vendredi 13 juin 2014

NY FOTOANA ANKATOKY NY VANIM-POTOANAN'NY FANDAMINANA VAOVAO


« Fa ny làlan’ ny marina dia tahaka ny fipoak’ andro maraina izay mihamavaza ambaram-pitataovovonan’ ny andro. » Ohabolana 4 : 18


MPITONDRA HAFATRA VOAFIDY MBA HAMERINA INDRAY NY LANJAN’ NY FAHAMARINANA


1-Araka ny voalazan’ny faminaniana, inona no zava- hanjo ny fahamarinana mandritran’ ireo taon-jato mifandimby? Daniela 8:12; 2 Tesaloniana 2: 3, 7.  Iza no nampiasain’ Andriamanitra mba hamerina indray ny lanjan’ ny fahamarinana tamin’ ny taon-jato faha-efatra ambin’ ny folo?


« Nisinda miandàlana ny haizin’ ny tsy fahalalàna ary namiratra tao amin’ ny tany maro ny mazava antsinanana…
Tamin’ ny taonjato faha-14 no teraka tany Angletera i Jean Wiclef, « ilay kintan’ ny marainan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana », izy no mpialoha làlana ny fanavaozana, tsy ho an’ i Angletera fotsiny fa ho an’ i Roma izay navela nambarany, dia tsy azo hadinoina na oviana na oviana. Io fanoherana io no nanokatra ny ady izay niafara tamin’ ny fanafahana ny isam-batan’ olona ny fiangonana sy ny firenena. 


Hitany fa niala tamin’ ny tenin’  Andriamanitra i Roma fa nanaraka ny lovatsofin’ olombelona, nampangainy tsy tamin’ ny tahotra ireo mpitondra fivavahana nanilika ny soratra masina, ary nangatahany ny hamerenana ny Baiboly amin’ ny vahoaka ny hananganana indray ny fahefany ao amin’ ny fiangonana. Mpampianatra havanana sy mahafa-po izy sady mpandaha-teny, ary ny fiainany andavan’ andro dia maneho ny fahamarinana toriany. Ny fahalalana ny soratra masina, ny herin’ ny sainy mandajalanja, ny fahadiovan’ ny fiainany, ny herim-po tsy mety kivy, ny fahamarinan-toetrany, dia nahatonga ny rehetra hanaja sy hahatoky azy. Natsilo tokoa i Wiclef raha nampiharihary ny fahadisoana ka tsy natahotra izy namelively ny fanaovan-dratsy tafahoatra neken’ ny fahefana papaly. » Hery mifanandrina, pp.  81, 83.





2-Inona ilay fahamarinana izay niverina indray vokatry ny fanavaozana izay nentin’ i Martin Lotera ? Romana 1: 17; Jaona 3: 16, 17; Habakoka 2: 4

« Nisy didy vao navoakan’ ny papa izay nampanantena ‘indolzansy’ ho an’ izay rehetra miakatra ny tohatr’ i Pilato izay nolazaina fa nidian’ ny Mpamonjy raha nivoaka ny trano fitsarana Izy ary tonga tamin’ ny fomba mahagaga avy any Jerosalema nankany Roma. Indray andro Lotera raha nivavaka mafy teo ampiakarana io tohatra io dia nahare feo tahaka ny varatra nilaza hoe: « ny marina amin’ ny finoana no ho velona ». Nitsangana fainagana izy ary niala teo amin’ io toerana io sady menatra no tsiravina. Tsy nihen-danja na oviana na oviana tao amin’ ny fanahy io andininy io. Tamin’ izay dia hitany mazava noho ny teo aloha ny maha zava-poana ny fitokisana amin’ ny olombelona hahazoana famonjena, sy ilay finoana mitohy amin’ ny fahamendrehan’ i Kristy. » Hery mifanandrina, pp. 132-134.


3-Inona ilay fahamarinana izay notsindrin’ i Wesley sy ireo rahalahiny tamin’ ny fomba manokana? Levitikosy 19: 2; I Tesaloniana 4: 3


“Ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’ I Kristy no fanorenan’ ny fanantenana Kristiana, ary io fahasoavana io dia miseho amin’ ny fankatovana. Ny fiainan’ I Wesley dia voatokana hitory ireo fahamarinana lehibe izay efa noraisiny : ny fahamarinana amin’ ny alàlan’ i Kristy manavotra sy ny herin’ ny Fanahy Masina manova ny fo, mahavokatra ao amin’ ny fiainana mifanaraka amin’ ny ohatra nomen’ I Kristy…

“Hita fa rehefa nitory ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra I Wesley, dia nitady izay “hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy koa”, toy ny nataon’ ny Tompony. Nohefainy tamim-pahatokiana ny asan’ Andriamanitra nomena nataony. Ka be voninahitra ny vokatra navela ho hitany.” Hery mifanandrina, p.262, 273.

 “Ny hangatahany dia ny hankatoavana tanteraka ny didiny. Izao teny izao no hambarany aminao mivantana amin’ ny vavany: “Aoka ho masina ianao, hihamasina hatrany hatrany”. Vavolombelona Mahery, p. 501.



FANDROSOAN’ NY FANAVAOZANA


4-Inona no fampitandremana nomen’ Andriamanitra ho an’ ny fiangonana taorian’ ny fanavaozana protestanta? Apokalipsy 3: 1, 2. Iza no nalefan’ Andriamanitra ho mpanao ny fanavaozana?

“Nomena an’ I Willian Miller sy ireo mpiara-miasa taminy ny fitoriana ny hafatra fampitandemana tany Amerika. Nanjary foibe lehibe momba ny fiavian’ I Kristy io tany io. Tany no tanteraka tamin’ ny fomba mivantana indrindra ny hafatry ny anjely voalohany. Tonga hatrany an-tany lavitra ny asa-soratr’ I Miller sy ireo niara-dia taminy. Na taiza na taiza toerana efa nidiran’ ny misionera nanerana izao tontolo izao dia nambara tany koa ny vaovao mahafaly momba ny fiverenan’ I Kristy vetivety. Niely hatraiza hatraiza ny filazantsara mandrakizay: “Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany.”Hery mifanandrina, p. 382

« Nandefa ny anjeliny Andriamanitra mba hiasa ao am-pon’ ilay mpamboly iray izay tsy nino ny baiboly akory, ka nitarika azy Izy mba hianatra ny faminaniana. Ireo anjelin’ Andriamanitra no nitarika azy io mba hanokatra ny sainy hahatonga azy hahazo tsara ireo faminaniana izay tsy nazava tamin’ ny vahoakan’ Andriamanitra teo aloha ka hatreo amin’ io fotoana io. » Premiers écrits, p. 229.

5-Inona ilay fanandramana mahagaga nandalovan’ ireo izay nahare ny hafatr’ i William Miller? Apokalipsy 14: 6, 7.

« Nampihetsi-po ny olona teo amin’ ireo toerana rehetra izay nadefasana azy io hafatra io. Nibebaka ny mpanota, latsaka ny ranomason’ izy ireo ary nivavaka mafana ireo mba hahazo famelan-keloka amin’ ireo fahotana nataony izay feno faharatsiam-panahy na asa miaro halatra. Ka dia dodona tamin’ izay azon’ izy ireo natao izy mba hahazoany manonitra ny fahadisoana vitany. Ireo Ray aman-dreny dia nahatsapa ho feno fahavo-nonana hitandrina tanteraka ny zanak’ izy ireo.  Ireo izay nanaiky ilay hafatra dia niasa mba hampiova fo ny naman’ izy ireo sy ny havany koa noho ny faharesen-dahatra ny amin’ ny maha lehibe sy miezinezina io hafatra io, ka dia nangataka mafy an’ ireo olona ireo mba hiomana ho amin’ ny fihavian’ Ilay Zanak’ Andriamanitra izy ireo.

« Olona an’ arivony maro no nanaiky ny fahamarinana vokatry ny toriteny nataon’ i William Miller. Mpanompon’ Andriamanitra maro izay voahetsiky ny fanahin’ i Elia sy ny heriny dia nanambara ny hafatra. Ny fanambarana nataon’ izy ireo dia afaka tsara nampifoha ny fiangonana ary nanafaka tamin’ ny fomba mahery, namporisika sy nahatonga azy ireo haneho toetra tena marina. » Premiers écrits, pp. 232, 233.

“Nanontany an-dranomaso ny mpanota nanao hoe “inona no hataoko mba ho vonjena aho?” Ireo izay nivelona tamin’ ny tsy fahamarinana dia dodona namerina izay nalainy. Izay rehetra nahita fiadanana teo amin’ I Kristy dia naniry hahita ny hafa handray anjara tamin’ ny fitahiana. Nitodika ho amin’ ny zanany ny fon’ ny Ray aman-dreny, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny Ray aman-dreny. Afaka ny fefin’ ny avonavona sy ny fitokotokoana. Nisy fiaiken-keloka avy tao am-po, ary niasa mafy ireo olona iray ankohonana ho amin’ ny famonjena akaiky azy indrindra sy tiany indrindra. Matetika dia re ny feon’ ny fivavahana mafana. Hatraiza hatraiza dia nisy fanahy nitoloko mafy raha nitondra ny fifonany teo anatrehan’ Andriamanitra. Maro no nitolona nandritra ny alina tamin’ ny fivavahana mba hahazoany antoka fa voavela ny fahotany, na ny vavaka ho an’ ny fiovam-pon’ ny havany na ny mpifanolo-bodirindrina taminy.” Hery mifanandrina, pp. 383.

NY FANAVAOZANA AMIN’ IZAO VANIM-POTOANA MISY ANTSIKA IZAO

6-Koa satria ny andro lehiben’ ny fanavotana dia mbola mitohy ao anatin’ ny fitoerana masina any an-danitra nanomboka ny 22 Oktobra 1844, inona no asa fanavaozana lehibe izay tsy maintsy ilain’ ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ izao fotoana izao? Joela 2: 12, 13, 16; Malakia 3: 2, 3

“Noho izany andro lehibe izany dia manaitra sy mampiheritreritra indrindra ny tenin’ Andriamanitra miantso ny vahoakany hifoha amin’ ny faharendremana ara-panahy ka hitady ny tavany amin’ ny fibebahana sy ny fanetren-tena: “Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantso mafy ao an-tendrombohitra masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra ao amin’ ny tany fa avy ny andron’ I Jehovah, eny, efa antomotra izany”. “Manamasina andro fifandian-kanina, miantsoa fivoriana masina. Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angony ny ankizy madinika! …Aoka ny mpampakatra hiala ao an’ efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. Eo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ ny mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ I Jehovah”. Miverena amin’ ny fonareo rehetra ary amin’ ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana. Ary ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’ I Jehovah Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po”.

“Nisy asa fanavaozana lehibe tsy maintsy natao mba hanomanana ny vahoaka hijoro amin’ ny andron’ Andriamanitra. Hitan’ Andriamanitra fa maro ireo milaza ny tenany ho vahoakany no tsy nanorina ho an’ ny mandrakizay, ka nohon’ ny famindrampony dia efa handefa hafatra fampitandremana Izy mba hamoha azy ireo amin’ ny fahavarianany ary hitarika azy mba ho vonona amin’ ny fiavian’ ny Tompo.” Hery mifanandrina, pp. 325.

7-Inona no zavatra niseho rehefa teo amin’ ilay andro fanavotana izay nisy tandindona? Levitikosy 23 : 26-32 ; Nomery 29 : 7, 8. Inona no tsy maintsy nataon’ ireo izay mbola velona mandritra io andro ara-bakiteny io izay natao andro fanavotana ?

“Io fombam-pivavahana io dia mampianatra antsika ireo fahamarinana manan-danja mikasika ny andro fanavotana…

“Mandritra ny fotoanan’ny fanavotana, dia manetry tena ny tsirairay. Mijanona avokoa ny asa rehetra, ary ny vahoaka isiraely, izay nantsoina hanao fandinihan-tena lalina eo anatrehan’Andriamanitra, dia tsy maintsy miory ao anatin’ny vavaka sy ny fifadian-kanina mandritra ny tontolo andro.” La tragédie des siècles  pp. 455.

« Kristy dia manadio ny fahotan’ ny olombelona, ary isika dia tsy maintsy miasa mifanaraka Aminy eto ambonin’ ity tany ity, manadino ny tempolin’ ny fanahintsika mba ho afaka amin’ ny tsy fananam-boninahitra eo amin’ ny ara-pitondrantena. » Review and Herald, 11 février 1890.

MBA HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA

-Iza Ilay Mpitondra hafatra mandrakizay izay nofidian’ Andriamanitra mba hamerina indray ny lanjan’ ny fahamarinana?
-Inona ireo fahamarinana izay naverin’ ireo mpanao fanavaozana dia i Martin Lotera sy Jean Wesley tamin’ ny laoniny?
-Ahoana ny fomba izay tokony hiainan’ ny vahoakan’ Andriamanitra mandritra ilay androm-panavotana tena izy mba hiomanan’izy ireo ho amin’ ny mandrakizay ?


« Ny Tompo dia mangataka aminareo mba hiezahanareo hahatratra ny fahamasinana tonga lafatra ambonimbony kokoa. Tsy maintsy tonga amin’ ny fananana fanandramana izay tena lalina indrindra tokoa,  hihoatra noho izay azonareo novinavinaina ianareo. Ohabolana 4: 18. Koa satria isika efa nibebaka noho ireo fahotantsika, efa niaiky  ireo fahotana ireo isika, ka efa nahazo ny famelan-keloka isika, dia tsy maintsy mitombo amin’ ny fahalalana an’ i Kristy ambara-pahatongantsika eo amin’ ny fitataovovonan’ ny androm-pilazantsara tanteraka. » Service Chrétien, p. 291.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire