha ataon’ I Kristy ao amin’ ny efitra masina indrindra dia nanomboka teo amin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro ara-paminaniana, tamin’ ny taona 1844. Io vanim-potoana io no iharan’ ireo teny izay nolazain’ I Jaona apostoly manao hoe : “ ary novohana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ ny fanekeny tao anatin’ ny tempoliny ; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.” Apokalypsy 11 : 19. Io fiaran’ ny fanekena io dia hita  ao amin’ ilay efitra faharoa ao amin’ ny fitoerana masina. Rehefa niditra tao amin’ io efitra io I Kristy, mba hanao ilay raharaha ho fanavotana ny mpanota, dia nisokatra ny efitra masina indrindra ary dia tazana tao ilay fiaran’ Andriamanitra. Ny fiandrianan’ Andriamanitra sy ny heriny dia voaseho tamin’ ireo izay nibanjina tamim- pinoana Ilay Mpamonjy izay manao ny asa-fanelanelanana. Rehefa heniky ny voninahitr’ I Jesosy ny tempoly, dia namirapiratra teo amin’ ny vahoakany teto an-tany ny fahazavana izay nivoaka avy tao amin’ ny efitra masina indrindra.” L’ Histoire de la rédemption, p 390

5-Inona no zavatra izay nampisaraka ireo efitra roa ao amin’ ny fitoerana masina, ary inona no hita ao amin’ ny efitra masina indrindra? Eksodosy 26 : 3 ; II Tantara 5 : 7



“Ny varavarana lamba ao anatiny no fidirana ao amin’ny fitoerana masina indrindra, izay foiben-toeran’ny fombam-pivavahana tandindon’ny famelan-keloka sy ny fanalalanana, mampitohy ny lanitra sy ny tany. Ao anatin’io efitra io no misy ny fiara masina: izany dia vata kely natao tamin’ny hazo akasia voapetaka takela-bolamena ny atiny sy ny ivelany, ary miainga ny sisiny ambony misy fehiloha volamena. Nametrahana ny vatofisaka roa izay nanoratan’Andriamanitra ny didy folo io fanaka io. Ary satria ny lalàna no fototry ny fanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny olona, dia natao hoe fiaran’ny fanekena na ny didim-pananana no anarany.

Ny rakotry ny fiara masina, izay natao hoe rako-panavotana dia voatefy tamin’ny anjam-bolamena iray. Ny laniny roa, dia misy kerobima volamena manainga ny elany iray manondro ny lanitra ary ny iray manarona ny tenany ho mariky ny fanajana sy ny fanetren-tena. Tandindon’ny fanajan’ny tafiky ny lanitra ny lalàn’Andriamanitra sy ny fitiavany ny drafi-panavotana, ny tarehiny mifampitodika sy ny masony miondrika amim-pitiavana eo anatrehan’ny fiara masina.”Patriarka sy Mpaminany p 351

NY RAN’ I KRISTY


6-Teo amin’ ireo asa fanompoana natao tao amin’ ilay fitoerana masina teto an-tany, inona no entin’ ilay mpisoronabe miaraka aminy rehefa miditra ao amin’ ny efitra masina indrindra izy? Hebreo 9 : 7

 “ Mpanelanelana ny Isiraely amin’ny andro fanavotana, ny mpisorona be dia nitondra ny ran’ilay biby tandindona tao amin’ny efitra masina indrindra.”Patriarches et prophètes p 405
« Tsy maintsy atao amin’ ny ra ny fanadiovana na teo amin’ ny fanompoana tandindona na teo amin’ ny tena izy ; tamin’ ny voalohany dia tamin’ ny ran’ ny biby, ary tamin’ ny manaraka dia amin’ ny ran’ i Kristy. » Hery mifanandrina, p. 432

7-Ahoana no fomba nanadiovana ny Isiraely mba ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra teo amin’ ilay andro lehiben’ ny fanavotana ? Inona no tandindona nasehon’ ireo biby novonoina ireo ? Hebreo 9 : 13 ; Levitikosy 16 : 15, 16.


“ Nampianatra ny olona ireo fahamaninan-dehibe mikasika ny fanavotana tamin’ny fahotana ny fanompoam-pivavahana isan-taona. Ny fanatitra noho ny ota natao nandritra ny taona, dia mampiseho ny faneken’ireo mpanota nibebaka ny Mpanavotra izay hisolo  toerana azy indray andro any. Tsy ampy hanavotra amin’ny fahotana ny ran’ny biby novonoina. Natao fiasana fotsiny mba hamindrana ireo fahotana ireo ao amin’ny fitoerana masina izy. Nahalala ny fahefana ananan’ny lalàna ny mpanota rehefa nitondra fanatitra alatsa-drà, ary miaiky ny fahadisoany sy maneho ny finoany an’Ilay ho avy ‘hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao’. Tsy afaka tanteraka amin’ny fanamelohan’ny lalàna anefa izy. Itondran’ny mpisoronabe ao amin’ny fitoerana masina ny rà ka afafiny eo amin’ny rako-panavotana, eo ambonin’ny vato fisaky ny lalàna, rehefa novonoina ny fanatitra ho an’ny fiangonana, amin’ny Andro Fanavotana. Afapo izao ny herin’ny lalàna nitaky ny ain’ny mpanota…” Patriarka sy Mpaminany p. 360
« Tao amin’ ilay biby novonoina natao sorona izay nataon’ ireo jiosy dia nisy ny tandindona maneho an’ i Kristy, izay tsy maintsy nandrotsaka ny ràny mba ho famonjena izao tontolo izao. Teo amin’ ilay fombam-pivavahana izay nisy an’ ireo biby novonoina natao sorona ireo,  ny fahamarinana mikasika ny fanavotana dia tsy maintsy naseho tamin’ izao tontolo izao, mba hahatonga ny rehetra ho afaka hahita fa raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka. » Signs of the times, 28 aout 1893

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Oviana no nanomboka ilay tena andro fanavotana marina ?

-Inona no fitoetra izay tsy maintsy raisin’ ny vahoaka izay mivelona amin’ ny fotoanan’ ny fanavotana ?

-Diniho hoe inona no azon’ ny vahoakan’ i Kristy atao nohon’ ny rany?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire