jeudi 19 juin 2014

NY FITOERANA MASINA ANY ANDANITRA



« Ary ny amin’ izany zavatra lazainy izany dia izao no fotony : Manana Mpisoronabe toy izany isika. » Hebreo 8 : 1a



NY FANALAHIDIN’ ILAY ZAVA-MIAFINA



1-Inona ilay fanalahidy hahafantarana ireo fahadisoam-panantenana niaretan’ ny fihetsehana advantista tamin’ny taona 1844? Hebreo 9 : 23, 24

 

« Ny momba ny fitoerana masina no fanalahidy mamoha ny zava-miafin’ ny fahadisoam-panantenana tamin’ ny 1844. Mampahita rafi-pahamarinana feno izay mifandray sady mirindra tsara ireo fizarana samihafa eo aminy eo imasontsika, ary mampiseho koa fa ny tànan’ Andriamanitra no efa nitarika ny fihetsiketsehana lehibe mikasika ny fiavian’ i Kristy sy manoritra ny adidy  tokony hatao ankehitriny amin’ izay manazava ny toerana misy ny vahoakany  sy ny asany... » Hery mifanandrina, p. 437



2-Inona ilay fahamarinana naseho tamin’ I Hiram Edson taorian’ ilay fahadisoam-panantenana tamin’ ny 22 Oktobra 1844 ? Hebreo 9 : 11


« … Hiram Edson sy O.R.L. Crosier… dia naneho araka ny Soratra Masina ny zavatra miharihary tsy azo toherina, izay mitondra ho amin’ ny fahafantarana, fa ireo ambaratonga roa ao amin’ ny fitoerana masina tety dia sary tandindona maneho ilay raharaha ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Noho izany, araka ny nambaran’ i Edison sy Crosier, ireo trangan-javatra izay tokony ho niseho nanomboka teo amin’ ny 22 oktobra 1844 dia tany an-danitra.» E.G. White, the Early Years, vol 1, pp 107, 108

« Hitako ilay anjely fahatelo, nanandratra ny sandriny nanondro tamin’ ireo izay diso fanantenana an’ ilay efitra masina indrindra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Rehefa niditra tao amin’ ny fitoerana masina indrindra tamin’ ny alalan’ ny finoana izy ireo dia nahita an’ i Jesosy ka dia tonga tamin’ izy ireo indray ny fanantenana sy ny fifaliana. Hitako izy ireo nijery ny teo ivohony. Nidinihin’ izy ireo ny lasa, nanomboka teo amin’ ny fanambarana ny fiavian’ ny Tompo fanindroany hatreo amin’ ilay fanandramana nandalovan’ izy ireo rehefa tonga ilay andro nolazaina fa hitrangan’ ilay zavatra tamin’ ny taona 1844. Hitan’ izy ireo fa voazava ilay fahadisoam-panantenana nahazo azy ireo, ary ny fifaliana sy ny fazahoana antoka dia nankahery fo indray azy ireo. Nampahaza ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy ny anjely faha-telo ka dia fantatr’ izy ireo fa tsy misy asalasalana fa Andriamanitra no mitarika azy ireo tamin’ ny alalan’ ny fitondrany mahagaga sy saro-patarina. Premiers écrits, pp. 254, 255



3-Fomba ahoana no hifandraisan’ ny fahamarinana mikasika ny fitoerana masina any an-danitra amin’ ny finoana an’ I Jesosy? Ezekiela 37 : 28

 

« …Ny fitoerana masina any an-danitra no tena foiben’ ny asan’ i Kristy ho an’ ny olombelona. Mikasika ny fanahy tsirairay velona eto an-tany izany. Voaseho mibaribary amin’ izany ny drafitry ny fanavotana, ka mitondra antsika ho amin’ ny tena faran’ny andro ary manambara ny fiafarana be voninahitry ny ady ifanaovan’ ny fahamarinana sy ny fahotana… » Hery mifanandrina, p. 505



ILAY SARY TANDINDONA SY ILAY TENA IZY



4-Soritsorito ny fifandraisana misy eo amin’ ny lalàna seremonialy (ilay tandindona) sy ny asa nataon’ I Jesosy teto an-tany sy ny fitoerana masina any an-danitra ( ilay tena izy). Hebreo 8 : 5

 

« Ny filazantsaran’ i Kristy dia mampitomaratra ny voninahitra eo amin’ ilay vanim-potoanan’ ny Jiosy ; io filazantsara io dia mandefa hazavana eo amin’ ilay fivavahana jodaisma ary manome lanja ny lalàna seremonialy. Ny tabernakely na tempolin’ Andriamanitra teto an-tany dia ohatra nalaina tahaka tamin’ ilay tena izy any an-danitra. Ireo fombam-pivavahana rehetra tao amin’ ny lalàna jodaisma dia nifono faminaniana avokoa, ary naneho ara-tandindona ireo zava-miafina raketin’ ny drafi-panavotana. (ST 29/7/1886) » Commentaires bibliques, p. 299

« Aseho eto ny fitoerana masin’ ny fanekena vaovao. Ny fitoerana masin’ ny fanekena voalohany dia natsangan’ olona, naorin’ i Mosesy ; ity kosa dia Jehovah no nanangana azy fa tsy olona. Tao amin’ ilay fitoerana masina tandindona dia ny mpisorona

teto an-tany no nanao ny fanompoana ; ao amin’ ilay tena izy kosa, dia Kristy, Ilay Mpisoronabentsika no manao fanompoana eo an-tànana an-kavanan’ Andriamanitra. Ny fitoerana masina iray teto an-tany ; fa ny iray kosa any an-danitra. » Hery mifanadrina, p. 427



5-Taorian’ ny niakaran’ I Jesosy, aiza no nahitan’ I Jaona Azy manao asa fanompoana amin’ ny maha Mpisoronabe Azy? Apokalypsy 1 : 12, 13 ; 4 : 5

 

« Ireo efitra masina ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra dia asehon’ ireo efitra roa tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Raha naseho ny apostoly Jaona tamin’ ny fahitana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra dia hitany tao ny « jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana » Nahita anjely izy « nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra ; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana ». Teo ny mpaminany dia navela hibanjina ny efitra voalohany ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra, ary hitany tao ny « jiro fito nirehitra » sy ny « alitara volamena » izay nasehon’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny fandoroana ditin-kazo manitra tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany. 

« Nitohy tao amin’ ny efitra voalohan’ ny fitoerana masina nandritra ny taon-jato valo ambin’ ny folo io asa fanompoam-pivavahana io. Ny ran’ i Kristy izay nitalaho ho an’ ny mpino mibebaka dia nahazoan’ ireo antoka ny amin’ ny famelana ny helony sy ny faneken’ ny Ray azy. Nefa kosa mbola tafajanona ao amin’ ny boky firaketana ihany ny fahotany...» Hery mifanandrina, p. 428, 435



6-Tamin’ ny 22 Oktobra taona 1844, tao amin’ ilay efitra inona tany an-danitra no nidiran’ I Kristy ? Apokalypsy 11 : 29

 

« Naseho ahy ny zavatra izay niseho tany an-danitra tamin’ ny taona 1844, teo amin’ ny fiafaran’ ireo vanim-potoana ara-paminaniana…

« Hitako ny Ray nitsangana avy teo amin’ ny seza fiandrianany, ka nitaingina kalesy afo nankao amin’ ny efitra masina indrindra, tao ambadik’ ilay rindrina lamba, ka nipetraka tao. Rehefa avy eo Jesosy dia nitsangana avy teo amin’ ny seza fiandrianany ary ny ankamaroan’ ireo izay niankohoka teo anatrehany dia nitsangana niaraka taminy… Nanaraka izay dia nisy kalesy misy kodiarana lelafo izay nohodidin’ ny anjely maro nanatona teo amin’I Jesosy, ka nentina ho ao amin’ ny efitra masina indrindra izay nisy ny Ray nipetraka tao Izy. Ary nibanjina an’ i Jesosy ilay Mpisoronabentsika nijoro eo anatrehan’ny Ray izay tao amin’ ny efitra masina indrindra aho. » Premiers écrits, pp. 251, 55



FITAKA  ATAON’ I SATANA



7-Inona no fitaka ahelin’ i Satana? Asan’ny Apostoly 7 : 44 ; Hebreo 9 : 24


« Amin’ ny ho avy dia hisy fahadisoan-kevitra maro karazany hiseho. Noho izany dia tsy maintsy mipetraka amin’ ny toerana mafy orina tsara ny tongontsika. Ary ilaintsika  ny manana andry matanjaka mba ho an’ ilay rafitra aorina. Tsy misy fantsika na dia iray aza azo esorina hiala avy amin’ ny zavatra izay naorin’ ny Tompo. Ilay fahavalo dia hampiditra foto-mpampianarana diso maro, toy ilay milaza fa ny fitoerana masina dia zavatra tsy misy akory. Io dia iray amin’ ireo zavatra izay mahatonga ny olona hiala amin’ ny finoana. Aiza moa no ahitantsika toky, raha tsy ao amin’ ireo fahamarinana izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika tao anatin’ ireo dimampolo taona farany ? The Review and Heral, 22 mai 1905 » Evangéliser, p. 206

« …Tamin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro, izany hoe tamin’ ny 1844, dia efa taonjato maro no tsy nisian’ ny fitoerana masina teto an-tany. Noho izany dia tsy azo iadian-kevitra fa manondro ny fitoerana masina any an-danitra ny faminaniana hoe : « telon-jato sy roa arivo andro, rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina. » Hery mifanandrina, p. 431



8-Nahoana moa isika no tsy maintsy tena liana hahafantatra ny momba ny fitoerana masina ankehitriny? Salamo 73 : 16, 17 ; 134 : 2

 “Ireo zava-miseho izay mifandray amin’ ny fitoerana masina any an-danitra dia tokony mampisy fahatairana eo amin’ ny saina sy ny fon’ ny olona izay mianatra ny momba azy io. Isika rehetra dia mila mahiratra kokoa mikasika ilay asa fanavotana izay atao ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Ireo izay mahazo tsara an’ ity fahamarinana lehibe ity dia hiasa mifanaraka amin’ I Kristy mba hanomana ny vahoaka izay afaka hiatrika ilay andro lehiben’ ny fanavotana, ary ny ezaka ataon’ izy ireo dia hahita fahombiazana.

« Amin’ ny alàlan’ ny fianarana, ny fifantohana amin’ ny loha-hevitra ara-panahy, ny vavaka, ireo vahoakan’ Andriamanitra dia ho tafakatra ambony mihoatra ireo fihevitra sy fihetseham-po fahita andavan’ andro sy ny momba ny eto an-tany. Ny fiainan’ io vahoaka io dia hifanaraka amin’ i Kristy sy amin’ ilay asa lehibe izay tanterahin’ i Kristy mba hanadiovana ny fitoerana masina. Ireo izay miankohoka amin’ ny Mpamonjy eto an-tany eto dia handinika amim-pitandremana fatratra ny fiainan’ izy ireo,  mba hahita hoe inona avy ireo lafin-javatra tsy mety ka tsy maintsy ialana, ary koa handinika tsara ny toetran’ izy ireo, ka hampifanaraka ny toetrany amin’ ny fitakiana rehetra ao amin’ ilay modelim-pahamarinana lavorary indrindra. » Témoignages pour l’ Eglise, vol 2, p.



AVERINA HIANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona ilay fanalahidy izay nanome fahafaham-po nampahafantatra ny zava-miafina izay nahatonga ilay fahadisoam-panantenana?

-Nahoana moa ny raharaha ataon’ i Jesosy ao amin’ ny fitoerana masina ao an-danitra no manana tombam-bidiny tena lehibe indrindra tokoa ?

-Nahoana Satana no manohitra mafy dia mafy tokoa ny fampianarana mikasika ny fitoerana masina any an-danitra ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire