mardi 17 juin 2014

NY ADY ATAO SY NY FANDRESENA




« Nanao tamin’ ny feo mahery hoe: matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, fa tong any andro fitsarany, ary miankohofa eo amin’ Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. » Apokalipsy 14: 7

ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE

1-Inona no azo lazaina mikasika ireo ady goavana roa izay hifanaovan’ Ilay Zanak’ Andriamanitra amin’ ilay dragona? Apokalipsy 12: 7, 8; Jaona 19: 18, 19, 30


« I Losifera tamin’ ny maha-kerobima mpiaro azy, dia voahodidin’ ny voninahitra, kanefa, io anjely io izay nomen’ Andriamanitra fahefana, dia lasa nanam-piniavana ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Nahazo ny fiombonan’ ireo namany Losifera ka nanolo-kevitra azy ireo izy mba hanakiana ny fitondram-panjakana. Io voa ratsy nafafin’ i Losifera io dia nipariaka tamin’ ny fomba tena mahatarika izay tsy izy; ka rehefa naniry io voa ratsy io sady niorim-paka tao anatin’ ny sain’ ny maro, dia noraisiny indray ireo hevitra izay nafafiny  tany am-piandohana tao an-tsain’ ny hafa ireo, ka novelabelariny teo amin’ ny fivorian’ ireo anjely tsara indrindra, sady nazavainy fa ireo hevitra ireo dia novolavolain’ ireo fanahy sasany ireo mba hanoherana ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Tamin’ izany fomba izany i Losifera dia nampiditra ny fikomiana tany an-danitra tamin’ ny alalàn’ ireo izay noforonin’ ny tenany manokana.
 « Andriamanitra dia maniry ny hisian’ ny fiovana ka hahatonga ny asan’ i Satana hiseho miharihary araka ny tena maha izy azy. Kanefa ilay anjely tonga lafatra izay natao ambany kely noho Kristy dia nanohitra ilay Zanak’ Andriamanitra. Ilay hetsika mpanimba izay mandrahona hanjera ny rafim-pandaminana nisy tao, dia nanafina tamin’ ny fomba fetsy indrindra ny tena tanjona kendrena, hany ka tsy vitan’ i Losifera ny naneho azy io tamin’ ny endriny tena marina, teo anatrehan’ ny tafiky ny lanitra noho izany antony izany no nisian’ ny ady tany an-danitra ka dia voaraoka hiala tany izy, ary niaraka tamin’ ireo rehetra izay tsy te hankato ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. » Commentaires bibliques, pp. 139, 140.

2-Iza moa io dragona resy io izay miomana ny hanao ny famelezana farany hanohitra an’ Andrimanitra izay ataony amin’ ny alalàn’ ny famelazany ny vahoakan’ Andriamanitra? Apokalipsy 12: 9a, 17.


« Tao anatin’ ny fahitana iray, dia naseho ahy ny tafika roa izay niady mahatsiravina. Ny tafika iray dia nialohavan’ ireo faneva misy ireo marik’ izao tontolo izao; nyfaharoa kosa dia ialohavan’ ilay faneva misy ny ran’ Ilay Mpanjaka Imanoela. Fanefa mandimby faneva no mianjera mandrakotra ny vovo eo amin’ ny tany arakaraka izay hahatongavan’ ireo antoko-miaramilan’ ny tafiky ny Tompo miady amin’ ilay fahavalo, ary koa fokom- pirenena mandimby fokom-pirenena mandao ny laharan’ io fahavalo io mba hiray amin’ ny vahoakan’ Andrimanitra. Anjely iray, izay nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nametraka ny fanevan’ Imanoela teo an-tànan’ olona maro, ka niaraka tamin’ izany dia nisy jeneraly anankiray niantso tamin’ ny feo mahery nanao hoe : « giazo ny laharanareo ! Aoka ireo izay mahatoky mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny fanambaran’ i Jesosy ankehitriny hiandany amin’ ny Tompo! Mivoaha miala amin’ izao tontolo izao, « aza manendry izay maloto, dia handray anareo Aho; dia ho Rainareo Aho ary hianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy? Aoka ireo izay mpilatsaka antsitra-po ho tonga hanampy Ilay Mandrakizay. »
« Ilay ady dia niharomotra ary ny fandresena dia ifandimbiasan’ ireo andaniny roa ireo. Mbetika ny iray no mandresy, mbetika ilay mifanandrina aminy no mandresy. Tamin’ ny fotoana iray ireo miaramilan’ ny hazo fijaliana dia nihemotra tahaka ny olona marary izay torana (Isaia 10: 18). Kanefa moa io fiveranan-dàlana io dia zavatra niseho ivelany fotsiny izay nikendry ny hananana toky fa mijoro eo amin’ ny toerana tsaratsara kokoa. Ilay Kapitenin’ ny famonjena antsika mihitsy no nitarika io tolona io sy namporisika an’ ireo miaramilany ireo. Namelatra ny heriny izy ary io heriny io dia nanampy ireo miaramilany hampandositra ny fahavalo ambara-pahatongan’ io fahavalo io ho foana tanteraka. Nanambara tamin’ ireo miaramilany ireo izy: « zavatra maro mahagaga ao amin’ ny fahamarinany » sady nitarika azy ireo tamin’ ny « mahampandresy azy ireo sy mba handresy. Rehefa afaka izany dia nisy feo fifaliana mahery sy hiram-pandresana izay niakatra ho any an-danitra. Izany dia ireo miaramilan’ i Kristy izay nanatsatoka ny fanevan’ i Kristy teo amin’ ireo rindrin’ ireo manda fiarovana izay notanan’ Ilay fahavalo hatreo. Ireo anjely dia nanakambana ny feon’ izy ireo tamin’ ny feon’ ireo miaramila.
« Nony ela, ny fandresena dia nanisy satro-boninahitra tamin’ ny ezaka nataon’ izy ireo. Ilay tafika izay nilahatra teo ambany fifehezan’ ilay faneva izay misy ny soratra hoe: « Ireo didin’Andrimanitra sy ny finoan’ i Jesosy dia nandresy tamim-boninahitra. » Témoignages pour l’ église, vol 3, pp. 263, 264
« ‘Le dragon fut irrité contre la femme et il s’en alla faire la guerre aux restes de sa postérité, à ceux qui gardent les commandements de Dieu et qui ont le témoignage de Jésus.’ (Apocalypse 12:17.)Apokalipsy 12 : 17. Ireo teny ireo dia ho tanteraka tsy ho ela ary etsy andaniny kosa, ireo fiangonanana protestanta dia hikambana amin’ izao tontolo izao sy amin’ ireo herin’ ny fanjakan’ ny Papa hanohitra an’ ireo zanak’ Andrimanitra ireo izay mitandrina an’ ireo didin’ Andrimanitra. Ilay saina izay mpanara-dia an’ i Papa tamin’ ireo taonjato lasa ihany no hanosika an’ ireo protestanta hanao fihetsika mitovy amin’ ireo mpanaradia an’ i papa ireo mba hanohitra an’ ireo izay mahatoky tsy mivadika amin’ Andriamanitra. » Témoignages pour l’ église, vol 2, p. 177

3-Iza moa ilay mpiandraiki-draharahan’ ilay fahavalo izay hiady amin’ ireo zanaka sisa avy amin’ ilay taranaky ny vehivavy? Apokalipsy 13 : 1-3


“Ao amin’ ny toko faha-13 (andiny 1-10) dia misy bibidia hafa aseho “tahaka ny leoparda” , izay nomen’ ny dragona (ny heriny sy ny seza fiandrianany ary ny fahefana lehibe) io tandidona io, araka ny finoan’ ny akamaroan’ ny protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly, izay nisolo toerana ny hery sy ny seza fiandrianany ary ny fahefana efa
notanan’ ny fanjakana romana fahiny. Izao no filazana ilay bibidia tahaka ny leoparda “dia nomena vava miteny zava-mihoam-papana sy fitenenan-dratsy izy… ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia niteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. Ary navela hiady tamin’ ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy”. Io faminaniana io, izay misy hitovizana betsaka amin’ ilay filazana ilay tandroka kely ao amin’ ny Daniela 7, dia tsy misy ad-ihevitra fa manondro ny fahefana papaly. » -Hery mifanandrina, pp. 452-453






4-Inona ihany koa ilay zavatra iray hafa izay hanampy ny dragona sy ny fanjakan’ ny papa hiady hanohitra ny zanaka sisa? Apokalipsy 13: 11, 12



“Fa ilay bibidia nana-tandroka tahaka an’ ilay zanak’ ondry kosa dia niakatra avy tamin’ ny tany. Tsy mba nandresy fahefana hafa mba hiorenany io firenena aseho toy izany io. Fa tsy maintsy mipoitra avy amin’ ny fari-tany tsy nisy mponina teo aloha ary nitombo niandalana sy tamim-piadanana. Noho izany dia tsy nety ho niseho avy tamin’ ireo firenena be olona sy nahery nifandramatra teo amin’ ny faritr’ izao tontolo izao tranainy izany (Eoropa) – izay ranomasina misamboaravoaran’ ny olona sy vahoaka betsaka, sy firenena ary samihafa fiteny. Tsy maintsy any amin’ ny zara-tany andrefana no ahitana izany.
“Iza no firenena tany amin’ ny kaontinanta vaovao (Amerika) izay nisandratra ho amin’ ny hery tamin’ ny taona 1798, ka nampanantena hery sy fahalehibiazana, ary nahasarika ny fijerin’ izao tontolo izao? Tsy mety misy adi-hevitra ny fampiharana ny tandindona. Firenena iray dia iray ihany no mahafeno ny fepetra lazain’ io faminaniana io; tsy misy isalasalana fa manondro ny Etazonia any Amerika izany.” - Hery mifanandrina, p. 454

5-Inona no mahaforona ny atao hoe zanaka sisa avy amin’ ilay taranaky ny vehivavy izay hahatohitra an’ ilay dragona sy hahatohitra ny fanjakan’ ny papa, hahatohitra ilay biby izay manana tandroka mitovy amin’ ireo tandroky ny zanak’ ondry? Inona no hataon’ ny fanjakan’ ny papa sy ny fanjakana Amerikana eo amin’ ilay hanoherana ireo zanaka sisa? Apokalipsy 14: 1; 13: 12-14

« Jaona dia nahita ny fiangonana manao ady mahafaty manohitra ilay bibidia sy ny sariny, ary amin’ io ady io dia terena hiankohoka amin’ ilay bibidia raha tsy izany dia vonoina ho faty. Kanefa moa eny lavidavitra eny, ambadiky ny setroka sy ny tabataban’ ny ady, Jaona dia nahita fa niaraka tamin’ Ilay zanak’ Ondry teo  amin’ ny tendrombohitr’ i Ziona dia nisy vondron’ olona maromaro izay nisy ny ‘anaran’ ny Ray’ nisoratra teo amin’ ny handrin’ izy ireo, ho solon’ ny mariky ny bibidia (Apokalipsy 14 : 1). Rehefa avy eo dia nibanjina an’ ireo izay naharesy ilay bibidia sy ny sariny ary ny isa izay manondro ny anarany, nijoro teo amin’ ilay ranomasina fitaratra mihazona ny lokangan’ Andriamanitra, sady mihira ny hiran’ i Mosesy sy ny Zanak’Ondry. »-Témoignages pour l’ église, vol 2, pp. 408, 409
“Ambaran’ ny faminaniana ao amin’ ny Apokalipsy faha -13 fa ny fahefana asehon’ ilay bibidia “nanan-tandroka roa toy ny an’ ny zanak’ ondry dia handidy” ny tany mbamin’izay monina eo hiankohoka eo anoloan’ ny fahefana papaly, izay aseho an’ ohatra eto ny bibidia « tahaka ny leoparda ». Ilay bibidia manan-tandroka roa koa dia milaza «amin’ izay monina ambonin’ ny tany mba hanao sary ho an’ ny bibidia »; ankoatran’ izany dia handidy ny olona rehetra izy, na kely na lehibe, na ny manan-karena na malahelo na ny tsy andevo na ny andevo, handray ny mariky ny bibidia ». Efa nolazaina fa Etazonia no asehon’ ilay bibidia manan-tandroka roa  tahakan’ ny an’ ny zanak’ ondry, ary hotanteraka io faminaniana io rehefa hanamafy ny fitandremana ny Alahady i Etazonia, izay lazain’ i Roma fa fanekena manokana ny fahefana fara-tampony ananany. » - Hery mifanandrina, p. 603

6-Inona no hajoron’ ny fanjakana Amerikana mifandray amin’ ny raharahan’ ny fanjakan’ ny papa? Vokatr’ izany, ahoana no fomba handalovan’ ireo zanaka sisa ao anatin’ ny fitsapana? Apokalipsy 13: 12, 14

 
“Ambaran’ ny faminaniana ao amin’ ny Apokalipsy faha -13 fa ny fahefana asehon’ ilay bibidia “nanan-tandroka roa toy ny an’ ny zanak’ ondry dia handidy” ny tany mbamin’izay monina eo hiankohoka eo anoloan’ ny fahefana papaly, izay aseho an’ ohatra eto ny bibidia « tahaka ny leoparda ». Ilay bibidia manan- tandroka roa koa dia milaza «amin’ izay monina ambonin’ ny tany mba hanao sary ho an’ ny bibidia »; ankoatran’ izany dia handidy ny olona rehetra izy, na kely na lehibe, na ny manan-karena na malahelo na ny tsy andevo na ny andevo, handray ny mariky ny bibidia ». Efa nolazaina fa Etazonia no asehon’ ilay bibidia manan-tandroka roa  tahakan’ ny an’ ny zanak’ ondry, ary hotanteraka io faminaniana io rehefa hanamafy ny fitandremana ny Alahady i Etazonia, izay lazain’ i Roma fa fanekena manokana ny fahefana fara-tampony ananany. » - Hery mifanandrina, p. 603

FIOMANANA

7-Ny fanjakana Amerikanina dia naorina tamin’ny fiangonana tsy nisy papa sy fitondram-panjakana tsy nisy mpanjaka, ka noho izany, dia nisy elanelana mandrakariva teo amin’io firenena io sy ny fitondram-panjakan’I papa. Inona anefa no nampiova izany rehefa nanao fifandraisana ara-panjakana tamin’ i Vatican ny firenena Amerikana tamin’ ny 7 marsa 1984? Apokalipsy 13: 3

« Tamin’ ny alalan’ ny didy iray izay nanamafy ny fiorenan’ ny fanjakan’ ny papa, izay fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, nisaraka tanteraka amin’ ny fahamarinana i Amerika. Rehefa miezaka ny hifanatona amin’ ny fahefana romana sy ny fanompoana avelo ny fivavahana protestanta, rehefa manjera ny fitsipika tsirairay ao amin’ ny lalàm-panorenany amin’ ny maha fitondram-panjakana protestanta repoblikana azy i Amerika, satria poretin’ io fahamarinana io, dia hanapariaka an’ ireo fahadisoan-kevitra sy ireo fitaka ataon’ ny fiton-dram-panjakan’ ny papa, rehefa izany no miseho dia ho fantantsika fa tonga ny fotoana izay hanaovan’ i Satana famantarana sy fahagagana maro ary ho fantantsika fa efa akaiky ny farany. » Témoignages pour l’ église, vol 2, p. 179

8-Inona no fandaminan-javatra ampiasain’ ny Tompo mba hanomanana an’ ireo zanaka sisa izay mahatoky mba ho afaka hanohitra ilay bibidia sy ny sariny? Malakia 3: 3; Daniela 12: 10.

“Nisy asa fanavotana lehibe tsy maintsy natao mba hanomanana vahoaka hijoro amin’ ny andron’ Andriamanitra fa maro ireo milaza ny tenany ho vahoakany no tsy nanorina ho an’ ny mandrakizay, ka noho ny famindrampony dia efa handefa hafatra fampitandremana Izy mba hamoha azy ireo amin’ ny fahavarianany ary hitarika azy mba ho vonona amin’ ny fiavian’ ny Tompo.
Aseho ao amin’ ny Apokalipsy 14 io hafatra fampitandremana io. Misy hafatra telo sosona ao izay lazaina fa torian’ ny anjely …”Hery mifanandrina, p 325

9-Araka ny drafi-panavotana, inona ilay faminaniana izay tanteraka tamin’ ny taona 1844? Daniela 8: 14; 7: 9, 10; II Korintianina 7: 1


« Tamin’ ny taona 1844, Ilay Mpisoronabentsika dia niditra tao amin’ ny efitra masina indrindra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra mba hanomboka ny fitsarana famotopotorana. Ny momba ireo kristiana efa maty dia efa nodinihana teo anatrehan’ Andriamanitra. Raha vantany vao vita io asa io dia eo amin’ ireo mbola velona no hanaovana ny fitsarana. Hatraiza re no fatran’ ny maha-sarobidy sy maha manan-danja ireo fahotana miezinezina ireo. Ny momba antsika tsirairay dia ho dinihana tsy ho ela intsony any amin’ ny fitsaran’ ny lanitra. Ny olona tsirairay dia ho tsaraina araka izay nataony tamin’ny fahavelomany. » Messages choisis, vol 1, p. 145
“… Rehefa misy manana fahotana tafajanona ao amin’ ilay boky firaketana tsy nibebahana sy tsy nahazoana famelan-keloka dia kosehina tsy ho ao amin’ ny bokin’ ny fiainana ny anarany ary vonoina tsy ho ao amin’ ny boky fitadidin’ Andriamanitra ny momban’ ny asa tsara ...” - Hery mifanadrina, p. 499

AVERINA HIANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA
.Ataovy ny lisitr’ ireo izay tafiditra ao anatin’ ilay fifanandrinana lehibe.
.Toy inona no azontsika iheverana ilay trangan-javatra manan-tantara rehefa nanao fifandraisana ara-panjakana tamin’ ny fitondram-panjakan’ I papa i Amerika?
 .Fanontaniana tokony apetraky ny tsirairay manokana: Moa ve aho efa voaomana ny hahatohitra ny fanenjehana ataon’ ilay bibidia sy ny sariny?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire