« Ary hitako fa indro nisy anjely iray koa,
nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana ny filazantsara hotoriana amin’ izay
monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy
hafa fiteny ary ny olona rehetra. »Apokalipsy 14: 6
HAFATRA AVY ANY AN-DANITRA
1-Hatraiza ny maha zava-dehibe an’ ireo hafatry ny
anjely telo? Apokalipsy 14: 6-12. Inona no fiarovana izay atolotr’ ireo hafatra
ireo ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny vanim-potoanan’ ny andro
farany?
« Naseho ahy ny ambaratongan-tohatra telo izay mitondra mankeo
amin’ ny tany marin-tampona anakiray, ary maneho an’ ireo hafatra telon’ ny
anjely telo. Ilay anjely izay nanatitra ahy dia niteny tamiko nanao hoe:
« loza ho an’ izay manaisotra na dia ampahany kely indrindra amin’ ireo
hafatra ireo aza. Ny tena hevitra marina fonosin’ ireo hafatra ireo dia tena
manan-danja lehibe indrindra izay iankinan’ ny aina. Ny anjara ho an’ ny
fanahin’ ny olona dia miankina amin’ ny fomba andraisana an’ ireo hafatra ireo.
« Nasaina indray mandeha koa aho mba handinika an’ ireo hafatra
ireo, ary hitako ny fahafoizana nataon’ ireo zanak’ Andrimanitra mba nahazoan’
izy ireo an’ ilay fanandramana. Olona maro tokoa no nahafantatra ny fizotran’
ny fahamarinana ao anatin’ ireo hafatry
ny anjely telo ka nandray ilay hafatra tamin-kafanam-po sy fifaliana ary
nanaraka an’ i Jesosy tamin’ ny alàlan’ ny finoany ilay fitoerana masina any
an-danitra. Ireo hafatra ireo dia naseho ahy toy ny vato fantsika ho an’ ireo
zanak’ Andriamanitra.
Ireo olona izay nahazo tsara an’ ireo hafatra ireo sy manaiky azy
ireo dia tsy ho voatampok’ ireo fitaka ataon’ i Satana. » Premiers écrits,
pp. 258, 259, 256.
2-Inona no antony mahatonga ny mpaminany miteny fa
isika dia tsy maintsy mahafantatra an’ ireo hafatry ny anjely telo? Matio 7: 26
« Olona maro tamin’ ireo izay nanaiky ny hafatry ny anjely fahatelo
no tsy nahafantatra ny fahatr’ ireo anjely roa voalohany. Satana dia nahalala
izany tsara: ny masony feno hasomparana dia miambina mihitsy mba handavoany azy
ireo. Kanefa moa ny anjely fahatelo dia nitarika ny mason’ izy ireo ho any
amin’ ny fitoerana masina any an-danitra, ary ireo izay nahafantatra ireo hafatra
roa voalohany dia nanoro tamin’ izy ireo ny fomba hahatongavana amin’ io
fitoerana masina any an-danitra io.
« Tamin’ izany fomba izany dia ireo izay tsy mba nahafantatra ny
hafatry ny anjely voalohany sy ny anjely faharoa no tsy maintsy mandray an’ ireo
fahazavana ilaina amin’ ny alàlan’ ireo izay nahalala an’ ireo hafatra
ireo. » Premiers écrits, pp. 256, 188.
3-Inona moa no hambaran’ ilay anjely voalohany?
Hazavao ny hifandraisan’ io hafatra io amin’ ny fihetsehana Advantista izay
notorian’ i William Miller fa Jesosy tsy hiverina indray eto ambonin’ ny tany
amin’ ny lohataonan’ ny 1844. Apokalipsy 10: 8, 9.
“Nomena an’ I
William Miller sy ireo mpiara-miasa taminy ny fitoriana ny hafatra
fampitandremana tany Amerika. Nanjary
foiben’ ilay fihetsehana lehibe momba ilay fiavian’ I Kristy fanindroany
io tany io…Niely hatraiza hatraiza ny hafatry ny filazantsara mandrakizay :
“Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy”.Nandaitra lalina tao
antsain’ ny vahoaka ny fanambarana ireo faminaniana izay toa nanondro ny
fiavian’ I Kristy ho amin’ ny lohataonan’ ny 1844.” - Hery mifanandrina, p. 382
FANANDRAMANA IRAY MAHATALANJONA
4-Tahaka ilay fanandramam-piainana nandalovan’ i
Jaona, inona no valiny nomena ho an’ ilay hafatra mikasika ny fiverenan’ i Jesosy
fanindroany, araka izay notorian’ i William Miller sy ireo mpiara-miasa aminy?
Apokalipsy 10: 8, 9; Jaona 3: 3-5.
« Ny fanambarana tsotra, mivantana ary mandresy lahatra amin’ ny
voalazan’ ny Soratra Masina miaraka amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia tsy
hay toherina. » Hery mifanandrina, p. 399.
Teo amin’ ireo toerana rehetra izay nitoriana ny hafatra dia
nampihetsim-po ny olona ny fahamarinana. Ireo mpanota dia nibebaka
tamin-dranomaso sady nivavaka mba hahazo famelan-keloka tamin’ ireo asa tsy marina
ary dodona nanohitra an’ ireo tsy fahamarinana araka izay azon’ izy ireo atao.
Ireo Ray aman-dreny dia nahatsapa fa feno fitandremana tsara eo
amin’ ny fikarakarana ny zanany. » Premiers écrits, pp. 232, 233.
“Ny fanambarana
tsotra sy mivantana avy tao amin’ ny Soratra Masina nampitoerin’ ny Fanahy
Masina tao am-po dia nitondra faharesen-dahatra mavesatra izay tsy vitsy no
afaka nanohitra izany tanteraka.” Hery
mifanandrina, p. 383.
5-Hatraiza ny halalin’ ny hitsim-po tao anatin’ ny
fibebahan’ ireo izay nanaiky ny fahamarinana rehefa nanakaiky ny 22 mars 1844?
Asan’ny Apostoly 3 : 19
“…
Tamim-paniriana miredareda tokoa no niandrasan’ ireo izay nandray ny hafatry ny fiavian’ ny Mpamonjy. Efa akaiky ilay fotoana nantenainy hihaonana Aminy.
Tamim-pahatoniana feno fanajana no nanantonany io ora io. Nitoetra teo amin’ ny
firaisana mamy tamin’ Andriamanitra izy santatry ny fiadanana ho azy izany
hiatrehany ny ho avy mamirapiratra. Tsy nisy izay nanandrana izany fanantenana
sy toky izany ho afaka hanadino ireo ora sarobidy niandrasany. Nandritran’ ny
herinandro vitsivitsy talohan’ ny fotoana dia najanony ny ankabeazan’ ny asa
aman-draharaha momba izao fiainana izao. Ireo mpino marina dia nandinika akaiky
ny eritreriny sy ny fihetseham-pony rehetra toy ny hafa ambavahoana ary ora
vitsy sisa tsy hikipian’ ny masony tsy hahita intsony ny eto an-tany.” - Hery
mifanandrina, p. 387
FIBEBAHANA SY FIAIKEN-KELOKA
6-Ahoana no hafahantsika manao fanandramana mitovy
amin’ ireo olona ireo ho antsika izay miaina aty amin’ ny taon-jato iray sy
tapany aty aoriana? Ezekiela 18: 30, Apokalipsy 3: 3, Matio 24: 42
« Kristy dia afaka mamonjy tanteraka ireo rehetra izay manatona Azy
amim-pinoana. Raha ohatra ka mamela an’ i Jesosy hiasa ao aminy izy dia hanadio
azy ho afaka amin’ ny fandringanana ny Tompo ; kanefa raha ohatra izy ka
mamikitra amin’ ny fahotany dia tsy ho voavonjy mihitsy satria ny fahamarinan’
i Kristy dia tsy mandrakotra ireo fahotana izay tsy nanaovana fibebehana
mihitsy. (MS 142, 1899)» Commentaires bibliques, p. 357.
“Tsy misy fibebahana tena izy ka tsy harahin’ ny asa fanavaozana. Ny
fahamarinan’ I Kristy akory tsy fitafiana fanao ivelany hanaronana ny fahotana
izay tsy tiana ny hiaiky azy sy hiala aminy: foto-kevitry ny fiainana izay
manova toetra amam-panahy sy mifehy ny fitondran-tena izany. Ny fahamasinana
dia fanoloran-tena manontolo ho an’ Andriamaitra; fileferana tanteraky ny fo sy
ny fiainana amin’ ny foto-kevitry ny lanitra izany.” - Fitiavana mandresy, p.
590
« Josia dia nanao asa fibebahana sy fanavaozana tena feno tokoa ary
dia neken’ Andriamanitra ny ezaka nataony. Tamin’ ny alàlan’ ny fanekena
miezinezina, ny vondron’ ny Isiraely manontolo dia nanolo-tena hitandrina ireo
didin’ i Jehovah. Izany ihany koa no adidintsika ankehitriny izao. Tsy maintsy
mibebaka ny amin’ ireo zava-dratsy rehetra nataontsika isika ka mitady an’
Andriamanitra amin’ ny fontsika rehetra. (RH 31/01/1888) » Commentaires
bibliques, p. 89
7-Raha ohatra isika ka mankafy ireo fahotana izay
mbola tsy nibebahantsika, moa ve afaka milaza isika fa manaiky ny hafatry ny
anjely voalohany? Salamo 66: 18; Jakoba 4: 8.
« Maty Jesosy mba hamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fahotana fa
tsy hamonjy azy ao anatin’ ny fahotany. Io olona io dia tsy maintsy mandao ireo
fahadisoana nataony, mitondra ny hazo fijalian’ i Kristy, mandà ny izaho ao
anaty ka mankato an’ Andriamanitra na toy inona na toy inona no vidin’
izany. » Témoignages pour l’église vol 1, p. 573
“Ny maha olona manontolo no mety ho simba noho ny fifindran’ ny fahotana
kely iray izay kolokoloina, na nohon’ ny fahazaran-dratsy iray izay miverina
foana.” - Fitiavana mandresy, p. 302
8-Nanangana ny tànany ankavanana ilay anjely fahatelo
sady nanondro tamin’ ireo olona masina ny làlana mankeo amin’ ny fitoerana
masina any an-danitra; ary dia nahita an’ i Jesosy tao amin’ ny efitra masina
indrindra. Amin’ izao fotoana izao, afaka miditra ao amin’ ny efitra masina
indrindra ve isika miaraka amin’ ireo fahotana izay mbola tsy nibebahantsika?
Levitikosy 21: 23
« Hitako ilay anjely fahatelo, ny sandriny mitsangana manondro ny
efitra masina indrindra tamin’ ireo izay tratran’ ny fahadisoam-panantenana.
Rehefa niditra tao amin’ ny efitra masina indrindra tamin’ ny alàlan’ ny
finoana izy ireo dia nahita an’ i Jesosy ary ny fanantenana sy ny fifaliana dia
tonga indray tao anatin’ izy ireo tao. Hitako fa ireo olona ireo dia nitodika
niverina tany aoriana. Nandinika ny lasa izy ireo nanomboka teo amin’ ny
fanambarana ny fiavian’ i Kristy
fanindroany hatreo amin’ ny ilay fanandramana izay nandalovan’ izy ireo
mikasika ny 1844. Hitany fa misy fanazavana ho azony ny amin’ ilay
fahadisoam-panantenana nahazo azy ireo, ary ny fifaliana sy ny fananana toky
dia tonga nankahery fo indray azy ireo. Ny anjely fahatelo dia nanazava ny lasa
sy ny ankehitriny ary ny ho avy, ary dia fantatr’ izy ireo tsy misy isalasalana
fa Andriamanitra dia nitarika azy ireo tamin’ ny fomba mahagaga sy feno
zava-miafina.
« Naseho ahy ihany koa ny fomba nataon’ ireo « sisa » teo
amin’ ireo zanak’ Andriamanitra, ny fanarahan’ izy ireo an’ i Jesosy tao amin’
ny efitra masina indrindra, ny fomba niheverany ny fiaran’ ny fanekena sy ny
rakom-panavotana satria izy ireo dia babon’ ireo zavatra roa ireo. »
Premiers écrits, p. 255.
HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA
.Manao ahoana moa ny fiheverana fa ny hafatry ny
anjely telo dia tsy loha-hevitra tokony ho dinihina sy ho hazavaina fotsiny fa
kosa, tena nanaovana fanandramana mihitsy?
.Inona ilay fanandramana izay nateraky ny hafatry ny
anjely voalohany tamin’ ny taon-jato faha-19?
.Fanontaniana ho an’ ny tena manokana: Moa ve aho efa
nanaiky ny hafatry ny anjely voalohany?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire