mercredi 11 juin 2014

DRAFITRY NY FAMONJENA SY NY ZANAKA SISAN'ILAY VEHIVAVY



Hitantsika ao anaty baiboly ao ireo teny manao hoe :  « Làlan’ny famonjena », « andro famonjena », « ny filazantsaran’ny famonjena anareo », « andro fanavotana », “fanantenan’ny famonjena », « mba azahoana ny famonjena », « mpandova famonjena » ary ny hoe « famonjena ny fanahinareo ».Asan’ny Apostoly 16 : 17 ; II Korintiana 6 : 2 ; Efesiana 1 : 13 ; 4 : 30 ; I Tesaloniana5 : 8, 9 ; Hebreo 1 : 14 ; I Petera 1 : 9…

Ireo fomba fiteny ireo dia nofintinina tamin’ny teny hoe : « drafi-pamonjena » na « planin’ny famonjena ». Ny fanahin’ny faminaniana dia mampiasa matetika ireo teny ireo. Kanefa inona moa no tena heviny ? Maneho tsotra fotsiny ny drafitra nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olona very izany sy ho fanafoanana ilay fifanandrinana lehibe misy eo amin’ny tsara sy ny ratsy .Ny halaliny, ny hahavony, ny sakan’izany drafitra izany dia tsy hay takarina sy tsy hay refesin’ny fahatakaran’ny fisainan’ny olombelona. Hoy ny mpanompovavin’Andriamanitra : « Mandritra ny mandrakizay no ilaina mba hahatonga ny olombelona hahatakatra ny drafitry ny famonjena. Hosokafana eo aminy isaky ny andàlana izany ary kely etsy kely eroa. » (MS 21, 1895) Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol 6, p 1115
Kanefa, tombotsoa ho antsika ny hahafantatra izay nambara. Ho mafy orina koka ny finoantsika raha toa ka ianarantsika tsara hoe hatraiza ny fifandraisana misy eo amin’ny lalàna, ny filazantsara, ny fahamarinana tsirairay amin’ny drafitry ny famonjena.
Ankoatry ny Soratra Masina, dia nomen’Andriamanitra ihany koa ny « Fanahin’ny Faminaniana » ho toy ny fanomezana manokana ho an’ny olombelona. Tsy misy banga tsy akory ny Soratra Masina, kanefa amin’ny andro farany dia manao izay azony atao rehetra Andriamanitra mba hahatonga ny vahoakany ho voaro amin’ireo fanafihana ataon’i satana.
Ny drafi-pamonjena dia entina haneho amin’ny manan’aina rehetra ny toetrany, ny fahendreny sy ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fiangonany.”Hatramin’ny voalohany dia drafitra nataon’Andriamanitra ny hampitaratra amin’izao tontolo izao ny fahafenoany sy ny fahampiany. Tokony haneho miharihary ny voninahiny  ny mambra ao amin’ny fiangonana, dia izay nantsoiny hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga. Ny fiangonana no nametrahany ny haren’ny fahasoavan’i Kristy; ary amin’ny alàlan’ny fiangonana no nanehoana farany ny fitiavan’Andriamanitra ka hivelomany amin’ny fomba hentitra sy feno, eny, na dia amin’ireo ‘ fanapahana sy fahefana any an-danitra aza’.”(Efesiana 3: 10) Vavolombelona Mahery p 11

Tsy mora ny iraka nampanaovina ny fiangonana. Fantatsika fa “...tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa , izay mitandrinany didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy» Apokalipsy 12 : 17. Manao izay rehetra azony atao ilay fahavalo lehibe mba hiady amin’ny zanaka sisan’ilay vehivavy.  Raha izany ary no izy, moa ve ireo zanaka sisa ireo tsy tokony hitafy ireo  fiadiana ara-panahy rehetra ? Noho izany antony izany no nahatonga an’Andriamanitra naneho ny drafitry ny famonjena amin’ny antsipiriany kokoa ao anatin’ny Fanahin’ny faminaniana. Ary satria isika mianatra manokana izany fanahin’ny faminaniana izany dia ho voaro amin’ireo famitahana maro be alefan’i satana isika.
Raha teo an-tendrombohitra Oliva Jesosy, dia nanatona Azy ireo mpianany ka nanontany Azy mba hilaza aminy ny famantarana ny amin’ny andro farany. “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantaranan ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.”. Nanome fampitandremana miverimberina Jesosy mba hafahana mitandrina ka tsy ho voafitaka. “Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany...Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro...Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao na dia ny olom-boafidy aza dia ho fitahiny. Indro voalazako aminareo rahateo izany.” Matio 24: 4, 5, 11, 24, 25
Ao amin’ny Matio 24 dia naverina in-telo ilay fampitandremana, satria ireo mpaminany sandoka sy Kristy sandoka dia hitondra loza sy fitaka lehibe indrindra amin’ny andro farany. Olona maro no mirenireny ara-panahy amin’izao fotoana izao ka mifindrafindra sy miampita fiangonana, vokatr’ireo fiangonana sandoka sy hevi-diso maro. Ahoana no afahantsika mizotra manaraka ny làlana tsara eo anatrehan’ny fisafotofotoana izay manodidina antsika?
Ireo fahamarinana tapatapany sy ireo fampianarana mivoana dia mitondra mankeo amin’ireo fahadisoan-kevitra ary manakana antsika tsy hanahaka an’i Kristy. Raha toa ka tsy fantantsika ny drafi-pamonjena dia tsy ho haintsika ny manavaka ny fahamarinana sy ny fahadisoan-kevitra, ary tsy hanana fiarovana mba tsy ho azon’ireo fitaka ataon’i satana isika.Efa nampahafantarina antsika fa arakaraky ny hanatonantsika ny farany dia tena hifangaro amin’ny fahamarinana ny fahadisoan-kevitra, hany ka ireo izay tena tarihin’ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mahay manavaka ny fahamarianna sy ny fahadisoan-kevitra. Tsy maintsy miezaka ny hijoro eo amin’ilay làlana nosoritan’ny Tompo isika. Tsy azontsika atao mihitsy na oviana na oviana ny mihataka miala amin’ny fitarihany ka hametraka ny fitokisantsika amin’olombelona. Ireo anjelin’ny Tompo dia manana andraikitra ny hiandry amim-pitandremana fatratra ireo izay mametraka ny finoany Aminy , ary ireo anjely ireo dia mpanampy voatendry manokana ho antsika isaky ny misy trangan-javatra ilàna izany. Tsy maintsy mitodika mijery ny Tompo amim-pinoana feno isan’andro isika ary mametraka ny fitokisantsika Aminy mba hahazoantsika fahendrena...Ireo izay tarihan’ny Tenin’ny Tompo dia hahay hanavaka tsy misy hisalasalana ny fahadisoan-kevitra sy ny fahamarinana, ny fahotana sy ny rariny. (MS 43, 1907).” Commentaires Bibliques p 330
Aoka isika hijoro eo ambonin’Ilay Vatolampy: dia Jesosy Kristy izany, ary aoka isika hianatra am-pahamatorana tsara ny drafi-pamonjena, sady mametraka feno amin’ny Tompo ny fitokisantsika. Aoka isika hahay hanome ny tombam-bidiny sahaza ilay fahazavana izay nomeny ho antsika ao amin’ny Teniny sy ao anatin’ny fanomezan’ny Fanahin’ny Faminaniana ho an’ny taranaka farany, mba hahatonga antsika amin’ny maha-ampahan’ny zanaka sisa antsika ho afaka haneho ny toetran’i Kristy araka ny tokony ho izy. Enga anie ireo fitahiana lehibe avy amin’Andriamanitra ho eo amin’ireo rehetra izay mianatra ireo lesona ireo.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire