« Maro no hodiovina sy hofotsiana ary ho zahan-toetra ; fa ny
ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany ary tsy misy amin’ ny ratsy fanahy
hahafantatra fa ny hendry no hahafantatra. » Daniela 12 : 10
NY ANTONY NAHATONGA ILAY FAHADISOAM-PANANTENANA
1-Nahoana I William Miller sy ireo mpiara-miasa taminy
no tsy maintsy nihatrika fahadisoam-panantenana anankiroa lehibe? Inona moa
amin’ ny ankapobeny ilay hevitra diso nefa neken’ I William Miller? Apokalypsy
10:8-10
« Neken’ i Miller ny fomba fijerin’ ny besinimaro
izay nihevitra fa amin’ny andro Kristiana dia ny tany no fitoerana masina, noho
izany dia noraisiny ho fanadiovana ny tany amin’ ny afo amin’ ny fiavian’ i
Kristy fanindroany ny fanadiovana ny fitoerana masina nambara mialoha ao
amin’ny bokin’ i Daniela…
« Tamin’ ny nanazavany ny Daniela 8 : 14
manao hoe : “ telon-jato sy roa arivo andro ; rehefa afaka izany
dia hodiovina ny fitoerana masina”, dia noraisin’ i Miller ny hevitra neken’ ny
besinimaro araka ny voalaza fa ny tany no fitoerana masina, ary ninoany fa ny
fanadiovana ny fitoerana masina dia mampiseho
ny fanadiovana ny tany fa voalaza mazava mialoha ny fiafaran’ ny 2300
andro dia noraisiny ho fanambarana ny fotoanan’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany
izany. Ny fahadisoan-keviny dia noho ny nandraisany ny hevitry ny besinimaro
mikasika ny atao hoe fitoerana masina. » Hery mifanandrina, pp. 339, 366.
“Hitako fa ireo izay nanao fanoritsoritana ny fomba
hisehoan’ ny fandehan-javatra dia notarihin’ ny Tompo, ary tsy tokony novaina
io kajikajy io. Ny tànan’ ny Tompo no nanarona ireo zava-diso teo amin’ ireo
kajy sasan-tsasany hany ka tsy nisy olona na dia iray aza nahatsikaritra ireo
zava-diso ireo ambara-pahatongan’ ny fotoana izay nanesorany ny tànany.” Premiers écrits, p. 74.
2-Nahoana ny Tompo no namela an’ ireo zava-diso ireo
hiafina nandritran’ io halavam-potoana voafaritra manokana io ? Isaia
52 : 11 ; II Korintiana 11 : 2 ; Ohabolana 17 : 3
“Hitako ireo zanak’ Andriamanitra izay niandry
tamim-pifaliana ny fiavian’ ny Tompo sady niomana ho amin’ io trangan-javatra
io, Andriamanitra dia te hizaha toetra azy ireo, ny tànany dia nanakona
zava-diso iray izay teo amin’ ny fotoana nanaovana fikajiana an’ireo
vanim-potoana ara-paminaniana. Ireo izay
niandry ny Tompon’ izy ireo dia tsy nahita an’ io zavatra diso io. Ireo tena
mahay indrindra teo amin’ ireo izay nitsipaka ny fametrahana andro raikitra
hisehoan’io trangan-javatra io, dia tsy nahatsikaritra ihany koa an’io zavatra
diso io. Tian’andriamanitra ny vahoakany hiatrika fahadisoam-panantenana. Lasa
ny fotoana, ary tsy tonga ny Tompo. Rehefa izany, ireo izay niandry ilay trangan-javatra tamin-kafaliana
lehibe dia tonga nalahelo fatratra sy tena kivy. Ireo izay tsy tia ilay fisehoan’ny Mpamonjy kosa, fa nanaiky ilay
hafatra noho ny tahotra, dia tena sambatra tokoa satria tsy nipoitra io
fisehoana io tamin’ilay fotoana izay niandrasana izany. Ny fieken’ izy ireo fa
mpino dia tsy nahakasika ny fon’ ireo
ary tsy nahadio ny fiainany. Ny fahalasanan’ ilay andro izay napetraka ho
raikitra dia tena nety tsara mihitsy mba hisehoan’ ireo fihetseham-po marina
izay tao anatin’ izy ireo tao. Izy ireo no voalohany nanao ho fihomehezana an’
ireo kristiana izay ory sy diso fanantenana, izay tena tia marina ny fisehoan’
Ilay Mpampakatra Tompon’ izy ireo. Ary hitako ny fahendren’ Andriamanitra
tamin’ ny nizahany toetra ny vahoakany, ary tamin’ ny alalàn’ izany no
nanomezany ho an’ io vahoakany io ny fahaiza-mamanta-javatra hafahan’ izy ireo
mahafantatra ireo izay tratran’ ny fihemorana ka miverin-dàlana eo amin’ ny
fotoana misy fankam-panahy.” Premiers
écrits, pp. 235, 236.
HAFATRA SY FIOMANANA
3-Fomba ahoana ny niasan’ Andriamanitra tao anatin’ ny
fitondrany tamin’ ny alàlan’ ny toriteny nataon’ i Miller mikasika ilay
faminaniana? Moa ve isika vonona mandrakariva mba hahafantatra ireo asa ataon’
Andriamanitra amintsika? Isaia 55: 8, 9 ; Jaona 13 : 7
« Hitako ilay fahadisoam-panantenana nahazo an’
ireo izay feno fitokisana niandry ny Tompon’ izy ireo nefa tsy afaka nahita Azy
indray. Tao anatin’ ny fikasan’ Andriamanitra mihitsy ny nanafina ny ho avy sy
hitarika ny vahoakany handray fanapahan-kevitra. Raha nisy filazana andro
mazava tsara ny amin’ ny fiavian’ ny Tompo, dia tsy ho vita ilay asa notendren’
Andriamanitra … Noho izany dia nilaina ny olona ho voatarika hanao fiomanana eo
no ho eo mba ho amin’ io trangan-javatra io. » Premiers écrits, p. 246, 256
4-Inona ny fiomanana matotra izay notakiana tsy
maintsy ataon’ ny Mpisorona alohna’ ny ahafahany miditra ao main’ ny efitra
masina indrindra rehefa hanao an’ ilay fombam-pivavahana fanao isan-taona?
Inona no fantatra mikasika ny fanandramana nandalovan’ ireo mpino advantista
tao amin’ ny fiomanan’ izy ireo ho amin’ ny fihavian’ ny Tompo?
« Hoy Miller raha milaza ny amin’ io asa
io : “Tsy misy fanehoam-pifaliana be ; izany hoe, raha ny tena izy,
notehirizina ho amin’ ny fotoana aoriana izany, rehefa hiara-mifaly avokoa ny
lanitra sy ny tany amin’ ny haravoana tsy hay lazaina sy ny voninahitra
mitafotafo. Tsy misy horakoraka : izany koa dia atokana ho amin’ ny
horakoraka any an-danitra… Mangina ny mpihira : miandry ny hiara-miredona amin’
ny andian’ anjely izy, dia ireo antokom-pihira avy any an-danitra… tsy nisy
fihetseham-po nifandona fa samy niray fo sy saina avokoa ny rehetra…”
« Tamin’ ireo fihetsiketsehana ara-pivavaha hatramin’ ny andron’ ny
apostoly, dia ilay tamin’ ny fararanon’ ny 1844 no tena afaka indrindra tamin’
ny tsy fahatanterahan’ ny olombelona sy ny fandrik’ i Satana. Eny, fa na
ankehitriny aza, taona maro aty aoriana, izay rehetra nandray anjara tamin’
izany fehetsiketsehana izany ka nijoro tsy ho azo nohozongozonina teo amin’ ny
sehatry ny fahamarinana dia mbola mahatsapa ny hery masina niasa nangina avy tamin’ io asa feno fitahiana io ary
vavolombelon’ ny maha-avy tamin’ Andriamanitra izany. » Hery mifanandrina, p. 414, 415.
ILAY ANDRO FANAVOTANA
5-Inona ilay notakiana tamin’ ny Isiraely mba
handraisany ny fitahiana vokatry ny fanadiovana ny fitoerana masina? Hatraiza
ny fetra maha masina sy miezinezina indrindra an’ io andro io ho an’ ny
vahoaka? Levitikosy 23 : 27, 28.
« …Nibaiko ny hanaovana fanavotana ho an’ ireo
efitra roa masina ireo Andriamanitra. « Dia nanao fanavotana ho an’ ny
fitoerana masina izy noho ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely sy ny fahadisoany,
dia ny fahotany rehetra ; ary toy izany koa no hataony ho an’ ny trano lay
fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ ny fahalotoany. » Nisy koa
fanavotana atao ho an’ ny alitara, mba hodiovina sy hohamasinina ho afaka amin’
ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.
« …Ny olona tsirairay dia nasaina nampahory ny
fanahiny… ary ny fiangonan’ ny Isiraely manontolo dia nandany ilay andro tamin’
ny fanetren-tena nampangitakitaka teo anatrehan’ Andriamanitra,
nombam-pivavahana, fifadian-kanina, sy fandinihana lalina ny fo. » Hery mifanandrina, p 432, 433
« Tao amin’ ilay fombam-pivavahana
ara-tandindona, raha manao ilay asa
fanavotana tao amin’ ny efitra masina indrindra ny mpisoronabe, dia tsy maintsy
nampahory ny fanahiny teo anatrehan’ Andriamanitra ny vahoaka, tsy maintsy
niaiky ny fahotany, mba handray ny fanavotana sy ny fanakosehana ireo fahotany
izy ireo. » Messages choisis, vol
1, p. 145
6-Inona ilay efitra ao amin’ ny fitoerana masina any
an-danitra izay tondroin’ ny anjely fahatelo ? Aiza no hisarihana ny
vahoakan’ Andriamanitra ankehitriny ? Levitikosy 23 : 29 ;
10 : 1, 2 ; Filipiana 2 : 12b
« Hitako ilay anjely fahatelo nanandratra ny
sandriny nanondro ireo izay diso fanantenana ny amin’ ny efitra masina
indrindra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Rehefa niditra tao amin’
ny efitra masina indrindra tamin’ ny alàlan’ ny finoana izy ireo, dia nahita
an’ i Jesosy, ka dia tonga tamin’ izy ireo indray ny fanantenana sy ny
fifaliana.
« Maro tamin’ ireo izay nanaiky ny hafatry ny
anjely fahatelo no tsy nahafantatra ireo hafatra roa voalohany. Nahalala izany
tsara satana ; ny maso sompatr’ i Satana dia niambina azy ireo mba handavo
azy, kanefa moa ny anjely fahatelo dia nitarika ny fijerin’ izy ireo ho eo
amin’ ny efira masina indrindra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra,
ary ireo izay nahafantatra ny hafatra roa voalohany dia nanoro azy ireo ny
fomba hahatongavana eo amin’ io efitra masina io. Olona maro no niaiky ny
fifampitohizana lavorarin’ ny fahamarinana ao amin’ ireo hafatry ny anjely
telo. Ireo olona ireo dia nandray ireo hafatra ireo tamin-kafaliana araka ny
filaharan’ ireo hafatra ireo ary dia nanaraka an’ i Jesosy tao amin’ ny
fitoerana masina any an-danitra tamin’ ny alàlan’ ny finoana. » Premiers écrits, pp. 255, 256
7-Inona no fiomanana takiana ankehitriny amin’ izao
fotoanan’ ny fanavotana marina izay
ijoroan’ i Jesosy ao amin’ ny efitra masina indrindra any an-danitra izao ? Nomery 19 : 20.
« Tsy maintsy ilaina ny fiovam-po marina eo amin’
ireo izay milaza fa mino ny fahamarinana, mba hahatonga azy ireo hanaraka ny
sitrapon’ Andriamanitra, tsy hoe fanoavana ateraky ny zava-miseho tahaka ny
nataon’ ireo Isiraelita raiki-tahotra rehefa niseho tamin’ izy ireo ny herin’
Ilay tsy manam-petra, fa kosa fibebahana lalina sy amin’ ny fo mahitsy ary
fandaozana ny fahotana. » Testimonies
for the church, vol 4, p. 155
AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Fomba ahoana no nivoharan’ ny hafatra momba ny efitra masina ka
nahatonga io hafatra io ho antso ho amin’ ny fibebahana sy fifatorana marina
amin-kitsim-po sy hafanam-po amin’ ny fivavahana tao amin’ ny fampianarana
advantista ?
-Nahoana ny fanandramana natao tamin’ ny fanarahana ny hafatry ny anjely
faharoa dia tsy maintsy nilaina mba hafahana mahazo tsara ny amin’ ny andro
lehiben’ ny fanavotana sy ny asa ataon’ i Jesosy ao amin’ ny efitra masin
indrindra?
-Fanontaniana ho an’ ny tena manokana : moa ve izaho vonona hihaona
amin’ i Jesosy ao amin’ ny efitra masina indrindra ?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire