jeudi 12 juin 2014

NY FANDRESEN'NY HAZOFIJALIANA



“Ary satria andro fiomanana ny andro,dia nangataka tamin’ny Pilato ny Jiosy mba ho tapahana ny ranjon’ireo,mba tsy ho tratran’ny andro sabata ao amin’ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany sabata izany.”  Jaona 19:31

NY FANAINTAINANA ATERAKY NY FAHOTANA

1.Inona no nahatonga an’ ilay fialan’ aina lehibe nahazo an’I Jesosy tao Getsemané sy teo ambony hazo fijaliana? Ahoana no hafahantsika mampitaha ny fahafatesan’ I Jesosy amin’ny fahafatesan’ ireo maritiora? Matio 26: 38,39 ; Marka 15: 34
 
“Tsy ny fangirifiriana sy ny henatra noho ny hazo fijaliana no nahatonga ny ady nihatra aman’aina tsy hay lazaina niaretany. Kristy no Andrianan’izay mijaly;  fa ny fahoriany kosa dia avy amin’ny fitaky ny fahotana, ary noho ny fifankazarany amin’ny ratsy, dia jamba ny olona ka tsy mahita ny halehiben’ny fahotana intsony. Hitan’I Kristy fa tafalentika lalina loatra ny fihazonan’ny fahotana ny fon’ny olombelona, ary vitsy tokoa ny olona maniry ny hiala aminy. Fantany fa raha tsy misy fanampiana avy amin’Andriamanitra dia tsy maintsy ho faty ny olombelona, ary hitany ireo vahoaka be maty eo amin’ny toerana izay mety hahazoany fanampiana be dia be.”Ilay Fitiavana Mandresy pp. 811
“ Tsy afaka hampitahaina amin’ny fahafatesan’ ilay Zanak’Andriamanitra ny fahafatesan’ ireo maritiora. Tsy maintsy ilaintsika ny mahafantatra tsaratsara kokoa ny fiainan’ I Jesosy, ireo fijaliana nandalovany ary ny fahafatesany. Rehefa fantantsika tsara ny tena hevitra marina fonosin’ny fanavotana, dia ho tsapantsika ilay tombam-bidy tsy manam-petran’ny fanahy….
“Raha ohatra ireo fahorian’I Kristy ka fahoriana teo amin’ny vatana fotsiny ihany, dia tsy ho feno fanaintainana mihoatra noho ny fanaintainana teo amin’ny fahafatesan’ ireo maritiora sasantsasany ny fahafatesany. 
“ Ampahany kely monja teo amin’ilay fialan’ aina nihatra tamin’ny Zanak’ Andriamanitra ny fanaintainana teo amin’ny vatany.  Nizaka sy nitondra ny fahotan’ izao tontolo izao manontolo i Kristy” Temoignages pour l’Eglise, vol 1 pp 264, 263


2.Moa ve i satana nanana fahefana nandreseny an’I Jesosy? Inona no antony nahatonga an’ i satana nitarika ho amin ’ ilay fanombohana an’I Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, kanefa fantany tsara fa izy ihany no ho tompon-andraikitra amin’ny fahareseny? Jaona 8:46 ; 14: 30 ; Hebreo 4:15
 
“Ankehitriny dia tonga ny mpaka fanahy ho amin’ ny tolona farany mahatsiravina. Efa niomana ho amin’ izany i Satana nandritra ny telo taona niasan’ i Kristy. Mifanandrina Aminy avokoa izao ny zavatra rehetra. Raha tsy mahomby eo Izy dia very ny fanantenany ho Tompo: ho an’ i Kristy ary ny fanjakan’ izao tontolo izao, ary I satana dia voazera sy voaroka. Nefa raha mety ho resiny Kristy, dia hanjary fanjakan’ I Satana ny tany, ary ho eo ambanin’ ny fahefany mandrakizay ny taranak’ olombelona.” Ilay Fitiavana Mandresy p 739

3.Inona no ilay fijaliana tena lehibe indrindra nahazo an’ i Jesosy? Inona ihany koa ny zavatra hafa izay nanamafy ny fijaliana nahatra taminy? Lioka 22: 48 ; Jaona 13: 38 ; Lioka 23: 21,23



VITA NY ZAVATRA REHETRA

4.Inona ihany koa ny zavatra fonoson’ilay feo mafy farany nataon’I Jesosy teo ambony hazo fijaliana? Jaona 19: 30. Inona ny zavatra voaseho rehefa ampitahaina ireo tenin’I Jesosy amin’ilay fihamboniana nataon’I Satana raha mbola teo ambony hazo fijaliana Kristy ka nilazany fa tsy afaka ny ho voatandrina mihitsy ny lalàna masin’ Andriamanitra?  I Jaona 5 : 3
 
“Nanambara ny tsy fiovan’ ny lalàna ny hazo fijalian’ I Kalvary sady mitory amin’ izao rehetra izao fa fahatesana no tambin’ ny ota. Teo amin’ ilay antso nataon’ ny Mpamonjy teo ampialan’ aina hoe: “Vita!” no nanenoan’ ny lakolosim-paty ho an’ I Satana. Tapaka tamin’ izay ny amin’ ilay ady lehibe izay efa ela loatra no naharetany ary azo antoka ny fanafoanana hatramin’ ny fakany ratsy.” Hery Mifanandrina p 521.
“Rehefa nanambara Kristy nanao hoe: “Vita ny zavatra rehetra”, nandresy ny lanitra manontolo. Vita ny ady nifanaovan’I satana sy I Kristy ary koa ny mikasika ny drafi-pamonjena. Ny fanahin’I satana sy ireo asa ataony dia nifototra lalina avy tamin’ny fankasitrahana tamin’ ireo zanak’olombelona. Raha ohatra ka vitan’I satana ny naka ny fahefana, dia midika fahafatesana ho an’ izao tontolo izao izany. Ilay fankahalana tsy misy fihafarany izay nampiasain’I satana hanoherana an’ ilay Zanak’ Andriamanitra dia voaseho tamin’ilay fomba nandraisany an’io Zanak’ Andriamanitra io teto amin’ izao tontolo izao. Nanao drafitr’asa voalamina ho an’ izany rehetra izany ilay fahavalo efa niongana: ilay fivadihana tamin’i Jesosy, ny fitsaràna an’I Jesosy sy ny fanomboana azy teo amin’ ny hazo fijaliana. Ny fankahalana tao anatin’I Satana, izay tanteraka tamin’ny alalan’ ny fahafatesan’ ilay Zanak’ Andriamanitra, dia nametraka an’I Satana teo amin’ny toerana izay nahavoaseho miharihary ny toetrany mpisompatra teo anatrehan’ ireo zava-manan’aina manan-tsaina rehetra izay tsy mba lavon’ny fahotana, ( Spirit of prophecy, vol 3 ,pp 183, 184) Seventh-day Adventist Bible Commentary vol 5, p 1149
 “Mandrakotra ny tany ny Fitiavan’ Andriamanitra. Voaroaka any amin’ ny fiainan-tsy hita ny mpanjakan’ izao tontolo izao. Zava-poana avokoa ireo tetika nentin’ I Satana mba hanoherana an’ Andriamanitra.”  Ilay Fitiavana Mandresy p. 625
“Nitondra ny ozon’ny lalàna Kristy, tamin’ alàlany no nitondrana ilay famaizana vokatr’izany; tamin’ny alàlan’ ny fanatanterahana ilay drafitr’asa izay hahatonga ny olombelona ho afaka ny hitandrina ny lalàn’ Andriamanitra sy azo ekena amin’ny alàlan’ny fahamendrehan’ilay Mpanavotra; ary vokatry ny sorona izay nataony, ny voninahitra dia taratra teo amin’ny lalàna (Review and Herald 22 Avril 1902)
“Nizaka ny famaizana vokatry ny fandikan-dalàna nataon’ireo taranaka nifandimby Kristy, ary ny fanomezan’I Kristy ny fahamarinany ho an’io olona io dia tonga hain’ny mpanota atao ny mitandrina ny lalàna masin’ Andriamanitra. (MS 16, 1901). Commentaires bibliques, pp 300, 296.

NY TOMBAM-BIDIN’ NY FAMONJENA

5.Manao ahoana ilay tombam-bidy lehibe ananan’ny famonjena raha jerena ao anatin’ ilay fahoriana nandalovan’I Kristy?  Matio 26:38, 39; Lioka 22: 44
“Mba hahafantarana tsara ny lanjan’ny famonjena, dia tsy maintsy ilaina ny mahafantatra tsara sy ho tonga saina marina ny amin’ilay vidiny naloa ka nahazoana io famonjena io ho antsika. Koa satria kely ny fahafantaran’ny olona maro ny amin’ireo fahoriana nandalovan’I Kristy, vokatr’ izany dia kely ny fanaovan’ izy ireo ho zava-dehibe ny asa lehiben’ny fahasoavana. Notanterahin’ ilay fitiavana tsy manam-petran’ ny Ray Ilay drafi-pamonjena feno voninahitra. Fampihavanana mahatalanjona an’ ilay fitiavan’ Andriamanitra ho an’ ny taranak’ olombelona lavo io drafi-pamonjena io. Tena nahagaga tokoa an’ ireo anjely ny fanomezana an’ ilay Zanak’ Andriamanitra.”
“ Raha niankohoka ilay Zanak’ Andriamanitra tao amin’ny sahan’ I Getsemané, lehibe tokoa ny tebiteby ara-panahy teo Aminy, hany ka nitété mihitsy ny rany nivoaka avy tao amin’ny mason-kodiny, tsapany tsara mihitsy ny tahotra tao amin’ilay alina lehibe izay nanodidina Azy tamin’io fotoana io, satria ireo fahotan’ izao tontolo izao no nahatra taminy. Izy dia nijaly teo amin’ny toeran’ny olombelona, tahaka ny mpandika ny lalàn’ Andriamanitra. Fotoana  nandalovan’ny fakam-panahy mafy io ora io. Nanalavitra Azy ny fahazavan’ Andriamanitra ary hitany fa mila hisambotra Azy ny fahefan’ny maizina. Tao anatin’ilay tebiteby nahazo Azy, kristy dia nitoetra niankohoka niondrika tamin’ny tany ny handriny. Azony tsara fa ny hatezeran’ny Rainy dia niangona teo aminy, satria noraisiny ilay kapoaky ny fangirifiriana avy teo amin’ny molotry ny olombelona meloka, ka nekeny ny nisotro ny tao anatin’io kapoaka io ary natakalony an’ilay kapoaky ny fitahiana. Ny fahatezerana izay tokony ho namely ny taranak’olombelona dia efa hirotsaka hamely Azy tamin’io fotoana io. Tamin’io indrindra no nangovitra teo an-tànany ilay kapoaka misy zavatra saro-pantarina.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 1 pp .248, 251, 252

6.Inona no nentin’ny fijaliana sy ny fangirifiriana nahazo an’I Kristy ho antsika? Isaia 53: 4, 5
 
“Tsy tamin’ny alàlan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ihany no nanatanterahan’I Kristy ny asa famonjena nataony ho an’ny olombelona. Ny fahafaham-baraka, ny fijaliana sy ny henatra dia isan’ny iraka nampanaovina Azy: ‘Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika, sy notorotoroina noho ny helotsika. Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika’. Niharan' io famaizana io noho ny fahotan’ny mpandika lalàna I kristy. Izy dia nizaka ny famaizana ho an’ny olombelona tsirairay, ary noho izany antony izany Kristy dia afaka mamonjy ny fanahy tsirairay na toy inona na toy inona ny toetran’ny fahalavoana mahazo an’io fanahy io, ka manaiky ny lalàn’Andriamanitra ho fenitry ny fahamarinana. (MS 77, 1899) Commentaires bubliques, p. 145
“Nomen’ I Kristy ny fanahiny amin’ ny maha herin’ Andriamanitra Azy ho enti-mandresy ny fironana rehetra amin’ ny ratsy nolovaina sy nokolokoloina, sy handatsaka lalina ny toetra amam-panahiny amin’ ny fiangonana.” Ilay Fitiavana mandresy, p 724

FANDRESENA FENO

7.Inona ilay fandresena azon’I Jesosy ho an’ny lanitra sy ho an’ny tany? Kolosiana 2: 15

 
“Asehon’ny Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankato ny fitsipik’izany lalàna izany.Ny fahavalon’ireo razambentsika voalohany sy ny fahoriana rehetra vokatr’izany dia hiampangany ny Mpahary ka tarihiny ny olona hijery an’Andriamanitra hoy ilay nihavian’ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io Jesosy.Amin’ny maha anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy.Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin’ny fanandramantsika rehetra izy, “Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahy amin’ny zavatra rehetra Izy”…  Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatoa ny lalàn’Andriamanitra.”  Ilay Fitiavana mandresy p 14,15.
Ny fandresena azon’ I Kristy dia tokony hampientana ny mpanaraka Azy hiroso tsy amin-tahotra toy ny lehilahy hiady amin’ ny fahotana sy I Satana”   Hery Mifanandrina p 529

8.Ahoana no fomba nahazoan’I Jesosy ny fandresena teo amin’ny fanoherany an’I Satana? Lioka 23: 46; Hebreo 5: 8
  
“Nisava tampoka teo ny haizina izay nanarona ny hazo fijaliana ary niantso tamin’ny feo mazava sy manakoaka Jesosy: “vita!” “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko.” Nisy fahazavana nanodidina ny hazo fijaliana ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny masoandro ny endriky ny Mpamonjy. Dia nanondrika ny lohany izy ka afaka ny ainy.
Nosotroin’I Jesosy hatramin’ny farany ny kapoakan’ny hazo fijalian’ny olombelona. Nandritra ireo ora nampivarahontsana ireo, dia niankina tamim-pinoana tamin’ilay nankatoaviny tamim-pifaliana Izy ary fantany ny fahamarinany,ny famindrampo ary ny fitiavan-dehibe nananany. Tamin’ny fotoana niankinany tamin’ Andriamanitra tamin’ny fanoavana tanteraka dia nitsahatra tao amin’ny fiheverana ho tsy mahazo ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Nandresy tamin’ny alàlan’ny finoana Kristy.”  Ilay Fitiavana mandresyp 760


MBA HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA

. Hevero tsara, inona no maha samihafa ny fanjakan’I Kristy sy ny fijalian’ireo maritiora?
. Inona ilay fahoriana lehibe nahazo an’I Jesosy vokatry ny nandaozan’ireo mpianany Azy sy ny vokatry ny fihetsika nataon’ireo vahoaka?
. Inona ny vokatra nentin’ny fiainany izay tsy nisy fahotana sy nentin’ny fahafatesany?


Mba ho saintsainina lalina:

“Notarihin’I Satana ny olona ho eo amin’ny fahotana, koa dia notanterahina ny drafitry ny fanavotana. Efatra arivo taona izay Kristy no niasa hanandratra ny olona, ary i Satana kosa niasa handevona sy hampitotongana azy. Ary nibanjina izany izao rehetra izao any an-danitra.”  
“Rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao Jesosy, dia nifototra taminy ny fahatezeran’i Satana.Hatramin’ny fotoana nisehoany ho zazakely tany Betlehema, dia niasa handevona azy ilay mpandroba fahefana. Tamin’ny fomba rehetra no nitadiavany izay fomba rehetra hanakanana an’I Jesosy tsy hivelatra amin’ny fahazavana tanteraka, amin’ny toetra maha-lehilahy lehibe tsy misy tsiny, amin’ny asa masina ary tsy misy pentimpentina.”Ilay  Fitiavana Mandresy p 818

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire