mercredi 18 juin 2014

NY HAFATRY NY ANJELY FAHAROA



« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! Rava Babylona lehibe! Izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » Apokalipsy 14: 8
FANAMBARANA IRAY MIEZINEZINA
 1-Anjely iza no nanarakaraka ilay anjely voalohany, ary fiangonana inona no iantefan’ io hafatr’ io? Apokalipsy 14: 8
“… Ny fisarahan’ ny fiangonana Jiosy tamin’ I Jehovah, ny fikambanany tamin’ ny jentilisa no nahatonga ny fiagonana Jiosy ho mpijangajanga, ary meloka koa I Roma noho ny nandotoany ny tenany toy izany tamin’ ny nitadiavany ny fanohanan’ ireo fahefana araka izao tontolo izao.

“Lazaina fa “renin’ ny mpijangajanga” I Babylona. Ny zanany vavy izany dia ampoizina fa mampiseho ara-tandindona ireo fiangonana izay mifikitra amin’ ny fampianarany sy ny lova-tsofiny ka manaraka ny ohatra nomeny tamin’ ny fanaovana sorona ny fahamarinana sy ny fankasitrahan’ Andriamanitra mba hanaovany fikambanana tsy ara-dalana amin’ izao tontolo izao. Ny hafatra ao amin’ ny Apokalipsy 14 izay manambara izay nadio teo aloha nefa tonga maloto ankehitriny. Koa satria manaraka ny fampitandremana momba ny fitsarana ity hafatra ity, dia tsy maintsy toriana amin’ ny andro farany, noho izany dia tsy azo hampiarina amin’ ny Eglizin’ I Roma irery izy, satria efa taon-jato maro no efa teo am-pahalavoana io fiangonana io.” Hery mifanandrina, p. 397
 ZAVATRA VAOVAO VAO HITA

 2-Andro inona no nilatsahan’ ilay andro fanavotan’ ireo jiosy tamin’ ny taona 1844? Taorian’ ilay fahadisoam-panantenana tamin’ ny 22 marsa 1844, inona no zavatra vao hitan’ ireo mpino teo am-pianarana ny soratra masina lalindalina kokoa? Levitikosy 16: 29, 16
  
 “Izay nitarika ho amin’io fihetsehana io dia ny fahitana fa ny didin’ I Artaksersesy momba ny fanavaozana an’ I Jerosalema izay fotoana iantombohan’ ny 2300 andro, dia tsy nampiharina raha tsy tamin’ ny fararanon’ ny taona 457 BC fa tsy tamin’ ny fiantombohan’ io taona io tahaka ny efa ninoana teo aloha tsy akory. Rehefa isaina manomboka amin’ ny fararanon’ ny taona 457 BC ny 2300 andro dia miafara amin’ ny fararanon’ ny taona 1844…

“Teo amin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny andron’ I Mosesy dia tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafito Jiosy no nanaovana fanadiovana ny fitoerana masina na ny andron’ ny fanavotana lehibe tamin’ izay, rehefa avy nanao fanavotana ho an’ ny Israeily rehetra ny mpisorona be ka nanala ny fahotany avy tao amin’ ny Fitoerana masina dia nivoaka mba hitahy ny vahoaka. Toy izany koa no ninoany fa I Kristy, ilay Mpisoronabentsika dia hiseho mba hanadio ny tany tamin’ ny fanafoanana ny fahotana sy ny mpanota ary hitahy ny vahoaka miandry azy amin’ ny fanomezana azy ny tsy fahafatesana. Ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito, ny Andron’ ny fanavotana lehibe, ny fotoana fanadiovana ny fitoerana masina izay niseho tamin’ ny 22 oktobra 1844 dia noheverina ho fotoana nihavian’ ny Tompo. Nifandrindra tamin’ ny porofo efa naseho izany tamin’ ny fararanon’ ny 2300 andro ka toa tsy azo nolavina izany fehin-kevitra izany.”  Hery mifanandrina, pp. 412
 3-Inona ilay fanoherana nataon’ i Jesosy, izay heverina fa manana fifandraisana amin’ ilay fanantenan’ ireo advantista? Inona no zavatra vaovao hitan’ ireo advantista tamin’ ny taona 1844? Ahoana no niantsoana ilay hafatra iray fanampiny izay notoriana tamin’ ny lohataon’io taona io? Matio 25: 5-7
  

“Ao amin’ ny fanoharana ao amin’ ny Matio 25 dia manaraka ny fotoana niandrasany sy naharendrehana ny fiavian’ ny Mpampakatra. Nifanaraka tamin’ ny fonjan-kevitra vao novelarina izany, na ny avy amin’ ny faminaniana na ny avy amin’ ny fombam-pivavahana nisy tandindona. Nahatonga faharesen-dahatra mafy orina ny amin’ ny fahamarinana ireo; koa dia mpino an’ arivony no nampanakoako ny “antso mamatonalina”- Hery mifanandrina, p. 433

 FIOMANANA MBA HIHAONA AMIN’ ILAY MPANJAKA HO AVY
 4-Inona no fanandramam-piainana izay nandalovan’ ireo olona izay niandry tamin-kitsimpo ny fiavian’ i Kristy? Apokalipsy 3: 7, 8
 
« Tahaka ny ranon’ orana izay milatsaka eo amin’ ny tany maina, ny fanahin’ ny fahasoavana dia nirotsaka teo amin’ ireo izay nitady io fanahin’ ny fahasoavana io tamin-kafanana. Ireo izay nanantena ny hifanatrika tsy ho ela tamin’ Ilay Mpamonjy azy ireo dia nahatsapa fifaliana lalina tsy hay lazaina. Ny herin’ ny fanahy masina, izay nirotsaka nitafotafo teo amin’ ireo mpino nahatoky dia nanetsika, nampahalefaka sy nanorotoro ny fon’ ireo mpino ireo.

« Feno fahamatorana sy fahamendrehana ireo izay nanaiky ilay hafatra, dia tonga teo amin’ ny fotoana izay nanantenan’ izy ireo hihaonana amin’ ilay Tompony izy. Niray saina sy niray fo izy ireo sady nifampivavaka mafy. Naira-nivavaka matetika tamin’ ny toerana mangingina mba hanana fifandraisana amin’ ny Tompo izy ireo. Ny feon’ ny vavaka fangatahana sy fifonana nataon’ izy ireo dia niakatra avy tao an-tanimboly na tao anatin’ny kitrok’ala. Ny fananana toky fa ankasitrahan’ Andriamanitra dia tena sarobidy tamin’ izy ireo mihoatra noho ny sakafo ara-nofo, ary raha ohatra ka nisy rahona tonga nanamaizina ny fanahin’ izy ireo, dia nahazo fitsaharana izay nampisava izany izy ireo. Ny fananan’ izy ireo toky lalina sy tao anatin’ ny fo marina tokoa ny amin’ ilay fahasoavana izay mamela heloka, dia nahatonga azy ireo hanana faniriana hibanjina an’ Ilay Iray izay tia azy ireo. » L’ hitsoire de la rédemption, p. 382 
5-Fihetseham-po manao ahoana ny nahatongavan’ ilay hafatry ny anjely faharoa teo amin’ ny vahoaka? IPetera 5: 6, Filipiana 2: 12



“Hoy ny fanambarana nataon’ ny anakiray koa izay nandray anjara tamin’ ny fihetsiketsehana: “Na taiza na taiza dia niteraka fandinihana lalina ny fo sy fanetrena ny fanahy teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra ambony izany. Nahatonga fitiavana hiala tamin’ ny zavatry ny tany izany, fanasitranana ny fifandirana sy ny firehetam-po, fihekaina  ny ratsy vita, ranomasobe teo anatrehan’ Andriamanitra sy fitalahoana taminy hamela heloka sy handray ny fo mibebaka sy torotoro. Niteraka fietrena lalina sy filaovan’ ny izay tsy mbola fahita na oviana na oviana izany.”- Hery mifanandrina, p. 415
 6-Inona no fanandramana mitovy amin’ izany izay hisy alohan’ ny fiavian’ i Jesosy? Apokalipsy 3: 19
 
« Ilay anjely dia niteny nanao hoe: « hafoizo ny zavatra rehetra ho an’ Andriamanitra. Ny izaho dia tsy maintsy maty. Ireo faniriana sy ireo fironana araka ny nofo avy ao amin’ ny fo izay mbola tsy teraka indray dia tsy maintsy hampileferina mba hanaiky ho fehezina. » Mandosira mankeo amin’ ny Baiboly izay natao tsirambina teo aloha; ireo teny any amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia natao ho anareo; aza hamaivanina ireo teny ireo… Ny fahamasinan’ ny fiainana dia tsy maintsy ilaina. » Testimonies for the Church, vol 1, P508
Tsy eo amin’ ny fiantombohan’ ny fiainana kristiana ihany no ilana hanaovana fahafoizana ny “izaho”. Isaky ny dingana iray atao mankany an-danitra dia ilaina ny hanavao izany. Ny asantsika tsara rehetra dia miankina amin’ ny hery anankiray ivelan’ ny tenantsika. Noho izany dia ilaina ny hanandratra ny fo hitady an’ Andriamanitra sy hiaiky lalandava ny fahotana amin’ ny fo torotoro, ary hanetrena ny fanahy eo anatrehany. Ny fahafoizana maharitra ny “izaho” ihany, sy ny fiankinana amin’ I Kristy no ahazoantsika mandeha amin-toky.” Henoinareo ny fanoharana, p. 133
 7-Inona no zavatra izay tsy mahazo misaraka amin’ ny hafatry ny anjely faharoa? Inona no zavatra izay nananarana mafy ireo izay nanao tsinontsinona ny hafatry ny anjely voalohany sy ny hafatry ny anjely faharoa, ka tsy mba nanadio ny tenan’ izy ireo? II Korintianina 6: 15-17

  
“Noho izany dia tojo fisedrana mafy sy fahaverezan-kevitra be ny mpino. Tiany ny fiangonana ary nalaina hisaraka taminy izy, nefa koa rehefa hitany fa nolavina ny hafatra avy amin’ Andriamanitra sy nofoanana ny zony hanadihady ny faminaniana dia tsapany fa nandrisika azy tsy hilefitra ny fahatokiany an’ Andriamanitra. Tsy azony ho nekena ny anisan’ ny Kristy izay “andry sy fiorenan’ ny fahamarinana” ireo izay nitady hitsipaka ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra. Noho izany dia azony nohamarinina ny fisarahany tamin’ ny fikambanana nisy azy teo aloha. Tamin’ ny fahavaratry ny 1844 dia sahabo ho iray hetsy no niendaka tamin’ ny fiangonany.” - Hery mifanandrina, p. 390
 8-Manao ahoana ny lenta ara-panahy izay tratran’ izy ireo? Inona no fifandraisana mety hita eo amin’ ilay fanandramana hita teo amin’ ny hafatry ny anjely faharoa sy ny fanadiovana ny fitoerana masina?
 
« Nisy fahazavana masina namirapiratra teo amin’ izy ireo. Nandao izao tontolo izao izy ireo, nahafoy ny tombon-tsoany  teto an-tany, nandao ireo zava-tsoa nanan’ izy ireo teto an-tany ary nampitodika ny fijeriny nankany an-danitra, ary nanantena ny hahita ny fisehoan’ Ilay Mpanafaka malalan’ izy ireo. Nisy fahazavana masina namirapiratra tamin’ ny tavan’ izy ireo, izay nanambara ny fisian’ ny fiadanana sy fifaliana izay manjaka ao anatin’ izy ireo. Jesosy dia nibaiko ireo anjely mba handeha hampahery azy ireo satria efa akaiky ny fotoanan’ ny fizahan-toetra. Hitako fa ireo mpino ireo izay mbola tao anatin’ ny fiandrasana dia mbola tsy voazaha toetra araka ny tokony ho izy. Tsy hoe tsy manana fahadisoana izy ireo. Hitako ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny alàlan’ ny nandefasany ny fampitandremana ho an’ ny zanak’ olombelona,izay hafatra miverimberina mba hahatonga azy ireo handinika ny fony  sy hianatra ny soratra masina, mba hafahan’ izy ireo miala amin’ ireo fahadisoan-kevitra izay noraisin’ izy ireo avy tamin’ ireo jentilisa sy ireo mpanara-dia ny papa. Amin’ ny alàlan’ ireo hafatra ireo dia manantanteraka ilay asa fanasarahana ireo zanany amin’ izao tontolo izao Andriamanitra, mba hahatonga azy ireo hiasa ho Azy amin-kery lehibe sy hitandrina ireo didiny. » Premiers écrits, pp. 249, 250
 MBA AVERINA HIANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA
.Inona no valin-teny nomen’ ireo fiangonana izay manana fifandraisana amin’ny hafatry ny anjely faharoa?

.Inona no fanandramana nandalovan’ ireo olona izay nanaiky io hafatra io?

.Raha ohatra isika ka tsy mbola nandao izao tontolo izao sy ny fahotana, ahoana no hafahantsika manana fironana handinika ny hafatry ny anjely faharoa? 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire