«Rahona sy
haizim-pito no manarona Azy ; fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny
seza fiandrianany. » Salamo 97 : 2
Ireo toetoetry ny fitiavana
1.Inona avy ireo toetoetra roan’ny fitiavan’Andriamanitra ?
Salamo 97 : 2 ; Ohabolana 21 : 3
« Ny
lalàn’Andriamanitra izay fitaratry ny sitrapony sy fanehoana ny toetrany sy ny
fahendreny ary ny fitiavany; ny olombelona dia nataon’Andriamanitra ho
sangan’asany sady nomeny fahaizana mahatakatra izay tadiavin’ny lalàna; izany
dia ahazoany mitia ny rariny sy ny soa aterany. Koa dia fankatoavana avy
hatrany aseho amin’ny asa no tadiavin’Andriamanitra aminy. » Patriarka sy
Mpaminany p 33, 34
« Ny
fikasan’ i Kristy dia ny hampitambatra ny fahamarinana sy ny famindram-po ary
mba hahatonga ny lanjan’ ny tsirairay amin’ ireo zavatra roa ireo ao anatin’ ny
fitambarany. Tsy toy ny fahalemena ny famindrampon’ i Kristy fa kosa fahefana
lehibe izay mampatahotra ny fahotana, kanefa etsy an-danin’ izany kosa io
famindram-po io dia hery mba hisintona ny fitiavan’ ny olombelona ho eo Aminy.
Ny fahamarinana dia afaka mamela heloka amin’ ny alalan’ i Kristy ka tsy misy
fanesorana na dia tendron-tsoratra iray aza amin’ Ilay fahamasinana izay tena
lavorary indrindra. » - Commentaires bibliques, pp. 362, 363.
2-Na dia tsindraindray aza toa
hita fa mifanohitra ny fahamarinana sy ny famindram-po, ahoana no fomba
hampitambaran’Andriamanitra ireo zavatra roa izay toa mifanohitra hita maso
ireo ? Isaia 30 : 18 ;
Salamo 30 : 6.
« Araka
izany, tahaka ilay Avana izay niseho teo amin’ny habakabaka vokatry ny
fitambaran’ny fahazavan’ny masoandro sy ny orana, dia toy izany ny Avana izay
manodidina ny seza fiandrianana ka maneho ny hery mampitambatra ny famindram-po
sy ny fahamarinana. Tsy azo atao ny hoe maneho fotsiny ihany, satria miteraka
fanakonana ny voninahitr’ ilay Avana izay mampiseho ny teny fikasana mivelatra
eo ambonin’ ilay seza fiandrianana, ka dia tsy hisy zavatra hitan’ny olona
afa-tsy ny famaizan’ny lalàna fotsiny ihany. Raha toa ka sady tsy nisy
fahamarinana no tsy nisy famaizana, dia azo antoka fa tsy ho tafatoetra ny
fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Ny fitambaran’ny fitsarana sy ny
famindram-po no maha-tonga ny famonjena ho feno. Ny fitambaran’ ireo zavatra
roa ireo, sady mibanjina an’ilay Mpanavotra izao tontolo izao isika no
mibanjina ny lalàn’ i Jehovah, ka ho voatosika isika hanao hoe : «tonga
lehibe aho noho ny hatsaram-panahinao ”( RH 13/12/1896)” commentaires
bibliques, p 238
“ Rehefa miezaka
hanao fitsarana araka ny fahamarinanahianareo, dia aoka ho tadiavinareo fa
manana rahavavy kambana aminy io fahamarinana io , dia ny famindram-po izany.
Mijoro mifanila ary tsy azo sarahina
mihitsy ireo zavatra roa ireo.” Chil
guidance, p 262
“.... Tsy maintsy
ampatsihaivina mandrakariva fa ny fijoroana tsy ho voahozongozona sy ny
fahamarianana dia manana rahavavy: ny famindram-po” Christian Education, p 25
MIFANENA NY FAMINDRAM-PO SY NY FAHAMARINANA
3-Tahaka ny ahoana no anehoana ny
fanoritsoritana an’ ilay avana, ny fomba ifanenan’ ny fahamarinan’
Andriamanitra sy ny famidram-pony ary ny toerana isehoan’ io fifanenana io?
Genesisy 9: 13; Apokalipsy 4: 3; Salamo 85: 11
“ Ilay avana
izay mivelatra eo ambonin’ny seza fiandrianana no vavolombelona mandrakizay
izay manambara fa “ Andriamanitra dia tena tia izao tontolo izao tokoa, ka
nomeny ny Zanany lahy tokany, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana
fiainana mandrakizay ”. Isaky ny aseho amin’ny olona ny lalàna, Ilay filoha
mpifehy ny fahamarinana dia manondro an’
ilay seza fiandrianana izay voarakotr’ ilay avana maneho ny teny fikasana dia
ny fahamarinan’ i Kristy. Kristy no voninahitry ny lalàna. Tonga Izy mba
hanandratra ny lalàna sy nametraka an’
io lalàna io ho mendrika hajaina. Aoka hianareo haneho mazava tsara fa ny
famindram-po sy ny fiadanana dia nifanojo ao amin’i Kristy, ary mifanorika ny
rariny sy ny fahamarinana...” commentaires bibliques, pp 237, 238
“ Jereo ilay
soratra teo amin’ ilay hazo fijaliana. Ny Tompo no efa nilaza azy io mialoha.
Nosoratana tamin’ny teny Hebreo, teny Grika, sy teny Latina, fanasana ny olona
rehetra io soratra io mba hanatona Azy: Jiosy, Jentilisa, Barbarianina,
kristianina, andevo, tsy andevo, ireo olona tsy manam-panantenana, tsy afa
mihetsika sy manana kilema. Kristy no efa nanafoana ny fahefan’ i Satana. Efa
naharesy an’ ireo andry fiarovan’ io Satana io Izy ka namakivaky an’ ilay
fifanandrianana lehibe tamin’ny nandravany an’ilay manana ny fanjakan’ ny
fahafatesana. Rehefa izany dia nisokatra ilay feo anakiray izay nanambara fa
afaka mifanena ny famidram-po sy ny fahamarinana ary afaka mifanoroka ny rariny
sy ny fiadanana. ( MS 111, 189 T) commentaires bibliques p. 211
4-Fomba ahoana no itambaran’ny famindrampo sy
ny fahamarinana ao anatin’ny lalàn’ Andriamanitra sy ao anatin’ny fanavotana?
Isaia51: 4 ; Rom7:12
“ Ny fifangaroan’ny fitsarana
sy ny famindram-po no manome ny famonjena feno. Io fifangaroan’ ireo zavatra
roa ireo no mahatonga antsika ho mahazo mihiaka, rehefa mibanjina Ilay
Mpanavotra sy ny lalàn’ Jehovah, ka itenenantsika hoe: “ ny hatsaram-panahinao
no maha-lehibe ahy ”. Isika mahafantatra fa ny filazantsara dia feno sy
tanteraka, ary miseho ao anatin’ny io filazantsara io ny tsy fiovan’ny lalàn’
Andriamanitra. Mampita ao am-pon’ ny olona ao io filazantsara io mikasika ilay
fanantenana sy ny fitiavana an’ Andriamanitra. Manasa antsika mba hiditra eo
amin’ ireo varavaran’ ilay tanànan’ Andriamanitra ny famindram-po, satria ny
fahamarinana no natao sorona mba hanomezana alàlana ny mpino tsirairay hanana
ireo tombotsoa rehetra maha mambran’ny fianakavian’ ilay Mpanjaka, izany hoe
ireo tombotsoan’ny maha zanak’ Ilay Mpanjakan’ny lanitra” Commentaires
bibliques, p 276
« Ny
famaritana tokana azo omena izany dia ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: ‘Ny
fahotana no fandikana ny lalàna’; izany dia fanoherana ilay lalàna lehiben’ny
fitiavana, izay fototra ijoroan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra” La
tragédie des siècles, p 536p536
SAFIDY MALALAKA
5-Nahoana Andriamanitra no nanome ho an’ny olombelona
fahafahana misafidy malalaka? Inona no fifandraisana misy eo amin’ny lalàna sy
ny fahafahana? Deotoronomia 30: 19b; Jakoba 1: 25; 2: 12
“ Manana
fahefana hanakana an’ i Adama tsy hikasika ilay voankazo voarara Andriamanitra,
kanefa raha ohatra ka nanao izany Izy, Satana dia ho nahita porofo nafahany
niampanga fa ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra dia sitrapon’ny anakiray izay
jadona. Tsy ho olona afaka misaina malalaka ny olombelona fa kosa milina tsotra
fotsiny amin’ izao. ( RH 4-06-1901) commentaires bibliques, p 3
“Tsy toy
izany anefa no fomba fijerin’ireo mpaminany sy apostoly ny lalàna
masin’Andriamanitra. Hoy Davida: ‘ary handeha amin’ny malalaka aho fa ny
didinao no tadiaviko’. Ny apostoly Jakoba iza nanoratra taty aorian’ny
nahafatesan’i Kristy dia nilaza ny didy folo ho ‘ lalàna tanteraka, dia ny
lalàn’ny fahafahana’. Ary ny mpanoratra ny Apokalypsy, dimampolo taona taty
aorian’ny nanomboana an’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, dia manonono
fitahiana ho an’izay ‘ mankatoa ny didiny, mba hanana fahefana ho amin’ny
hazon’aina sy hidirany amin’ny avahady
ho ao an-tanàna’ Hery mifanandrina p 480
“Ny
lalàn’Andriamanitra izay nohambanian’i satana ho zioga fanandevozana, dia
homem-boninahitra
ho lalànan’ny fahafahana. Ny voahary iray izay nozahan-toetra ka nijanona ho
mahatoky dia tsy hitady hiala intsony amin’ilay naneho taminy ny fitiavana tsy voafaritra sy ny
fahendrena tsy manam-petra”
La tragédia
des siècles p 547.
6-Ahoana no ifandrasain’ ny lalàn’
Andriamanitra sy ny fahasambaran’ ny olombelona? Salamo 119: 165-167.
“Lalàna marina,
lalàm-pitiavana, lalàna ambony sy masina antoky ny fahasambaran’ireo mpanompony
izay nanompo Azy amim-pifaliana, no fototra iorenan’ny fanjakany. Tsy
fankatoavana an-jamba fa entanim-pitiavana sady fenio fahatokiana sy feno
fiderana no irin’Andriamanitra hananan’ny olony. Tsy azo nekena ny fankatoavana
an-terisetra ka izany no nanomezany azy safidy malalaka izay fepetra tena
ilaina indrindra eo amin’ny fanompoana an-tsitrapo.” Patriarka sy mpaminany p.
11”
7-Moa ve Andriamanitra, izay nanome ho an’ny olombelona
fahafana misafidy malalaka, mbola mitohy manome izany fahafahana izany eo
am-pamitàna ny drafi-panavotana? Josoa 24: 15b; Apokalipsy 22:17 ; Salamo 119:
49
“Tsy misy
fanerena eo amin’ny asa fanavotana. Tsy misy hery avy ety ivelany afaka
manelanelana. Avela malalaka hisafidy izay ho tompoiny ny olona, eo ambanin’ny
herin’ny fanahin’Andriamanitra miasa mangina aminy. Amin’ny fiovana hita rehefa
milefitra eo amin’i Kristy ny fanahy , dia mahatsapa fahafahana izany fanahy
izany. Asa tanterahin’ny fanahy mihitsy ny fandroahana ny fahotana. Raha ny
marina dia tsy manan-kery isika hanafaka ny tenantsika tsy ho eo ambanin’ny
fanapahan’i satana, nefa rehefa iriantsika ny ho afaka amin’ny fahotana, ary
mitaraina isika ao anatin’ny fahotantsika be, miantso hery ivelan’ny tenantsika
sy ambony noho isika, dia vontosan’ny herin’ny Fanahy Masina avy
amin’Andriamanitra ny fanahy, ho afaka mankato ny baikon’ny sitrapo izy amin’ny
fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ilay Fitiavana Mandresy p 501
“ Tsy mampiasa hery famoretana mihitsy na
oviana na oviana Andriamanitra. Am-pitiavana no amongorany ny fahotana mba
hiala ao anatin’ny olona, koa amin’ izany ny avonavona dia hiala ka hanome
toerana ho an’ny fanetren-tena, ary ny tsy finoana hanome toerana ho an’ny
fitiavana sy ny finoana.” Une vie meilleure, p 94
8-Inona no hampiasain’ Andriamanitra mba hamitany ny
drafi-pamonjena ataony? Salamo 119:97 ;
Jeremia 31: 3
“ Ny
tantaran’ilay ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy hatramin’ny andro
niatombohan’izany tany an-danitra ka mandra-pahatongan’ny fotoana hana-foanana
tanteraka ny fikomiana amin’ny farany sady handevonana ny fahotana, dia maneho
miharihary ny fitiavana tsy manam-piovana ananan’Andriamanitra.” Patriarika sy
Mpaminany p 12
“ Ny
fitiavana dia zavatra mihanaka araka ny maha izy azy, ary miasa amin’ny fomba
tony, kanefa kosa izy io dia manan-kery rehefa miroso mba handresy an’ ireo
zava-dratsy. Ny hery malefaka izay mahataona alefan’ io fitiavana io no
mahatonga fiovana, ary mahataona ny fiainan’ny mpanota maro ka hanova ny fon’
izy ireo, satria ireo fomba hafa rehetra dia tsy manan-kery nanova ny fon’ ireo
mpanota ireo. Jesosy no ilay Andrian’ny fiadanana, tonga teto amin’ izao
tontolo izao Izy mba hahatonga ny fanoherana sy fananam-pahefana hilefitra eo
ambany fifehezany. Azony natao ny nampiasa fahendrena sy hery, kanefa mba
handresena ny ratsy, ny fahendren’ny fitiavana sy ny herin’ny fitiavana ihany
no nampiasainy.” Temoignages pour l’ Eglise vol 1, pp 236, 237
MBA HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA
. Tahaka ny ahoana no ahafahana mamariparitra ny
fitiavan’Andriamanitra?
. Aiza no itambaran’ ireo toetoetran’ny fahamarinana sy
ny famidram-po?
. Inona no antony nanomezan’ Andriamanitra ho an’ny
olombelona ny fahafahana misafidy malalaka?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire